[{"id":1,"verses":[{"id":1,"translation":"Amin'ny anaran'i Allah,ilay Be indrafo,ilay Be fiantrana."},{"id":2,"translation":"Ny Dera sy ny Voninahitra rehetra dia ho an'Allah Ilay Tompon'izao tontolo izao."},{"id":3,"translation":"ilay Be Indrafo, ilay Be Fiantrana."},{"id":4,"translation":"Mpanjakan'ny andro fitsarana"},{"id":5,"translation":"Ianao irery ihany no tompoinay, ary Ianao irery ihany koa no angatahinay ny famonjena."},{"id":6,"translation":"Tariho mandrakariva amin'ny làlana mahitsy izahay."},{"id":7,"translation":"Dia làlan'ireo nomenao fahasoavana; fa tsy ny an'ireo izay niharan'ny fahatezerana na ireo very làlana."}]},{"id":2,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Indro ilay boky izay tsy isalasalana ny aminy, tari-dàlana ho an’ireo manampatahorana."},{"id":3,"translation":"Ireo izay mino ny tsy hitamaso, sy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), ka mahafoy mizara izay anjarampivelomana\nazony taminay."},{"id":4,"translation":"Ary ireo mino izay nampidinina taminao, sy izay nampidinina tany alohanao, ary mino tanteraka ihany koa ny fisian’ny fiainana\nany an-koatra."},{"id":5,"translation":"Izy ireo no mizotra amin’ny làla-marina avy amin’ny Tompon’izy ireo, ary izy ireo no nahazo ny fahombiazana."},{"id":6,"translation":"Ireo tsy nino kosa dia sahala ihany na hampitandrina azy ireny ianao na tsia, dia tsy hino na oviana na oviana izy ireo."},{"id":7,"translation":"Efa nakaton’Allah ny fo sy ny sofin’izy ireo, tsy hino sy tsy handre; ary efa misy takona ny masony. Ka famaizana lehibe no miandry azy ireo."},{"id":8,"translation":"Misy ny sasany amin’ireo olombelona no milaza fa : “Izahay dia mino an’Allah sy ny andro farany”, kanefa izy ireny dia tsy mino akory."},{"id":9,"translation":"Mihevitra ny hamitaka an’Allah sy ireo mpino izy ireny, kanefa tsy mahavoafitaka afa-tsy ny tenany ihany; fa saingy tsy tsapany izany."},{"id":10,"translation":"Misy aretina mitoetra ao am-pon’izy ireo, ary vao mainka ampitomboin’Allah izany aretina izany. Koa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana tamin’ny lainga nataony."},{"id":11,"translation":"Raha ilazana izy ireo hoe : “Aza manao fanimbana ety ambonin’ny tany ianareo”, dia toy izao ny valinteniny : “Mpamboatra ny simba fotsiny ihany izahay”."},{"id":12,"translation":"Moa va tsy izy ireny indrindra no tena manao ny fanimbana, fa saingy tsy tsapany izany."},{"id":13,"translation":"Ary raha tenenina izy ireo fa hoe : ” Minoa Ianareo tahaka ny finoan’olona rehetra izay nino ”, dia hoy izy ireo indray mamaly ka manao hoe : ” Izahay ve hino tahakan'izay ninoan’ireo olona kely saina ireo ? ” ka moa va tsy izy ireo mihitsy no tena kely saina; saingy tsy fatan'izy ireo akory izany."},{"id":14,"translation":"Ary rehefa mifanena amin’ireo olona mpino izy ireo, dia milaza hoe : “Mino izahay”; saingy rehefa any an-takonana miaraka amin’ireo satana namany izy, dia manamafy fa : “Izahay dia tena miaraka aminareo; fa vazivazy fotsiny no ataonay”."},{"id":15,"translation":"Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny fihoaram-pefy fanaony, ka hizotra hatrany amin’ny fahaverezany izy ireo."},{"id":16,"translation":"Ireo olona ireo no nividy ny fahaverezana tamin’ny làlamarina; kanefa dia tsy namokatra ny raharaham-barotra nataony, no sady tsy nizotra tamin'ny làla-marina."},{"id":17,"translation":"Izy ireny dia mitovy tahaka ny olona iray izay nandrehitra afo; ka rehefa nampazava ny manodidina azy izany afo izany dia nesorin'i Tompo Allah ny hazavana teo amin'izy ireo ary navelany tao anaty haizim-pito tsy mahita na inona na inona intsony izy ireo"},{"id":18,"translation":"Marenina, moana, ary jamba tokoa izy ireo; ka tsy hafaka miverin-dàlana intsony."},{"id":19,"translation":"Na tahaka ny ora-mikija avy any an-danitra, izay arahin’ny haizina mikitroka sy kotro-baratra ary tselatra, ka manampin-tsofina amin’ny rantsan-tanany noho ny hamafisany kotro-baratra izy ireo satria matahotra ny fahafatesana, ary i Tompo Allah dia mahafehy tanteraka ireo tsy manam-pinoana"},{"id":20,"translation":"Saika nopahon’ny tselatra ny mason’izy ireo, ka isaka ny manazava azy izy, dia manararaotra mamindra ao anatin’izany izy, ary isaka ny miverina eo aminy indray ny haizina, dia mijanona izy. Ary raha sitrak’Allah, dia azony nofoanana tanteraka teo amin’ny fiainany manontolo ny fandrenesana sy ny fahiratan’izy ireo."},{"id":21,"translation":"Ry zanak'olombelona ! aoka Tompoinareo ny Tomponareo izay nahary anareo sy ireo rehetra izay talohanareo ka avy amin'izany no mba hanananareo ny fahatahorana."},{"id":22,"translation":"Izy no Ilay nanao ny tany ho fandriana ho anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka nampamoa ny ampahany amin’ireo voankazo isankarazany mba ho anjara fivelomanareo. Noho izany, dia aza ataonareo ho misy mitovy Aminy i Allah, fa efa fantatrareo rahateo izany."},{"id":23,"translation":"Fa raha misalasala ny amin’izay nampidininay tamin’ny كpanomponay kosa ianareo, dia mba mamorona antokontsoratra (Sourat) mitovy aminy ary antsoy aty ireo vavolombelonareo (ireo sampy) izay tompoinareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo."},{"id":24,"translation":"Fa raha tsy nataonareo izany, nefa moa ianareo tsy hahatanteraka izany rahateo, dia aoka ianareo hatahotra ilay afobe izay ny olombelona sy ny vato no ho kitay fandrehitra ao aminy, afo izay voahomana sahady ho an’ireo tsy mpino."},{"id":25,"translation":"Ilazao ny vaovao mahafaly kosa ireo izay nino sy nanao asa soa fa azy ireo ny Paradisa izay ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny; isaka ny handrosoana voankazo iray avy ao amin’ny Paradisa izy ireo dia hiloa-bava hoe : “Ity ilay naroso anay fahiny”. Kanefa dia zavatra mitovitovy amin’izay voalazany ihany no haroso azy; ary hanana vady kanto madio izy ireo, eny! Hitoetra ao mandrakizay izy."},{"id":26,"translation":"Tena marina fa Allah dia tsy menatra amin’ny fanoharana izay ataony; na amin’ny moka izany, eny fa na izay kely noho izy aza; fa ireo mpino, dia mahafantatra tsara, fa fahamarinana avy amin’ny Tompony izany; ary ireo tsy mpino kosa, dia manontany tena hoe : “Inona no tian’Allah hahatongavana amin’izao fanoharana lazainy izao?”. Amin’izany àry dia ho maro ireo diso-làlana, ary amin’izany ihany koa no hitarihany ny olona maro amin’ny làla-marina, fa tsy hisy ho diso-làlana ny amin’izany afa-tsy ireo ratsy fanahy."},{"id":27,"translation":"Ireo izay manafoana ny fanekena amin’Allah taorian’ny fankatoavana izany, sy nanafoana izay nodidin’Allah ifamatorana, ary ireo izay manimba fiarahamonina ety ambonin’ny tany; izy ireo no tena maty antoka."},{"id":28,"translation":"Ka dia ahoana ianareo no tsy mino an’i Tompo Allah, kanefa tsy nanana aina sy fivelomana ianareo teo taloha dia novelominy, avy eo dia mbola hataony ho faty, ary mbola hovelominy indray mandeha ihany koa, ary avy eo dia any Aminy no hiverenanareo sy hiafaranareo ?"},{"id":29,"translation":"Izy ilay nahary ho anareo izay rehetra misy eto an-tany, ary avy eo dia nihazo ny lanitra ka nanao izany ho lanitra fito sosona. ary Izy dia mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra."},{"id":30,"translation":"Raha nanao fanambarana tamin’ireo Anjely ny Tomponao, dia hoy Izy hoe : “Hametraka olona mpandimby raharaha (khalifa) eny ambonin’ny tany tokoa Aho”, dia namaly Azy ireo Anjely hoe : “Sitrakao ve ny hampisy olona hanao fanimbana sy hampandriaka ny rà eny ambonin’ny tany, kanefa dia eto izahay mihoby sy midera ary manamasina Anao?”, hoy Izy namaly azy ireo hoe : “Lazaiko marina aminareo fa Izaho (Allah) dia mahay izay tsy fantatrareo”."},{"id":31,"translation":"Nampianariny an’i Adama avokoa ireo anarana rehetra, avy eo dia nasehony ny Anjely izy ireo, ka hoy Izy nanao hoe : “Ambarao Ahy ny anaran’izy ireo, raha toa ka marina izay voalazanareo!”"},{"id":32,"translation":"Dia niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : ” Voninahitra anie ho Anao, tena tsy manam-pahalalàna mihitsy izahay afa-tsy izay efa nampianarinao anay ihany no fantatranay; ary Ianao tokoa no ilay Be fahalalana, sy ilay Be fahendrena."},{"id":33,"translation":"Dia hoy Izy : “Ry Adama! Ampahafantaro azy ireo ny anaran’izy ireo ; ka nony nampahafantarin’i Adama ireo anjely ny anaran’izy ireo, dia hoy Izy (Allah) nilaza : “Tsy efa nambarako taminareo ve, fa Izaho no mahalala ny zavamiafin’ny lanitra sy ny tany, ary mahalala ihany koa izay rehetra ahariharinareo sy izay rehetra afeninareo?”"},{"id":34,"translation":"Ary raha nolazainay tamin’ireo Anjely : “Miankohofa avokoa ianareo eo amin’i Adama”, dia niankohoka avy hatrany izy rehetra afa-tsy iblis (satana) izay nandà, no sady nanambony tena ary voasokajy ho isan(reo tsy mpino."},{"id":35,"translation":"Ary dia nolazainay : “Ry Adama! Mitoera ao amin’ny Paradisa ianao sy ny vadinao, ary mihinàna amim-piadanana araka ny sitraponareo izay rehetra ao aminy; kanefa aza manakaiky kosa ity hazo iray ity ianareo roa, fa raha tsy izany, dia ho lasa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianareo”."},{"id":36,"translation":"Nofitahin’i satana tamin’i lay voankazo iny izy roa, ka dia navoakan’Allah tao amin’ny toerana nametrahany azy. Ka hoy Izy (Allah) : “Midina ianareo, ny andaniny aminareo ihany no ho fahavalon’ny ankilany. Fa ianareo kosa dia hanana toerana sy vatsy sahaza ny vanim-potoana rehetra eny ambonin’ny tany”."},{"id":37,"translation":"Ary naharay teny (entina mibebaka) avy tamin’ny Tompony i Mpaminany Adama (A.s) ka nekeny Tompo Allah ny fibebahana izay nataony, fa tena marina fa Izy ilay Mpamela heloka sy ilay be Fiantrana."},{"id":38,"translation":"Noteneninay indray hoe : “Midina miala avy ao daholo ianareo rehetra! Fa ho tonga aminareo ilay tari-dàlana avy Amiko, ka izay manaraka ny tari-dàlana avy Amiko, dia tsy hatahotra na halahelo."},{"id":39,"translation":"Fa ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay kosa, dia izy ireo no lazaina fa olon'ny Afo-be izay hitoetra ao mandrakizay."},{"id":40,"translation":"Ry zanak'Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay efa nanasoavako anareo,ary tanterahinareo ny fifanekena nataonareo tamiko dia ho tanterahiko avokoa ny fifanekena izay nataoko taminareo, ary Izaho irery ihany no tokony hatahoranareo."},{"id":41,"translation":"Ary aoka ianareo mba hino an'izay rehetraa nampidiniko,izay manamarina ny efa eo am-pelatananareo avokoa izany; ary aoka tsy ianareo no voalohany hitsipaka izany. Ary aza atakalonareo vidiny harena kely dia kely ny fanambarako; ary aoka Izaho irery ihany no hanananareo fahatahorana."},{"id":42,"translation":"Ary aoka mba aza saromanareo fahadisoana ny fahamarinana ary aza afeninareo ihany koa ny marina, eo anatrehan'ny fahafantaranareo an' izany rehetra izany."},{"id":43,"translation":"Ary atsanganinareo ny Soalat (fanompoam-pivavahana), ary avoahinareo ihany koa ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ary miondreha ianareo miaraka amin’ireo rehetra izay mpiondrika."},{"id":44,"translation":"Ka lasa maniraka ny olona hanao ny tsara ve ianareo, nefa manadino ny tenanareo; ianareo anefa mamaky ny Boky masina Koroany ? ! ka tsy dia mba mieritreritra akory ve ianareo ? !"},{"id":45,"translation":"Ary mitadiava fanampiana amin'ny alàlan'ny fiaretana sy ny fanaovana ny fanompom-pivavahana Soalat ianareo; ary izy io tena tokoa afa-tsy amin'ireo olona mpanetry tena ihany."},{"id":46,"translation":"Ireo izay mino fa mbola hifanena tokoa amin'ny Tompon'izy ireo i ( Tompo Allah ), ary tena mbola hiverina any Aminy marina tokoa."},{"id":47,"translation":"Ry zanak’Israely ! aoka mba ho tsarovinareo mandrakariva ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao."},{"id":48,"translation":"Ary aoka ianareo hatahotra ilay andro iray izay tsy misy olona hanome ny valisoany ho an’olon-kafa; sy tsy hanekena mihitsy ny fanelanelanana; ary tsy handraisana intsony ny fanambazana omeny, ary tsy ho vonjena izy ireo."},{"id":49,"translation":"Ary mba tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo avokoa ny tendan'ireo zanakalahinareo ary navelan'izy ireo velona kosa ireo zanaka vavinareo ny mba hanaovany izay tiany hatao amin'izy ireny, ary izany rehetra izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo."},{"id":50,"translation":"Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka nahafahanareo niampita, ary navotanay araka izany ianareo, fa narendrikay kosa ireo olon’i Faraona, nibaribary teo imasonareo izany rehetra izany."},{"id":51,"translation":"Ary tsarovy ihany koa raha nanome fotoana an'i Moussa (A.S) nandritra ny efa-polo alina Izahay, tamin’ izany no namoronanareo sariomby (natao sampy hotompoina) nandritra ny fotoana tsy nahateo azy, noho izany dia tonga isan’ny olona mpanao ny tsy rariny ianareo."},{"id":52,"translation":"Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka."},{"id":53,"translation":"Ary tsarovinareo, raha nampita ilay boky tamin’i Moussa Izahay, sy ilay takelam-panavahana, dia ny mba hizoranareo amin’ny làla-marina."},{"id":54,"translation":"Ary tsarovinareo, raha nananatra ny vahoakany i Moussa : “Ry vahoakako! Tena nanao ny tsy rariny teo amin’ny tenanareo tokoa ianareo raha namorona sariomby natao sampy hotompoina. Ka ndeha miverena amin’Ilay Mpahary anareo; ary ataovy sorona ny ainareo, izany no tsara aminareo eo anatrehan’Ilay Mpahary anareo”; ka hahatonga Azy hamela heloka anareo. Hamafisina, fa Izy tokoa no Ilay Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo."},{"id":55,"translation":"Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : \" Ry Moussa ! Tsy hino anao velively izahay raha tsy efa mahita an’i Allah mibaribary \". Ka naripak'ilay varatra ianareo, ary nijery fotsiny teo."},{"id":56,"translation":"Dia novelominay ianareo taorian’ny fahafatesanareo, mba hahatonga anareo hankasitraka."},{"id":57,"translation":"Ary nalofanay tamin'ny rahona ianareo, narotsakay teo aminareo ny mana sy ny saloa (karazam-borona mitovy amin'ny papelika); (ary hoy Izahay taminareo hoe) : \" Mihinàna ianareo amin'ireo tsara izay nomenay anareo \". ka tsy Izahay no voan'ny tsy rariny nataon'izy ireo fa ny tenan'izy ireo ihany no nanaovan'izy ireo ny tsy rariny."},{"id":58,"translation":"Ary tsarovinareo raha niteny izahay hoe : ” Midira amin’io tanàna io ianareo, ka mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo. Ary midira ny varavarana am-piankohofana ianareo sady mitenena hoe : \" Fafao ny fahotanay \"; fa havelanay ireo fahotana vitanareo; ary hampitomboinay ny fahasoavan'ireo mpanao soa."},{"id":59,"translation":"Saingy navadik’ireo mpanao ny tsy rariny ho teny hafa ankoatran'ny nolazaina tamin'izy ireo izany; ka nampidinanay sazy avy tany an-danitra ireo izay nanao ny tsy rariny, noho ny tsy fanarahan'izy ireo ny didinay."},{"id":60,"translation":"Ary tsarovinareo raha nangataka rano ho an'ny vahoakany i Moussa, dia niteny (taminy) Izahay hoe :\" Kapohy amin'ny tehinao ilay vato \", dia nisy loharano roa ambin'ny folo avy hatrany niboiboika avy tamin'izany. Samy efa nahafantatra ny toerana fisotroany avy ny foko tsirairay. Mihinàna sy misotroa amin'ny anjara nomen'i Allah ianareo; fa aza manao ho mpanakorontana eto ambonin'ny tany."},{"id":61,"translation":"Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : ” Ry Moussa ! Tsy afaka ny hiaritra amin'ny sakafo tokana intsony izahay; ka mangataha ho anay amin'ny Tomponao ianao mba hamoahany amin'ireo vokatry ny tany izahay, toy ny anana, ny kitsaotsao (kôkômbra), ny voamaina, sy ny voanemba ary ny tongolo \" Dia hoy izy (Moussa) hoe : \" ilainareo hatakalo an'izay ambany kokoa ve ilay tena tsara ? Midina àry amin'izay tanana tianareo aleha,fa ho azonareo tokoa izay nangatahinareo.ka nianjadian'ny fahambaniana sy fahantrana izy ireo,ary nianjeran'ny hatezerana avy tamin'i Allah. Izany dia noho izy ireo nandà ireo famantaran'i Allah sy namono tsy amin'ny rariny ireo mpaminany Izany dia vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna nataon'izy ireo."},{"id":62,"translation":"Tena marina fa ireo izay nino, ary ireo (vahoaka tany aloha) izay nanaraka ny jodaisma sy ny kristianina ary ny sabeana, izay nino an'i Allah sy ny Andro farany ary nanao asa soa, dia hahazo ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony avokoa izy ireo, ary tsy hanana tahotra no tsy halahelo."},{"id":63,"translation":"Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay ary nampiakarinay teo amboninareo ny tendrombohitra Toor hoe : \" Tazoninareo mafy izay nomenay anareo ary tsarovinareo hatrany izay voarakitra ao anatiny mba hahatonga ianareo ho lasa vontompinoana \" ."},{"id":64,"translation":"Ary dia nivadika indray ianareo taorian'izany, ka raha tsy ny fahasoavan'i Allah taminareo sy ny indrafony dia efa lasa anisan'ireo maty antoka tokoa ianareo."},{"id":65,"translation":"Ary efa fantatrareo ny nahazo an'ireo izay nandika fady taminareo ny amin'ny Sabata; ka hoy Izahay tamin'izy ireo hoe : \" Manjaria rajako mahatsiravina ianareo \"."},{"id":66,"translation":"Ka nataonay ho lesona ho an'ireo manodidina azy ireo sy ho an'ireo taranaka aty aoriana izany, ary ho fananarana ho an'ireo manam-pahatahorana."},{"id":67,"translation":"Ary tsarovinareo raha niteny tamin'ny vahoakany i Mpaminany Moussa hoe : \" Tena marina fa Allah dia mandidy anareo hanao sorona ombivavy iray \". dia hoy izy ireo hoe : \" Raisinao ho vazivazy ve izahay \". dia nilaza izy hoe : \" Allah anie hiaro ahy tsy ho anisan'ireo olona tsy mahalala \"."},{"id":68,"translation":"Dia niteny izy ireo hoe : \" Angataho ny Tomponao mba hanazava aminay hoe tahaka ny ahoana ilay izy (ombivavy) ? dia hoy izy hoe :\" Tena marina izao no nolazainy: izy io dia mila ombivavy tsy antitra no tsy kely loatra fa eo anivon'izany \". ka ataovinareo izay nanirahana anareo."},{"id":69,"translation":"Niteny indray izy ireo hoe : \" Angataho ny Tomponao mba hamaritra aminay ny lokon'ilay ombivavy \". dia hoy izy hoe : \" Izao indrindra no nambarany : mila ombivavy miloko mavo mamirapiratra izany, ka mahafinaritra izay mijery azy \"."},{"id":70,"translation":"Niteny indray izy ireo hoe : \" Angataho ny Tomponao mba hanazava bebe kokoa aminay hoe tahaka ny ahoana tsara ilay izy (ombivavy); fa tena mbola mitovitovy ihany aminay ireo ombivavy ireo; ary raha sitrak'i Allah dia ho voatarika amin'izay tena izy tokoa izahay \"."},{"id":71,"translation":"Namaly azy ireo Moussa : “Hamafisina fa, araka ny baikon’Allah, dia tsy maintsy ombivavy tsy mbola nampiasaina teo amin’ny famadiana bainga na teo amin’ny fanondrahana tanimboly, tsy manan-kilema ary miloko ranoray (tokam-bolo) izany”. Dia hoy izy ireo : “Izao ianao vao namosaka ny fahamarinana”. Ary dia nolentain’izy ireo taorian’izany tokoa ilay ombivavy na dia tsy narisika loatra ny nanao izany aza izy ireo."},{"id":72,"translation":"Ary tsarovinareo raha namono olona ianareo, ka nifanilika ny amin'izay nahavanona izany loza izany; ary Allah kosa dia namoaka izay nafeninareo."},{"id":73,"translation":"Ka niteny izahay hoe : \" Kapohinareo amin'ilay maty ny ampahan'ilay ombivavy\". Toy izany no hameloman'Allah ireo maty, ary mampiseho anareo ireo famantarany Izy, mba hahatonga saina anareo."},{"id":74,"translation":"Avy eo dia lasa mafy ny fonareo taorian’izany, ka lasa nitovy amin'ny vato izany na mafy kokoa noho izany aza; satria misy amin'ireo vato no ipoiran'ireo renirano; ary misy amin'izy ireo no mitresaka ka ivoahan'ny rano; ary misy amin'izy ireo no mihotsaka noho ny fahatahorana an'i Allah. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo."},{"id":75,"translation":"Manantena ve ianareo fa hino anareo izy ireo ? Nefa efa nisy andian'olona tamin'izy ireo no naheno ny tenin'i Allah, kanefa novan'izy ireo avy teo ny hevitr'izany taorian'ny fahazoan'izy ireo tsara ny dikany, ary fantatr'izy ireo izany."},{"id":76,"translation":"Ary rehefa mifanena amin'ireo mpino izy ireo dia miteny hoe : \" Izahay dia mino \"; fa rehefa samy izy ireo no mihaona dia milaza izy ireo (mifanome tsiny) hoe : \" Horesahinareo amin'izy ireo ve izay nambaran'i Allah anareo, mba hampiasain'izy ireo izany ho porofo hanoherana anareo eo anatrehan'ny Tomponareo; tsy misaina va ianareo ? ! \"."},{"id":77,"translation":"Moa ve tsy fantatr'izy ireo anefa fa Allah dia mahafantatra tsara izay afenin’izy ireo sy izay abaribariny ?"},{"id":78,"translation":"Ary misy amin'izy ireo no tsy mahay mamaky teny sy manoratra; tsy mahalala akory momba ilay boky; afa-tsy manao an-kambo fotsiny; ary izy ireo tsy manao afa-tsy ny maminavina ihany."},{"id":79,"translation":"Ka loza ho an'ireo izay manoratra ny boky amin'ny tanany dia milaza avy eo hoe : \" Ity dia avy amin'i Allah \"; mba hahazoan'izy ireo tombontsoa kely ho takalon'izany. ka loza ho azy ireo noho ny zavatra nosoratan'ny tanany; ary loza ho azy ireo amin'izay tambiny azon'izy ireo amin'izany."},{"id":80,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : \" Tsy ho voakasiky ny Afobe velively izahay; afa-tsy andro vitsivitsy azo isaina \". Lazao hoe : \" Nahazo fampanantenana avy tamin'i Allah ve ianareo; fa (raha izany) Allah dia tsy hivadika mihitsy amin'ny fampanantenany; sa ianareo miteny mikasika an'i Allah zavatra izay tsy fantatrareo ? \"."},{"id":81,"translation":"Tsy araka izany anefa! Izay nisafidy ny hanao ratsy ary ny fahadisoany dia mbola mamatotra azy, izy ireo indrindra no\nolon’ny afobe ka hitoetra ao mandrakizay."},{"id":82,"translation":"Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia izy ireny no olon'ny Paradisa; hitoetra ao mandrakizay."},{"id":83,"translation":"Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena tamin'ireo zanak'Israely Izahay hoe : \" Tsy hanompo afa-tsy Allah ianareo, ary aoka ianareo hanao tsara amin'ireo ray aman-dreny, ary amin'ireo fianakaviana sy ireo kamboty ary ireo olona sahirana; ary manaova teny mendrika amin'olona sy manangàna Soalat ary mamoaha Zakat ianareo \". Avy teo dia nivadika ianareo afa-tsy olom-bitsy taminareo ihany, ary nomenareo lamosina izany."},{"id":84,"translation":"Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay fa tsy hifandatsa-drà ianareo ary tsy hifandroaka avy amin'ny fonenanareo; dia niaiky izany ianareo ary nijoro ho vavolombelona."},{"id":85,"translation":"Avy eo dia iny ianareo fa nifamono ary nandroaka avy tamin'ny fonenany ny sasany taminareo; ka niara-nifarimbona tamin'ny fahavalo mihitsy ianareo nanao fahotana sy ny tsy rariny niady azy ireo. Ary raha babo (ny fahavalo) izy ireo ka tonga aminareo dia aloanareo ny vidim-panavotana ho azy ireo; nefa voarara taminareo ny fanaovana azy ireo sesitany. ka moa ve ianareo mino ny ampahany amin'ilay Boky nefa tsy mino ny ampahany hafa ? ! ka inona no valiny asetry izay manao izany aminareo afa-tsy ny fanalam-baraka (azy ireo) amin'ny fiainana eto an-tany; ary amin'ny Andron'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo dia alefa any amin'ny sazy tena henjana indrindra. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo."},{"id":86,"translation":"Izy ireo no sahy nividy ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any an-koatra. Ka tsy hisy fanalefahan-tsazy ho azy ireo. Ary tsy misy famonjena ihany koa."},{"id":87,"translation":"Ary efa nomenay an'i Moussa ilay Boky sy nandefa iraka maro nifandimby izahay taoriany, ary nomenay ireo porofo mibaribary i 'Issa (Jesoa) zanak'i Maryam (Maria) no notohananay tamin'ny alalan'ny Fanahy masina izy. ka isaky ny misy iraka tonga aminareo mitondra zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitraponareo ve dia manambony tena ianareo ? ! ka nolazainareo ho mpandainga ny sasany ary novonoinareo ny sasany."},{"id":88,"translation":"Ary hoy izy ireo hoe : \" Ny fonay dia efa voasarona \". Tsy izany fa efa nozonin'i Allah izy ireo noho ny tsy finoany; ka kely tokoa no inoan'izy ireo."},{"id":89,"translation":"Ary nony nampitaina tamin’izy ireo ny boky avy tamin’Allah izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay, na dia talohan’izany aza izy ireo, nampiasa izany hanoherana ireo tsy mino tao aminy, saingy rehefa tonga tokoa ilay tena izy izay fantatr’izy ireo tsara, dia notsipahin’izy ireo izany. Koa ny ozon’Allah anie hianjady amin’ireo izay tsy mino."},{"id":90,"translation":"Zava-dratsy tokoa no natakalon'izy ireo ny fanahiny, tamin'ny tsy finoan'izy ireo izay nampidinin'i Allah, noho ny fialonana tsotra izao ny fampidinan'i Allah ny fahasoavany tamin'izay sitrany tamin'ireo mpanompony; ka nizaka fahatezerana ambonin'ny fahatezerana izy ireo. Ary ho an'ireo tsy mpino ny sazy manala baraka."},{"id":91,"translation":"Ary rehefa tenenina izy ireo hoe : \" Minoa izay nampidinin'i Allah ianareo \" ; dia milaza izy ireo fa : \" Mino izay nampidinina taminay izahay \". Ary tsy mino ny ankoatra izany izy ireo, nefa izany indrindra ilay fahamarinana izay manamafy ny eo am-pelatanan'izy ireo. Lazao azy ireo hoe : \" Ka nahoana àry ianareo no namono ireny mpaminanin'i Allah ireny taloha, raha tena mpino tokoa ianareo \"."},{"id":92,"translation":"Ary efa tonga taminareo tokoa i Moussa niaraka tamin’ireo porofo mazava, dia mbola nandray ilay sariomby ho tompo ihany ianareo taoriany; ary ianareo dia mpanao ny tsy rariny tokoa."},{"id":93,"translation":"Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay ary nampiakarinay teo amboninareo ny tendrombohitra Toor hoe : \" Tazoninareo mafy izay nomenay anareo ary mihainoa \". Dia hoy izy ireo hoe : \" Reninay izany, saingy lavinay \". Ary tafiditra lalina tao am-pon'izy ireo (ny fanompoana) ilay sariomby noho ny tsy finoany. Lazao azy ireo hoe : \" Mba ratsy tokoa ny zavatra nanirahan'ny finoanareo anareo; raha toa moa ka mpino tokoa ianareo \"."},{"id":94,"translation":"Teneno hoe : \" Raha toa ka voatokana ho anareo (jiosy) irery ihany, eo anatrehan'i Allah, ny fonenana any ankoatra, fa tsy ho an'olon-kafa mihitsy, dia maniria ny ho faty àry ianareo raha marina ny voalazanareo \"."},{"id":95,"translation":"Tsy haniry izany velively anefa izy ireo noho ny nafitson'ny tanany. Ary Allah dia mahafantatra tsara ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":96,"translation":"Ary ho hitanao aza fa izy ireo no olona tena fatra-pifikirana indrindra amin'ny fiainana, eny fa mbola mihoatra ireo mpanompo sampy. ny olona iray amin'izy ireo dia maniry mihitsy ny hiaina mandritry ny arivo taona. tsy manalavitra azy amin'ny sazy anefa izany halavam-piainana izany. ary Allah dia mahita tsara izay ataon'izy ireo."},{"id":97,"translation":"Lazao azy ireo : “Izay mitsangana ho fahavalon’i Jibril, dia tadidio, fa izy no nampidina ny Kor’any masina tao am-ponao, alàlana avy amin’Allah; izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay sy taridàlana, ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpino."},{"id":98,"translation":"Na iza na iza mitsangana ho fahavalon'i Allah sy ireo Anjeliny sy ireo Irany, ary Gabriela sy Mikaila; dia tena marina fa Allah dia fahavalon'ireo tsy mpino."},{"id":99,"translation":"Ary efa nampidininay taminao tokoa ireo famantarana mazava; ka tsy misy olona mitsipaka izany afa-tsy ireo mpanao ratsy."},{"id":100,"translation":"Isaky ny manao fifanekena ve izy ireo dia mitsipaka izany hatrany ny sasany amin'izy ireo ? efa ny amkamaroan'izy ireo mihitsy no tsy mino."},{"id":101,"translation":"Ary rehefa tonga tamin'izy ireo ny Iraka avy tamin'i Allah, izay manamarina ny teo am-pelatanan'izy ireo, dia misy andiany tamin'ireo olon'ny Boky no nanipy ny Bokin'i Allah tao an-damosiny, sahala amin'ny hoe tsy mahalala izany izy ireo."},{"id":102,"translation":"Ary dia nanaraka izay nolazain’ireo satana tao amin’ny fanjakan’i Souleiman izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin’Allah velively raha i Souleiman, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin’Allah; nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin’ireo Anjely roa tany Babilôna : Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe : “Tsy inona akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo mba tsy ho isan’ireo tsy mpino”; koa dia nianaran’izy ireo tamin’ireto anjely ireto tamin’izany ny fomba fampisarahana ny olona amin’ny vadiny. Kanefa tsy afaka nisompatra olona izy ireny raha tsy sitrak’Allah. Ary ny zavatra nanimba ny tenan’izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon’izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!"},{"id":103,"translation":"Fa raha nino sy nitandrina izy ireny, dia ho tsara lavitra ny valisoa avy amin’Allah, Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!"},{"id":104,"translation":"o ianareo mpino! Aza miteny hoe : “Asongadino izahay”. Fa mitenena hoe : “Jereo izahay”; ary mihainoa ianareo! Fa, sazy feno fanaintainana no miandry ireo tsy mpino."},{"id":105,"translation":"Tsy tian'ireo tsy mpino, na ireo vahoaka ny jiosy na ireo mpanompo sampy, ny hirotsahan'ny fahasoavana eo aminareo, avy amin'ny Tomponareo; nefa Allah no manokana ny indrafony ho an'izay sitrany; ary Allah no tompon'ilay fahasoavana lehibe."},{"id":106,"translation":"Raha manafoana (lalàna fonosin'ny) andininy iray Izahay na mampanadino izany tanteraka, dia mitondra tsaratsara noho izany hatrany, na koa mitovy aminy. tsy efa fantatrao ve fa Allah dia mahefa tokoa ny zavatra rehetra ?"},{"id":107,"translation":"Tsy efa fantatrao ve fa Allah tokoa no tompon'ny fanjakan'ireo lanitra sy ny tany; ary tsy manana mpiahy na mpamonjy hafa ianareo ankoatran'i Allah ?"},{"id":108,"translation":"Moa va ianareo te-hanontany ilay Iraka eo aminareo sahala amin’ny nanontaniana an’i Moussa fahiny? Izay mampifamadika ny tsy finoana amin’ny Finoana, dia ho very tsy hahita ny làlan’ny fahitsiana."},{"id":109,"translation":"Maro amin’ireo olon’ny boky no maniry ny hampiverina anareo amin’ny tsy finoana taorian’ny nanananareo Finoana. Fialonana avy amin’izy ireo izany! Taorian’ny nampiharihary ny fahamarinana teo imason’izy ireo. Koa mamelà sy mandefera ianareo mandra-pahatongan’ny baiko avy amin’Allah. Satria Allah no Mahefa ny zavatra rehetra."},{"id":110,"translation":"Atsangano nareo ny Soalat ary mamoaha ihany koa ny Zakat; fa na inona na inona ny soa ataonareo ho an'ny tenanareo dia ho hitanareo any amin'i Tompo Allah izany tena marina fa i Tompo Allah dia mahita tanteraka izay rehetra ataonareo."},{"id":111,"translation":"Ary hoy ny tenin’izy ireo : “Tsy misy hiditra ny Paradisa na iza na iza afa-tsy ny Jiosy sy ireo Kristianina”. Izany no nofinofin’izy ireo. Koa lazao azy ireo : “Ento aty ny porofonareo, raha marina tokoa izay voalazanareo”."},{"id":112,"translation":"Tsy izany velively anefa fa izay manolotena ho an'i Tompo Allah no sady mpanao soa dia ho azy ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony ary tsy hanana tahotra izy ireo no tsy halahelo."},{"id":113,"translation":"Ary hoy ireo Jiosy : “Tsinontsinona ireo Kristianina (tsy amin’ny fahamarinana)”, ary hoy ihany koa ireo Kristianina : “Tsinontsinona ireo Jiosy”, kanefa dia samy mamaky mandrakariva ny boky izy ireny! Tsy misy valaka amin’izany fitenin-dry zareo izany ihany koa no nolazain’ireo olona tsy mahalàla na inona na inona. Ka Allah no hitsara azy ireo amin’izay nampifanolana azy amin’ny andro fitsanganana."},{"id":114,"translation":"Ary iza no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay manakana ny fahatsiarovana ny anaran'i Tompo Allah amin'ireny tranon'i Tompo Allah ireny (Masjid), ary miezaka ny hamotika izany ? Ireny olona ireny dia tsy tokony hiditra amin'izany (Masjid izany) afa-tsy amin'ny tahotra ka ety an-tany dia fahafaham-baraka no ho azy ireo; ary any ankoatra dia ho azy ireo ny famaizana goavana indrindra."},{"id":115,"translation":"An’Allah avokoa ny atsinanana sy ny andrefana. Ka na aiza na aiza no itodihanareo, dia miatrika an’Allah. Hamafisina, fa Allah dia Malalatànana sy Mahay ny zavatra rehetra."},{"id":116,"translation":"Ary hoy izy ireo : “Allah dia manan-janaka lahy!”. Lavitra ny voninahiny izany! Fa Azy kosa izay any andanitra rehetra any, sy ny ety ambonin’ny tany. Mpankato Azy avokoa ny rehetra."},{"id":117,"translation":"Izy no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Ary rehefa tapa-kevitra amin-javatra iray Izy, dia izao ihany no Teniny : “Misia…”, dia misy tokoa izany."},{"id":118,"translation":"Ary hoy ireo tsy mahalàla : “Fa nahoana Allah no tsy miteny mivantana aminay na koa mampiseho famantarana anay?” Tsy misy valaka amin’izany ihany koa no voalazan’ireo olona teo alohany. Sahala ihany ny fon’izy roa tonta. Efa nahariharinay tamin’ireo vahoaka manam-pinoana ny famantarana samihafa."},{"id":119,"translation":"Nalefanay tokoa Ianao miaraka amin'ny fahamarinana, mba ho mpitory vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary tsy hanontaniana momba ireo olon'ny Afobe Ianao."},{"id":120,"translation":"Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao."},{"id":121,"translation":"Ireo izay nomenay ny Boky ka namaky izany amin'ny famakiana tena marina, dia izy ireny no mino Azy; ary izay tsy mino Azy kosa dia lazaina fa izy ireny tokoa no olona maty antoka."},{"id":122,"translation":"Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao."},{"id":123,"translation":"Aoka ianareo hatahotra ilay andro izay tsy hanomezana valisoa ny an-daniny noho ny asan’ny ankilany, sy tsy hankatoavana intsony izay fibabohana amin’ny heloka vita, ary tsy hamokatra intsony ny fanelanelanana. Ka tsy hisy intsony ny famonjena ho azy ireo."},{"id":124,"translation":"Ary tsarovinareo, raha nahazo fitsapana tamin’ny Tompony i Ibrahim tamin’ny alàlan’ireo teny, ka dia tanterany tokoa izany. Niteny taminy Izy : “Lazaiko ary hamafisiko, fa nanapa-kevitra ny hanendry anao ho mpitarika (Imam) ny olombelona Aho”. Dia hoy izy nanontany : “Ary izany va hahakasika ireo taranako?”, namaly azy Allah : “Tsy ho voakasiky ny fanekeko ireo mpanao ny tsy rariny”."},{"id":125,"translation":"Ary tsarovy raha nataonay ho toeram-pivahiniana ho an'ny zanak'olombelona ilay Trano (Ka'bah) ary ho toerana mandry fahalemana, ary (hoy Izahay hoe) raisonareo ho toerana fanaovana Soalat ny toerana nitsanganan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) ary nomenay andraikitra i Mpaminany Ibrahim (A.s) sy Mpaminany Ismail (A.s) fa hoe : \" Diovinareo ny Tranoko, ho an'ireo mpanao Twawaaf (1) sy I'tikaaf ary ho an'ireo mpiondrika sy mpiankohoka \"."},{"id":126,"translation":"Ary tsarovy raha niteny i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka nanao hoe : \" Tompo ô ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary omeo anjara amin’ireo voankazo ny mponina ao aminy, izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany amin'izy ireo \".Dia niteny Izy i Tompo Allah fa hoe : \" Fa izay mikomy kosa dia homeko fahafinaretana kely ihany, ary avy eo hotereko ho any amin’ny famaizan’ny Afobe izy. ka izany tokoa no fiafarana ratsy indrindra izay hiafarany izany ! \"."},{"id":127,"translation":"Ary raha nampiakatra ilay andritrano i Ibrahim sy Ismail ka niteny hoe : “Tomponay ô! Ekeo ny asa vitanay! Fa Ianao ilay Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”."},{"id":128,"translation":"Tomponay ô ! Ataovy ho mpanolo-tena ho Anao Izahay roa, ary amin’ireo taranakay ihany koa mba hisy vahoaka mpanolo-tena ho Anao. asehoy anay ny fomba hanaovanay ny fanompoanay; ary raiso ny fibebahana izay nataonay, fa Ianao tokoa ilay Mpandray ny fibebahana sy Be fiantrana."},{"id":129,"translation":"Tomponay ô ! mba andefaso Iraka avy amin'ny foko sy firazanan'izy ireo ihany, mba ho tonga hamaky amin’izy ireo, ireo fanambarana avy Aminao, sy hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena ary hanadio azy ireo; fa Ianao tokoa no ilay avo Tsitoha, ilay Be fahendrena."},{"id":130,"translation":"Ary iza no tsy mankasitraka ny finoan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) raha tsy olona izay nanambany ny fisainany ? ! Efa nofidinay manokana izy teto an-tany; ary any ankoatra dia ho anisan'ireo olona mendrika tokoa Izy."},{"id":131,"translation":"Raha niteny taminy ny Tompony hoe : “Manolora tena”, dia namaly ny antso izy hoe : “Efa mpanolotena ho an’ny Tompon’izao tontolo izao aho”."},{"id":132,"translation":"Ary mbola nanafatrafatra ireo taranany tamin’izany ihany koa i Ibrahim sy Yaqoub hoe : “Ry zanako! Lazaiko marina aminareo, fa Allah no nisafidy manokana izay Finoana sahaza anareo, ka aoka mihitsy ianareo tsy ho faty raha tsy efa mpanolotena tanteraka”."},{"id":133,"translation":"Moa nanatri-maso va ianareo raha nindaosin’ny fahafatesana i Yaqoub, ka nilazany tamin’ireo zanany hoe : “Iza no ho tompoinareo aoriako?”. Dia namaly izy ireo : “Hanompo ny tomponao sy tompon’ireo Razanao, Ibrahim, Ismail, ary Ishaq izahay, Ilay tompo tokana, ary izahay dia efa mpanolotena ho Azy”."},{"id":134,"translation":"Izany dia vahoaka efa lasa; ka ho azy ireo izay nataony ary ho Anareo izay nataonareo; ary tsy hanontaniana Ianareo ny amin'izay nataon'izy ireo."},{"id":135,"translation":"Hoy ny tenin’izy ireny : “Aoka ianareo ho Jiosy na Kristianina, dia ho tafazotra amin’ny làla-marina”. Ka lazao azy ireo : “Tsia! Ny fombam-pivavahan’i Ibrahim no madio tsy mifangaro, ary izy rahateo tsy mba isan’ireo mpampitambatra an’Allah amin’ny hafa."},{"id":136,"translation":"Lazainareo fa hoe : \" Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim, Ismail, Ishaaq sy Ya'qoub (A.s) ary ireo foko nipoitra avy amin'ny taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Moussa sy Issa (A.s), ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo.ka tsy azonay atao ny manavaka na dia iray aza amin'izy ireo; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy ireryy ihany."},{"id":137,"translation":"Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny làla-marina, fa raha mivily amin’izany kosa, dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy anao Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":138,"translation":"“Ny finoana dia an’Allah! Fa iza no manana finoana tsara kokoa mihoatra noho izay an’Allah? Izy no tompoinay”."},{"id":139,"translation":"Teneno hoe : \" Hiady hevitra aminay mahakasika an'Allah ve ianareo; nefa no Tomponay sy Tomponareo; anay ny asanay ary anareo ny asanareo; fa Izahay kosa dia manokana Azy amin'ny fo madio ? \"."},{"id":140,"translation":"Sa, hilaza ve ianareo fa i Ibrahim; Ismail; Ishaka; ary Yaquoub sy ireo taranaka, dia Jiosy na Kristianina?”. Lazao azy ireo : “Ianareo ve no tena mahalàla, sa Allah?”. Ary iza no meloka kokoa mihoatra izay sahy manafina ny fijoroana vavolombelona avy amin’Allah? Ary tsy misy miafina amin’Allah izay ataonareo rehetra."},{"id":141,"translation":"Izany dia vahoaka efa lasa; ka ho azy ireo izay nataony ary ho anareo ihany koa ny izay rehetra nataonareo; ary tsy ho hanontaniana akory Ianareo ny amin'izay nataon'izy ireo."},{"id":142,"translation":"Hilaza ny tsy ampy saina amin’ireo olona ireo hoe : “Iza no nampivily azy ireo tamin’ny fitodihany (kibla), izay efa nitodihan’izy ireo teo aloha?”. Lazao azy ireo : “An’Allah avokoa ny Atsinanana sy ny Andrefana. Mitari-dàlana ny olona amin’ny sitrapony amin’ny làlana mahitsy Izy”."},{"id":143,"translation":"Toy izany ihany koa no nanaovanay anareo ho vahoakaafovoany (tsy mtanila), mba hijoroanareo vavolombelona fitaratra eo anatrehan’ny olona, sy hijoroan’ilay Iraka vavolombelona ho anareo. Ary tsy misy antony hafa namaritanay ny fitodihana izay nomenao hasina tokoa, afa-tsy ny hahafahanay manavaka ireo izay manaradia ilay Iraka amin’ireo izay mihatsaravelatsihy aminy. Eny, vesatra lehibe tokoa izany, afa-tsy tamin’ireo izay nampahitsian’Allah. Ary Allah dia tsy hanary velively ny valisoan’ny Finoanareo, hamafisina, fa Allah dia be Fangorahana sy be Indrafo amin’ny olombelona."},{"id":144,"translation":"Efa hitanay ny fiandrandran’ny tavanao eny amin’ny lanitra, ka atodikay tokoa ianao any amin’ny Kibla izay mahafaly Anao. Ary atodiho ny tavanao any amin’ny Al-Masjid Al-Haram Ary n’aiza n’aiza misy anareo dia atodiho ny tavanareo any Aminy Tena marina tokoa fa ireo izay notolorana ny Boky dia tena mahafantatra tsara fa izany tokoa no marina avy amin’ny Tompon’izy ireo Ary i Tompo Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":145,"translation":"Na dia hampiseho amin’ireo izay nomena ny boky ireo porofo famantarana rehetra aza ianao, dia tsy hanaraka ny fitodihanao (kibla) velively izy ireo! Ary tsy ianao ihany koa anefa no tokony hanaraka ny fitodihany; fa na ny andaniny amin’izy ireo aza tsy manaraka ny fitodihan’ny an-kilany. Fa raha nanaraka ny sitrapon’izy ireo ianao taorian’ny nahazoanao ny fahalalàna, dia lazaiko marimarina aminao, fa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianao."},{"id":146,"translation":"Ireo izay notoloranay ny Boky, dia mahalala an’izany tahaka ny fahalalan’izy ireo ny zanany. Ary tena marina fa misy andiany amin’izy ireo no tena manafina ny marina, kanefa mahafantatra tsara izany izy ireo."},{"id":147,"translation":"Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala ianao."},{"id":148,"translation":"Ny tsirairay dia samy manana ny zotra izay hitodihany. Mifaninàna àry ianareo amin’ireo asa soa. n’aiza n’aiza no misy anareo dia havorin’Allah any Aminy ianareo rehetra. tena marina fa Allah dia Mahefa ny zavatra rehetra."},{"id":149,"translation":"Ary n’aiza n’aiza ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. ary tena marina fa izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao. ary Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataonareo."},{"id":150,"translation":"Ary n’aiza n’aiza ny toerana ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. Ary n’aiza n’aiza ny toerana misy anareo, dia atodiho any aminy ny tavanareo, mba tsy hananan’ny olona porofo entina hanoherana anareo, afa-tsy ireo izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo. ka aza matahotra azy ireo ianareo, fa Izaho no atahory, mba hamenoako ny fahasoavako aminareo, ary angamba hahitsy tanteraka ianareo."},{"id":151,"translation":"Toy izany koa, nandefa Iraka aminareo izay avy aminareo ihany Izahay mba hamaky aminareo ireo fanambaranay, sy hanadio anareo, ary hampianatra anareo ny Boky sy ny fahendrena, ary hampianatra anareo izay mbola tsy fantatrareo."},{"id":152,"translation":"Ka tsarovinareo àry Aho, dia hotsaroako ianareo. ary isaoranareo Aho, ary aoka tsy hikomy Amiko ianareo."},{"id":153,"translation":"o ianareo mpino, mangataha famonjena amin’ny alàlan’ny faharetana sy ny vavaka Soalat ianareo. Tena marina fa Allah dia miaraka mandrakariva amin’ireo manam-paharetana."},{"id":154,"translation":"Aza lazainareo ho toy ny maty rehetra izay namoy ny ainy tamin’ny làlan’Allah. Fa raha ny marina, dia velona izy ireny, fa saingy tsy mahatsapa izany ianareo."},{"id":155,"translation":"Fa Izahay dia tsy maintsy mampandalo fitsapana anareo amin’ny tebiteby, hanoanana, fihenan-karena sy ny olona ary ny vokatra. Koa ilazao vaovao mahafaly ireo manampaharetana;"},{"id":156,"translation":"Ireo izay, raha misy fahoriana manjò azy ireo, dia miteny hoe : “ tena marina fa an’Allah izahay ary any Aminy tokoa no hiverenanay \"."},{"id":157,"translation":"Izy ireny no hahazo ny tso-drano avy amin’ny Tompony sy ny indrafony. ary izy ireny no tena voatari-dàlana."},{"id":158,"translation":"Tena marina fa ny tendrombohitr’i Safà sy Marwà, dia anisan’ireo toerana Masin'i Allah, ka na iza na iza manao Hajj sy Oumra any amin’ilay trano masina dia tsy misy tsiny raha mivezivezy (im-pito) eo anelanelan’izy roa. Ary na iza na iza manao asa soa mihoatra an-tsitrapo, dia Allah no mahay mankasitraka indrindra sy Mahalàla ny zavatra rehetra."},{"id":159,"translation":"Tena marina fa ireo manafina izay nampidininay, amin’ireo porofo maro samihafa sy ny tari-dàlana, taorian’ny nanazavanay izany tamin'ny olombelona, tao anatin’ny Boky, izy ireny no ozonin’Allah ary hanozona azy ireo koa ireo mpanozona."},{"id":160,"translation":"Afa-tsy ireo izay nibebaka sy nanarina ny tenany ary nanambara ny marina, izy ireny no ekeko ny fibebahany. fa Izaho ilay mpandray ny fibebahana, ilay be fiantrana."},{"id":161,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy nino ka maty tsy mpino, izy ireny no iharan’ny ozon’ i Allah sy ny an’ireo Anjely ary ny an’olombelona rehetra."},{"id":162,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo."},{"id":163,"translation":"Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana."},{"id":164,"translation":"Tena marina fa ao anatin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, sy ny sambo izay misosa eny an-dranomasina ka feno tombotsoa ilain’ny olombelona, ny amin’ny rano izay nampidinin’i Allah avy eny an-danitra ka namelomany tamin’ny alalany ny tany taorian’ny nahafatesany (nahamaina azy), sy ny nanaparitahany ao aminy (amin'ny tany) ireo karazam-biby maro samihafa, ary ny fiovaovan’ny rivotra, sy ny rahona voarindra eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, dia tena famantarana lehibe ho an’ny vahoaka misaina."},{"id":165,"translation":"Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah, ka mampitovy azy Aminy, tiaviny tahaka ny fitiavana an’i Allah izany. fa ireo izay nino kosa no manana fitiavana mafy kokoa an’i Allah. ary raha hitan’ireo izay nanao ny tsy rariny, rehefa mahita ny sazy izy ireo, dia ho tsapany fa ny hery rehetra dia an’i Allah, ary tena marina fa Allah dia mahery vaika amin’ny fanasaziana."},{"id":166,"translation":"Raha niala tsiny ireo izay narahina, tamin’ireo izay nanaraka azy ireo, ka samy nahita ny famaizana, dia ho tapaka ny rohim-pifandraisana amin’izy ireo."},{"id":167,"translation":"Ka hilaza ireo izay notarihina hoe : “Raha nanana fotoana fohy monja niverenana tany ambonin’ny tany izahay, dia mba nihataka lavitra azy ireo tahaka izao ihatahany anay izao ihany koa”. Toy izany no hanehoan’Allah azy ireny ny asany; fanenenana mafy no mihatra aminy; ary izy ireo dia tsy hivoaka ny Afobe intsony."},{"id":168,"translation":"Ry olombelona! Mihinana ianareo amin’ireo izay fihinana (halal) sy ny tsara misy eny ambonin’ny tany, ary aoka ianareo mba tsy hanaraka ny famindran’i satana, fa fahavalonareo miharihary izy."},{"id":169,"translation":"Tsy mampirisika anareo afa-tsy amin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana i satana, ary ny fitenenana izay tsy fantatrareo mikasika an’Allah."},{"id":170,"translation":"Ary raha lazaina amin’izy ireo : “Araho izay nampidinin’Allah”, dia namaly izy ireo : “Tsia, izahay anie manaraka izay fomba nataon’ireo raibenay”, na dia tsy ampy fisainana aza sady tsy nizotra tamin’ny làla-marina ireo raiben’izy ireo?"},{"id":171,"translation":"Ireo tsy mpino dia azo oharina amin’izay olona (mahita ny hafa eo ambava-loza) mihiaka (mba hanavotra azy), tsy mandre (anefa ilay olona) raha tsy antso sy feo iray monja (mifangaro). Marenina, moana, jamba ka tsy mandefa fisainana izy ireny."},{"id":172,"translation":"O ianareo mpino ! Aoka ianareo hihinana amin’ireo sakafo tsara sady madio izay anjaram-pivelomana nomenay anareo. Ary aoka ianareo hisaotra an’Allah, raha toa ka Izy irery ihany no Tompoinareo."},{"id":173,"translation":"Izy tokoa no nandrara ho anareo ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary izay niantsoana anarana hafa ankoatran’i Allah. fa izay voatery kosa, raha tsy manararaotra na mandika lalàna, dia tsy misy fahotana ny Aminy. tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Fiantrana."},{"id":174,"translation":"Tena marina fa ireo manafina izay nampidinin’Allah ao amin’ny Boky, ary mivarotra izany amin’ny vidiny ambany, izy ireny dia tsy mihinana afa-tsy afo ao anaty kibon’izy ireo, ary tsy hiresaka amin’izy ireo Allah amin’ny Andro fitsanganana sady tsy hanadio azy ireo, ary ho azy ireo ny famaizana mangirifiry."},{"id":175,"translation":"Izy ireny no nividy ny fahaverezana tamin’ny tari-dàlana ary ny famaizana tamin’ny famelan-keloka. ka ahoana tokoa ny faharetan’izy ireo ao amin’ny Afobe !"},{"id":176,"translation":"Izany dia noho Allah nampidina tokoa ny Boky am-pahamarinana, ary tena marina fa ireo izay mifanipa-kevitra momba ilay Boky dia tena ao anatin’ny fifanolanana lalina."},{"id":177,"translation":"Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia eo amin’izay mino an’Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny boky masina, ireo Mpaminany, sy izay nahafoy ny fananany noho ny fitiavany an’Allah, ho an’ireo akaiky azy, ireo kamboty, ireo mahantra, ireo mpandeha lavitra lany vatsy, ireo mpangataka, sy ho an’ny famotsorana andevo, ary ny fanatanterahana ny vavaka fanompoana (soalat) sy fanomezana ny harena fiantrana (zakat), ary ny fanatontosana izay nampanantenainy raha nampanantena izy ireo, ireo manam-paharetana manoloana ny sarotra sy ny voina, ary rehefa tra-pahasarotana. Izy ireny no tena olomarina, ary izy ireny ihany koa no tena vontom-pinoana."},{"id":178,"translation":"O ianareo mpino! Voasoratra sy voadidy ho anareo ny valin-keloka momba ny vono olona, ny olon’afaka ho an’ny olon’afaka, ny andevo ho an’ny andevo, ny vehivavy ho an’ny vehivavy. Fa izay nahazo famelana avy tamin’ny rahalahiny, dia tokony hanonitra izany fahasoavana izany, ary manatanteraka izany amim-pahatsarana. Izany, dia fanalefahana sy famindrampo avy amin’ny Tomponareo. Fa izay mbola mitsangam-pahavalo aorian’izany kosa, dia miandry azy ny famaizana feno fanaintainana."},{"id":179,"translation":"Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! Izany dia ny hahatonga anareo ho vontom-pinoana."},{"id":180,"translation":"Voadidy ianareo, rehefa tojon’ny fahafatesana ny iray aminareo ka namela harena izy, amin’ny fanaovana didim-pananana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky, araka izay tokony ho izy. Adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany."},{"id":181,"translation":"Fa izay mamadika izany aorian’ny nandrenesany azy, dia tsy ho an’iza ny fahotana aterak’izany, raha tsy ho an’izay namadika azy. Eny! Allaha no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":182,"translation":"Ka izay matahotra fiangarana na fahotana avy amin’ny mpanao ny didim-pananana ka nitsangana nandamina ny disadisa teo anivon’izy ireo, dia tsy misy fahotana ny aminy.tena marina fa Allah dia mpamela heloka sy be fiantrana."},{"id":183,"translation":"O ! Ianareo izay nino, voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana ireo izay talohanareo, angamba hanam-pahatahorana ianareo."},{"id":184,"translation":"Mandritra ny andro maromaro voaisa no hanatanterahana ny fifehezana. Koa raha misy aminareo marary na any am-pandehanana lavitra ka tsy nahavita nifehy, dia tsy maintsy manonitra izany amin’ny andro mitovy isa aminy. Fa ho an’ireo izay tsy afaka manatanteraka izany kosa noho ny antony tsy azo anoharana, dia onerany amin’ny fampisakafoanana mahantra iray. Fa izay manao soa mihoatra izany an-tsitra-po, dia fahasoavana ho azy izany; fa ny fifehezana no tsara ho anareo raha mba fantatrareo!"},{"id":185,"translation":"Ny volana Ramadany no nampidinana ny Kor’any, tari-dàlana ho an’ny olombelona ary ho fanazavana ny ny làla-marina ary fanavahana (lalàna). Ka izay eo an-toerana mandritra ny volana Ramadany, dia aoka izy hifehy, Fa ireo izay marary na\nkoa any am-pandehanana lavitra, dia tsy maintsy manolo izany araka ny isan’ny andro tsy vitany amin’ny andro manaraka. Mikendry fahamorana ho anareo Allah, fa tsy mitady fahasarotana ho anareo velively. Ary aoka ho fenoinareo ny isan’ny andro takiana, ary deraonareo ny halehiben’Allah tamin’ny nanitsiany anareo, mba hahatonga anareo hankasitraka."},{"id":186,"translation":"Ary raha manontany anao ny Amiko ireo mpanompoko, dia lazao azy ireo ho e: “Tena marina, fa Izaho dia akaiky tokoa, mamaly ny antson’ireo mpitalaho Aho, raha miantso Ahy izy. Koa aoka izy ireny hanaiky sy hino Ahy, mba hizoran’izy ireo amin’ny làlan’ny fahitsiana”."},{"id":187,"translation":"Nomena alàlana handry amin’ireo vehivavy vadinareo ianareo ny alin’ireo andro fifehezana; izy ireny mantsy dia fitafy ho anareo, ary ianareo ihany koa fitafy ho azy ireny. Fantatr’Allah fa ianareo dia namitaka ny tenanareo, kanefa nandray ny fibebahanareo Izy, ary namela ny helokareo. Ankehitriny kosa, dia mahazo mandry amin’ny vadinareo ianareo ary tanteraho ny didy nosoratan’Allah ho anareo, ary aoka ianareo hihinana sy hisotro mandra-pahafahanareo manavaka ny kofehy fotsy amin’ny kofehy mainty aorian’ny maraina mangiran-dratsy (Fajr). Ary dia tontosao ny fifehezana mandrapahatongan’ny alina, ary aoka ianareo tsy handry aminy, mandritra ny fotoana hitokananareo monina ao amin’ny trano fiankohofana (Masjid). Izany no fetra napetrak’Allah ka aza manakaiky azy ianareo (aza ataonareo tsirambina). Toy izany no hampisehoan’Allah ny famantarana avy Aminy, mba hahatonga azy ireo ho vontompinoana."},{"id":188,"translation":"Ary aza mihinana ny harenanareo samy anareo amin’ny tsy marina ianareo, ary aza entinareo amin’ireo mpitsara izany mba hihinananareo ny sasany amin'ireo harenan’olona amin’ny tsy rariny. kanefa ianareo dia mahafantatra tsara (izany)."},{"id":189,"translation":"Manontany anao ny amin’ny tsinam-bolana izy ireo. Ka lazao azy : “Izany dia natao ho famantarana andro ho an’ny olombelona, sy ny andron’ny fivahinianana masina (Hajj)”. Ary tsy midika hatsarana ny fidiranareo ny trano avy ao an-damosiny, fa ny hatsarana dia amin’izay matahotra an'Allah sy miditra ny trano avy eo am-baravarany. Ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, mba hahatafita anareo."},{"id":190,"translation":"Ary miadia ianareo, amin’ny lalan’i Allah, amin'ireo izay miady aminareo, ary aza mandika lalàna. tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpandika lalàna."},{"id":191,"translation":"Vonoy na aiza na aiza hahatraranareo azy ireo; ary roahy amin’izay nandroahany anareo ihany koa, fa ny fanakorontanana (fitarihana amin’ny tsy finoana) dia mbola ratsy mihoatra ny famonoana ho faty. Aoka anefa ianareo tsy hifamono amin’izy ireo eo amin’ny faritr’ilay trano masina fiankohofana (Masjid Al haram), raha tsy hoe miady aminareo any izy ireo. Fa raha miady aminareo any kosa izy ireo, dia valio araka izany. Toy izany no valiny sahaza ireo tsy mpino."},{"id":192,"translation":"Fa raha mampitsahatra (ny ady) kosa izy ireo, Allah dia tena Mpamela heloka sy be fiantrana."},{"id":193,"translation":"Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga ny fivavahana ho an’Allah irery. Fa raha mitsahatra amin’izany kosa izy ireo, dia tsy hisy fankahalana, afa-tsy amin’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":194,"translation":"Ny volana masina amin’ny volana masina! Ary ireo zavatra masina dia mitaky valin-keloka. Ka izay manohitra anareo, dia mitsangana hanohitra azy tahaka ny nanoherany anareo. Kanefa aoka ianareo hatahotra an’Allah. Ary fantaronareo, fa Allaha dia momba mandrakariva ireo vontompinoana."},{"id":195,"translation":"Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa."},{"id":196,"translation":"Ary tanterahinareo ny Hajy sy ny Omra ho an’i Allah. ka raha voasakana ianareo dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy), ary aza solaina ny lohanareo raha tsy efa tonga any amin’ny toerany ny fanatitra. ka izay marary aminareo, na marary an-doha dia manonitra amin’ny alalan’ny fifehezana na fanomezana ho an’ny mahantra na fanaovana sorona. ary rehefa milamina ianareo ka malalaka amin’ny fanaovana Omra mankany amin’ny Hajy, dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy). ka izay tsy mahita kosa dia mifehy telo andro amin’ny fotoan’ny Hajy, ary fito (andro) rehefa miverina any aminareo ianareo, izany dia folo andro feno. Izany dia (natao) ho an’izay olona tsy manan-kavana monina manodidina ny Al-Masjid Al-Haram. ary matahora an’i Allah ianareo. fantaro fa Allah dia mafy sazy tokoa."},{"id":197,"translation":"Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo, dia tsy tokony hanao firaisana aranofo, na koa fiteny tsy mendrika, indrindra ny fifamaliana mandritra ny fivahinianana masina. Ary izay tsara ataonareo, dia fantatr’Allah avokoa. Ary mitondrà vatsy ianareo, hamafisina, fa ny vatsy tsara indrindra, dia ny fahatahorana an’Allah. Ka aoka ianareo hatahotra Ahy ry matsilo saina!"},{"id":198,"translation":"Tsy misy tsiny ho anareo akory ny mikatsaka fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tomponareo. Fa rehefa tafavory eo amin’ny tany Arafat ianareo, dia mahatsiarova an’Allah eo amin’ilay toerana masina. Mangataha Aminy ianareo tahaka ny nitarihany anareo amin’ny làla-marina, na dia isan’ireo very làlana aza ianareo talohan’izany."},{"id":199,"translation":"Avy eo mandehana manao rodobe miaraka ianareo mankany amin’izay izoran’ny olona, ary mangataha famelan-keloka amin’i Allah ianareo. tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Fiantrana."},{"id":200,"translation":"Ka rehefa vitanareo ireo fombam-pivavahanareo dia tsarovinareo Allah tahaka ny fahatsiarovanareo ireo ray aman-dreninareo, na koa mihoatra izany. ka misy amin’ny olombelona no miteny hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo anay ny fiainana eto an-tany ”, ary tsy misy anjara ho azy ireo ny any ankoatra."},{"id":201,"translation":"Ary misy amin’izy ireny no miteny toy izao : “Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay ety an-tany, ary omeo fahasoavana ihany koa any an-koatra, arovy amin’ny famaizan’ny afobe izahay."},{"id":202,"translation":"Izy ireo dia mahazo anjara amin’izay nataony, ary Allah dia haingam-pitsarana."},{"id":203,"translation":"Ary tsarovinareo Allah mandritra ireo andro rehetra izay efa voaisa. [a izay nanafaingana ny asa fanompoana nataony tao anatin'ny roa andro dia tsy manam-pahotana, fa ireo izay nanemotra kosa dia tsy manam-pahotana ho an’izay manam-pahatahorana, ka dia matahora an’Allah ianareo, ary dia fantaro tsara ihany koa fa tena any Aminy no hamoriana anareo."},{"id":204,"translation":"Ary misy amin’ny olona no mahasarika anao ny fiteniny mahakasika ny fiainana an-tany, ary mbola mandray an’Allah ho vavolombelona amin’izay ao am-pony izy, kanefa izy indrindra no masiaka lian’ady."},{"id":205,"translation":"Koa raha vao miamboho izy, dia manao izay hampiely fanimbana ety an-tany, ka hanapotika ny fambolena sy ny biby fiompy. Fa Allah, tsy mankasitraka ny fanimbana."},{"id":206,"translation":"Ary raha tenenina izy hoe : “ Matahora an’i Allah Ianao ”, dia entin’ny fanambonian-tena feno fahotana izy, ka ampy azy ny Afobe. ary tperana ratsy tokoa izany !"},{"id":207,"translation":"Ary misy amin’ny olombelona izay mahafoy ny tenany amin’ny fitadiavana ny fankasitrahan’i Allah. Ary Allah dia be fitsimbinana an'ireo mpanompony."},{"id":208,"translation":"خ هanareo mpino! :Midira ao amin’ny fanolorantena tanteraka (Islam), ary aza manaraka ny famindran’i satana, satria fahavalo miseholany ho anareo izy."},{"id":209,"translation":"Fa raha solafaka ianareo, taorian’ny nahatongavan‘ireo fanambarana (porofo mazava) taminareo, dia fantaro fa Allah dia tena Mahery sy Hendry."},{"id":210,"translation":"Inona no andrasan’izy ireo? Raha tsy izany dia ho tonga any aminy ao anaty andian-drahona miaraka amin’ireo Anjely ny kapok’Allah, ka ho tontosa ny raharaha? Kanefa any amin’Allah ihany no itondràna ny raharaha rehetra."},{"id":211,"translation":"Anontanio ireo zanak’Israely, firy ireo fahagagana mibaribary nentinay tamin’izy ireo, ary na iza na iza manova ny fahasoavan’Allah taorian’ny fahatongavan’izany taminy, dia tadidio fa mafy ny sazin’Allah."},{"id":212,"translation":"Nohaingoina ho an’ireo izay tsy nino ny fiainana eto an-tany, ary maneso an’ireo izay nino izy ireo. nefa ireo izay manam-pahatahorana dia ambonin’izy ireo amin’ny andro fitsanganana. ary Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany."},{"id":213,"translation":"Vahoaka iray ny olombelona tany am-piandohana.ka nalefan’i Allah ireo Mpaminany ho mpanambara vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary nampidininy niaraka tamin’Izy ireo ny Boky feno fahamarinana, mba hitsarany ny olombelona momba ny fifanolanana nisy teo aminy. ary tsy nisy nifanolana tamin’izany afa-tsy ireo izay nomena izany (Boky) taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mibaribary tamin’izy ireo noho ny fifanoherana nisy tamin’izy ireo. dia notarihin’i Allah làlana ireo izay nino ho amin’ny fahamarinana tamin’izay nampifanolana azy ireo, noho ny famindram-pony. ary Tompo Allah dia manoro làlana izay sitrany ho amin’ny làlana mahitsy."},{"id":214,"translation":"Mihevitra ny hiditra ny Paradisa va ianareo ka tsy handalo fisedrana tahaka ireo vahoaka tany alohanareo? Nianjady tamin’izy ireny avokoa mantsy ny loza amin’antambo ka tena voadona tokoa izy ireo, ary nahatonga ilay Irak’Allah sy ireo mpanaradia azy nametrapanontaniana hoe : “Rahoviana ihany no ho tonga ny famonjen’Allah?” Moa va tsy efa mby akaiky ny famonjen’Allah?"},{"id":215,"translation":"Manontany anao izy ireo : “Amin’inona no tokony handanian’izy ireo ny harenany? Koa lazao azy ireo hoe : “Izay mety ho tsara no handanianareo izany, ho an’ny Ray amandReny, ireo izay akaiky anareo, ireo kamboty, ireo mahantra, ary ireo mpandeha lany vatsy. Ary izay mety ho soa ataonareo, dia hamafisina, fa hain’Allah avokoa izany."},{"id":216,"translation":"Nodidiana ho anareo ny ady nefa ianareo dia mankahala izany. ary mety hankahala zavatra iray ianareo, nefa dia tsara ho anareo izany. ary mety hankatia zavatra iray ianareo, nefa dia ratsy ho anareo izany. ary Allah no mahalala fa ianareo kosa no tsy manam-mpahalalana."},{"id":217,"translation":"Manontany anao izy ireo ny amin’ny fifandonana an’ady ao anatin’ilay volana masina. Koa lazao azy ireo hoe : “Fahotana lehibe tokoa ny fifandonana an’ady mandritra izany, kanefa lehibe mihoatra izany kosa ny fanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah sy ny fanaovana tsinontsinona Azy, na ilay trano fiankohofana masina sy ny fanaovan-tsesi-tany ny olona ao aminy. Ary ny fanakorontanana koa dia lehibe mihoatra ny famonoana olona”. Ary tsy hitsahatra ny handringana anareo izy ireny mandra-pialanareo amin’ny finoanareo, raha afaka manao izany izy ireo. Ka na iza na iza miala amin’ny finoany aminareo ary maty ao anatin’ny tsy finoana, dia ho foana ny asan’izy ireny ety an-tany sy any an-koatra. Ireo indrindra no olon’ny afobe, izay hitoetra ao mandrakizay."},{"id":218,"translation":"Tena marina fa ireo izay nino sy ireo izay nifindra-monina ary miady amin’ny làlan’i Allah, izy ireny dia manantena ny tso-dranony (Allah). Ary Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana."},{"id":219,"translation":"Hanontany anao izy ireo momba ny toaka sy ny loka. Teneno hoe : “ Amin’izy roa dia misy fahotana lehibe, sy tombotsoa ho an’ny olombelona, saingy ny fahotana (aterak’) izy roa dia lehibe kokoa noho ny tombotsoa (azo avy) aminy. ary hanontany anao koa izy ireo hoe : “ Inona no tokony havoakanay ? ” Teneno hoe : “ Ny famelana ”. Toy izany no hanazavan’i Allah aminareo ny fanambarany, angamba hieritreritra ianareo."},{"id":220,"translation":"Ny eto an-tany sy ny any ankoatra. ary hanontany anao izy ireo momba an’ireo kamboty. Teneno hoe : “ Ny fanaovana tsara azy ireo no mendrika. ary raha mifangaro amin'izy ireo ianareo, izy ireo dia rahalahinareo. ary Allah dia mahalala ny mpanimba amin’ny mpanamboatra. ary raha sitrak’i Allah dia nosahiraniny mafy ianareo. tena marina fa Allah dia mahery sy hendry."},{"id":221,"translation":"Ary aoka ianareo tsy hampaka-bady ireo vehivavy mpanompo sampy, raha tsy efa mino izy ireny, ary ny mpanompo vavy mpino no mendrika noho ny vehivavy mpanompo sampy, na dia manintona anareo aza ny hatsaran-tarehiny. Ary aza manome vady ireo lehilahy mpanompo sampy ianareo raha tsy efa mino izy ireo, satria ny mpanompo lahy mpino no mendrika toy izay lehilahy mpanompo sampy, na dia mahasarika anareo aza izy. Ireny mpanompo sampy ireny mantsy dia mitaona ny olona mankany amin’ny afobe; fa Allah kosa noho ny fahasoavany dia mitaona ny olona mankany amin’ny Paradisa sy ny famelan-keloka. Izy ihany koa no mampiharihary amin’ny olombelona ireo famantarana rehetra, mba handinihanareo."},{"id":222,"translation":"Ary manontany anao ny amin’ny fadim-bolan’ny vehivavy izy ireo. Ka lazao hoe : “Izany, dia loto manelingelina. Noho izany, dia aoka ianareo hihataka azy ireny mandritra ny fadim-bolana, ka aza miray aminy raha tsy efa madio izy ireo. Ary rehefa madio izy ireo, dia tanteraho amin’izy ireny izay nandidian’Allah anareo. Satria, Allah dia tia ireo mpibebaka sy ireo mpitandro fahadiovana."},{"id":223,"translation":"Ireo vehivavy (vadinareo) dia tanim-bolinareo, ka mankanesa any amin’ny tanim-bolinareo arak’izay sitrakareo ianareo, ary manolora ianareo ho an’ny tenanareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantarinareo fa mbola hihaona Aminy tokoa ianareo, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpino."},{"id":224,"translation":"Ary aoka ianareo tsy hampiasa ny anaran’Allah eo amin’ny voady ataonareo ho fanafenan-javatra, mba tsy hanaovanareo asa soa sy tsy hahavontompinoana anareo, ary mba tsy hidiranareo amin’ny fampihavanana ny olona. Fa Allah dia Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":225,"translation":"Allah dia tsy handray anareo amin’ny fianianana tsy vokatry ny fonareo fa handray anareo kosa Izy amin’ny tena fikasana ao am-ponareo. ary Allah dia Mpamela heloka sy tsara fanahy."},{"id":226,"translation":"Ho an’ireo izay mianiana tsy hanao firaisana (ara-nofo) amin’ny vehivaviny (vadiny) dia miandry mandritry ny efa-bolana. koa raha miverina amin’ny fanapahan-keviny izy ireo, tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana."},{"id":227,"translation":"Ary raha tapa-kevitra ny hisaraka izy ireo dia tsy maninona, fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":228,"translation":"Ary ireo vehivavy nisara-panambadiana dia tsy maintsy manaja (mipetraka tsy manambady mandritry) ny fadim-bolana telo, ary tsy azon’izy ireo atao ny manafina izay noforonin’i Allah ao anatin’ny tranon-janany raha tena mino tokoa an’i Allah sy ny andro farany izy ireo. ary ny lehilahy vadin'izy ireo dia manan-jò feno amin'ny famerenana azy ireo raha te-hifanaraka izy ireo. ary manan-jò izy ireo tahaka ny fisian’ny adidy miandry azy am-pahamendrehana (araka ny lalàna).fa ireo lehilahy kosa dia manana adidy amin’izy ireo. ary Allah dia mahery sy hendry."},{"id":229,"translation":"Ny fisaraham-panambadiana dia in-droa ihany. Na ny fitazonana am-pahamendrehana, na ny fampodiana am-pahatsarana. Ary tsy azonareo atao ny mamerina izay efa nomenareo azy ireo na dia kely aza, afa-tsy hoe samy matahotra ny tsy ho afaka hampihatra ny lalànan’Allah izy roa. raha matahotra ianareo fa tsy afaka hampihatra ny lalànan’i Allah izy roa dia tsy ananan’izy roa tsiny ny amin’izay tambiny atolotr’ilay vehivavy ho azy (lehilahy vadiny). Izany no didin’i Allah, ka aoka ianareo tsy handika izany. fa izay mandika ny lalànan’i Allah dia izy ireny no mpanao ny tsy rariny."},{"id":230,"translation":"Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy hahazoany alalana intsony ny mamerina azy aorian’izany, raha tsy avy nanambady olon-kafa. Ary raha nisaraka tamin-dravehivavy kosa ilay nampiakatra azy farany, dia tsy fahotàna ho azy roa ny mifamerina, raha mihevitra ny samy hanaja ilay fetra napetrak’Allah ny roa tonta. Izany no fetra napetrak’Allah, ampahafantariny ireo vahoaka mahalàla."},{"id":231,"translation":"Ary raha nosarahanareo ireo vehivavy (vadinareo), ka efa feno ny fotoana niandrasany, dia tazoninareo am-pahamendrehana izy ireo, na ampodionareo am-pahamendrehana. ary aza mitazona azy ireo amin’ny fampijaliana ianareo, fa handika ny didy aman-dalàna (lalan’i Allah). ary izay manao izany dia tena manao ny tsy rariny amin'ny tenany. ary aza maneso ny fanambaran'i Allah ianareo. ary tsarovinareo ny fahasoavan’ i Allah aminareo sy izay nampidininy taminareo amin’ny boky ary ny fahendrena izay ananarany anareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":232,"translation":"Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra ny fe-potoana ho azy ireny, dia aoka ianareo tsy hanakana azy ireny hiverina hanambady indray ny vadiny teo aloha, raha efa nifanaiky ny hifanasoa ny roa tonta. Izany no anatra omena ireo izay mino an’Allah sy ny andro farany aminareo. Izany rahateo no fitondrantena madio sy mendrika indrindra ho anareo. Ary Mahay Allah, fa ianareo kosa tsy mahay na inona na inona."},{"id":233,"translation":"Ary ireo reny, dia mampinono ny zanany mandritra ny roa taona feno, ho an’izay te-hameno tanteraka ny fe-potoana fampinonoana. ary adidy ho an’ireo rain-jaza ny manome sakafo sy mampitafy azy ireo am-pahamendrehana. ka tsy azo terena izy afa-tsy amin’izay zakany. tsy tokony hiharam-pahavoazana ny reny noho ny amin’ny zanany, na ny rainy koa noho ny amin’ny zanany. ary manana adidy mitovy amin’izany koa ny mpandova. ary raha mikasa ny fampitsaharana ny fampinonoana izy roa, ka niarahany nanaiky (izany), dia tsy omena tsiny izy roa. ary raha mitady olon-kafa hampinono ny zanakareo ianareo, dia tsy homen-tsiny, rehefa nomenareo izay tokony homena azy am-pahamendrehana izy ireo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahita tsara izay rehetra ataonareo."},{"id":234,"translation":"Ary izay tratran’ny fahafatesana aminareo (lehilahy) ka namela vady (vavy), dia mijanona tsy manambady mandritry ny efa-bolana sy folo andro izy ireo (vehivavy vadiny). ka rehefa feno ny fotoana niandrasany, dia tsy manan-tsiny ianareo ny amin’izay anaovany ny tenany am-pahamendrehana. ary Allah dia tena mahafantatra izay rehetra ataonareo."},{"id":235,"translation":"Ary tsy fahotàna ho anareo ny mampiseho ny fangatahanareo ireny vehivavy ireny ho andefimandrinareo, na ny fanafenanareo izany faniriana izany ao anatinareo. Fantatr’Allah fa hahatsiaro azy ireny ianareo. Kanefa, aoka ianareo tsy hampanantena zavatra azy ireny any amin’ny takona afa-tsy ny filazana ny marina. Ary aza manapa-kevitra ny hanao fifanekem-panambadiana raha tsy efa tapitra ny fepotoana voarakitra mikasika izany. Ary aoka ho fantatrareo, fa Allah no Mahafantatra izay ao amin’ny tenanareo. Ka mitandrema Aminy ianareo, ary fantaro ihany koa, fa Allah dia Mpamela heloka sy be fangorahana."},{"id":236,"translation":"Tsy anananareo tsiny raha misaraka amin’ireo vehivavy izay mbola tsy nokasihinareo ianareo, na mbola tsy noferanareo ny Mahary. ary omeo fahafaham-po izy ireo: ka ho an’izay manan-katao izay zakany, ary ho an’izay sahirana izay zakany, fanomezana fahafaham-po am-pahamendrehana, adidy mendrika ho an’ny mpanao tsara."},{"id":237,"translation":"Ary raha nisarahanareo izy ireo talohan’ny nikasihanareo (firaisana ara-nofo) azy ka efa noferanareo ny Mahary, dia atolorinareo azy ireo ny antsasak’izay efa noferanareo, afa-tsy hoe nandefitra izy ireo (vehivavy), na koa namela izany izay niantsoroka ny fahavitan’ny fanambadiana (lehilahy). ary ny famelana dia manakaiky indrindra ny fahatahorana (an’i Allah), ary aza manadino ny tsara izay nifanaovanareo ianareo. tena marina fa Allah dia mahita izay rehetra ataonareo."},{"id":238,"translation":"Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana (soalat), indrindra ny vavaka fanompoana afovoany ; ary mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo."},{"id":239,"translation":"Fa raha matahotra ianareo , dia tanterahonareo am-pandehanana na am-pitaingenana (ny Soalat), fa rehefa milamina ianareo dia tsarovinareo Allah, tahaka ny nampianarany anareo tamin’ny fotoana mbola tsy nahalalanareo."},{"id":240,"translation":"Ary ireo izay nindaosin’ny fahafatesana taminareo, ka namela ireo vady andefimandriny, dia tokony hametraka hafatra mba ho fitsinjovana ireny vehivavy mananon-tena ireny, ka tsy handroaka azy amin’ny trano misy azy hatramin’ny iray taona katroka. Kanefa raha izy ireny kosa no mandeha an-tsitrapo, dia tsy mahakasika anareo intsony izay ataon’izy ireny amimpahamendrehana eo amin’ny fiainany. Ary Allah no Tsitoha sy be fahendrena."},{"id":241,"translation":"Ary ho an’ireo vehivavy misara-bady dia zony ny hahazo vatsy am-pahamendrehana adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany."},{"id":242,"translation":"Toy izany no hanazavan’Allah ho anareo ireo porofo famantarana avy Aminy, mba hisainanareo."},{"id":243,"translation":"Tsy mba hitanareo va ireo izay nandao ny fonenany, an’arivony maro, noho ny fahatahorana an-drafahafatesana? Ka hoy Allah tamin’izy ireo : “Matesa ianareo”. Ary avy eo dia novelominy indray izy ireo. Hamafisina, fa feno ny fahasoavan’Allah ho an’ny olombelona, fa saingy maro amin’ny olombelona no tsy mankasitraka."},{"id":244,"translation":"Ary miadia ianareo amin’ny làlan’i Allah, ary tadidionareo fa Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":245,"translation":"Fa izay mampindrana an’Allah fampindramana tsara, dia haveriny aminy avo heny maro izany. Ary Allah no mitazona sy manome sesehena ny fahasoavany. Any Aminy rahateo no mbola hamerenana anareo."},{"id":246,"translation":"Moa va tsy mba hitanao ny tantaran’ireo lohandohan’ny mpisorona, teo amin’ny zanak’Israely, taorian’i Moussa ka nilazan’izy ireo tamin’ny Mpaminaniny hoe: “Aoka ianao handefa mpanjaka ho anay, mba hitarika anay hiady amin’ny làlan’Allah”. Ka hoy izy namaly: “Moa va tsy handa ianareo raha toa ka mivoaka ny didy momba izany?”. Hoy indray izy ireo namaly : “Fa inona loatra no hahatonga anay tsy hiady amin’ny làlan’Allah, manoloana ny fandroahana anay teo amin’ny fonenanay, sy ireo zanakay?”. Saingy rehefa nodidiana izy ireo hiady, dia nitsoaka an-daharana avokoa afatsy vitsy an’isa monja tamin’izy ireo. Fa Allah dia Mahafantatra loatra ny amin’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":247,"translation":"Ary niteny tamin’izy ireo ny Mpaminaniny fa Allah dia efa nandefa an’i Talota ho mpanjakanareo. niteny izy ireo hoe : “ Nahoana no azony ny fanjakana (hitondra anay), kanefa izahay no mendrika kokoa noho izy amin’ny fitondrana (vahoaka), ary izy dia tsy ampy amin’ny fananan-karena. Niteny izy hoe : ” tena marina fa i Allah no nisafidy azy ho eo aminareo, ary nanome azy tombony tamin’ny fahalalana sy ny toe-batana. ary Allah dia mizara ny fanjakany ho an’izay sitrany. ary Allah dia Manerana sy Mahay ny zavatra rehetra."},{"id":248,"translation":"Ary nilaza tamin’izy ireo ilay Mpaminany teo aminy : “Hamafisina aminareo, fa ny porofo famantarana ny fanjakany, dia ny fahatongavan’ilay vata eo aminareo mirakitra fahatoniana avy amin’ny Tomponareo, sy ny sisa tamin’izay navelan’ireo taranak’i Moussa sy ireo taranak’i Harona. Ireo Anjely no hitondra izany. Hamafisina, fa amin’izany rehetra izany dia misy porofo famantarana miharihary ho anareo, raha mpino marina ianareo."},{"id":249,"translation":"Koa, rehefa nivoaka ny tanàna, niaraka tamin’ireo miaramila i Talota (Mpanjaka) dia niteny izy hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mitsapa anareo amin’ny renirano, ka izay misotro amin’izany dia tsy anisan’ny ho mpiara-dia amiko, ary izay tsy manandrana izany kosa dia tena anisan’ny ho mpiara-dia amiko, afa-tsy izay nanovo indray mandeha tamin’ny ati-tanany ”. ka nisotro izany avokoa izy ireo afa-tsy ny vitsivitsy taminy. ary rehefa nihoatra izany renirano izany izy sy ireo izay nino niaraka taminy, dia niteny hoe : ” tsy manan-kery izahay androany hanoherana an’i Jalota (Goliata) sy ny miaramilany ”.niteny kosa ireo izay resy lahatra fa tsy maintsy hifanena amin’i Allah hoe : “ Firifiry tamin’ny andian’olona vitsy no nandresy ireo andiany maro an’isa noho ny fahefan’ i Allah ! ary Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana."},{"id":250,"translation":"Ary rehefa niatrika an’i Jalota (Goliata) sy ireo miaramilany izy ireo dia niteny hoe :” O ! Ry Tomponay ! arotsahy aminay ny faharetana, ary hamafiso ny dianay ary avoahy ho mpandresy eo anatrehan’ireo vahoaka tsy mpino izahay ”."},{"id":251,"translation":"Nandresy noho ny herin’i Allah izy ireo, ary matin’i Daoda i Jalota (matin’i Davida i Goliata), ary nomen’i Allah Azy ny fanjakana sy ny fahendrena, ary nampianariny izay rehetra sitrany Izy. Ary raha tsy noho ny fiarovan'i Allah ny olombelona ankilany avy amin'ny alàlan'ny andaniny, dia tena efa simba tanteraka ny tany, nefa Allah no tompom-pahasoavana eto amin’izao tontolo izao."},{"id":252,"translation":"Izany rehetra izany, dia andian-teny famantarana avy amin’Allah, notanisainay taminao amim-pahamarinana. Ary hamafisina, fa ianao dia isan’ireo Iraka."},{"id":253,"translation":"Amin'ireny Iraka ireny, dia misy sasany nomenay tombom-pahasoavana mihoatra ny hafa. Misy amin'izy ireny no notenenin'i Allah mivantana ary misy sasany tamin'izy ireny nasandratany voninahitra ary nomenay porofo miharihary i Jesoa Zanakin'i Maria ary notohananay Izy tamin'ny fanahy masina. Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo Olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany."},{"id":254,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Manaova fandaniana amin’izay anjara nomenay anareo, alohan’ny hahatongavan’ny andro tsy hisy fifanakalozana ara-barotra, na fisakaizana, na fanelanelanana. Ary ireo tsy mpino no mpanao ny tsy rariny."},{"id":255,"translation":"Allah, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Ilay Velona mandrakizay, Ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza, tsy mba rendremana Izy na handairan’ny torimaso. Azy avokoa izay rehetra any andanitra manontolo sy izay rehetra ety an-tany. Koa zovy no hanao fanelanelanana eo Aminy, raha tsy alàlana avy Aminy? Hainy ny eo am-pelatanan’izy ireo (ho avy) sy ny any aorinan’izy ireo (lasa). Tsy misy mahafehy ny ampahany amin’ny fahaizany raha tsy izay sitrany homena izany. Ary manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza Fiandrianany. Ka tsy misy vesatra Aminy akory ny fifehezana azy roa ireo. Ary Izy no Ilay avo indrindra, Ilay lehibe indrindra."},{"id":256,"translation":"Tsy misy faneriterena amin’ny finoana. Efa mazava ny làlan’ny fahitsiana amin’ny fahaverezana. Ka n'iza n'iza tsy mankato ireo sampy [35], ka mino an’i Allah dia efa nitazona ny tady mafy izy izay tsy hisy triatra Aminy. Ary Allah dia tena Maheno indrindra sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":257,"translation":"Allah no Mpiahy ireo izay nino, manala azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazavana Izy. Ary ireo izay tsy nino kosa, ny mpiahy azy ireo dia sampy, manala azy ireo avy ao amin’ny hazavana mankany amin’ny haizina. ka izy ireny no olon’Afobe, ka hitoetra ao mandrakizay."},{"id":258,"translation":"Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny Tompony, satria nomen’Allah fanjakana izy? Dia niteny i Ibraham hoe : “Ny Tompo Zanahariko no Ilay tompon’ny fahavelomana sy ny fahafatesana”. Dia hoy izy namaly : “Izaho ihany koa afaka mamelona sy mamono”. Dia hoy indray Ibraham : “Allah no mampiposaka ny masoandro avy any atsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany”. Ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. Ary Allah tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":259,"translation":"Na tahaka izay nandalo tao amin’ny tanàna iray haolo, potika sy rava tanteraka, dia niteny Izy ka nanao hoe : “ Amin’ny fomba ahoana moa no hameloman’i Allah itony aorian’ny fahafatesany ? ”. Ka novonoin’i Allah izy nandritra ny zato taona, rehefa avy eo dia novelominy indray izy, ka niteny Izy (Allah) nanao hoe : “ Firy taona no nipetrahanao tao ? ”. Niteny izy hoe : “ Andro iray na tapak'andro no nipetrahako teto ”. Niteny indray Izy (Allah) nanao hoe : “ Tsia, zato taona no nipetrahanao teo ”. Ka jereo ny sakafonao sy ny zava-pisotronao, tsy nisy fiovana na dia kely aza. Ary jereo ny ampondranao…ary mba ataonay ho porofo ho an’ny Olombelona Ianao, dia jereo ny taolana, ahoana no hanambaranay azy, avy eo dia hofonosinay nofo izany ”. Rehefa nazava Taminy izany dia niteny izy nanao hoe : “ Fantatro izao, fa tena marina i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra ”."},{"id":260,"translation":"Ary raha niteny i Ibrahama hoe : “Tompo ô! Asehoy ahy, tahaka ny ahoana no famelomanao indray ireo maty”, dia hoy Allah namaly azy : “Moa tsy mino va ianao?”. Dia hoy Ibrahim : “Tsia! Tsy izany akory, fa mba hampitony ny foko”. Ka dia hoy Allah : “Makà vorona efatra ianao ka tapatapaho, ary ametraho singany iray avy aminy isaky ny tendrombohitra; aorian’izany, dia antsoy izy ireo, fa hilomay hanatona anao. Ary aoka ho fantatrao, fa Allah dia Tsitoha sy be fahendrena."},{"id":261,"translation":"Ireo izay mandany ny harenany amin’ny làlan’i Allah, dia mitovy amin’ny voa iray namoaka sampana fito, ka isaka ny sampana iray dia manome voa zato. Ary i Allah dia mampitombo avo eny ho an’izay sitrany, ary i Allah dia Malàla-tànana sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":262,"translation":"Ireo izay mandany ny hareny amin’ny làlan’i Allah, ka tsy mampanaraka fampahatsiahivana na fanafintohinana amin'izay nolaniany, dia ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompony, ary tsy hisy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo."},{"id":263,"translation":"Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny fanomezana arahana fanafintohinana. Ary i Allah dia Manan-karena sy Malemy fanahy."},{"id":264,"translation":"O ianareo mpino! Aza simbana amin’ny teny feno latsa sy mandratra fo ny fanomezana ataonareo, tahaka izay mahafoy ny fananany noho ny fisehosehoana eo imason’ny olona, nefa tsy mino an’Allah na ny andro farany akory izy. Ny toa azy, dia toy ny haram-bato rakofan’ny tany manify, ka rehefa nikija taminy ny oram-baratra nikaoka ny tany dia nametraka azy ho vato malama. Tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izay azony izy ireo. Ary tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino Azy Allah"},{"id":265,"translation":"Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana ny hafalian’Allah, sy fanamafisan’orina ny fanahin’izy ireo, dia sahala amin’ny tanimboly eny amin’ny tany avo. Ka rehefa nirotsaka taminy ny oram-baratra, dia vao mainka nampitombo ny vokatra teo aminy avo roa heny izany; fa raha tsy nanondraka azy kosa ny oram-baratra, dia ho avy ny andon’ny maraina. Fa hitan’Allah avokoa izay rehetra ataonareo."},{"id":266,"translation":"Fanirian’ny tsirairay aminareo va ny hanana tanimboly misy antrendry sy voaloboka? ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny, ka azy daholo ireo voankazo rehetra ao, taty aoriana dia tonga taminy ny fahanterana, nefa mbola kely ireo zanany, tamin’izay, dia namely ny tanimboly ny tadio mitondra afo, ka dia kila forehitra izany. Toy izany no hanazavan’Allah aminareo ireo porofo famantarana, mba hieritreretanareo."},{"id":267,"translation":"O ianareo mpino ! Aoka ianareo hahafoy ampahany amin’ireo vokatsoa voahangonareo, sy ampahany tamin’izay navoakanay avy ao amin’ny tany ho anareo. Ary aoka mba tsy izay ratsy amin’izany no hafoinareo, fa na ianareo aza dia tsy handray izany na oviana na oviana raha tsy minia mikimpy. Ary aoka ho fantatrareo fa Allah no tompon’ny harena ka mendri-piderana."},{"id":268,"translation":"Ny Satana dia mampanantena anareo ny fahantrana, sy maniraka anareo amin’ny asa vetaveta; fa i Allah kosa dia mampanantena Anareo ny famelan-keloka avy Aminy sy ny fahasoavana. Ary i Allah dia Malàla-tànana sy Mahay ny zava-drehetra."},{"id":269,"translation":"Manome fahendrena an’izay sitrany Izy (Allah), ary izay nomena ny fahendrena dia tena efa nahazo fahasoavana maro. Ary tsy misy mahatsapa (izany) afa-tsy ireo matsilo saina."},{"id":270,"translation":"Ary na inona na inona no avoakanareo amin’ny fandaniana, na ny voady izay nataonareo, tena marina fa i Allah dia mahafantatra izany. Ary tsy hisy mpanavotra ireo mpanao ny tsy rariny !"},{"id":271,"translation":"Raha mamoaka an-karihary ireo fanomezana Ianareo dia tsara izany, fa raha afeninareo izany sy atolotrareo ho an’ny mahantra dia tsara kokoa ho Anareo. Ary i Allah dia hamafa Aminareo ny sasany amin’ireo asa ratsy vitanareo. Fa i Allah dia tena mahalala izay Ataonareo."},{"id":272,"translation":"Tsy anjaranao ny mitari-dàlana azy ireo, fa i Allah kosa no mitari-dàlana izay sitrany. Ary izay tsara avoakanareo dia ho an’ny tenanareo ihany. Ary aoka Ianareo tsy hanao fandaniana afa-tsy nohon'ny fitadiavana ny tavan’i Allah. Ary izay tsara avoakanareo dia hovaliana tanteraka Aminareo. Ary Ianareo dia tsy ho ambakaina mihitsy."},{"id":273,"translation":"Ny fanomezana dia ho an’ireo mahantra izay raikitra tamin’ny asan’Allah, tsy afaka hivezivezy mba hitady amin’ny tany rehetra. Ny tsy mahalala, dia mihevitra azy ireo ho manana ny ampy noho ny fahaizany miharitra tsy mangataka amin'olona, ho fantatrao amin’ny endriny ihany anefa izy ireo. Tsy manao izay hahasorena ny olona izy ireo amin’ny fangatahana lavareny. Ka izay mety ho zavatsoa afoinareo omena, dia hamafisina, fa efa fantatr’Allah izany."},{"id":274,"translation":"Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo amin’ny alina sy ny atoandro, miafina sy miharihary, ho azy ireo ny valin-kasasaran'izy ireo eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo."},{"id":275,"translation":"Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay."},{"id":276,"translation":"Hopotehin’i Allah ny tombontsoan’ny Ribà (fanjanaham-bola), ary hampitomboiny kosa ny tombontsoan’ny fanomezana. Ary i Allah dia tsy tia ireo tsy mpino, mpanota rehetra."},{"id":277,"translation":"Tena marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, nanatanteraka ny Soalat (vavaka), ary namoaka ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo."},{"id":278,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo; ary avelao izay sisa tavela tamin’ny Ribà (zana-bola) raha mpino Ianareo."},{"id":279,"translation":"Ary raha tsy manao izany Ianareo, dia raisonareo ny fanambarana ady avy amin’i Allah sy ny Irany. Fa raha mibebaka kosa Ianareo, dia ho Anareo ny renim-bolanareo. Tsy hanambaka ny hafa Ianareo, ary tsy ho ambakaina."},{"id":280,"translation":"Ary raha tena tra-pahasahiranana izay Anananareo trosa, dia andraso mandra-pahitany fahamorana, fa ny fanaovanareo fanomezana kosa dia tsara ho Anareo raha fantatrareo izany."},{"id":281,"translation":"Ary matahora ilay andro izay hiverenanareo any amin’Allah. Ary dia samy homena ny valin’asany avokoa ny tsirairay avy. Ka tsy ho voambaka velively izy ireo."},{"id":282,"translation":"O ianareo mpino! Raha mifanaiky ny hifampitrosa anatina fe-potoana voafetra ianareo, dia aoka hitana izany antsoratra; ary ny mpitan-tsoratra aminareo handrakitra izany araka ny fahamarinana; aoka ihany koa ny mpitan-tsoratra tsy handà ny hitana izany an-tsoratra araka izay nampianarin’Allah azy; ka handray an-tsoratra sy hampamaky izay tompon’antoka (mpamerin-trosa) izy, aoka ihany koa izy hatahotra an’Allah ilay Tompony, ary tsy hanabanga na inona na inona amin’izany. Fa raha olona maivandoha na malemy, na koa tsy afaka manonona samy irery ilay tompon’antoka, dia izay solontenany no hanonona izany amim-pahamarinana. Ary aoka ianareo hampijoro vavolombelona roa avy amin’ireo lehilahinareo; ary raha tsy misy lehilahy roa, dia lehilahy iray sy vehivavy roa anisan’ireo ankasitrahinareo ho vavolombelona, ka raha sendra mandiso ny iray amin’izy roroa dia, hampatsiahy ilay faharoa ny voalohany. Ary aoka ireo vavolombelona tsy handà rehefa antsoina. Fa tsy hamela velively ny fitanana an-tsoratra hatramin’ilay fetra farany, na kely izany na be. Fa izany no rariny kokoa eo anatrehan’Allah, sy azo antoka indrindra ho an’ny fijoroana vavolombelona, ary matotra kokoa mba tsy handiso hevitra anareo. Raha tsy hoe varotra antoerana izay iarahanareo mitantana, dia tsy fahotana ho anareo ny tsy mitana an-tsoratra izany. Aoka anefa ianareo hampijoro vavolombelona hatrany raha manao fifampivarotana; ary aza manaratsy ny mpitan-tsoratra na ny vavolombelona. Fa raha manao izany ianareo, dia faharatsiana ho anareo. Fa matahora an’Allah ianareo, fa Izy no hampianatra anareo. Ary fantatr’Allah ny zavatra rehetra."},{"id":283,"translation":"Ary raha eny am-pandehanana lavitra Ianareo, ka tsy mahita mpanoratra; mametraha antoka dia ampy. Raha mifampatokia Ianareo, dia aoka hotanterahan’ilay natokisana ny fitokisana navela Taminy. Ary aoka hatahotra an’i Allah Tompony Izy. Ary aoka tsy hanafina ny fijoroana vavolombelona Ianareo, fa izay manafina izany dia tena izany tokoa ny fahotan’ny fony. Ary i Allah dia mahafantatra izay rehetra Ataonareo."},{"id":284,"translation":"An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra ety an-tany. Raha habaribarinareo izay amin’ny tenanareo na hafeninareo, dia hotsarain’i Allah amin’izany Ianareo. Ka hamela heloka an’izay sitrany Izy, ary hanafay izay sitrany ihany koa. Ary i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":285,"translation":"Nino izay nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ny Iraka, ary koa ireo mpino, samy nino an’i Allah izy rehetra, dia ireo Anjeliny sy ireo Bokiny ary ireo Irany, ka hoy izy ireo : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany izahay ”. Ary niteny izy ireo hoe : “ Naheno sy nankatò izahay ”. Mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! Ary any Aminao no fiverenana."},{"id":286,"translation":"Allah dia tsy manery na iza na iza hanao zavatra mihoatra ny zakany. Ho azy ny vokatry ny soa vitany, ary hifototra aminy ny ratsy nataony. Ry Tompoay ô! Aoka tsy ho raisinao amin’ny fanadinoana na koa amin’ny fahadisoana vitanay izahay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampizioga anay vesatra tahaka ny nampiziogainao ireo vahoaka tany alohanay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampitondra anay izay tsy zakanay, diovy ny fahotanay, mamela ny helokay, ary mamindrà fo aminay. Ianao no Sakaiza mpiaro anay, omeo fandresena eo anatrehan’ireo vahoaka tsy mpino izahay."}]},{"id":3,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Velona mandrakizay sy ilay Mahavita tena tanteraka (al-kaiòm)[37]."},{"id":3,"translation":"Nampidina Taminao ny Boky tamim-pahamarinana Izy, manamarina izay efa nisy teo alohany. Ary nampidina ny Taoraty sy ny Evanjely Izy,"},{"id":4,"translation":"Tany aloha, tari-dàlana ho an’ny Olombelona. Ary nampidina ny fanavahana [38] Izy. Tena marina, fa ireo izay nitsipaka ny fanambaran’i Allah, dia ho azy ireo ny famaizana mafy. Ary Allah dia Tsitoha sy Tompon’ny famalian-keloka."},{"id":5,"translation":"Tena marina, fa tsy misy zavatra miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-danitra."},{"id":6,"translation":"Izy no nanome Anareo endrika tao am-bohoka araka izay sitrany. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":7,"translation":"Izy no nampidina Taminao ilay Boky, misy andininy mazava tsara ao, izy ireo no fototr’ilay Boky, fa ny (andininy) sasany kosa dia mifono hevitra maro [39].Ireo izay manana fo mirona amin’ny fahaverezana dia manaraka ireo andininy mifono hevitra maro, ho fitadiavana ny fifanoheran-kevitra sy fitadiavana ny dikan-teny hafa momba izany, nefa tsy misy mahalala ny tena dikan’izany afa-tsy i Allah. Fa ireo miorim-paka lalina amin’ny fahalalana kosa dia miteny hoe : “ Mino an’izany izahay ! Avy amin’ny Tomponay avokoa izany rehetra izany ”. Nefa, tsy misy mahatsiaro izany, afa-tsy ireo matsilo saina."},{"id":8,"translation":"Tomponay ô ! Aza havily any amin’ny fahaverezana ny fonay, aorian’ny nitarihanao làlana Anay, omeo indrafo avy Aminao Izahay. Tena marina fa, Ianao Ilay Mpanome tsy manam-petra."},{"id":9,"translation":"Tomponay ô ! Tena marina fa, Ianao no hanangona ny Olona rehetra, amin’ny Andro iray tsy misy fisalasalana ny Aminy. Tena marina fa, i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany."},{"id":10,"translation":"Tena marina fa, ireo izay tsy nino dia tsy hahavita na inona na inona amin'izy ireo, na ny haren’izy ireo, na ny Zanak’izy ireo, eo anatrehan’i Allah. Izy ireo no ho fandrehitry ny Afobe."},{"id":11,"translation":"Tahaka ny vahoakan’i Faraona sy ireo talohan’izy ireo, nilaza ho lainga ireo fanambaranay izy ireo, ka nosazian’i Allah nohon'ny fahotan'izy ireo. Ary mafy ny fanasazian'i Allah."},{"id":12,"translation":"Teneno amin’ireo izay tsy nino hoe : “ Ho resy tsy ela ianareo, ary ho angonina ao anaty Afobe. Ary toerana ratsy tokoa izany!"},{"id":13,"translation":"Efa nisy famantarana ho Anareo tamin'ireo andian’Olona roa nifanandrina: ny andiany iray dia niady amin’ny làlan’i Allah, ary ny andiany iray hafa kosa dia tsy mpino. Ireto farany dia nahita maso ireo mpino indroa amin’ny isan’izy ireo. Ary Allah dia manohana amin’ny alalan’ny fanampiany izay sitrany. Tena marina fa, ao anatin’izany dia misy lesona ho an’ireo manana fahiratan-tsaina."},{"id":14,"translation":"Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra."},{"id":15,"translation":"Teneno hoe : “ Atoroko Anareo ve ny tsara mihoatra izany ? Ho an’ireo izay manam-patahorana, eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, dia zaridaina izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy vady maro izay voadio, ary koa ny fankatoavana avy amin’i Allah ”. Ary i Allah dia Mahita ny amin’ny antsipiriany ny momba ireo mpanompony."},{"id":16,"translation":"Ireo izay miteny hoe : \" Ry Tomponay ô ! Tena marina fa mino izahay, avelao ny fahotanay, ary arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay ”."},{"id":17,"translation":"Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka ny hareny, ary ireo mpangataka ny famelan-keloka alohan’ny maraina vao mangiran-dratsy."},{"id":18,"translation":"Nitsangana vavolombelona i Allah, fa tena marina tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":19,"translation":"Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islamo [40]. Ary tsy nifanipa-kevitra ireo izay nomena ny Boky, afa-tsy taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, nohon'ny disadisa nifanaovany. Ary izay tsy mino ireo fanambaran’i Allah ka Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa !"},{"id":20,"translation":"Fa raha miady hevitra Aminao izy ireo, dia teneno hoe : “ Natolotro ho an’i Allah ny tavako (tenako), sy izay manaraka Ahy ”. Ary teneno amin’ireo nomena ny Boky sy ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny hoe : “ Moa efa niditra Islamo ve Ianareo ? ”. Raha niditra Islamo izy ireo, dia efa nahazo ny tari-dàlana. Ary raha niamboho kosa izy ireo... dia tsy inona, afa-tsy mpampiely fotsiny Ianao. Ary i Allah dia mahita amin’ny antsipiriany izay rehetra ataon’ireo mpanompo."},{"id":21,"translation":"Tena marina fa izay mitsipaka ireo porofo famantarana avy amin’Allah, ka mandatsak’aina tsy amim-pahamarinana ireo Mpaminany, ary mandatsak’aina ihany koa ireo olona izay mampirisika ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny, dia lazao, fa, miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana."},{"id":22,"translation":"Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo."},{"id":23,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky [41] ? Antsoina izy ireo mankany amin’ny Bokin’i Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina."},{"id":24,"translation":"Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany."},{"id":25,"translation":"Ary ahoana rehefa havorinay izy ireo ho amin’ny Andro izay tsy hisalasalana ny Aminy, ary omena ny tsirairay tanteraka ny vokatry ny asa nataon'izy ireo ary izy ireo dia tsy ho ambakaina."},{"id":26,"translation":"Teneno hoe : \" Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":27,"translation":"Mampiditra ny alina ao anatin’ny Andro Ianao, ary mampiditra ny Andro ao anatin’ny alina, ary mamoaka ny velona avy amin’ny maty Ianao, ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary manome izay sitrakao ny anjara tsy tambo isaina Ianao."},{"id":28,"translation":"Aoka ireo mpino mba tsy handray ireo tsy mpino ho namana ankoatra ireo mpino. Fa izay manao izany dia tsy misy tokony hantenainy mihitsy avy amin’i Allah, afa-tsy hoe miaro ny Tenanareo eo anatrehan’izy ireo Ianareo. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy i Tompo Allah. Fa any amin’i Allah no fiverenana."},{"id":29,"translation":"Teneno hoe : “ Na afeninareo izay ao an-tratranareo, na abaribarinareo, dia fantatr’i Allah izany. Ary mahafantatra izay any amin’ireo lanitra sy izay eto an-tany Izy. Fa i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":30,"translation":"Amin’ny Andro hahitan’ny tsirairay izay tsara nataony eo anoloany, sy izay ratsy nataony, dia haniry izy mba hisy elanelana lavitra dia lavitra eo Aminy sy ny asa ratsy izay vitany. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy Allah. Ary i Allah dia be fitsimbinana amin’ireo mpanompo."},{"id":31,"translation":"Teneno hoe : “ Raha tia Allah tokoa Ianareo, dia manaraha Ahy, mba ho tian’i Allah Ianareo, ary hamela Anareo Izy amin’ny fahotanareo. Ary i Allah dia be Famelan-keloka, be Indrafo ”."},{"id":32,"translation":"Teneno hoe : “Aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Iraka”. Fa raha mivadika kosa ianareo…dia hamafisina, fa Allah tsy tia ireo tsy mpino."},{"id":33,"translation":"Tena marina fa i Allah dia nisafidy an’i Adama sy i Noa sy ny fianakavian’i Ibrahimo ary ny fianakavian’i Imrana teo amin’izao tontolo izao."},{"id":34,"translation":"Taranaka mifandimby, ny andaniny nipoitra avy amin'ny ankilany. Ary i Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":35,"translation":"Raha niteny ny vadin’i Imran hoe : “Tompo ô! Efa nivoady an-tsitrapo aho, fa atolotro ho anao izay ato ambohoko. Ka aoka Ianao hanaiky ny fitalahoako. Fa Ianao no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”."},{"id":36,"translation":"Ka nony niteraka azy izy, dia nilaza hoe : “Tompo ô! Indro aho fa niteraka vavy”, ary efa fantatr’Allah rahateo izay naterany! Ary tsy tahaka ny lahy ny vavy. Fa izaho nanome anarana azy hoe Mariam, ary dia mametraka azy sy ny taranany ho eo ambany fiarovanao amin’i satana, ilay voahozona”."},{"id":37,"translation":"Ka neken’ny Tompony izany tamin’ny fanekena mendrika, ary nampitomboiny tsara Izy tamin’ny fitomboana mendrika, ary notendreny ho mpiahy Azy i Zakaria. Isaka ny miditra ao Aminy i Zakaria eo amin’ny Mihrab [43] ,dia mahita sakafo ao Aminy. Niteny izy nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Avy aiza no nahazahoanao io (sakafo io) ? ”. Niteny Izy nanao hoe : “ Avy amin’i Allah izy ireto ”. Tena marina fa i Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany."},{"id":38,"translation":"Teo no niantsoan’i Zakaria ny Tompony ka nanao hoe : “ Tompoko ô, omeo taranaka tsara avy Aminao Aho, fa mihaino fitarainana tokoa Ianao ”."},{"id":39,"translation":"Ka niantso azy ireo anjely, ary izy teo ampitsanganana mivavaka tao amin’ilay toeram-pivavahana (Mihrab) manao hoe : “Allah dia milaza vaovao mahafaly ho anao amin’ny hahaterahan’i Yahya, izay hanamafy ny Teny avy amin’Allah . Ho manamboninahitra, tsara fanahy, ho Mpaminany ary koa ho isan’ireo olona mendrika."},{"id":40,"translation":"Niteny izy nanao hoe : “ Tompo ô ! Ahoana àry no hahazoako Zazalahy, kanefa izaho dia efa tena antitra, ary ny vadiko dia momba ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no izy ! ”. i Allah dia manao izay sitrany."},{"id":41,"translation":"Niteny izy (Zakaria) ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Omeo famantarana Aho ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiresaka amin’olona Ianao mandritry ny telo Andro, afa-tsy amin’ny alalan’ny fihetsika ihany. Ary tsarovy matetika ny Tomponao, ary derao ny voninahiny amin’ny hariva sy ny maraina \"."},{"id":42,"translation":"Ary rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia nisafidy Anao sy nanadio Anao; ary nisafidy Anao koa tamin’ireo vehivavin’izao tontolo izao ”."},{"id":43,"translation":"Ô ry Mariamo ! Ankatoavy ny Tomponao, ka miankohofa Aminy Ianao, ary miondreha miaraka amin’ireo mpiondrika \"."},{"id":44,"translation":"Izany dia anisan’ireo fanambarana vaovao miafina izay ampitanay Aminao. Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nanipy ny peniny izy ireo : iza amin’izy ireo no hiahy an’i Mariamo ! Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nifamaly izy ireo."},{"id":45,"translation":"Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia manambara vaovao Aminao, dia ny Teny avy Aminy : ny anarany dia « Mesia » « Issa », Zanakan’i Mariamo, hanam-boninahitra eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisan’ireo akaiky Azy ”."},{"id":46,"translation":"“ Ary hiteny amin’Olombelona Izy raha vao teraka eo ambony fandriana, sy amin’ny halehibeny, ary ho anisan’ireo Olona mendrika \"."},{"id":47,"translation":"Niteny i Mariamo : “ Tompo ô ! Ahoana Aho no hanan-janaka lahy ka nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no Izy ! Allah dia mamorona izay sitrany. Raha mandidy zavatra Izy, dia miteny Aminy fotsiny Izy ny hoe :” Misia \", dia misy tokoa izany."},{"id":48,"translation":"Ary Izy (Allah) dia hampianatra Azy (Issa) ny Boky, sy ny Fahendrena, ary ny Taoraty sy ny Evanjely."},{"id":49,"translation":"Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe : “Lazaiko marina fa tonga eto aminareo aho miaraka amin’ny porofo famantarana avy amin’ny Tomponareo. Fa izaho hamboatra ho anareo avy amin’ny fotaka natao endrika vorona, avy eo dia ho tsofiko izany; ary ho tonga vorona noho ny herin’Allah. Hampahiratra ny jamba aho, ary hanasitrana ny boka, hamelona ny maty amin’ny herin’Allah aho. Hampahafantatra anareo izay ho haninareo, sy izay hangoninareo any an-tokantranonareo ihany koa aho. Lazaiko marina aminareo, fa ao anatin’izany dia tena misy famantarana ho anareo, raha tena mpino tokoa ianareo,"},{"id":50,"translation":"Ary hanamarina izay ao amin’ny Taoraty teo alohako, ary hanome alàlana Anareo ny amin’ny sasany izay voarara Taminareo Aho. Ary tonga Aminareo Aho miaraka amin’ny famantarana avy amin’ny Tomponareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary ankatoavinareo Aho."},{"id":51,"translation":"Tena marina fa i Allah dia Tompoko sady Tomponareo ka tompoinareo Izy, fa izany no làla-mahitsy."},{"id":52,"translation":"Ka rehefa nahatsapa ny tsy finoan’izy ireo i Issa (Jesoa), dia hoy izy : “Iza no hanampy ahy ho any amin’Allah”? Dia hoy ireo apôstôly : “Izahay no mpanampy izay rehetra an’Allah. Efa nino an’Allah izahay. Ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpanolotena ho an’Allah."},{"id":53,"translation":"“ Tomponay ô ! Nino izay nampidininao Izahay, ary narahinay ny Iraka. Ka soraty ho anisan’ireo vavolombelona Izahay \"."},{"id":54,"translation":"Ary nanao tetik’ady izy ireo, ka nanao tetik’ady ihany koa i Allah. Ary Allah no tsara tetik’ady indrindra."},{"id":55,"translation":"Raha niteny Allah nanao hoe : “Ry Issaa, lazaiko marina aminao, fa Izaho dia hanapitra ny fiainanao ety an-tany, ary hampiakatra anao ho aty Amiko, hanadio anao amin’ireo tsy mpino, ary ireo izay nanara-dia sy nankato anao dia ho ambonin’ireo tsy mpino mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary dia aty Amiko no hiverenanareo, ka hitsara anareo Aho amin’izay nampifanolana anareo."},{"id":56,"translation":"Fa ho an’ireo tsy nino kosa, dia homeko famaizana mafy izy ireny, ety an-tany sy any an-koatra; ary tsy hanana mpamonjy intsony izy ireny”."},{"id":57,"translation":"Ary ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia omeny azy ireo tanteraka ny valin-kasasaran’izy ireo. Ary Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":58,"translation":"Izany, izay vakianay Aminao, dia anisan’ireo fahagagana sy fahatsiarovana feno fahendrena."},{"id":59,"translation":"Tena marina fa i Issa (Jesoa), eo anatrehan’i Allah, dia mitovy amin’i Adama, noforoniny avy tamin’ny fotaka Izy, avy eo dia niteny Taminy Izy ka nanao hoe : “ Misia ! ”, dia nisy tokoa izany."},{"id":60,"translation":"Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala Ianao."},{"id":61,"translation":"Ka izay mifanditra Aminao mikasika izany, taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana Taminao, dia Teneno ny hoe : \" Avia Ianareo, hiantso ireo zanakay sy ny zanakareo isika, ny vehivavinay sy ny vehivavinareo, ny tenanay sy ny tenanareo, avy eo hanozona miaraka isika, ka hataontsika ho an’ireo mpandainga ny ozon’i Allah."},{"id":62,"translation":"Tena marina fa, izany no tantara tena marina. Ary tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah. Ary marina fa i Allah tokoa no ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":63,"translation":"Ka raha mitodi-damosina izy ireo... Tena marina fa i Allah dia mahalala indrindra ireo mpanao fanimbana."},{"id":64,"translation":"Lazao hoe : “Ry olon’ny boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy eo aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny tompo ho tompoin’ny sasany ankoatran’Allah”. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: “Aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa efa mpanolotena”."},{"id":65,"translation":"Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana no mifanditra Ianareo mahakasik’i Ibrahimo, nefa tsy nampidinina ny Taoraty sy ny Evanjely raha tsy taty aoriany ? Moa ve tsy mba misaina Ianareo ?"},{"id":66,"translation":"Indro Ianareo mifanditra amin’ny zavatra izay Anananareo fahalalana, ka nahoana Ianareo no mifanditra amin’ny zavatra izay tsy Anananareo fahalalana ? Ary i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa dia tsy mahalala."},{"id":67,"translation":"Tsy jiosy akory i Ibrahim, ary tsy Kristianina, fa olo-marina sy mpanolo tena Izy. Ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy."},{"id":68,"translation":"Tena marina fa, ny Olona mendrika hitonon-tena hoe avy amin’i Ibrahimo (A.s), dia ireo izay nanaraka Azy, sy ity Mpaminany ity [46], ary ireo izay nino. Ary i Allah no Mpiahy ireo mpino."},{"id":69,"translation":"Naniry ny mba hamery làlana Anareo ny andiany amin’ireo Olon’ny Boky. ka nefa tsy mamery làlana afa-tsy ny Tenany ihany izy ireo; saingy tsy mahatsapa izany izy ireo."},{"id":70,"translation":"Ô Ianareo Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no mitsipaka ireo fanambaran’i Allah, nefa ianareo dia vavolombelona tamin’izany ?"},{"id":71,"translation":"Ô Ianareo Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no mampifangaro ny marina amin’ny lainga sy manafina ny marina, ka nefa mahafantatra tsara an'izany Ianareo ?"},{"id":72,"translation":"Ary niteny ny andiany iray tamin’ireo Olon’ny Boky ka nanao hoe :” Minoa Ianareo amin'izay nampidinina tamin’ireo nino, amin’ny fiandohan’ny maraina, fa mitsipaha izany kosa amin’ny hariva, angamba hiverin-dàlana izy ireo."},{"id":73,"translation":"Aza hinoanareo raha tsy olona izay nanaraka ny Finoanareo…”. Lazao azy ireo: “Fa ny tena tari-dàlana marina, dia ny tari-dàlan’Allah”. Tsy misy na iray aza nahazo mitovy amin’izay nomena anareo, na koa hifanditra aminareo eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinareo. Lazao azy ireo hoe : “Fa ny fahasoavana, dia eo am-pelatànan’Allah. Izy no manome izany amin’ny olona ankasitrahiny. Fa Malalatànana Allaha, ary Izy no Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":74,"translation":"Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia Tompon’ny fahasoavana lehibe."},{"id":75,"translation":"Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao fitokiana amin’ny singam-bolamena arivo dia mamerina izany araka ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina dinary iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no nilaza: “Tsy manandraharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay”. Ary milaza lainga manohitra an’Allah izy ireny, kanefa dia mahalàla."},{"id":76,"translation":"Tsy izany anefa, fa na iza na iza nanatanteraka ny fifanekeny sy fatahorany an’i Allah…. Marina tokoa fa i Allah dia tia ireo manam-patahorana."},{"id":77,"translation":"Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":78,"translation":"Hamafisina, fa misy andiany amin’izy ireny no mamadika ny lelany eo am-pamakiana ilay boky, mba hiheveranareo izany ho avy ao amin’ilay boky tokoa. Tsia! Tsy avy amin’ilay boky akory izany, ary milaza ihany koa izy ireny fa ho e: “Avy amin’Allah izany”, Tsia! Tsy avy amin’Allah velively izany. Ary dia milaza lainga manohitra an’Allah izy ireo, ary fantany izany."},{"id":79,"translation":"Tsy mbola nisy olombelona nomen’Allah ny boky sy ny fahendrena, ary ny faminaniana ka mahasahy miteny amin’ny olona hoe: “Manompoa ahy ianareo, fa aza manompo an’Allah”, fa hiteny kosa izy : “Aoka ianareo hifantoka tanteraka amin’ny Tompo Zanahary, noho ianareo nampianatra ilay boky izay nandalinanareo izany”."},{"id":80,"translation":"Ary tsy hampirisika anareo velively handray ireo Anjely, na koa ireo Irak’Allah ho toy ireo tompo izy. Moa va hampirisika anareo amin’ny tsy finoana izy, taorian’ny nahampanolotena anareo?"},{"id":81,"translation":"Ary rehefa noraisin’i Allah ny faneken’ireo Mpaminany ny amin'ny hoe : “ Isaka ny manome Boky sy fahendrena ho Anareo Aho, ary avy eo, misy Iraka tonga Aminareo, hanamarina izay efa teo Aminareo, dia tsy maintsy hino azy Ianareo, ary tsy maintsy hanampy Azy. Ka niteny Izy nanao hoe : “ Ekenareo ve sy Ankatoavinareo amin’izany ve ny fifanekena Amiko ? ” Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ekenay izany ”. Niteny Izy ka nanao hoe : \" Mitsangàna ho vavolombelona àry Ianareo. Ary Izaho koa ho anisan’ny vavolombelona, miaraka Aminareo \"."},{"id":82,"translation":"Ka izay mivadika aorian’izany... dia izy ireny tokoa no tena mpanao ratsy."},{"id":83,"translation":"Moa va ankoatra ny Finoana izay an’Allah no tadiavin’izy ireo? Kanefa manolotena ho Azy avokoa izay rehetra any an-danitra manontolo sy ety an-tany, na an-tsafidy izany na an-tery, ary any Aminy no hiverenan’izy ireny."},{"id":84,"translation":"Lazao ny hoe : \" Izahay dia mino an'i Allah; ary mino izay nampidinina Taminay sy izay nampidinina tamin'i Ibrahim, Ismaely, Ishaaka sy Ya'qoub ary ireo foko (taranak'i Ya'qoub), ary izay nomena an'i Moussa sy Issa, ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo. Tsy manavaka na dia iray amin'izy ireo Izahay ; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy."},{"id":85,"translation":"Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana Islamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any an-koatra, dia ho anisan’ny maty antoka Izy ireo."},{"id":86,"translation":"Ahoana no hitarihan’i Allah làlana ny vahoaka tsy mino, taorian’izy ireo efa nino sy nitsangana ho vavolombelona fa tena marina tokoa ny Iraka, ary taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":87,"translation":"Fa handray ny valin’asany izy ireny, dia ny hozona avy amin’Allah, sy ireo Anjely, ary ny olombelona rehetra."},{"id":88,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo"},{"id":89,"translation":"Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany, sy nanitsy ny tenan'izy ireo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":90,"translation":"Hamafisina fa ireo izay tsy nino taorian’ny finoan’izy ireo, ka nampitombo hatrany ny tsy finoany, dia tsy ho raisina intsony ny fibebahan’izy ireo. Ary izy ireny no very tanteraka."},{"id":91,"translation":"Tena marina fa ireo olona tsy nino ka nindaosin’ny fahafatesana tao anatin’izany, dia tsy misy na iray ekena na oviana na oviana avy amin’izy ireny, na dia volamena hameno ny tany aza no ho takalony. Efa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana, ary tsy hanana mpanavotra izy ireo amin’izany."},{"id":92,"translation":"Tsy hahazo ilay fahasoavana velively ianareo raha tsy mahafoy manome izay zavatra tianareo. Ary izay zavatra rehetra afoinareo, dia Allah no tena mahafantatra izany."},{"id":93,"translation":"Ny sakafo rehetra fahiny dia azo ho hanina (Halal) [52] ho an’ny zanak’Israely, afa-tsy izay noraran’ny Israely (Haramo) [53] tamin’ny tenany talohan’ny nampidinana ny Taoraty. Teneno hoe : “ Ento eto ny Boky Taoraty ka vakio, raha marina izay lazainareo ! ”"},{"id":94,"translation":"Ka izay mamorona lainga mikasika an’i Allah taorian’izany, dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny."},{"id":95,"translation":"Teneno hoe: “ Nilaza ny marina i Allah ” Ka arahinareo ny finoan’i Ibrahimo izay fanompoana an’i Allah irery ihany, madio mangarahara ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy Izy."},{"id":96,"translation":"Tena marina fa ny trano naorina voalohany indrindra ho an’ny Olombelona, dia izay ao Bakka [54] (Makka) feno fahasoavana sy tari-dàlana ho an’izao tontolo izao."},{"id":97,"translation":"Misy famantarana mazava maro ao Aminy, toerana izay nitsanganan’i Ibrahimo. Ary izay miditra ao dia mahita fandriampahalemana. Adidin’ny Olombelona Amin’i Allah ho an’izay manan-katao no mankany, manatanteraka ny Hajy, amin’ilay trano masina. Ary ho an’izay tsy nino, dia hamafisina fa tsy miantehitra amin’izao tontolo izao i Allah."},{"id":98,"translation":"Teneno hoe : “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no tsy mino an’ireo fanambaran’i Allah, nefa i Allah dia vavolombelon’izay rehetra Ataonareo ”"},{"id":99,"translation":"Teneno hoe: “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no manakana izay mino mankany amin’ny làlan’i Allah ilainareo avily izany, ka nefa Ianareo dia vavolombelona manoloana ny fahamarinana ! ”.ary i Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra Ataonareo."},{"id":100,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ny andiany amin’ireo izay nomena ny Boky Ianareo, dia hamerina Anareo ho lasa tsy mpino izy ireo, taorian’ny finoana izay efa Nanananareo."},{"id":101,"translation":"Ary ahoana Ianareo no tsy mino ka nefa ianareo indrindra no amakiana ireo fanambaran’i Allah, ary eo Aminareo lalandava ny Irany ? Ary izay mifikitra mafy amin’i Allah dia efa voahitsy amin’ny làlana mahitsy."},{"id":102,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo amin’ny tena fatahorana Azy marina, ary aoka mba tsy ho faty raha tsy efa manaiky tanteraka an’i Allah Ianareo."},{"id":103,"translation":"Ary mifikira mafy Ianareo amin’ny tadin’i Allah, fa aza misaratsaraka. Ary tsarovinareo ny Fahasoavan’i Allah eo Aminareo, raha mpifahavalo Ianareo teo aloha dia natambatry ny Fonareo, ka lasa mpirahalahy nohon'ny fahasoavany Ianareo. Ary Ianareo dia efa tena teo amoron-kadin’ny afo, ka navotany tamin’izany Ianareo. Tahaka izany no hanazavan’i Allah Aminareo ny fanambarany, angamba hizotra amin’ny làla-mahitsy Ianareo."},{"id":104,"translation":"Ary aoka mba hisy Aminareo vahoaka, hiantso ho amin’ny tsara sy handidy amin’ny mendrika, ary handrara amin’ny ratsy. Ary izy ireo no mahazo ny fahombiazana."},{"id":105,"translation":"Ary aoka Ianareo tsy hanao tahaka ireo nisaratsaraka, sy nifanipa-kevitra taorian’ny fahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe."},{"id":106,"translation":"Amin’ny Andro hampazava ireo tarehy sy hahamaizina ihany koa ireo tarehy hafa, ka ho an’ireo izay maizina ny tarehinizy ireo (dia holazaina izy ireo): “ Tsy nino va Ianareo taorian’ny fanananareo ny finoana ? Ka andramano àry ny famaizana noho Ianareo nitsipaka ny finoana ”."},{"id":107,"translation":"Fa ireo izay mazava kosa ny tarehiny, dia ao anatin’ny Indrafon’i Allah, ary hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":108,"translation":"Ireny no Fanambaran’i Allah, vakinay Aminao am-pahamarinana, ary tsy mitady hanao ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao mihitsy i Allah."},{"id":109,"translation":"Ary an’i Allah avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary any amin’i Allah no hiverenan’ny zava-drehetra."},{"id":110,"translation":"Ianareo no vahoaka mendrika indrindra navoaka ho an’ny Olombelona, handidy sy handrara amin’ny ratsy Ianareo, ary mino Allah. Raha nino ireo Olon’ny Boky, dia tsara tokoa ho azy ireo izany. Nisy tamin’izy ireo anefa no tena mpino, fa ny ankamaron’izy ireo kosa dia mpanao ratsy."},{"id":111,"translation":"Tsy hahavita ratsy mihitsy Aminareo izy ireo, afa-tsy ny fanelingelenana. Ary rehefa miady Aminareo izy ireo dia hitodi-damosina, avy eo dia tsy hisy hanavotra izy ireo."},{"id":112,"translation":"Mianjady amin’izy ireo ny fahafaham-baraka, n’aiza n’aiza misy azy ireo, raha tsy amin’ny alalan’ny famonjena avy amin’i Allah sy fifanekena avy amin’Olombelona. Nianjady tamin’izy ireo ny fahatezeran’i Allah, ary nianjady tamin’izy ireo ihany koa ny fahantrana. Izany, noho izy ireo tsy nino ireo fanambaran’i Allah, ary namono tsy ara-drariny ireo Mpaminany, ary koa noho izy ireo tsy nankato, sy nandika ny didy aman-dalàna."},{"id":113,"translation":"Tsy mitovy avokoa izy ireo. Misy amin’ireo Olon’ny Boky, vahoaka mijoro, mamaky ny Fanambaran’i Allah mandritra ny alina no sady miankohoka izy ireo."},{"id":114,"translation":"Mino an’i Allah sy ny Andro farany izy ireo, mandidy amin’ny mendrika sy mandrarà amin’ny ratsy, ary mifaninana amin’ny fanaovana ireo asa soa. Fa izy ireny dia anisan’ireo Olona mpanao asa soa."},{"id":115,"translation":"Ary izay tsara ataon’izy ireo, dia tsy misy handà azy ireo amin’izany mihitsy. Ary i Allah no tena Mahalala ireo manam-patahorana (tia vavaka)."},{"id":116,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy nino, dia tsy afaka hanao n’ino n’inona amin’izy ireo na dia kely aza, ireo hareny na ireo zanany, eo anatrehan’i Allah. Ary izy ireo dia Olon’ny afo, hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":117,"translation":"Tahaka izay lanin’izy ireo eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany, dia mitovy amin’ny rivotra feno havandra, izay milatsaka eo amin’ny tanimbolin’ireo vahoaka namitaka ny tenan'izy ireo, ka mamotika izany. Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo."},{"id":118,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Aza mandray mpitana tsiambaratelo ivelanareo Ianareo; tsy mitsahatra hanapotika Anareo izy ireo. Mirary Anareo ho ao anatin’ny fahasahiranana lalandava izy ireo; ny fankahalàna no mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo; ary izay afenin’ny tratran’izy ireo (Fo) dia lehibe mihoatra izany. Efa nasehonay Anareo ireo famantarana, raha mba misaina Ianareo."},{"id":119,"translation":"Ianareo, tia azy ireo, nefa izy ireo tsy mba tia Anareo; ary mino ny Boky rehetra Ianareo. Ary rehefa mihaona Aminareo izy ireo, dia milaza hoe : “ Mino Izahay ”, fa rehefa samy irery kosa izy ireo, dia manaikitra tondro mafy izy ireo nohon'ny hatezerany. Lazao hoe : “ Matesa nohon'ny haromotanareo Ianareo ”. Tena marina, fa i Allah dia mahafantatra tanteraka izay rehetra ao am-po."},{"id":120,"translation":"Raha misy fahasoavana Azonareo, dia mampalahelo azy ireo izany. Raha misy loza kosa manjo Anareo, dia mahafaly azy ireo. Raha manam-paharetana sy manam-patahorana Ianareo, dia tsy ahazo Anareo na dia kely aza ny teti-dratsin'izy ireo. Tena marina, fa i Allah dia mahafehy tsara izay ataon'izy ireo."},{"id":121,"translation":"Ary raha niala ny fianakavianao indray maraina ianao, ka nametrapetraka ireo mpino teo amin’ny tobim-piadiana, dia maheno tokoa sy mahafantatra ny zava-drehetra i Allah."},{"id":122,"translation":"Raha nanam-pikasana hilefitra ny andiany Roa Taminareo [55], dia i Allah no Mpiahy azy Roa tonta. Ka aoka hametra-pitokisana amin’i Allah ny mpino rehetra."},{"id":123,"translation":"Ary nanome fandresena anareo i Allah, tamin’ny adin’i Badr, na dia mbola narefo aza ianareo; ka matahora an’i Allah ianareo angamba hahay hankasitraka."},{"id":124,"translation":"Raha niteny tamin’ireo mpino ianao hoe : “ Tsy ampy anareo ve ny nampidinan’ny Tomponareo ireo anjely telo arivo, nanampy anareo ? ”"},{"id":125,"translation":"Eny tokoa, raha mpino maharitra Ianareo sy manam-patahorana, ka tonga hamely Anareo tampoka izy ireo, dia handefa Anjely dimy arivo miavaka tsara hanatevin-daharana Anareo ny Tomponareo."},{"id":126,"translation":"Ary tsy nataon’i Allah izany, raha tsy ny vaovao mahafaly ho Anareo, sy hampitony ny Fonareo. Ary tsy misy fandresena raha tsy avy amin’i Allah, ilay avo Tsitoha sy ilay be Fahendrena."},{"id":127,"translation":"Mba hamotehana ny sasany amin’ireo izay tsy mino, na hanala baraka azy ireo, mba hiverina miaraka amin’ny fahadisoam-panantenana izy ireo."},{"id":128,"translation":"Tsy misy hidiranao ny amin’ny resaka didy na dia kely aza, na hanaiky ny fibebahan’izy ireo Izy na hanasazy azy ireo, izy ireo dia tena mpanao ny tsy rariny."},{"id":129,"translation":"Ary an’i Allah ny any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, mamela heloka ho an’izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany koa Izy. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":130,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Aza mihinana Ribà (zana-bola) izay mampitombo mihoa-pampana ny renim-bola Ianareo, ary matahora an’i Allah, angamba ahazo fahombiazana Ianareo."},{"id":131,"translation":"Ary matahora ny Afobe izay voahomana ho an’ireo tsy mpino Ianareo."},{"id":132,"translation":"Ary ankatoavinareo i Allah sy ny Iraka, angamba hahazo famindram-po Ianareo."},{"id":133,"translation":"Ary mifaninàna Ianareo mankany amin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo, ary ho any amin’ny Zaridaina (Paradisa) izay midadasika toy ireo lanitra sy ny tany, izay efa nomanina ho an’ireo manam-patahorana."},{"id":134,"translation":"Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo ao am-pahalalahana sy an-katerena, sy mahafehy ny hatezeran'izy ireo, ary mahalefitra amin’Olombelona. Ary i Allah dia tia ireo mpanao ny tsara."},{"id":135,"translation":"Ary ireo izay, raha nahavita asa vetaveta na nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ka nahatsiaro an’i Allah no sady nifona nohon'ny fahotan'izy ireo, ary iza koa moa no mamela ireo fahotana afa-tsy i Allah ? Ary tsy miziriziry amin’ny ratsy nataon'izy ireo teo aloha izy ireo, ary dia mahafantatra izany izy ireo."},{"id":136,"translation":"Izy ireny no mahazo valisoa, dia ny famelan-keloka avy amin’ny Tompon’izy ireo, ary koa ireo zaridaina (Paradisa) izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa izany valisoan’ireo mpanao tsara izany !"},{"id":137,"translation":"Efa niseho talohanareo ny fisehoan-javatra isan-karazany, ka mandehana mivezivezy eny ambonin’ny tany Ianareo, ary jereo ahoana no niafaran’ireny nilaza fa mpandainga ireo Mpaminany."},{"id":138,"translation":"Ity dia fanazavana ho an’ny Olombelona sy tari-dalàna, ary anatra ho an’ireo manam-patahorana."},{"id":139,"translation":"Aza manaiky resy Ianareo, ary aza malahelo, fa Ianareo no tena ambony raha mpino tokoa Ianareo."},{"id":140,"translation":"Raha azon’ny ratra Ianareo, dia efa azon’ny ratra mitovy amin’izany koa ireo vahoaka (fahavalo). Ary ireny Andro ireny (na tsara na ratsy), izahay no mampifandimby azy eo amin’ny Olombelona; ary mba ahalalan’i Allah ireo izay mino sy handraisany ireo maritiora avy Aminareo. Ary i Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":141,"translation":"Ary mba hidioavan’i Allah ireo izay nino, sy ny handringanany ireo izay tsy mpino."},{"id":142,"translation":"Moa ve mihevitra hiditra ao am-Paradisa Ianareo, ka tsy fantatr’i Allah akory izay niezaka tamin’ny ady sy izay nanam-paharetana Taminareo ?"},{"id":143,"translation":"Ary naniry fahafatesana tokoa Ianareo, talohan’ny niatrehanareo izany. Ka tena hitanareo izany, sady Ianareo mbola eo am-pijerena Azy."},{"id":144,"translation":"Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro, raha toa ka maty Izy, na novonoina dia hiverina amin’ny vody tongotrareo (1) ve ianareo? Ary n'iza n'iza miverina amin’ny vodi-tongony, dia tsy hanao ratsy an’i Allah na dia kely aza, ary i Allah dia hanome valisoa ireo izay mpankasitraka."},{"id":145,"translation":"Ary tsy misy Olona ho faty, raha tsy alalana avy amin’i Allah, araka izay efa voasoratra tany am-piandohana. Ary izay mila valisoa eto an-tany dia omenay amin’izany Izy, ary izay mila valisoa any an-koatra dia omenay amin’izany koa Izy, ary omenay valisoa ireo mpankasitraka."},{"id":146,"translation":"Ary firifiry tamin’ireo Mpaminany no nanana mpianatra maro, niara-niady Taminy, ka tsy nilefitra izy ireo tamin’izay nanjo azy ireo tamin’ny lalàn’i Allah. Tsy nalemy izy ireo, ary tsy nilavo lefona mihitsy, ary i Allah dia tia ireo manam-paharetana."},{"id":147,"translation":"Tsy nisy teny nivoaka avy tamin’izy ireo afa-tsy ny fitenenana hoe : “ Tomponay ô ! Avelao ny fahotanay sy ny fihoaram-pefy izay nataonay tamin’ny fihetsika, ary hamafiso ny dianay, ary omeo fandresena Izahay amin’ireo vahoaka tsy mpino.”"},{"id":148,"translation":"Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy ny valisoa mendrika indrindra any an-koatra. Ary i Allah dia tia ireo mpanao tsara."},{"id":149,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ireo tsy mino Ianareo, dia hamerina Anareo amin’ny vody tongotrareo [56] izy ireo. Ka dia hiverina ho maty antoka Ianareo."},{"id":150,"translation":"Ka nefa i Allah no Mpiahy Anareo, ary Izy no Mpanavotra mendrika indrindra."},{"id":151,"translation":"Ho alatsakay ao am-pon’ireo izay tsy nino ny fatahorana, noho izy ireo manakambana an’i Allah amin’ireo izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza. Ary ny Afobe no fonenan’izy ireo, ary ratsy tokoa izany fonenan’ireo mpanao ny tsy rariny izany !"},{"id":152,"translation":"Ary efa notanterahin’i Allah ny fampanantenana izay nomeny Anareo, rehefa nopotipotehanareo tanteraka izy ireo nohon'ny heriny, mandra-pileferanareo tsy hiady intsony, ka nifanolana Ianareo mahakasika ny baiko, ary tsy nankato Ianareo taorian’ny nampahitany Anareo izay tianareo [57]. Misy Aminareo no maniry ny fiainana eto an-tany, ary misy Aminareo koa no maniry ny fiainana any an-koatra. Rehefa avy eo dia nohalaviriny azy ireo Ianareo, mba hitsapany Anareo. Ary efa nandefitra Taminareo tokoa Izy. Ary i Allah dia tompom-pahasoavana ho an’ireo mpino."},{"id":153,"translation":"Raha nandositra Ianareo, ary samy nanavotra ny ainy, ka tsy nifampitodika mihitsy, ka nefa ny Iraka (Mpaminany) dia niantso Anareo avy ao aorianareo. Ka nosaziny Ianareo amin’ny tebiteby miampy tebiteby, mba tsy alahelo Ianareo amin’izay very Taminareo sy amin’izay nanjo Anareo. Ary i Allah dia tena mahalala izay Ataonareo."},{"id":154,"translation":"Avy eo dia nampidina ny fitoniana teo Aminareo Izy, taorian’ny tebiteby, ny torimaso izay nanarona tanteraka ny andiany iray Taminareo [58]. Ary ny andiany iray hafa kosa dia ny tenan’izy ireo ihany no nanahirana azy ireo; sy mieritreritra mahakasikan’i Allah izy ireo amin’ny fieritreretana tsy marina, fieritreretana tamin’ny andron’ny habadoana, ka niteny izy ireo nanao hoe : “ Moa ve mba manana anjara amin’io raharaha io Izahay ? ” ka dia teneno ny hoe : “ Ny raharaha rehetra dia an’i Allah ”. Izy ireo dia manafina ny ao am-pony izay tsy asehony Aminao. Miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha mba nanana anjara tamin’io raharaha io Izahay, dia tsy novonoina tety velively ”. Teneno ny hoe : “ na dia ao an-tranonareo aza Ianareo, dia tsy maintsy mivoaka, izay efa voasoratra ho Azy ny fahafatesana, mankany amin’ny toerana hahafatesany ”. Ary mba hitsapan’i Allah izay ao anaty Fonareo, sy hanadiovany ny Fonareo. Ary i Allah dia mahafantatra izay tena ao am-po”."},{"id":155,"translation":"Tena marina, fa ireo izay niamboho (nitsoaka) Taminareo tamin’ny Andro niatrehan’ny andiany ankiroa ny ady, dia ny satana tokoa no nandrebireby azy ireo tamin’ny sasantsasany (fahadisoana) vitan’izy ireo. Efa nandeferan’i Allah tokoa izy ireo. Marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy tsara fanahy."},{"id":156,"translation":"Ô Ianareo izay nino, aza manao toy ireo tsy mino Ianareo, ka niteny izy ireo momba ireo rahalahin'izy ireo izay nandeha lavitra na am-piadiana ka nanao hoe : “ Raha teo Aminay izy ireo, dia tsy maty na novonoina ”. Ka nataon’i Allah, ho fanenenana ao am’pon’izy ireo izany. Fa i Allah no Mamelona sy Mamono. Ary i Allah dia tena mahita izay Ataonareo rehetra."},{"id":157,"translation":"Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo."},{"id":158,"translation":"Ary raha maty na novonoina Ianareo dia tsy maintsy any amin’i Allah no hamoriana Anareo."},{"id":159,"translation":"Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy."},{"id":160,"translation":"Raha manampy Anareo i Allah dia tsy hisy handresy Anareo mihitsy, fa raha mandao Anareo kosa Izy (Allah), dia iza indray no hanampy Anareo aoriany ? Ary aoka amin’i Allah no iankinan’ny mpino rehetra."},{"id":161,"translation":"Tsy ny Mpaminany (s.w.a) mihitsy no mibodo ny zavatra azo babo. N'iza n'iza mibodo ny zavatra azo babo, dia mitondra miaraka Aminy izay nobodoiny amin’ny Andro fitsanganana amin’ny maty Izy. Avy eo dia omena tanteraka ny tsirairay ny valin’asany, ary izy ireo dia tsy ho ambakaina."},{"id":162,"translation":"Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay hiharan’ny fahatezeran’i Allah ? Ny fialofany dia ny Afobe. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !"},{"id":163,"translation":"Izy ireo dia samy amin’ny ambaratongan-daharany eo anatrehan’i Allah. ary i Allah dia tena mahita izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":164,"translation":"Efa nomen’i Allah tombontsoa ireo mpino, raha nandefa tamin’izy ireo an'ilay Iraka avy amin’izy ireo ihany Izy, izay hamaky ireo fanambarany amin’izy ireo, sy hanadio ny fanahin’izy ireo, ary hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena, raha tao anatin’ny fahaverezana miharihary izy ireo teo aloha."},{"id":165,"translation":"Fa ahoana ! Raha niharan’ny fahavoazana iray Ianareo dia efa voa tahaka izany avo roa heny Ianareo fahiny, niteny Ianareo hoe : “ Avy aiza izao ? ”. Teneno hoe : “ Izy io dia avy amin’ny tenanareo ihany ”. Marina fa i Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":166,"translation":"Ary izay nanjo Anareo tamin’ny Andro nifandonan’ny andian-tafika Roa, dia alàlana avy amin’i Allah, ary mba hahafantarany ireo mpino."},{"id":167,"translation":"Ary ny mba hahafantarana an'ireo izay mihatsaravelatsihy. Ary notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Tongava Ianareo hiady amin’ny lalàn’i Allah, na atoseho (ireo fahavalo) ”. Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha nahay niady Izahay dia tena nanaraka Anareo ”. Izy ireo, tamin’izany Andro izany, dia tsy ny finoana no akaiky azy ireo bebe kokoa noho ny finoana. Izy ireo dia miteny amin’ny vavany izay tsy ao am-pony velively. Ary i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo."},{"id":168,"translation":"Ireo izay niteny tamin’ireo rahalahiny, sady nijanona tsy nandeha ka niteny nanao hoe : “ Raha nanaraka ny teninay izy ireo dia tsy mba maty novonoina ” ka Teneno ny hoe : “ Dia arovy tsy iharan’ny fahafatesana àry ny Tenanareo, raha marina ny Anareo ”."},{"id":169,"translation":"Ary aza mieritreritra mihitsy Ianao fa ireo izay novonoina, teo amin’ny lalàn’i Allah dia maty. Tsy izany ! Tena velona izy ireo eo anatrehan’ny Tompony, mahazo ny anjarany izy ireo."},{"id":170,"translation":"Faly izy ireo tamin’ireo tombontsoa natolon’i Allah azy ireo, ary mampahafantatra ireo izay mbola tsy namonjy azy ireo, izay ho avy ao aoriany : “ Tsy misy tokony hampatahotra azy ireo, ary tsy tokony alahelo izy ireo ”."},{"id":171,"translation":"Faly izy ireo tamin’ny fahasoavana avy amin’i Allah sy ny tombontsoa, ary i Allah dia tsy manary mihitsy ny valin’asan’ireo mpino."},{"id":172,"translation":"Ireo izay namaly ny antson’i Allah sy ilay Iraka, taorian’ny fahavoazana nanjò azy ireo, ho an’ireo izay nanao asa soa tamin’izy ireo, sy nanam-patahorana ny valisoa lehibe."},{"id":173,"translation":"Ireo izay notenenin’ny Olona hoe : “ Tena marina fa ny Olona rehetra dia efa navory hanohitra Anareo, ka matahora azy ireo Ianareo ”. Nampitombo ny finoan’izy ireo anefa izany, ary niteny izy ireo ka nanao hoe : \" Ampy Anay i Allah, ary Izy no mpiantoka mendrika indrindra ”."},{"id":174,"translation":"Niverina izy ireo mbamin’ny fahasoavana avy amin’i Allah sy ny tombontsoa. Tsy misy ratsy nanjò azy ireo, ary nanaraka izay nahafapo an’i Allah izy ireo. Ary i Allah dia Tompom-pahasoavana lehibe."},{"id":175,"translation":"Tena marina fa ny satana no mampatahotra Anareo amin’ireo sakaizany, ka aza matahotra azy ireo Ianareo, fa Izaho no Atahorinareo, raha tena mpino tokoa Ianareo."},{"id":176,"translation":"Ary aza atao mampalahelo Anao, ireo izay mihazakazaka mankany amin’ny tsy finoana. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Tian’i Allah ny tsy hahazoan’izy ireo anjara mihitsy amin’ny Andro farany. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe indrindra."},{"id":177,"translation":"Tena marina fa ireo izay nanakalo ny tsy finoana amin’ny finoana, dia tsy havita hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":178,"translation":"Ary aza mieritreritra ireo izay tsy nino, fa ny fe-potoana nomenay azy ireo dia tsara ho azy ireo. Tena marina fa nomenay fe-potoana izy ireo, mba hampitomboan’izy ireo ny fahotany. Ary ho azy ireo ny famaizana mahafa-baraka."},{"id":179,"translation":"Allah dia tsy hamela ireo mpino, eo amin’ny toerana misy Anareo amin’izao, mandra-panavahany ny ratsy amin’ny tsara. Ary i Allah dia tsy hampiseho Aminareo izay miafina. Ka nefa i Allah dia mitady amin’ireo Irany izay sitrany. Minoa àry an’i Allah sy ireo Irany Ianareo. Fa raha mino Ianareo sy manam-patahorana, dia ho Anareo ny valisoa lehibe."},{"id":180,"translation":"Ary aza mieritreritra ireo izay mahihitra amin’izay nomen’i Allah azy ireo tamin’ny fahasoavany fa hoe tsara ho azy ireo izany. Tsia ! Ratsy ho azy ireo izany satria ho fatorana amin’ny tendany [59] izy ireo amin’izay notazoniny nohon'ny fahihirany, amin'ny andron’ny fitsanganana. Ary an’i Allah ny fandovana ireo lanitra sy ny tany. Ary i Allah no tena mahafantatra izay ataonareo."},{"id":181,"translation":"Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mahantra, ary Izahay no manan-karena ”. Nosoratanay izay notenenin’izy ireo, sy ny famonoan’izy ireo, ireo Mpaminany tsy amin’ny rariny. Ary hoteneninay amin’izy ireo ny hoe : “ Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mandoro ”."},{"id":182,"translation":"Izany, dia noho izay nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy manambaka ireo mpanompony."},{"id":183,"translation":"Ireo izay niteny ka nanao hoe : “ Tena marina fa i Allah dia nanafatrafatra Anay mba tsy hino Iraka (Mpaminany), raha tsy mitondra fanatitra ho Anay izay hohanin’ny afo ”. Teneno ny hoe : “ Efa nisy Iraka maro tonga teo Aminareo talohako, niaraka tamin’ny porofo mazava sy tamin’ireo izay nolazainareo, ka nahoana no vonoinareo izy ireo, raha tena marina Ianareo ”."},{"id":184,"translation":"Raha nilaza Anao ho mpandainga izy ireo, dia efa nolazaina ho mpandainga ireo Iraka talohanao. Izy ireo dia tonga niaraka tamin’ireo porofo mazava, ireo salamo (Zabora) ary ny Boky feno fahazavana."},{"id":185,"translation":"Ny manan’aina rehetra dia tsy maintsy manandrana ny fahafatesana. Omena Anareo tanteraka ny valin-kasasaranareo amin’ny Andro fitsanganana. Ka n'iza n'iza nahataka tamin’ny Afobe sy nampidirina ao amin’ny Paradisa, dia tena tafita. Ary tsy inona ny fiainana eto an-tany afa-tsy fahafinaretana miserana feno fitaka."},{"id":186,"translation":"Tsy maintsy hotsapana Ianareo amin’ny Fanananareo sy ny Tenanareo, ary tsy maintsy haheno teny ratsy maro avy amin’ireo nomena ny Boky teo alohanareo, sy avy amin’ireo mpanompo sampy Ianareo. Ary manàna faharetana Ianareo, sy manàna fatahorana izany no fanapahan-kevitra mahomby indrindra amin’ny raharaha rehetra."},{"id":187,"translation":"Ary raha nandray fanekena tamin’ireo izay nomena ny Boky Izy : “ Aoka Ianareo hanambara izany amin’ny Olombelona rehetra, ary tsy hanafina izany velively ”. Ka nefa nataon’izy ireo tao an-damosiny izany, sy namidiny tamin’ny vidiny ambany dia ambany. Ratsy dia ratsy izany varotra nataon’izy ireo izany !"},{"id":188,"translation":"Aza mieritreritra Ianao, fa ireo izay faly amin’ny asa ratsy nataon’izy ireo, ary tian’izy ireo ny hoderaina amin’ny asa izay tsy nataon'izy ireo akory; aza mieritreritra mihitsy Ianao, fa izy ireo no ho avotra amin’ny famaizana; fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry !"},{"id":189,"translation":"An'i Allah irery ihany ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany, ary i Allah no mahefa ny zava-drehetra."},{"id":190,"translation":"Tena marina fa, tamin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro, dia tena feno famantarana ho an’ireo matsilo saina."},{"id":191,"translation":"Ireo izay mahatsiaro Allah, am-pitsanganana, sy amin'ny fipetrahana, ary am-patoriana sy amin’ny ilan’izy ireo ary mandinika ny momban'ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany ka niteny izy ireny ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tsy noharianao tsy amin’ny antony izao (rehetra izao) ka Voninahitra anie ho Anao irery ! ka arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay”."},{"id":192,"translation":"Tomponay ô ! Tena marina fa, izay ampidirinao ao amin’ny Afobe, dia nalainao baraka tokoa, ary tsy misy mpanavotra ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":193,"translation":"Tomponay ô ! Henonay tokoa ny mpiantso izay miantso ho amin’ny finoana ka nanao hoe : “ Minoa an’ny Tomponareo Ianareo ”. Dia nino tokoa Izahay. Tomponay ô ! Avelao ny helokay, fafao ny ratsy vitanay, ary ataovy ho faty miaraka amin’ireo Olona mendrika Izahay."},{"id":194,"translation":"Tomponay ô ! Omeo Anay izay nampanantenainao Anay, tamin’ny alalan’ireo Irakao. Ary aza alainao baraka Izahay amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana satria tena marina tokoa fa Ianao dia tsy mba mivadika amin’ny fampanantenana."},{"id":195,"translation":"Ka namaly ny hatak’izy ireo ny Tompony, ary nanao hoe : “ Tena marina fa tsy hanary ny asa nataon’ny tsirairay Taminareo Aho, na lahy na vavy, avy amin’ny andaniny sy avy amin’ny ankilany Aminareo. Ka ireo izay nifindra monina sy noroahana tamin’ny toeram-ponenany, sy nampijaliana tamin’ny làlako, ary ireo niady sy novonoina, dia tena ho fafàko amin’izy ireo ny asa ratsy vitan'izy ireo, ary hampidiriko tokoa ao amin’ireo zaridaina (Paradisa) izy ireo, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, valisoa avy amin’i Allah, ary i Allah no manana ny mendrika indrindra amin’ny valisoa."},{"id":196,"translation":"Aoka tsy hamitaka Anao ny fihetsik’ireo izay tsy nino ao amin’ny tanàna."},{"id":197,"translation":"Fahafinaretana kely fotsiny ! Avy eo any amin’ny Afobe no fialofan’izy ireo. Ary ratsy dia ratsy tokoa izany fandriana izany !"},{"id":198,"translation":"Ka nefa ireo izay matahotra ny Tompon'izy ireo kosa, dia ho azy ireo ny zaridaina (Paradisa) maro, izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, toeram-pitobiana avy amin’i Allah. Ary izay misy any amin’i Allah dia mendrika ho an’ireo mpanao asa soa."},{"id":199,"translation":"Ary tena misy amin’ireo Olon’ny Boky mino tokoa an’i Allah sy izay nampidinina Taminareo, ary izay nampidininy tamin’izy ireo. Feno fanetre-tena amin’i Allah izy ireo, ary tsy nivarotra mihitsy ireo fanambaran’i Allah amin’ny vidiny ambany dia ambany izy ireo. Ho azy ireo ny valisoa avy amin’ny Tompony.Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa."},{"id":200,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Miareta Ianareo sy mahereza, ary hamafiso ny fiambenanareo (vahoaka), ary matahorà an’i Allah Ianareo, fa hahazo fahombiazana tokoa Ianareo."}]},{"id":4,"verses":[{"id":1,"translation":"Ô ry Olombelona ! Matahora an’ny Tomponareo, izay nahary Anareo avy tamin’ny vatana iray, sy nahary avy aminy ny vadiny [60], ary nampiely avy tamin’izy roa, lehilahy maro sy vehivavy. Ary matahora an’i Allah izay amin’ny anarany no hifangatahanareo; ary matahora amin’ny fanapahana ny rohim-pihavanana Ianareo. Tena marina fa i Allah dia manara-maso Anareo tokoa."},{"id":2,"translation":"Ary omeo ireo kamboty ny fananan’izy ireo, ary aza ampifanakalozinareo ny ratsy ny tsara, ary aza mihinana ny fananan’izy ireo Ianareo miaraka amin’ny fanananareo. Fa fahotana lehibe tokoa izany."},{"id":3,"translation":"Ary raha matahotra ianareo fa tsy havita hanao ny rariny amin’ireo kamboty, dia manambadia izay mahafinaritra Anareo amin’ireo vehivavy Ianareo, roa na telo na efatra. Ka raha matahotra Ianareo, fa tsy ahavita hampifandanja azy ireo, dia iray ihany, na ireo andevo vavy eo am-pelatànanareo. Izany dia mba tsy hanaovanareo ny tsy ara-drariny, (na mba tsy hampavesatra Anareo eo amin’ny andraiki-pianakaviana)."},{"id":4,"translation":"Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy ireo Fa raha mahafoy an-tsitrapò ny ampahany amin’izany ho Anareo izy ireo, dia aoka Ianareo hihinana izany amim-piadanana sy amin’ny Fo madio."},{"id":5,"translation":"Ary aza omena ireo tsy ampy saina [62] ireo fanananareo, izay nataon’i Allah mba ho fivelomanareo. Ary omeo ampahany amin’izany ho anjara sakafon'izy ireo, sy ampitafianareo, ary mitenena amin’izy ireo amim-pahamendrehana Ianareo."},{"id":6,"translation":"Ary tsapao ireo kamboty mandra-pahazoan’izy ireo taonam-panambadiana; ka raha tsikaritrareo amin’izy ireo ny fahamatoran-tsaina, dia atolory azy ireo ny fananan’izy ireo. Ary aza ho haninareo amin’ny fandanindaniam-poana sy fandrobana izany, alohan’ny ahalehibe azy ireo. Ary izay manan-katao, aoka Izy tsy handray amin’izany. Fa izay mahantra kosa, dia aoka Izy hihinana araka izay tokony ho izy. Koa raha hamerina amin’izy ireo ny fananany Inareo dia makà vavolombelona eo anatrehany. Ary ampy ho Mpitsara i Allah."},{"id":7,"translation":"Ireo lehilahy dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dreny sy ny havany akaiky, ary ireo vehivavy koa dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dreny sy ny havany akaiky na be na kely izany anjara voafaritra araka ny lalàna izany."},{"id":8,"translation":"Raha nanatrika fizarana lova ireo fianakaviana akaiky sy ireo kamboty ary ireo mahantra dia mba omeo kely amin'izany izy ireo, ary mba mitenena teny tsara amin'izy ireo."},{"id":9,"translation":"Aoka mba hanana fatahorana izy ireo, raha namela taranaka malemy [63] aty aoriana, ka hatahotra izy ireo momba ny ho avin'izy ireo. Ary aoka izy ireo hatahotra Allah,ary hiteny teny marina."},{"id":10,"translation":"Tena marina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny tsy rariny, dia tena mihinana afo ao an-kibony. Hirehitra ao amin’ny Afobe izy ireo."},{"id":11,"translation":"Mandidy Anareo i Allah mahakasika ireo Zanakareo : ny lahy dia mahazo anjara mitovy amin’ny anjara azon’ny vavy Roa. Raha vehivavy daholo izy ireo, ka mihoatra ny Roa, dia ho azy ireo ny Roa ampahatelon’izay navelan’ny maty. Ary raha vavy tokana kosa Izy, dia ho Azy ny antsasany. Ary ho an’ny Ray aman-drenin’ilay maty, samy mahazo ny ampahenina avy izy Roa, amin’ny lova izay navelany raha manan-janaka iray Izy (ilay maty). Raha tsy manan-janaka kosa Izy, ka ny Ray aman-dreniny no mandova Azy, dia ho an’ny Reniny ny ampahatelony. Ary raha toa ka manan-drahalahy maro kosa Izy, dia ho an’ny Reniny ny ampahenina, aorian’ny fanatanterahany ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Na ireo Ray aman-dreninareo, na ireo Zanakareo, dia tsy fantatrareo iza amin’izy ireo no tena ahazoanareo tombontsoa. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia Mahalala ny zava-drehetra, ary be Fahendrena."},{"id":12,"translation":"Ary ho Anareo ny antsasany amin’ny lova navelan‘ireo Vadinareo vavy, raha tsy manan-janaka izy ireo. Fa raha manan-janaka kosa izy ireo, dia ho Anareo ny ampahefany amin’ny lova navelany, aorian’ny fanatanterahan’izy ireo ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Ary ho an’ireo Vadinareo vavy, ny ampahefany amin’ny lova navelanareo, raha tsy manan-janaka Ianareo. Fa raha manan-janaka Ianareo, dia ny ampahavalony amin’ny lova Navelanareo no ho Azy, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana na ny fandoavana ny trosany. Ary ireo lehilahy na vehivavy tsy manana mpandova mivantana, ka nefa manan-drahalahy na anabavy, mahazo ny ampahenina ny tsirairay amin’izy Roa. Fa raha maro mihoatra izany izy ireo, dia mitambatra ao anaty ampahatelony izy ireo, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana navelany na fandoavana ny trosany, tsy misy famelezana na amin’iza na amin’iza. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Ary i Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ary tena tsara fanahy."},{"id":13,"translation":"Izany ary no didin’i Allah. Ary izay mankato an’i Allah sy ny Irany, dia ampidiriny ao amin’ny Paradisa, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary izany no fahombiazana lehibe indrindra !"},{"id":14,"translation":"Ary izay tsy nankatò an’i Allah sy ny Irany kosa, ary nandika ny didiny, dia ampidiriny ao anaty afobe, ka hitoetra ao mandrakizay. Ary ho azy ny famaizana manala-baraka."},{"id":15,"translation":"Ho an’ireo vehivavinareo izay manao asa vetaveta (mijangajanga), dia manangàna vavolombelona efatra Aminareo eo anatrehany. Koa raha nitsangana vavolombelona izy ireo, dia tazony ao an-trano izy ireo, mandra-pahatongavan’ny fahafatesany, na koa i Allah hamoaka lalàna hafa ho azy ireo."},{"id":16,"translation":"Ary ny Olona roa izay nahavita izany asa vetaveta izany Taminareo, dia ampijalio. Raha mibebaka izy roa ka manova ny toetrany, dia avelao hiaina amim-piadanana. Tena marina fa i Allah dia Mpandray ny fibebahana sy be Indrafo."},{"id":17,"translation":"Tena marina fa ny fibebahana amin’i Allah, dia ho an’ireo manao asa ratsy nohon'ny habadoana, avy eo izy ireo mibebaka haingana. Izy ireny dia eken’i Allah ny fibebahan'izy ireo. Tena marina fa i Allah dia Mahalala sy be Fahendrena."},{"id":18,"translation":"Fa tsy misy fibebahana akory ho an’ireo izay manao ireo asa ratsy mandra-pahatongavan’ny fahafatesana eo amin’iray amin’izy ireo, ka hiteny manao hoe : “ Tena mibebaka Aho izao ”, ary koa tsy ho an’ireo izay maty nefa tsy nino, Izy ireny dia efa nomaninay ho azy ireny ny famaizana mamirifiry."},{"id":19,"translation":"Ô Ianareo izay nino ! Tsy Azonareo atao ny mandova ireo vehivavy tsy an-tsitrapony, ary aza sakananareo tsy hanambady hafa izy ireo, mba hahazoanareo ny ampahany amin’izay efa nomenareo azy ireo, raha tsy hoe nanao asa vetaveta voaporofo izy ireo. Ary miaraha miaina amin’izy ireo am-pahamendrehana Ianareo. Fa raha mankahala azy ireo Ianareo, dia sao hankahala zavatra Ianareo, nefa i Allah hanatobaka fahasoavana maro Aminy."},{"id":20,"translation":"Raha Tianareo ny hanolo vady hafa eo amin’ny toeran’ny vady, ary efa nomenareo amin’iray amin’izy ireo ny Kintar [64], dia aoka Ianareo tsy handray amin’izany na dia kely aza. Moa ve haka izany tsy amin’ny rariny Ianareo, sy amim-pahotana mibaribary ?"},{"id":21,"translation":"Ary ahoana Ianareo no haka izany, ka nefa Ianareo efa niaiky nanao firaisana ny andaniny sy ny ankilany, ary efa nandray fanekena matotra avy taminareo izy ireo."},{"id":22,"translation":"Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy, afa-tsy izay efa vita tany aloha. Marina fa izany dia tena asa vetaveta sy maharikoriko, ary fitondran-tena ratsy tokoa izany !"},{"id":23,"translation":"Nofadiana ho Anareo ireo reninareo, ireo zanakareo vavy, ireo anabavinareo, ireo anabavin-drainareo, ireo rahavavin-dreninareo, ireo zanaka vavin’ny rahalahinareo, ireo zanaka vavin’ny anabavinareo, ireo reninareo izay nampinono Anareo, ireo anabavinareo ara-pinonoana, ireo renin’ireo vehivavy vadinareo, ireo vehivavy zana-badinareo izay ao an-tranonareo, avy amin’ireo vehivavy izay efa niraisanareo ara-nofo, fa raha mbola tsy niraisanareo ara-nofo kosa izy ireo dia tsy Anananareo tsiny, sy ireo vadin’ireo zanakareo (vinanto vavinareo) izay avy amin’ny taolan-tehezanareo, ary ny fanakambananareo ho vady ny mpirahavavy anakiroa [65] afa-tsy izay efa vita tany aloha. Tena marina fa i Allah dia tena be famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":24,"translation":"Ary (nofadiana ho anareo koa) ireo efa manambady tamin’ireo vehivavy, afa-tsy ireo andevo anananareo. Izany no voadidin’I Allah aminareo ! Ankoatra izany, dia nomena alàlana kosa ianareo mba hitadiavanareo azy ireo, amin’ny alalan’ny fanananareo, mba ho vady ara-dalàna ianareo fa tsy ho mpijangajanga. Ka izay nahazoanareo fahafinaretana tamin’izy ireo dia omeo azy ireo ny Mahr (vody ondriny). Izany dia voadidy aminareo. Ary tsy omena tsiny ianareo ny amin’izay hifanarahanareo aorian’ny mahr izay voadidy. Tena marina fa I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":25,"translation":"Ary izay tsy manan-katao aminareo mba hanambady ireo mpino vavy afaka, dia makà amin’ireo andevo vavy mpino eo am-pelatananareo. Ary I Allah no tena mahafantatra ny momba ny finoanareo, satria ny sasany aminareo dia avy amin’ny sasany. Ka manambadia azy ireo ianareo araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny fianakaviany, ary atolory azy ireo am-pahamendrehana ny vody ondry, mba ho vady ara-dalàna fa tsy ho mpijangajanga, na koa ho sakaiza fotsiny (tokantrano maso). Koa raha efa vady raikitra izy ireo (ireo vehivavy), ka nanao asa vetaveta, dia mihatra aminy ny antsasaky ny sazy izay mihatra amin’ireo vehivavy afaka. Izany dia ho an’izay matahotra ny fitondran-tena vetaveta aminareo; fa ny tsara indrindra aminareo kosa dia ny maharitra. Ary I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":26,"translation":"Tian’I Allah ny hanazava sy hitari-dalana anareo amin’ny làlan’ireo izay talohanareo, sy mba handraisany ny fibebahanareo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":27,"translation":"Ary I Allah dia mila handray ny fibebahanareo. Fa ireo izay manaraka ny hetahetam-pony kosa, dia mila anareo hirona tanteraka any amin’izany."},{"id":28,"translation":"Allah dia mila hanamaivana anareo, satria ny olombelona dia nohariana ho manam-pahalemena."},{"id":29,"translation":"Ô ianareo izay nino! Aza mihinana ny harenareo samy anareo amin’ny tsy rariny ianareo, raha tsy misy fifampiraharahana ara-barotra iarahanareo mifanaiky. Ary aza mamono tena ianareo. Tena marina fa I Allah dia be Indrafo aminareo."},{"id":30,"translation":"Ary n’iza n’iza manao izany, amim-pihoaram-pefy sy amin’ny tsy rariny, dia hatsipinay ao anatin'ny afobe izy. Ary izany dia mora amin’I Allah."},{"id":31,"translation":"Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay norarana taminareo ianareo, dia ho fafanay ireo asa ratsy vitanareo, ary hampidirinay ao amin’ny toera-manan-kaja (Paradisa) ianareo."},{"id":32,"translation":"Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":33,"translation":"Ary ny tsirairay dia nataonay manana mpandova amin’izay navelan’ny ray aman-dreniny sy ireo havana akaiky. Ary izay nanaovanareo fanekena, dia omeo azy ireo ny anjarany. Tena marina fa I Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra."},{"id":34,"translation":"Ireo lehilahy dia manam-pahefana eo amin’ireo vadiny, nohon'ny tombony izay nomen’I Allah ny sasany amin’izy ireo eo anatrehan’ny sasany, sy nohon'ny fandaniana izay ataon’izy ireo amin’ny hareny. Ireo vehivavy mendrika dia mankatò (an’I Allah) sy ny vadiny, ary miaro mandritra ny fotoana tsy maha eo ny vadin’izy ireo, ny voninahiny sy ny hareny. Ary ireo izay atahoranareo tsy hankatò kosa, dia anaro izy ireo sy ihataho amin’ny fandriana, ary kapohy. Fa raha mankatò anareo kosa izy ireo, dia aoka ianareo tsy hitady lalana hanoherana azy ireo (tsy itadiavana ady intsony). Tena marina fa I Allah dia Avo sy lehibe indrindra."},{"id":35,"translation":"Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy, sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo. Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’I Allah ny momba azy roa. Tena marina fa I Allah dia Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":36,"translation":"Ary tompoinareo I Allah, ary aza atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy. Ary manaova ny tsara amin’ireo ray aman-dreninareo, ireo havana akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ny havana mpifanolo-body rindrina, ny mpifanolo-body rindrina tsy havana (na ny havana lavitra), ny namana akaiky, ny mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo andevo eo am-pelatananareo. Tena marina fa I Allah dia tsy tia ny mpanambony tena sy ny mpirehareha."},{"id":37,"translation":"Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary manafina ireo izay nomen’I Allah azy amin’ny fahasoavany. Ary nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala-baraka."},{"id":38,"translation":"Ary ireo izay mamoaka ny hareny mba ho hitan’ny olona, ary tsy mino an'I Allah sy ny andro farany. Ary n'iza n'iza maka ny satana ho namana akaiky, tena namana ratsy tokoa izany !"},{"id":39,"translation":"Ary inona moa no manjò azy ireo, raha mba nino an’I Allah sy ny andro farany izy ireo, ary namoaka (ho an’I Allah) amin’izay anjara nomeny azy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia Mahalala tsara izay ataon’izy ireo."},{"id":40,"translation":"Tena marina fa I Allah dia tsy manambaka na dia mitovy amin’ny lanjan’ny atôma aza. Ary na dia asa tsara iray monja aza dia ampitomboiny avo heny izany, ary omeny valisoa lehibe avy Aminy izany."},{"id":41,"translation":"Ka manao ahoana raha itondranay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, Ary ianao no ataonay vavolombelona miatrika azy ireo?"},{"id":42,"translation":"Amin’izany andro izany, dia maniry ireo izay tsy nino sy tsy nankatò ny Iraka mba handrakotra azy ireo ny tany, ary tsy afaka hanafina intsony ny resaka amin’I Allah izy ireo."},{"id":43,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe . Ary raha marary ianareo, na eny am-pandehanana lavitra, na avy nivoaka ny iray taminareo, na avy nikasika vehivavy ianareo ka tsy mahita rano, dia midiova amin’ny tany madio, ka safoinareo amin’izany ny tavanareo sy ireo tananareo. Tena marina fa I Allah dia be Fandeferana sy be Famelan-keloka."},{"id":44,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky, mividy ny fahaverezana ka mila hamery lalana anareo ?"},{"id":45,"translation":"Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah."},{"id":46,"translation":"Misy amin’ireo Jiosy izay manova ny teny hiala amin’ny heviny, ka miteny hoe manao : “Henonay izany nefa tsy ankatoavinay”, “Henoy na dia tsy mihaino anao aza”, “Omeo lanja izahay ”, miteny ratsy ny lelan’izy ireo sady manenjika ny finoana. Ary raha mba miteny izy ireo hoe : “Henonay sy ankatoavinay”, “Henoy sy jereo izahay ”, dia tsara ho azy ireo izany sy tena mahitsy kokoa. Kanefa moa dia nozonin’I Allah izy ireo nohon'ny tsy finoany, ka tsy mino afa-tsy ny vitsy an'isa amin’izy ireo."},{"id":47,"translation":"Ô ianareo izay nomena ny Boky ! Minoa ianareo an’izay efa nampidininay taminareo, izay manamarina ny eo am-pelatananareo, alohany Izahay hamafa ireo tarehy sy hanodinanay izany, ny aloha mankany aoriana; na hanozonanay azy ireo tahaka ny nanozonanay ireo olon’ny Sabata. Ary ny didin’I Allah dia tsy maintsy tanteraka."},{"id":48,"translation":"Tena marina fa I Allah dia tsy mamela heloka raha hakambana amin’ny zavatra hafa Izy. Fa mamela heloka kosa Izy amin’izay ankoatra izany, ho an’izay sitrany. N'iza n'iza manakambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa nahavita fahotana lehibe."},{"id":49,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay manadio ny tenany ? Kanefa I Allah no manadio izay sitrany; ary tsy ho hambakaina izy ireo na dia kely tahaka ny voan’atrendry aza."},{"id":50,"translation":"Mba jereo, ahoana ny fomba entin’izy ireo mamoron-dainga mahakasik’I Allah ? Ary ampy ho fahotana miharihary izany."},{"id":51,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny ampahan’ny Boky, mino ny sampy sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, ary miteny an’ireo tsy nino manao hoe : “Izy ireny no voatari-dàlana kokoa noho ireo izay nino”?"},{"id":52,"translation":"Izy ireny no nozonin’I Allah, ary n’iza n’iza ozonin’I Allah, dia tsy hahita mpamonjy ho azy mihitsy ianao."},{"id":53,"translation":"Moa ve manana anjara amin’ny ampaham-pahefan’ny fanjakana izy ireo ? Raha izany dia tsy hizara na inona na inona amin’ny olona izy ireo, na dia kely tahaka ny singan’ny voan’atrendry iray aza !"},{"id":54,"translation":"Moa ve izy ireo dia hialona ny olona amin’ny fahasoavana izay nomen’I Allah azy ireo ? Efa nomenay an’ny fianakavian’i Abrahama ny Boky sy ny fahendrena, ary efa nomenay azy ireo koa ny fanjakana lehibe."},{"id":55,"translation":"Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo ihany koa izay nihataka taminy. Tena ampy ho azy ireo ny afobe ho lelan’afo fandoro."},{"id":56,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambaranay dia hatsipinay any amin’ny afobe izy ireo. Isaka ny masaka ny hoditr’izy ireo, dia soloinay hoditra hafa izany, mba hanandraman’izy ireo ny famaizana. Tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena."},{"id":57,"translation":"Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny."},{"id":58,"translation":"Tena marina fa I Allah dia mandidy anareo, mba hamerina ireo zavatra napetraka taminareo amin’ny tompony; ary rehefa mitsara eo amin’ny samy olombelona ianareo, dia aoka hitsara ara-drariny. Tena marina fa I Allah dia mananatra anareo hatrany amin’ny tena tsara. Ary marina tokoa fa I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra."},{"id":59,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Iraka sy ireo mpitondra eo aminareo, koa raha misy zavatra hifanolananareo, dia aoka hamerina izany any amin’I Allah sy ny Iraka ianareo, raha mino an’I Allah sy ny andro farany ianareo. Izany no tsara indrindra sy fanazavana mendrika indrindra."},{"id":60,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay mitonon-tena ho mpino, izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao ?Izy ireny anefa dia mbola mankasitraka ny fitsarana ataon'ireo mpihoa-pefy,kanefa dia efa voadidy hitsipika izany izy ireo.Ary fanirian'i satana raha hamery lalana azy ireny any amin'ny fahaverezana lavitra."},{"id":61,"translation":"Ary rehefa tenenina izy ireo : “Tongava aty amin’izay nampidinin’I Allah sy aty amin’ny Iraka ianareo ! Dia ho hitanao ireo mpihatsaravelatsihy hihataka lavitra anao."},{"id":62,"translation":"Ka ahoana raha misy fahoriana manjo azy ireo noho izay nataon’ny tanan’izy ireo, avy eo ho tonga aminao izy ireo, hianiana amin’i Allah manao hoe : “Tsy mitady afa-tsy ny tsara sy ny hifanarahana izahay”."},{"id":63,"translation":"Izy ireny no efa fantatr’i Allah ny ao am-pony. Ka mihataha azy ireo, ary anaro sy teneno izy ireo amin’ny teny mafonja maharesy lahatra."},{"id":64,"translation":"Ary tsy nandefa Iraka Izahay, raha tsy ho ankatoavina, amin’ny fahazoan-dàlana avy amin’I Allah. Ary izy ireo, rehefa avy nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka tonga aminao mangataka famelan-keloka amin’I Allah, ary ny Iraka dia mangataka ho azy ireo ny famelan-keloka, dia ho hitan’izy ireo fa I Allah dia tena mpandray ny fibebahana sy be Indrafo."},{"id":65,"translation":"Tsia ! Mianiana amin’ny Tomponao ! Fa tsy hino izy ireo mandra-pahatongan’izy ireo handray anao ho mpitsara amin’ny disadisa mitranga eo amin’izy ireo, avy eo, tsy mahita ho kianina ny tenan’izy ireo, amin’izay nitsaranao azy, ary manetry tena tanteraka izy ireo."},{"id":66,"translation":"Ary raha nandidy tamin’izy ireo Izahay hoe : “Vonoinareo ny tenanareo !” na “Mialà amin’ny tranonareo ianareo”, dia tsy notanterahan’izy ireo izany, afa-tsy vitsy tamin’izy ireo. Ary raha mba nanatanteraka izay nananarana azy ireo izy ireo, dia ho tena tsara tamin’izy ireo izany, sy ho nanamafy orina azy ireo."},{"id":67,"translation":"Ka noho izany, Izahay dia manolotra valisoa goavana ho azy ireny avy."},{"id":68,"translation":"Ary tena notarihinay tamin’ny làla-mahitsy izy ireo."},{"id":69,"translation":"Ary izay mankatò an’I Allah sy ny Iraka dia izy ireny no hiaraka amin’ireo izay nomen’I Allah fahasoavana : ireo Mpaminany, ireo olona tena marina, ireo maritiora ary ireo mpanao asa soa. Ary namana tsara hiarahana tokoa izy ireny !"},{"id":70,"translation":"Izany no fahasoavana avy amin’iIAllah. Ary ampy ho Mpahalala ny zava-drehetra I Allah."},{"id":71,"translation":"Ô ianareo izay mino ! Mitandrema ianareo (amin’ny fiatrehana ny fahavalo), ka mivoaha tsikelikely, na mitambabe ianareo."},{"id":72,"translation":"Eny, tena misy aminareo izay tsy rototra. Ka raha misy voina manjò anareo, dia miteny izy manao hoe : “Tena nomen’I Allah fahasoavana aho, noho izaho tsy anisan’ny niaraka tamin’izy ireo”."},{"id":73,"translation":"Ary raha mahazo fahasoavana avy amin’i Allah kosa ianareo dia hiteny indray izy ireo ho toy ny tsy misy ny fifankatiavana teo aminareo sy izy, “Indrisy ! Raha mba niaraka tamin’izy ireo aho dia mba nahazo fahombiazana lehibe !”"},{"id":74,"translation":"Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ireo izay mivarotra ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any ankoatra. Ary izay miady amin’ny lalan’I Allah, ka maty novonoina na nandresy amin'izany, dia omenay valisoa lehibe izy."},{"id":75,"translation":"Fa inona no mahazo anareo no tsy miady amin’ny làlan’I Allah, nefa misy ireo malemy amin’ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Avoahy hiala amin’ity tanàna ity izahay, izay mpanao ny tsy rariny ny mponiny, ary omeo mpiahy avy Aminao izahay, ary koa omeo mpanavotra avy Aminao."},{"id":76,"translation":"Ireo izay nino dia miady amin’ny làlan’I Allah, fa ireo izay tsy nino kosa dia miady amin’ny làlan’ireo mpihoam-pefy, ka aoka ianareo hiady amin’ireo sakaizan’ny satana. Tena marina fa ny teti-dratsin’ny satana dia malemy tokoa."},{"id":77,"translation":"Tsy hitanao ve ireo izay notenenina hoe : “Atsaharonareo ny ady, tanterahanareo ny fanompoam-pivavahana ary avoahinareo ny harena fiantrana (Zakat)! Koa rehefa voadidy tamin’izy ireo ny ady, dia indro ny andiany tamin’izy ireo fa natahotra ny olombelona tahaka ny fatahorany an’i Allah, na fatahorana mihoatra izany aza. Ary niteny izy ireo manao hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no nodidianao taminay ny ady? Raha mba hahemotrao kely amin’ny fotoana manaraka!”. Teneno hoe : “Ny fahafinaretana eto an-tany dia kely, fa ny fiainana any ankoatra kosa dia tsara ho an’izay manam-patahorana, ary tsy ho ambakaina ianareo na dia kely mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza!”"},{"id":78,"translation":"N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana, na dia ao anaty trano mijoalajoala matanjaka aza ianareo. Ary rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia miteny hoe : “Itony dia avy amin’I Allah”. Fa rehefa misy voina manjò azy ireo kosa, dia miteny izy ireo hoe : “Itony dia avy aminao !”. Teneno hoe : “Ny zava-drehetra dia avy amin’I Allah avokoa”. Fa inona no mahazo ireo vahoaka ireo no tsy mba hiezaka hahazo resaka na dia kely aza ?”"},{"id":79,"translation":"Izay tsara mahazo anao dia avy amin’I Allah, fa izay ratsy mahavoa anao kosa dia avy amin’ny tenanao ihany. Ary nalefanay ho Iraka ho an’ny olombelona ianao. Ary ampy ho vavolombelona I Allah."},{"id":80,"translation":"N’iza n’iza mankatò ny Iraka dia efa mankatò an’i Allah. Ary n’iza n’iza mitodi-damosina, dia tsy nalefanay ho mpiaro azy ireo ianao."},{"id":81,"translation":"Ary miteny izy ireo manao hoe : “Fankatoavana”. Fa rehefa miala eo aminao, ny ampahany amin’izy ireo dia manao tetika hafa ankoatra izay noteneninao. Ary I Allah dia manoratra izay ataon’izy ireo amin’ny alina. Ka iataho izy ireo, ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, ary ampy ho mpiaro I Allah."},{"id":82,"translation":"Tsy mba mandinika ny Kor’any ve izy ireo ? Koa raha avy amin’ny hafa ankoatr’I Allah izany, dia tsy maintsy nahita fifanoheran-teny maro ao anatiny izy ireo."},{"id":83,"translation":"Ary raha misy vaovao mampilamin-tsaina na mampatahotra tonga amin’izy ireo, dia efa ahelin’izy ireo avy hatrany izany. Nefa raha nentin’izy ireo tamin’ilay Iraka izany sy tamin’ny manam-pahefana eo amin’izy ireo, dia ho nahafantatra izany ireo izay afaka manadihady amin’izy ireo. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah eo aminareo sy ny indrafony, dia ho nanaraka ny satana avokoa ianareo, afa-tsy ny vitsy an’isa."},{"id":84,"translation":"Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ianao, aza manome andraikitra afa-tsy ny tenanao ihany. Ary amporisiho ireo mpino, angamba Allah hampitsahatra ny herisetran’ireo izay tsy nino. Allah no tena mahery sy tena mafy amin'ny famaizana."},{"id":85,"translation":"N'iza n'iza manao fanelanelanana tsara, dia hanana anjara amin’izany izy. Ary n'iza n'iza manao fanelanelanana ratsy kosa, dia tompon’antoka amin’izany izy. Ary I Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra."},{"id":86,"translation":"Ary rehefa arabaina amin’ny fiarahabana ianareo, dia miarahabà tsaratsaran’izany ianareo; na koa valio mitovy aminy. Tena marina fa I Allah no mpitsara ny zava-drehetra."},{"id":87,"translation":"Allah ! Tsy misy Tompo afa-tsy Izy ! Havoriny tokoa ianareo amin’ny andro fitsanganana. Tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ary iza no marin-teny kokoa mihoatra an'I Allah ?"},{"id":88,"translation":"Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa, momba ireo mpihatsaravelatsihy ? Kanefa I Allah dia namerina azy ireo amin’ny tsy finoana noho izay nataon’izy ireo ihany. Mila hitari-dàlana izay efa noverezin’I Allah ve ianareo ? Ary izay verezin’I Allah dia tsy ahitanao lalana intsony."},{"id":89,"translation":"Maniry izy ireo mba tsy hino ianareo, tahaka izy ireo tsy nino, dia ho tonga mitovy ianareo, ka aoka ianareo tsy handray sakaiza avy amin’izy ireo, mandra-pifindram-ponenan’izy ireo amin’ny làlan’I Allah. Koa raha mitodi-damosina amin’izany izy ireo dia raisonareo sy vonoinareo , n’aiza n’aiza ahitanareo azy ireo. Ary aoka ianareo tsy handray sakaiza na mpanavotra avy amin’izy ireo."},{"id":90,"translation":"Afa-tsy ireo izay manatona ny vahoaka izay nanaovanareo fifanarahana (fifanakena), na ireo tonga aminareo (nanatona anareo), nohon'ny fon’izy ireo tsy mankasitraka ny hiady aminareo, na koa hiady amin’ny foko niaviany. Raha sitrak’I Allah dia nomeny fahefana aminareo izy ireo, ka niady taminareo. Fa raha nihataka anareo izy ireo, sy tsy niady taminareo, ary nanolotra fandriam-pahalemana ho anareo, dia tsy nomen’I Allah alàlana hiady amin’izy ireo ianareo."},{"id":91,"translation":"Ho hitanareo koa fa, misy ny sasany mitady hahazo filaminan-tsaina aminareo sy hahazo filaminan-tsaina amin’ny foko niaviany. Nefa isak'izy ireo averina amin’ny fikorontanana, tonga dia mirotsaka avy hatrany amin’izany izy ireo. Fa raha tsy mihataka aminareo kosa izy ireo, sy tsy manolotra fandriam-pahalemana ho anareo, ary tsy mampijanona ny tanany hikasika anareo, dia raiso ka vonoinareo izy ireo, n’aiza n’aiza hahatraranareo azy ireo. Amin’izy ireny dia efa nomenay fahefana mazava tanteraka ianareo."},{"id":92,"translation":"Tsy azon’ny mpino atao ny mamono ny mpino namany afa-tsy hoe nohon'ny tsy fitandremana. Ary izay nahafaty mpino iray nohon'ny hadisoana na tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra andevo mpino iray no sady hanome honitra ny fianakavian’ny maty nohon'ny hadisoana izay nataony afa-tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo. Fa raha toa ka avy amin’ny fianakaviana fahavalonareo, kanefa mpino izy, dia tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty.Fa raha avy amin’ny vahoaka nahavita fifanarahana taminareo dia tsy maintsy manome honitra ny fianakavian’ny maty ireo fianakavin’ny nahafaty. Ary tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty. Fa raha sendra tsy mahita andevo ho votsorana na tsy manana fahafahana hanao izany izy, dia tsy maintsy manao fifadian-kanina roa volana mifanesy. Izany dia mba ho fibebahana amin'I Allah. Fa tena Mahalala ny ny zavatra rehetra sady be fahendrena I Allah."},{"id":93,"translation":"Fa n’iza n’iza kosa mamono mpino iray, am-piniavana, ny valin’asany dia ny fidirana ao anaty afobe, hitoetra ao mandrakizay izy. Ary hihatra aminy ny hatezeran’I Allah sy ny ozony, ary hanomana famaizana lehibe ho azy Izy."},{"id":94,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo."},{"id":95,"translation":"Tsy mitovy ireo mpino mipetraka ao an-trano, ankoatr'ireo manan-takaitra, sy ireo mivoaka amin’ny lalàn’I Allah, miaraka amin’ny haren’izy ireo sy ny vatan’izy ireo. Nomen’I Allah tombony ireo mivoaka miaraka amin’ny haren'izy ireo sy vatan’izy ireo, noho ireo izay mipetraka ao an-trano; eo amin’ny mari-boninahitra. Ary ny rehetra dia nampanantenain’I Allah valisoa mendrika, ary nomen’I Allah tombony amin’ny valisoa lehibe ireo Miady amin'ny lalan'I Allah noho ireo izay mipetraka ao an-trano."},{"id":96,"translation":"Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po. Ary I Allah dia tena be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":97,"translation":"Tena marina, fa ireo izay noraisin’ny Anjely ny fanahiny, ka nanao tsy rariny tamin’ny tenany, dia hiteny ireo Anjely hoe : “Taiza ianareo manoloana ny finoanareo ?”. Dia hamaly izy ireo hoe : “Fadiranovana izahay teny ambonin’ny tany”, dia hiteny ireo Anjely manao hoe : “Moa ve tsy nalalaka ny tanin’I Allah, mba nahafahanareo nifindra-monina teo aminy ?”. Ka izy ireny dia ny afobe no toeran-kialofany, ary toeran-kaleha tena ratsy tokoa izany !"},{"id":98,"translation":"Afa-tsy ireo fadiranovana : lehilahy, sy vehivavy ary ankizy, ka tsy afaka manao na inona na inona, ary tsy mahita lalana ivoahana."},{"id":99,"translation":"Angamba dia hamela heloka azy ireny I Allah. Ary Allah dia tena be Indrafo sy be Faleman-keloka."},{"id":100,"translation":"Ary izay mifindra-monina amin’ny làlan’I Allah, dia mahita fialokalofana sy toerana maro. Ary izay niala tao an-tranony, ka nifindra-monina amin’ny làlan’iIAllah sy ny Irany, avy eo, tratran’ny fahafafatesana, dia efa azony ny valisoa eo anatrehan’I Allah. Ary I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":101,"translation":"Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana, raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo, marina fa ireo tsy mpino dia tena fahavalonareo miharahary."},{"id":102,"translation":"Ary raha miaraka amin’izy ireo ianao [69], ka mitarika azy ireo amin’ny Soalat (vavaka), dia aoka ny andiany iray amin’izy ireo hitsangana miaraka aminao sy handray ny fitaovam-piadiany. Ary rehefa avy niankohoka izy ireo dia aoka hivadika ao aorianareo, sy hanatona ny andiany hafa izay mbola tsy nahavita ny Soalat, hanatanteraka izany miaraka aminao. Ary aoka izy ireo hahay hitandrina sy handray ny fitaovam-piadiany. Maniry ireo tsy mpino, raha manao tsirambina ny fitaovam-piadianareo sy ny entanareo ianareo, ny hidina indray miaraka, hanafika anareo izy ireo. Ary tsy misy tsiny ho anareo raha misy ny manahirana anareo, na orana, na marary ianareo ka mametraka ny fitaovam-piadiana, nefa aoka ho mailo tsara ianareo. Tena marina fa i Allah dia efa nanomana ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala baraka."},{"id":103,"translation":"Ary rehefa nahavita ny vavaka fanompoana ianareo, dia tsarovinareo Allah; am-pitsanganana sy am-pipetrahana ary am-patoriana. Ary rehefa tafaverina aminareo ny filaminana, dia tanteraho ny fivavahana araka izay tokony ho izy. Tena marina fa ny vavaka fanompoana dia adidy ho an’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra."},{"id":104,"translation":"Ary aza mihamalemy amin’ny fanenjehana an’ireo fahavalo ianareo. Raha mahatsiaro mamirifiry ianareo, dia izy ireo koa tena mahatsiaro mamirifiry tahaka anareo, fa ianareo kosa dia manantena amin’I Allah, izay tsy antenain’izy ireo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":105,"translation":"Tena marina fa Izahay dia nampidina ny Boky taminao am-pahamarinana, mba hitsaranao ny olona araka izay nasehon’I Allah taminao. Ary aza manao mpisolo vavan’ireo mpamadika ianao."},{"id":106,"translation":"Ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ianao. Tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":107,"translation":"Ary aza miady hevitra mba hanomezana rariny ireo izay mamadika ny tenan’izy ireo Ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia izay mpamadika sy izay be fahotana."},{"id":108,"translation":"Miezaka miafina ny olombelona izy ireo, fa tsy miezaka kosa miafina an’I Allah. Kanefa Izy dia miaraka amin’izy ireo ihany amin’ny alina, rehefa miresaka ny teny tsy mahafaly Azy izy ireo. Ary I Allah dia Mahafehy tsara izay ataon’izy ireo."},{"id":109,"translation":"Indro ireo olona izay niarovanareo teny ambonin’ny tany. Ka iza no hiady hevitra amin’I Allah, mba hanomezana azy ireo ny rariny amin’ny andro fitsanganana ? Na, iza no ho mpiantoka azy ireo ?"},{"id":110,"translation":"Ary n'iza n'iza manao ny asa ratsy, na manao ny tsy rariny amin’ny tenany, avy eo mibebaka amin'I Allah ,dia hahita fa Mpamela heloka sy be indrafo Allah."},{"id":111,"translation":"Ary n'iza n'iza manao fahotana, dia tsy manao izany afa-tsy ho an’ny tenany ihany. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena"},{"id":112,"translation":"Ary n'iza n'iza manao fahadisoana na koa fahotana, avy eo anefa dia miampanga ny olona tsy manan-tsiny amin’izany, dia tena efa mizaka lainga sy fahotana mibaribary."},{"id":113,"translation":"Raha tsy ny fahasoavan’I Allah taminao sy ny famindram-pony, dia efa vitan'ny andiany tamin'izy ireny no namery lalana anao. Nefa izy ireo dia tsy hahavery afa-tsy ny tenany ihany. Ary tsy afaka hanao ratsy anao na dia kely aza izy ireo. Ary nampidina ny Boky sy ny fahendrena taminao I Allah, ary nampianatra anao koa izay tsy fantatrao tany aloha. Ary ny fahasoavan’I Allah aminao dia tena lehibe tokoa."},{"id":114,"translation":"Tsy mahasoa ny ankamaroan’ny resaka miafina ataon’izy ireo, afa-tsy izay mandidy amin’ny fanaovana fanomezana, na manao asa soa, na manao fampihavanana ny samy olombelona. Ary izay manao izany nohon'ny fitadiavana ny fankasitrahan’I Allah; dia omenay azy ny valisoa lehibe."},{"id":115,"translation":"Ary izay misaraka amin’ilay Iraka, taorian’ny nisehoan’ny lala-marina taminy, ka manaraka lalana hafa ankoatra ny lalan’ireo mpino, dia avelanay izy manaraka izany, ary havarinay any amin’ny afobe izy. Ary ratsy dia ratsy izany fiafarana izany !"},{"id":116,"translation":"Tena marina fa I Allah dia tsy mamela ny fanakambanana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa raha ankoatra izany, dia mamela heloka kosa Izy amin’izay sitrany. Ary izay mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa very amin’ny fahaverezana lavitra."},{"id":117,"translation":"Tsy mangataka izy ireo, ankoatr’I Allah, afa-tsy amin’ireo sampy vavy, ary tsy mangataka izy ireo, afa-tsy amin’ny satana mpikomy."},{"id":118,"translation":"Nanozona azy I Allah ! Ary niteny izy nanao hoe : “Tsy maintsy haka ampahany voafaritra amin’ireo mpanomponao aho”."},{"id":119,"translation":"Ary tsy maintsy ho vereziko làlana izy ireo, ary tena omeko fampanantenana diso, tena ho didiko izy ireo, ka hanova ny zava-boarin’i Allah. Ary na iza na iza mandray ny satana ho mpiahy azy ankoatr’i Allah, dia tena maty antoka amin’ny faty antoka miharihary."},{"id":120,"translation":"Mampanantena azy ireny izy, sy mampanantena zava-poana. Ary tsy manome fitokisana azy ireo ny satana afa-tsy ny fitaka."},{"id":121,"translation":"Izy ireny dia ny afobe no toeram-pialofany, ary tsy hahita fomba handosirana amin’izany izy ireo."},{"id":122,"translation":"Ary ny amin'ireo Mpino sady nanao asa-soa dia hampidirinay amin’ny Paradisa izy ireo,izay ikorianan’ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny. Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Izany dia fampanantenana avy amin’i Allah. Ary iza moa no manana teny marina mihoatra an’I Allah."},{"id":123,"translation":"Tsy miankina amin’ny fanirianareo izany, na koa amin’ny fanirian’ireo olon’ny Boky. Fa n’iza n’iza manao asa ratsy, dia ho valiana aminy izany. Ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra azy ankoatr’I Allah izy."},{"id":124,"translation":"Ary n'iza n'iza manao ireo asa soa, na lahy na vavy, ka mpino izy, dia izy ireny no hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina na dia mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza."},{"id":125,"translation":"Ary iza no manana finoana mendrika indrindra noho izay manolotra ny tavany ho an’i Allah, sy mpanao asa soa, ary manaraka ny finoan’i Abrahama, finoana madio. Ary i Allah dia nandray an’i Abrahama ho sakaiza mahatoky."},{"id":126,"translation":"Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay ety an-tany. Ary I Allah dia Mahafehy ny zava-drehetra."},{"id":127,"translation":"Ary hanontany anao izy ireo mahakasik’ireo vehivavy. Teneno hoe : “Allah no hanambara aminareo ny didy momba azy ireo, miampy izay efa novakiana taminareo ao anatin’ilay Boky, mahakasika ny kamboty vavy, izay tsy omenareo azy ireo izay voadidy ho azy ireo. Nefa ianareo naniry hanambady azy ireo. Ary ny momba ireo ankizy lahy tsy ampy taona”. Ary aoka mba hikarakara ara-drariny ireo kamboty ianareo. Ary izay tsara ataonareo dia I Allah no tena Mahalala izany."},{"id":128,"translation":"Ary raha misy vehivavy matahotra ny fandaozan’ny vadiny, na ny tsy firaharahina, dia tsy misy tsiny amin’izy roa ny mifandamina, ary ny fifandaminana no tsara indrindra, ary ny fanahy dia natao hirona amin’ny fahihirana. Ary raha manao ny tsara sy manana fatahorana ianareo, dia Allah no Mahafantatra izay rehetra ataonareo."},{"id":129,"translation":"Ary tsy hahavita hampitovy tanteraka ireo vehivavy vadinareo ianareo, na dia mitandrina manao ahoana aza. Nefa dia aza atao mitongilana loatra amin’ny iray amin’izy ireo ka havelanareo toy ny mihantona izy. Ary raha mifanaraka ianareo sy matahotra an’I Allah, tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":130,"translation":"Ary raha misaraka izy roa dia I Allah hanome ny tsirairay ny anjarany, nohon'ny Fahalalan-tanany, ary I Allah dia Mahalalan-tanana sy be Fahendrena."},{"id":131,"translation":"Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ary efa nodidinay ireo nomena ny boky teo alohanareo sy ianareo koa hoe : “Matahora an’I Allah ianareo”. Ary raha tsy mino ianareo, tena marina fa an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary I Allah dia Mahavita tena sy Mendri-piderana tokoa."},{"id":132,"translation":"Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary tena ampy ho Mpiantoka I Allah."},{"id":133,"translation":"Raha sitrak’I Allah dia ho foanany ianareo ry olombelona, ary soloiny olon-kafa. Ary Mahavita izany tokoa I Allah."},{"id":134,"translation":"N’iza n’iza maniry ny valisoa eto an-tany, dia any amin’I Allah no misy ny valisoa eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra!"},{"id":135,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Mitsangana amim-pahamarinana hatrany ianareo, ho vavolombelon’I Allah na dia manohitra ny tenanareo aza, na ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky. Na dia manan-karena aza izy, na mahantra dia I Allah no mendrika kokoa amin’izy roa. Ka aza manaraka ny sitrapo ianareo, mba tsy hialanareo amin’ny rariny. Raha mitsangana ho vavolombelona mandainga ianareo, na koa mandà izany, tena marina fa I Allah dia Mahafantatra tanteraka izay ataonareo."},{"id":136,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Aoka ho matotra amin'ny finoanareo an’I Allah sy ny Irany ianareo, ary ny Boky izay nampidininy tamin’ny Irany, ary ny Boky izay nampidininy tany aloha. Ka izay tsy nino an’I Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany ary ny Andro farany, dia tena very làlana lavitra tokoa."},{"id":137,"translation":"Tena marina fa ireo izay nino, avy eo tsy nino, avy eo nino indray, avy eo niverina tsy nino izy ireo, dia vao maika nampitombo ny tsy finoany; tsy hamela heloka na koa hitari-dalana azy ireo I Allah."},{"id":138,"translation":"Lazao amin’ireo mpihatsaravelatsihy, fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":139,"translation":"Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo mpino, mitady hery amin’izy ireny ve izy ireo ? Kanefa tena marina fa an’I Allah ny hery rehetra."},{"id":140,"translation":"Ary efa nampidina taminareo ao anat'ilay rakitsoratra fa : “Raha maheno ny fanambaran’I Allah ianareo,ka toherina sy tsiratsiraina izany, dia aoka tsy hipetraka amin’izy ireo ianareo mandra-panaovan’izy ireo resaka hafa ankoatra izany”. Raha tsy izany, dia mitovy amin’izy ireo ianareo. Tena marina fa I Allah dia hanangona ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino ao anatin'ny afobe."},{"id":141,"translation":"Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah"},{"id":142,"translation":"Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany."},{"id":143,"translation":"Misalasala eo anivon’izany izy ireo, sady tsy anisan’ny andaniny no tsy anisan’ny ankilany. Ary n'iza n'iza verezin’I Allah, dia tsy hahita lalana ho azy ianao."},{"id":144,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Aza mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ianareo ankoatra ireo mpino. Mitady hanome fahefana miharihary an’I Allah hanamelohana anareo ve ianareo ?"},{"id":145,"translation":"Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, ireo dia any amin’ny lafika ambany indrindra amin’ny afobe, ary tsy hahita mpanavotra ho azy ireo ianao."},{"id":146,"translation":"Afa-tsy ireo izay mibebaka sy manova fihetsika, ary mifikitra amin’I Allah, sy nanadio ny finoan’izy ireo ho an’I Allah, izy ireny dia hiara-dia amin’ireo mpino. Ary Allah dia hanome fahasoavana lehibe ho an’ireo mpino."},{"id":147,"translation":"Ataon’I Allah inona moa ny hanafay anareo, raha mahay misaotra sy mino ianareo ? Ary I Allah dia Mpankasitraka sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":148,"translation":"Allah dia tsy tia ny fanaborahana ny teny ratsy, afa tsy izay niharan’ny tsy rariny. Ary I Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":149,"translation":"Na manao ny tsara mibaribary na miafina ianareo, na koa mamela heloka amin’ny ratsy, tena marina fa I Allah dia be famelan-keloka, mahavita ny zava-drehetra."},{"id":150,"translation":"Ary tena marina fa ireo izay tsy mino an’I Allah sy ireo Irany, sy mila hanavaka an’I Allah sy ireo Irany, ka miteny hoe: “Izahay dia mino ny sasany amin’izy ireo, fa tsy mino ireo sasany hafa kosa», ary mitady handray fanapahan-kevitra hafa anelanelan’izany izy ireo."},{"id":151,"translation":"Izy ireo tokoa no tena tsy mpino marina!, ary efa nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny sazy manalabaraka."},{"id":152,"translation":"Ary ireo izay nino an’I Allah sy ireo Irany, ary tsy nanavaka na dia iray aza tamin’izy ireny, izy ireny no hotoloran’I Allah ny valin-kasasarany. Ary I Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana."},{"id":153,"translation":"Ireo olon’ny boky dia mangataka aminao mba hampidinanao amin’izy ireo boky iray avy any an-danitra. Efa nangataka zavatra lehibe noho izany tamin’i Mpaminany Moussa izy ireo; ka niteny izy ireo hoe : “Asehoy anay ankiharihary i Allah”, ka nianjera tamin’izy ireo ny varatra noho ny tsy rariny nataon’izy ireo. Avy eo dia noraisin’izy ireo ho sampy tompoina ny zanakomby kely, taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’ny izy ireo. Kanefa noleferinay tamin’izy ireo izany, ary notoloranay fahefana lehibe i Mpaminany Moussa."},{"id":154,"translation":"Ary nampiakarinay teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra (toor) [70] mba hahazoana ny faneken’izy ireo. Ary niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Midira amin’ny varavarana amim-piankohofana ianareo.”Ary mbola niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Aza mandika ny didy aman-dalànan’ny Sabata ianareo”. Ary nandray fanekena tena hentitra avy tamin’izy ireo Izahay."},{"id":155,"translation":"Noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny fanekena nataony sy ny tsy finoany ireo fanambaran’I Allah, sy ny famonoany ireo mpaminany tsy amin’ny rariny, ary ny fitenenan’izy ireo hoe: “Ny fonay dia voarakotra (ka tsy andairan-teny)”. Ny tena marina dia I Allah mihitsy no nanidy ny fon’izy ireo noho ny tsy finoany; ka tsy nisy nino afa tsy ny vitsy tamin’izy ireo."},{"id":156,"translation":"Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno endrikendrika lehibe nataon’izy ireo tamin’i Maria."},{"id":157,"translation":"Ary noho ny tenin’izy ireo hoe: “Tena izahay tokoa no namono an’i Jesoa zanak’i Maria, irak’I Allah. Nefa tsy nahafaty Azy izy ireo, ary tsy nahafantsika Azy, fa endrika mitovy aminy fotsiny no naseho tamin’izy ireo.Ary tena marina fa ireo izay miady hevitra momba izany, dia tena ao anatin’ny fisalasalana mafy, tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy ireo.Tsy misy afa-tsy ny fanarahana ny vinavinan’ny eritreritra fotsiny. Ary azo antoka fa tsy novonoin’izy ireo velively Izy."},{"id":158,"translation":"Fa nampiakarin’I Allah any Aminy Izy. Ary tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena."},{"id":159,"translation":"Ary tena marina fa tsy misy na dia iray amin’ireo olon’ny boky, afa-tsy hoe tena hino Azy alohan’ny fahafatesany. Ary hitsangana vavolombelona manohitra azy ireo Izy amin’ny andro farany."},{"id":160,"translation":"Ka noho ny tsy fanarahana ny rariny sy ny hitsiny nisy teo amin’ny Jiosy dia nampifadianay azy ireo, ireo zavatra tsara izay azon’izy ireo nohanina teo aloha, ary noho ny fanakanana maro samihafa nataon’izy ireo tamin’ny lalan’I Allah."},{"id":161,"translation":"Ary noho ny fakan'izy ireo ny zana-bola, na dia efa voarara tamin'izany izy ireo, sy ny fihinanan'izy ireo ny fananan'olona amin'ny tsy rariny.Izahay dia efa nanomana ho an'ireo tsy mpino amin'izy ireny ny sazy mangirifiry."},{"id":162,"translation":"Kanefa ireo miorim-paka amin'ny fahalalana amin'izy ireo, sy ireo mpino, dia mino izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao. Ary ireo mpanatanteraka ny vavaka fanompoana, sy mpanatanteraka ny fanomezana ny harena fiantrana, sy ireo mpino an’I Allah sy ny andro farany, dia izy ireny no omenay valin-kasasarana lehibe."},{"id":163,"translation":"Tena marina fa Izahay dia tena nandefa fanambarana taminao, tahaka ny nandefasanay fanambarana tamin’i Noa sy ireo Mpaminany taoriany. Ary nandefasanay fanambarana koa i Abrahama, Isamel, Isaka, Jakoba, ireo foko, Jesoa, Joba, Jonasy, i Arona, Salomona, ary nomenay an’i Davida ny Zabora."},{"id":164,"translation":"Ary misy amin’ireo Iraka izay efa notantarainay taminao tany aloha, ary misy koa ireo Iraka izay tsy notantarainay taminao ny tantaran’izy ireo. Ary Allah dia niresaka nivantana tamin’i Mosesy."},{"id":165,"translation":"Ka izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan’olombelona porofo entina manohitra an’I Allah taorianan’ireo Iraka. Ary I Allah dia Ilay Tsitoha be Fahendrena."},{"id":166,"translation":"Kanefa I Allah dia vavolombelona amin’izay nampidininy taminao, nampidina izany tamin’ny fahalalany Izy. Ary ireo Anjely koa dia mijoro vavolombelona. Ary ampy ho vavolombelona I Allah."},{"id":167,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanakana ny lalan’I Allah dia efa tena very ao anatin’ny fahaverezana lavitra."},{"id":168,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanao ny tsy rariny, dia tsy hamela heloka azy ireo I Allah ary tsy hanoro lalana azy ireo velively."},{"id":169,"translation":"Afa-tsy ny lalana mankany amin’ny Afobe, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary tena mora amin’I Allah ny manao izany."},{"id":170,"translation":"O! ianareo olombelona! Efa tonga aminareo ilay Iraka nitondra ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, ka aoka hino ianareo, fa izany no tsara ho anareo. Ary raha tsy mino ianareo dia marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary I Allah dia Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena."},{"id":171,"translation":"O Ianareo olon’ny boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ianareo, ary aza miteny momba an’I Allah afa-tsy ny marina.Tena marina fa i Mesia Jesoa, zanak’i Maria, dia tsy iza fa irak’I Allah ihany, ary Teniny izay nalefany tamin’i Maria, sy Fanahy avy Aminy; koa inoanareo I Allah sy ireo Irany, ary aza miteny hoe: “Telo” ianareo. Atsaharonareo! Fa izany no tsara ho anareo. Tena marina fa I Allah dia Zanahary tokana ihany. Dera ho Azy, ary Azy ny fahamendrehana rehetra, lavitra ny voninahiny ny hanan-janaka. Azy izay any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary ampy ho Mpiahy I Allah."},{"id":172,"translation":"Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny tenany ho tsy mpanompon’i Allah, na koa ireo Anjely akaiky. Ary izay manambony tena amin’ny fanompona Azy (Allah), sy miavonavona dia havoriny any Aminy daholo izy reo."},{"id":173,"translation":"Fa ireo izay nino kosa sy nanao ireo asa soa, dia omena azy ireo ny valin-kasasarany feno, ary mbola ampitomboina koa izany avy amin’ny fahasoavany. Fa ireo izay nanambony tena sy niavonavona kosa dia ho saziany amin’ny sazy mangirifiry izy ireo, ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra ho an’i tenany ankoatran’I Allah izy ireo."},{"id":174,"translation":"O ianareo ry olombelona !Efa tonga aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay teo aminareo ihany koa ny hazavana miharihary."},{"id":175,"translation":"Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary ho tarihiny ho amin’ny lalana mahitsy mankany Aminy izy ireo."},{"id":176,"translation":"Manontany anao momba ny didy aman-dalàna izy ireo, teneno hoe: “Allah dia mamoaka ny didy ho anareo momba ny lovan’ny olona iray maty ka tsy manan-dray aman-dreny sy tsy manan-janaka. Fa raha ny olona iray maty, tsy mana-janaka nefa manana anabavy, dia ho azy ny antsasan’izay navelany (lova), ary izy anadahiny no mandova azy (anabaviny), amin’ny fananany raha tsy manan-janaka izy (anabaviny). Fa raha anankiroa kosa ny anabaviny dia ho azy roa ny roa ampahatelon’izay navelany (lova), ary raha manana rahalahy sy anabavy maro, mpiray tampo aminy izy, dia ho an’ny lahy iray ny mitovy amin’ny anjaran’ny vavy roa. Manazava izany aminareo I Allah, mba tsy ho very ianareo, ary Izy Allah dia mahalala ny zavatra rehetra."}]},{"id":5,"verses":[{"id":1,"translation":"O ianareo izay nino ! Tanterahinareo an-tsakany sy an-davany ny fifanekena. Nomena alalana ianareo, hihinana amin’ireo biby fiompy, afa-tsy izay ho tanisaina aminareo (voarara).Tsy azonareo atao ny mihaza raha mbola ao anatin’ny Ihram ianareo. Tena marina fa I Allah dia mandidy izay sitrany itiavany azy."},{"id":2,"translation":"O ianareo izay mpino! Aza manao tsinotsinona ireo fomba amam-panao famantarana an'I Allah ianareo,na ny volana masina, na ireo biby atao sorona , na ireo famantarana atao amin’ny biby atao sorona, na ireo mandeha am-pilaminana mankany amin’ny trano masina ka mitady avy amin’ny Tompony ny fahasoavana sy ny fahafaham-po. Ary rehefa afaka fady ianareo dia afaka mihaza, ary aoka ny hatezeranareo tamin’ny vahoaka izay nisakana anareo mankany amin’ny Masjid Al Haram tsy handrisika anareo amin’ny fandikana ny didy aman-dalàna, ary mifampianara ianareo amin’ny fanaovana asa soa sy ny fatahorana an’I Allah, ary aza mifanampy amin’ny fanaovana aratsiana sy ny fandikana ny didy aman-dalàna. Ary matahora an’I Allah ianareo, tena marina fa I Allah dia tena mafy amin'ny fanasaziana."},{"id":3,"translation":"Voarara aminareo ny biby maty ho azy (kompindra), ny rà, ny henan-kisoa, ny biby voalenta ankoatry ny anaran’I Allah, ny biby maty voakenda, na maty noho ny filatsahany mafy, na maty nohon’ny tombon-tandroka, na izay nohanin’ny biby masiaka, afa-tsy izay tratranareo lenta, na izay natao sorona ambonin’ny vato natao sampy, ary ny fanaovanareo ankitsapaka amin’ny alàlan’ny zana-tsipika . Izany rehetra izany dia faniratsirana mahatsiravina, androany dia kivy tanteraka ireo izay tsy mino (tsy afaka hamadika anareo) amin’ny finoanareo. Ka aza matahotra azy ianareo, fa Izaho irery no atahory. Androany dia nataoko ho lavorary tanteraka ny finoanareo, ary nataoko feno tanteraka aminareo ny fahasoavako, ary ankasitrahako ho anareo ny ISLAM ho finoana. Ary izay teren’ny hanoanana mafy ka tsy mirona ao anatin’ny fahotana. Tena marina fa i Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana."},{"id":4,"translation":"Hanontany anao izy ireo amin’izay sakafo azon’izy ireo hohanina araka ny lalàna. Teneno hoe : “Azonareo hohanina avokoa ireo sakafo tsara sy madio, sy ireo azon’ireo biby mpihaza nomenareo fiofanana manokana amin’ny fihazana araka izay nampianarin’i Allah anareo. Ka mihinana ianareo amin’ireo biby voahazan’izy ireo ho anareo, ary tononinareo ny anaran’i Allah amin’izany, ary matahora an’i Allah ianareo. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsarana."},{"id":5,"translation":"Androany dia azonareo hohanina daholo ireo sakafo tsara sy madio. Ary ny sakafon’ireo izay nomena ny boky dia azonareo hohanina koa, ary ny sakafonareo dia azon’izy ireo hohanina ihany koa. Ary azonareo atao ny manambady vehivavy madio fitondran-tena amin’ireo mpino silamo, sy ireo vehivavy madio fitondran-tena avy amin’ireo izay nomena ny boky talohanareo, raha nomenareo azy ireo ny vodiondry, eo am-panatanterahana ny vadiana ara-dalàna fa tsy amin’ny fijanganjangana, na amin’ny fisakaizana. Ary na iza na iza mitsipaka ny finoana dia efa foana daholo ny asany, ary izy dia anisan’ny maty antoka amin’ny fiainana any ankoatra."},{"id":6,"translation":"O ianareo izay nino! Raha mitsangana hanatanteraka ny fivavahana ianareo, dia sasaonareo ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho, ary safoy amin’ny tananareo lena ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely. Raha manana fahalotoana ianareo dia manaova fidiovana lehibe ianareo, fa raha marary kosa ianareo na anatin’ny dia lava, na miverina avy amin’ny toeram-pivoahana iray, na nikasika vehivavy (nanao firaisana), ka tsy nahita rano dia midiova amin’ny fotaka madio, ka safoinareo ny tarehinareo sy ny tananareo amin’izany. Tsy mitady ny hanahirana anareo I Allah, fa mila hanadio anareo kosa Izy sy handrotsaka ny fahasoavany aminareo, angamba hahay hankasitraka ianareo."},{"id":7,"translation":"Ary tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny fifanekeny izay nankatoavinareo, rehefa niteny ianareo hoe: “Henonay sy ankatoavinay izany”; ka matahora an’I Allah ianareo. Tena marina fa I Allah dia mahalala tanteraka ny ao am-ponareo."},{"id":8,"translation":"O ianareo izay nino! Aoka ianareo hijoro am-pahamarinana ho an’I Allah, ary ho vavolombelona amin’ny rariny. Ary aoka ny hatezeranareo amin’ny vahoaka iray tsy hamporisika anareo amin’ny tsy fampiharana ny fahamarinana. Ampiharonareo ny fahamarinana, fa izany no tena akaiky indrindra amin’ny fatahorana an’I Allah. Ary matahora an’I Allah ianareo .Tena marina fa I Allah dia mahafantatra tokoa izay rehetra ataonareo."},{"id":9,"translation":"Ary Allah dia nampanantena ireo izay mino sy manao ireo asa soa, fa ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny valin-kasasarana lehibe."},{"id":10,"translation":"Ary ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe."},{"id":11,"translation":"O Ianareo izay nino! Tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo, rehefa niomana mafy ireo vahoaka hanenjana ny tanany aminareo, ka nosakanany ny tanan’izy ireo mba tsy hahakasika anareo. Ary matahora an’I Allah ianareo, ary amin’I Allah no tokony hanankinan’ireo mpino ny momba azy rehetra."},{"id":12,"translation":"Ary tena marina fa noraisin’I Allah ny fanekena tamin’ireo zanak’Israely. Ary notendrenay ny tale roambinifolo avy tamin’izy ireo, ary niteny I Allah hoe: “Izaho dia miaraka aminareo hatrany, raha toa ka manangana ny fivavahana ara-dalàna sy mamoaka ny fanomezana an-tsitram-po ianareo, ary mino ireo Iraka sy manampy azy ireo, sy mampindrana an’I Allah ny fampindramana tsara, dia tena hofafako tokoa ireo asa ratsy vitanareo ary hampidiriko ianareo ao anatin’ireo zaridaina izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Ary izay tsy nino aorian’izany aminareo dia efa tena very niala amin’ny lalana mahitsy."},{"id":13,"translation":"Ary noho ny fitsipahan’izy ireo ny fanekena nataony, dia nozoninay izy ireo ary nataonay ho mafy fo tokoa: mamadibadika ireo teny miala amin’ny dikany izy ireo, sy manadino ny ampahany amin’izay nampatsiahivana azy ireo. Ary tsy mitsahatra mahita ny famadihana ataon’izy ireo ianao, afa tsy ny vitsy amin’izy ireo. Ka mandefera amin’izy ireo Ianao ary mamela .Tena marina fa I Allah dia tia ireo mpanao ny asa tsara."},{"id":14,"translation":"Ary ireo izay miteny hoe: “Marina tokoa fa izahay dia Kristianina,”nekenay ny fanekena nataon’izy ireo. Kanefa nanadino ny ampahany amin’izay nampatsiahivana azy izy ireo. Ary napoitranay teo amin’izy ireo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary I Allah dia hanambara azy ireo izay rehetra nataony."},{"id":15,"translation":"O ianareo ry olon’ny boky! Efa tonga taminareo ny Irakay, nanazava taminareo ny maro tamin’izay nafeninareo, tamin’ny boky, ary koa nandefitra zavatra maro. Efa tonga aminareo ny hazavana avy tamin'I Allah sy ny boky mazava."},{"id":16,"translation":"Allah dia mitari-dalana, avy amin’ny alalan’izany (boky masina korany), izay manaraka ny sitrapony, mankany amin’ireo lalan’ny fiadanana, ary mamoaka azy ireo avy amin’ny haizina mankany amin’ny fahazavana noho ny fahasoavany. Ary mitari-dalana azy ireo mankany amin’ny lalana mahitsy."},{"id":17,"translation":"Ary tena tsy nino tokoa ireo izay niteny hoe: “Marina fa I Allah, izy no ilay Mesia (Jesoa) zanak’i Maria. Teneno hoe: “Ka iza no afaka hanakana an’I Allah, na dia kely aza, raha te-handrendrika an’i Mesia zanak’i Maria sy ny reniny, ary izay rehetra eto ambonin’ny tany Izy?. Ary an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany sy amin’izay rehetra anelanelan’izy roa”. Manamboatra izay sitrany Izy. Ary I Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":18,"translation":"Ary niteny ireo jiosy sy ny kristiana hoe : “Izahay dia zanak’i Allah ary notiaviny manokana”. Teneno hoe : “Nahoana àry Izy no manasazy anareo amin’ny fahotana ataonareo? Tena marina fa ianareo dia olombelona anisan’ireo nohariany. Mamela izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany. Ary an’i Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany ary amin’izay rehetra anelanelan’izy roa. Ary any Aminy ny fiverenana."},{"id":19,"translation":"O Ianareo olon’ny Boky! Efa tonga aminareo izao ny Irakay, manazava aminareo, taorian’ny nitsaharan’ireo Iraka, mba tsy hilazanareo hoe: “Tsy nisy tonga taminay, na ny mpilaza vaovao mahafaly, na ny mpampitandrina”. Koa efa tonga aminareo izao ny mpilaza vaovao mahafaly sy ny mpampitandrina (mpananatra). Ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":20,"translation":"Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany hoe: “Ry vahoakako! Tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo, rehefa nanendry teo aminareo, Mpaminany maro, ary nanandratra anareo ho mpanjaka Izy. Ary nanome anareo izay mbola tsy nomeny na iza na iza tamin’izao tontolo izao Izy."},{"id":21,"translation":"O Ianareo vahoakako! Midira amin’ilay tany masina, izay efa nosoratan’I Allah ho anareo ianareo,ary aza miverin-dalana manome lamosina ianareo, ka hivadika fa ho maty antoka ianareo."},{"id":22,"translation":"Niteny izy ireo hoe: “O ry Mosesy! Tena misy vahoaka matanjaka be monina ao. Ka izahay dia tsy hiditra ao velively mandra-pivoahan’izy ireo ao. Raha mivoaka avy ao kosa izy ireo, tonga dia hiditra ao tokoa izahay."},{"id":23,"translation":"Niteny ny lehilahy roa tamin’ireo izay matahotra an’i Allah, izay nosoavin’i Allah, hoe: “Midira ao amin’izy ireo ianareo avy amin’ny varavarana, fa rehefa tafiditra ao ianareo dia tsy maintsy ho mpandresy ianareo. Ary amin'I Allah no tokony hanankinanareo ny fahatokisanareo, raha tena mpino tokoa ianareo”."},{"id":24,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “O ry Mosesy izahay dia tsy hiditra ao mihitsy raha mbola ao izy ireo. Ka mandehana ianao sy ny Tomponao, ka miadia ianareo roa, fa izahay kosa dia hijanona hipetraka eto amin’ny toerana misy anay eto”."},{"id":25,"translation":"Niteny Izy hoe: “Tompo o! Tsy manana fahefana aho afa-tsy amin’ny tenako sy amin’ny rahalahiko ihany. Ka saraho izahay amin’ireo vahoaka mpanao ratsy.”"},{"id":26,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe: “Tena marina fa izany (tany masina izany) dia voarara amin’izy ireo, mandritry ny efa-polo taona. Hirenireny eran-tany izy ireo, ka aoka tsy hampalahelo anao ny momba ireo vahoaka mpanao ratsy ireo”."},{"id":27,"translation":"Ary vakio amin'izy ireo am-pahamarinana ny vaovaon’ireo zanak’i Adama roalahy, rehefa samy nanolotra fanatitra izy roalahy; ka voaray ny iray avy tamin’izy roalahy, ary tsy noraisina kosa ny avy amin’ny namany. Dia niteny izy hoe :”Tena ho vonoiko ianao”. Ka namaly azy ny namany hoe : “Tena marina fa Allah dia tsy mandray afa-tsy izay avy amin’ny olona manam-patahorana ihany\"."},{"id":28,"translation":"Raha hanenjana ny tananao amiko ianao mba hamono ahy izaho kosa dia tsy hanenjana ny tanako aminao, mba hamono anao satria izaho dia matahotra an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":29,"translation":"Tena marina fa tiako ianao mba hibaby ny fahotako sy ny fahotanao ka amin’izay ho lasa anisan’ireo olon’ny Afobe ianao. Ary izany no valin’asan’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":30,"translation":"Ka nandrisika azy ny fanahy ratsiny amin’ny hamonoana ny rahalahiny ka namono nahafaty azy izy.Ka dia lasa anisan’ireo maty antoka izy."},{"id":31,"translation":"Ka nandefasan'i Allah goaika nangady amin’ny tany, mba hampisehoany aminy ahoana no hataony handevina ny fatin-drahalahiny? Niteny izy hoe : “Loza ho ahy ity! Moa ve tsy afaka hanao toy ny ataon’ity goaika ity aho; ka handevina ny fatin-drahalahiko?\" Dia lasa anisan’ny olona nanenina izy."},{"id":32,"translation":"Noho izany antony izany dia nodidianay tamin’ireo zanak’Israely fa na iza na iza namono olona tsy meloka tamin’ny famonoan’olona na koa nanao fanimbana teto an-tany dia toy ny namono ny olombelona rehetra. Ary na iza na iza manavotra azy ho velona dia toy ny nanavotra ny olombelona rehetra. Ary efa tonga teo amin'izy ireo ny Irakay niaraka tamin’ireo porofo mazava. Ary indro fa maro tamin’izy ireo taorian’izany no mbola nanao fihoaram-pefy teto an-tany."},{"id":33,"translation":"Ny tena valin’asan’ireo izay miady amin’I Allah sy amin’ny Irany ary manaparitaka eto an-tany ny asa fanimbàna, dia ny hamonoana azy ireo na ny hamantsihana azy ireo ambony hazo na ny hanapahana ny tanan’ izy ireo sy ny tongotr’izy ireo mifanohitra amin’ny andaniny na koa ny hanaovana azy ireo sesitany. Izany no fahafaham-barakan’izy ireo eto an-tany. Ary any ankoatra izy ireo dia hahazo famaizana lehibe."},{"id":34,"translation":"Afa-tsy ireo izay nibebaka alohan’ny hahatongavany eo ambany fahefanareo. Fantaronareo ary fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":35,"translation":"O ianareo izay mpino! Matahora an’I Allah ianareo ary tadiavonareo ny fomba hanatonanareo Azy akaiky. Ary manaova ady masina amin’ny làlany ianareo. Angamba hahazoanareo fahombiazana."},{"id":36,"translation":"Tena marina fa ireo izay tsy mpino raha ananan’izy ireo izay rehetra eto an-tany sy ny mitovy amin’izany koa mbola miampy aminy ka omen’izy ireo hatao onitra ho amin’ny famaizana amin’ny andron’ny fitsanganana dia tsy ho raisina avy amin’izy ireo izany. Ary ho azy ireo famaizana mangirifiry."},{"id":37,"translation":"Maniry ny hivoaka avy ao amin’ny Afobe izy ireo, kanefa dia tsy hivoaka ao mihitsy izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana maharitra."},{"id":38,"translation":"Ary ny mpangalatra lahy sy ny mpangalatra vavy dia tapahinareo ny tànan'izy ireo mba ho valin’asa nataon’izy roa sy famaizana avy amin’i Allah. Ary i Allah dia Tsitoha sy be Fahendrena."},{"id":39,"translation":"Fa na iza na iza mibebaka taorian’ny fanaovany ny tsy rariny sy nanarina ny tenany ,tena marina fa I Allah dia mandray ny fibebahan'izy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":40,"translation":"Moa ve tsy fantatrao fa an’I Allah ny fanjakana amin’ireo lanitra sy ny tany? Manasazy izay sitrany Izy ary mamela izay sitrany ihany koa. Ary I Allah dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":41,"translation":"O ry Iraka! Aoka tsy hampalahelo anao ireo izay mihazakazaka any amin’ny tsy finoana amin’ireo izay miteny hoe : “Mino izahay” amin’ny vavany fotsiny izany, kanefa tsy mino ny fon’izy ireo ary amin’ireo jiosy izay zatra mihaino lainga tafahoatra sy mihaino ny tenin’ny vahoaka hafa mbola tsy tonga taminao mamadibadika ny teny hiala amin’ny dikany taorian’ny nandreketana azy miteny izy ireo hoe : ”Raha nomena anareo ity dia raisinareo fa raha tsy omena anareo kosa dia mitandrema ianareo”. Ary izay tian’i Allah handalo amin’ny fitsapany dia tsy afaka hiaro azy amin’ny sazin’i Allah ianao na dia kely aza. Izy ireny no tsy tian’i Allah ho diovina ny fony. Ho azy ireo ny fahafaham-baraka eto an-tany ary ho azy ireo koa ny famaizana lehibe any ankoatra."},{"id":42,"translation":"Fatra-pihaino lainga izy ireo ary fatra-pihinana ny fananana tsy ara-dalàna. Ka raha tonga aminao izy ireo dia tsarao izy ireo na koa hanalavitra azy ireo. Ka raha miala azy ireo dia tsy hahavita na inona na inona aminao izy ireo. Ary raha hitsara kosa ianao dia tsarao am-pahamarinana izy ireo. Tena marina fa I Allah dia tia ireo izay mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny."},{"id":43,"translation":"Ary nahoana ianao no hatsangan’izy ireo ho mpitsara kanefa eo ampelan-tanan’izy ireo ny Toraty izay feno ao anatiny ny lalàn’I Allah. Avy eo dia mitodi-damosina izy ireo (amin’ny fitsaranao) aorian’izany. Ary tsy mpino velively izy ireny."},{"id":44,"translation":"Ary hamafisina, fa Izahay no nampidina ny Taoraty izay mirakitra tari-dàlana sy fahazavana. Nampiasa azy teo amin'ny fitsarany ireo Mpaminany izay nanolo-tena ho an'i Allah, toy izany koa ireo mpitondra fivavahana, ary ireo mpanora-dalàna tamin'ny raharahan'ireo Jiosy, satria izy ireo no nanankinana ny fitahirizana Ilay Bokin'i Allah, ka vavolombelona ny amin'izany. Koa aoka ianao tsy hatahotra ireo vahoaka ireo, fa Izaho irery no hatahory. Ary aza mivarotra ny pirofo famantarana Ahy amin'ny zavatra mora vidy ianareo. Fa ireo izay tsy mitsara araka izay nampidinan'i Allah, dia izy ireny indrindra no tsy mpino."},{"id":45,"translation":"Ary nodidianay tamin’izy ireo ao anatin’izany fa ny aina solon’ny aina ny maso solon’ny maso ny orona solon’ny orona ny sofina solon’ny sofina, ny nify solon’ny nify. Ny ratra dia manaraka ny lalànan’ny taliona. Ka izay namela izany ampahatsorana dia efa fanonerana ho azy. Ary izay tsy mitsara araka izay nampidinin’I Allah dia ireny no tena mpanao ny tsy rariny."},{"id":46,"translation":"Ary nalefanay taorian’izy ireo i Jesoa zanak’i Maria, hanamafy izay teo alohany ao amin’ny Toraty. Ary nomenay Azy ny boky masina evanjily feno tari-dalana sy fahazavana hanamafisana izay teo alohany ao amin’ny toraty ary tari-dalana sy fananarana ho an’ireo manam-patahorana."},{"id":47,"translation":"Ary aoka ireo ny olon’ny boky masina evanjily hitsara arak’izay nampidinin’I Allah ao aminy. Ary izay tsy mitsara arak’izay nampidinin’I Allah dia ireny no tena ratsy fitondran-tena tokoa."},{"id":48,"translation":"Ary nampidininay aminao ny boky feno fahamarinana, manamafy ny boky izay teo alohany, ary manan-kery eo anatrehany, ka tsarao izy ireo araka izay nampidinin’I Allah. Ary aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ,izay manalavitra ny fahamarinana tonga taminao.Efa nanaovanay lalàna sy drafitr’asa ny tsirairay aminareo. Ary raha sitrak’I Allah, dia nataony ho vahoaka iray ianareo. Kanefa mba ho fitsapana anareo amin’izay nomeny anareo. Ka mifaninana ianareo amin’ny fanaovana ireo asa tsara. Any amin’I Allah no tsy maintsy hiverenanareo rehetra ka ho lazainy aminareo izay rehetra nampifanolana anareo momba Azy."},{"id":49,"translation":"Koa mitsarà ny amin’izy ireo arak’izay nampidinin’I Allah. Ary aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao ary mitandrema amin’izy ireo ianao mba tsy hampanalavitra anao amin’ny ampahan’ny fanambarana izay nampidinin’I Allah taminao. Fa raha mitodi-damosina izy ireo dia fantaro fa tena tian’I Allah ny hanasazy azy ireo noho ny sasan-tsasany amin’ny fahotan’izy ireo. Ary tena marina fa maro amin’ny olombelona no tena mpanao ratsy."},{"id":50,"translation":"Moa ve ny fitsarana tamin’ny andron’ny habadoana no tadiavin’izy ireo? Ary iza no manao fitsarana mendrika noho Allah, ho an’ireo vahoaka feno fitokisana?"},{"id":51,"translation":"O ianareo mpino! Aza mandray ireo jiosy sy kristianina ho mpiahy ianareo, izy ireo dia samy mifampiahy, ary izay maka azy ireo ho mpiahy aminareo dia efa namany. Tena marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":52,"translation":"Ka ho hitanao ireo izay manana aretina ao am-pony mihazakazaka mankany amin’izy ireo sy miteny hoe:”Matahotra izahay sao hivadika aty aminay ny ratsy”. Ka angamba I Allah hanome fandresena, na hanome baiko avy Aminy, ka hahatonga azy ireo hanenina tamin’izay nafeniny tao amin’ny tenany."},{"id":53,"translation":"Ary hiteny ireo mpino hoe: ”Moa ve izy ireo no nianiana tamin’I Allah nihizingizina amin’ny heriny rehetra, fa miaraka aminareo tokoa izy ireo?”. Ho foana tanteraka anefa ny asan’izy ireo, ka ho lasa maty antoka izy ireo."},{"id":54,"translation":"O ianareo mpino! Izay miverin-dalana amin’ny finoany aminareo dia hitondran’I Allah vahoaka izay tiany sady tia Azy, manetri-tena eo anatrehan’ireo mpino, ary maneho ny heriny eo anatrehan’ireo tsy mpino, manao ezaka amin’ny lalan’I Allah izy ireo, ary tsy matahotra ny tsiny avy amin’ny mpanome tsiny. Izany dia fahasoavan’I Allah, omeny izay sitrany. Ary Allah dia manerana izao rehetra izao sy mahalala ny zava-drehetra."},{"id":55,"translation":"Tena marina fa ny tena mpiahy anareo dia Allah sy ny Irany, ary ireo nino izay manatanteraka ny vavaka fanompoana sy mamoaka ny harena fiantrana, ary ireo izay mpanao ny fiondrehana amin’I Allah."},{"id":56,"translation":"Na iza nia za mandray an’I Allah ho mpiahy sy ny Irany, ary ireo mpino ,marina fa ny antokon’I Allah no ho mpandresy."},{"id":57,"translation":"O Ianareo mpino! Aza mandray ireo izay mandray ny finoanareo amin’ny kivazivazy sy kilalao amin’ireo izay nomena ny boky talohanareo sy ireo tsy mpino ho mpiahy ianareo. Ary matahora an’I Allah raha tena mpino marina ianareo."},{"id":58,"translation":"Ary rehefa miantso ho amin’ny vavaka fanompoana ianareo dia raisin’izy ireo ho kivazivazy izany sy kilalao. Izany dia satria tena vahoaka tsy mandinika izy ireo."},{"id":59,"translation":"Teneno hoe: \"O ry olon’ny boky! Moa ve mankahala anay ianareo afa-tsy noho izahay mino an’I Allah sy izay nampidinina taminay, ary izay nampidinina tany aloha?\". Tena marina fa ny ankamaroanareo dia mpanao ny asa ratsy."},{"id":60,"translation":"Teneno hoe: Moa ve hambarako anareo ny ratsy kokoa mihoatra an’izany amin’ny valin’asa eo anatrehan’i Allah? Dia izay nozonin’i Allah sy nampiharany ny hatezerany ary ny sasany amin’izy ireo nataony lasa gidro sy kisoa, ary nanompo ny Tàghout [77]. Izy ireny no ratsy toerana indrindra sy tena very lavitra niala amin’ny làlana mahitsy."},{"id":61,"translation":"Ary raha tonga aminareo izy ireo dia hiteny hoe: \"Mino izahay\" nefa niditra niaraka amin’ny tsy finoana izy ireo ary nivoaka koa niaraka aminy. Ary I Allah no tena mahafantatra izay afenin’izy ireo."},{"id":62,"translation":"Ary ho hitanao ny maro amin’izy ireo hihazakazaka amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna ary ny fihinanana harena tsy ara-dalàna. Ratsy tokoa izany asa ataon’izy ireo izany!"},{"id":63,"translation":"Nahoana moa ireo mpitondra fivavahana jiosy sy ireo manam-pahaizana ara-pinoana no tsy mba mandrara azy ireo amin’ny fanaovana ny teny feno fahotana sy amin’ny fihinanana harena tsy ara-dalàna? Ratsy tokoa izany ataon’izy ireo izany!"},{"id":64,"translation":"Ary niteny ireo jiosy hoe: \"Ny tanan’I Allah dia mikombona\". Ny Tanan’izy ireo no mikombona ary voahozona izy ireo noho ny teny nataony. Tsia! Ny tanany roa dia mivelatra tsara sy mizara araka izay sitrany Izy. Ary tena marina fa izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao dia tena hampitombo betsaka amin’ny ankamaroan’izy ireo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana. Ary norangitina tamin’izy ireo ny fifanoherana sy ny fifankahalana, mandra-pahatongan’ny andron’ny fitsanganana. Isaky izy ireo mandrehitra afo ho amin’ny ady dia vonoin’I Allah izany. Ary miezaka izy ireo mampiely eto ambonin-tany ny asa fanimbana. Ary I Allah dia tsy tia ireo mpanao ny asa fanimbana."},{"id":65,"translation":"Ary raha tena nino sy natahotra ireo olon’ny Boky dia tena nofafanay amin’izy ireo ny asa ratsiny ary tena ampidirinay ao anatin’ny zaridainan’ny fahasambarana (Paradisa) izy ireo."},{"id":66,"translation":"Ary raha tena nampihatra ny Toraty sy Evanjily izy ireo sy izay nampidinina tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony dia tena nihinana an-kafaliana ny avy ao amboniny sy ny avy ao ambanin’ny tongony izy ireo. Misy amin’izy ireo no vahoaka mandala ny fomba mendrika ary maro amin’izy ireo no ratsy tokoa ny asa izay ataony."},{"id":67,"translation":"Ry Iraka! Ampitao izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao. Fa raha tsy manao izany ianao dia tsy tafitanao ny Hafany, ary I Allah dia hiaro anao amin’ny olombelona. Tena marina fa I Allah dia tsy mitari-dalana ireo vahoaka tsy mpino."},{"id":68,"translation":"Teneno hoe: “O ry olon’ny boky! Tsy inona na inona ianareo raha tsy mampihatra ny Taoraty sy ny Evanjily sy izay nampidinina taminareo avy tamin’ny Tomponareo”. Ary tena nampitombo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana tamin’ny maro amin’izy ireo izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao. Ka aza atao mampahory anao ny amin’ireo vahoaka tsy mpino."},{"id":69,"translation":"Hamafisina, fa ireo izay mino sy ireo izay nanaraka ny jodaisma sy sabeanina ary kristianina, izay nino an'I Allah sy ny Andro farany ary nanao ny asa soa, dia tsy hanana tahotra no tsy halahelo izy ireo."},{"id":70,"translation":"Efa noraisinay ny faneken’ny zanak’Israely ary nandefa iraka maro tamin’izy ireo Izahay. Kanefa isaky ny misy Iraka tonga amin’izy ireo mitondra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony dia noraisiny ho mpandainga ny sasany ary ny sasany hafa dia novonoin’izy ireo."},{"id":71,"translation":"Ary eritreretin’izy ireo fa tsy hisy ny famaizana ka lasa jamba sy marenina izy ireo. Avy eo dia noraisin’I Allah ny fibebahan’izy ireo. Avy eo dia lasa jamba sy marenina indray ny ankamaroan’izy ireo. Ary I Allah dia mahita tokoa izay ataon’izy ireo."},{"id":72,"translation":"Efa tena tsy mpino tokoa ireo izay niteny hoe: “Tena marina fa Allah dia i Jesoa zanak’i Maria”.Kanefa niteny i Mesia (Jesoa) hoe: “O ry zanak’Israely! Aoka hanompo an’I Allah, Tompoko sy Tomponareo ianareo”. Tena marina fa n’iza n’iza mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa dia efa noraran’I Allah aminy ny Paradisa ary ny Afobe no ho fonenany. Ary tsy hanana mpanavotra mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":73,"translation":"Tena efa tsy mpino ireo izay miteny hoe: “Allah dia tena Iray amin’ny Telo ”. Nefa tsy misy Zanahary Tompo afa tsy Allah tokana ihany. Ary raha tsy mijanona amin’izay teneniny izy ireo, dia tena hahazo ny famaizana mangirifiry ireo izay tsy nino amin’izy ireo."},{"id":74,"translation":"Moa ve tsy hibebaka amin’I Allah izy ireo sy hangataka amin'I Allah ny famelan-keloka? Ary Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana."},{"id":75,"translation":"Tsy iza akory i Mesia zanak’i Maria afa tsy Iraka ihany. Efa maro ireo Iraka nandalo teo alohany. Ary ny reniny dia vehivavy marina. Samy nihinana sakafo izy roa. Jereo fa ahoana no anazavanay amin’izy ireo ny famantarana avy eo jereo manao ahoana ny fomba hivadihan’izy ireo!"},{"id":76,"translation":"Teneno hoe: \"Manompo zavatra hafa ankoatran’I Allah ve ianareo izay tsy manana fahefana hanao na ny ratsy, na ny tsara aminareo?\" Ary I Allah no Ilay tena Maheno Ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":77,"translation":"Teneno hoe: O ry olon’ny Boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ankoatry ny marina ianareo. Ary aza manaraka ny sitrapon’ny vahoaka izay efa very tany aloha ianareo, ary nanary olona betsaka ka niala tamin’ny lalana mahitsy."},{"id":78,"translation":"Voahozona ireo izay tsy nino tamin’ny zanak’Israely tamin’ny alalan’ny vavan’i Davida sy Jesoa zanak’i Maria. Izany dia noho izy ireo tsy nankato sy nandika ny didy aman-dalàna."},{"id":79,"translation":"Tsy nifandràra tamin’ny fanaovana ireo aratsiana izay nataony izy ireo. Tena ratsy tokoa izany ny asa izay nataon’izy ireo!"},{"id":80,"translation":"Ho hitanao ny maro amin’izy ireo maka ho mpiahy ireo izay tsy nino. Tena ratsy tokoa izay natolotr’izy ireo ho an’ny tenany ka niharan’ny hatezeran’I Allah izy ireo ary hitoetra ao anatin’ny sazy mandrakizay izy ireo."},{"id":81,"translation":"Ary raha nino an’I Allah sy ny Mpaminany ary izay nampidinina taminy izy ireo dia tsy nandray ireo tsy mpino ho mpiahy velively izy ireo. Kanefa maro amin’izy ireo no mpanao asa ratsy."},{"id":82,"translation":"Ho hitanao fa ny olona tena mandray ireo izay mino ho fahavalo dia ny jiosy sy ireo izay manompo sampy. Ary ho hitanao fa ireo izay tena akaiky ireo mpino amin’ny fifankatiavana dia ireo izay miteny hoe : “Izahay dia kristianina”. Izany dia satria misy amin’izy ireo no pretra na pasitora, sy relijiozy, ary tsy manambony tena mihitsy izy ireo."},{"id":83,"translation":"Ary rehefa maheno izay nampidinina tamin’ilay Iraka izy ireo, dia hitanao fa kotsan-dranomaso ny mason’izy ireo noho ny fahafantaran’izy ireo ny fahamarinana. Miteny izy ireo hoe : \"Ry Tomponay o! Mino izahay ka soraty miaraka amin’ireo mpijoro vavolombelona izahay."},{"id":84,"translation":"Ary ahoana izahay no tsy hino an’I Allah sy ny marina izay tonga aminay. Nefa izahay dia maniry ny mba hampidirin’ny Tomponay miaraka amin’ireo vahoaka mendrika?"},{"id":85,"translation":"Ka hamaly soa azy ireo i Allah tamin'izay notenenin’izy ireo, dia zaridaina maro misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary izany no valisoan’ireo mpanao soa."},{"id":86,"translation":"Ary ireo izay tsy mino sy mampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe."},{"id":87,"translation":"Ianareo mpino kosa! Aza mandrara ireo tsara amin’izay tsy nampifadian’i Allah taminareo ianareo ary aza mandika lalàna. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpandika lalàna."},{"id":88,"translation":"Ary mihinàna amin’izay anjara tsy voarara sady tsara nomen’I Allah anareo ianareo. Ary matahora an’I Allah ianareo izay mpino Azy tanteraka."},{"id":89,"translation":"Allah dia tsy hanasazy anareo amin’ny teny tsy vokatry ny fo amin’ny voadinareo, fa hanasazy anareo kosa Izy amin’ny teny voady ao am-ponareo. Ka ny onitra amin'izany dia fampihinanana sakafo ny mahantra folo amin’ny antonony izay hampihinananareo ny fianakavianareo, na ny fampitafiana azy ireo, na koa ny famotsorana andevo iray. Ka ho an‘izay tsy mahita izany dia manao fifehezana telo andro izy. Izany no onitra ny fianiananareo rehefa nianiana ianareo. Ka aoka hitandrina tsara amin’ny fianiananareo ianareo. Toy izany no hanazavan’I Allah aminareo ireo fanambarany, angamba hankasitraka ianareo."},{"id":90,"translation":"O ianareo mpino ! Tena marina fa ny toaka sy ny loka, ireo vato natao sampy, ireo zana-tsipika (fanandroana) dia zava-mahatsiravina anisan’ny asan’ny satana ka halavironareo izany, angamba ahazo fahombiazana ianareo."},{"id":91,"translation":"Tena marina fa i Satana dia mila handatsaka anareo ao anaty fifanoherana sy ny fifankahalana avy amin’ny toaka sy ny loka, ary hanakana anareo amin’ny fahatsiarovana an'I Allah sy amin’ny vavaka fanompoana. Ka moa ve hitsahatra amin’izany ianareo ?"},{"id":92,"translation":"Ary ankatoavinareo I Allah sy ankatoavinareo ihany koa ny Iraka ary mitandrema ianareo ! Ka raha mitodi-damosina ianareo dia fantaro fa ny tena adidin’ny Irakay dia ny fampitana ny hafatra mazava ihany."},{"id":93,"translation":"Tsy hananan’ireo izay nino sy nanao asa soa tsiny ny amin’izay nohanin’izy ireo tany aloha raha natahotra sy nanao asa soa izy ireo, avy eo natahotra sy nino izy ireo, avy eo ihany koa natahotra sy nanao soa. Ary I Allah dia tia ireo mpanao soa."},{"id":94,"translation":"O ianareo mpino ! Tena ho tsapain’I Allah ianareo amin’ny haza azon’ny tananareo sy ny lefonareo, mba ahafantaran’I Allah izay matahotra Azy ankiafina. Ka n'iza n'iza mandika ny didy aman-dalàna aorian’izany dia ho azy ny sazy mamirifiry"},{"id":95,"translation":"O ianareo mpino ! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram . Ary izay mamono izany aminareo an-tsitrapo dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara izany ny olona roa azo antoka avy aminareo, ho fanatitra amin’ny Ka’aba , na ny onitra dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja amin’izany, mba hanandramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Namela izay efa lasa i Allah, ary izay mamerina dia ho sazin’i Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana."},{"id":96,"translation":"Tsy voarara ho anareo ireo hazan-dranomasina ary ny sakafo ao aminy ,mba ho fahafinaretana ho anareo sy ho an’ny mpandeha lavitra. Ary tsy azonareo atao ny mihaza an-tanety raha mbola ao anatin’ny Ihram ianareo. Ary matahora an'I Allah ianareo, any Aminy no hamoriana anareo."},{"id":97,"translation":"Nataon’I Allah ny Ka’aba, ilay trano masina ho fitsanganan’ny olona , ny volana masina sy ireo atao fanatitra ary ny haingo famantarana . Izany dia mba ahafantaranareo fa I Allah dia Mahalala izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":98,"translation":"Fantaronareo fa I Allah dia tena mafy sazy ary koa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":99,"translation":"Tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana ny hafatra, ary Allah dia mafantatra izay abaribarinareo sy izay afeninareo."},{"id":100,"translation":"Teneno hoe : “Tsy mitovy ny ratsy sy ny tsara na dia mahaliana anao aza ny fahabetsahan’ny ratsy, koa mahatahora an’I Allah ianareo ry mahatsilo saina, angamba ahazo fahombiazana ianareo."},{"id":101,"translation":"O ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy hanontany zavatra maro, raha aseho anareo izany dia hanahirana anareo , ary raha manontany izany ianareo eo amin’ny fotoana ampidinana ny Kor'any, dia haseho aminareo izany. Efa navelan’I Allah ny elokareo ny amin’izany. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy tsara Fanahy indrindra."},{"id":102,"translation":"Efa nisy nanontany izany ny vahoaka teo alohanareo, avy eo nitarika azy ireo tsy mpino izany."},{"id":103,"translation":"Allah dia tsy nanao ny Bahîraty [80], ny Sâibaty [81], ny Oasîlaty [82], Hâmy [83], fa kosa ireo tsy mpino no namorona lainga mahakasika an'I Allah. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina."},{"id":104,"translation":"Raha tenenina izy ireo hoe : “Avia ianareo ho amin’izay nampidinin’I Allah sy ho amin’ny Iraka”, dia miteny izy ireo manao hoe : “Ampy anay izay azonay tamin’ireo razambenay tany aloha”. Na dia tsy mahalala na inona na inona aza ireo razamben’izy ireo sy tsy manaraka ny lala-mihitsy."},{"id":105,"translation":"O ianareo mpino, tandrovy ny tenanareo, tsy hisy fiantraikany aminareo ireo izay very lalana raha manaraka ny lala-mahitsy ianareo. Any amin’I Allah no hiverenanareo rehetra ka hampahafantariny anareo izay nataonareo"},{"id":106,"translation":"Oh ianareo mpino, raha tojo ny iray aminareo ny fahafatesana dia aoka hamarinin’ny lehilahy roa azo antoka avy aminareo, na lehilahy roa hafa ivelanareo ny hafatry ny maty amin’ny didim-panànana raha any am-pandehanana lavitra ka tonga aminareo ny fahafatesana, tazony izy roa ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana, mianiana amin’I Allah izy roa, raha misalasala ianareo, manao hoe : “tsy mitady vidiny izahay amin’izany na dia amin’ny havana akaiky aza ary izahay dia tsy manafina velively amin’ny fijoroana vavolombelona amin’I Allah. Raha tsy izany izahay dia anisan’ireo mpanota”."},{"id":107,"translation":"Raha vao hita fa nahavita fahotana izy roa, dia aoka hisy roa hafa amin’ny fianakavian’ilay maty mitsangana hisolo toerana azy roa ka mianiana amin’I Allah izy roa manao hoe : “Tena marina fa ny fijoroanay vavolombelona dia tena marina kokoa noho ny fijoroan’izy roa vavolombelona, ary tsy mandika lalàna velively izahay, raha tsy izany dia anisan’ireo mpanao ny tsy rariny”."},{"id":108,"translation":"Izany no fomba mahomby indrindra mba hijoroan’izy ireo vavolombelona amin’ny tena endriny, na koa hatahotra izy ireo mba tsy haverina ny fianianana aorian’ny fianianan’izy ireo. Ary matahora an'I Allah ianareo sy mihainoa ary Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ratsy."},{"id":109,"translation":"Amin’ny andro izay hamorian’I Allah ireo Iraka dia hiteny Izy manao hoe : “Inona ny valin-teny navaly anareo ?” Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tsy manam-pahalalana velively izahay, tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny zava-miafina”."},{"id":110,"translation":"Rehefa miteny I Allah manao hoe : “Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Tsarovy ny fahasoavako taminao sy tamin’ny reninao, raha nampahereziko ianao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ny olombelona fony vao teraka teo ambony fandriana ianao sy tamin’ny fahamatorana ihany koa. Ary nampianariko ny boky sy ny fahendrena ary ny Taoraty sy ny Evanjely ianao. Ary raha nanamboatra toy ny endrika vorona (sarim-borona) avy tamin’ny tany manga nohon'ny heriko ka notsofinao izany, dia lasa tena vorona nohon'ny heriko. Ary nanasitrana ny jamba sy ny boka nohon'ny heriko ianao. Ary namelona ireo maty nohon'ny heriko ianao. Ary narovako tamin’ny zanak’Israely ianao raha nitondra tamin’izy ireo ny porofo mazava ianao”. Nefa niteny ireo tsy nino tamin’izy ireo nanao hoe : “Tsy inona io afa-tsy majika miharihary”."},{"id":111,"translation":"Ary tsarovy raha nilaza tamin’ireo Apostoly Aho nanao hoe : “Minoa Ahy sy ny Irako ianareo”, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Mino izahay; ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpankato an'IAllah”."},{"id":112,"translation":"Raha niteny ireo Apostoly nanao hoe :“Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Moa ve afaka mampidina aminay latabatra feno sakafo avy any an-danitra ve ny Tomponao ?” Niteny Izy nanao hoe : “Matahora an'I Allah ianareo raha mpino marina”."},{"id":113,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Maniry ny mba hihinana amin’izany izahay sy mba hampitony ny fonay ary mba ahalalanay fa tena milaza ny marina aminay tokoa ianao, ary mba ho anisan’ny vavolombelona amin’izany izahay."},{"id":114,"translation":"Niteny i Jesoa zanak’i Maria nanao hoe : “Oh ry Allah Tomponay ! Ampidino aminay ny latabatra feno sakafo avy any an-danitra mba ho fety ho anay, ka ho an’ny voalohany aminay sy ho an’ny farany, ary ho fanambarana avy Aminao. Ary omeo anjara sakafo izahay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpanome anjara”."},{"id":115,"translation":"Niteny I Allah nanao hoe : “Tena marina fa Izaho dia hampidina izany aminareo, fa izay tsy mino aminareo aorian’izany, Izaho dia tena hanasazy azy amin’ny sazy izay tsy hanasaziako an’iza na iza amin’izao tontolo izao”."},{"id":116,"translation":"Ary raha niteny I Allah nanao hoe : “Oh ry Jeso zanak’i Maria, moa ve Ianao no niteny tamin’olona hoe raiso aho sy ny reniko ho Tompo roa ankoatr’I Allah ?”. Niteny i Jesoa nanao hoe : “Dera sy voninahitra ho Anao ! Tsy afaka hiteny amin’izay tsy nananako zo aho ! Raha tsy niteny izany aho dia efa fantatrao. Mahalala ny ato amiko Ianao fa izaho kosa tsy mahalala ny ao Aminao .Tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny miafina rehetra."},{"id":117,"translation":"Tsy niteny tamin’izy ireo aho afa-tsy izay nandidianao ahy hoe : “Tompoinareo I Allah Tompoko sy Tomponareo”. Ary izaho no vavolombelona tamin’izy ireo fony mbola teo amin’izy ireo aho. Fa rehefa nalainao kosa aho dia Ianao no Ilay Mpanara-maso azy ireo. Ary Ianao no Vavolombelona amin’ny zava-drehetra."},{"id":118,"translation":"Raha hanasazy azy ireo Ianao, izy ireo dia mpanomponao, raha hamela azy ireo kosa Ianao, tena marina fa Ianao no Ilay Mahery, Ilay be Fahendrena."},{"id":119,"translation":"Niteny Allah nanao hoe : “Ity no andro izay ahazoan’ireo olo-marina tombontsoa tamin’ny fahamarinan’izy ireo, ho azy ireo ny zaridaina maro misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Nankasitraka azy ireo I Allah ary izy ireo koa dia nankasitraka Azy. Izany ilay fahombiazana lehibe."},{"id":120,"translation":"An’I Allah irery ihany ny fanjakana any amin’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary Izy no Mahefa ny zava-drehetra."}]},{"id":6,"verses":[{"id":1,"translation":"Dera ho an’I Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany ary nanao ny haizina sy ny hazavana. Kanefa ireo izay tsy nino ny Tompony dia mampitovy Azy amin’ny zavatra hafa."},{"id":2,"translation":"Izy no Nahary anareo avy tamin’ny tany manga; avy eo nandahatra fe-potoana Izy ary ny fotoana voatondro farany dia any Aminy. Kanefa ianareo dia mbola misalasala ihany."},{"id":3,"translation":"Ary Izy no Allah any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, Mahalala izay tsiambaratelo sy ahariharinareo, ary Mahalala izay azonareo."},{"id":4,"translation":"Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe : tsy noraharahin’izy ireo izany."},{"id":5,"translation":"Ary tena nolazain’izy ireo ho lainga ny fahamarinana rehefa tonga tamin’izy ireo. Ka ho tonga amin’izy ireo ireo vaovaon’izay hiapanga azy tamin'izay novazivazian’izy ireo."},{"id":6,"translation":"Tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo ? Nomenay fahefana izy ireo teto an-tany, izay tsy nomenay anareo, ary nampidininay ho azy ireo ny ranon’orana avy any an-danitra, ary nampikorianay eo ambanin’izy ireo ireo renirano. Ary naringanay izy ireo nohon'ny fahotany, ary nampisy taranaka hafa Izahay taorian’izy ireo."},{"id":7,"translation":"Ary na dia nampidina taminao ny Boky vita amin’ny taratasy Izahay ka nokasihan’izy ireo tamin’ny tànan’izy ireo izany, dia mbola ho niteny ihany ireo izay tsy nino nanao hoe : “Tsy inona ity fa fanova-maso miharihary !”."},{"id":8,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “nahoana no tsy nampidinina taminy ny Anjely ?” Nefa raha nampidina Anjely Izahay dia tena tapitra teo ny raharaha ary tsy nomena fe-potoana intsony izy ireo."},{"id":9,"translation":"Ary raha nataonay Anjely izy dia tsy maintsy nataonay hanana endrika lehilahy, ka mbola nataonay tsy hazava amin’izy ireo ihany tahaka ny tsy mampazava izany amin’izy ireo ankehitriny."},{"id":10,"translation":"Ary efa niharan'ny fanesoana tokoa ireo iraka talohanao ka dia niverina tamin'ireo naneso ny fanesoana nataony."},{"id":11,"translation":"Teneno hoe: \"Mandehana Ianareo maneran-tany rehetra, avy eo jereo ahoana ny fiafaran’ireo mpilaza lainga\"."},{"id":12,"translation":"Teneno hoe : “An’iza ny an'ny an-danitra sy ny eto an-tany?” Teneno hoe : “An’i Allah\". Izy dia nandidy ny famindram-po ho amin'ny tenany. Tsy maintsy hamory anareo Izy amin’ny andro fitsanganan , tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ireo izay nahafaty antoka ny tenany dia tsy hino velively izy ireo."},{"id":13,"translation":"Ary Azy izay mitoetra rehetra amin’ny alina sy ny andro ary Izy Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":14,"translation":"Teneno hoe : “Ankoatr’I Allah ve no ataoko Mpiahy, Ilay Mpahary ireo lanitra sy ny tany, ary Izy no mampihinana fa tsy ampihinanina ?” Teneno hoe : “Tena marina fa nodidiana aho mba ho voalohany manetry tena”. Ary aoka ianao mba tsy ho anisan’ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny zavatra hafa."},{"id":15,"translation":"Teneno hoe : “Tena matahotra aho, raha tsy mankatò ny Tompoko aho, ny sazy amin’ny andro lehibe\"."},{"id":16,"translation":"Fa ny olona avotra amin'izany andro izany,dia efa nahazo ny famindram-pony.Ary izany no tena fahombiazana lehibe ."},{"id":17,"translation":"Raha raha mandefa fahoriana aminao Allah, dia tsy misy afaka manala izany afa-tsy Izy ihany, ary raha mandefa fahasoavana aminao Izy dia Izy no tena Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":18,"translation":"Izy no Hery Mpifefy faratampony ireo mpanompony. Ary Izy Ilay be Fahendrena sy tena Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":19,"translation":"Teneno hoe : “Inona no zava-dehibe indrindra amin’ny fijoroana vavolombelona?” Teneno hoe : “Allah dia vavolombelona manoloana ahy sy ianareo. Nalefa amiko ity Koro’any ity mba hampitandremako anareo sy izay rehetra hahatongavany\". Moa va ianareo dia sahy mijoro vavolombelona fa misy tompo hafa miaraka amin'i Allah? Valio hoe :\"Izaho kosa dia tsy sahy mijoro vavolombelona\", Lazao hoe : \"Tsy misy afa tsy Allah tokana ihany. Ary izaho dia mandà izay atambatrareo Aminy\"."},{"id":20,"translation":"Ireo izay nomenay ny Boky dia mahafantatra azy tsara, tahaka izy ireo mahafantatra ireo zanany. Fa ireo izay nanome fatiantoka ny tenany kosa dia izy ireo no tsy mino."},{"id":21,"translation":"Iza àry no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampandainga an’I Allah na nilaza fa lainga ireo famantarany ? Tena marina fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":22,"translation":"Ary amin’ny andro izay hamorianay azy rehetra ireo ka hitenenanay amin’ireo izay nampikambana an'I Allah amin’ny hafa hoe : “Aiza avokoa ireo izay nakambanareo tamin'I Allah izay nireharehanareo ?"},{"id":23,"translation":"Noho izany, ny hany mba fialantsin'izy ireo dia ny milaza hoe : “Mianiana amin’i Allah Tomponay izahay fa tsy nampikambana Azy tamin'ny hafa velively!”"},{"id":24,"translation":"Jereo ahoana ny fandaingan'izy ireo amin’ny tenany ihany, ary nialan'izy ireo tamin'izay noforoniny."},{"id":25,"translation":"Ary misy amin’izy ireo izay mihaino anao, nefa nasianay sarona ny fon’izy ireo; mba tsy ahazoan’izy ireo azy, ary voatampina ny sofin’izy ireo. Na dia mahita ireo porofo rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany velively. Rehefa tonga hiady hevitra aminao izy ireo dia hiteny ireo izay tsy nino manao hoe : “Tsy inona izany afa-tsy anganon’ireo olona taloha”."},{"id":26,"translation":"Izy ireo dia mandrara ny olona tsy hanatona azy no sady manalavitra azy.Tsy manapotika afa-tsy ny tenany ihany, saingy tsy tsapan’izy ireo izany."},{"id":27,"translation":"Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Indrisy ! Raha mba haverina izahay dia tsy hilaza lainga ireo fanambaran’ny Tomponay ary ho anisan’ireo olona mpino izahay."},{"id":28,"translation":"Tsia ! Indro fa hiseho amin’izy ireo izay nafeniny teo aloha. Ary raha naverina (any ambonin’ny tany) izy ireo dia tsy maintsy mbola hiverina amin’izay nandrarana azy ireo ihany. Ary tena marina fa izy ireo dia mpandainga."},{"id":29,"translation":"Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ary izahay dia tsy hatsangana amin’ny maty velively."},{"id":30,"translation":"Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo anatrehan’ny Tompony. Hiteny Izy amin'izy ireo manao hoe : “Moa va tsy izao no fahamarinana?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Eny ! Ary mianiana amin’ny Tomponay izahay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ka andramonareo àry ny sazy ho setrin'ny fikomianareo."},{"id":31,"translation":"Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’I Allah. Ary raha tonga tampoka amin’izy ireo ny ora, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Loza ho anay amin’ny tsirambina izay nataonay momba izany ! Ary izy ireo dia hitondra ny vesatra (ny fahotany) ao an-damosiny. Ary tena ratsy tokoa izany vesatra entiny izany !"},{"id":32,"translation":"Ary tsy inona akory ny fiainana eto an-tany raha tsy kilalao sy rendrarendra ihany. Ary ny fonenana any an-koatra kosa dia tsara indrindra ho an’izay matahotra. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?"},{"id":33,"translation":"Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo, tena marina fa izy ireo dia tsy mampadainga anao akory, fa ireo mpanao ny tsy rariny kosa dia mitsipaka ireo famataran’i Allah."},{"id":34,"translation":"Ary efa nolazaina ho mpandainga ireo iraka teo alohanao, ka niharitra izy ireo tamin’ny nilazana azy ireo ho mpandainga sy tamin’ny fampijaliana nanjo azy ireo, mandra-pahatonga ny famonjena Taminay. Ary tsy misy afaka manova ireo tenin’I Allah, ary efa tonga taminao ny ampahan’ny tantaran’ireo Iraka."},{"id":35,"translation":"Na dia mafy taminao aza ny fitsipahan’izy ireo, koa raha afaka hitady lalana any ambanin’ny tany ianao, na tohatra hiakarana any an-danitra mba hitondranao amin’izy ireo ny fahagagana, (dia ataovy àry izany). Raha sitrak’I Allah dia navoriny tamin’ny lala-mahitsy izy ireo, aoka ianao tsy ho anisan’ireo olona bado !"},{"id":36,"translation":"Ireo izay maheno ihany no mamaly ny antso. Ary ny maty rehetra dia hatsangan’I Allah, avy eo any Aminy no hamerenana azy ireo."},{"id":37,"translation":"Ary hoy izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nisy fahagagana nampidinina taminy avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Tena marina fa I Allah dia afaka mampidina fahagagana. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany\"."},{"id":38,"translation":"Ary tsy misy biby mandeha eto ambonin’ny tany na vorona manidina amin’ny elany roa, ka tsy manana fiaraha-monina tahaka anareo. Tsy misy zavatra nataonay tsirambina ao anaty Boky na dia kely aza, avy eo any amin’ny Tompon’izy ireo no hamoriana azy ireo."},{"id":39,"translation":"Ary ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay dia marenina sy moana ao anatin'ny haizim-pito. Izay sitrak’I Allah dia ho vereziny ary koa izay sitrany dia tantaniny amin’ny lala-mahitsy."},{"id":40,"translation":"Teneno hoe : “Ahoana no ataonareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah, na koa tonga aminareo ilay Ora farany? Moa ve hiantso voanjy ankoatr’I Allah raha toa ka marina ny anareo ?”."},{"id":41,"translation":"Tsia ! Izy irery ihany no antsoinareo ka hampisava izay antony niantsoanareo Azy,ary hanadino izay nakambanareo Taminy ianareo."},{"id":42,"translation":"Ary efa nandefa ireo Iraka tamin’ny vahoaka maro teo alohanao Izahay, ka notsapainay izy ireo tamin’ny alalan’ny fahoriana sy ny aretina, angamba hanetri-tena izy ireo."},{"id":43,"translation":"Nahoana àry, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fitsapanay no tsy mba nanetri-tena izy ireo ? Kanefa nihamafy ny fon’izy ireo ary nohaingohaingoin’ny Satana izay asa rehetra nataon’izy ireo."},{"id":44,"translation":"Rehefa nanadino izay nampahatsiahivina azy izy ireo dia nosokafanay ho azy ireo ny varavaran’ny zava-drehetra, ka rehefa faly tamin’izay nomena azy izy ireo dia noraisinay tampoka izy ireo, indro izy ireo fa tena diso fanantenana."},{"id":45,"translation":"Ka notaperina ny sisa tavela tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny, ary dera ho an’i Allah Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":46,"translation":"Teneno hoe : “Ahoana ny fahitanao? Raha esorin'I Allah ny fandrenesanareo sy ny fahitanareo ary hidiny ny fonareo, iza no Tompo ankoatr’I Allah no hamerina izany aminareo ?” Jereo, ahoana no hanazavanay ireo famantarana, nefa mbola mivily lalana ihany izy ireo."},{"id":47,"translation":"Teneno hoe : “Ahoana ny fahitanareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah na tampoka na ankarihary ? Iza moa no haringana raha tsy ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ihany"},{"id":48,"translation":"Ary tsy mandefa ireo Iraka maro Izahay raha tsy ho Mpilaza vaovao mahafaly sy ho Mpampitandrina, ka izay mino sy manarina ny tenany dia tsy hisy tahotra ary tsy halahelo koa izy ireo."},{"id":49,"translation":"Ary ireo izay milaza fa lainga ny fanambaranay dia hihatra amin’izy ireo ny famaizana nohon'ny fanaovan’izy ireo asa ratsy."},{"id":50,"translation":"Teneno hoe : “Izaho dia tsy miteny aminareo fa am-pelatanako ny harena sarobidin’I Allah, na koa mahalala ny zava-miafina aho ary tsy miteny aminareo koa fa Anjely aho, tsy manaraka afa-tsy ny fanambarana izay nalefa amiko aho”. Teneno hoe : “moa ve mitovy ny Jamba sy ny mahiratra ?. Tsy mba mandinika ve ianareo ?”."},{"id":51,"translation":"Ary ampitandremo amin’ny alalan’izany ireo izay matahotra ny havory eo anatrehan’ny Tompony, fa tsy manana mpiahy na mpanelanelana ankoatrany izy ireo. Angamba hanana fatahorana izy ireo."},{"id":52,"translation":"Aza mandroaka ireo izay mitalaho amin’ny Tompony maraina sy hariva, mitady ny tavany izy ireo. Tsy adidinao ny mitsara azy ireo ary tsy adidin’izy ireo koa ny mitsara anao. Koa raha mandroaka azy ireo ianao dia ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":53,"translation":"Ary tahaka izany no nitsapanay ny sasany tamin’izy ireo teo anatrehahan’ny sasany hafa, mba hitenenan’izy ireo hoe : “Izy ireo ve no nosoavin’I Allah teo aminay ?” Moa ve tsy Allah no tena Mahalala ireo mpakasitraka?"},{"id":54,"translation":"Raha tonga eo aminao ireo mino ny fanambaranay dia teneno hoe : “Fiadanana ho aminareo, nodidian’ny Tomponareo amin’ny Tenany ny famindram-po. Marina tokoa fa izay manao ny ratsy tsy amim-pahalalana aminareo, ka mibebaka izy aorian’izany sy manarina ny tenany, Tena marina fa Izy dia Mpamela heloka sy be Fiantrana."},{"id":55,"translation":"Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana mba hiseho mazava ny lalan’ireo mpanao ny heloka."},{"id":56,"translation":"Teneno hoe : “Tena norarana aho mba tsy hanompo ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah”. Teneno hoe : “Izaho dia tsy mba hanaraka ny hetahetam-ponareo; Tena very aho raha manaraka izany ary tsy ho anisan’ireo mpanaraka ny lala-mahitsy aho”."},{"id":57,"translation":"Teneno hoe : “Izaho dia miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ianareo anefa nilaza izany ho lainga. Tsy ananako izay tadiavinareo ho hafangainina; tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’I Allah, Izy no manapaka ny marina ary Izy no Mpitsara mendrika indrindra."},{"id":58,"translation":"Teneno hoe : “Raha toa ka ananako izay tadiavinareo ho hafainganina dia tena tapitra teo ny raharaha eo amiko sy aminareo”. Ary I Allah no Mahalala kokoa ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":59,"translation":"Ary any Aminy ireo fanala hidin’ny zava-miafina. Tsy misy mahalala izany afa-tsy Izy irery ihany. Ary mahalala izay rehetra eto an-tanety sy ny any an-dranomasina Izy. Ary tsy misy ravin-kazo latsaka ka tsy fantany. Ary tsy misy voa na iray ao anatin’ny haizin’ny tany ary tsy misy zavatra na mando izany na maina ka tsy efa voarakitra ao anaty Boky mazava."},{"id":60,"translation":"Ary Izy no maka ny fofon’ainareo amin’ny alina, ary mahalala izay ataonareo amin’ny atoandro, avy eo dia mamelona anareo indray Izy amin’izany mba ahatanteraka ny fotoana voafetra. Avy eo, any Aminy no fiverenanareo, ary ho lazainy anareo izay rehetra nataonareo."},{"id":61,"translation":"Ary Izy no Tompom-pahefana amin’ireo Mpanompony. Ary mandefa mpiaro Izy eo aminareo. Ary rehefa tonga amin’iray aminareo ny fahafatesana, dia mandray ny fofon'ainy ireo irakay, ary tsy manao tsirambina izy ireo."},{"id":62,"translation":"Avy eo dia haverina izy ireo any amin’I Allah ilay Tompon’izy ireo marina. Moa ve tsy Azy ny fitsarana ? Ary Izy no Haingam-panisa indrindra."},{"id":63,"translation":"Teneno hoe : “Iza no manavotra anareo amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina ?” Mangataka Aminy am-panetren-tena sy ankiafina ianareo : “Raha havotany tokoa izahay amin’izao, dia tena ho anisan’ireo mpankasitraka”."},{"id":64,"translation":"Teneno hoe : “Allah no hanavotra anareo amin’izany sy amin’ny tebiteby rehetra. Nefa, mbola manankambana Azy amin’ny zavatra hafa ihany ianareo."},{"id":65,"translation":"Teneno hoe : “Izy no manam-pahefana handefa famaizana aminareo, na eo amboninareo na avy ao ambany tongotrareo, na koa hampisy fizarazarana eo aminareo ka hifanditra sy hampanandrana ny sasany aminareo ny hafanam-pon'ny hafa”. Jereo ahoana ny famakafakanay ireo fanambarana, angamba ho azon’izy ireo izany."},{"id":66,"translation":"Ary nilaza ny vahoakanao fa lainga izany, nefa izany no marina. Teneno hoe : “Tsy mpiantoka anareo amin’izany aho”."},{"id":67,"translation":"Ny vaovao tsirairay dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fotoanany sy amin’ny toerany avy ary ho fantatrareo tsy ho ela izany."},{"id":68,"translation":"Ary raha mahita ireo izay mitsikera amin’ny ady hevitra momba ireo fanambaranay ianao, dia aoka hanalavitra azy ireo Ianao, mandra-pirotsahany amin’ny resaka hafa. Ary raha mampanadino anao i Satana dia aoka ianao tsy hipetraka miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aorian’ny fahatsiarovana."},{"id":69,"translation":"Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia kely aza. Fa ny fampahatsiahivana ihany. Angamba hanam-patahorana izy ireo."},{"id":70,"translation":"Ary avelao ireo izay manao ny finoany ho kilalao sy rendrarendra, ary nofitahin’ny fiainana eto an-tany. Ary ampahatsiahivo amin’ny alalany (Koro’any) Ianao mba tsy hisy olona maty antoka nohon'ny asa vitany, tsy hanana mpiahy na mpanelanelana izy ankoatr’I Allah. Ary na inona na inona ny onitra atolony dia tsy ho raisina avy aminy izany. Izy ireny no olona maty antoka amin’ny asa vitany. Ho azy ireo ny zava-pisotro mangotraka sy ny sazy mamirifiry noho izy ireo tsy nino."},{"id":71,"translation":"Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay tsy afaka hanasoa anay na hanaratsy anay ? Ary haverina amin’ny vody tongotray (hiverin-dàlana) izahay taorian’ny notarihan’I Allah làlana anay, tahaka izay norebireben’ireo satana eto an-tany, sanganehana, na dia misy namana miantso azy izy ho amin’ny tari-dàlana : “Tongava aty aminay ianao”. Teneno hoe : “Ny tari-dalan’I Allah no tena tari-dàlana. Ary nodidiana izahay mba hanaiky tanteraka ny Tompon’izao Tontolo izao”."},{"id":72,"translation":"Ary aoka mba ho tanterahanareo ny vavaka fanompoana ary matahora Azy ianareo. Ary any Aminy no hamoriana anareo."},{"id":73,"translation":"Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany amim-pahamarinana. Ary amin’ny andro hitenenany hoe : “Misia” dia misy izany, ny Teniny dia fahamarinana, ary Azy ny fanjakana amin’ny andro hitsofana ny Anjomara, ilay Mahalala ny miafina sy ny miharihary. Ary izy Ilay be Fahendrena, Ilay Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":74,"translation":"Ary rehefa niteny i Abrahama tamin’i Azara rainy nanao hoe : “Raisinao ho Tompo ve ireo sampy ? Hamafisiko,izaho tena mahita anao sy ny vahoakanao ao anaty fahaverezana miharihary”."},{"id":75,"translation":"Ary tahaka izany no nanehoanay tamin’ i Abrahama ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, ary mba ho anisan’ireo mpino mahatoky tanteraka Izy."},{"id":76,"translation":"Rehefa nanarona Azy ny alina dia nahita kintana izy ka niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny izy nanao hoe : “Tsy tia izay rehetra manjavona aho”."},{"id":77,"translation":"Rehefa nahita ny volana niseho Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny Izy nanao hoe : “Raha tsy mitari-dàlana ahy ny Tompoko dia tena ho anisan’ireo vahoaka very làlana”."},{"id":78,"translation":"Rehefa nahita ny masoandro niposaka Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko ! Ity no lehibe indrindra !”. Rehefa nilentika izany dia niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Izaho dia tena mitsipaka izay rehetra akambanareo."},{"id":79,"translation":"Tena marina fa atodiko ny tavako ho amin’ilay Nahary ireo lanitra sy ny tany amin’ny finoana madio, fa izaho dia tsy mba ho anisan’ireo mpanompo sampy."},{"id":80,"translation":"Ary niady hevitra taminy ny vahoakany ; niteny izy nanao hoe : “Moa hiady hevitra amiko ve ianareo mahakasik’I Allah, nefa efa nitari-dalana ahy Izy ? Ary tsy matahotra ireo akambanareo Aminy aho, afa-tsy izay sitraky ny Tompoko. Manerana ny zava-drehetra ny Fahalalan’ny Tompoko. Ka tsy mba mahatsiaro tena ve ianareo ?"},{"id":81,"translation":"Ary ahoana moa aho no hatahotra ireo izay akambanareo nefa ianareo aza tsy mba matahotra manakambana Allah amin’ny hafa izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza taminareo? Fa iza amin’ny andiany roa ireo no mendrika hanana fitoniana raha mahalala ianareo?"},{"id":82,"translation":"Ireo izay nino ka tsy nampifangaro ny finoan’izy ireo tamin’ny tsy rariny (shirk, fanompoan-tsampy), izy ireny no hanana fitoniana ary izy ireo no voatari-dàlana."},{"id":83,"translation":"Izany no porofonay nomenay an’i Ibrahim entiny hanohitra ny vahoakany. Mampiakatra ny voninahitra amin’izay sitrakay izahay. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":84,"translation":"Ary nomenay Azy (Abrahama) i Isaka sy i Jakoba. Izy roa dia samy notarihanay làlana avy ary talohan’izany dia efa nahitsinay i Noa ary avy amin’ny taranany (Abrahama) i Daodo (Davida), i Salomona, i Ayoba (Joba), i Yosofa (Josefa), i Mosa (Mosesy) ary Harona(Arona). Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsara."},{"id":85,"translation":"Ary i Zakaria sy i Yahya (Jaona) ary i Issa (Jesoa) sy i Elias (Elia), izy ireo dia anisan’ny mpanao ny soa avokoa."},{"id":86,"translation":"Ary i Ismaël sy i Al-Yassa’ (Elisée) ary i Younosa (Jonasy) sy i Lota. Izy ireo dia nomenay tombony tamin’izao tontolo izao."},{"id":87,"translation":"Ary ny amin’ny Razamben’izy ireo sy ny taranak’izy ireo ary ny rahalahin’izy ireo dia nosafidinay sy notarihanay làlana."},{"id":88,"translation":"Izany no tari-dàlan’I Allah, tarihiny amin’izany izay sitrany amin’ireo mpanompony. Nefa raha manakambana Allah amin’ny zavatra hafa izy ireo, dia tena foana tanteraka amin’izy ireo ny asa rehetra izay nataon’izy ireo."},{"id":89,"translation":"Tamin’izy ireny tokoa no nanoloranay ny Boky sy ny fahendrena ary ny faminaniana. Koa raha tsy mino izany izy ireo dia efa nankininay izany amin’ny vahoaka izay tsy mitsipaka izany."},{"id":90,"translation":"Izy ireny no olona izay notarihin’I Allah làlana, ka ny tari-dàlan’izy ireo no araho. Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo velively aho amin’izany, tsy inona izany raha tsy fampahatsahivana ho an’izao Tontolo izao”."},{"id":91,"translation":"Tsy nomen’izy ireo lanja Allah araka ny tena maha mendrika Azy rehefa niteny izy ireo nanao hoe : “Tsy nampidina na inona na inona tamin’ny olombelona I Allah”. Teneno hoe : “Iza no nampidina ny boky izay nentin’i Mosesy ho fahazavana sy tari-dàlana ho an’ny olombelona ? Nataonareo an-taratasy fotsiny izany mba hasehonareo, nefa afeninareo ny am-pahany betsaka. Ary ianareo dia nampianarina izay tsy fantatrareo, na ianareo na ny Razambenareo”. Teneno hoe : “Allah”. Ary avelao izy ireo hiala voly amin’ny ady heviny."},{"id":92,"translation":"Ary ity dia Boky izay nampidininay, feno fahasoavana, manamarina izay efa nisy teo alohany, ary mba hampitandremanao ny Renivohitry ny tanàna (mponin’ny Makkah) sy izay manodidina azy. Ary ireo izay mino ny andro farany dia mino azy (Boky), ary izy ireo dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahan'izy ireo (Soalat) an-tsakany sy an-davany."},{"id":93,"translation":"Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’I Allah, na koa miteny hoe : “Nandefasana fanambarana aho” nefa tsy nandefasana fanambarana akory izy na dia kely aza. Sy izay miteny hoe : “Hampidina mitovy amin’izay nampidinin’I Allah aho”. Raha hitanao ireo mpanao tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo anjely manao hoe : “Avoahy ny fanahinareo ! Fa androany dia omena anareo ny famaizan’ny fahafaham-baraka nohon'ny tsy marina izay noteneninareo mahakasik’I Allah, ary noho ianareo nanambony tena tamin’ireo famantarany."},{"id":94,"translation":"Ary efa tena tonga irery aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tamin’ny voalohany, ary navelanareo any an-damosinareo izay rehetra nomenay anareo. Ary tsy hitanay miaraka aminareo mihitsy ireo mpanelanelana izay noheverinareo ho mpikambana (amin’I Allah). Tena efa tapaka ny fifandraisana nisy taminareo, ary niala lavitra anareo izay noheverinareo (ho mpanelanelana)."},{"id":95,"translation":"Tena marina fa I Allah dia mamaky mason’ny voa sy ny vihy, Izy no mamoaka ny velona avy amin’ny maty ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Toy izany I Allah. Ka ahoana àry ianareo no mbola mivily làlana ?"},{"id":96,"translation":"Izy no mpamoaka ny maraina mangiran-dratsy ary nataony ny alina ho fialan-tsasatra, ary ny masoandro sy ny volana ho fandrefesana ny fotoana. Izany no fandaharan’Ilay Mahery sy Ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":97,"translation":"Ary Izy ilay nanao ho anareo ireo kintana mba hitari-dàlana anareo ao anatin’ny haizin’ny tanety sy ny ranomasina. Tena nohazavainay amin’ny an-tsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka mahafantatra."},{"id":98,"translation":"Ary Izy no Nahary anareo avy amin’ny vatana iray (Adam). Ary nametraka toerana maharitra ho anareo Izy (eto an-tany na ao am-bohoka) ary koa toerana (fitehirizana). Efa nasehonay amin’ny an-tsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka mahatakatra."},{"id":99,"translation":"Ary Izy no nampidina ny ranon’orana avy any an-danitra. Avy amin’ny alàlan’izany no namoahanay ireo karazan-java-maniry rehetra, ny zava-maitso rehetra, ka namoahanay ireo voa mifanindry sy mifampitaingina ary avy amin’ny hazon’atrendry dia ireo sampan’atrendry miraviravy. Ary ireo zaridaim-boaloboka sy ny oliva ary ny apongamben-danitra mitovitovy na samihafa, jereo ny voankazony rehefa mamoha sy ny fahamasahany. Izany dia tena famantarana ho an’ireo vahoaka izay mino."},{"id":100,"translation":"Ary nataon’izy ireo ny Djiny ho mpikambana amin’i Allah, nefa Izy no Nahary azy ireo. Ary namorona zazalahy sy zazavavy ho Azy izy ireo nohon'ny tsy fahalalana. Voninahitra sy Laza ho Azy ! Ambony lavitra Izy noho ny toetra hamaritan’izy ireo Azy."},{"id":101,"translation":"Mpamorona ireo lanitra sy ny tany, koa ahoana no ananany zanaka kanefa tsy manana namana vavy Izy ? Ary Izy no Nahary ny zava-drehetra ary Izy no Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":102,"translation":"Izany no Allah Tomponareo ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Mpahary ny zava-drehetra, ka tompoinareo àry Izy. Ary Izy no misahana ny zava-drehetra"},{"id":103,"translation":"Tsy takatry ny fahitan’ny maso Izy ary Izy kosa dia mahatakatra izay hitan’ny maso. Ary Izy Ilay be Fangorahana sy Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":104,"translation":"Efa Tonga aminareo ireo porofo mazava avy amin’ny Tomponareo, ka izay mahita mazava dia ho an’ny tenany izany ary izay mijanona ho jamba kosa dia fahavoazana ho azy izany ary Izaho dia tsy ho Mpiambina anareo velively."},{"id":105,"translation":"Ary tahaka izany no hamakafakanay ireo fanambarana mba hitenenan’izy ireo manao hoe : “nianatra Ianao”. Ary mba hanazavanay izany amin’ny vahoaka mahalala."},{"id":106,"translation":"Araho ny fanambarana izay nalefa Aminao avy amin’ny Tomponao. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Atodiho ny lamosinao amin’ireo mpanompo sampy."},{"id":107,"translation":"Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izy ireo. Tsy nataonay ho Mpiambina Ianao amin’izy ireo, ary Ianao dia tsy Mpiantoka azy ireo."},{"id":108,"translation":"Ary aoka ianareo tsy hanompa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatr’i Allah, ka hanompa Allah amim-pankahalana (amim-pietraketrahana) ao anaty tsy fahalalana izy ireo. Tahaka izany koa, nohatsarainay tamin’ny vahoaka tsirairay ny asany ary any amin’ny Tompon’izy ireo no fiverenan’izy ireo, ka ho lazainy azy ireo ny asa rehetra izay nataony."},{"id":109,"translation":"Ary mianiana amin’I Allah izy ireo eram-po tamin’ireo finianany, raha misy fahagagana tonga amin’izy ireo dia tena hino izany izy ireo. Teneno hoe : “Tena marina fa ireo fahagagana dia miankina amin’I Allah”. Ary inona àry no ahatsapanareo (ry mpino) raha tonga tokoa izany, dia tsy hino ihany izy ireo ?"},{"id":110,"translation":"Avadikay ny fon’izy ireo sy ny mason’izy ireo noho izy ireo tsy nino izany tamin’ny voalohany ary avelanay handeha amin’ny hajambana izy ireo nohon'ny fihoaram-pefiny."},{"id":111,"translation":"Ary raha nampidina Anjely maro tamin’izy ireo Izahay ,ka niresaka tamin’izy ireo ny maty ,ary navorinay teo anatrehan’izy ireo ny zava-drehetra ,dia tsy nino izy ireo raha tsy sitrak’I Allah. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia minia tsy mahafantatra."},{"id":112,"translation":"Ary tahaka izany no nanokananay fahavalo ho an’ny Mpaminany tsirairay, dia ireo Satana amin’ny olombelona sy ny Djiny, mifampita hafatra izy ireo ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fampihaingoana ny teny feno fitaka. Raha sitraky ny Tomponao dia tsy nataon’izy ireo izany, avelao àry izy ireo sy ny lainga izay foronony."},{"id":113,"translation":"Ary mba hampirona ny fon’ireo izay tsy mino ny fisian’ny any ankoatra sy mba ahafa-po azy ireo izany, ary mba hanatanterahan’izy ireo ny heloka izay efa mahazatra azy ireo ny manatanteraka izany."},{"id":114,"translation":"Moa hitady Mpitsara ankoatr’I Allah ve aho, nefa Izy no nampidina taminareo ny Boky izay voazava amin’ny antsipiriany ? Ary ireo izay nomenay ny Boky dia mahalala tsara fa tena nampidinina avy amin’ny Tomponao miaraka amin’ny fahamarinana izany. Ka aoka àry ianareo tsy ho anisan’ireo mpiahiahy."},{"id":115,"translation":"Ary Tanteraka amim-pahamarinana sy ara-drariny ny Tenin’ny Tomponao. Ary tsy misy afaka manova ireo Teniny. Ary Izy Ilay Maheno sy Ilay Tena Mahalala."},{"id":116,"translation":"ary raha Mankatò ny ankamaroan’ireo olona eny an-tany ianao dia hamery anao amin’ny làlan’i Allah izy ireo. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheveran'izy ireo ary tsy manao afa-tsy ny mamoron-dainga."},{"id":117,"translation":"Tena marina fa ny Tomponao no Mahalala izay miala amin’ny lalany, ary Izy ihany koa no Mahalala ireo izay voatari-dalana."},{"id":118,"translation":"Aoka ianareo hihinana amin’izay nanononana ny anaran’I Allah raha toa ka mpino ireo fanambarany ianareo."},{"id":119,"translation":"Ary nahoana ianareo no tsy mihinana izay nanononana ny anaran’I Allah teo aminy ? Ary efa nohazavany taminareo amin’ny antsipiriany izay nandrarany anareo, afa-tsy amin’izay tsy azo anoharana ka nahatery anareo. Ary tena maro ireo mamery olona, amin’ny alalan’ny hetahetam-pony, tsy amim-pahalalana. Ary tena marina fa ny Tomponao, Izy no tena Mahalala ireo izay mpandika lalàna."},{"id":120,"translation":"Ary hialanareo ny fahotana miharihary sy ny miafina, tena marina fa ireo izay manao ny fahotana dia ho valiana arak'izay nataony izy."},{"id":121,"translation":"Ary aza mihinana amin’izay tsy nanononana ny anaran’I Allah teo aminy ianareo, izany dia tena ratsy, ary marina fa ireo Satana dia mampita hafatra amin’ireo sakaizany mba hiadian’izy ireo hevitra aminareo. Ary raha mankatò azy ireo ianareo dia tena mpanompo sampy tokoa."},{"id":122,"translation":"Moa ve izay efa maty ka novelominay sy nomenay hazavana mba handehanany miaraka amin’ireo olona, dia hitovy amin’ny olona izay ao anatin'ny haizina ka tsy afaka hivoaka ao intsony ? Tahaka izany no nampihaingoana amin’ireo tsy mpino ny asa izay nataon’izy ireo."},{"id":123,"translation":"Ary Tahaka izany no nametrahanay ireo lehiben’ny olo-meloka isaky ny tanàna mba hanao teti-dratsy ao izy ireo. Nefa tsy manao teti-dratsy izy ireo afa-tsy amin’ny tenany ihany, saingy tsy tsapan’izy ireo izany."},{"id":124,"translation":"Ary raha misy famantarana tonga amin’izy ireo, dia miteny izy ireo manao hoe : “Tsy hino velively izahay raha tsy omena tahaka izay nomena ireo irak’I Allah”. Allah no tena Mahalala izay hametrahany ny hafatra alefany. Hihatra amin’ireo izay nanao ny heloka bevava ny fahafaham-baraka avy amin’I Allah sy ny famaizana mafy nohon'ny teti-dratsy izay nataon’izy ireo."},{"id":125,"translation":"Ary izay tian’I Allah ny hitari-dalana azy dia sokafany ny tratrany ho amin’ny silamo, ary izay tiany ho verezina kosa dia ataony tery sy voahelingelina ny tratrany toy ny miezaka miakatra eny an-danitra. Tahaka izany no hanaovan’I Allah sazy ho an’ireo izay tsy mino."},{"id":126,"translation":"Izany no lalan’ny Tomponao izay mahitsy tokoa. Efa nohazavanay amin’ny antsipiriany ireo famantarana ho an’ny vahoaka izay mahatsiaro."},{"id":127,"translation":"Ho azy ireo ny fonenan’ny fiadanana eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, Izy no Mpiahy azy ireo nohon’ny asa izay nataony."},{"id":128,"translation":"Ary amin’ny andro hamoriany azy rehetra ireo : “Oh ry vondron’ny Djiny ! Nanararaotra loatra tamin’ny olombelona ianareo !” Dia hiteny ireo sakaizan’izy ireo amin’ny olombelona manao hoe : “Tomponay O ! Samy nahazo tombontsoa daholo izahay, ny andaniny sy ny ankilany. Ary tratranay ny fe-potoana izay noferanao ho anay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ny Afobe no fonenanareo, hitoetra ao mandrakizay ianareo afa-tsy izay sitrak’I Allah”. Marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":129,"translation":"Tahaka izany no hanomezanay fahefana ny sasany amin’ireo mpanao ny tsy rariny manoloana ny sasany, noho izay nataon’izy ireo."},{"id":130,"translation":"Oh ry vondron’ny Djiny sy olombelona ! Moa ve tsy tonga teo aminareo ireo Iraka avy taminareo, nitantara taminareo ireo fanambarako sy nampitandrina anareo mahakasika ny fihaonana amin’izao andronareo izao ? Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Mijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenanay izahay”. Voafitaky ny fiainana an-tany izy ireo ary nijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenan’izy ireo fa nitsipaka."},{"id":131,"translation":"Koa satria, ny Tomponao dia tsy mamotika amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola tsy nahazo fampitandremana ny vahoaka ao aminy."},{"id":132,"translation":"Ho an’ny tsirairay, ireo ambaratonga amin’izay asa nataon’izy ireo. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana amin’izay asa ataon’izy ireo."},{"id":133,"translation":"Ary ny Tomponao Ilay mpanan-karena sy Tompon’ny famindram-po. Raha sitrany dia ho nofoanany ianareo ary ho soloiny hafa aorianareo araka izay sitrany, tahaka ny nanamboarany anareo avy amin’ny taranaky ny vahoaka hafa."},{"id":134,"translation":"Marina fa izay nampanantenaina anareo dia tena ho tonga tokoa, ka tsy afaka hampihena ny heriny velively ianareo."},{"id":135,"translation":"Teneno hoe : “Oh ry vahoakako ! Miasà ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho koa dia hiasa araka ny fomba fiasako. Ka ho fantatrareo tsy ho ela iza no hahazo ny fiafaran-toerana tsara. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":136,"translation":"Ary natokan’izy ireo ho an’I Allah ny ampahany tamin’izay nohariany amin’ny vokatra sy ireo biby fiompy, ka niteny izy ireo nanao hoe : Ity dia ho an’I Allah araka ny hambon’izy ireo, ary ity kosa ho an’ny Sampinay”. Ka izay natokana ho an’ny sampin’izy ireo dia tsy ho tonga any amin’I Allah, fa izay natokana ho an’I Allah kosa dia ho tonga any amin’ny sampin’izy ireo, ratsy tokoa izany fitsaran’izy ireo izany !"},{"id":137,"translation":"Ary toy izany no nampihaingoan’ireo Sampin’izy ireo ho an’ny maro tamin’ireo mpanompo sampy ny famonoana ireo zanany, mba handringanany azy ireo sy hanovany ny finoan’izy ireo. Raha sitrak’I Allah dia tsy nanao izany izy ireo, avelao izy ireo sy ny lainga izay noforoniny."},{"id":138,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Ireto dia andiam-biby sy vokatra voarara, tsy misy mahazo mihinana amin’izany raha tsy sitrakay”, araka ny hambon’izy ireo, ary andiam-biby izay voarara ny fitaingenana azy, ary koa andiam-biby tsy hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah eo aminy, mba ho famoronan-dainga Aminy. Hamaly azy ireo Izy nohon'ny lainga izay noforonin’izy ireo."},{"id":139,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Izay ao anaty kibon’ireto andiam-biby ireto dia voatokana ho an’ny lehilahy aminay, fa voarara kosa amin’ireo vadinay”. Raha maty kosa izany dia hikambanan’izy rehetra. Tsy ho ela dia hamaly azy ireo Izy nohon'ny filazana nataon’izy ireo izany. Tena marina fa Izy dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":140,"translation":"Tena maty antoka ireo izay namono an-kadalàna sy tsy amim-pahalalana ny zanak’izy ireo, sy nifady izay anjara fivelomana nomen’I Allah azy ireo, mba ho famoronan-dainga amin’I Allah. Tena very tokoa izy ireo ary tsy hahita ny tari-dalana velively."},{"id":141,"translation":"Ary Izy no Nahary ny zaridaina maro misy hazo mandady sy tsy mandady, sy ireo hazon’atrendry sy ny fambolena manam-bokatra samihafa, ary koa ny oliva sy ny ampongaben-danitra, misy mitovitovy sy misy fahasamihafany, mihinàna amin’ireo voankazony ianareo rehefa mamokatra izy, ary mamoaha ny zony ianareo amin’ny andro fihotazana azy, ary aza manao fandaniam-poana ianareo, tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao fandaniam-poana."},{"id":142,"translation":"Ary misy amin’ireo biby koa no atao fitaovam-pitaterana, ary ao koa ny sasany amin’izy ireo hampiasaina amin’ny filàna maro samihafa . Mihinàna ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’I Allah anareo, ary aza manaraka ireo famindran’i Satana ianareo, satria izy dia tena fahavalo miharihary ho anareo."},{"id":143,"translation":"Valo ka mandeha tsiroadroa (lahy sy vavy). Roa avy amin’ny karazan’ondry, ary roa avy amin’ny karazan’osy.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa. Na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ? Lazanareo ahy amin’ny alalan’ny fahalalana voaporofo izany, raha marina ny anareo."},{"id":144,"translation":"Fa roa avy amin’ny rameva, ary roa koa avy amin’ny omby.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa, na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ?Na koa vavolombelona ve ianareo rehefa nandidy anareo amin’izany I Allah ?” Iza àry no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasika an'I Allah mba hamerezany tsy amim-pahalalana ny olombelona ? Tena marina, fa Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":145,"translation":"Teneno hoe : “Tsy mahita zava-boarara amin’izay fanambarana nalefa tamiko aho, ho an’ny mpihinana izay mihinana amin’izany afa-tsy ny biby maty ho azy, na ny rà izay raraka, na ny henan-kisoa. Tena marina fa izany dia maloto, na izay natao sorona tamin’ny hafa ankoatr’I Allah”. N'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, nefa tsy mihoam-pefy ary tsy mandika lalàna, marina fa ny Tomponao dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":146,"translation":"Ho an’ireo Jiosy, noraranay ny biby tsy mivaky kitro rehetra, ary avy amin’ny omby sy ny ondry kosa dia noraranay amin’izy ireo ny tavin’izy roa, afa-tsy izay entin’ny lamosin’izy roa na ny taovany na izay mifangaro amin’ny taolany. Tahaka izany no nanasazianay azy ireo nohon'ny fihoaram-pefiny. Ary Izahay dia tena marina (amin’izay voalazanay)."},{"id":147,"translation":"Ary raha nampandainga Anao izy ireo, dia teneno hoe : “Ny Tomponareo dia manana indrafo be dia be kanefa tsy ho voasakana ny hatezerany amin’ireo vahoaka mpanao heloka bevava."},{"id":148,"translation":"Hiteny ireo izay nanakambana an'I Allah amin’ny zavatra hafa manao hoe : “Raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izahay sy ireo raibenay teo aloha, ary tsy nampifady na inona inona izahay”. Tahaka izany koa no nampandaingan’ireo izay teo alohan’izy ireo (ireo Iraka) mandra-panandraman’izy ireo ny hatezeranay. Teneno hoe : “Moa ve misy sombim-pahalalana ianareo ka avokanareo ho anay izany ? Tsy manaraka ianareo afa-tsy ny vinavina, ary tsy manao ianareo afa-tsy ny famoronan-dainga”."},{"id":149,"translation":"Teneno hoe : “An’I Allah ny porofo avo lenta, raha sitrany dia tena notarihiny lalana ianareo rehetra."},{"id":150,"translation":"Teneno hoe : “Ento aty ireo vavolombelonareo izay hijoro ho vavolombelona fa Allah tokoa no nandrara izany”. Raha mijoro vavolombelona izy ireo, dia aza mijoro vavolombelona miaraka amin’izy ireo Ianao, ary Ianao aza manaraka ireo hetahetam-pon’ireo izay milaza fa lainga ireo famantaranay sy ireo izay tsy mino ny fiainana any ankoatra, ary izy ireo dia mampitovy ny Tompony amin’ny zavatra hafa."},{"id":151,"translation":"Teneno hoe : “Tongava ianareo hilazako izay noraran’ny Tomponareo aminareo, aza manakambana zavatra Aminy (Allah) ianareo, ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny, ary aza mamono ireo zanakareo ianareo nohon'ny fahantrana, Izahay no manome anareo anjara sy izy ireo, ary aza manatona ny asa vetaveta ianareo na ny miharihary amin’izany na ny miafina, ary aza mamono olona izay noraran’I Allah afa-tsy amin’ny rariny ianareo, izany no nanafarany anareo, angamba hisaina ianareo."},{"id":152,"translation":"Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo afa-tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, mandra-pahaleovan-tenany. Ary ataovy amim-pahamarinana ny famarana sy ny fandanjana.Tsy mampizaka ny olona zavatra Izahay afa-tsy izay zakany ihany. Ary rehefa miteny ianareo dia mitenena ny rariny sy ny hitsiny na dia amin’ireo havana akaiky aza. Ary tanterahanareo ny fifanekena tamin’I Allah, izany no nanafarany anareo angamba hatsapa tena ianareo."},{"id":153,"translation":"“Ary indro ny lalako fa mahitsy tanteraka, ka arahanareo àry izany ary aza manaraka ireo lalana izay hampiala anareo amin’ny lalany”. Izany no anafarany anareo, angamba hatahotra ianareo."},{"id":154,"translation":"Avy eo dia nomenay an’i Mosesy ny Boky, ho fameno amin’ny fahasoavana izay nanao soa sy ho fanazavana amin’ny antsipiriany ny zava-drehetra ary ho tari-dalana sy famindram-po. Angamba hino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo."},{"id":155,"translation":"Ary ity ny Boky feno fahasoavana izay nampidininay, ka arahanareo izany ary manàna fatahorana ianareo. Angamba hahazo famindram-po ianareo."},{"id":156,"translation":"Mba tsy hiteny ianareo hoe : “Tena marina fa ny Boky dia tsy nampidinina afa-tsy tamin’ny vondron’olona roa teo alohanay. Ary izahay dia tena variana ka tsy tafianatra azy ireny”."},{"id":157,"translation":"Na koa hiteny ianareo manao hoe : “Raha tena taminay no nampidinina ny Boky dia tena voatari-dalana mihoatra azy ireo izahay”. Ary efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo, sy ny tari-dalana ary ny famindram-po. Iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay miteny fa lainga ireo fanambaran’I Allah no sady mitodi-damosina ? Ho sazinay ireo izay nitodi-damosina amin’ireo fanambaranay, amin’ny famaizana tena ratsy, noho izy ireo nitodi-damosina."},{"id":158,"translation":"Moa ve hiandry izy ireo afa-tsy ny hahatongavan’ireo Anjely na ny hahatongavan’ny Tomponao na ny hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao ? Amin’ny andro izay hahatongavan’ny sasany amin’ireo famantarana avy amin’ny Tomponao dia tsy hitera-boka-tsoa ho an’ny tena ny finoan’izay mbola tsy nino teo aloha, na koa izay mbola tsy nahazo fahasoavana tamin’ny finoany. Teneno hoe : “Miandrasa ary ianareo, fa izahay koa dia miandry”."},{"id":159,"translation":"Marina fa ireo izay nampizarazara ny finoan’izy ireo ka lasa nisy fizarazarana maro, tsy manan-draharahara amin’izy ireo ianao na dia kely aza. Tena marina fa ny raharaha momba azy ireo dia any amin’I Allah. Avy eo dia hilaza azy ireo Izy, amin’izay asa nataon’izy ireo."},{"id":160,"translation":"Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia hahazo folo avo heny amin’izany izy ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia tsy ho valiana izy afa-tsy ny mitovy amin’izany ihany. Ary tsy hanaovana ny tsy rariny izy ireo."},{"id":161,"translation":"Teneno hoe : “Tena marina fa izaho dia notarihin’ny Tompoko amin’ny lala-mahitsy, finoana izay mahitsy, finoan’i Abrahama, izay madio, ary tsy anisan’ireo mpanompo Sampy Izy."},{"id":162,"translation":"Teneno hoe : “Tena marina fa ny fivavahako sy ny sorona izay ataoko, ny fahavelomako sy ny fahafatesako dia an’I Allah Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":163,"translation":"Tsy manana Mpikambana Aminy Izy ! Ary izany no nandidiana ahy ary izaho no voalohany amin’ireo nankato an'I Allah”."},{"id":164,"translation":"Teneno hoe : “Ankoatran’I Allah ve no tadiaviko ho Tompo, nefa Izy no Tompon’ny zava-drehetra ? Ny tsirairay dia tsy hahazo afa-tsy amin’ny asa izay nataony ihany ary tsy misy na dia iray aza hibaby ny enta-mavesatry ny hafa. Avy eo, any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka hambarany aminareo izay zavatra nampifanditra anareo."},{"id":165,"translation":"Ary Izy no nanao anareo ho taranaka nifandimby eto an-tany, nampiakatra ny mari-boninahin'ny sasany eo aminareo manoloana ny sasany hafa, mba hitsapany anareo amin’izay nomeny anareo. Marina fa ny Tomponao dia haingam-panasaziana. Ary tena marina fa Izy dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."}]},{"id":7,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Lam, Mim, Swad,"},{"id":2,"translation":"Ity dia Boky iray nampidinina taminao, ary aoka tsy hisy fisalasalana ny momba izany ao am-ponao, mba hampitandremanao avy amin’ny alalany sy ho fampatsiahivana ho an’ireo mpino."},{"id":3,"translation":"Arahanareo izay nampidinina teo aminareo avy amin’ny Tomponareo, ary aza manaraka Mpiahy hafa ankoatrany ianareo. Nefa kely dia kely ny ahatsiarovanareo."},{"id":4,"translation":"Ary firifiry amin’ny tanàna no nopotehinay ! Tonga taminy tampoka ny fahenjananay tamin’ny alina na koa tamin’ny atoandro rehefa teo am-pialan-tsasatra izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary tsy nisy antso hafa vitan’izy ireo rehefa tonga taminy tokoa ny fahenjananay afa-tsy hoe : “Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny”."},{"id":6,"translation":"Ka tena hanontaninay tokoa ireo izay nandefasana ny hafatra ary tena hanontaninay ihany koa ireo mpitondra hafatra."},{"id":7,"translation":"Ho tantaranay amin’izy ireo amim-pahalalana tokoa ny asa nataony fa Izahay dia tsy nisy fotoana tsy nahateo anay."},{"id":8,"translation":"Ary ny fandanjana amin’izany andro izany dia ho ara-dalàna tokoa, ka izay navesa-danja ny asa vitany dia izy ireny no hahazo ny fahombiazana."},{"id":9,"translation":"Ary izay maivan-danja kosa ny asa vitany dia izy ireny no hiharan’ny faty antoka amin’ny tenany noho izy ireo nanao ny tsy rariny teo anatrehan’ireo fanambaranay."},{"id":10,"translation":"Ary tena nomenay fahefana ianareo teny ambonin-tany ary nomenay anjara fivelomana koa ianareo teny. Saingy zara fa mankasitraka ianareo."},{"id":11,"translation":"Ary tena nahary anareo Izahay, ary efa nomenay bika aman’endrika ianareo, avy eo niteny Izahay tamin’ireo Anjely nanao hoe : “Miankohofa eo anatrehan’I Adama ianareo”. Dia niankohoka daholo izy ireo afa-tsy Iblis, tsy mba anisan’ireo niankohoka izy."},{"id":12,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Inona no nanakana anao tsy niankohoka rehefa nodidiako?” Niteny izy hoe : “Izaho dia tsara kokoa noho izy, noharianao tamin’ny afo aho ary izy kosa noharianao avy tamin’ny tany manga”."},{"id":13,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “Midìna avy ao ianao. Tsy zonao atao ny manambony tena ao, ka mivoaha haingana ianao, fa ianao dia anisan’ireo ahetry”."},{"id":14,"translation":"Niteny izy (Satana) nanao hoe : “Omeo fe-potoana aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty”."},{"id":15,"translation":"Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Ianao dia anisan’ireo nomena fe-potoana”."},{"id":16,"translation":"Niteny izy (Satana) nanao hoe : “Nohon'ny namerezanao ahy dia tena hipetraka amin’ny lala-mahitsinao aho mba hanakanako azy ireo."},{"id":17,"translation":"Avy eo, dia tena ho tonga amin’izy ireo aho avy eo alohany, avy ao aoriany, avy eo ankavanany, avy eo ankaviany, ary tsy ho hitanao ho mpankasitraka ny ankamaroan’izy ireo”."},{"id":18,"translation":"Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Mivoaha avy ao ianao, fa voasesi-tany sy voahozona ! N'iza n'iza manaraka anao amin’izy ireo dia tena ho fenoiko anareo rehetra ny Afobe”."},{"id":19,"translation":"Ary niteny Izahay nanao hoe : \"Ry Adama ! Mitoera ao amin'ny Paradisa ianao sy ny vadinao ary mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo, fa aza manakaiky kosa ity hazo ity fa ho lasa anisan'ireo mpanao ny tsy rariny ianareo raha manao izany."},{"id":20,"translation":"Ka nibitsibitsika sy nanelingelina azy i Satana, mba hanehoany tamin’izy ireo izay nafenina tamin’ny henatr’izy ireo, ary niteny izy nanao hoe : “Tsy nandrara anareo roa amin’io hazo io ny Tomponareo afa-tsy ny mba tsy hahatonga anareo roa ho lasa anjely na koa ho velona mandrakizay”."},{"id":21,"translation":"Ary nianiana izy teo anatrehan’izy ireo nanao hoe : “Tena marina fa izaho dia anisan’ireo mpanolo-tsaina ho anareo roa”."},{"id":22,"translation":"Nalatsany tamin’ny alalan’ny fitaka izy ireo. Rehefa nanandrana ilay hazo izy ireo dia niharihary taminy ny fitanjahan’izy ireo, ary teo dia nanomboka nanakona ny fitanjahany tamin’ny ravin-kazon’ny Paradisa izy ireo. Avy eo dia niantso izy ireo ny Tompony nanao hoe : “Moa ve tsy nandrara anareo Aho tamin’io hazo io ? Ary moa ve tsy niteny taminareo Aho fa marina tokoa fa i Satana dia fahavalo miharihary ho anareo ?”"},{"id":23,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Nanao ny tsy rariny tamin’ny tenanay izahay, ka raha tsy mamela heloka sy mamindra fo aminay Ianao dia tena ho anisan’ireo maty antoka tokoa izahay”."},{"id":24,"translation":"Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Midìna ianareo, ho mpifahavalo ianareo samy ianareo, hisy fonenana sy fahafinaretana ho anareo eny ambonin’ny tany mandritra ny fotoana voafetra”."},{"id":25,"translation":"Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Eny (ambonin’ny tany) no hiainanareo ary eny koa no hahafatesanareo, ary avy ao (anaty tany) no hamoahana anareo indray”."},{"id":26,"translation":"Oh ry taranak’i Adama ! Efa nampidina fitafiana taminareo izahay mba hanafenanareo ny fitanjahanareo sy mba ho haingo ho anareo, ary ny fitafian’ny fatahorana no tsara indrindra. Izany dia anisan’ireo famantaran’I Allah, angamba hahatsiaro tena izy ireo."},{"id":27,"translation":"Oh ry taranak’i Adama ! Aoka tsy hampiditra fakam-panahy aminareo i Satana tahaka ny namoahany ny ray aman-drenibenareo avy tao amin’ny paradisa, no sady nesoriny tamin’izy ireo ny fitafiany mba hampiharihariany amin’izy ireo ny fitanjahany. Tena mahita anareo izy sy ireo mpiray tsikombakomba aminany, nefa ianareo tsy mahita azy ireo. Marina fa Izy dia nanendry ireo Satana ho sakaizan’ireo izay tsy mino."},{"id":28,"translation":"Ary raha manao asa vetaveta izy ireo dia niteny hoe : “Izahay dia nahita ireo razambenay tamin’izany ary i Allah no nandidy izany taminay”. Teneno hoe : “Allah dia tsy mandidy amin'ny fahavetavetana. Miteny mahakasik’i Allah amin’izay tsy fantatrareo ve ianareo?”"},{"id":29,"translation":"Teneno hoe : “Ny Tompoko dia nandidy ny fanaovana ny rariny. Ary antsangano mitodika Aminy (Allah) ny tavanareo isaky ny toerana hanaovanareo ny Soalat. Ary mangataha Aminy ianareo, amim-pahadiovam-po tanteraka ny fanompoanareo Azy. Tahaka ny nahariany anareo no hiverenanareo (any Aminy)”."},{"id":30,"translation":"Misy ny andiany izay notarihiny làlana, ary misy ny andiany hafa izay mendrika azy ireo ny fahaverezana, satria izy ireo dia naka ireo Satana ho mpiahy ankoatr’I Allah, ary mihevitra izy ireo fa voatari-dàlana tanteraka."},{"id":31,"translation":"Oh ry taranak’i Adama ! Anaovy ny haingonareo (fitafianareo) isaky ny toeram-pivavahana (Soalat), mihinàna sy misotroa ianareo, ary aza manao fandaniam-poana. Tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpanao ny fandaniam-poana."},{"id":32,"translation":"Teneno hoe : “Iza no nandrara ny haingo (fitafiana) avy amin’I Allah, izay navoakany ho an’ireo mpanompony sy ireo tsara amin’ny anjara sakafo ?” Teneno hoe : “Izy ireo dia ho an’ireo izay nino eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany ary ho azy ireo manokana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty”. Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana."},{"id":33,"translation":"Teneno hoe : “Tena marina fa noraran’ny Tompoko ireo asa vetaveta, na ny miharihary Aminy izany na ny miafina sy ny fahotana, ny fihetraketrahana tsy amim-pahahamarinana, sy ny fanakambananareo Allah amin’ny zavatra izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza ary ny fitenenanareo mahakasik’I Allah amin’izay tsy anananareo fahalalana”."},{"id":34,"translation":"Ary ny vahoaka tsirairay dia manana fiafarany. Ka raha tonga ny fe-potoana farany ho azy ireo dia tsy vitan’izy ireo intsony ny hanemotra izany na dia ora iray monja aza, ary tsy vitan’izy ireo ihany koa ny hanafaingana izany."},{"id":35,"translation":"Oh ry taranak’i Adama ! Raha misy ireo iraka (voafidy) avy aminareo tonga mitantara aminareo ireo fanambarako, izay natahotra sy nanarina ny tenany, dia tsy hisy tahotra izy ireo ary tsy halahelo ihany koa."},{"id":36,"translation":"Fa ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay kosa, dia izy ireo no olon'ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay."},{"id":37,"translation":"Ka iza ihany koa no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasik'I Allah, na koa nilaza fa lainga ireo famantarany ? Izy ireny dia hahazo ny anjarany amin’izay voasoratra mandra-pahatongan’ireo Irakay amin’izy ireo hanala ny fofon'ain’izy ireo no sady hiteny izy ireo manao hoe : “Aiza ireo izay nantsoinareo ankoatr’I Allah ?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Nandao anay izy ireo”. Ary hijoro vavolombelona eo anatrehan’ny tenany izy ireo fa tsy mpino."},{"id":38,"translation":"Hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Midira ianareo, miaraka amin’ireo vahoaka efa nandao teo alohanareo amin’ny Djiny sy ny olombelona, ao anaty Afobe”. Isaky ny misy vahoaka iray miditra ao dia hanozona izay nialoha làlana azy. Rehefa tafahaona tao daholo izy rehetra dia hiteny amin’ireo voalohany ny farany manao hoe : “Tomponay oh ! Izy ireo no namery anay, ka omeo famaizana avo roa heny amin’ny Afobe izy ireo”. Dia hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Ho an’ny tsirairay avy ny avo roa heny (amin’ny sazy), nefa tsy mahafantatra ianareo”."},{"id":39,"translation":"Ary ireo voalohany amin’izy ireo dia hiteny amin’ireo farany manao hoe : “Tsy nanana tombony amboninay na dia kely aza ianareo, ka andramonareo àry ny famaizana noho (ny asa ratsy) izay nataonareo”."},{"id":40,"translation":"Marina fa ireo izay nilaza fa lainga ny fanambaranay ary nanalavitra azy amim-panambonian-tena, dia tsy ho sokafana ho azy ireo, ireo varavaran’ny lanitra ary tsy hiditra amin’ny Paradisa koa izy ireo mandra-pidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra. Ary tahaka izany no hamalianay ireo mpanao heloka bevava."},{"id":41,"translation":"Ho azy ireo ny fandriana avy amin’ny Afobe, ary misy firakotra eo ambonin’izy ireo. Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":42,"translation":"Ary ireo izay nino sy nanao asa soa, tsy mampizaka ny olona zavatra izahay afa-tsy izay zakany, izy ireny no olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":43,"translation":"Ary hesorinay ny lolom-po rehetra izay misy ao am-pon’izy ireo, ary mikoriana eo ambanin’izy ireo ireo renirano, ka hiteny izy ireo manao hoe : “Dera ho an’I Allah izay nitari-dàlana anay tamin’ity (toerana ity). Ary tsy mba nahatari-dàlana ny tenanay izahay, raha tsy I Allah no nitari-dàlana anay. Tena tonga tokoa ireo iraky ny Tomponay miaraka amin’ny fahamarinana”. Ary hambara amin’izy ireo hoe : “Ity Paradisa ity dia nampandovana anareo nohon'ny asa izay nataonareo”."},{"id":44,"translation":"Ary ireo olon’ny Paradisa dia hiantso ireo olon’ny Afobe manao hoe : “Tena hitanay marina izay nampanantenain’ny Tomponay anay. Ka moa ve tena hitanareo marina izay nampanantenain’ny Tomponareo ?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Eny”. Ary hisy mpiantso hiantso mafy eo afovoan’izy ireo manao hoe : “Ny ozon’I Allah anie ho amin’ireo mpanao ny tsy rariny”."},{"id":45,"translation":"Dia ireo izay misakana ny lalàn’I Allah ka mitady ny hampiholakolaka izany, ary izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra."},{"id":46,"translation":"Ary hisy takona manelanelana azy roa tonta, ary eo ambonin’ny Al-A’rãf [86] dia hisy olona maro izay hahafantatra ny olon-drehetra amin’ny sori-pamantarana izay misy amin’izy ireo. Ary hiantso ny olon’ny Paradisa izy ireo manao hoe : “Fiadanana anie ho aminareo !” Ary izy ireo dia tsy tafiditra tao na dia naniry izany fatratra aza."},{"id":47,"translation":"Ary rehefa hatodika mankany amin’ireo olon’ny Afobe ny fijerin’izy ireo dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tomponay oh ! Aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny izahay”."},{"id":48,"translation":"Ary ireo olon’ny Al-A’rãf dia hiantso ireo olona maro fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny sori-pamantarana izay misy amin’izy ireo ka hiteny manao hoe : “Tsy nahazo tombony ianareo tamin’izay rehetra nangoninareo sy izay nampiavonavona anareo !"},{"id":49,"translation":"Moa ve tsy izy ireny no nianianareo fa tsy hahazo ny famindram-pòn’I Allah velively ? Midira amin’ny paradisa ianareo ! Tsy hisy tahotra ianareo ary tsy halahelo ihany koa."},{"id":50,"translation":"Ary ireo olon’ny Afobe dia hiantso ireo olon’ny Paradisa manao hoe : “Mba anipazo rano kely izahay, na amin’izay anjara sakafo nomen’I Allah anareo”. Hiteny izy ireo manao hoe : “Marina fa I Allah dia nandrara izany ho an’ireo tsy mpino”."},{"id":51,"translation":"Ireo izay nandray ny finoan’izy ireo ho fandanian’andro sy kilalao ary namitaka azy ireo ny fiainana teny ambonin’ny tany. Androany, dia hanadino azy ireo izahay tahaka ny nanadinoan’izy ireo ny fihaonana amin’izao andron’izy ireo izao, ary noho izy ireo nitsipaka ireo fanambaranay."},{"id":52,"translation":"Ary efa nitondra Boky ho azy ireo izahay, ka nohazavanay antsipiriany izany, amim-pahalalana, ho tari-dàlana sy famindra-po ho an’ireo vahoaka mino."},{"id":53,"translation":"Moa ve hiandry izy ireo afa-tsy ny fahantanterahan' izany ? Amin’ny andro hahatongavan’ny fahatanterahan’izany dia hiteny ireo izay nanadino izany teo aloha manao hoe : “Efa tonga ireo iraky ny Tomponay miaraka amin’ny fahamarinana, ka moa ve manana mpanelanelana izahay mba hanao fanelanelanana ho anay ? Na koa haverina izahay ka hanao asa ankoatry ny asa nataonay teo aloha ?” Efa namono antoka ny tenany izy ireo ary nandao azy ireo izay noforoniny."},{"id":54,"translation":"Marina fa ny Tomponareo dia Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany tao anatin’ny enin'andro, avy eo izy dia nitoetra (istawã) teo ambonin’ny seza fiandrianana. Ary ny alina nataony handrakotra ny andro no sady manenjika azy tsy ankijanona. Ary (Izy no nahary) ny masoandro, ny volana sy ireo kintana, izy ireo dia mankato ny baikony avokoa. Moa ve tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana ? Voninahitra anie ho an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":55,"translation":"Mangataha amin’ny Tomponareo amim-panetre-tena ary amim-pahanginana, tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpandika lalàna."},{"id":56,"translation":"Ary ianareo aza manao asa fanimbana eto ambonin'ny tany aorian’ny fanatsarana azy, ary mangataha Aminy ianareo amim-patahorana sy amim-panantenana. Marina fa ny famindram-pon’ny Tomponao dia akaiky ireo mpanao soa."},{"id":57,"translation":"Ary Izy no mandefa ireo rivotra ho fanambarana mialoha ny famindram-pony. Ka rehefa mitondra rahona mavesatra izany dia tarihanay any amin’ny tany maty (karakaina), ary dia ampidininay amin’ny alàlan’izany ny rano, ka hamoahanay ireo karazam-boankazo rehetra. Tahaka izany koa no hamoahanay ireo maty. Angamba hahatsiaro tena ianareo."},{"id":58,"translation":"Ary ny tany tsara dia hitsirian'ny zava-maniriny avy amin’ny alalan’ny Tompony, fa izay (tany) ratsy kosa dia tsy hitsirian'ny zava-maniriny afa-tsy amim-pahasarotana. Tahaka izany no hanazavanay antsipiriany ireo fanambarana ho an’ny vahoaka mankasitraka."},{"id":59,"translation":"Efa nalefanay tany amin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka niteny izy hoe : “Ry vahoakako! Tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy anareo. Izaho dia tena matahotra sao dia ho tratran'ny famaizana amin’ny andro lehibe ianareo”."},{"id":60,"translation":"Ireo loholona tamin’ny vahoakany dia niteny nanao hoe : “Izahay dia tena mahita Anao fa ao anaty fahaverezana miharihary”."},{"id":61,"translation":"Niteny izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ao anaty fahaverezana Aho, fa Izaho kosa dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":62,"translation":"Mampita aminareo ireo hafatry ny Tompoko aho sy mananatra anareo, ary mahafantatra avy amin’I Allah izay tsy fantatrareo Aho."},{"id":63,"translation":"Moa ve gaga ianareo raha tonga aminareo ny fampatsiahivana avy amin’ny Tomponareo izay nentin’ny olona iray taminareo, mba hampitandrina sy hahatonga anareo hatahotra ary angamba ho aminareo ny famindram-po”."},{"id":64,"translation":"Ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka taminy tao anaty sambo fiara, ary narendrikay kosa ireo izay nilaza fa lainga ny famantaranay. Marina fa vahoaka jamba tokoa izy ireo."},{"id":65,"translation":"Ary nalefa tamin’ny foko Aad ny ralahin’izy ireo Hod, dia niteny Izy hoe : “Ry vahoakako! Tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa ianareo ankoatr'Azy. Moa ve tsy hanana fatahorana ianareo?”"},{"id":66,"translation":"Niteny ireo loholon’ireo izay tsy nino tamin’ny vahoakany nanao hoe : “Tena marina fa izahay dia mahita anao fa kely saina, ary tena mihevitra anao ho anisan’ireo mpandainga Izahay”."},{"id":67,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ao anaty fahakelezan-tsaina velively aho, fa Izaho kosa dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao”."},{"id":68,"translation":"Mampita aminareo ireo hafatry ny Tompoko Aho ary Izaho dia mpanolo-tsaina azo antoka ho anareo."},{"id":69,"translation":"Moa ve gaga ianareo raha tonga aminareo ny fampatsahivana avy amin’ny Tomponareo, izay nentin’ny olona iray avy aminareo mba hampitandrina anareo ? Ary mahatsiarova ianareo raha nataony ho mpandimby toerana taorian’ny vahoakan’i Noa, ary nampitomboiny ianareo tamin’ny vatana (fahatanjahana). Ka tsarovinareo ireo fahasoavan’I Allah angamba hahazo fahombiazana ianareo”."},{"id":70,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Moa ve tonga aty aminay Ianao mba hanompoanay Allah Irery ihany, ary mba hamelanay izay notompoin’ireo razambenay ? Ento aminay àry izay nampitandremanao anay (amin’ny sazy) raha anisan’ireo mpilaza ny marina tokoa Ianao”."},{"id":71,"translation":"Niteny Izy (Hod) nanao hoe : “Indro fa efa nihatra aminareo ny fampijaliana sy ny fahatezerana avy amin’ny Tomponareo. Moa ve hiady hevitra Amiko mikasika ireo anarana izay nomenareo azy ireo (ireo sampy), ianareo sy ireo razambenareo, izay tsy nampidinan’I Allah porofo ny amin’izany na dia kely aza ? Andrasonareo àry, fa izaho dia anisan’ny miandry miaraka aminareo”."},{"id":72,"translation":"Ka dia navotanay Izy sy ireo izay miaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Aminay, dia naringanay ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay ary tsy mpino izy ireo."},{"id":73,"translation":"Ary nalefanay tamin’ny foko Thamod ny rahalan’izy ireo Soãlihy, ka niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ity ny rameva vavin’I Allah, fahagagana ho anareo. Ka avelao izy hihinana amin’ny tanin’I Allah, ary aza manao ratsy aminy ianareo sao iharan’ny sazy mamirifiry."},{"id":74,"translation":"Ary tsarovy raha nataony ho mpandimby toerana taorian’ny fokon’ny Aad ianareo, ka napetrany teo ambonin’ny tany ianareo. Nanorina lapa maro ianareo tamin’ireo tany lemaka, ary nolavahanareo ireo tendrombohitra ho trano. Ka tsarovinareo ireo fahasoavan’I Allah, ary aza miely eto ambonin'ny tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”."},{"id":75,"translation":"Niteny ireo loholona mpanambony tena tamin’ny vahoakany tamin’ireo nino izay niharan’ny tsindry hazolena hoe : “Moa ve fantatrareo fa i Soãlihy dia Iraka avy amin’i Tompony?” Niteny izy ireo hoe : “Marina fa izahay dia mino izay nalefa Aminy”."},{"id":76,"translation":"Niteny ireo izay nanambony tena nanao hoe : “Izahay dia tsy nino mihitsy izay inoanareo”."},{"id":77,"translation":"Novonoin’izy ireo ilay ramevavavy no sady tsy nankato ny didin’ny Tompony izy ireo ary niteny hoe : “Oh ry Soãlihy! Alefaso aminay izay nampanantenainao anay raha toa ka isan’ireo Iraka (nalefan’I Allah) Ianao."},{"id":78,"translation":"Dia namely azy ireo ny horohoron-tany, ka indro izy ireo fa nitsitra teo amin’ny toeram-ponenany daholo."},{"id":79,"translation":"Ka niamboho azy ireo izy ary niteny hoe : “Ry vahoahako! Efa nampitaiko taminareo ny hafatry ny Tompoko ary nanolo-tsaina anareo aho, saingy tsy tia ireo mpanolo-tsaina ianareo”."},{"id":80,"translation":"Ary (tsarovy) i Lota, “Rehefa niteny tamin’ny vahoakany hoe : “Ianareo ve manao ny asa vetaveta izay tsy mbola nisy nanao izany teo alohanareo?."},{"id":81,"translation":"Tena marina fa ianareo dia mankafy amin’ireo lehilahy ny filana ara-nofo ankoatr’ireo vehivavy ! Fa tena vahoaka mpanao ratsy tafahoatra ianareo”."},{"id":82,"translation":"Tsy inona akory ny valin-tenin’ny vahoakanyafa-tsy hoe : “Avoahy amin’ny tanànareo izy ireo. satria izy ireo dia olona mitazona ny fahadiovany (amin’ny fahotana)”."},{"id":83,"translation":"Dia navotanay Izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo voaringana."},{"id":84,"translation":"Ary nandrotsahanay orana [87] tamin’izy ireo. Ka jereo àry, ahoana no fiafaran’ireo mpanao heloka bevava !"},{"id":85,"translation":"Ary ho an’ny (vahoaka) Madiàna, (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Sho’aïb, ka niteny Izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga taminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ataovy marina ny famarana sy fandanjana. Ary aza manome olona latsak'izay tokony ho azy. Ary aza manao ny asa fanimbana eto ambonin'ny tany ianareo aorian’ny fanatsarana azy. Izany dia tsara ho anareo raha mpino ianareo."},{"id":86,"translation":"Ary aza mipetraka eny an-dàlana rehetra eny ianareo, mandrahona sy misakana ny lalàn’I Allah amin’izay mino Azy ka mitady hampiholakolaka izany (làlana izany). Ary tsarovinareo raha fony mbola vitsy ianareo ka nampitomboiny ho maro. Ary jerenareo, ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny asa fanimbana."},{"id":87,"translation":"Ary raha ny andiany aminareo no nino tamin’izay nalefa tamiko ka ny andiany iray hafa kosa tsy nino, dia mahareta ianareo mandra-pahatongan’I Allah hitsara isika, Izy no Mpitsara mendrika indrindra”."},{"id":88,"translation":"Niteny ireo loholona izay nanambony tena avy amin’ny vahoakany manao hoe : \"Tena havoakanay ato amin'ny tanànanay ianao ry Sho’aïb sy ireo izay nino miaraka taminao, na miverina amin'ny finoanay ianao\". Niteny izy hoe : \"Na dia efa mankahala izany aza ve izahay?”"},{"id":89,"translation":"Namoron-dainga tokoa mahakasik'’I Allah izahay raha toa ka mbola miverina amin’ny finoanareo taorian’ny nanavotan’I Allah anay tamin’izany. Tsy izahay velively no hiverina amin’izany raha tsy hoe sitrak’I Allah izay Tomponay izany, mahenika ny zava-drehetra ny fahalalan’ny Tomponay, any amin’I Allah irery no hiankinanay.Tomponay o ! Tsarao amin’ny fahamarinana ny eo aminay sy ny vahoakanay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara."},{"id":90,"translation":"Ary niteny ireo loholona izay tsy nino avy amin’ny vahoakany nanao hoe : “Raha manaraka an’i Sho’aïmbo ianareo dia tena maty antoka tokoa”."},{"id":91,"translation":"Dia namely azy ireo ny horohoron-tany, ka indro fa nitsitra teo amin’ny toeram-ponenany daholo izy ireo."},{"id":92,"translation":"Ireo izay nilaza fa mpandainga i Sho’aïbo dia rava tahaka ny tsy niaina tao izy ireo. Ireo izay nilaza fa mpandainga i Sho’aïb dia izy ireo no tena maty antoka."},{"id":93,"translation":"Ary nitodi-damosina tamin’izy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “O ry vahoakako ! Efa nampitako taminareo ireo hafatry ny Tompoko, ary efa nananatra anareo aho. Ahoana àry no alahelo izay manjo ireo vahoaka tsy mpino ?”."},{"id":94,"translation":"Ary mbola tsy nisy tanàna nandefasanay Mpaminany ka tsy noraisinay tamin’ny alàlan’ny fahoriana sy voina ireo mponina tao aminy. Angamba hanetry tena izy ireo."},{"id":95,"translation":"Avy eo dia nosoloinay ny tsara ny toeran’ny ratsy; ka rehefa nitombo isa sy harena izy ireo dia niteny izy ireo nanao hoe : “Efa nanjò ireo razambenay taloha ihany koa ny voina sy ny hasambarana”. Ka dia noraisinay tampoka izy ireo ary tsy nisy nahatsapa izany izy ireo."},{"id":96,"translation":"Ary raha mba nino ireo mponin’ny tanàna sy nanam-patahorana dia tena nosokafanay tamin’izy ireo, ireo fahasoavana avy any an-danitra sy ny eto an-tany. Nefa nampandainga izy ireo, ka noraisinay noho izay nataony ihany."},{"id":97,"translation":"Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny alina, raha ao anaty torimaso izy ireo?"},{"id":98,"translation":"Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny atoandro, raha mbola milalao izy ireo?"},{"id":99,"translation":"Moa ve mahatoky fa ho voaaro amin’ny tetik’I Allah izy ireo ? Tsy misy mahatoky fa ho voaaro amin’ny tetik’I Allah afa-tsy ireo vahoaka maty antoka ihany."},{"id":100,"translation":"Moa ve tsy natoro tamin’ireo izay nandova ny tany taorian’ny mponina tao aminy, fa raha sitrakay dia novelezinay izy ireo nohon'ny fahotany, ary nohidinay mafy ny fon’izy ireo ka tsy haheno mihitsy izy ireo."},{"id":101,"translation":"Indro ilay tanàna izay notantaranay taminao ny vaovao sasantsasany momba azy ireo. Ary efa tonga taminy ireo Iraka nitondra ireo porofo mazava. Saingy tsy vonona ny hino izay efa nolazainy fa mpandainga teo aloha izy ireo. toy izay nanaovanay fon'ireo tsy nino."},{"id":102,"translation":"Ary tsy hitanay tamin’ny ankamaroan’izy ireo ny fanajana ny fanekena, fa ny hitanay tamin’ny ankamaroan’izy ireo kosa dia ny fitondran-tena ratsy."},{"id":103,"translation":"Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireo i Mosesy miaraka tamin’ireo fahagagana avy taminay ho any amin’i Faraona sy ireo loholony. Nefa nanao ny tsy rariny tamin’izany izy ireo. Ka jereo ahoana àry no niafaran’ireo mpanao asa fanimbana."},{"id":104,"translation":"Ary niteny i Mosesy nanao hoe : “O ry Faraona ! Tena marina fa Izaho dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":105,"translation":"Tsy mendrika ny hiteny mahakasik’I Allah Aho afa-tsy ny marina. Tonga aminareo tokoa aho miaraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tomponareo. Koa alefaso miaraka Amiko àry ireo zanak’Israely."},{"id":106,"translation":"Niteny izy nanao hoe : “Raha tonga miaraka amin’ny fahagagana ianao, dia asehoy izany, raha isan’ireo olo-marina ianao”."},{"id":107,"translation":"Ka natorany ny tehiny, dia nivadika bibilava lehibe miharihary izany."},{"id":108,"translation":"Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany."},{"id":109,"translation":"Niteny ireo loholona tamin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Tena mpanao majika mahay tokoa izy io\"."},{"id":110,"translation":"Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo Izy”. “Ka inona no hevitra omenareo ?”"},{"id":111,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Ampiandraso Izy sy ny rahalahiny ,ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona\"."},{"id":112,"translation":"Ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ny mpanao majika rehetra tena mahay”."},{"id":113,"translation":"Ary tonga teo amin’i Faraona ireo mpanao majika ka niteny hoe : “Moa ve hisy valisoa ho anay raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”"},{"id":114,"translation":"Niteny izy hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”."},{"id":115,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Na ianao no hanipy na izahay no hanipy voalohany”."},{"id":116,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Atsipio ny anareo”. Rehefa nanipy izy ireo, dia nanova ny mason’ireo olona izy ireo ary koa nampihorohoro azy ireo, ary tonga niaraka tamin’ny majika mahery vaika izy ireo."},{"id":117,"translation":"Ary nandefasanay hafatra i Mosesy nanao hoe : “Atsipio ny tehinao”. Dia indro izany fa nitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo."},{"id":118,"translation":"Ka dia tanteraka tokoa ny marina ary rava izay rehetra nataon’izy ireo."},{"id":119,"translation":"Ka dia resy tamin’izany izy ireo ary lasa afa-baraka."},{"id":120,"translation":"Dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika."},{"id":121,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay\"."},{"id":122,"translation":"Tompon’i Mosesy sy Harona ."},{"id":123,"translation":"Niteny i Faraona nanao hoe : “Mino Azy ve ianareo alohan’ny hanomezako alàlana anareo ? Marina fa izany dia tena tetika efa nomaninareo tany amin’ny tanàna mba hamoahanareo ny mponina ao aminy, ka ho fantatrareo tsara izany."},{"id":124,"translation":"Tena ho tapahako ny tananareo sy ny tongotrareo mifanohitra amin’ny andaniny, avy eo tena ho fantsihiko tokoa amin’ny hazo ianareo rehetra."},{"id":125,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Tena marina fa any amin’ny tomponay no hiverenanay."},{"id":126,"translation":"Ary tsy hamaly faty anay ianao afa-tsy noho izahay nino ireo famantarana avy amin’ny Tomponay rehefa tonga teo aminay izany.Tomponay o ! Arotsahy aminay ny faharetana ary ataovy ho maty am-panekena Anao tanteraka izahay”."},{"id":127,"translation":"Ary niteny ireo loholona avy amin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Moa ve avelanao i Mosesy sy ny vahoakany hanao asa fanimbana eto an-tany, ary handao anao sy ireo zanaharinao izy ?”. Niteny izy nanao hoe : “Ho vonointsika ny zanaka lahin’izy ireo ary avelantsika ho velona ny vehivavin’izy ireo, ary marina fa isika dia ambonin’izy ireo sy manjaka."},{"id":128,"translation":"Niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany nanao hoe : “Mangataha vonjy amin’I Allah ianareo, ary mahareta, marina fa ny tany dia an’I Allah. Ampandovàny izay sitrany amin’ireo mpanompony. Ny fiafarana tsara dia ho an’ireo manam-patahorana”."},{"id":129,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : “Nampijaliana izahay talohan’ny nahatongavanao taminay, ary taorian’ny nahatongavanao koa”. Niteny Izy nanao hoe : “Angamba ny Tomponareo handringana ny fahavalonareo ary hanome anareo fitantanana eto an-tany, ary hijery manao ahoana ny ho fiasanareo”."},{"id":130,"translation":"Ary efa notsapainay mandritry ny taona maro tamin’ny alalan’ny hain-tany sy ny fihenan’ny vokatra ireo vahoakan’i Faraona. Angamba hahatsiaro tena izy ireo."},{"id":131,"translation":"Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahasoavana, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ity dia anjara ho anay” raha tojo haratsiana kosa izy ireo dia nataony fa avy amin’i Mosesy sy ireo mpiara-dia aminy no mahatonga izao, raha ny marina dia miankina amin’I Allah irery ihany ny anjaran’izy ireo, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany."},{"id":132,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “N'inon'inona ny fahagagana entinao sy hahasodoka anay, dia tsy hino anao velively izahay”."},{"id":133,"translation":"Nalefanay tamin’izy ireo ny tondra-drano, ny valala, ny hao, sy ny sahona, ny rà, ho porofo mazava. Nefa nampitombo ny fiavonavonan'izy ireo izany, ka nijanona ho vahoaka mpanao heloka ihany izy ireo."},{"id":134,"translation":"Rehefa nihatra tamin’izy ireo ny sazy dia niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Mangataha ianao ho anay amin’ny Tomponao amin’ny fifanekena izay nomeny anao. Raha esorinao aminay tokoa ny sazy dia tena hino Anao izahay, ary alefanay hiaraka Aminao ireo zanak’Israely”."},{"id":135,"translation":"Ka rehefa nesorinay tamin’izy ireo ny sazy ho amin’ny fotoana farany izay tratran’izy ireo, dia indro fa nivadika tamin’ny fanekena izy ireo."},{"id":136,"translation":"Noho izany dia namaly azy ireo Izahay; ka narendrikay tao anatin'ny ranomasina izy ireo, satria izy ireo dia nilaza fa lainga ireo famantarana avy taminay ary tsy niraharaha izany izy ireo."},{"id":137,"translation":"Ary nampandovanay ireo vahoaka, izay niharan’ny tsindry hazo lena, ny atsinanan’ny tany sy ny andrefany, izay efa nosoavinay ny aminy. Ary tanteraka tamin’ireo zanak’Israely ny teny mahafinaritra indrindra avy amin’ny Tomponao noho izy ireo maharitra. Ary nopotehinay izay rehetra nataon’i Faraona sy ny vahoakany sy izay natsangan’izy ireo."},{"id":138,"translation":"Ary nampitanay ny ranomasina ireo zanak’Israely, dia nandalo teo amin’ny vahoaka nanompo ny sampiny, dia niteny izy ireo hoe : “O ry Mosesy ! Omeo tompo tahaka ireto vahoaka manana tompo ireto izahay\". Namaly izy hoe : “Tena marina fa vahoaka tsy mahalala ianareo\"."},{"id":139,"translation":"Ny fomba fivavahana izay ianteheran’izy ireo dia ho rava, ary ho zava-poana izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":140,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Izaho ve no hitady zanahary hafa ho anareo ankoatr’I Allah nefa Izy no nanome anareo tombom-pahasoavana teo amin’izao Tontolo izao ?”"},{"id":141,"translation":"Ary tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo tenda ireo zanaka lahinareo ary navelan'izy ireo velona ireo vehivavinareo. Ary izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo."},{"id":142,"translation":"Ary nampanantenanay fihaonana telopolo alina i Mosesy ary nampianay folo izany ka feno efapolo alina ny fihaonana tamin’ny Tompony. Niteny i Mosesy tamin’i Harona rahalahiny hoe : “Soloy aho eo anatrehan’ireo vahoakako, ary manaova ny tsara fa aza manaraka ny làlan’ireo mpanao ny fanimbana”."},{"id":143,"translation":"Nony tonga tamin’ny toerana nanaovanay ny fihaonana i Mosesy, dia niresaka taminy ny Tompony, ary niteny izy hoe : “Tompoko, misehoa amiko Ianao mba ho itako!” Dia niteny Izy hoe : “Tsy hahita Ahy velively ianao, fa jereo kosa irý tendrombohitra irý raha mbola miorina eo amin’ny toerany, dia hahita Ahy ianao”. Rehefa niseho tamin’ny tendrombohitra ny Tompony dia nataony potipotika izany, ary nianjera i Mosesy sady torana. Rehefa nahatsiaro tena izy dia niteny hoe : “Voninahitra anie ho Anao, mibebaka Aminao aho, ary izaho no voalohany amin’ireo olona mpino”."},{"id":144,"translation":"Ary niteny Izy (Allah) : “Ry Mosesy ! Tena nisafidy anao Aho tamin’ireo olombelona mba hitondra ny hafatro sy ny teniko. Koa raiso izay omeko anao, ary aoka ianao ho anisan’ireo mpankasitraka."},{"id":145,"translation":"Ary nosoratanay ho Azy, tamin’ny takela-bato, ny fananarana mikasika ny zava-drehetra sy ny fanazavana amin’ny antsipiriany. Raiso izany ary tazony mafy, ka didio ny vahoakanao handray izany amin’ny tsara indrindra. Tsy ho ela dia hasehoko anareo ny fonenan’ireo mpanao asa ratsy."},{"id":146,"translation":"Halaviriko amin’ireo famantarana avy Amiko ireo izay miavonavona tsy amim-pahamarinana eto an-tany. Na dia mahita ny fahagagana rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany. Ary na dia mahita ny lalana tsara aza izy ireo, dia tsy handray izany ho lalan-kaleha. Fa raha mahita ny lalan’ny fahaverezana izy ireo, dia raisin’izy ireo ho lalan-kaleha izany. Izany dia satria, milaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga izy ireo ka tsy miraharaha izany."},{"id":147,"translation":"Ary ireo izay milaza fa lainga ny famantaranay sy ny fihaonana amin’ny fiainana any an-koatra, dia foana ny asan’izy ireo. Moa ve omena valiny izy ireo afa-tsy amin’ny izay asa nataon’izy ireo ihany ?"},{"id":148,"translation":"Ary ireo vahoakan’i Mosesy taorian’ny nandehanany dia nanamboatra vatana zanak’omby lahy mitrena avy tamin’ny firavak’izy ireo. Moa ve tsy hitan’izy ireo fa tsy afaka miresaka amin’izy ireo no sady tsy mitari-dalana azy ireo amin’ny lala-mihitsy izany ? Noraisin’izy ireo izany, ary izy ireo dia mpanao ny tsy rariny."},{"id":149,"translation":"Ary rehefa nahatsapa fanenenana izy ireo, sy nahita fa tena very lalana tokoa, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Raha toa ka tsy mamindra fo aminay sy tsy mamela ny helokay ny Tomponay dia tena anisan’ireo maty antoka izahay”."},{"id":150,"translation":"Ary rehefa niverina tamin’ny vahoakany i Mosesy, tezitra no sady nalahelo ka niteny nanao hoe : “Tena ratsy tokoa izay nataonareo tamin’ny tsy naha-teo ahy ! Moa ve mitady ny hanafaingana ny didin’ny Tomponareo ianareo ?” Natsipiny ny takela-bato, ary noraisiny tamin’ny lohany ny rahalahiny ka nosintoniny teo aminy, dia niteny Izy (Rahalahiny) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Marina fa ny vahoaka dia nandray ahy ho kanosa, ary saika namono ahy mihitsy izy ireo. Koa aza atao ny hampifaly ireo fahavaloko amin’izay manjo ahy, ary aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho”."},{"id":151,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Tompo o ! Mamelà ahy sy ny rahalahiko Ianao, ary ampidiro amin’ny famindram-ponao izahay, fa Ianao Ilay be indrafo indrindra amin’ireo mpamindra-fo”."},{"id":152,"translation":"Ireo izay nandray ny zanak’omby (ho Zanahariny) dia hianjady amin’izy ireo ny hatezeran’ny Tompony, sy ny fahambaniana amin’ny fiainana eto an-tany. Tahaka izany no hamalianay ny asan’ireo mpamoron-dainga ."},{"id":153,"translation":"Ary ireo izay nanao asa ratsy, avy eo izy ireo dia nibebaka taorian’izany sy nino.Marina fa ny Tomponao, aorian’izany, dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":154,"translation":"Ary rehefa nitony ny fahatezeran’i Mosesy dia noraisiny ilay takela-bato. Ary voarakitra tao anaty lahatsoratr’izany ny tari-dàlana sy ny famindram-po ho an’ireo izay matahotra ny Tompon’izy ireo."},{"id":155,"translation":"Ary nisafidy fitopolo lahy tamin’ireo vahoakany i Mosesy hiatrika ny fihaonana Aminay. Ary rehefa namely azy ireo ny horohoron-tany, dia niteny Izy (Mosa) nanao hoe : “Tompoko ! Raha sitrakao dia naringanao izy ireo teo aloha sy ny tenako. Haringanao ve izahay noho izay nataon’ireo kely fisainana taminay ? Tsy inona akory izany fa fitsapana avy Aminao ihany, ary amin’izany no hamerezanao izay sitrakao sy hitarihanao làlana izay sitrakao. Ianao no Mpiahy anay. Ka mamelà anay ary mamindra-fo aminay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamela heloka."},{"id":156,"translation":"Ary soraty ho anay ny tsara, eto an-tany sy any an-koatra, indro izahay dia hiverina Aminao am-panetrehan-tena”. Niteny Izy nanao hoe : “Ny famaizako dia ataoko mahazo izay sitrako, ary ny famindram-poko dia mahenika ny zava-drehetra, ho soratako izany ho an’ireo izay manam-patahorana sy mamoaka ny Zakat, ary ireo izay mino ny fanambaranay\"."},{"id":157,"translation":"Ireo izay manaraka Ilay Iraka, Ilay Mpaminany tsy mahay manoratra sy mamaky, izay hitan’izy ireo voasoratra eo aminy ao anaty Taoraty sy ny Evanjely, dia mandidy azy ireo amin’ny tsara sy mandrara azy ireo amin’ny ratsy Izy, ary manome alalana azy ireo amin’ny tsara, sy mandrara azy ireo kosa amin’ny ratsy, ary manala azy ireo amin’ny enta-mavesatra sy ireo zioga izay tamin’izy ireo. Fa ireo izay mino sy manohana ary manampy azy, ary manaraka ny fahazavana izay nampidinina taminy, izy ireny no hahazo ny fahombiazana”."},{"id":158,"translation":"Teneno hoe : “O ianareo olombelona ! Marina fa izaho dia Irak’I Allah ho anareo rehetra, izay Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, tsy misy Tompo afa-tsy Izy, Izy no mamelona sy mamono. Minoa an’I Allah àry ianareo sy ny Irany, Ilay Mpaminany tsy mahay manoratra sy mamaky, izay mino an’I Allah sy ireo teniny. Ary aoka ianareo hanaraka Azy, angamba hahazo ny tari-dalana ianareo."},{"id":159,"translation":"Ary misy amin’ireo vahoakan’i Mosesy no mitarika amin’ny lala-marina, ary amin’izany no nanaovan’izy ireo ny rariny."},{"id":160,"translation":"Ary nozarazaranay ho foko sy vahoaka roa ambin’ny folo izy ireo, ary nandefasanay fanambarana i Mosesy raha nangataka rano taminy ny vahoakany: “Kapohy amin’ny tehinao ny vatolampy”. Ary indro nisy loharano roa ambin’ny folo nifantsitsitra avy tao. Efa samy nahafantatra ny loharano hosotroiny avokoa ny foko tsirairay, ary noalokalofanay tamin’ny rahona izy ireo, ary nampidininay tamin’izy ireo ny mana sy ny papelika: “Mihinàna ianareo amin’ireo anjara tsara nomenay anareo”. Ary tsy nanao ny tsy rariny taminay izy ireo, fa ny tenan’izy ireo ihany no nanaovany ny tsy rariny."},{"id":161,"translation":"Raha nolazaina tamin’izy ireo hoe : “Mitoera amin’ity tanàna ity ianareo, ary mihinàna ao aminy araka izay tianareo sady mitenena hoe : mamelà ny fahotanay, ary midira am-baravarana am-piankohofana ianareo mba hamelanay ireo fahadisoana nataonareo; omenay tombony ireo Mpanao soa”."},{"id":162,"translation":"Saingy ireo mpanao ny tsy rariny tamin’izy ireo no nanova ny teny izay voalaza, fa tsy nolazaina taminy. Noho izany dia nandefasanay loza avy any an-danitra izy ireo, nohon'ny tsy rariny nataony."},{"id":163,"translation":"Ary anontanio azy ireo momba ilay tanàna kely iray amoron-dranomasina, rehefa nandika lalàn’ny andro Sabata izy ireo ! Ka tonga nitsingevaheva tamin’izy ireo ny trondro maro be tamin’ny andro Sabatany, fa amin’ny andro tsy anaovan’izy ireo Sabata kosa dia tsy tonga tamin’izy ireo izany . Tahaka izany no nitsapanay azy ireo noho izy ireo nanao ny asa ratsy."},{"id":164,"translation":"Ary raha niteny ny vahoaka iray tamin’izy ireo nanao hoe : “Nahoana ianareo no mbola mananatra vahoaka izay haringan’I Allah, na ho faiziny amin’ny famaizana mafy ?” Dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ho fialanay tsiny amin’ny Tomponareo, ary angamba hanam-patahorana izy ireo”."},{"id":165,"translation":"Ary rehefa nanadino tamin’izay nampahatsahivana azy izy ireo, dia navotanay ireo izay nandrara ny ratsy, ary noraisinay tamin’ny famaizana henjana kosa ireo mpanao ny tsy rariny noho izy ireo nanao ny asa ratsy."},{"id":166,"translation":"Ary raha mbola nihizingizina nandà izay nandraràna azy ireo izy ireo, dia niteny Izahay tamin’izy ireo nanao hoe : “Mivadiha rajako mahatsiravina ianareo”."},{"id":167,"translation":"Ary rehefa nilaza ny Tomponao fa tena handefa amin’izy ireo mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana, izay hampihatra sazy ratsy amin’izy ireo Izy ! Marina fa ny Tomponao dia haingam-panasaziana, ary Izy dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":168,"translation":"Ary nozarazarainay ho vahoaka maro izy ireo eto an-tany. Misy amin’izy ireo no olona mendrika, ary misy kosa amin’izy ireo no ambanin’izany. Ary notsapainay izy ireo amin’ny tsara sy ny ratsy, angamba izy ireo hahalala hiverina."},{"id":169,"translation":"Ary nandimby azy ireo taorian'ireo Mpandova ny Boky, liana tamin’ny fakàna tombony eto amin’ny fiainana an-tany izy ireo ary niteny izy ireo nanao hoe : “Ho voavela izahay”. Ary raha tonga amin’izy ireo ny tombony mitovy amin’izay azon’izy ireo, dia raisin’izy ireo izany. Moa ve tsy efa noraisina tamin’izy ireo ny fanekena avy tamin’ilay boky, fa tsy hiteny izy ireo mahakasik’I Allah afa-tsy ny marina ? Nefa nianaran’izy ireo izay tao anatiny. Ary ny fiainana any an-koatra no tsara ho an’ireo izay manam-patahorana, moa ve tsy misaina ianareo ?"},{"id":170,"translation":"Ary ireo izay mitazona mafy ny boky sy manatanteraka ny fanompoam-pivavahana, tena marina fa Izahay dia tsy manary ny valin-kasasaran’ireo mpanarina ny tenany."},{"id":171,"translation":"Ary rehefa nasandratray teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra, toy ny aloka lehibe izany, ka mihevitra izy ireo fa hianjera eo amin’izy ireo izany. Tazony mafy izay nomenay anareo, ary tsarovy izay ao anatiny, angamba hanam-patahorana ianareo."},{"id":172,"translation":"Ary rehefa nalain’ny Tomponao avy tamin’ny taranak’i Adama tao amin’ny lamosin’izy ireo ny taranany, ka nampijorony vavolombelona tamin’ny tenan’izy ireo hoe : “Moa ve tsy Izaho no Tomponareo?” Namaly izy ireo nanao hoe : “Eny tokoa, mijoro vavolombelona amin’izany izahay”. Mba tsy hiteny ianareo amin’ny andro fitsanganana hoe : “Tena variana tokoa izahay tamin’izany.”"},{"id":173,"translation":"Na koa hiteny ianareo nanao hoe : “Tena marina, nanakambana an'I Allah tamin’ny zavatra hafa ny razambenay tany aloha, ary izahay dia taranaka faramandimby taorian’izy ireo. Moa ve haringanao izahay noho izay nataon’ireo mpanao fahadisoana ?”"},{"id":174,"translation":"Ary tahak’izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo famantarana, ary angamba hiverina izy ireo!"},{"id":175,"translation":"Ary tantarao amin’izy ireo vaovaon’ilay nomenay ny famantaranay, ka nihataka tanteraka tamin’izany, ary dia nasain’ny Satana nanaraka azy izy, ka anisan’ireo very."},{"id":176,"translation":"Ary raha sitrakay dia ho nasondrotray tamin’ny alalan’izany izy, fa saingy nionona loatra teto an-tany izy sy nanaraka ny sitrapony. Ny mitovy azy dia ny alika, raha raisinao izy dia misefosefo, avelanao izy dia mbola misefosefo. Toy izany no ohatra mitovy amin’ny vahoaka izay milaza fa lainga ny famantaranay. Ka tantarao ny tantara, angamba handinika izy ireo."},{"id":177,"translation":"Ratsy fanoharana tokoa ireo vahoaka izay milaza fa lainga ireo famantaranay, ka tamin’ny tenan’izy ireo ihany no nanaovan’izy ireo ny tsy rariny."},{"id":178,"translation":"Izay notarihin’I Allah, izy no tena voatari-dalana ary izay novereziny kosa, dia izy ireny no tena maty antoka."},{"id":179,"translation":"Efa natokanay ho any amin'ny Afobe betsaka amin'ireo jiny sy ny olombelona, satria manana fo izy ireo saingy tsy mahalala, manana maso nefa tsy mahita, ary manana sofina nefa tsy maheno. Izy ireo dia toy ireo biby, ary very mihoatra azy ireo aza. Izy ireny no tsy miraharaha."},{"id":180,"translation":"Ary an’I Allah ireo anarana tsara indrindra. Ka antsoinareo amin’izany Izy, ary avelao ireo izay maniratsira ny anarany, hahazo ny valin’asa izay nataony izy ireo."},{"id":181,"translation":"Ary nisy tamin’ireo izay noharianay no vahoaka izay mitarika araka ny fahamarinana, ka amin’izany no anaovany ny rariny."},{"id":182,"translation":"Ary ireo izay milaza fa lainga ireo fanambarany, dia ho tarihinay miandalana mankany amin’ny lalana tsy fantany izy ireo."},{"id":183,"translation":"Ka omeko fe-potoana izy ireo , fa azo antoka tokoa ny tetiko !"},{"id":184,"translation":"Moa ve tsy nandinika izy ireo ? Tsy misy adalana akory amin’ny naman’izy ireo , tsy inona akory Izy afa-tsy Mpampitandrina miharihary ihany."},{"id":185,"translation":"Moa ve tsy mba nandinika ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany izy ireo, sy ny zava-drehetra noharian’I Allah, angamba efa akaiky ny fotoam-piafaran’izy ireo ? Fa inona koa àry no teny hinoan’izy ireo aorian’izany ?"},{"id":186,"translation":"N'iza n'iza verezin’I Allah dia tsy mba hanana mpitarika mihitsy, ary Izy dia hamela azy ireo hirenireny amin’ny fihoaram-pefiny."},{"id":187,"translation":"Hanontany anao izy ireo momba ilay Ora hoe : “Rahoviana no higadonan’izany ?” Teneno hoe : “Ny Tompoko irery ihany no manana fahalalana amin’izany. Tsy misy afaka hampiseho izany amin’ny fotoany afa-tsy Izy irery ihany. Mavesatra ho an’ireo lanitra sy ny tany izany, ary tsy ho tonga aminareo izany raha tsy tampoka. Ary manontany Anao izy ireo tahaka ny nampahafantarina momba izany Ianao. Teneno hoe : “Allah irery ihany no manana fahalalana amin’izany”. Nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahalala."},{"id":188,"translation":"Teneno hoe : “Tsy manana ho an’ny tenako na ny soa na ny ratsy Aho, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Raha nahafantatra ny miafina aho dia ho nataoko maro an’isa ny soa ho azoko, ary tsy hisy ratsy hahazo Ahy akory. Tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka mino."},{"id":189,"translation":"Izy Ilay Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana, ary nataony avy amin’izany (vatana izany) ny vadiny, mba ho tony eo anilany izy, ary rehefa niray taminy izy, dia nitoe-jaza ankamorana ravehivavy izay mbola maivana taminy. Avy eo rehefa navesatra taminy izany, dia niara-nangataka tamin’ny Tompony izy roa nanao hoe : “Raha zaza Hendry no omenao anay, dia tena ho anisan’ireo mpankasitraka izahay."},{"id":190,"translation":"Ary rehefa nomeny zaza hendry izy roa, dia indro fa nampitambatra an’I Allah tamin’ny hafa tamin’izay nomena azy izy roa. Nefa I Allah dia Ambony indrindra amin’izay atambatr’izy ireo."},{"id":191,"translation":"Moa ve hanakambana (Azy) amin’izay tsy nahary zavatra na dia iray aza, ary izy ireo kosa dia nohariana,"},{"id":192,"translation":"ary izy ireo (ireo sampy) dia tsy afaka hamonjy azy ireo (olombelona), ary na ny tenan’izy ireo aza tsy ho voavonjiny ?"},{"id":193,"translation":"ary raha antsoinareo ho amin’ny tari-dàlana izy ireo dia tsy hanaraka anareo velively izy ireo. Mitovy ihany ny vokany aminareo, na antsoinareo izy ireo na ianareo mangina."},{"id":194,"translation":"Marina fa ireo izay antsoinareo ankoatr’I Allah dia mpanompo mitovy aminareo. Antsoinareo àry izy ireo, ary aoka izy ireo hamaly ny antsonareo raha toa ka marina ny anareo."},{"id":195,"translation":"Moa ve manana tongotra hamindrana izy ireo ? Sa manana tànana hikapohana ? Na manana maso hijerena ? Sa manana sofina hihainoana ? Teneno hoe : “Antsoy daholo ireo mpikambana ao aminareo, avy eo homano ny tetika hamelezanareo Ahy, ary aza manome fe-potoana Ahy”."},{"id":196,"translation":"Marina fa ny mpiahy ahy dia Allah izay nampidina ny boky (Kor’any). ary Izy no miandraikitra ny fiarovana ireo olona mendrika."},{"id":197,"translation":"Ary ireo izay antsoinareo ankoatrany dia tsy afaka hanavotra anareo, na koa hanavotra ny tenany."},{"id":198,"translation":"Ary raha miantso azy ireo ianareo ho amin’ny tari-dàlana dia tsy maheno izy ireo, ary ho hitanao izy ireo mijery anao nefa tsy mahita akory."},{"id":199,"translation":"Raiso izay azo leferina sy mandidia amin’ny tsara, ary halaviro ireo olona minia tsy mahafantatra."},{"id":200,"translation":"Raha mitady hanelingelina anao amin’ny ratsy ny Satana, dia mangataha fiarovana amin’I Allah ianao. Marina fa Izy dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":201,"translation":"Marina fa ireo manam-patahorana, raha misy fanapahan-kevitra avy amin’i Satana nahavoa azy ireo dia mahatsiaro (an’I Allah) izy ireo, ka indro izy ireo lasa nahiratra."},{"id":202,"translation":"Fa ireo rahalahin’i Satana kosa (ireo tsy mpino) dia manosika azy ireo amin’ny fahaverezena, ary tsy mitsahatra amin’izany izy."},{"id":203,"translation":"Ary raha tsy mitondra fahagagana amin’izy ireo ianao dia miteny izy ireo manao hoe : “Nahoana no tsy noforoninao izany ?” Teneno hoe : “Tsy manaraka aho afa-tsy ny fanambarana izay nalefa tamiko avy amin’ny Tompoko”. Izany dia porofo mazava avy amin’ny Tomponareo sy tari-dàlana ary famindram-pò ho an’ny vahoaka mino."},{"id":204,"translation":"Ary rehefa vakiana ny Kor’any dia mihainoa tsara ianareo ary hajao ny fahanginana, angamba hahazo ny famindram-po ianareo."},{"id":205,"translation":"Ary tsarovy ny Tomponao ao amin’ny tenanao, amim-panetre-tena sy amim-patahorana, ary tsy amin’ny feo avo, amin’ny maraina sy hariva, ary aoka ianao tsy anisan’ireo variana."},{"id":206,"translation":"Marina fa ireo izay anatrehan’ny Tomponao (ireo Anjely) dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy. Ary midera ny voninahiny sy miankohoka Aminy izy ireo."}]},{"id":8,"verses":[{"id":1,"translation":"Manontany anao izy ireo mahakasika ireo fananana babo tamin’ny ady. Teneno hoe : “Ireo fananana babo tamin’ny ady dia an’I Allah sy ny Iraka”. Ka matahora an’I Allah ianareo, hatsarao ny fifandraisana eo aminareo samy anareo ary ankatoavinareo I Allah sy ny Iraka nalefany, raha toa ka mpino marina ianareo."},{"id":2,"translation":"Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany."},{"id":3,"translation":"Ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana sy ireo izay mahafoy mamoaka amin’izay anjara fivelomana nomenay azy ireo."},{"id":4,"translation":"Izy ireny no tena mpino marina, fa hanana voninahitra ambony any amin’ny Tompo zanahariny, ary famelan-keloka koa\nsy anjara fivelomana mendrika."},{"id":5,"translation":"Tahaka izany no namoahan’ny Tomponao anao tamim-pahamarinana avy tao amin’ny tranonao, na dia nankahala izany aza ny sasany tamin’ireo mpino."},{"id":6,"translation":"Miady hevitra aminao izy ireo momba ny fahamarinana taorian’ny nampazava miharihary izany, tahaka notarihina ho any amin’ny fahafatesana izy ireo, ary mahita maso izany."},{"id":7,"translation":"Ary raha nampanantena anareo Allah, ny fandresena iray tamin’ireo vondrona roa. ”Ianareo dia naniry ireo tsy mitam-piadiana, fa Allah kosa dia mila hampandresy ny fahamarinana ami’ny alalan’ny Teniny ka handripaka ireo tsy mpino rehetra."},{"id":8,"translation":"Mba hanamafiana orina ny fandresen’ny fahamarinana sy hanafoanana ny tsy marina, na dia nankahala izany aza ireo mpanao heloka."},{"id":9,"translation":"Raha nangataka vonjy tamin’ny Tomponareo ianareo dia namaly anareo izy hoe : Izaho dia handefa aminareo ireo anjely anarivony mifanesy."},{"id":10,"translation":"Ary tsy nataon’I Allah izany afa-tsy filazana vaovao mahafaly, ary hampitony tokoa ny fonareo amin’ny alalany izany, tsy misy fandresena raha tsy avy amin’I Allah. Tena marina fa Allah Ilay Mahery sy be fahendrena."},{"id":11,"translation":"Raha nosaronan'I Allah tao anaty torimaso ianareo dia fampitoniana avy Aminy ho anareo izany, ary hampidina rano avy any an-danitra ho anareo Izy mba hanadiovany anareo avy amin’izany, ary hanala eo aminareo ny loton’i satana Izy, “Mba hankahery ny fonareo sy hanamafy orina ny famindranareo.\""},{"id":12,"translation":"Raha nandefa fanambarana tamin’ireo anjely ny Tomponao : “Izaho dia miaraka aminareo tanteraka ka ankaherezo ireo izay nino, atsipiko ao anaty fon’ireo tsy nino ny fatahorana, koa kapohy eo ambonin’ny hatok’izy ireo na veleso amin’izy ireo ny tendron-tànany rehetra."},{"id":13,"translation":"Izany, satria dia tena tsy nankato an’I Allah sy ny Irany izy ireo! fa izay tsy nankato an’I Allah sy ny Irany; Allah dia tena mafy sazy !"},{"id":14,"translation":"Izany ka handramano ho an’ireo tsy mpino àry ny famaizana amin’ny afobe."},{"id":15,"translation":"O ianareo izay mino, rehefa mifanojo amin’ireo izay tsy mino miatrika ady aminareo ianareo dia aza mitodi-damosina."},{"id":16,"translation":"Ary ireo izay mitodi-damosina amin’izany andro izany, afa-tsy fanomanana tetik’ady na hifandray amin’ny andiany hafa dia: hiaran’ny hatezeran’I Allah ary ny afobe no fialofany, tena ratsy izany fiafarany izany !"},{"id":17,"translation":"Tsy ianareo no namono azy ireo fa i Allah no namono azy ireo, Ary raha nitoraka ianao, dia tsy ianao no nitoraka fa Allah, ary izany dia mba hitsapany ireo mpino amin’ny fitsapana tsara avy Aminy, Tena marina fa Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra Allah."},{"id":18,"translation":"Hny ka lasa zava-poana ny teti-drats'ireo tsy mpino."},{"id":19,"translation":"Raha nitady fandresena ianareo, dia efa tonga taminareo izany fandresena izany. Fa raha mitsahatra ianareo, dia tsara kokoa ho anareo izany. Fa raha miverina kosa ianareo, dia hiverina koa izahay, ary ny hamaroanareo na dia betsaka aza, dia tsy hisy ny ilanareo izany. Tsarovy fa Allah dia momba tokoa ireo mpino."},{"id":20,"translation":"O ianareo izay mino, ankatoavinareo I Allah sy ny Irany, aza miataka Aminy ianareo raha maheno izany."},{"id":21,"translation":"Ianareo dia aza manao tahak’ireo izay niteny hoe : “naheno izahay “, kanefa tsy maheno izy ireo."},{"id":22,"translation":"Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ny moana-marenina tsy misaina."},{"id":23,"translation":"Ary raha mba nahita hatsarana tamin’izy ireo Allah, dia ho nataony nandre izy rehetra. Fa na dia nataony nandre aza izy ireo, dia ho tsy maintsy hanome lamosina, ary nihataka lavitra."},{"id":24,"translation":"O ianareo izay nino valio ny antson’I Allah sy ny Irany raha miantso anareo izy amin’izay mahavelona anareo, fantaro fa Allah dia manelanelana tokoa ny olombelona sy ny fony, any Aminy tokoa no hanangonana anareo."},{"id":25,"translation":"Ary aoka ianareo hatahotra ny loza, izay tsy ireo mpanao ny tsy rariny ihany no ho voany. Ary fantaronareo ihany koa fa mahery vaika ny sazin’Allah."},{"id":26,"translation":"Tsarovinareo rehefa ianareo vitsy an’isa, fadiranovana teto ambonin’ny tany, matahotra ny babon’olona dia nampiantrano anareo Izy tamin’ny alalan'ny fandresena ary nanome anareo ireo anjaram-pahavelomana tsara, angamba ankasitraka ianareo."},{"id":27,"translation":"O ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy hamitaka an’Allah sy ilay Iraka, ary aza mivadika amin’ny fitokiana napetraka taminareo, izay efa fantatrareo."},{"id":28,"translation":"Ary fantaronareo fa ny harembenareo sy ireo zanakareo dia fitsapana ihany, fa any amin’Allah no misy valisoa lehibe."},{"id":29,"translation":"O ianareo mpino ! Raha matahotra an’Allah ianareo, dia homeny ny fahafahana manavaka ianareo (ny tsara sy ny ratsy), ka hofafany ny ratsy vitanareo, ary avelany ny helokareo. satria Allah no loharanon’ny fahasoavana lehibe."},{"id":30,"translation":"Ary tsarovinao raha niteti-dratsy anao ireo tsy mpino, ka hisambotra anao na hamono anao mihitsy aza, na handroaka anao. Dia niray tetika daholo izy rehetra, nefa noravan’Allah ny tetik’izy ireo, fa avo fitetika indrindra Allah."},{"id":31,"translation":"Ary raha vakina eo amin’izy ireo fanambaranay dia miteny izy ireo hoe: efa henonay raha sitrakay dia mahavita tahaka izany koa izahay tsy inona izany afa tsy ireo anganon’ireo olona tany aloha ihany."},{"id":32,"translation":"Rehefa niteny izy ireo hoe “ o, ry Allah raha izany no fahamarinana avy aminao dia androtsaho vato avy any an-danitra izahay na ko andefaso sazy mangirifiry izahay “"},{"id":33,"translation":"Ary Allah dia tsy hanasazy azy ireo velively raha mbola eo amin’izy ireo ianao ary tsy hanasazy azy ireo koa Allah raha mbola mangataka famelan-keloka izy ireo."},{"id":34,"translation":"Inona moa no ananan’izy ireo ka hahatonga an’Allah tsy hanasazy azy? Kanefa izy ireo manosika ny mpino hanalavitra ilay Trano masina fiankohofana (Masjid Al-Haram), na dia tsy mpiambina izany aza izy ireo, fa ny mpiambina izany kosa dia ireo olona vontompinoana. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":35,"translation":"Ary tsy inona ny salat (vavaka izy ireo) teo amin’ny trano masina hafa tsy sioka sy tefa-tanana \"andramonareo ary ny sazy noho ny tsy finoanareo\""},{"id":36,"translation":"Ireo olona izay tsy nino, dia mandany ny fananan’izy ireo hanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah. Ka mitohy hatrany ny fandaniana ataon’izy ireo mandrapahatongan’ny nenina, nefa ho resy ihany izy ireo. Indrisy! Fa ireo izay tsy mino dia any amin’ny afobe no hanangonana azy rehetra."},{"id":37,"translation":"Mba hanavahan’I Allah ny tsara amin’ny ratsy ary hanaovan’ireo ratsy hifanengitengina ka hitambatra izy rehetra ary ataony any amin’ny afobe izy ireny no matiantoka tokoa."},{"id":38,"translation":"Teneno amin’ireo izay tsy mino hoe: raha mitsahatra izy ireo dia havela izay rehetra efa vitan’izy ireo teo aloha fa raha mamerina indray izy ireo dia (ho sazina izy ireo ) mitovy amin’izay efa nandalo tamin’ireo talohany."},{"id":39,"translation":"Mitsangana ianareo hanohitra azy ireo, mba ho foana ny fanakorontanana fa ho an’I Allah ny finoana manontolo. Raha mitsahatra anefa izy ireo (amin’ny fanakorontanana dia voavela ny helony) ary hamafisina, fa hitan’I Allah tsara izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":40,"translation":"Ary raha manome lamosina kosa izy ireo, dia fantaro fa Allah no Tompo Mpiaro anareo. Izany ka Tompo tsara, sy Mpamonjy mendrika!"},{"id":41,"translation":"Ary fantaro fa izay fananana azonareo (tamin’ny ady) dia ho an’i Allah ny iray ampahadiminy sy ho an’ilay Iraka ary ho an’ireo havany akaiky, ho an’ireo kamboty, ho an’ireo mahantra, ho an’ireo mpandeha lavitra (sahirana), raha mino an’i Allah sy izay nampidininay tamin’ny Mpanomponay ianareo tamin’ny andron’ny fanavahana sy tamin’ny andro izay nifanenan’ny andian-tafika roa; ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":42,"translation":"Raha tamin’ny fidinana ambany kokoa Ianareo, ary ireo (fahavalo) tery amin’ny ilany lavidavitra, fa ireo andiany mpitaingin-tsoavaly kosa tety ambanimbany kokoa noho Ianareo. Raha toa ka nifanome fotoana ianareo, tsy mba nifanaraka akory tamin’izany fotoana izany Ianareo (natahotra ny amaroan’ireo fahavalo), nefa kosa mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa notapahany mba handringanany izay ho ringana araka ny porofo mazava, ary mba hamelomany izay ho velona. Ary marina fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":43,"translation":"Raha tao anaty torimaso Ianao, dia nasehon’i Allah taminao fa vitsy an’isa izy ireo, satria raha ny hamaroany no nasehony dia nilefitra tanteraka Ianareo ary tena nifanditra Ianareo samy Ianareo momba izany, ka nefa i Allah no nanavotra Anareo. Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po."},{"id":44,"translation":"Ary nasandrany teo imasonareo fa vitsy an’isa izy ireo, rehefa nifanatrika Ianareo, ary nasehony teo imason’izy ireo ihany koa, fa vitsy an’isa Ianareo dia mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa tapaka. Any amin’i Allah no hamerenana ny zava-drehetra."},{"id":45,"translation":"Oh Ianareo izay nino, raha mifanatrika amin’ny andian-tafika (fahavalo) Ianareo, dia aoka ho vonon-kiatrika ianareo ary mahatsiarova Allah imbetsaka, angamba hahazo fahombiazana Ianareo."},{"id":46,"translation":"Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana."},{"id":47,"translation":"Ary aza manao tahak’ireo izay nivoaka amin’ny fonenany am-pireharehana sy am-pisehosehoana amin’olona, sady nisakana ny làlan’i Allah. Allah dia Mahafehy izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":48,"translation":"Ary rehefa nohatsaran’i Satana teo anatrehan’izy ireo ny asan’izy ireo dia niteny izy nanao hoe : \" Tsy misy na dia iray amin’ireo olombelona no afaka handresy Anareo anio, ary Izaho dia tena hanohana Anareo ”, nefa raha vao nifampitazana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo andian-tafika roa, indro izy (satana) nanodina ny vodi-tongony roa sady niteny hoe : “ Eny, hisaraka aminareo aho. Eny tena mahita izay tsy hitanareo aho; marina tokoa fa matahotra an’i Allah Aho, ary i Allah dia tena henjana amin’ny fanasaziana “."},{"id":49,"translation":"Ary rehefa miteny ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo manana aretina ao am-pony manao hoe : “ Ireny olona ireny dia ny finoany no namitaka azy”. Ary izay miantehitra amin’i Allah dia Allah no Mahery sy be Fahendrena."},{"id":50,"translation":"Raha mba hitanao manko, ny fomba ataon’ireo anjely rehefa maka ny fofon’ain’ireo izay tsy mpino ! Dia mikapoka any amin’ny tarehy sy ny lamosin’izy ireo sady miteny hoe : “ Handramano ny sazin’ny Afobe ”."},{"id":51,"translation":"Izany dia vokatry ny nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mba manao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo."},{"id":52,"translation":"Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay talohan’izy ireo ka tsy nino ireo porofo famantaran’i Allah, dia nosazin’i Allah izy ireo nohon'ny fahotany. Allah dia tena mahery sy henjana fanasaziana."},{"id":53,"translation":"Izany tokoa fa i Allah dia tsy manova mihitsy ny fahasoavana izay nomeny ny vahoaka mandra-panovan’izy ireo ny tenany, ary tena marina fa Allah ilay Maheno sy be Fahalalana."},{"id":54,"translation":"Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay teo alohan’izy ireo nilaza fa lainga ireo porofo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo. Arak’izany dia naringanay nohon'ny fahotany izy ireo. Ary narendrikay (tao anaty ranomasina) ireo olon’i Faraona. Satria mpanao ny tsy rariny avokoa izy rehetra."},{"id":55,"translation":"Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ireo nikomy ary tsy mbola mino mandraka ankehitriny."},{"id":56,"translation":"Ireo izay nanaovanao fifanarahana tamin’izy ireo avy eo mandrava matetika ny fifanarahan’izy ireo ary izy ireo dia tsy manam-pahatahorana mihitsy."},{"id":57,"translation":"Raha voafehinao amin’ny ady izy ireo, dia henjeho mafy mba hisavoritaka, ho fandravana ireo izay any aoriana, angamba hahatsiaro tena izy ireo."},{"id":58,"translation":"Ary raha matahotra fivadihan’ireo vahoaka ianao, dia ravao amim-pahatsorana ny fifanarahana. Tena marina fa i Allah dia tsy tia ireo mpamadika"},{"id":59,"translation":"Ary aza mihevitra ireo izay tsy nino fa efa nialoha izy ireo ka votsotra eo am-pelatananay. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hisakana Anay velively."},{"id":60,"translation":"Aoka hiomana fatratra ianareo araka izay vitanareo sy ireo soavaly voahomana mba hampatahotra ireo fahavalon’i Allah sy fahavalonareo koa, ary ny hafa tsy fantatrareo ankoatra azy ireo kanefa fantatr’i Allah izy ireo. Ary izay zavatra rehetra nolaninareo tamin’ny làlan’i Allah dia omena anareo feno ny valiny, ary tsy hiangarana mihitsy ianareo."},{"id":61,"translation":"Raha mirona mankany amin’ny fandriampahalemana izy ireo dia aoka koa Ianao hirona ho amin’izany, ary hapetraho amin’i Allah ny fitokisanao. Marina fa Izy ilay Maheno, ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":62,"translation":"Raha mitady hamitaka Anao izy ireo, dia ampy ho Anao i Allah. Izy no nanohana Anao tamin’ny famonjeny, tamin’ny alalan’ireo mpino."},{"id":63,"translation":"Ary nampifandray ny fon’izy ireo Izy. Na dia nandàny izay rehetra teto an-tany aza Ianao dia tsy mahavita mampifandray ny fon’izy ireo, fa i Allah kosa no nampifandray azy ireo satria Izy no Mahery sy be Fahendrena."},{"id":64,"translation":"O ry Mpaminany, ampy ho Anao sy ireo nanara-dia anao amin’ireo mpino i Allah."},{"id":65,"translation":"O ry Mpaminany, amporisio ireo mpino hiady. Raha misy roapolo aminareo maharim-pery dia mandresy roanjato lahy izy ireo; ary raha misy zato Aminareo maharim-pery dia mandresy arivo lahy amin’ireo izay tsy nino izy ireo, satria izy ireo dia vahoaka tsy misaina."},{"id":66,"translation":"Ankehitriny i Allah dia manamaivana Anareo satria fantany fa misy fahalemena Ianareo, koa raha misy zato aminareo maharim-pery dia handresy roanjato lahy, ary raha misy arivo Aminareo dia handresy roa arivo lahy izy ireo nohon'ny fahefan’i Allah. Ary i Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana."},{"id":67,"translation":"Tsy misy Mpaminany izay tokony haka ireo babo an’ady raha tsy efa nahazo fandresena tety an-tany. Ianareo dia mitady ny harena ety an-tany, nefa i Allah kosa dia mila ny any an-koatra. Ary i Allah dia Mahery sy be Fahendrena."},{"id":68,"translation":"Raha tsy ny didy mialoha avy amin’i Allah, dia efa nisy sazy sy famaizana goavana nahazo anareo noho izay nalainareo."},{"id":69,"translation":"Noho izany mihinanà Ianareo izay tsy voarara sy tsara amin’izay azonareo babo. Ary matahora an’i Allah Ianareo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":70,"translation":"Oh ry Mpaminany, lazao amin’ireo babo eo am-pelatananareo : “ Raha fantatry Allah fa misy zavatra tsara ao am-ponareo, dia hanome Anareo tsara kokoa noho izay nalaina taminareo Izy sy hamela ny helokareo. Allah dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":71,"translation":"Ary raha mila hamitaka Anao izy ireo, dia efa namitaka an’i Allah izy ireo tany aloha; nefa nahita fomba nandresena azy ireo Izy. Ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":72,"translation":"Hamafisina, fa ireo mpino izay voatery nifindra-monina, ary nitolona tamin’ny fananany sy ny tenany tamin’ny làlan’Allah, ary ireo izay nanome fialofana sy fanampiana azy ireo, dia izy ireny no tena mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany. Fa ireo mpino nefa tsy nifindramonina kosa, dia tsy andraikitrareo ny fiarovana azy irenymandram-pifindrany. Fa raha mangataka vonjy aminareo noho ny finoana izy ireo, dia adidinareo tanteraka ny mamonjy azy, fa tsy amin’ny fanoherana ireo vahoaka nahavita fifanarahana taminareo. Ary Mahita tsara izay ataonareo Allah."},{"id":73,"translation":"Fa ireo izay tsy nino kosa dia mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany, fa raha tsy mandray andraikitra amin’izany (amin’ny fanapahana ny fifandraisana amin’ny tsy mpino) izany Ianareo dia hisy fifandirana sy fanimbana lehibe eto ambonin’ny tany."},{"id":74,"translation":"Ary ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao Djihad (ary niady) tamin’ny làlan’i Allah, ary koa izay nampiantrano sy namonjy azy ireo. Izy ireny no tena mpino marina ka dia ho azy ireny ny famelan-keloka sy ny anjara omena am-pahalalana."},{"id":75,"translation":"Ary ireo izay nino taty aoriana ka nifindra monina sy nitolona niaraka Taminao, izy ireny dia anisan’ny namanareo, fa ireo izay manana rohim-pihavanana, dia mifanakaiky kokoa ny andaniny sy ny ankilany, araka ny Bokin’i Allah, ka dia tena marina fa i Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra."}]},{"id":9,"verses":[{"id":1,"translation":"Fandavana tanteraka avy amin’i Allah sy ny Irany mikasika ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy) izay nanaovanareo fifanarahana."},{"id":2,"translation":"Mandehana Ianareo mitety tany mandritra ny efa-bolana, dia fantaro fa tsy hampihen-danja ny herin’i Allah ianareo ary marina fa i Allah dia hanala-baraka ireo tsy mpino."},{"id":3,"translation":"Ary ity dia fanambarana avy amin’i Allah sy ilay Irany ho an’olona amin’ny andron’ny Hajy (fivahinianana masina) lehibe, fa Allah sy ny Irany dia mitsipaka tanteraka ireo mpampikambana Azy amin’ny zavatra hafa. Raha mibebaka ianareo dia tsara ho anareo izany. Raha miamboho ianareo, dia fantaro tsara fa tsy hampihen-danja ny herin’i Allah ianareo, ka lazao amin’ireo izay tsy nino fa hiatra amin’izy ireo ny sazy mamirifiry."},{"id":4,"translation":"Afa-tsy ireo izay nanaovanareo fifanarahana tamin’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy) fa tsy nanohitra anareo izy ireo no sady tsy nanampy olon-kafa hanohitra anareo na dia kely aza. Ka tanteraho ny fifanarahana nataonareo tamin’izy ireo mandrapaha-tapitry ny fe-potoana nifanarahana. Tena marina fa i Allah dia mitia ireo mpatahotra Azy."},{"id":5,"translation":"Ary rehefa tapitra ireo volana masina ireo, dia vonoinareo ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy), n'aiza n'aiza ahitanareo azy ireo, dia baboinareo izy ireo, ataovo fahirano, ambeno amin’ny velam-pandrika rehetra, fa raha mibebaka kosa izy ireo ka manatanteraka ny salat ary mamoaka ny Zakat (ampahan-karenany), avelao handeha an-kahalalahana izy ireo, ka tena marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy be fiantrana."},{"id":6,"translation":"Ary raha misy iray amin’ireo mpanompo sampy mangataka fialofana Aminareo dia omeo fialofana Izy mba henoiny ny tenin’i Allah, avy eo ento amin’ny toerana ahitany fiarovana, satria izy ireo dia vahoaka tena tsy mahafantatra."},{"id":7,"translation":"Ahoana moa no hananan’ireo mpanompo sampy ny fifanarahana eken’i Allah sy ilay Irany, afa-tsy noho izy ireo nanaovanareo fifanarahana akaikin’ilay Masjid masina, raha mbola manaja ny mpifanaraka taminareo izy ireo dia hajao ihany koa ny fifanarahana tamin’izy ireo. Marina fa i Allah dia tia ireo mpatahotra Azy."},{"id":8,"translation":"Ahoana moa raha sendra mandresy Anareo izy ireo izay tsy manaja Anareo, na mikasika ny fihavanana izany na momban'ny fifanekena efa vita, fa ataon’izy ireo izay ahafa-po Anareo am-bava fotsiny nefa mandà izany ny fon’izy ireo, satria ny ankamaroan’izy ireo dia mpanao ny asa ratsy."},{"id":9,"translation":"Namidin’izy ireo amin’ny vidiny mora tokoa ny Fanambaran’i Allah, ka nosakanan’izy ireo ny lalàny marina fa tena ratsy tokoa izany asa nataon’izy ireo izany."},{"id":10,"translation":"Tsy manaja velively ny mpino izy ireo na amin’ny fihavanana na amin'ny fifanekena, ary izy irery no tena mpandika ny lalàna."},{"id":11,"translation":"Nefa izy ireo raha mibebaka sy manatanteraka ny Soalat sy mamoaka ny Zakat dia ho rahalahinareo ara-pinoana. Ary izahay dia manazava amin’ny antsipirihany ireo fanambarana ho an’ny vahoaka izay mahalala."},{"id":12,"translation":"Ary raha toa ka nivadika tamin’ny fianianana nataon’izy ireo taorian’ny fifanarahana izy ireo ka mbola nanenjika ny finoanareo dia miadiva Ianareo amin’ireo mpitarika ny fikomiana, satria izy ireo dia tsy mitana ny teny fianianany ary angamba hitsahatra izy ireo."},{"id":13,"translation":"Ahoana Ianareo no tsy miady amin’ny vahoaka izay mivadika amin’ny fianianana no sady mila hanao sesitany ny Iraka, nefa izy ireo no nanafika Anareo voalohany ? Matahotra azy ireo ve Ianareo ? Allah no mendrika hatahorana raha tena mpino marina Ianareo"},{"id":14,"translation":"Miadiva amin’izy ireo Ianareo, hanasazy azy ireo amin’ny alalan’ny tànanareo i Allah sy hanala-baraka azy ireo, ary hanome fandresena Anareo sy fanasitranana ny fon’ireo vahoaka Mpino."},{"id":15,"translation":"Ary hanesotra ny hatezeram-pon’izy ireo Izy, fa i Allah dia mandray fibebahana amin’ireo izay tiany. Ary Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy feno fahendrena."},{"id":16,"translation":"Moa ve mihevitra ianareo fa ho avela fotsiny amin’izao nefa Allah tsy mbola namantatra izay nanao ady masina taminareo, ary izay tsy mbola nitady ho mpiahy ankoatr’i Allah sy ilay irany, ary ireo mpino marina? Ary i Allah dia tena mahalala tsara izay rehetra ataonareo."},{"id":17,"translation":"Tsy anjaran’ireo mpanompo sampy no mameno sy mikarakara ireo masjidin’i Allah, noho izy ireo nitsangana ho vavolombelona amin’ny tsy finoana ny tenany. Ho foana ny asan’izy ireny ary ny afobe no hitoerany mandrakizay."},{"id":18,"translation":"Tena marina fa hameno sy hikarakara ny masjid ireo izay mino Allah sy ny andro farany, manantateraka ny Soalat, mamoaka ny Zakat (ampahan-karena), ary tsy matahotra afa-tsy Allah. Angamba izy ireny no anisan’ireo olona mizotra amin’ny làla-mahitsy."},{"id":19,"translation":"Moa ve nampitovinareo ny mpandray anjara amin’ny fampisotroana rano ireo olona nanao Hadjy (Fivahinianana masina), sy ny mpikarakara ilay Masjid masina ao Makkah, sahala amin’izay nino Allah sy ny andro farany ary nanao Djihady (ady masina) amin’ny làlan’i Allah ? Tsy mitovy velivelly izy ireo eo anatrehan’i Allah. Ary i Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":20,"translation":"Ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao ny Djihady (Ady masina) tamin’ny làlan’i Allah amin’ny alalan’ireo fananan’izy ireo sy ny tenan’izy ireo, dia ambony voninahitra lavitra eo anatrehan’i Allah, ary izy ireny no olona mahazo ny fahombiazana."},{"id":21,"translation":"Milaza vaovao mahafaly amin’izy ireo ny Tompony fa hahazo famindram-po sy fankasitrahana avy Aminy ary ireo zaridaina feno fahasambarana maharitra izy ireo."},{"id":22,"translation":"Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Marina tokoa fa any amin’i Allah no misy valisoa lehibe."},{"id":23,"translation":"Oh Ianareo izay nino, aza raisinareo ho mpiahy Anareo ireo ray aman-dreninareo sy ireo rahalahinareo, raha nisafidy ny tsy finoana nohon’ny finoana izy ireo. Ary n'iza n'iza Aminareo maka azy ireo ho mpiahy dia izy ireny tokoa no tena mpanao ny tsy rariny."},{"id":24,"translation":"Lazao hoe, raha toa ka ny rainareo, ny zanakareo, ny rahalahinareo, ny vadinareo sy ny havanareo, ireo harena izay efa azonareo, ny varotra izay atahoranareo hihena, ary ny fonenana izay mahafinaritra anareo no tianareo kokoa mihoatra an’Allah sy ilay Irany, ary ny ady masina amin’ny làlany, dia andrasonareo àry, fa handefa aminareo ny baikony (saziny) Allah. Fa tsy mitari-dàlana ireo olona ratsy fanahy Allah."},{"id":25,"translation":"Efa nampandresen’Allah tamin’ny toerana maro ianareo, toy ny tamin’ny andron’ny Honayn, ka nireharehanareo tamin’ny habetsahanareo, nefa tsy nahavitanareo na inona na inona akory izany. Fa na dia be velarana aza ilay tany, dia zary lasa tery teo anatrehanareo, ka dia nitari-dositra ianareo."},{"id":26,"translation":"Taorian’izany, dia nampidinin’Allah ny fitoniana avy Aminy, ho amin’ilay Irany sy ireo mpino. Fa nampidina andian-tafika tsy hitanareo maso ihany koa Izy, ka tamin’izany no nanasaziany ireo olona tsy mpino. Fa valin’asa mendrika ireo tsy mpino izany."},{"id":27,"translation":"Avy eo, aorian’izany, Allah dia handray ny fibebahan’ny olona izay tiany, satria i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":28,"translation":"Oh ! Ianareo izay nino, ireo mpanompo sampy dia tena maloto tokoa, aoka izy ireo tsy hanatona intsony an'ilay Al-Masjid Al-Haram (Trano masina), aorian’ity taona ity. Ary raha matahotra fahantrana Ianareo dia Allah no hampanan-karena Anareo amin’ny fanasoavany araka izay sitrany. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":29,"translation":"Miadiva Ianareo amin’ireo izay tsy mino an’i Allah sy ny andro farany, tsy mandrara izay noraran’i Allah sy ny Irany ary tsy miorina amin’ny finoana marina, amin’ireo olona nomena ny boky, mandra-panomezan’izy ireo ny Djizia (hetra) an-tànana ary izy ireo dia efa nanetri-tena."},{"id":30,"translation":"Miteny ireo Djiosy fa i Ozairy dia zanak’i Allah, ary ireo Kristianina miteny hoe i Mesia Issa (jesosy) dia zanak’i Allah. Izany no teny navoakan’ny vavan’izy ireo, maka tahaka ny tenin’ireo tsy mpino tany aloha izy ireo, enga anie i Allah handringana azy ireo. Nahoana no misintaka amin’ny fahamarinana izy ireo ?"},{"id":31,"translation":"Nataon’izy ireo ho tompo ankoatra an’Allah ny mpanora-dalànan’izy ireo sy ireo relijioziny, ary i Mesia zanak’i Maria. Tsy misy didy nomena azy ireo raha tsy hanompo an’Allah tokana. Tsy misy tompo afa-tsy Izy! Voninahitra anie ho Azy! Ambony noho izay atambatr’izy ireo (Aminy) Izy."},{"id":32,"translation":"Mila hamono ny hazavan’i Allah amin’ny alàlan’ny vavany izy ireo ka nefa tsy manaiky i Allah afa-tsy ny hanamafy kokoa ny hazavany na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino."},{"id":33,"translation":"Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dàlana, sy ny finoana marina, mba hametrahany Azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra i Allah amin’ny hafa"},{"id":34,"translation":"Oh Ianareo izay nino, marina fa maro amin’ireo mpamoron-dalàna Djiosy sy ireo Relijiozy no mihinana ireo haren’olona tsy ara-drariny ary manakana ny làlan’i Allah. Ary ireo izay mitahiry vola mena sy vola fotsy nefa tsy mahafoy mandany izany amin’ny làlan’i Allah, lazao azy ireo mialoha ny sazy mamirifiry."},{"id":35,"translation":"Amin’izany andro izany, dia hafanaina amin’ny afobe ireo volamena sy volafotsy, ka dorana amin’izany ny handriny, ny tahezany sy ny lamosin’izy ireo, inty ilay nangoninareo ho an’ny tenanareo, ka andramonareo ankehitriny izay nangoninareo."},{"id":36,"translation":"Ny isan’ireo volana eo anatrehan’i Allah dia roa ambin’ny folo araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Allah, tamin’ny andro nahariany ireo lanitra sy ny tany, misy efatra amin’izy ireo no volana masina (Rajab, zol-kaida, zol-hajy, moharam) : izany no finoana mahitsy. Aza manao ny tsy rariny amin’ny tenanareo ianareo (amin’ireo volana masina ireo). Ary miadiva tsy ankanavaka ianareo amin’ireo mpanompo sampy, tahaka izy ireo miady aminareo tsy manavakavaka. Ary fantaro fa i Allah dia miaraka amin’ireo manam-patahorana (Azy)."},{"id":37,"translation":"Ny fanoloana ny volana iray amin’ny hafa dia tsy misy afa-tsy fampitomboana ny tsy finoana. Ka izany no mahadiso làlana ireo tsy mpino, satria misy ny taona tsy hanajany azy, ary misy taona iray hafa hanajany azy,mba hampirindra ny isan’ny volana izay nataon’Allah ho masina, dia tahaka izany no tsy hanajan’izy ireo izay nataon’Allah ho masina. Nataon’i satana tsara teo imason’izy ireo ny asa ratsiny. Fa Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino."},{"id":38,"translation":"Oh Ianareo izay nino, nahoana Ianareo raha notenenina hoe : \" mivoaha haingana ianareo hiady amin’ny lalan’i Allah, mitambesatra amin’ny tany Ianareo. Ankafizinareo ve ny fiainana eto an-tany noho ny fiainana any an-koatra ? Tsy inona akory ny fiainana eto an-tany raha oharina amin’ny any an-koatra afa-tsy kely ihany."},{"id":39,"translation":"Raha tsy mivoaka hiady Ianareo dia hanasazy Anareo Izy amin’ny sazy mamirifiry, ary ho soloin'ny vahoaka hafa ankoatranareo Ianareo ary tsy havita na inona na inona Aminy Ianareo. Ary i Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":40,"translation":"Na dia tsy namonjy Azy (Mpaminany Mohammad) aza Ianareo dia efa namonjy Azy i Allah, rehefa nanao sesitany azy ireo ireo tsy mpino, ilay faharoa tamin’izy roa. Rehefa niafina tao amin’ny lava-bato izy roa dia niteny Izy (ilay Mpaminany) tamin’ny namany nanao hoe : \" Aza malahelo Ianao, fa i Allah dia tena miaraka amintsika ”, ka nampidinin’i Allah taminy ny fitoniana, ary notohanany izy tamin’ny alàlan’ny miaramila izay tsy hitanareo maso. Ary nataony ho ambany indrindra ny tenin’ireo tsy mpino, fa ny tenin’i Allah no ambony indrindra. Ary Allah no Mahery sy be Fahendrena."},{"id":41,"translation":"Mivoaha Ianareo miady, na mora na sarotra Aminareo izany. Ary miadiva mafy amin’ny fampiasana ny fanananareo sy ny tenanareo amin’ny làlan’i Allah. Izany dia tsara ho Anareo raha fantatrareo."},{"id":42,"translation":"Raha toa ka tombontsoa mora azo na fandehanana akaiky dia nanaraka Anao izy ireo, nefa làlan-davitra sy sarotra tamin’izy ireo ilay toerana. Ary nianiana tamin’i Allah izy ireo nanao hoe : \" Raha afaka izahay dia niaraka taminareo ”. Nanary ny tenany ihany izy ireo. Ary i Allah dia mahafantatra fa tena mandainga izy ireo."},{"id":43,"translation":"Hamela heloka Anao anie i Allah ! Nahoana Ianao no nanome alàlana azy ireo mandra-pahafahanao nanavaka ireo izay nilaza ny marina sy nahafantaranao ireo mpandainga."},{"id":44,"translation":"Tsy hangataka alàlana Aminao ireo izay mino an’i Allah sy ny Andro farany amin’ny fivoahana miady amin’ny làlan’i Allah miaraka amin’ny fananany sy ny tenan'izy ireo. Ary i Allah dia mahalala tokoa izay tena manam-patahorana."},{"id":45,"translation":"Fa hangataka alàlana Aminao kosa ireo tsy mino an’i Allah sy ny andro farany, sady feno fisalasalana ny fon’izy ireo, ka mihambahamba noho izany, ao anaty fisalasalana izy ireo."},{"id":46,"translation":"Ary raha tian’izy ireo marina ny mivoaka miady dia efa niomana tokoa izy ireo, nefa tsy nankasitrahan’i Allah ny fandehanan’izy ireo, ka nataony kamo izy ireo, ary nisy niteny tamin’izy ireo nanao hoe : \" Mijanonà àry Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona.\""},{"id":47,"translation":"Raha niaraka nivoaka taminareo izy ireo, dia tsy ho nanao afa-tsy ny nampitombo tebiteby taminareo sy nandrava ny laharanareo, nikatsaka fisaraham-bazana teo Aminareo. Ary nisy taminareo no nihaino azy ireo. Ary i Allah dia mahalala ireo izay mpanao ny tsy rariny."},{"id":48,"translation":"Ary efa nikatsaka nanao asa fanakorontanana izy ireo teo aloha ka nasavoritak’izy ireo ny raharaha rehetra Nataonao mandra-pahatongan’ny fahamarinana ka nampiharihary ny didin’i Allah, na dia nankahala izany aza izy ireo."},{"id":49,"translation":"Ary nisy tamin’izy ireo izay niteny nanao hoe : \" mangataka alàlana hijanona Aho, ary aza avela ho azon’ny fakam-panahy Aho ” ka moa va tsy mbola ny fakam-panahy ihany no naharendrika azy ireo ? Eny, ny Afobe tokoa no manodidina ireo tsy mpino."},{"id":50,"translation":"Raha misy fahasoavana Azonao, dia mankarary azy ireo izany, fa raha misy fahoriana kosa manjo Anao dia miteny izy ireo hoe : \" Soa ihany fa efa naka fitandremana mialoha izahay ”. Mitodi-damosina izy ireo no sady feno hafaliana."},{"id":51,"translation":"Teneno hoe : \" Tsy misy zavatra hanjo Anay afa-tsy izay efa voasoratr’i Allah ho Anay. Izy no Mpiahy Anay ”. Ary aoka hiantehitra amin’i Allah ireo Mpino."},{"id":52,"translation":"Teneno hoe : \" Inona no andrasanareo Aminay, afa-tsy ny iray amin’ireto zava-tsoa roa ireto (fandresena, maty martiora) ? fa izahay kosa miandry ny handefasan’i Allah sazy ho Anareo, avy Aminy na avy amin’ny tànanay ka andraso àry, fa Izahay koa mba miandry miaraka Aminareo ”."},{"id":53,"translation":"Teneno hoe : \" Mandania harena antsitra-po na ankahalalana Ianareo fa tsy ho raisina velively izay avy Aminareo, satria Ianareo vahoaka mpanao asa ratsy.”"},{"id":54,"translation":"Ary tsy misy manakana ny handraisana ny fanomezana avy amin’izy ireo afa-tsy noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, sy tsy tonga nanatanteraka ny soalat afa-tsy ao anaty hakamoana ary tsy manao fandaniana izy ireo afa-tsy ankahalàna."},{"id":55,"translation":"Koa aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! Ary i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) amin’ny fiainana ety an-tany sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana."},{"id":56,"translation":"Ary izy ireo (mpiatsaravelatsihy) dia mianiana amin’i Allah fa tena anisan’ny namanareo; ka nefa izy ireo dia tsy mba anisan’ny namanareo akory, fa izy ireo dia tena vahoaka saro-tahotra."},{"id":57,"translation":"Raha mahita fialofana izy ireo, na lava-bato na zohy ambanin’ny tany, dia tena mandositra sy mihazakazaka mankany mihitsy."},{"id":58,"translation":"Misy amin’izy ireo manakiana Anao mahakasika ny fizarana ireo Soadakàt [88], raha omena amin’izany izy ireo dia faly, fa raha tsy omena izany kosa izy ireo, indro fa tezitra mafy tokoa izy ireo."},{"id":59,"translation":"Ary raha izy ireo tena afa-po tamin’izay nomen’i Allah azy ireo sy ny Irany, dia niteny izy ireo nanao hoe : \" Ampy anay i Allah, dia omen’i Allah ny amin’ny fahasoavany izahay sy ny Irany. Marina fa ny fanirinay rehetra dia mankany amin’i Allah.”"},{"id":60,"translation":"Ny harena fiantrana (Zakat) dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesaran’ny trosa sy ireo miasa amin’ny làlan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah."},{"id":61,"translation":"Ary misy amin’izy ireo manenjika ny Mpaminany sy miteny manao hoe : \" Izy dia tia mihaino izay rehetra tenenin’olona.” Teneno hoe : \" Ny fihainoana dia mahatsara Anareo : Mino an’i Allah izy sy manam-pahatokisana ireo mpino, ary izy no famindram-po ho an’ireo izay mino Aminareo. Ary ireo izay manenjika ny Irak’i Allah dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.”"},{"id":62,"translation":"Mianiana amin’i Allah eo anatrehanareo izy ireo mba hahazo ny fahafaham-ponareo. Nefa i Allah sy ny Irany no mendrika hitadiavan’izy ireo fahafaham-po, raha tena Mpino marina izy ireo."},{"id":63,"translation":"Moa ve tsy fantatr’izy ireo fa izay manohitra an'i Allah sy ny Irany dia ho sazina amin'ny afon’ny Helo (Afobe) ka hitoetra ao mandrakizay izy? Izany tokoa ilay fahafaham-baraka lehibe."},{"id":64,"translation":"Matahotra ireo mpihatsaravelatsihy sao hisy antokontsoratra hampidinina, ka hamboraka izay nokoboniny tao ampony. Ka lazao hoe: “Ataovy ihany ny fanesoanareo! Fa Allah dia tsy maintsy hampiseho izay natahoranareo”."},{"id":65,"translation":"Ary raha hanontany izany amin’izy ireo ianao, dia hamaly izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia niresaka sy nilalao fotsiny”. Teneno hoe : “ Amin’i Allah sy ireo fanambarany ary amin’ny Irany ve no hanaovanareo vazivazy? ”"},{"id":66,"translation":"Aza manadio tena eo intsony Ianareo : “ Efa tsy nino Ianareo taorian’ny finoanareo, raha mandefitra amin’ny sasany Aminareo izahay dia tsy handefitra kosa amin’ny sasany hafa, satria izy ireo dia mpanao heloka bevava ”."},{"id":67,"translation":"Ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, dia nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany, mifaniraka amin’ny ratsy sy mifandrara amin’ny tsara, manakombona ny tànany izy ireo, nanadino an’i Allah izy ireo ka nanadino azy ireo koa Izy. Marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mpanao ratsy."},{"id":68,"translation":"Ary i Allah dia nampanantena ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo tsy mpino ny Djahannam (ny Afobe) hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ampy ho azy ireo izany. Ary nanozona azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo ny sazy maharitra."},{"id":69,"translation":"Tahak’izany koa ireo teo alohanareo : Tena nanana fahatanjahana noho Ianareo, ary nanana harena sy zanaka mihoatra Anareo izy ireo. Nifaly tamin’ny anjarany izy ireo (teto an-tany), ary nifaly tamin’ny anjaranareo koa Ianareo, tahaky ny nifalian’ireo teo alohanareo tamin’ny anjaran’izy ireo. Ary niady hevitra Ianareo tahaka izy ireo niady hevitra. Izy ireny dia foana tanteraka ny asany teto an-tany sy ny any an-koatra. Ary izy ireny no tena maty antoka."},{"id":70,"translation":"Moa ve tsy tonga tamin’izy ireo ny tantaran’izay teo alohan’izy ireo : Ny vahoakan’i Noa, ny AAD, ny Tamod ary ny vahoakan’i Ibrahim sy ireo olon’ny Madiàna sy ilay Tanàna natsimbadibadika (ambony sy ambany) ? Tonga tamin’izy ireo tokoa ireo Irany niaraka tamin’ireo porofo mazava. Tsy i Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany."},{"id":71,"translation":"Ary ireo mpino lahy sy vavy, mifanampy ny andaniny sy ny ankilany, maniraka amin’ny tsara sy mandrara ny ratsy izy ireo, sy manatanteraka ny Soalat ary mamoaka ny Zakat, ary mankato an’i Allah sy ny Irany. Izy ireny no hamindran’i Allah fo, marina tokoa fa i Allah no Mahery sy be Fahendrena."},{"id":72,"translation":"Allah dia nampanantena ireo mpino lahy sy vavy, ireo zaridaina izay misy renirano mikoriana ao ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Ary ny fahafaham-pon’i Allah no lehibe indrindra, izany ilay fahombiazana lehibe indrindra."},{"id":73,"translation":"Ry Mpaminany ! tohero ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ary aoka ianao ho henjana amin’izy ireo, ka Afobe no tperana fialofan’izy ireo, ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":74,"translation":"Mianiana amin’Allah izy ireo fa tsy niteny (izay nolazain’izy ireo), kanefa marina fa nanao teny tsy finoana izy ireo, ka dia nanary ny finoana taorian’ny naha mpankato azy ireo, nefa nikasa hanao zavatra izay tsy vitany ho tanterahina izy ireo, ka tsy manana fanakianana hatao raha tsy amin’Andriamanitra sy ny Irany izay nanenika azy ireo tamin’ny Fahasoavany. Raha nibebaka izy ireo, dia tsara ho azy izay. Fa raha nandà kosa izy ireo, dia hosazian’Allah amin’ny famaizana mamirifiry eto an-tany sy any an-koatra; ka tsy hanana namana na mpamonjy izy ireo eny ambonin’ny tany."},{"id":75,"translation":"Ary nisy tamin’izy ireo nanao teny fampanantenana tamin’Allah hoe : “Raha manome ny fahasoavany aminay Izy, dia handoa ny harena fiantrana (zakat) izahay, ary ho isan’ireo olona tsara”."},{"id":76,"translation":"Nefa raha nomeny tamin’ny fahasoavany izy ireo, dia lasa nahihitra ary nandà sady nanalavitra."},{"id":77,"translation":"Nataony teraka tao am-pon’izy ireo ny fihatsarambelatsihy, ary izany dia mandra-pahatongavan’ny andro izay hihaonan’izy ireo Aminy, noho izy ireo nitsipaka an’i Allah tamin’izay nampanantenany Azy sy noho izy ireo nandainga."},{"id":78,"translation":"Moa ve tsy fantatr’izy ireo fa i Allah dia mahafantatra ny miafin’izy ireo sy ny resany mangingina, tena marina fa i Allah dia mahalala tanteraka ireo zava-miafina."},{"id":79,"translation":"Ireo izay manendrikendrika sy maneso ny mpino manao asa fiantrana an-tsitrapo, sy ireo izay tsy mahita afa-tsy izay kely ananany (hatolotra), dia haneso azy ireo anie Allah. Ka dia hahazo famaizana mamirifiry izy ireo."},{"id":80,"translation":"Na mangataka famelan-keloka ho azy ireo Ianao, na tsy mangataka famelan-keloka ho azy ireo, ary na dia mangataka famelan-keloka im-pitopolo ho azy ireo aza Ianao dia tsy hamela azy ireo mihitsy i Allah. Izany dia noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, ary i Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ratsy."},{"id":81,"translation":"Ireo izay najanona taoriana dia nifaly fa afaka nijanona tany amin’izy ireo taorian’ny irak’i Allah, satria nankahala ny handeha hanao Djihad izy ireo miaraka amin’ny hareny sy ny vatany amin’ny làlan’i Allah, ka niteny izy ireo nanao hoe : \" Aza mandeha miady amin’izao andro mafana be izao Ianareo ! ”. Teneno hoe : \" Ny afon’ny Djahannam (Afobe) dia mafana bebe kokoa ”. Raha fantatr’izy ireo izany !"},{"id":82,"translation":"Koa aoka izy ireo hihomehy kely, fa hitomany betsaka kosa ho valin’izay nataon’izy ireo."},{"id":83,"translation":"Raha averin’i Allah amin’ny andiana iray amin’izy ireo Ianao, ka mangataka alalana hivoaka miaraka Aminao hiatrika ny ady izy ireo, dia teneno hoe : \" Tsy hivoaka velively miaraka Amiko Ianareo, ary tsy hiatrika ady miaraka Amiko intsony Ianareo satria Ianareo nankasitraka ny fijanonana tany Aminareo tany am-boalohany; noho izany dia mijanonà Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana."},{"id":84,"translation":"Ary aza manao Soalat mihitsy Ianao amin’iray izay maty (1) amin’izy ireo, ary aza mitsangana ihany koa Ianao eo akaikin'ny fasany, satria tsy nino an’i Allah sy ny Irany izy ireo, ary maty sy mpanao ratsy izy ireo."},{"id":85,"translation":"Ary aza atao mahatalanjona Anao akory ny fananan’izy ireo sy ny zanak’izy ireo ! fa i Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanasaziana azy ireo amin’ny fiainana ety an-tany avy amin’ny alalan’izany (harena sy zanaka) sy hanasarotra ny fialan’ny fanahin’izy ireo ao anaty tsy finoana."},{"id":86,"translation":"Ary rehefa nidina ny soraty (andian-tsoratra masina) nandidy ka nanao hoe : \" Minoa an’i Allah sy manaova Djihadi miaraka amin’ilay irany ”. Mangataka alalana Aminao ireo izay manan-katao amin’izy ireo (mba tsy handray anjara amin’izany), ary miteny izy ireo hoe : Avelao izahay hijanona miaraka amin’ireo mpijanona."},{"id":87,"translation":"Afa-po izy ireo fa niaraka tamin’ireo mpijanona taty aoriana. Voahidy mafy ny fon’izy ireo ka tsy afaka mahalala intsony."},{"id":88,"translation":"Nefa ilay Iraka sy ireo izay nino niaraka Taminy kosa dia nanao jihad tamin’ny alalany ny fananan’izy ireo sy ny vatany. Izy ireny no hahazo zava-tsoa ary izy ireny ihany koa no hahazo ny fahombiazana."},{"id":89,"translation":"Nanomana zaridaina (Paradisa) ho azy ireo Allah izay ikorianan’ny renirano eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay. Fa fahombiazana lehibe izany."},{"id":90,"translation":"Ary tonga ireo arabo mpifindra monina niala tsiny mba omena alàlana (tsy handray anjara amin’ny jihad) izy ireo. Ary nijanona tany aminy ireo izay nandainga tamin’i Allah sy ny Irany. Hahazo ny sazy mamirifiry ireo izay tsy nino tamin’izy ireo."},{"id":91,"translation":"Tsy misy tsiny ho an’ireo osa, na ireo marary, na koa ireo izay tsy mahita hamatsiana tena, raha mendri-pitondran-tena eo anatrehan’i Allah sy ny irany izy ireo. Tsy misy antony hanomezan-tsiny ihany koa ireo mpanao asa soa. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":92,"translation":"Na ho an’ireo izay tonga nanantona Anao mba hitondranao azy ireo, ka hiteny Ianao manao hoe : \" Tsy mahita izay hitondrako Anareo Aho ”. Niverina izy ireo no sady nanganohano ny mason’izy ireo, nalahelo izy ireo nohon'ny tsy fahitany izay hamatsiana tena."},{"id":93,"translation":"Tena marina fa, ny fanomezan-tsiny ho an’ireo mangataka alalana Aminao (mba tsy handray anjara amin’ny ady) nefa izy ireo dia mpanan-karena. Mahafaly azy ireo ny mijanona miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana. Ary i Allah dia nanidy mafy ny fon’izy ireo, nefa izy ireo tsy afaka nahafantatra izany intsony."},{"id":94,"translation":"Miala tsiny aminareo izy ireo raha miverina any aminy ianareo. Lazao hoe : “Aza miala tsiny, fa tsy mino anareo velively izahay; efa nampahafantarin’Allah anay, ny vaovao mikasika anareo, ary ho hitan’Allah sy ny Irany ny asanareo. Avy eo, dia ho entina any amin’Ilay Mahafantatra tsara ny miafina sy ny hitamaso ianareo, koa hampahafantarany anareo izay nataonareo”."},{"id":95,"translation":"Hianiana amin’i Allah eo imasonareo izy ireo raha tafaverina any aminy Ianareo mba ho hamaivaninareo ny hadisoan’izy ireo. Hitodi-damosina izy ireo satria izy ireo dia loto ary ny Jahannam (Afobe) no fialofan’izy ireo, ho valin’ny asa izay nataony."},{"id":96,"translation":"Hianiana Aminareo izy ireo mba hankasitraka azy ireo Ianareo, raha mankasitraka azy ireo Ianareo, fa i Allah kosa dia tsy hankasitraka ireo vahoaka mpanao ny ratsy."},{"id":97,"translation":"Ireo arabo mpifindra-monina dia tena mihizingizina amin’ny tsy finoana sy feno fihatsarambelatsihy, tena nirona tamin’ny tsy firarahina ny didy izay nampidinin’i Allah tamin’ny Irany izy ireo. Ary i Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena."},{"id":98,"translation":"Ary misy amin’ireo Arabo mpifindra-monina no mandray fa ny fandaniana ataony dia toy ny sazy, ka miandry mandrakariva ny hivadian’ny fiainanareo ho ratsy izy ireo. Enga anie hianjera amin’izy ireo ny loza ! Ary i Allah dia Mandre sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":99,"translation":"Ary misy ihany koa amin’ireo Arabo mpifindra-monina no mino an’i Allah sy ny Andro farany, ka mandray ny fandaniana ataony ho fanakaikaizana an’i Allah sy mba ahazoan’izy ireo ny valim-bavaka ataon’ilay Iraka. Moa va tsy tena fomba fanakaikaizana (an’i Allah) ho azy ireo izany ? Eny, hampidirin’i Allah ao amin’ny indrafony izy ireo. Tena marina, fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":100,"translation":"Ireo mpino voalohany nialoha làlana tamin’ireo mpifindra-monina sy ny mpanampy (tompon-tany ao Madina) ary ireo izay nanaraka azy ireo tamin’ny fitondran-tena tsara, dia nankasitraka azy ireo Allah ary izy ireo dia nankasitraka Azy ihany koa. Ary Allah dia nanomana ho azy ireo, ireo zaridaina misy renirano maro mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay doria izy ireo. Izany no fahombiazana lehibe indrindra."},{"id":101,"translation":"Ary misy amin’ireo Arabo mpifindra-monina izay manodidina Anareo no mpihatsaravelatsihy ary misy ihany koa amin’ireo vahoakan’ny Madina, mifikitra amin’ny fiatsaram-belatsihy izy ireo. Tsy mahafantatra azy ireo Ianao, fa Izahay kosa dia mahafantatra azy ireo. Ho sazinay in-droa izy ireo, avy eo dia havarina ao amin’ny sazy lehibe."},{"id":102,"translation":"Ary ny sasany tamin’izy ireo dia niaiky ny fahotany, nampifangaro ny asa soa tamin’ny ratsy izy ireo. Angamba i Allah handray ny fibebahan’izy ireo. Tena marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":103,"translation":"Makà ampahany amin’ny fananan’izy ireo Ianao mba hanadiovanao sy hanomezanao azy ireo tsodrano avy amin’ny alalan’izany. Mivavaha ho azy ireo Ianao, fa ny vavaka ataonao azy ireo dia tena fitoniana ho azy ireo ary Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":104,"translation":"Moa ve tsy fantatr’izy ireo tokoa fa i Allah no mandray fibebahan’ireo mpanompony sy mandray ireo fanomezana. Marina fa i Allah no mandray ny Fibebahana sy be Fiantrana."},{"id":105,"translation":"Ary teneno hoe : “ Miasà Ianareo, fa ho hitan’i Allah sy ny Irany ary ny olon-drehetra ny Asanareo ary ho averina any amin’Ilay Mahafantatra ny miafina sy ny hita maso Ianareo ary ho lazainy Anareo izay rehetra nataonareo."},{"id":106,"translation":"Ary ireo sasany hafa dia navela eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitr’i Allah, na ho saziany izy ireo na ho avelany ny helok’izy ireo. Ary Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena."},{"id":107,"translation":"Ireo izay nanangana trano fiankohofana (masjid) hatao toeram-pifandrafiana sy fikomiana, ary fampisarahambazana ireo mpino, ka nanomana izany ho an’ireo niady tamin’Allah sy ny Irany teo aloha, izay mianiana manao hoe : “Tsy maniry afa-tsy ny tsara izahay!”, ary hamafisin’Allah fa mandainga izy ireo."},{"id":108,"translation":"Aza mitsangana mihitsy Ianao (manao soalat) ao amin’izany (toerana izany) fa ny masjid naorina tamin’ny fatahorana Allah hatramin’ny Andro voalohany no mendrika kokoa hitsangananao (hanaovana soalat) ao Aminy. Misy Olona mitady hanadio ny tenany (fanahiny) ao, ary Allah dia tia Olona madio."},{"id":109,"translation":"Moa ve izay nanorina ny tranony (masjid) amim-patahorana sy amim-pankasitrahana no tsara sa izay nanorina ny trano (masjid) eo amoron-tevana ka nokahoin-driaka ka dia nirodana niaraka taminy nivarina ao anaty Afobe jahannam Izy. i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":110,"translation":"Ny trano izay naorin’izy ireo dia loharanon’ny fisalasalana mandrakariva ao am-pon’izy ireo, mandra-paharovitry ny fon’izy ireo. Ary i Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena."},{"id":111,"translation":"Marina fa i Allah dia nividy tamin’ireo mpino ny tenan’izy ireo sy ny fananany ho takalon’ny paradisa. Miady amin’ny làlan’i Allah izy ireo, ka namono nahafaty izy ireo ary nisy maty novonoina ihany koa. Izany no fampanantenana marina avy Aminy ao amin’ny Thora sy ny Evanjely ary ny Koroany. Fifanekena nataony tamin’i Allah. Iza moa no mendrika kokoa noho i Allah eo amin’ny fanatanterahana ny fifanekeny ? Mifalia àry Ianareo nohon'ny fifanakalozana nifanaovanareo Taminy. Izany no fahombiazana miezinezina lehibe indrindra."},{"id":112,"translation":"Izy ireo dia izay mibebaka, manompo, midera, mandeha eran-tany ho fanompoana an’Allah, miondrika, miankohoka, mampirisika amin’ny tsara, mandrara amin’ny ratsy, mitandrina ny didin’Allah, ary ilazao vaovao tsara ireo mpino."},{"id":113,"translation":"Tsy anjaran’ny Mpaminany sy ireo izay nino ny mangataka famelan-keloka ho an’ireo tsy mpino. Eny, na dia havany akaiky aza izy ireo, taorian’ny porofo miharihary tamin’izy ireo fa tena Olon’ny Afobe tokoa izy ireny."},{"id":114,"translation":"Ary tsy inona akory ny fangataham-pamelan-keloka nataon’i Ibrahim tamin’ny Rainy afa-tsy ny fampanantenana izay natao Taminy, fa rehefa miharihary Taminy mazava fa Izy (rainy) dia fahavalon’i Allah, dia nandà Azy Izy. ka tena marina fa i Ibrahim dia mpanetry tena sy tsara fanahy."},{"id":115,"translation":"Ary tsy fanaon’i Allah ny hamery ny vahoaka taorian’ny nitarihany azy ireo lalàna mandra-panazavany tamin’izy ireo tsara izay tokony hatahoran’izy ireo. Tena marina fa i Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":116,"translation":"Tena marina fa an’i Allah ny fanjakana any amin’ireo lanitra sy ny tany, mamelona sy mamono Izy ka tsy misy afa-tsy i Allah irery ihany no Mpiahy sy Mpanavotra Anareo."},{"id":117,"translation":"Allah dia nandray ny fibebahan’ny Irany, sy ireo mpifindra-monina, ary ireo nanohana azy izay niaraka taminy, tamin’ny fotoan-tsarotra, rehefa teo an-dàlam-piviliana ny fon’ny vondron’olona iray tamin’izy ireo. Avy eo, dia noraisiny ny fibebahan’izy ireo, satria Mangoraka sy Mamindra-fo azy ireo Izy."},{"id":118,"translation":"Ary nandray ny fibebahan’ireo telo lahy izay nijanona tao aoriana Izy, rehefa nihatery tamin’izy ireo ilay tany, na dia midadasika aza, nahatsapa tena tokoa izy ireo fa tao anaty fahaterena ary nihevitra izy ireo fa tsy misy làlan-kivoahana hafa mankany amin’i Allah raha tsy ny fiverenana Aminy. Koa avy eo dia nandray ny fibebahan’izy ireo Izy mba hiverenan’izy ireo Aminy. Satria i Allah no Mpandray ny fibebahana sy be Fiantrana."},{"id":119,"translation":"Oh Ianareo izay nino, matahora an’i Allah Ianareo ary miaraha amin’ireo Olo-marina."},{"id":120,"translation":"Tsy tokony ataon’ireo mponin’ny Madina sy ireo mpifindra-monina Arabo manodidina azy ireo, ny nitaraidraika aorian’ilay Irakan’i Allah sy nitia ny ain’izy ireo mihoatra ny Azy. Satria izy ireo dia tsy hahatsapa hetaheta, na harerahana na hanoanana amin’ny làlan’i Allah. Ary tsy hanitsaka toerana izay hampatezitra ireo tsy mpino izy ireo. Ary tsy ahazo tombontsoa amin’ny fahavalo na dia kely aza, raha tsy izay efa voasoratra ho azy ireo amin’ny alalan’izany ny fanaovana asa soa. Tena marina, fa tsy avelan'i Allah ho very ny valisoan’ireo mpanao asa soa."},{"id":121,"translation":"Tsy hanao fandaniana mihitsy izy ireo, na kely na lehibe ary tsy hamakivaky lohasaha raha tsy efa voasoratra ho an’izy ireo izany, mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa mendrika indrindra amin’ireo asa nataony."},{"id":122,"translation":"Tsy tokony handao ny tokatranony daholo ireo mpino rehetra. Nahoana ireo andiany sasany amin’ny foko tsirairay no tsy tonga manovo ny fahalalana mahakasika ny finoana mba ahafahan’izy ireo mampitandrina ny vahoakany rehefa miverina any aminy izy ireo. Angamba hitandrina izy ireo."},{"id":123,"translation":"Oh Ianareo izay mino, miadia amin’ireo tsy mpino izay akaikinareo Ianareo, ka mba hahita ny fahenjananareo izy ireo. Ary fantaronareo fa Allah dia miaraka tokoa amin’ireo manam-patahorana."},{"id":124,"translation":"Ary raha misy antokon-tsoratra masina iray nidina, dia misy amin’izy ireo ny miteny hoe : “Iza aminareo no nampitomboiny finoana?”. Fa ho an’ireo mpino kosa, dia ampitombo ny finoan’izy ireo izany, ka ho faly izy ireo."},{"id":125,"translation":"Fa ireo izay misy aretina kosa ny fony, dia vao maika nanampy ny fahalotoana ho fanampin’ny fahalotoan’izy ireo izany, ka maty tsy mpino izy ireo."},{"id":126,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo, fa tsapaina indray mandeha na in-droa isan-taona izy ireo ? Na dia izany aza, dia tsy nibebaka na nahatsiaro tena izy ireo."},{"id":127,"translation":"Ary raha nidina ny antokon-tsoratra masina iray, dia nifampijery izy ireo (ary nifampiteny): “Moa misy mahita va ianareo?”. Avy eo dia nivily làlana izy ireo. Aoka havilin’Allah ny fon’izy ireo, satria olona tsy mandinika."},{"id":128,"translation":"Marina, fa tonga taminareo ny Iraka notsongaina avy aminareo, izay nivesatra ny fahasahirananareo, ka feno fiahiana anareo, ary mangoraka sy mamindra-fo ireo mpino."},{"id":129,"translation":"Ary raha mitodi-damosina izy ireo dia teneno hoe : \" Ampy Ahy i Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Aminy no ametrahako ny fitokisako ary Izy no Tompon’ilay seza fiandrianana lehibe."}]},{"id":10,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF, LAM, RA, indro ireo andinin’ilay Boky feno Fahendrena."},{"id":2,"translation":"Moa ve mahagaga ireo Olona fa Izahay dia nandefa fanambarana tamin’ny lehilahy iray avy tamin’izy ireo : “ Ampitandremo ireo Olona ary lazao vaovao mahafaly ireo mpino fa manana toerana mendrika izy ireo eo anatrehan’ny Tompony.\" Niteny ireo tsy mpino ka nanao hoe : \" Marina tokoa fa io Olona io dia tena mpanao majika miharihary.”"},{"id":3,"translation":"Marina fa ny Tomponareo dia i Allah, izay nahary ireo lanitra sy ny tany nandritry ny enin’andro, avy eo dia nitoetra “ Istaoa ” teo amin’ny seza fiandrianany Izy, mandrindra ny zava-drehetra. Tsy misy ho mpanelanelana raha tsy mahazo alalana avy Aminy. izany ilay Allah Tomponareo. Tompoinareo àry Izy ! Moa ve tsy mahatsapa izany Ianareo ?"},{"id":4,"translation":"Any Aminy no hiverenananareo rehetra, izany no fampanantenan’i Allah amim-pahamarinana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany, avy eo dia hamerina izany Izy mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny. Ary ho an’ireo izay tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy mamirifiry, noho izy ireo tsy nino !"},{"id":5,"translation":"Izy no nanao ny masoandro ho famirapiratana sy ny volana ho fahazavana ary nalahany ho manana ambaratongam-piovaovana izany, mba hafantaranareo ny isan’ny taona sy ny fikajiana ny fotoana. Tsy nahary izany Allah raha tsy amim-pahamarinana. Hazavainy antsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana."},{"id":6,"translation":"Marina fa eo amin’ny fifadimbiasan’ny alina sy ny andro ary koa eo amin’izay rehetra noharian’i Allah any amin’ireo lanitra sy ny tany dia tena misy famantarana maro ho an’ireo vahoaka manam-patahorana (an’i Allah)."},{"id":7,"translation":"Ireo izay tsy manantena mihitsy ny fihaonana Aminay sy afa-po amin’ny fiainana eto an-tany ka mahatsapa fitoniana izy ireo amin’izany ary koa ireo izay tsy mitandrina ireo famantaranay,"},{"id":8,"translation":"Izy ireny dia ny Afobe no fialofan'Izy ireo nohon'ny asa izay nataon'izy ireo."},{"id":9,"translation":"Marina fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa dia tarihin’ny Tompony làlana izy ireo nohon'ny finoan'izy ireo. Hikoriana eo ambanin’izy ireo, ireo renirano ao anatin’ireo zaridainan’ny fahafinaretana."},{"id":10,"translation":"Ny fitalahoan’izy ireo ao (am-paradisa) dia manao hoe : \" Voninahitra anie ho Anao, ry Allah ”, ary ny fiarahaban’izy ireo ao dia ny hoe : \" Fiadanana ” ary faran’ny fitalahoan’izy ireo dia ny hoe : \" Dera ho an’i Allah izay Tompon’izao tontolo izao.\""},{"id":11,"translation":"Ary raha hafainganin’i Allah amin’ny Olona ny fahoriana tahaka ny fitadiavan’izy ireo hanafainganana ny hasoavana, dia efa tapitra izay ny fe-potoana hiainan’izy ireo ka nefa avelanay ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ao amin’ny fihoaram-pefin'izy ireo ka hiaina tanteraka ao anatin’ny fahajambana izy ireo."},{"id":12,"translation":"Ary rehefa misy loza manjo ny Olombelona dia miantso Anay ho eo ankilany izy, na am-pipetrahana na am-pitsanganana. Ary rehefa navotanay tamin’ny fahoriany izy, dia toy ny tsy niantso Anay mihitsy izy tamin’ny fahoriana izay nanjo Azy. Tahak’izany no nampihaingoana tamin’ireo mpanao fandanindaniam-poana ny asa izay ataony."},{"id":13,"translation":"Naringanay ireo taranaka talohanareo raha nanao ny tsy rariny izy ireo, nefa ny Irak’izy ireo dia tonga teo aminy miaraka amin’ireo porofo mazava, fa tsy te-hino izy ireo. Toy izany no hamalianay ireo olo-meloka."},{"id":14,"translation":"Avy eo dia nataonay ho mpandimby teto an-tany taorian’izy ireo Ianareo, mba hijerenay ahoana no Ataonareo."},{"id":15,"translation":"Ary rehefa novakiana tamin’izy ireo mazava tsara ireo teninay, dia niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ka nanao hoe : \" Mitondrà Koroany hafa ankoatra ity Ianao na ovay io ”. Teneno hoe : \" Tsy anjarako mihitsy ny hanova azy io araka ny sitrapoko. Tsy manaraka afa-tsy izay nambara Tamiko Aho. Tena marina fa Izaho dia matahotra, raha tsy mankato ny Tompoko, dia ahazo ny famaizana amin’ny Andro lehibe ”."},{"id":16,"translation":"Teneno hoe : \" Raha sitrak’i Allah dia tsy novakiko taminareo izy io ary tsy nampahafantatra (Allah) Anareo ihany koa Izy. Efa niara-nipetraka Taminareo nandritry ny taona maro ny Tenako talohan’izany. Moa va tsy mandinika Ianareo ?"},{"id":17,"translation":"Fa iza no tena mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’i Allah na koa milaza fa lainga ireo teniny ? Tena marina, fa tsy ahazo fahombiazana ireo mpanao heloka bevava."},{"id":18,"translation":"Ary manompo zavatra hafa ankoatr'i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanao ratsy no sady tsy afaka hanasoa azy ireo akory ary miteny izy ireo manao hoe : \" Izy ireto no mpanelanelana Anay eo anatrehan’i Allah \". Teneno hoe : \" Moa ve hampahalala an’i Allah izay tsy fantany any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany Ianareo ? ” Voninahitra sy laza anie ho Azy ! Ary ambony lavitra Izy noho izay atambatr’izy ireo Aminy ”."},{"id":19,"translation":"Ary tsy inona ny Olombelona afa-tsy vahoaka iray ihany tany am-piandohana, kanefa dia nifanipa-kevitra izy ireo ary raha tsy ny Teny efa vita mialoha avy amin’ny Tomponao, dia efa notsarain’i Allah izy ireo amin’izay nampifanolana azy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : \" Raha mba misy fahagagana midina Aminy avy amin’ny Tompony ! ” Teneno hoe : \" Izao ihany no izy, ho an’i Allah irery ihany ny zava-miafina, koa miandrasa Ianareo fa Izaho koa dia anisan’ny mpiandry miaraka Aminareo."},{"id":21,"translation":"Ary raha nampandramananay ny famindram-po ireo Olona taorian’ny fahoriana nahazo azy dia indro izy ireo manomana teti-dratsy mikasika ireo Teninay. Teneno hoe : ” Allah no haingana indrindra amin’ny fanomanana tetika. Tena marina fa ireo Irakay (ireo Anjely) dia manoratra ny teti-dratsinareo."},{"id":22,"translation":"Izy no mampandeha Anareo eto an-tany sy eny ambonin-dranomasina, ka rehefa ao anaty sambo mitondra Olona Ianareo, izay misosa nohon'ny rivotra tsara dia faly amin’izany izy ireo. Dia tonga tampoka tamin’izy ireo ny rivo-mahery ary tonga tamin’izy ireo ihany koa ny onja avy amin’ny lafiny rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voadidin’ny loza ka nitalaho tamin’i Allah izy ireo tamim-pinoana Azy tanteraka (no sady niteny hoe) : \" Raha avotanao amin’izao izahay dia anisan’ireo mpankasitraka Anao.”"},{"id":23,"translation":"Nony novonjeny anefa izy ireo, dia indro, teny an-tanety fa nandika tsy ara-drariny ny lalàna. “Ry olombelona! Tsy hiantefa afa-tsy aminareo ihany ny fandikanareo lalàna, fa fahafinaretana mandalo amin’izao fiainana izao izany. Avy eo, dia any Aminay no fiverenanareo, ka ampahatsiarovinay anareo izay nataonareo."},{"id":24,"translation":"Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay."},{"id":25,"translation":"Ary i Allah dia miantso mankany amin’ny fonenana feno fiadanana ary mitari-dàlana izay sitrany ho amin’ny làla-mahitsy."},{"id":26,"translation":"Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":27,"translation":"Ary ireo izay nanao asa ratsy kosa dia ho azy ireo ny valiny mitovy amin’izany. Ary handrakotra azy ireo ny fahafam-baraka. Tsy manana mpiaro izy ireo hiatrika i Allah toy ny voarakotry ny sombin’ny haizin’ny alina ny tarehin’izy ireo. Izy ireny no Olon’ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":28,"translation":"Ary amin’ny Andro hanangonanay azy rehetra, avy eo dia hiteny Izahay amin’ireo izay nanakambana Allah amin’ny hafa hoe : \" Raiso ny toeranareo, Ianareo sy ireo mpiombon’antoka taminareo.” Hampisarahanay izy ireo ary hiteny ireo mpiombon’antoka amin’izy ireo hanao hoe : \" Tsy Izahay velively no notompoinareo.”"},{"id":29,"translation":"Ary ampy ho vavolombelona Aminay sy Anareo i Allah. Izahay dia tsy mahalala tanteraka mahakasika ny fanompoanareo."},{"id":30,"translation":"Amin’izany dia hatsapa izay nataony teo aloha ny tsirairay. Haverina izy ireo any amin’i Allah Tompon’izy ireo ilay marina ary very, nandao azy ireo izay noforonin'izy ireo."},{"id":31,"translation":"Teneno hoe : \" iza no manome anjara ho Anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana ary iza no mamoaka ny velona amin’ny maty sy mamoaka ny maty amin’ny velona ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra ? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : \" Allah ”, ka teneno hoe : \" ka moa tsy matahotra Azy va ianareo ? ”"},{"id":32,"translation":"Izany i Allah Tomponareo, ilay Marina, ka inona no aorian’ny fahamarinana raha tsy ny fahaverezana ? Ary inona indray no mampivily làlana Anareo ?"},{"id":33,"translation":"Tahak’izany no nahatanteraka ny tenin’ny tomponao tamin’ireo izay nanao asa ratsy : “ Fa izy ireo dia tena tsy nino mihitsy ”."},{"id":34,"translation":"Teneno hoe : \" Amin’ireo mpiombon’antoka Aminareo, iza no manomboka amin’ny fahariana avy eo izy no mamerina izany aoriana (fahafatesana) Teneno hoe : i Allah irery ihany no manomboka ny fahariana sy mamerina izany. Nahoana Ianareo no mivily làlana (amin’ny fanopoana Allah."},{"id":35,"translation":"Teneno hoe : \" Moa ve misy amin’ireo mpiombon’antoka Aminareo izay mitarika mankany amin’ny fahamarinana ? ” Teneno hoe : i Allah no mitarika any amin’ny fahamarinana. Moa ve izay mitarika amin’ny fahamarinana no mendrika arahana kokoa sa izay tsy mahatari-tena raha tsy misy mpitarika Azy ? Inona àry no mahazo Anareo ? Ahoana no fitsaranareo izany ?"},{"id":36,"translation":"Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy manaraka afa-tsy amin’ny eritreritra. Ny eritreritra anefa dia tsy afaka manao na inona na inona eo anatrehan’ny fahamarinana ! Marina fa i Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":37,"translation":"Ary ity Boky masina Koroany ity dia tsy misy namorona ankoatr’i Allah, nefa fanamafisana izay efa nisy teo alohany ary fanazavana ilay Boky izay tsy misy fisalasalana Aminy fa avy amin’ny tompon’izao Tontolo izao."},{"id":38,"translation":"Sa hiteny izy ireo hoe : “Noforoniny (Mohammad) va izany?”. Valio hoe : “Manaova ary ianareo antokon-tsoratra mitovy amin’ity, ary antsoy hanampy anareo izay tianareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo”."},{"id":39,"translation":"Tsy izany mihitsy : Milaza izy ireo fa lainga izay tsy voafehin’ny fahalalany ary tsy mbola tonga amin’izy ireo ny fanazavana Azy .Tahaka izany no nataon’ireo (izay niaina) teo alohan’izy ireo ka nampandainga ireo Iraka. Jereo àry fa ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":40,"translation":"Ary misy amin’izy ireo izay mino izany nefa misy ihany koa izay tsy mino izany. Ary ny Tomponao no tena mahalala ireo izay mpanao asa fanimbana."},{"id":41,"translation":"Ary raha manao Anao ho mpadainga izy ireo dia lazao fa hoe : \" Ahy ny asako ary ho Anareo ny asanareo. Ianareo dia tsy tompon’andraikitra amin’ny asa izay Ataoko ary Izaho dia manalavitra Anareo amin’ny asa izay Ataonareo."},{"id":42,"translation":"Ary misy amin’izy ireo izay mihaino Anao. Moa ve Ianao afaka mampaheno ireo marenina na dia tsy misaina aza izy ireo ?"},{"id":43,"translation":"Ary misy amin’izy ireo izay mijery Anao. Ka moa ve Ianao afaka hitari-dàlana ireo jamba na dia tsy mahita aza izy ireo ?"},{"id":44,"translation":"Marina fa i Allah dia tsy miangatra amin’ny Olona na dia kely aza, fa ny Olona ihany kosa no manao ny tsy rariny amin’ny tenany."},{"id":45,"translation":"Amin’ny Andro hamoriany azy ireo, dia toy ny tsy nijanona (tao am-pasany) afa-tsy adiny iray monja tamin’ny atoandro izay afahan’izy ireo hifankahalala. Tena maty antoka ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’i Allah no sady tsy mpanara-dàlana mihitsy izy ireo."},{"id":46,"translation":"Na hampahitanay Anao ny sasany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na ho tamperinay tanteraka ny fiainanao ary tsy maintsy aty Aminay ihany no hiverenan’izy ireo. Manarak’izany, i Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":47,"translation":"Isaky ny vahoaka dia nanana Iraka. Ary rehefa tonga ny Iraka ho azy ireo dia voatsara ara-drariny ary tsy nisy fiangarana tamin’izy ireo."},{"id":48,"translation":"Ary miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa Ianareo ? ”"},{"id":49,"translation":"Teneno : \" Izaho dia tsy manana na inona na inona hampahory na hanasoa ny tenako afa-tsy izay sitrak’i Allah. Ny vahoaka tsirairay dia samy manana fe-potoana hiafarany. Rehefa tonga ny fe-potoan’izy ireo, dia tsy misy afaka hampihemotra na dia adiny iray aza izy ireo na hampandroso izany."},{"id":50,"translation":"Teneno hoe : \" Moa ve hitanareo raha tonga eo Aminareo ny Saziny amin’ny alina na amin’ny atoandro, mba inona no azon’ireo mpanao heloka bevava hafainganina amin’izany ? ”"},{"id":51,"translation":"Moa ve rehefa mitranga tokoa izany vao hino Ianareo ? Ankehitriny ! Nefa Ianareo teo aloha dia nitaky ny fahatongavan’izany haingana."},{"id":52,"translation":"Ary dia ho tenenina amin’ireo izay nanao ny tsy rariny hoe : \"Andramonareo ny sazy maharitra mandrakizay! Moa va ho valiana ianareo afa-tsy izay nataonareo."},{"id":53,"translation":"Ary mangataka fanazavana avy Aminao izy ireo : \" Moa ve marina izany ? ” Teneno fa hoe : \" Marina ! Mianiana amin’ny Tompoko Aho ! Tena marina tokoa izany. Ary Ianareo dia tena tsy afaka hanakana izany mihitsy ”."},{"id":54,"translation":"Ary raha ny Olona tsirairay izay nanao ny tsy rariny nanana izay rehetra eto an-tany, dia tena nataony onitra izany. Ary nafenin’izy ireo ny fanenenany rehefa hitany ny famaizana. Fa ho tsaraina izy ireo amin’ny rariny ary tsy hiangarana mihitsy."},{"id":55,"translation":"Tena marina, fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Moa va tsy marina ihany koa ny fampanantenan’i Allah ? Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany."},{"id":56,"translation":"Izy no mamelona sy mamono ary tsy maintsy any Aminy no hamerenana Anareo."},{"id":57,"translation":"Ry olombelona! Tonga taminareo ny fananarana avy amin’ny Tomponareo, sy fanasitranana izay ao an-tratranareo, ary tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo mpino."},{"id":58,"translation":"Teneno hoe : \" Amin’ny fahasoavan’i Allah sy ny indrafony, ka amin’izany no tokony hifalian’izy ireo. Izany dia tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo ”."},{"id":59,"translation":"Teneno hoe : \" Moa ve hitanareo ny anjara izay nampidinin’i Allah ho Anareo ka nataonareo ho misy amin’izany, ny voarara sy ny tsy voarara ? ” Teneno hoe : \" Moa ve i Allah no nanome alalana anareo amin’izany ? Na koa momba Allah no hamoronanareo lainga ? ”."},{"id":60,"translation":"Ary inona no eritreritr’ireo izay mamoron-dainga momba i Allah amin’ny Andro fitsanganana ? Marina fa i Allah no Tompon’ny fahasoavana ho an’ny Olona, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahay mankasitraka."},{"id":61,"translation":"Tsy misy toerana hisy anao, ary tsy hamaky na andininy iray amin’ny Kor’any ianao, tsy hanatanteraka asa ianareo na iray aza, raha tsy Atrehinay izany amin’ny fotoana izay anaovanareo azy. Tsy misy miafina amin’ny Tomponao na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atôma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokimpahazavana."},{"id":62,"translation":"Tena marina fa ireo sakaizan’i Allah dia tsy hanam-patahorana ary tsy ho alahelo mihitsy izy ireo."},{"id":63,"translation":"Ireo izay nino sy izay natahotra (an’i Allah)."},{"id":64,"translation":"Misy ho azy ireo ny vaovao mahafaly ety amin’ny fiainana an-tany sy amin’ny fiainana any an-koatra. Tsy hisy fiovana ireo tenin’i Allah. Izany no ilay fahombiazana lehibe."},{"id":65,"translation":"Aoka tsy hampalahelo Anao ny tenin’izy ireo. Marina fa ny hery rehetra dia ho an’i Allah. Izy ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":66,"translation":"Moa tsy marina fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra eto an-tany. Inona no arahin’ireo izay miantso ny mpiara- miombon’antoka ankoatr’i Allah ? Tsy manaraka izy ireo afa-tsy ny eritreritra ary tsy manao izy ireo afa-tsy ny mandainga."},{"id":67,"translation":"Izy izay manao ho Anareo ny alina mba hialanareo sasatra ary ny andro mba ahafahanareo mahita ny mazava. Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro ho an’ny vahoaka mihaino."},{"id":68,"translation":"Miteny izy ireo hoe : “Nanan-janaka Allah”, Azy anefa ny Voninahitra sy ny Fahadiovana! Izy no Ilay manana ny ampy tanteraka. Azy avokoa izay rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany; tsy manana porofo amin’izany ianareo. Hiteny zavatra mifanohitra amin’Allah amin’izay tsy fantatrareo va ianareo ?"},{"id":69,"translation":"Teneno hoe : \" Marina fa ireo izay mamoron-dainga momba i Allah dia tsy hahita fahombiazana mihitsy ”."},{"id":70,"translation":"Izany dia fahafinaretana mandalo eto an-tany ary dia aty Aminay no fiverenan’izy ireo, avy eo ihany koa dia hampandramananay azy ireo ny sazy mahery vaika nohon'izy ireo tsy nino no sady tsy manampinoana."},{"id":71,"translation":"Tantarao amin’izy ireo ny vaovao mahakasika i Noe (Noa), rehefa niteny izy, tamin’ireo vahoakany nanao hoe : \" Oh ry vahoakako, raha mavesatra Aminareo ny fipetrahako eto Aminareo sy ny fampahatsiahivako ireo famantarana mahakasika an'i Allah, dia any amin’i Allah no hametrahako ny fitokisako. Atambaro ny hevitrareo sy ireo mpiombon’antoka aminareo ary aoka tsy afeninareo izay didy tapahanareo. Avy eo, tanterahanareo ny fanapahan-kevitra momba ahy ary aza avelanareo hiandry mihitsy aho."},{"id":72,"translation":"Raha mitodi-damosina Ianareo, dia tsy nangataka tambiny Aminareo Aho... tsy misy hanome tambiny Ahy afa-tsy i Allah irery ihany. Ary nodidiny Aho mba ho anisan’ireo mpanaiky Azy tanteraka ”."},{"id":73,"translation":"Nolazain’izy ireo fa mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka Taminy tao amin’ilay Sambo fiara ary nataonay ho mpandimby eto an-tany izy ireo. Ary narendrikay ireo izay nilaza fa lainga ireo porofonay. Ka jereo ahoana no niafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !"},{"id":74,"translation":"Ary taoriany, Izahay dia nandefa Iraka maro tamin’ny vahoakan’izy ireo. Tonga Taminy (vahoaka) niaraka tamin’ny porofo mazava izy ireo. Ka nefa tsy vonona hino izay efa nolazain’izy ireo fa lainga teo aloha izy ireo. Tahak’izany no hanidinay tanteraka ny Fon’ireo izay mpandika lalàna."},{"id":75,"translation":"Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireny i Moussa (Mosesy) sy i Harona (Arona) tamin’i Faraona sy ny loholony niaraka tamin’ireo porofonay. Ka nefa nanambony tena izy ireo ary izy ireo dia vahoaka efa mpanao heloka bevava."},{"id":76,"translation":"Rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy taty Aminay, dia niteny izy ireo hoe ka nanao hoe: : \" Marina fa tena majika miharihary izany ”."},{"id":77,"translation":"Hoy i Moussa : “Moa miteny amin’ny fahamarinana va ianareo, raha tonga aminareo izy hoe : majika va izany? Nefa tsy mahomby velively ireo mpanao majika”."},{"id":78,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : moa ve tonga aty Aminay Ianao mba hampitodika Anay hiala amin’izay efa hitanay tamin’ireo razambenay, ka ho lasanareo roa lahy ny fahamboniana eto an-tany ? Ary Izahay dia tsy hino Anareo roa mihitsy."},{"id":79,"translation":"Ary niteny I Faraona ka nanao hoe : \" Ento aty Amiko ireo mpanao majika mahay indrindra ”."},{"id":80,"translation":"Ary rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny i Moussa tamin’izy ireo ka nanao hoe : \" Atsipazo izay efa nomaninareo ho atsipy ”."},{"id":81,"translation":"Ary rehefa nanipy izy ireo dia niteny i Moussa (A.s) ka nanao hoe : \" izay rehetra nentinareo dia majika tokoa ! \" Marina fa i Allah dia hanafoana izany. Ary i Allah dia tsy hampahomby ny asan’ireo mpanao ny ratsy."},{"id":82,"translation":"Ary i Allah dia hampandresy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Teniny na dia mankahala izany aza ireo mpanao heloka bevava ”."},{"id":83,"translation":"Tsy nisy nino an’i Mosa anefa afa-tsy ny taranaka (andiana tanora vitsivitsy) avy amin’ny vahoakany nohon’ny fatahorana an’i Faraona sy ireo loholony sao hamaly faty izy ireo. Marina fa i Faraona dia mpanefohefo teto an-tany sy anisan’ireo mpihoa-pefy."},{"id":84,"translation":"Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako, raha nino Allah marina Ianareo, dia apetraho Aminy tanteraka ny fitokisanareo raha mpankato Azy marina Ianareo ”."},{"id":85,"translation":"Ka niteny izy ireo ka nanao hoe : “Amin’i Allah no hametrahanay ny fitokisanay.Tomponay oh ! Aza atao ho lasibatry ny hetraketrakin'ny vahoaka mpanao ny tsy rariny Izahay ”."},{"id":86,"translation":"Ary avoty Izahay amin’ny alalan’ny famindram-ponao amin’ny vahoaka tsy mpino."},{"id":87,"translation":"Ary nandefasanay fanambarana tamin’i Moussa sy ny Rahalahiny ka nanao hoe : \" Makà trano ao Ejypta ho an’ny vahoakanareo ary ataovy mitodika amin’ny toeram-pitodihana amin’ny fivavahana ireo tranonareo. Ary tanterahanareo ny Soalat, ka lazao vaovao mahafaly ireo mpino ”."},{"id":88,"translation":"Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : \" Tomponay oh ! Ianao dia nanome an' i Faraona sy ny loholony haingo sy fananana maro eto amin’ny fiainana an-tany. Tomponay Oh ! mba hiatahan’izy ireo amin’ny làlanao ihany izany. Tomponay Oh ! ravao ny fananan’izy ireo ary hamafiso ny fon’izy ireo mba tsy ho mpino izy ireo mandra-pahitany ny sazy mamirifiry”."},{"id":89,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : \" Efa novalinay ny hatakanareo roa. Ka aoka Ianareo mba hahitsy toetra mandrakariva, aza manaraka ny làlan’ireo izay tsy mahafantatra na inona na inona."},{"id":90,"translation":"Ary nampandalovinay ny ranomasina ireo zanak’Israely, izay nenjehin’i Faraona sy ireo tafiny tao anatin’ny fahatezerana sy ny fankahalana. Ka rehefa teo ampaharendrehana izy, dia niteny hoe: “Mino aho fa tsy misy tompo hafa, afa-tsy izay ninoan’ireo zanak’Israely, ary izaho dia isan’ireo mpankato”."},{"id":91,"translation":"Ankehitriny izao ve ? Nefa tsy nankato Ianao teo aloha ary Ianao dia tena anisan’ireo mpanimba ny tany."},{"id":92,"translation":"Anio dia avotanay ny vatanao mba ho famantarana ho an’ireo avy ao aoriana. Tena marina fa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy miraharaha ireo famantarana avy Aminay."},{"id":93,"translation":"Ary efa napetrakay tokoa tamin’ny toerana mendrika ireo Zanak’israely sy nomenay anjara-pivelomana tsara izy ireo. Ka tsy nizarazara izy ireo raha tsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny fahalalana Taminy. Marina fa ny Tomponao dia hitsara azy ireo amin’izay nampizarazara azy ireo amin’ny Andro fitsanganana."},{"id":94,"translation":"Raha ohatra ka ao anaty fisalasalana Ianao amin’izay nampidininay Taminao, dia hanontanio ireo izay efa namaky ny Boky teo alohanao. Efa tonga Taminao ny marina avy amin’ny Tomponao, koa aza manao ho isan’ireo mpisalasala mihitsy Ianao."},{"id":95,"translation":"Ary aza manao ho isan’ireo milaza fa lainga ny Fanambaran’i Allah. Fa ho isan’ireo maty antoka Ianao."},{"id":96,"translation":"Marina fa ireo izay niharan’ny tenin’ny Tomponao dia tsy hino velively,"},{"id":97,"translation":"Na dia tonga tamin’izy ireo aza ireo fanambarana rehetra, mandra-pahitan’izy ireo ny sazy mamirifiry."},{"id":98,"translation":"Raha mba misy tanàna iray nino, ankoatra ny Vahoakan’i Jonasy, dia nahasoa azy ireo ny finoana ! Ary ho nesorinay tamn’izy ireo ny fampijaliana amin’ny fiainana eto an-tany sy nomenay fahafinaretana izy ireo ao anaty fotoana voafetra."},{"id":99,"translation":"Ary raha sitraky ny Tomponao dia hino avokoa izay rehetra eto an-tany. Moa ve Ianao no hanery ny Olona rehetra ho tonga mpino ?"},{"id":100,"translation":"Tsy anjaran’ny Olona velively no hino raha tsy avy amin’ny alalan’i Allah. Ary atokana ho an’ireo izay tsy mandinika ny sazy izany."},{"id":101,"translation":"Teneno hoe : “ jerenareo, inona no any amin’ireo lanitra sy ny ety ambonin'ny tany ? ” Ary tsy hitera-boka-tsoa ho an’ireo vahoaka tsy nino na ny famantarana na ireo Mpampitandrina (Mpaminany)."},{"id":102,"translation":"Moa ve tsy miandry izy ireo afa-tsy ny famaizana izay mitovy tamin’iireo vahoaka nandalo talohan’izy ireo ? Teneno hoe : \" Andrasonareo ary fa izaho dia anisan’ireo miandry miaraka Aminareo ”."},{"id":103,"translation":"Avy eo dia avotanay ireo irakay sy ireo izay nino, tahak’izany. Eny, adidinay tokoa ny manavotra ireo mpino."},{"id":104,"translation":"Teneno hoe : ” O! Ianareo Olombelona, raha ohatra ka ao anatin’ny fisalasalana Ianareo mikasika ny finoako, fa izaho kosa dia tsy hanompo mihitsy izay tompoinareo Ankoatran'i Allah, fa dia manompo kosa an’i Allah izay manala ny fofon’ainanareo. Ary nandidy Ahy Izy ho anisan’ireo mpino."},{"id":105,"translation":"Ary mitodiha Ianao amin’ny finoana tanteraka an’i Allah tokana ary aoka Ianao tsy ho anisan’ireo mpanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy)"},{"id":106,"translation":"Ary aza mangataka Ianao raha tsy amin’i Allah, amin’izay tsy azahoanao tombony na tsy hampahory Anao, fa raha manao izany Ianao, dia tena ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":107,"translation":"Ary raha ataon’Allah hihatra aminao ny ratsy, dia tsy misy na iza na iza afaka hanala izany, ankoatra Azy. Fa raha te-hanao soa anao kosa Izy, dia tsy misy na iza na iza afaka hisakana ny fahasoavany izay homeny ny mpanompony araka izay sitrany, fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo Izy."},{"id":108,"translation":"Lazao hoe : “Ry olombelona! Tonga taminareo tokoa ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo. Ka izay mizotra amin’ny làla-marina dia nanitsy ny tenany ihany, fa izay mivily làlana kosa, dia namery ny tenany. Ary tsy mpiahy anareo Aho."},{"id":109,"translation":"Ary araho izay nambara Taminao ary mahareta mandra-pahatonga ny fitsaran’i Allah fa Izy no Mpitsara mendrika indrindra."}]},{"id":11,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF, LAM, RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-teniny sy voazava amin’ny antsipiriany, avy amin’ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetra."},{"id":2,"translation":"Aoka tsy hanompo afa-tsy i Allah Ianareo, marina fa Izaho dia mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly avy Aminy ho Anareo."},{"id":3,"translation":"Ary aoka hangataka famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo, avy eo mibebaha Aminy, amin’izany dia hanome Anareo fanomezana mendrika sy tsara amin’ny fotoana voafetra Izy. Ary hanome ny fahasoavany amin’ny tsirairay mendrika izany Izy. Fa raha mitodi-damosina kosa Ianareo dia matahotra Aho fa hihatra Aminareo ny sazy amin’ny Andro lehibe."},{"id":4,"translation":"Any amin’i Allah no hiverenanareo ary Izy dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":5,"translation":"Moa ve izy ireo tsy manidy ny fony hiafenan’izy ireo Aminy. Na dia amin’ny fotoan’izy ireo manarona ny fitafiny, dia mahalala izay afenin’izy ireo sy izay abaribarin’izy ireo Izy. Ary Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po."},{"id":6,"translation":"Ary tsy misy zava-manan'aina eto an-tany afa-tsy avy amin’i Allah ny anjaram-pivelomany izay fantany ny toerana iainany sy ny toerana ahafatesany. Izany dia voarakitra ao anaty boky mazava tsara."},{"id":7,"translation":"Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany tao anaty enin’andro, ka ny seza fiandrianany tamin’izany dia teo ambonin’ny rano, mba hitsapany, iza Aminareo no tena tsara kokoa, ary raha milaza Ianao manao hoe : ” Tena marina fa Ianareo dia hatsangana aorian’ny fahafatesana ”, dia hiteny tokoa ireo izay tsy nino hanao hoe : ” Tsy inona akory izany fa majika miharihary ”."},{"id":8,"translation":"Ary raha ahemotray amin’izy ireo ny sazy mandra-pahatongan’ny fotoana voafetra dia tena hilaza Izy ireo ka hanao hoe : ” Inona no mitazona izany ? ” Ary amin’ny andro hatongavan’izany amin’izy ireo dia tsy voavily hiala amin’izy ireo izany. Ary handrakotra azy ireo izay noesoesoiny."},{"id":9,"translation":"Ary raha ampanandramanay ny olombelona ny fahasoavana avy Aminay, ka esorinay Aminy izany, dia indro Izy fa diso fanantenana sy tsy mankasitraka."},{"id":10,"translation":"Ary raha ampanandramanay Azy ny fahasambarana taorian’ny fahoriana nanjo Azy, dia hiteny izy ka hanao hoe : \" Nanalavitra ahy ireo ratsy ”, indro izy fa tena faly sy mirehareha."},{"id":11,"translation":"Afa-tsy ireo izay maharitra sy manao ny asa soa. Izy ireny no ahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe."},{"id":12,"translation":"Angamba Ianao hamela ny ampahany amin’ny fanambarana izay nalefanay taminao, ary ahatsapa tery ny tratranao noho izany. Satria hiteny izy ireo hanao hoe : ” Nahoana tsy harena sarobidy no nampidinina taminy ? ” na koa : \" Nahoana no tsy tonga niaraka taminy ny Anjely ? ” tena marina fa Ianao dia mpampitandrina ihany, ary i Allah no Mpandrindra ny zava-drehetra."},{"id":13,"translation":"Na koa hiteny izy ireo hanao hoe : \" Noforonony izany (koroany) izany. Lazao hoe : \" Mitondraha àry Ianareo toko folo mitovy amin’ity, izay noforoninareo, ary antsoy izay afaka hanampy Anareo ankoatr’i Allah raha marina ny teninareo."},{"id":14,"translation":"Raha toa ka tsy namaly Anareo izy ireo, dia fantaro fa tena nampidinina tamin’ny alalan’ny fahalalan’i Allah tokoa izany, ary tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ka moa ve manaiky Azy tanteraka Ianareo ?"},{"id":15,"translation":"Ireo izay mila ny fiainana eto an-tany sy ny haingony, dia omenay azy ireo ny valin’asany feno tanteraka fony mbola eto ambony tany, ary tsy misy hanalana na dia kely aza ny valisoan’izy ireo."},{"id":16,"translation":"Izy ireny dia tsy manana anjara intsony any an-koatra afa-tsy ny Afobe, ary rava daholo izay rehetra nataon’izy ireo, ka lasa zava-poana avokoa izay rehetra nataon'izy ireo."},{"id":17,"translation":"Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany) avy amin’ny Tompony ary mamaky izany ny vavolombelona avy Aminy (Anjely Gabriela), nefa talohany (Mohammad) nisy ny Bokin’i Mosa ho mpitarika sy ho famindra-po (no tsara kokoa sa izay tsy miorina amin’ny porofo mazava). Izy ireny no tena mino Azy (ny koroany), ary izay tsy mino Azy amin’ireo vondron’olona, dia ny Afobe no toeram-pihaonany. Aoka Ianao tsy hanana fisalasalana momba Azy intsony (koroany), izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao; nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany."},{"id":18,"translation":"Ary iza no manao ny tsy rariny indrindra mihoatra ny olona mamoron-dainga mahakasika i Allah ? Izy ireny dia haseho amin’ny Tompony, ka hilaza ireo vavolombelona (Anjely) hanao hoe : \" Izy ireo no namoron-dainga mahakasika ny Tompon’izy ireo ”. Hiantefa amin’ireo mpanao ny tsy rariny anie ny ozon’i Allah,"},{"id":19,"translation":"Ireo izay manakana ny làlan’i Allah ka mitady ny hamilivily izany, izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra."},{"id":20,"translation":"Izy ireny dia tsy afa-manohitra ny fahefan’i Allah eto an-tany ! Ary tsy manana mpiahy izy ireo ankoatr’i Allah. Hampitomboina avo roa heny ny sazin’izy ireo. Ary tsy afa-mandre no sady tsy afa-mahita ihany koa izy ireo."},{"id":21,"translation":"Izy ireny no namono antoka ny tenany. Ary nanalavitra azy ireo (ny sampy) izay noforoniny."},{"id":22,"translation":"Tena tsy hisalasalana mihitsy fa izy ireo no tena maty antoka tanetraka amin’ny fiainana any an-koatra."},{"id":23,"translation":"Marina tokoa fa izay nino sy nanao asa soa kosa, dia izy ireny no olon'ny Paradisa ary hitoetra ao mandrakizay izy ireny."},{"id":24,"translation":"Ny fanoharana natao tamin’ireo vondron’olona anakiroa dia tahaka : ny iray jamba sy marenina ary ny faha-roa mahita sy maheno. Moa ve mitovy ireo fanoharana roa ireo ? Moa ve tsy mandini-tena ianareo ?"},{"id":25,"translation":"Efa nalefanay i Noa tany amin’ny vahoakany : \" Tena marina fa mpampitandrina miharihary ho Anareo Aho,"},{"id":26,"translation":"Mba tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany Ianareo. Marina fa, atahorako ho avy Aminareo ny sazin’ny andro izay mamirifiry ”."},{"id":27,"translation":"Ary niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ny vahoakany (vahoakan’i Noa) : \" Izahay dia tsy mahita afa-tsy olombelona tahaka Anay Ianao, ary Izahay dia tsy mahita afa-tsy ireo izay olona ambany saranga Aminay no sady tsy manam-pandinihana akory no manaraka Anao, ary Izahay dia tsy mahita fa ambony noho Izahay Ianareo, mihevitra kosa Izahay fa Ianareo dia mpandainga."},{"id":28,"translation":"Hoy izy hoe : \"Ry vahoakako ! Moa ve hitanareo raha manana porofo mazava avy amin’ny Tompoko aho, sy nahazo famindram-po avy Aminy nefa tsy teo imasonareo, moa ve ho terenay amin’izany ianareo nefa dia mankahala izany ianareo?"},{"id":29,"translation":"Oh ry vahoakako ! tsy mangataka harena Aminareo Aho, tsy amin’iza ny valin-kasasarako afa-tsy amin’i Allah irery ihany. Ary tsy handroaka velively ireo izay nino Aho. Tena marina fa, Izy ireo dia hihaona amin’ny Tompony. Nefa itako Ianareo fa vahoaka tsy mahalala na inona na inona."},{"id":30,"translation":"Oh ry vahoakako ! iza no hanavotra Ahy eo anatrehan’i Allah raha mandroaka azy ireo Aho. Moa ve tsy mba mandini-tena Ianareo ?"},{"id":31,"translation":"Ary tsy milaza Aminareo Aho fa Izaho no mitantana ireo haren’i Allah sy tsy mahalala ny miafina, ary tsy milaza Aho fa izaho dia Anjely, ary tsy milaza ihany koa Aho fa ireo izay nambanimbanian’ny masonareo dia tsy omen’i Allah fahasoavana mihitsy na oviana na oviana. Allah no tena mahalala izay ao amin’ny tenan’izy ireo. (Raha miteny izany aho) dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":32,"translation":"Niteny izy ireo : \" Ry Noa ! efa niady hevitra taminay ianao, ary dia nampitombo fifandirana taminay. Ka ento aty aminay izay nampanantenainao anay raha toa ka isan'ireo olo-marina ianao”."},{"id":33,"translation":"Dia niteny izy ka nanao hoe : \" Tena marina fa i Allah irery ihany no hitondra izany Aminareo raha sitrany, ary Ianareo dia tsy afa-manohitra ny fahefany ”."},{"id":34,"translation":"Ary tsy hitera-boka-tsoa ho Anareo ny fananarako, na dia mitady hanoro hevitra Anareo aza Aho, nefa tia hamily làlana Anareo i Allah. Izy no Tomponareo, ary any Aminy no hamerenana Anareo rehetra."},{"id":35,"translation":"Na koa milaza izy ireo manao hoe : \" Noforoniny izany ”. ka teneno hoe : \" Raha noforoniko izany dia hianjera Amiko ny heloko ary Izaho dia tsy manan-tsiny amin’izay heloka Ataonareo."},{"id":36,"translation":"Ary nandefasana Fanambarana i Noa : \" Tsy misy hino intsony ny vahoakanao afa-tsy izay efa nino, ka aoka Ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo."},{"id":37,"translation":"Ary manamboara sambo fiara Ianao eo imasonay sy araka ny fanambaranay, ary aoka Ianao tsy hitaraina Amiko intsony mahakasika ireo izay nanao ny tsy rariny, tena marina fa izy ireo dia ho rendrika avokoa ”."},{"id":38,"translation":"Ary dia nanamboatra ny sambo fiara Izy. Koa isaky ny mandalo eo Aminy ireo loholona tamin’ny vahoakany, dia maneso Azy izy ireo. Nilaza izy (Noa) nanao hoe : \" Raha maneso Anay Ianareo, dia Izahay koa haneso Anareo, tahaka Ianareo maneso Anay."},{"id":39,"translation":"Ka ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no ho tonga ny famaizana hanala baraka, sy hianjera amin’iza ny famaizana maharitra ” !"},{"id":40,"translation":"Avy eo, rehefa tonga ny Didinay dia nangotrangotraka (ny rano) tao amin’ny lafaoro ary niteny Izahay nanao hoe : \" Ento ao amin’ny sambo fiara ny biby mpivady isaky ny karazany tsiroaroa sy ny fianakavianao afa-tsy ireo izay efa nihatra taminy ny Teny, sy ireo izay nino ”. Nefa ireo izay nino niaraka Taminy dia vitsy an’isa."},{"id":41,"translation":"Ary niteny Izy nanao hoe : \" Miakara ao anatiny Ianareo. Amin’ny anaran’i Allah no handehanany sy hirosoany. Tena marina fa ny Tompoko dia Mpamela heloka sy be Fiantrana ”."},{"id":42,"translation":"Ary nisosa nitondra azy ireo teo afovoan’ny onja mitovy amin’ny ahavon’ny tendrombohitra izy. Ary i Noa dia niantso ny zanany lahy, izay nijanona tamin’ny toerana iray mitokana ka nanao hoe : \" Ry anaka ! miakara aty Aminay Ianao fa aza miaraka amin’ireo tsy mpino ”."},{"id":43,"translation":"Namaly izy ka nanao hoe : \"Handeha hialoka amin’ny tendrombohitra iray aho, izay hiaro ahy amin’ny rano”. Namaly azy i Noa (A.S) hoe : \"Anio dia tsy misy mpiaro afaka manakana ny didin’i Allah afa-tsy izay nomeny famindram-po ihany”. Ary nanafotra teo anelanelan’izy roa ny onja, ary izy dia anisan’ireo rendrika."},{"id":44,"translation":". Ary toy izao no voalaza : \" Oh ry tany ! tsetsefo ny ranonao, ary ianao ry lanitra, mijanona amin’izay ”. Ka nihemotra ny rano. Fa tanteraka ny didy, ary nipetraka teo ambonin’ny al-jodii (anaran’ny tendrombohitra) ilay sambo fiara, ary nisy nilaza nanao hoe : \" Enga anie hanjavona avokoa ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ! ”"},{"id":45,"translation":"Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe : \" Tompoko oh ! Tena marina fa ny zanako dia isan’ny fianakaviako ary ny fampanantenanao dia marina tokoa. Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara."},{"id":46,"translation":"Niteny Izy (Allah) : \" Oh ry Noa ! tsy isan’ny fianakavianao Izy satria nanao asa mamparikoriko. Aza mangataka Amiko intsony Ianao amin’izay tsy anananao fahalalana. Mananatra Anao Aho mba tsy ho isan’ireo tsy Mahalala ”."},{"id":47,"translation":"Namaly i Noa hoe : \" Tompo o ! Mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fitalahoako izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy mamela ny heloko ianao sy tsy mamindra fo amiko, dia ho isan’ireo very aho ”."},{"id":48,"translation":"Ary nolazaina Izy nanao hoe : \" Oh ry Noa ! midina amim-piadananay Ianao ary ho Anao ny fahasoavanay sy ho an’ireo vahoaka izay miaraka Aminao. Ary hisy amin’ireo vahoaka ireo izay omenay hafaliana miserana; avy eo dia hihatra amin’izy ireo ny sazy mamirifiry avy aty Aminay”."},{"id":49,"translation":"Izany no vaovao sasantsasan’Ilay Miafina izay lazainay Aminao. Tsy nahafantatra izany Ianao na ny vahoakanao talohan’izao. Manàna faharetana Ianao. Ka ny fiafarana sambatra indrindra, dia ho an’ireo izay manam-patahorana."},{"id":50,"translation":"Ary (nalefanay) tamin’ny foko Andy ny rahalahin’izy ireo Hody, izay nilaza tamin’izy ireo nanao hoe : \" Oh ry vahoakako ! manompoa an’i Allah Ianareo. Ary tsy manana zanahary hafa Ianareo afa-tsy Izy irery ihany. Tsy iza akory Ianareo afa-tsy mpamoron-dainga."},{"id":51,"translation":"Ry vahoakako! Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho, fa Ilay Nahary ahy ihany no manome tambiny ahy. Tsy mandinika va ianareo?"},{"id":52,"translation":"Oh ry vahoakako ! mangataha famelan-keloka amin’ny Tomponareo ianareo ary mibebaha Aminy mba handatsahany orana maro avy any an-danitra Aminareo, sy hampitombo ny hery izay efa Anananareo."},{"id":53,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : \" Oh ry Hody (A,s) ! tsy nitondra porofo mazava Taminay Ianao, ary Izahay dia tsy vonona hamela ireo sampinay nohon'ny Teninao, ka tsy hino Anao Izahay."},{"id":54,"translation":"Hany ka mba ho teneninay Aminao kosa dia nampalahelo Anao ny ratsy nataon’ny sasany tamin’ireo sampinay ”. Ka nilaza izy nanao hoe : \" Izaho dia mandray an’i Allah ho vavolombelona, ary aoka Ianareo ho vavolombelona koa, satria hamafisina,fa mandà izay atambatrareo Aminy Aho."},{"id":55,"translation":"Ankoatra Azy. Ampiasao Amiko daholo àry ny tetika, ary aza omenareo fotoana hiandrasana Aho."},{"id":56,"translation":"Apetrako amin’i Allah, ilay Tompoko sy Tomponareo ny fitokisana. Tsy misy zava-manan’aina izay tsy ho eo ambany fahefany. Tena marina fa ny Tompoko dia amin’ny làla-mahitsy."},{"id":57,"translation":"Raha mitodi-damosina kosa Ianareo…, dia efa nampitaiko Taminareo (ny hafatra) izay nanirahana Ahy Taminareo. Ary hanolo vahoaka hafa ankoatra Anareo ny Tompoko, ka tsy havita na inona na inona na dia kely Aminy aza Ianareo. Tena marina fa ny Tompoko no Mpiambina tsara indrindra ny zava-drehetra."},{"id":58,"translation":"Ary rehefa tonga ny didinay, dia novonjenay i Hody tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Taminay, sy ireo izay nino niaraka Taminy. Ary navotanay tamin’ny sazy henjana izy ireo."},{"id":59,"translation":"Indro ireo (vahoaka) Andy, nandà ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, tsy nankato ireo Irany fa nanaraka kosa ny didin’ireo mpanefoefo mahery loha."},{"id":60,"translation":"Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny Andro Fitsanganana.Tena marina fa ireo Andy dia tsy nino ny Tompony. Ho ringana tanteraka anie ireo foko Andy izay vahoakan’i Hody !"},{"id":61,"translation":"Ary (nalefanay) tamin’ireo foko Samody, ny ralahin’izy ireo Soalihy, izay nilaza ka nanao hoe : \" Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany ianareo. Avy tamin’ny tany no nahariany Anareo, ary nataony ho nameno izany (tany) Ianareo. Koa mangataha famelan-keloka Aminy àry Ianareo, avy eo dia mibebaha Aminy Ihany koa. Tena marina fa ny Tompoko dia akaiky, ary mamaly lalandava ny hataka."},{"id":62,"translation":"Namaly izy ireo ka nanao hoe : \" Oh ry Soalihy ! taloha Ianao dia fanantenana tokoa ho Anay. Moa ve raranao Izahay hanompo izay efa notompoin’ny Razambenay ? Ankehitriny Izahay, dia hipetrahan’ny fisalasalana fatratra mahakasika izay hiantsoanao Anay."},{"id":63,"translation":"Nilaza Izy ka nanao hoe : \" Oh ry vahoakako ! ahoana ny hevitrareo raha miankina tanteraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko Aho, ary raha misy famindram-po azoko avy Aminy, iza àry no hiaro Ahy eo anatrehan’i Allah raha tsy mankato Azy Aho ? Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny faty antoko Ianareo."},{"id":64,"translation":"Oh ry vahoakako ! ity Rameva vavin’i Allah ity dia nalefany Aminareo ho famantarana. Avelao àry izy hisakafo eo amin’ny tanin’i Allah, ary aza manao ratsy azy Ianareo, raha tsy izany, dia hihatra Aminareo tsy ho ela ny sazy ! ”"},{"id":65,"translation":"Novonoin’izy ireo anefa Izy (ilay Rameva vavy) ka hoy Izy ( i Soalihy) tamin’ny izy ireo : \" Mifalia (amin’ny fanananareo) ao amin’ny fonenanareo mandritry ny telo Andro Ianareo ! indro ny fampanantenana tsy misy handaingana ”."},{"id":66,"translation":"Rehefa tonga àry ny didinay (sazy) navotanay i Soalihy sy ireo izay nino niaraka taminy tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Aminay, nohon'ny fahafaham-baraka tamin’io andro io.Tena marina fa ny Tomponao no ilay Matanjaka ilay Tsitoha."},{"id":67,"translation":"Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny kiakiaka, ka indro izy ireo maty nitsitra tao amin’ny toeram-ponenany avy (nohon'ny varatra)."},{"id":68,"translation":"Tahaka ny tsy niaina tao (eto an-tany) izy ireo. Tsy marina ve fa ireo Samody dia tsy mba nino mihitsy ny Tompon’izy ireo ? \" Tsy azo lazaina ve fa ho ringana anie ny foko Samody ? ”"},{"id":69,"translation":"Ary efa tonga tamin’i Abrahama (Ibrahim) tokoa ireo Irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, izay nilaza ka nanao hoe : \" Fiadanana enga anie ho Anao ! ” Namaly koa Izy ka nanao hoe : \" Fiadanana koa enga anie ho Anareo ! ” Tsy niandry ela Izy dia nitondra zanak’omby voatono."},{"id":70,"translation":"Ary nony hitany fa tsy nikasika izany izy ireo, dia velona ahiahy Izy teo anatrehan’izy ireo sady natahotra. Ka niteny izy ireo nanao hoe : \" Aza matahotra Ianao fa Izahay (Anjely) dia Iraka ho any amin’ny vahoakan‘i Lota \"."},{"id":71,"translation":"Nitsangana ny vadiny (vadin’i Abrahama) ary nihomehy, koa nilaza vaovao mahafaly taminy Izahay fa hanan-janaka (lahy) Isaka Izy, ary aorian’i Isaka dia i Jakoba."},{"id":72,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : \" Loza izany ! Hiteraka ve Aho nefa Izaho efa antitra ary ny vadiko koa dia efa anti-dahy ? Ary tena zava-mahagaga tokoa izany ! \""},{"id":73,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : \"Moa ve mahagaga anao ny fandaharan’i Allah ? Ny famindram-pon’i ALLAH sy ny fahasoavany anie ho aminareo tompon’ity trano ity ! Izy no tena mendri-piderana sy mendrika hankalazaina !’’"},{"id":74,"translation":"Rehefa niala tamin’i Abrahama (Ibrahim) ny tahotra dia tonga taminy ny vaovao mahafaly, dia indro izy nifanakalo hevitra Taminay mahakasika ny vahoakan’i Lota."},{"id":75,"translation":"75 – ka hamafisina, fa i Abrahama (Ibrahim) dia Olon’ny fangorahana, fitalahoana sy fibebahana."},{"id":76,"translation":"Oh ry Abrahama (Ibrahim) ! avelao any izany, tena marina fa efa tonga ny didin’ny Tomponao, ary hihatra amin’izy ireo ny sazy tsy azo hialana."},{"id":77,"translation":"Ary raha tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely), dia nalahelo mafy Izy noho izy ireo, sady nahatsiaro henatra lehibe. Ary niteny Izy ka nanao hoe : “ ity àry ilay Andro tena sarotra tokoa ”."},{"id":78,"translation":"Fa ireo vahoakany kosa, dia tonga nihazakazaka nanatona Azy. Ary teo aloha dia nanao asa ratsy izy ireo. Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe: “ Oh ry vahoakako ! ireto ny zanako vavy : Madio tokoa izy ireo ho Anareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary aza manala-baraka Ahy amin’ireto vahiniko Ianareo. Moa ve tsy mba misy lehilahy misaina eto Aminareo ? ”"},{"id":79,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : \" Efa fantatrao tsara, fa tsy manan-jo amin’ireo zanakao vavy ireo Izahay. Tena marina fa Ianao dia mahalala tsara izay tadiavinay ”."},{"id":80,"translation":"Niteny izy ka nanao hoe : “ Raha manana hery hanoherana Anareo Aho, na koa nahita andry matanjaka hiankinana ! \""},{"id":81,"translation":"Niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : “Ry Lota ! izahay dia Iraky ny Tomponao. Tsy ahatratra anao velively izy ireo, koa mandehana ianao miaraka amin’ny fianakavianao amin’ny ampaham-potoana amin’ny alina, ary dia aoka tsy hisy hitodika na dia ny iray aminareo afa-tsy ny vadinao, satria izay hanjo azy ireo dia hanjo azy ihany koa : “Tena marina fa ny fotoana omena azy ireo dia ny maraina vao mangiran-dratsy ka moa ve tsy efa akaiky tokoa ny maraina vao mangiran-dratsy? ”"},{"id":82,"translation":"Ary rehefa tonga ny didinay, dia navadikay (ny tànana) ambony ho ambany, ary narotsakay tahaka ny orana tamin'ireo vaingan-tany manga mahamay mifanesisesy."},{"id":83,"translation":"nitondra famantarana fantatry ny Tomponao. Ary tsy lavitr’ireo mpanao ny tsy rariny izany (ireo vato)."},{"id":84,"translation":"Ary nalefanay tamin’ny foko Madiana, ny rahalahin’izy ireo Shoaibo izay nilaza tamin’izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy mihitsy Ianareo. Aza ahenanareo ny famarana sy ny lanja. Izaho dia mahita, fa ao anaty hasambarana Ianareo, nefa matahotra ho Anareo Aho (raha tsy mino ianareo) ny sazy amin’ny andro izay handrakotra ny rehetra."},{"id":85,"translation":"Oh ry vahoakako ! aoka ataonareo amim-pahamarinana ny fatra sy ny fandanjana, aza ahena ny lanjan’izay tokony ho an’olona, ary aza mampiely asa fanimbana ny tany Ianareo."},{"id":86,"translation":"Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny na dia kely) no tsara ho Anareo raha mpino marina Ianareo ! Fa Izaho kosa dia tsy mpiambina Anareo."},{"id":87,"translation":"Nilaza izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! moa ve ny Soalat (ny fivavahanao) no mandidy Anao mba hamelanay izay efa notompoin’ireo razambenay, na mibaiko Anay amin’izay tianay atao amin’ireo fanananay ? hamafisina, fa Ianao tokoa ilay malemy fanahy sy ilay mahitsy indrinra”."},{"id":88,"translation":"Namaly Izy ka nanao hoe : Oh ry vahoakako ! hitanareo ve raha Izaho no miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ary raha manome Ahy fanomezana tsara indrindra avy Aminy Izy ? ary tsy maniry ny hanohitra Anareo velively Aho amin’izay nandrarako Anareo fa ny fanatsarana no tiako atao araka izay vitako ary tsy miankina afa-tsy amin’i Allah ny fahombiazako any Aminy no hametrahako ny fitokisako, ary any Aminy ihany koa no hiverenako hibebaka."},{"id":89,"translation":"Oh ry vahoakako ! aoka ny fankahalanareo Ahy tsy hitarika Anareo ahazo sazy tahaka izay nahazo ny vahoakan’i Noa, ny vahoakan’i Hody na ny vahoakan’i Soalihy,ary ny vahoakan’i Lota dia tsy lavitra Anareo (ny ohatra momba izany)."},{"id":90,"translation":"Ary mangataha ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo ary mibebaha Aminy Tena marina, fa ny Tompoko dia be Fiantrana sy be fitiavana ”."},{"id":91,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! tsy mazava Aminay ny ankamaroan’ny zavatra izay teneninao, ary tena marina fa ny fahitanay Anao dia olona kanosa eo Aminay raha tsy nohon'ny foko izay misy Anao dia notorahanay vato tokoa iAnao. Ary tsy mba manan-danja mihitsy eo anatrehanay Ianao."},{"id":92,"translation":"Namaly izy ka nanao hoe : \" Oh ry vahoakako ! moa ve manan-danja tokoa eo imasonareo ny foko izay misy Ahy noho i Allah izay hitodihanareo lamosina ankarihary ? Tena marina fa ny Tompoko dia mahafehy tsara izay rehetra atao nareo."},{"id":93,"translation":"Oh ry vahoakako ! Miasà Ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho ihany koa dia hiasa (araka ny fomba fiasako), ary ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no hianjera ilay sazy manala-baraka, ary iza (amintsika) no mpandainga. Ary miambena Ianareo, fa Izaho koa dia hiara-hiambina aminareo."},{"id":94,"translation":"Ary rehefa tonga ny didinay, dia navotanay i Shoaibo (A.s) sy ireo izay nino niaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Taminay. Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny Hiakiaka, ka indro izy ireo maty niampatra tao amin’ny toeram-ponenany avy."},{"id":95,"translation":"Tahaka ny tsy niaina teto (an-tany) izy ireo. Ho ringana anie ireo vahoaka Madiana, tahaka ny nandringanana ireo foko Samody."},{"id":96,"translation":"Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy Taminay,"},{"id":97,"translation":"Ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Nefa nanaraka ny baikon’i Faraona izy ireo. Ny baikon’i Faraona anefa dia tsy manaraka ny fahamarinana."},{"id":98,"translation":"Hialoha ny vahoakany Izy amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana. Ho entiny hiditra ao amin’ny Afobe izy ireo. Ary tena ratsy tokoa izany fidirana izany !"},{"id":99,"translation":"Ary arahana ozona eto an-tany izy ireo sy amin’ny Andro farany Andro ny fitsanganana. Ary tena ratsy tokoa izany fanomezana izany."},{"id":100,"translation":"Izany dia anisan’ny vaovaon’ireo tanàna, izay tantarainay aminao ny momba azy ireo. Ny sasany amin’izy ireo dia mbola mitsangana, fa ireo sasany kosa dia efa rava."},{"id":101,"translation":"Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany. Ny sampin’izy ireo izay nitalahoany ankoatr’i Allah dia tsy nahavita na inona na inona tamin’izy ireo na dia kely aza. Rehefa tonga ny baikon’ny Tomponao (famaizana) dia tsy nanao afa-tsy izay nampitombo ny faty antoka ho azy ireo ihany."},{"id":102,"translation":"Tahaka izany ny hamafin’ny sazin’ny Tomponao raha mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny Izy. Ny saziny dia tena mamirifiry sy henjana tokoa."},{"id":103,"translation":"Tena marina fa izany dia famantarana ho an’izay matahotra ny famaizana any an-koatra. Izany no Andro hamoriana ireo olona, ary andro manetriketrika hijoroan’ny rehetra ho vavolombelona."},{"id":104,"translation":"Ary Izahay dia tsy hanemotra izany raha tsy amin’ny fotoana tena voafetra."},{"id":105,"translation":"Ary amin’ny Andro ahatongavan’izany dia tsy misy na dia iray aza afaka hiteny raha tsy amin’ny alalany (Allah), ka hisy amin’izy ireo no ho ory, sy ho sambatra."},{"id":106,"translation":"Ka ireo izay ory dia ho ao amin’ny afobe, hisento sy hidradradradra an-dranomaso ao izy ireo."},{"id":107,"translation":"Ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra ihany koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Tena marina fa ny Tomponao dia manantanteraka izay Tiany Atao."},{"id":108,"translation":"Fa ireo izay sambatra kosa dia ho ao amin’ny paradisa, ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Izany no fanomezana tsy manam-pahataperana."},{"id":109,"translation":"Ary aoka tsy hisalasala momba izay tompoin’izy ireo Ianao Tsy manompo izy ireo afa-tsy tahak’izay notompoin’ireo razambeny teo aloha. Ary omenay azy ireo tsy misy hanalana na dia kely aza ny anjaran’izy ireo manontolo amin’izany."},{"id":110,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’i Tomponao, ary efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo."},{"id":111,"translation":"Tena marina, fa ny Tomponao dia hanome valin’asa feno ny tsirairay amin’izay nataon’izy ireo, satria tena mahalala ny asa izay nataon’izy ireo Izy."},{"id":112,"translation":"Mifikira amin’ny làla-mahitsy Ianao, tahaka izay nandidiana Anao sy izay nibebaka niaraka Taminao. Ary aza mihoa-pefy Ianareo. Satria Izy dia tena mahita izay ataonareo."},{"id":113,"translation":"Ary aoka tsy hirona amin’ireo mpanao ny tsy rariny Ianareo : Raha tsy izany dia ho azon’ny Afo koa Ianareo. Satria tsy manana mpiahy ankoatr'i Allah Ianareo. Ka tsy ho voavonjy Ianareo."},{"id":114,"translation":"Ary tanteraho sy antsangano ny Soalat (Vavaka) amin’ny fiantombohan’ny andro sy ny fiafarany, ary amin’ny ampaham-potoana amin’ny alina.Tena marina fa ireo asa soa dia mamafa ireo asa ratsy. Izany dia fampahatsiahivana ho an’ireo Olona mpandinika."},{"id":115,"translation":"Ary manàna faharetana Ianao. Fa i Allah dia tena tsy hamela ho very ny valisoan’ireo mpanao asa soa."},{"id":116,"translation":"Raha mba nisy mantsy tamin’ireo razambe teo alohanareo olo-mendrika sy nandrara ny fanimbana teto an-tany ! Nefa indrisy mantsy ! Afa-tsy ny vitsy an’isa tamin’ireo izay navotanay ihany. Fa ireo izay nanao ny tsy rariny, dia miezaka amin’ny fanarahana ny asa ratsy tafahoatra izay niainany no sady mpanao heloka bevava tokoa izy ireo."},{"id":117,"translation":"Ary ny Tomponao, dia tsy handrava amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola misy mponina miezaka manarina ny ratsy ao Aminy."},{"id":118,"translation":"Ary raha sitraky ny Tomponao, dia nataony ho vahoaka iray mitovy tarigetra ihany ny olona rehetra nefa tsy mijanona amin’ny tsy fifanarahana tokoa izy ireo,"},{"id":119,"translation":"Afa-tsy ireo izay nomen’ny Tomponao famindram-po ihany. Satria izany no nohariany azy ireo. Ary tanteraka tokoa ny tenin’ny Tomponao manao hoe : “ Hamafisina, fa ho fenoiko Djiny (tsiny) sy olombelona avokoa miaraka ao anaty Afo-be ”."},{"id":120,"translation":"Ary izay rehetra notataranay Taminao mikasika ny tantaran’ireo Iraka, dia ny hanamafisanay ny fonao. Ary avy tamin’izany no nahatongavan’ny fahamarinana (Ny Kor’any) sy anatra ary fampahatsiahivana Taminao ho an’ireo mpino."},{"id":121,"translation":"Ary lazao amin’ireo izay tsy mino ny teny manao hoe : “ Miasà Ianareo araka izay vitanareo, fa izahay kosa dia hiasa araka izay vitanay ”."},{"id":122,"translation":"Ary miandrasa Ianareo fa Izahay dia hiandry ihany koa !"},{"id":123,"translation":"Ary an’i Allah ny fahafantarana ny zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary any Aminy no hiverenan’ny didy manontolo. Tompoy àry Izy, ka apetraho Aminy ny fitokisanao. Fa ny tomponao,dia tsy variana amin’izay ataonareo."}]},{"id":12,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF LAM RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana."},{"id":2,"translation":"Nataonay amin'ny fiteny arabo izany Koroany izany, mba hisainanareo"},{"id":3,"translation":"Tantarahanay Aminao ny tantara tsara indrindra nohon'ny fanambarana izay ataonay Aminao ao anatin' ity Koroany ity na dia anisan’ireo tsy mahalala izany aza Ianao teo aloha."},{"id":4,"translation":"Raha niteny tamin’ny Rainy i Josefa hoe : “Ry Dada, nahita (tamin’ny nofy) kintana iraika ambiny folo, ary koa ny masoandro sy ny volana aho, nahita azy ireo niankohoka teo anatrehako.”"},{"id":5,"translation":"Namaly izy : Ry anaka, aza tantaraina amin’ireo rahalahinao ny nofinao, fa hanao teti-dratsy aminao izy ireo, tena marina fa i satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona."},{"id":6,"translation":"Ary noho izany ny Tomponao dia hisafidy Anao sy hampianatra Anao ny fandikana nofy, ary ho tanterahiny Aminao sy amin’ny fianakavian’i Jakoba ny fahasoavany tahaka ny nanaovany izany tamin’ireo razambenao roa teo aloha dia Ibrahimo sy Isaka. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahalalàna sy be Fahendrena."},{"id":7,"translation":"Tena nisy fananarana tokoa ho an’ireo izay manontany, ny amin’i Josefa sy ireo rahalahiny"},{"id":8,"translation":"Raha niteny izy ireo nanao hoe: “I Josefa sy ny rahalahiny, dia tian’ny rainay kokoa noho izahay, nefa izahay dia vondron’olona matanjaka. Tena ao anatin’ny hadisoana miharihary ny rainay”."},{"id":9,"translation":"“Vonoy i Josefa, na hampanalaviro any amin’ny tany hafa izy, mba hitodihan’ny tavan’ny Rainareo, aminareo manokana, ary hahatonga anareo ho olona tsara any aoriana”."},{"id":10,"translation":"Hoy ny anankiray tamin’izy ireo: “Aza vonoina i Josefa, fa atsipazo ao anatina vovo iray, raha vonona ny hanao izany ianareo, mba handraisan’ny andian’olona sasany mpandeha azy indray”."},{"id":11,"translation":"Hoy izy ireo : “Ry Dadanay ô! Inona no mahazo anao, no tsy matoky anay mikasika an’i Josefa ianao? Nefa tsy manana hevi-dratsy momba azy izahay”."},{"id":12,"translation":"Ka alefaso miaraka aminay izy rahampitso hitsangatsangana sy hilalao. Fa izahay dia vonona hiaro azy ”."},{"id":13,"translation":"Hoy izy : “Marina fa malahelo aho ny hitondranareo azy, ary matahotra aho, sao lanin’ny amboadia izy amin’ny fotoana mahavariana anareo, ka tsy hitandremanareo azy”."},{"id":14,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : \" Raha sanatria ka ho lanin’ny amboadia tokoa Izy, nefa Izahay maro, tena faty antoka ho Anay izany."},{"id":15,"translation":"Ary raha nentin’izy ireo izy, ka nifanarahan’izy ireo ny hamarina azy, anaty vovo lalina indrindra, dia nambaranay taminy hoe: “Mbola hampahafantarinao azy ireo, indray andro any, izao nataon’izy ireo izao, fa tsy tsapan’izy ireo izany ankehitriny”."},{"id":16,"translation":"Tonga tany amin’ny Rainy izy ireo ny alina sady nitomany."},{"id":17,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : Oh ry Dadanay o ! nandeha nifaninana nihazakazaka Izahay, ka navelanay teo akaikin’ny entanay i Yosofa, ka nohanin’ny amboadia Izy. Ary tsy hino Anay velively Ianao, na dia milaza ny marina aza Izahay.”"},{"id":18,"translation":"Nentin’izy ireo ny akanjony lainga mihosi-drà . Niteny izy hoe : “Ny fanahy ratsinareo no nanosika anareo hanao tetika… ka tsy misy azoko atao afa-tsy ny faharetana tsara! Ary Allah no hangatahana vonjy amin’izay notantarainareo! ”"},{"id":19,"translation":"Nefa, nisy andian’olona anankiray tonga. Nirahin’izy ireo ny mpaka ny ranony, dia nampidina ny fanovozana kely. Hoy izy : “Vaovao mahafaly! Indro, nahita zazalahy kely aho!”. Ary nafenin’izy ireo izy (hamidy) toy ny entam-barotra. Nefa fantatr’Allah tsara izay ataon’izy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary dia namidin’izy ireo mora vidy izy, dirham vitsivitsy. Fa noheverin’izy ireo, ho tsy misy hajany izy."},{"id":21,"translation":"Ary ilay nividy azy avy any Ejypta, dia niteny tamin’ny vadiny, ka hoy izy : “Raiso ampitiavana izy, fa mety hilaintsika na hatsangantsika ho zanaka”. Araka izany dia nataonay maritoerana tao an-tanàna i Josefa, ka nampianarinay azy ny fandikana ny nofy. Fa ambony amin’ny didiny Allah, nefa tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona izany."},{"id":22,"translation":"Rehefa tonga ny fahamatoran-tsainy dia nomenay Azy ny fahendrena sy ny fahalalana. Tahaka izany no hamalianay ireo mpanao ny asa soa."},{"id":23,"translation":"Ary ilay (Zoulaikha) nandray azy tao an-tranony, dia niezaka ny haka fanahy azy, ka nakatony tsara ireo varavarana, ary hoy izy : “Avia, (vonona ho anao aho). Ka hoy izy namaly : “Hiaro ahy anie Allah! Ny tompoko no nanome ahy fialofana tsara. Ekena, fa tsy mahomby ireo mpanao ny tsy rariny”."},{"id":24,"translation":"Ary naniry mafy Azy (an’i yosofa) Izy (ilay vehivavy). Ary ho naniry Azy koa Izy (yosofa), raha tsy nahita porofo miharihary tamin’ny Tompony. Tahaka izany no nampihatahanay taminy ny ratsy sy ny asa vetaveta. Marina fa Izy dia anisan’ireo mpanomponay voafidy."},{"id":25,"translation":"Ary dia nihazakazaka ho eny amin’ny varavarana izy roa, ka norovitin-dravehivavy ny akanjon’i Josefa, avy aty aoriana. Hitan’izy roa teo ambaravarana ny vadin-dravehivavy, ka hoy ravehivavy: “Inona no sazin’izay nanao ratsy tamin’ny ankohonanao (vadinao) raha tsy ny fonja, na sazy mamirifiry?”."},{"id":26,"translation":"Ka hoy i Josefa : “Izy no naka fanahy ahy”, ary nijoro vavolombelona ny anankiray tamin’ny fianakavian-dravehivavy nanao hoe : “Raha rovitra avy aty anoloana ny akanjon’i Josefa, dia ravehivavy no milaza ny marina, fa izy kosa dia isan’ireo mpandainga,"},{"id":27,"translation":"Fa raha rovitra avy aty aoriana kosa ny fitafiny, dia ilay vehivavy no mpandainga ary izy (Youssouf) kosa dia anisan’ireo milaza ny marina."},{"id":28,"translation":"Ka rahefa hitan’ilay tompom-bady ny akanjon’i Josefa, fa rovitra avy any aoriana, dia hoy izy : “Tena fitakareo vehivavy mihitsy izao! Henjana tokoa ny fitakareo”."},{"id":29,"translation":"Yosofa, aza mieritreritra izany intsony Ianao ! Ary Ianao, (ravehivavy) mangataha famelan-keloka nohon'ny fahotanao, marina fa Ianao dia anisan’ireo mpanao hadisoana ”."},{"id":30,"translation":"Ary niteny ireo vehivavy tao an-tànana hoe : “Niezaka naka fanahy ny mpanompony ny vadin’i Aziz, nataony adalampitiavana taminy mihitsy izy. Hitanay, fa tao amin’ny fahaverezana miharihary tokoa izy”."},{"id":31,"translation":"ka rehefa naheno ny fifosana nataon’izy ireo Izy, dia nandefa fanasana tamin’izy ireo, ka nanomana sakafo maivana ho azy ireo Izy, ary notolorany antsy tsirairay avy izy ireo. Ary niteny Izy (vadin’ny mpanjaka ) ka nanao hoe : \" Mivoaha mankany amin’izy ireo Ianao (Yosofa) ! ” Nony nahita azy izy ireo, dia talanjona taminy, ka nandidy ny tànany izy ireo, ary niteny ka nanao hoe : \" Ny fahadiovana anie ho an’i Allah ! ity dia tsy mba olombelona, tsy inona Izy io fa Anjely mihaja ! ”"},{"id":32,"translation":"Hoy izy : “Indro ary ilay nanankiananareo ahy. Niezaka ny haka fanahy azy aho, nefa niaro tena fatratra tamin’izany izy. Raha ohatra ka tsy nanao izay nandidiako azy izy, dia ho any am-ponja, ary ho isan’ireo nanetri-tena”."},{"id":33,"translation":"Niteny i Yousofa ka nanao hoe : Oh ry Tompoko, ny fonja no tiako kokoa noho izay hiantsoan’izy ireo Ahy ka raha tsy mampihataka Amiko ny teti-dratsin’izy ireo Ianao, dia hirona amin’izy ireo Aho ary ho anisan’ireo tsy Mahalala (mpanota) Aho ”."},{"id":34,"translation":"Ka namaly ny antsony ny Tompony ary nampiatahany taminy ny teti-dratsin’izy ireo. Tena marina fa Izy tokoa ilay Maheno sy ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":35,"translation":"Ary rehefa hitan’izy ireo niseho miharihary ireo porofo (amin’ny maha tsy manan-tsiny azy) dia nihevitra ihany izy ireo ny hampigadrana Azy mandritry ny fotoana fohy."},{"id":36,"translation":"Niaraka niditra Taminy tao am-ponja ny mpanompo lahy anakiroa. Ny ankiray tamin’izy ireo dia niteny ka nanao hoe : \" Nahita ny tenako tamin’ny nofy Aho fa namotsipotsika (voaloboka) atao toaka; ny iray hafa kosa dia niteny ka nanao hoe : \" Izaho dia nahita ny tenako fa miloloha mofo izay nohanin’ireo voro-manidina. Hazavao Aminay ny dikan’ireo nofinay ireo. Tena marina fa Izahay dia mahita fa Ianao dia isan’ireo mpanao soa ”."},{"id":37,"translation":"“ Mbola tsy tonga eo Aminareo akory ny sakafo izay omena Anareo, hoy Izy, dia ho lazaiko Aminareo sahady ny dikan’ireo nofy ireo mialoha ny fahatongavan’ny sakafo Aminareo roa. Izany dia anisan’izay nampianarin’ny Tompoko Ahy .Marina fa Izaho dia namela ny finoan’ny vahoaka izay tsy mino an’i Allah sy mandà ny fisian’ny fiainana any an-koatra ”."},{"id":38,"translation":"Ary Izaho dia nanaraka ny finoan’ireo razambeko Ibrahimo, Isaka sy i Jakoba. Izahay dia tsy mendrika hampikambana an’i Allah na amin’inona na amin’inona. Izany dia isan’ny fahasoavana nomen’i Allah anay sy ny olombelona rehetra, nefa kosa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahay mankasitraka."},{"id":39,"translation":"Oh Ianareo roa lahy namako ato am-ponja ! Moa ve tompo maro misaratsaraka no tsara indrindra sa i Allah ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra ?"},{"id":40,"translation":"Ianareo dia tsy manompo ankoatr'Azy, afa-tsy ireo anarana izay noforoninareo sy ny razambenareo, izay tsy nampidinan’i Allah porofo. Tsy an’iza ny fahefana afa-tsy an’i Allah irery ihany. Nandidy Anareo Izy tsy hanompo afa-tsy Izy ihany. Izany no finoana mahitsy, nefa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra."},{"id":41,"translation":"Ô Ianareo roalahy namako ato am-ponja ! Ny iray Aminareo dia hampisotro divay (toaka) ny tompony, ny ankiray Aminareo kosa dia ho fantsihana (amin’ny hazo fijaliana) ary ireo vorona dia ihinana ny lohany, efa tontosa izany ny raharaha izay nanontanianareo roalahy Ahy ”."},{"id":42,"translation":"Ary hoy izy tamin’ny iray amin’izy roa, ilay nihevitra fa ho avotra: “Ampahatsiahivo any amin’ny tomponao any aho”, saingy nampanadinoin’ny devoly azy, ny filazana momba an’i Josefa tany amin’ny tompony. Koa dia nijanona taona vitsivitsy tao am-ponja i Josefa."},{"id":43,"translation":"Ary hoy ny mpanjaka: “Marina fa Izaho dia nahita tamin’ny nofy, ombivavy matavy fito natelin’ny ombivavy mahia fito, ary salohy maitso fito sy salohy maina hafa mitovy isa. Ry loholona mpanolotsaina, omeo fanazavana amin’io fahitako io aho raha hainareo ny mandika ny nofy”."},{"id":44,"translation":"Niteny izy ireo nanao hoe : \" izany dia nofy maro mifangaro ! ary Izahay dia tsy mahay mandika ny nofy ! “"},{"id":45,"translation":"Ary niteny ny iray tamin’izy roalahy izay afaka tao am-ponja taorian’ny fotoana fohy nahatsiarovany : “ Omeko Anareo ny dikany ka alefaso àry Aho ”."},{"id":46,"translation":"“ Oh ry Yosofa, Ianao ilay olona marina ! Hazavao Aminay ny momba’ny omby vavy matavy fito nohanin’ny omby vavy mahia fito, sy salohin-java-maniry maitso fito ary salohin-java-maniry maina hafa mitovy isa Aminy, mba hiverenako amin’ireo olona, angamba ahafantatra ny dikan’izany nofy izany izy ireo ”."},{"id":47,"translation":"Namaly izy (Josefa) ka nanao hoe : “ Aoka hamboly mandritry ny fito taona misesy Ianareo.Izay rehetra voanjinjanareo dia avelao amin’ny salohiny, afa-tsy izay kelikely ho haninareo."},{"id":48,"translation":"Ary manaraka izany dia hisy fito taona ny hain-tany sy ny mosary ihinananareo izay nangoninareo afa-tsy ireo kelikely ataonareo voa hafafy."},{"id":49,"translation":"Ary avy eo, dia hisy taona iray hamonjena ny olona (amin’ny alalan’ny orana) ka handeha izy ireo eny amin’ny famiazam-boankazo."},{"id":50,"translation":"Ary niteny ilay mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy ”. Nony tonga teo aminy ny Iraka dia niteny i Yosofa (A.s) nanao hoe : \" Miverena any amin’ny Tomponao Ianao ka hanontanio Azy, ahoana ny momba ireo vehivavy nandidy ny tànany (izy ireo) ? Marina fa ny Tompoko dia mahalala tanteraka ny teti-dratsin’izy ireo ”."},{"id":51,"translation":"Tamin’izay dia hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo : “Inona àry no nahatonga anareo hiezaka haka fanahy an’i Josefa?”, ka hoy izy ireo namaly : “Tsy sitrak’Allah izany! Tsy mahalala na inona na inona ratsy aminy izahay”, ary hoy ny vadin’i Aziz : “Miseho ny marina ankehitriny, izaho no te-haka fanahy azy, ary ekena fa isan’ny olo-marina izy”"},{"id":52,"translation":"Izany dia mba ahafantarany (vadin'ilay vehivavy) fa tsy namadika Azy Aho nandritry ny tsy nahateo Azy, ary marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny tetik’ireo mpamadika."},{"id":53,"translation":"Tsy manadio ny tenako Aho ; fa ny fanahy dia tena mandrisika amin’ny fanaovan-dratsy tokoa, raha tsy nohon'ny indrafon’ny Tompoko (miaro Ahy amin’ny fahotana). Marina fa ny Tompoko dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":54,"translation":"Ary niteny ilay Mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy, atokako ho Ahy samy irery Izy ”. Ary rehefa niteny taminy Izy, dia nanao hoe : “ Tena marina fa Ianao manomboka androany dia akaiky Anay, hanana fahefana feno sy fitokisana ”."},{"id":55,"translation":"Dia hoy izy (Josefa): “Ankino amiko ny fametrahana ireo entana eto an-tanàna, fa mpiambina tsara, sy mpahalala aho”."},{"id":56,"translation":"Tahaka izany no nanamafisanay (fahefana) an’i Yosofa (Josefa) amin’io faritra io ary nipetraka tao Izy araka izay tiany. Omenay ny Famindran-ponay izay sitrakay ary tsy ho avelanay ho very ny valin’asan’ireo Mpanao soa."},{"id":57,"translation":"Ary ny valisoa any an-koatra no mendrika indrindra ho an’ireo izay nino sy nanam-patahorana."},{"id":58,"translation":"Ary tonga ireo Rahalahin’i Yosofa (Josefa) ka niditra tao Aminy. Nahafantatra azy ireo Izy, fa izy ireo kosa dia tsy nahafantatra Azy."},{"id":59,"translation":"Ary rehefa nanome tahirin-tsakafo voahomana ho Azy ireo Izy, dia niteny hoe : ” Ento aty Amiko ny Rahalahinareo anankiray avy amin’ny Rainareo. Moa ve tsy hitanareo fa Izaho no nanome Anareo fatra feno tsara, ary Izaho no mendrika indrindra amin’ireo mpampian-trano ?"},{"id":60,"translation":"Raha tsy entinareo mankaty Amiko Izy, dia tsy hisy tahirin-tsakafonareo intsony aty Amiko. Ary aza manatona Ahy mihitsy ”."},{"id":61,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Hiezaka Izahay handresy lahatra ny Rainay, ary tena hataonay tokoa izany."},{"id":62,"translation":"Ary niteny izy tamin’ireo mpanompony : “ Averinareo any amin’ny kitapon’izy ireo ny entany, angamba ho fantatr’izy ireo izany rehefa tafaverina any amin’ny fianakaviany izy ireo, angamba hiverina indray izy ireo ”."},{"id":63,"translation":"Ary nony tafaverina tany amin’ny Rainy izy ireo, dia niteny ka nanao hoe : ” O ry Dadanay o ! Tsy hahazo tahirin-tsakafo intsony Izahay (amin’ny manaraka) koa alefaso miaraka Aminay ny Rahalahinay mba hahazoanay vatsy, ary Izahay dia tena hiaro Azy tsara."},{"id":64,"translation":"Niteny Izy (rain’izy ireo) ka nanao hoe : ” Moa va hatoky Anareo indray Aho, tahaka ny fahatokisako Anareo tamin’ny Rahalahiny teo aloha ? Nefa i Allah no Mpiaro mendrika indrindra, ary Izy no tena be Indrafo amin’ireo Mpamindra-fo."},{"id":65,"translation":"Ary rehefa nanokatra ny kitapony izy ireo, dia hitan’izy ireo tao fa naverina tamin’izy ireo ny entany. Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry dadanay o ! Inona indray no tadiavintsika ? Fa indro naverina amintsika ny entantsika, ka afaka hamatsy ny fianakaviana Isika, koa hanara-maso akaiky ny Rahalahinay Izahay, ary hampianay iray hafa indray ny entan’ny rameva. Izany dia mora amin’ny fahazoana entana."},{"id":66,"translation":"Niteny Yakoba (Jakoba) hoe : ” Tsy handefa Azy miaraka Aminareo mihitsy Aho mandra-panomezanareo Ahy ny fifanekena hentitra amin’ny anaran’i Allah fa hitondra Azy hiverina aty Amiko Ianareo, raha tsy hoe voasakana Ianareo ”. rehefa nanome ny fifanekena taminy izy ireo dia niteny Izy (Yakoba) ka nanao hoe : ” i Allah no Mpiantoka amin’izay tenenintsika ”."},{"id":67,"translation":"Ary hoy izy : “Ry zanako! Aza miditra amin’ny varavarana tokana ianareo, fa midira amin’ny varavarana samihafa. Tsy misy ilanareo ahy na kely aza amin’ny lahatr’Allah. Fa an’Allah ny fanapahan-kevitra, Aminy no ametrahako ny fitokiako. Ary izay mametraka ny fitokiany dia aoka hametraka izany Aminy”."},{"id":68,"translation":"Ary rehefa niditra izy ireo araka ny nandidian’ny Rainy azy ireo, dia tsy nahavita na inona na inona manoloana izany izy ireo teo anatrehan’ny didin’i Allah, fahamalinana fotsiny ihany no niheverin’i Yakoba izany hafatra izany. Tena marina fa izy dia manam-pahalalana feno amin’izay nampianarinay Azy. Nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mahalala."},{"id":69,"translation":"Raha niditra tao amin’ny Yosofa (Josefa) izy ireo, dia notazoniny teo Aminy ny Rahalahiny sady niteny izy hoe : ” Rahalahinao Aho, koa aza malahelo amin’izay nataon’izy ireo ianao ”."},{"id":70,"translation":"Rehefa avy nanome tahirin-tsakafon’izy ireo Izy, dia nataony tao anaty kitapon’ireo Rahalahiny ny kaopy. Dia nisy mpiantso nanao hoe :“ O Ianareo mpandeha ! mpangalatra Ianareo ”."},{"id":71,"translation":"Nitodika izy ireo sady niteny ka nanao hoe : “ Inona no tadiavinareo ? ”"},{"id":72,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mitady ny kaopy lehibe an’i mpanjaka Izahay. ka izay mahita azy, dia ahazo valisoa entana tongan’ny rameva anakiray. Ary Izaho no mpiantoka amin’izany ”."},{"id":73,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! fantatrareo tsara fa tsy tonga handoto ity faritra ity Izahay ary tsy mpangalatra ”."},{"id":74,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Inona àry no saziny raha mpandainga Ianareo ? ”."},{"id":75,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ny sazy mendrika hoan'izay ahitana ilay kaopy ao amin’ny entany, dia ny tenany ihany no lasa hatao andevo amin'izay nataony tahaka izany tokoa no hanasazianay ireo mpanao ny tsy rariny ”."},{"id":76,"translation":"Nanomboka nisava kitapon’ireo hafa izy (Yosofa) mialohan’ny hisavany ny kitapon’ny Rahalahiny; avy eo dia navoakany izany avy tao anatin’ny kitapon’ny Rahalahiny. Ary tahaka izany no nanoroanay hevitra an’i Yosofa (Josefa), satria tsy afaka hisambotra ny Rahalahiny Izy, araka ny lalànan’ny mpanjaka, raha tsy sitrak’i Allah izany. Izahay no mampiakatra amin’ny laharana ambony izay sitrakay. Ary misy manam-pahaizana hatrany ambon’izay Olona manam-pahalalana."},{"id":77,"translation":". Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Raha mangalatra Izy dia efa nangalatra ihany koa ny Ralahiny teo aloha fa nafenin’i Yosofa (Josefa) tamin’ny tenany ihany izany (teny Izany), ka tsy navoakany azy ireo ”. Niteny Izy nanao hoe : ” Ianareo no tena ratsy toerana indrindra ! fa i Allah no tena Mahalala izay tanisanareo ”."},{"id":78,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry manam-boninahitra hajaina; manan-dray tena antitra Izy, koa tazony amin’ny toerany ny iray Aminay. Tena hitanay fa anisan’ny mpanao soa Ianao ”."},{"id":79,"translation":"Miaro Anay anie i Allah amin’ny fakana Olona hafa ankoatr’izay nahitanay ny fanananay ! Raha tsy izany dia tena mpanao ny tsy rariny Izahay."},{"id":80,"translation":"Rehefa very fanantenana hitondra (an’i Bejamina hody) izy Ireo, dia nifampidinika mangina. Niteny ny lahimatoa tamin’izy ireo nanao hoe : “ Moa ve tsy fantatrareo fa efa nanao fifanekena amin’ny anaran’i Allah Taminareo ny Rainareo ary Ianareo efa tsy nahantanteraka izany taloha mikasika an’i Yosofa (Josefa) ? Tsy hiala amin’ity faritra ity mihitsy Aho mandra-pahamelan’i Raiko Ahy na mandra-pitsaran’i Allah Ahy. Ary Izy no Mendrika indrindra amin’ireo mpitsara."},{"id":81,"translation":"Miverena any amin’ny Rainareo Ianareo ary teneno Aminy hoe : “ O ry Dadanay ! Nangalatra ny Zanakao. Izahay dia tsy mitsangana ho vavolombelona afa-tsy amin’izay fantatray ary Izahay dia tsy mahalala mihitsy ny zava-miafina."},{"id":82,"translation":"Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”."},{"id":83,"translation":"Niteny izy ka nanao hoe : “ Ny fanahy ratsinareo no nanosika Anareo nanao tetika... Ka (tsy misy azoko atao afa-tsy) ny faharetana tsara. Angamba Allah dia hamerina Amiko izy roa. Marina fa Izy tena Mahalala sy be Fahendrena ”."},{"id":84,"translation":"Ary nitodika nandao azy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “ Tena lehibe tokoa izany alaheloko amin’i Yosofa (Josefa) izany ! ” ary nahafotsy ny masony ny alahelo. Tena vonton’alahelo tokoa Izy."},{"id":85,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! Fa ianao dia tsy hijanona ahatsiaro an’i Yosofa (Josefa) mandra-paharerakao na mandra-pahafatinao."},{"id":86,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mitaraina sy miampanga ny fahoriako sy ny alaheloko amin’i Allah. Ary Izaho dia mahafantatra avy fa amin’i Allah izay tsy fantatrareo."},{"id":87,"translation":"O ry Zanako, mandehana Ianareo ka tadiavinareo i Yosofa sy ny Rahalahiny. Ary aza kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. Fa ireo vahoaka tsy Mpino ihany no mora kivy amin’ny famindram-pon’i Allah."},{"id":88,"translation":"Ary nony niditra tao amin'i Yosofa (Josefa) izy ireo dia niteny ka nanao hoe : “ O ry manam-boninahitra hajaina, tratry ny mosary Izahay sy ny fianakavinay ka tonga Izahay miaraka amin’ny entam-barotra tsy dia misy vidiny loatra. Omeo fatra feno Izahay ary miantrà Anay Ianao. Tena marina fa i Allah dia manome valisoa an’ireo mpiantra ! ”"},{"id":89,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : “ Moa ve fantatrareo ny zavatra nataonareo tamin’i Yosofa (Josefa) sy ny Rahalahiny. nefa Ianareo tsy mahalala izany ? ”"},{"id":90,"translation":"Dia hoy izy ireo : “Moa va ianao…tena marina fa i Josefa ianao!”, dia hoy izy namaly: “Josefa tokoa aho, ary ity ny rahalahiko. Marina fa nanasoa anay Allah. Na iza na iza manam-pahatahorana sy manam-paharetana...Ary marina, fa tsy avelan’Allah ho very, ny valisoan’ireo mpanao soa”."},{"id":91,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Mianiana amin’i Allah ! Tena marina, fa notiavin’i Allah mihoatra Anay Ianao ary diso tokoa Izahay ”."},{"id":92,"translation":"Niteny izy ka nanao hoe : “ Tsy misy fanakianana Anareo androany ! hamela ny helokareo anie i Allah ary Izy, ilay Mpamindra-fo indrindra amin’ireo mpamindra-fo."},{"id":93,"translation":"Entonareo ity fitafiako ity ary apetaho amin’ny tavan’i Raiko dia hahiratra avy hatrany Izy. Ary ento mankaty Amiko avokoa ny fianakavianareo rehetra ”."},{"id":94,"translation":"Raha vao tafavoaka ny sisin-tany (kanana) ny andian’ny mpandeha, Niteny ny Rain’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa Izaho dia maheno ny fofon’i Yosofa (Josefa) na dia teneninareo fa mirediredy Aho ”."},{"id":95,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah fa indro indray Ianao dia miverina amin’ny fahaverezanao taloha ”."},{"id":96,"translation":"Rehefa tonga ilay mpitondra vaovao mahafaly dia napetany tamin’ny tavan’ny Yakoba (Jakoba) ilay fitafiana. Avy hatrany dia nahiratra Izy, sy niteny ka nanao hoe : “ Moa ve tsy efa nolazaiko taminareo fa Izaho dia mahazo fahalalana avy amin’i Allah, izay tsy fantatrareo ? ”."},{"id":97,"translation":"Hoy izy ireo : “Ry Dada ô! Mangataha ho anay, ho famelana ny fahotanay, fa tena diso tokoa izahay”."},{"id":98,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : “ Izaho dia hitalaho amin’ny Tompoko ny hamelana ny helokareo satria Izy ilay Mpamela ny heloka, ilay be Fiantrana ”."},{"id":99,"translation":"Fa rehefa niditra tao amin’i Yosofa (Josefa) izy Ireo dia noraisiny ireo Ray aman-dreniny ka niteny tamin’izy ireo izy nanao hoe : “ Midira any Egypta am-piadanana Ianareo, raha sitrak’i Allah !"},{"id":100,"translation":"Ary dia nakariny teny ambonin’ny seza fiandrianana ireo Ray aman-dReniny, ka dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Ary hoy izy : “Ry Dada ô! Izany no dikan’ny nofiko fahiny. Fa notanterahin’Allah tokoa izany. Ary tena nanao soa ahy Izy, raha namoaka ahy tao am-ponja, ka nahatonga anareo avy tany ambanivohitra (tany efitra), rehefa avy nampitranga tsy fifanarahana teo amiko sy ny rahalahiko ny devoly. Feno hamoram-po amin’izay tiany ny Tompoko. Ary Izy no Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, sady be Fahendrena."},{"id":101,"translation":"Ry Tompoko oh, efa nanome fahefana Ahy Ianao sy nampianatra ny fandikana ireo nofy. Mpahary ireo lanitra sy ny tany Ianao. Ianao no Mpiahy Ahy ento an-tany sy any an-koatra. Ataovy maty ao anaty fankatoavana Anao Aho, ary ataovy miaraka amin’ireo Olona mpanao asa soa."},{"id":102,"translation":"Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo."},{"id":103,"translation":"Ary ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mpino na dia teo aza ny fanirianao fatratra mba ho mpino izy ireo."},{"id":104,"translation":"Ary aza mangataka tambi-karama noho izany Ianao, fa tsy inona akory ity afa-tsy fampahatsiahivana ihany ho an’izao tontolo izao."},{"id":105,"translation":"Any amin’ireo lanitra sy ety ambonin’ny tany, dia misy ireo famantarana izay andalovan’ny Olona kanefa itodihany lamosina !"},{"id":106,"translation":"Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino an’i Allah raha tsy mampikambana Azy amin’ny zanahary hafa."},{"id":107,"translation":"Inona no tokin’izy ireo raha tonga handrakotra azy ireo ny sazin’i Allah, na koa ho tonga tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizin’izy ireo ilay ora nefa tsy hatsapa izany izy ireo ?"},{"id":108,"translation":"Teneno hoe : ” Ity no làlako, miantso ny Olona mankany amin’i Allah Aho, amin’ny alalan’ny porofo mazava, Izaho sy ireo izay manaraka Ahy.Voninahitra anie ho an’i Allah. Izaho dia tsy anisan’ireo manana zanahary maro."},{"id":109,"translation":"Izahay dia tsy nandefa, talohanao, afa-tsy ireo lehilahy avy tamin’ireo tanàna izay nanaovanay fanambarana. Moa tsy nielipatrana eran-tany va izy ireo, ary jereonareo ny fiafaran’ireo teo alohan’izy ireo? Hamafisina, fa tena tsara ho an’ireo izay manam-pahatahorana ny fonenana any an-koatra. Moa tsy misaina izany va ianareo?"},{"id":110,"translation":"Raha efa very fanantenana ireo Iraka sy nieritreritra fa voampanga ho mpandainga izy ireo, dia tonga tamin’izy ireo avy hatrany ny Famonjenay. Ary navotanay izay sitrakay. Nefa tsy misy afaka manakana ny sazinay izay miantefa amin’ireo vahoaka mpanao heloka be vava."},{"id":111,"translation":"Ao amin’ny tantaran’izy ireo dia tena feno lesona fananarana ho an’ireo Olona manan-tsaina. Tsy tantara noforonina izany. Fa fanamafisana kosa izay efa nisy teo alohany, ary famakafakana antsipiriany ny zava-drehetra, tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo vahoaka izay mino."}]},{"id":13,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF, LAM, MIM, RA, indro ireo andian-teny masin’ilay Boky; izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao ilay marina, nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mino izany."},{"id":2,"translation":"Allah no nampiakatra ireo lanitra tsy misy andry izay hitanareo maso. Avy eo dia nitoetra teo ambonin’ny Seza fiandrianany Izy ary nataony ny masoandro sy ny volana (ho ampiasain’ny olombelona), mihazakazaka mankany amin’ny fiafarana voatondro ny tsirairay, Izy no mandrindra ny fiandidiana rehetra. Ary Izy no mamakafaka amin’ny antsipiriany ireo famantarana angamba hino marina Ianareo amin’ny fihaonana amin’ny Tomponareo."},{"id":3,"translation":"Ary Izy no nampidadasika ny tany ka nametraka ireo tendrombohitra sy ireo renirano teo Aminy. Ary amin’ny karazam-bokatra tsirairay, dia nataony tsiroaroa misy ny lahy sy ny vavy; nataony andrakotra ny andro ny alina. Tena marina, fa izany tokoa no porofo ho an’ireo vahoaka misaina."},{"id":4,"translation":"Eny ambony tany dia misy ireo sombin-tanimboly mifanakaiky, ireo zaridaim-boaloboka, ary ireo voa madinika sy ireo hazo palma mitangorona na mifanelanelana voatondraky ny rano iray ihany, nefa nataonay ambony kokoa ny tsiron’ny sasany amin’ny sasany hafa. Izany dia porofo ho an’ireo vahoaka mandinika."},{"id":5,"translation":"Ary raha misy mahagaga Anao, dia tsy misy tena mahagaga raha tsy ny fitenin’izy ireo manao hoe :“ Raha lasa vovoka Isika, moa hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? \" Izy ireny no tsy mino ny Tompon’izy ireo. Ary izy ireo no hitondra zioga eo am-bozony. Ary izy ireo no vahoakan’ny Afobe sy hitoetra ao mandrakizay."},{"id":6,"translation":"Ary mangataka Aminareo izy ireo ny hanafainganana ny loza nohon'ny hasambarana. Marina fa nisy tokoa talohan’izy ireo, ireo sazy mitovy amin’izany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka ho an’ny olombelona na dia eo aza ireo tsy rariny nataony. Marina fa ny Tomponao dia mafy sazy."},{"id":7,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino ka nanao hoe : ” Nahoana no tsy nampidinina taminy (Mohammad) ny fahagagana avy amin’ny Tompony ” Tsy iza Ianao fa mpampitandrina ihany, ary isaky ny vahoaka dia misy pitari-dàlana."},{"id":8,"translation":"Allah dia mahafantatra izay entin’ny vavy tsirairay sy ny fotoana faharetan’ny vohoka : fohy na ho lava. Ny zava-drehetra eo aminy dia samy manana ny fetrany."},{"id":9,"translation":"Izy no ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny miharihary, ary Izy no ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":10,"translation":"Mitovy ihany (eo Aminy), Aminareo : izay manafina ny teniny na izay mampiely ankarihary, na izay miafina amin’ny alina na izay miseho mazava amin’ny antoandro."},{"id":11,"translation":"Izy (olombelona ) dia manana eo alohany sy aoriany (ireo Anjely) izay miaro sy manara-maso Azy araka ny didin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia tsy manova velively izay misy amin’ny vahoaka iray raha tsy efa izy ireo no (miezaka) manova izay misy eo amin’izy ireo. Ary raha te hanao ratsy amin’ny vahoaka iray Izy, dia tsy misy mahasakana Azy, fa tsy manana mpiaro ankoatra Azy izy ireo."},{"id":12,"translation":"Izy no mampahita Anareo ny tselatra : (izay miteraka aminareo) ny tahotra sy ny fanantenana. Ary Izy ihany koa no mamorona ny rahona mavesatra."},{"id":13,"translation":"Manome voninahitra Azy amin’ny fiderana ny kotro-baratra ary koa ireo Anjely, nohon'ny fatahorana Azy. Ary alefany namely ireo izay sitrany ny varatra. Nefa izy ireo dia miady hevitra momban’i Allah, ka nefa Izy dia mampatahotra nohon’ny heriny."},{"id":14,"translation":"Any Aminy no hanolorana ny tena fangatahana marina ! Ary ireo izay mitalaho ankoatra Azy dia tsy hamaly azy ireo velively izy ireo, mitovy amin’izay mitsotra ny tànany anakiroa ao anaty rano mba hitondra izany any am-bavany, kanefa tsy nahazo na inona na inona mihitsy. Ny fitalahoan’ireo tsy mpino dia very maina."},{"id":15,"translation":"Any amin’i Allah daholo no hiankohofan’ireo izay any amin’ireo lanitra sy ety ambony tany na mankatoa na mankahala,, ary koa ny alok’izy ireo, amin’ny fiandohan’ny andro sy ny fiafarany."},{"id":16,"translation":"Teneno hoe :“ Iza no Tompon’ireo lanitra sy ny tany ? ” Teneno hoe :“ i Allah ” Teneno hoe :“ Moa ve handray mpiahy ankoatra Azy Ianareo, izay tsy manao na inona na inona amin’ny tenan’izy ireo na ny tsara na ny ratsy ? Teneno hoe : “ Mitovy ve ny jamba sy ny mahiratra ? Na mitovy ihany koa ve ny aizim-pito sy ny mazava ? Moa ve izy ireo nanao an’i Allah misy mpiara-miombon'antoka Aminy izay nahary, mitovy amin’ny nohariany (Allah), ka lasa nifangaro tamin’izy ireo ny zava-boary ? Teneno hoe : “ Allah no Mpahary ny zava-drehetra ary Izy ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra ”."},{"id":17,"translation":"Nampidina ny rano avy eny an-danitra izay mikoriana amin’ireny lohasaha ireny Izy araka ny habeny. Ary ny tondra-drano dia mitondra raotra izay mitsikafona, ary izay empoina amin’ny afo mba ahazoana firavaka sy fitaovana dia manome roatra mitovy amin’izany. Tahaka izany no hanoharan’i Allah ny marina sy ny diso : ny raotra (avy amin’ny riaka sy ny metaly) dia lasa entona, fa izay ilain’ny Olombelona kosa dia mijanona ety ambony tany (ny rano sy ireo firavaka). Tahaka izany no hanomezan’i Allah ireo fanoharana."},{"id":18,"translation":"Ny mendrika indrindra (fiafarana) dia ho an’ireo izay namaly ny antson’ny Tompon’izy ireo. Fa ho an’ireo izay tsy namaly ny antso kosa, na dia nanana izay rehetra eny ambony tany izy ireo, sy mitovy amin’izany ny miaraka Aminy, dia hatolony ho onitra izany Izy ireny no hanana tatitra ratsy indrindra, ary ny Afobe no fialofan’izy ireo Tena fialofana ratsy indrindra izany !"},{"id":19,"translation":"Moa ve izay mahafantatra fa izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao dia ny fahamarinana, ka mitovy amin’izay jamba ? Ireo manan-tsaina irery ihany no mahatsapa izany,"},{"id":20,"translation":"Ireo izay nanatanteraka ny fifanarahan’izy ireo tamin’i Allah sy izay tsy nitsipaka izany fifanarahana izany,"},{"id":21,"translation":"Ireo nampihavana izay nodidin’i Allah hihavana, ka natahotra ny Tompony izy ireo ary matahotra ny ho ratsy tatitra (fiafarana) amin’ny fitsarana."},{"id":22,"translation":"Ary ireo izay maharitra amin’ny fikatsahana ny fankasitrahan’i Tompon’izy ireo, manatanteraka ny Soalat, sy mandany izay (fananana) nomenay azy ireo, ankihafina na ankarihary ary manohitra ny ratsy amin’ny tsara, ho azy ireo ny fonenana tsara any am-parany."},{"id":23,"translation":"Ny zaridaina Edena izay hidiran’izy ireo, sy ireo mpino mendrika avy amin’ny razambeny, ireo vadiny, ary ireo taranany dia hiditra ao amin’izy ireo, isam-baravarana ireo Anjely."},{"id":24,"translation":"“ Fiadanana ho Anareo, noho izay niharetanareo ! ” ho tsara tokoa ny fonenanareo any am-parany ! ”"},{"id":25,"translation":"Ireo izay mivadika amin'ny fifanekena amin’i Allah aorian’ny fanekena izany, sy manapaka izay nirahin’i Allah atambatra ary manao fanakorontanana eto an-tany, izy ireo tokoa no maty antoka."},{"id":26,"translation":"Allah dia mizara ankalalahana ny anjara fiainana ho an’izay sitrany ary mametraka izany. Ary izy ireo dia faly tamin’ny fiainana teto an-tany, ary tsy inona ny fiainana eto an-tany raha ampitaina amin’ny any an-koatra afa-tsy fahafinaretana miserana ihany."},{"id":27,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino ka nanao hoe : ” Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana izay avy amin’ny Tompony ? ” Teneno hoe : ” Marina fa, i Allah dia manary izay sitrany ary mitari-dàlana mankany Aminy izay mibebaka."},{"id":28,"translation":"Ireo izay nino, ka tony ny fon’izy ireo nohon’ny fahatsiarovana an’i Allah”. Moa ve tsy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana an’i Allah no mahatony ny fo ?"},{"id":29,"translation":"Ireo izay nino sy nanao asa soa, dia fahasambarana lehibe ho azy ireo ary fiverenana tsara."},{"id":30,"translation":"Tahaka izany no nandefasanay Anao amin’ny vahoaka iray, izay efa nisy vahoaka maro nandalo teo alohan’izy ireo, mba hamakianao amin’izy ireo izay nambaranay Aminao (koroany), nefa izy ireo dia tsy nino an’ilay be Indrafo ka Teneno hoe : “ Izy no Tompoko, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, any Aminy no ametrahako ny fitokisako, ary any Aminy no ibebahako."},{"id":31,"translation":"Ary raha misy Koroany avy amin’ny alalany, mampandeha ireo tendrombohitra, mampitriatra ny tany na mampiteny ireo maty !...Nefa tsy izany !... An’i Allah ny fahefana rehetra. Moa ve tsy very fanantenana ireo izay nino, fa raha sitrak’i Allah dia notarihiny amin’ny làla-mahitsy avokoa ny olombelona rehetra ? Nefa tsy mitsahatra hahavoa ireo izay tsy nino izay nataony, ary iharan’ny sazy mahery vaika, na ho azon’ny loza tsy lavitry ny fonenany mandrapahatongan’ny fampanantenan’i Allah. Marina fa i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany."},{"id":32,"translation":"Marina fa notebatebahana ireo Iraka teo alohanao. Ary nomeko fe-potoana ireo izay tsy nino. Avy eo, dia noraisiko izy ireo. Dia tahaka ny ahoana ny fanasaziako !"},{"id":33,"translation":"Moa ve ilay mitsangana manara-maso ny azon’ny tsirairay (dia mitovy amin’ireo sampy) ?... Nefa izy ireny dia mbola mampikambana an’i Allah amin’ny hafa. Koa lazao azy ireo hoe : “ Omenareo ny anaran’izy ireo ! sa te hampianatra Azy izay tsy fantany ety ambonin’ny tany va Ianareo ? Na fomba fiteny fotsiny ve izany ? ” Tsy izany anefa : Nohatsaraina tamin’ireo tsy mpino ny teti-dratsin’izy ireo, ka nosakanana izy ireo mba tsy hanaraka ny làla-mahitsy. N'iza n'iza avelan’i Allah ho diso làlana dia tsy manana n'iza n'iza intsony hitari-dàlana Azy."},{"id":34,"translation":"Ho azy ireo ny sazy mahery vaika eto ambonin’ny tany. Ary ny famaizana any an-koatra dia tena mafy kokoa ary tsy hanana mpiaro Azy amin’i Allah izy ireo."},{"id":35,"translation":"Toy izany ilay paradisa izay nampanantenaina an’ireo manam-patahorana, ary misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ny voankazony dia maharitra mandrakizay, ary tahaka izany koa ny alokalony. Tahaka izany no fiafaran’ireo izay manam-patahorana, fa ny fiafaran’ireo tsy mpino kosa dia ny Afobe."},{"id":36,"translation":"Ary ireo izay efa nomenay ny Boky dia mifaly amin’izay nampidinina Taminao. Nefa misy andiany (olona maro) mankahala ny ampahany amin’izany. Teneno fa hoe : “ Tena marina fa nodidina Aho hanompo an’i Allah ary tsy hampikambana Azy amin’ny hafa, ary ho any Aminy no hiantsoako (olona). Ary any Aminy koa no hiverenako ”."},{"id":37,"translation":"Tahaka izany no nampidinanay (Koroany) lalàna amin’ny fiteny Arabo. Ary raha manaraka ny sitrapon’izy ireo Ianao aorian’ny fahazoanao ny fahalalana dia tsy hanana mpiaro na mpiahy Ianao eo anatrehan’i Allah"},{"id":38,"translation":"Tena marina fa nandefa ireo Iraka teo alohanareo Izahay, ary nanome vady sy taranaka azy ireo. Fa tsy anjaran’ny Iraka (na Mpaminany) no mitondra fahagagana, afa-tsy amin’ny alalana avy amin’i Allah. Samy manana ny fe-potoany izay noraiketina ao anaty Boky (ny olona tsirairay)."},{"id":39,"translation":"Mamafa sy manamafy araka izay sitrany i Allah (amin’ny lalàna) ary ny soratra voalohany indrindra dia any Aminy (Lahol Mafouz)"},{"id":40,"translation":"Na hampahitanay Anao ny ampahany sasantsasany amin’izay nampitahorinay azy ireo, na hataonay ho maty Ianao (alohan’izany), ny adidinao dia mampita ny hafatra ihany, fa ny fitsarana kosa dia Anay."},{"id":41,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo fa, mikapoka ny tany Izahay ka manakely izany amin’ny lafiny rehetra ? Ary i Allah no mitsara, ary tsy misy afaka manohitra ny fitsarany, fa haingana amin’ny fitsarana Izy."},{"id":42,"translation":"Ary tena marina fa ireo teo alohan’izy ireo dia nanao teti-dratsy (tamin’ireo Irany), fa ny tetika rehetra dia an’i Allah avokoa. Fantany avokoa izay azon’ny Olona tsirairay. Ary ireo tsy mpino dia ahafantatra tsy ho ela izay hanana ny fonenana tsara (Any am-piafarana)"},{"id":43,"translation":"Ary niteny ireo tsy nino ka nanao hoe : “ Tsy Iraka akory Ianao ”. Teneno hoe : “ Ampy ho vavolombeloko eo Aminareo i Allah, sy ireo izay manana ny fahalalana ny Boky (dia vavolombelona ) ”."}]},{"id":14,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF, LAM, RA. Ity ilay Boky izay nampidininay Aminao mba hamoahanao ireo Olona ao anaty haizina hankany amin’ny hazavana, amin’ny alàlan’ny Tompon’izy ireo, ho amin’ny làlan’ilay Mahery, ilay Mendri-piderana."},{"id":2,"translation":"Allah, izay Azy ny zavatra rehetra, any andanitra sy ety ambonin’ny tany. Ary loza ho an’ireo tsy mpino, amin’ny famaizana mafy (izay ho azon’izy ireo)."},{"id":3,"translation":"Ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nohon'ny fiainana any an-koatra, misakana ny làlan’i Allah sy mitady hampiolaka izany : Izy ireny dia ho very tanteraka tokoa."},{"id":4,"translation":"Ary tsy nandefa Iraka Izahay raha tsy tamin’ny fitenin’ny vahoakany, mba hanazava amin’izy Ireo. Mamery izay sitrany i Allah;ary mitari-dàlana ihany koa izay sitrany, Izy ilay Mahery, ilay be Fahendrena."},{"id":5,"translation":"Tena marina fa, nandefa an’i Mosa (A,s) (Mosesy) Izahay niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay (sady niteny taminy hoe) : ” Avoahy ao amin’ny haizina ny vahoakanao ho any amin’ny fahazavana ary ampahatsiahivo azy Ireo ny andron’i Allah ” (Ireo fahasoavany) ”. Tena marina fa amin’izany rehetra izany, dia misy Famantarana ho an’izay be faharetana sy feno fankasitrahana."},{"id":6,"translation":"Ary raha niteny i Mosa tamin’ny vahoakany ka nanao hoe : “ Tsarovinareo ireo fahasoavana nomen’i Allah Anareo raha navotany Ianareo tamin’ireo Olon’ny Faraona izay nampihorohoro Anareo tamin’ny fampijaliana ratsy. Nanapa-tenda ny Zanakareo lahy izy ireo sy namela ho velona ny Zanakareo vavy. Izany rehetra izany dia fitsapana lehibe avy amin’ny Tomponareo ”."},{"id":7,"translation":"Ary raha nilaza ny Tomponareo hoe : “Raha mahay mankasitraka ianareo, dia ampitomboiko marina ho anareo tokoa ny Fahasoavako. Fa raha tsy mahay mankasitraka kosa ianareo, dia tsarovy fa ho mafy ny sazy avy Amiko."},{"id":8,"translation":"Ary niteny i Mosa (Mosesy) ka nanao hoe : “ Raha tsy mahay mankasitraka Ianareo sy izay rehetra ety ambonin’ny tany, tena marina fa i Allah dia manana ny ampy ho n’i Tenany ary mendri-piderana Izy ”."},{"id":9,"translation":"Moa ve tsy tonga Taminareo ny tantaran’ireo teo alohanareo, dia ny vahoakan’ i Noa, ireo AN-D ary THAMOUD, sy ireo (velona) taorian’izy ireo, tsy misy mahalala azy ireo afa-tsy i Allah ?. Tonga tamin’izy ireo niaraka tamin’ny porofo mazava, ireo Irany (Mpaminaniny), nefa nanampim-bava tamin’ny tànany izy ireo, sady niteny nanao hoe : “ Izahay dia tena tsy mino ny (hafatra) izay nandefasana Anareo Marina tokoa fa ao anaty fisalasalana Izahay amin’izay hiantsoanareo Anay ary tena miahiahy tokoa."},{"id":10,"translation":"Niteny ireo Irakan’izy ireo hoe : “ Moa ve misy fisalasalana ny momban’i Allah, Mpahary ireo lanitra sy ny tany, Izay miantso anareo mba hamela ny ampahany amin’ireo helokareo sy manome anareo mandra-pahatonga ny fe-potoana voatondro? ” Niteny izy ireo hoe : “Tsy inona akory ianareo fa olombelona tahaka anay ihany. Mila hanakana anay amin’izay notompoin’ireo razambenay ianareo. Koa ento nareo aty aminay àry ny porofo mazava.”"},{"id":11,"translation":"Niteny tamin’izy ireo, ireo Irak’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa, tsy Inona akory Izahay fa Olombelona tahaka Anareo ihany. Nefa i Allah kosa dia manome fahasoavana ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony Tsy anjaranay ny mitondra porofo Aminareo, raha tsy alalana avy amin’i Allah. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan’ireo mpino ny fitokisany."},{"id":12,"translation":"Fa inona no mbola tsy hametrahantsika ny fitokisana amin’i Allah, ka nefa Izy no nitarika Antsika tamin’ireo làlantsika ? Tsy maintsy hiaretanay ny fampijaliana izay Ataonareo Anay. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan'ireo izay manana fitokisana ny fitokisany.”"},{"id":13,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino tamin’ny Iraka’izy ireo ka nanao hoe : \" Tena horoahinay hiala amin’ny tanànanay Ianareo na koa hiverina amin’ny finoanay (finoan-drazana) ianareo ! ” Ka nanambara tamin’izy ireo ny Tompon’izy ireo ka nanao hoe : \" Haringanay tanteraka ireo mpanao ny tsy rariny ”."},{"id":14,"translation":"Ary tena hametraka Anareo amin’ny tanàna aoriany izy ireo. Izany dia ho an’ireo izay matahotra ny fisiako sy matahotra ny fandrahonako."},{"id":15,"translation":"Nangataka ny fandresena izy ireo (ireo Iraka) ka diso fanantenana ireo mpangeja, mpanohitra ny marina."},{"id":16,"translation":"Aorian’izany dia ny Afobe (jahannam), ary hampisotroina rano feno nana."},{"id":17,"translation":"Ka ezahany hatelina tsikelikely izany nefa zara raha afaka hitelina izany Izy. Ary ho tonga Aminy ny fahafatesana n'aiza n'aiza misy Azy nefa tsy ho faty Izy, ary aorian’izany dia sazy mahery vaika no hanjo Azy."},{"id":18,"translation":"Ny mitovy amin’ireo izay tsy nino ny Tompon’izy ireo, ny asan’izy ireo dia azo oharina amin’ny lavenona nitongavan’ny rivotra mafy tamin’ny andron’ny rivo-doza. Tsy hahazo voka-tsoa velively tamin’izay azony izy ireo. Izany no tena fahaverezana lavitra."},{"id":19,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa i Allah dia Nahary ireo lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana ? Raha sitrany dia ho nofoanany tanteraka Ianareo, ary hampisy zava-boary vaovao Izy."},{"id":20,"translation":"Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany."},{"id":21,"translation":"Ary hiseho eo anatrehan’i Allah daholo izy rehetra, ka hiteny ireo kanosa amin’ireo mpanambony tena nanao hoe : “ Izahay dia tena mpanaraka Anareo teo aloha. Moa ve Ianareo afaka hiaro Anay kely amin’ny sazin’I Allah ? ” Hiteny ireo sasany ka nanao hoe : “ Raha notarihan’i Allah làlana Izahay dia ho notarihinay làlana ihany koa Ianareo. Mitovy ihany izany ho antsika, na mitaraina na miharitra, tsy ahita làlana hivoahana mihitsy Isika."},{"id":22,"translation":"Ary hiteny i Satana, rehefa tapaka ny didy rehetra ka nanao hoe : “ Marina fa i Allah dia nampanantena Anareo fampanantenàna marina, fa izaho kosa dia nampanantena Anareo (zavatra) izay tsy notanterahiko ary tsy nanana fahefana taminareo Aho, fa niantso Anareo fotsiny Aho, ary dia namaly Ahy Ianareo. Aza manome tsiny Ahy Ianareo, fa ny tenanareo no omeo tsiny. Tsy afaka hamonjy Anareo Aho, ary Ianareo koa dia tsy afaka hamonjy Ahy. Izaho dia mitsipaka tanteraka izay natambatrareo Tamiko tany aloha. Marina fa ireo mpanao ny tsy rariny dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry."},{"id":23,"translation":"Ary hampidirina ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ao anatin’ireo zaridaina (Paradisa) izay misy rano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo nohon'ny fanomezan-dàlan’ny Tompon’izy ireo. Ary ny fiarahabana azy ireo[89] ao dia : “ salama (fiadanana).”"},{"id":24,"translation":"Tsy hitanao va ahoana no nanaovan’i Allah fanoharana ny teny tsara ? Dia mitovy amin’ny hazo tsara iray, izay miorina tsara ny fakany, ary ny rantsany dia manakatra ny habakabaka."},{"id":25,"translation":"Manome ny voany isam-potoana avy amin’ny alalan’ny Tompony izy. Ary i Allah dia manome fanoharana ho an’ny olombelona, angamba ahatsiaro tena izy ireo (hifandinika, hifananatra)."},{"id":26,"translation":"Ary ny teny ratsy kosa dia mitovy amin’ny hazo ratsy voahongotra tamin’ny tany ka tsy manam-pototra hitsatohany intsony."},{"id":27,"translation":"Hankaherezin’i Allah ireo mino, amin’ny teny hentitra eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany sy any an-koatra, ary hanary ireo mpanao ny tsy rariny kosa Allah, ary manao izay sitrany Allah."},{"id":28,"translation":"Moa ve tsy hitanao ireo izay manakalo ny fahasoavan’i Allah amin’ny tsy fankasitrahana, ary mametraka ny vahoakan’izy ireo amin’ny toeran’ny fahaverezana ;"},{"id":29,"translation":"Ao amin’ny Afobe Djahannam izay handoro azy ireo ? Endre ! Ratsy tokoa izany toeram-pijanonana izany !"},{"id":30,"translation":"Ary nampitovy an’i Allah amin’ny zavatra hafa izy ireo mba hamerezana ireo Olona amin’ny làlany. Teneno hoe : “ Mahazoa fahafinaretana tsara Ianareo, satria tsy hisalasalana fa any amin’ny Afobe no fiafaranareo”."},{"id":31,"translation":"Teneno amin’ireo mpanompoko izay nino mba hanatanteraka ny Soalat, sy hizara ny fanomezana izay nomenay azy ireo, ankihafina na ankarihary, alohan’ny fahatongavan’ny Andro izay tsy misy fifanakalozana ara-barotra na fihavanana."},{"id":32,"translation":"Allah, Izy ilay nahary ireo lanitra sy ny tany ary nandrotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka namoaka avy amin’izany ireo karazam-boankazo ho anjara fivelomana ho Anareo. Ary nataony ho ampiasanareo ireo sambo izay misosa eny an-dranomasina avy amin’ny alalan’ny didiny, ary nataony ho ampiasainareo ireo renirano."},{"id":33,"translation":"Ary nataony mirindra ho Anareo ny masoandro sy ny volana izay mihodina. Ary nataony ho Anareo koa ny alina sy ny andro."},{"id":34,"translation":"Nomeny Anareo izay rehetra nangatahanareo Taminy. Raha hitanisa ireo fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voahisanareo izany. Marina fa ny Olombelona dia mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mankasitraka."},{"id":35,"translation":"Ary raha niteny Ibrahimo ka nanao hoe : ” Tompo o ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary halaviro Ahy sy ireo Zanako mba tsy hanompo ireo sampy Izahay."},{"id":36,"translation":"Tompo o ! Izy ireny dia tena nanary tokoa ny maro tamin’ny olombelona. n'iza n'iza manaraka Ahy, Izy no Oloko, ary izay tsy mankato Ahy kosa... Ianao no tena Mpamela-heloka sy be Fiantrana."},{"id":37,"translation":"Tomponay o ! Izaho dia nametraka amin’ny lohasaha tsy misy voly ny ampahany tamin’ireo ankohonako, eo akaikin’ny Tranonao Masina.Tomponay o !... Mba hanatanteraka ny Soalat izy ireo ka ataovy hirona amin’izy ireo ny fon’ireo Olona sasany ; ary omeo anjara fivelomana amin’ireo voankazo izy ireo. Angamba ahalala hankasitraka izy ireo."},{"id":38,"translation":"Tomponay o ! Ianao tokoa no mahafantatra izay afeninay sy habaribarinay, ary tsy misy miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-koatra."},{"id":39,"translation":"Dera sy voninahitra anie ho an’i Allah ! Izay nanome Ahy tao anaty fahanterana an’i Ismaely sy Isaka. Marina fa ny Tompoko dia mihaino ireo fangatahana."},{"id":40,"translation":"Tompo o ! Ataovy ho mpanatanteraka ny Soalat sy amin’ireo taranako Aho. Tomponay o ! Raiso ireo fangatahako."},{"id":41,"translation":"Tomponay o ! Avelao ny heloko sy an’ireo Ray aman-dreniko ary an’ireo mpino amin’ny andro hitsanganan’ny Fitsarana farany !"},{"id":42,"translation":"Ary aza mihevitra Ianao fa i Allah dia variana amin’izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny, fa omeny fe-potoana kosa izy ireo, mandra-pahatongan’ny andro izay hampidiridiry tsy ankihetsika ny mason’izy ireo."},{"id":43,"translation":"Hihazakazaka manatona (amim-pitalahoana) izy ireo, hampitraka ny lohany amin’ny tahotra, hidiridiry ny mason’izy ireo, ary foana ny fon’izy ireo."},{"id":44,"translation":"Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ?"},{"id":45,"translation":"Ary Ianareo dia monina tao amin’ny fonenan’ireo izay mpanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ihany, efa nasehonay taminareo miharihary ahoana ny fomba nanaovanay azy ireo, ary nomenay ohatra tamin’izany Ianareo."},{"id":46,"translation":"Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo."},{"id":47,"translation":"Aza mihevitra fa i Allah dia hivadika amin’ny fampanantenana nataony tamin’ireo Irany. Marina fa i Allah ilay Mahery, Tompon’ny fahefana hanasazy."},{"id":48,"translation":"Amin’ny Andro izay hanoloana ny tany ho hafa, ary toy izany koa ireo lanitra, ary izy ireo dia hiseho eo anatrehan’i Allah, ilay Tokana, Ilay Mpifehy Avo indrindra."},{"id":49,"translation":"Ary amin’izany andro izany dia ho hitanao ireo mpanao heloka be vava, voafatotra amin’ny rojo vy amin’ny sasany ny sasany."},{"id":50,"translation":"Ny fitafin’izy ireo dia tena (godorao, tara), ary handrakotra ny tavan’izy ireo ny afo."},{"id":51,"translation":"Mba hamalian’i Allah ny tsirairay amin’ny asa izay vitany. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsara."},{"id":52,"translation":"Ity dia fanambarana (Koroany) ho an’ny zanak’olombelona mba hitandreman’izy ireo amin’ny alalan’izany, ary mba ahafantaran’izy ireo ihany koa fa marina tokoa, fa Izy ilay Zanahary tokana (Allah), mba ahafantaran’ireo matsilo saina."}]},{"id":15,"verses":[{"id":1,"translation":"ALIF, LAM, RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana."},{"id":2,"translation":"(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato)."},{"id":3,"translation":"Avelao izy ireo hisakafo, hifaly, ary hovariana amin’ny fanantenana, fa tsy ho ela izy ireo dia ahafantatra."},{"id":4,"translation":"Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany)."},{"id":5,"translation":"Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany."},{"id":6,"translation":"Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao !"},{"id":7,"translation":"Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ”"},{"id":8,"translation":"Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino)."},{"id":9,"translation":"Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy."},{"id":10,"translation":"Marina fa Izahay dia efa nandefa Iraka talohanao tamin’ireo vahoaka teo aloha."},{"id":11,"translation":"Nefa mbola tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy nohesoiny."},{"id":12,"translation":"Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka."},{"id":13,"translation":"Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha."},{"id":14,"translation":"Na dia hosokafanay amin’izy ireo aza ny varavaran’ny lanitra, ka afaka hiakatra ao izy ireo,"},{"id":15,"translation":"Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”."},{"id":16,"translation":"Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy."},{"id":17,"translation":"Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona."},{"id":18,"translation":"Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy."},{"id":19,"translation":"Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara."},{"id":20,"translation":"Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory."},{"id":21,"translation":"Ary tsy misy zavatra na dia iray aza tsy anananay tahiry; ary tsy mampidina izany Izahay raha tsy amin’ny fatra voafetra."},{"id":22,"translation":"Ary Nalefanay ny rivotra ho mpamokatra, ary Nampidininay avy eny an-danitra ny rano izay hampisotroinay Anareo, nefa tsy afaka hitahiry izany Ianareo."},{"id":23,"translation":"Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra)."},{"id":24,"translation":"Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana."},{"id":25,"translation":"Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":26,"translation":"Ary tena nahary ny Olombelona avy amin’ny tany maina sy ny fotaka malemy Izahay."},{"id":27,"translation":"Fa ny Djiny kosa dia noharianay taloha avy amin’ny Afo mafana mamaivay."},{"id":28,"translation":"Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy."},{"id":29,"translation":"Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo."},{"id":30,"translation":"Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra."},{"id":31,"translation":"Afa-tsy i Iblisy (Satana), nandà tsy ho anisan’ireo mpiankohoka Izy."},{"id":32,"translation":"Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ O ry Iblisy ! Nahoana Ianao no tsy mba anisan’ireo mpiankohoka ? ”"},{"id":33,"translation":"Namaly Izy ka nanao hoe : “ Tsy afaka hiankohoka eo anoloan’ny Olombelona izay noharianao avy tamin’ny tany maina izay nalaina avy tamin’ny fotaka malemy Aho ”."},{"id":34,"translation":"Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Mialà ao (amin’ny Paradisa) Ianao ! Fa Ianao dia tena voahozona."},{"id":35,"translation":"Ary hihatra Aminao ny ozona, mandra-pahatongavan’ny Andron’ny famaliana (Fitsarana)."},{"id":36,"translation":"Namaly Izy ka nanao hoe : “ O ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry Aho mandra-pahatongavan’ny Andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”."},{"id":37,"translation":"Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany."},{"id":38,"translation":"Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”."},{"id":39,"translation":"Niteny Izy (Iblisy) hoe : “ O ry Tompoko, satria Ianao nampiditra Ahy tamin’ny fahadisoana, noho izany dia ho hatsaraiko amin’izy ireo ny fiainana eny ambonin’ny tany, ary ho disoiko làlana izy rehetra."},{"id":40,"translation":"Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo ”."},{"id":41,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ity ilay làla-mahitsy izay mankany Amiko ”:"},{"id":42,"translation":"Fa ireo mpanompoko dia tsy hanananao fahefana na dia kely aza, afa-tsy izay manaraka Anao amin’ireo làlan-diso."},{"id":43,"translation":"Ary tena marina fa ny Afobe Djahannama no toeram-pihaonan’izy rehetra."},{"id":44,"translation":"Ahitana varavarana fito izany, ary ny varavarana tsirairay dia samy manana ny ampahany amin’izy ireo."},{"id":45,"translation":"Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,"},{"id":46,"translation":"“ Midira ao Ianareo am-piadanana sy am-pilaminana ”."},{"id":47,"translation":"Ary noesorinay tao an-tratran’izy ireo ny lolom-po ary samy ahatsapa izy ireo fa mpirahalahy, izay mifanatrika eo ambonin’ireo farafara."},{"id":48,"translation":"Tsy misy havizanana ahazo azy ireo. Ary tsy havoaka ao izy ireo."},{"id":49,"translation":"Ampahafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana."},{"id":50,"translation":"Ary marina fa ny saziko dia tena sazy mamirifiry."},{"id":51,"translation":"Ary ampahafantaro azy ireo ny mahakasika ireo vahinin’i Ibrahim (ireo Anjely)."},{"id":52,"translation":"Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ”"},{"id":53,"translation":"Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”."},{"id":54,"translation":"Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ”"},{"id":55,"translation":"Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”."},{"id":56,"translation":"Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ”"},{"id":57,"translation":"Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ”"},{"id":58,"translation":"Namaly izy ireo ka nanao hoe : “ Nalefa ho an’ny Olona mpanao ratsy Izahay,"},{"id":59,"translation":"Afa-tsy ny fianakavian’i Lota, tena ho vonjenay avokoa izy rehetra,"},{"id":60,"translation":"Ankoatry ny vadiny, Izahay dia hanao Azy ho anisan’ireo ringana."},{"id":61,"translation":"Nony tonga teo amin’ny fianakavian’I Lota ireo Iraka,"},{"id":62,"translation":"Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”."},{"id":63,"translation":"Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo."},{"id":64,"translation":"Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay."},{"id":65,"translation":"“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”."},{"id":66,"translation":"Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany."},{"id":67,"translation":"Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana."},{"id":68,"translation":"Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo"},{"id":69,"translation":"Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho."},{"id":70,"translation":"Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ”"},{"id":71,"translation":"Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao !"},{"id":72,"translation":"Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny."},{"id":73,"translation":"Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro."},{"id":74,"translation":"Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga."},{"id":75,"translation":"Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo izay mahay mandinika."},{"id":76,"translation":"Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro."},{"id":77,"translation":"Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo mpino."},{"id":78,"translation":"Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa)."},{"id":79,"translation":"Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara."},{"id":80,"translation":"Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka."},{"id":81,"translation":"Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo."},{"id":82,"translation":"Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo."},{"id":83,"translation":"Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina."},{"id":84,"translation":"Ka tsy nahazoan’izy ireo tombontsoa izay azony."},{"id":85,"translation":"Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara."},{"id":86,"translation":"Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra."},{"id":87,"translation":"Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe."},{"id":88,"translation":"Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao."},{"id":89,"translation":"Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”."},{"id":90,"translation":"Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany)."},{"id":91,"translation":"Ireo izay nanao ny Koroany ho singasingany maro (mikorontana mba hampisy ny fisalasalana)."},{"id":92,"translation":"Ary mianiana amin’ny Tomponao ! Fa Izahay dia tena hanontany azy rehetra"},{"id":93,"translation":"Amin’izay nataon’izy ireo."},{"id":94,"translation":"Asehoy ankarihary izay nandidiana Anao. Ary miataha amin’ireo mpanompo sampy (manana Zanahary maro) Ianao."},{"id":95,"translation":"Marina fa Izahay dia hiaro Anao tanteraka amin’ireo mpaneso."},{"id":96,"translation":"Ireo izay mampisy Zanahary hafa miaraka amin’i Allah. Tsy ho ela dia ahafantatra izy ireo."},{"id":97,"translation":"Ary tena fantatray tsara fa mihatery ny tratranao (fonao) amin’izay tenenin’izy ireo."},{"id":98,"translation":"Ary derao sy ankalazao ny Tomponao, ary aoka Ianao ho anisan’ireo mpiankohoka."},{"id":99,"translation":"Ary tompoy ny Tomponao mandra-pahatongan’ny fItokisana (fahafatesana) eo Aminao."}]},{"id":16,"verses":[{"id":1,"translation":"Tonga ny didin’i Allah ! Ka aoka tsy ho maika amin’izany Ianareo. Voninahitra anie ho Azy ! ilay Avo indrindra amin’izay atambatr’izy ireo Aminy."},{"id":2,"translation":"Mampidina ireo Anjely miaraka amin’ny fanambarana Izy, avy amin’ny baikony, ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony : “ Ampitandremonareo fa tsy misy Zanahary hafa ankoatra Ahy. Koa matahora Ahy àry Ianareo ”."},{"id":3,"translation":"Nahary ireo lanitra sy ny tany am-pahamarinana Izy. Ambony noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy."},{"id":4,"translation":"Nahary ny Olombelona amin’ny alalan’ny ranon’aina indray mitete Izy, ka indro lasa mpifanohitra miharihary (amin’ny Tompony) Izy."},{"id":5,"translation":"Ary ireo biby, nohariany ho Anareo izany, Ahazoanareo hafanana izany (ny fitafiana) sy tombontsoa maro hafa. Ary hisakafo avy amin’izany koa Ianareo."},{"id":6,"translation":"Manome endrika Anareo izy ireo raha entinareo amin’ny hariva, ary koa amin’ny maraina, rehefa mamoaka azy ireo ho eny amin’ny tanim-bilona ianareo."},{"id":7,"translation":"Ary mitondra ny enta-mavesatrareo izy ireo, mankany amin’ny tanàna hafa izay tsy tonganareo raha tsy amin-kasarotana mafy. Marina tokoa fa ny Tomponareo, dia be Fitsimbinana sy be Indrafo."},{"id":8,"translation":"Ary ireo soavaly, ireo ramole (mulets) sy ireo ampondra, mba hotaingenanareo sy ho haingonareo. Ary dia nahary izay tsy fantatrareo koa Izy."},{"id":9,"translation":"Anjaran’i Allah no manoro ny làla-mahitsy (nohon'ny fahasoavany), nefa misy amin’izy ireo no miala amin’izany. Raha sitrany, dia notarihiny (amin’ny làla-mahitsy) avokoa Ianareo rehetra."},{"id":10,"translation":"Izy izay nampidina, avy an-danitra, ny rano izay ampiasainareo ho fisotro, ary avy amin’izany no hampitsiry ireo zava-maniry hamahananareo ireo biby fiompinareo."},{"id":11,"translation":"Avy amin’ny alalan’izany no nampitsiry ho Anareo, ireo voly, ireo oliva, ireo hazo Palma, ireo voaloboka, sy ireo karazam-boankazo maro. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mandinika."},{"id":12,"translation":"Ary nataony ho Anareo ny alina sy ny antoandro, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary izy ireo dia manaraka ny baikony avokoa. Marina fa amin’izany dia tena misy ireo porofo mazava ho an’ny vahoaka misaina."},{"id":13,"translation":"Ary amin’izay nohariany ho Anareo eto ambonin’ny tany, izay samihafa loko. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mahatsiaro tena."},{"id":14,"translation":"Ary Izy no nanao ny ranomasina mba ihinananareo nofon-javatra vaovao, ary mba hamoahanareo avy amin’izany ny firavaka izay entinareo. Ary ahita ireo sambo Ianao hamakivaky ny ranomasina, sy mba hitadiavanareo ny fahasoavany, ka angamba Ianareo hankasitraka."},{"id":15,"translation":"Ary naoriny eo amin’ny tany ireo tendrombohitra tsy mihetsiketsika, mba tsy hihozongozonany (tany) sy Ianareo miaraka Aminy, ary ireo renirano sy ireo làlana maro ihany koa, mba Ahafahanareo hifampitarika."},{"id":16,"translation":"Ary koa ireo toeram-pamantarana, ka avy amin’ny alàlan’ireo kintana no ahafahan’izy ireo hifampitarika."},{"id":17,"translation":"Moa ve izay namorona, dia hitovy amin’ireo izay tsy namorona na inona ? Moa tsy tsaroanareo ve izany ?"},{"id":18,"translation":"Ary raha mitanisa ny fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":19,"translation":"Ary i Allah dia mahalala izay Afeninareo sy izay Abaribarinareo."},{"id":20,"translation":"Ary ireo izay antsoin’izy ireo ankoatran’i Allah, dia tsy afaka mamorona na inona izy ireo aza satria noforonina (nohariana) izy ireo."},{"id":21,"translation":"Maty izy ireo fa tsy velona, ary tsy mahafantatra izy ireo, fa rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireo."},{"id":22,"translation":"Ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana.Fa ireo izay tsy mino ny any an-koatra kosa, ny Fon’izy ireo dia feno fandavana (ny Zanahary tokana), no sady manambony tena izy ireo."},{"id":23,"translation":"Tsy misy hisalasalana fa i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo, sy izay abaribariny. Ary marina fa Izy dia tsy tia ireo mpanambony tena."},{"id":24,"translation":"Ary rehefa notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Dia hoy izy ireo ka nanao hoe :” Anganon’ireo fahiny ! ”"},{"id":25,"translation":"Aoka hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), sy ny ampahany amin’ireo fahotan’Olona novereziny, izay tsy fantany. Moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ?"},{"id":26,"translation":"Efa nanao teti-dratsy ireo niaina talohan’izy ireo, nefa tonga i Allah namotika ny fototry ny trano ratsy. Ka nirodana teo ambonin’izy ireo ny tafo, ary tonga tamin’izy ireo ny famaizana tamin’ny fotoana tsy nampoizin’izy ireo."},{"id":27,"translation":"Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia ho alainy baraka izy ireo, ka hilaza Izy (amin’izy ireo) hanao hoe: “ Aiza Ireo mpiara-miombon’antoka Amiko izay nampisaraka Anareo ? ”.Hiteny ireo izay nahazo fahalalana ka hanao hoe : “ Ny fahafam-baraka sy ny loza dia mianjady amin’ireo tsy mpino androany ”"},{"id":28,"translation":"Ireo izay alain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany, ary niaiky amim-pahamenarana izy ireo (ka hiteny hoe) : “ Izahay dia tsy nanao ratsy mihitsy ”.Tsia ! Tena marina fa i Allah dia mahalala tsara izay nataonareo."},{"id":29,"translation":"Koa midira àry Ianareo amin’ny varavaran’ny Afobe, izay hitoeranareo mandrakizay ao Aminy. Tena ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena !"},{"id":30,"translation":"Ary hotenenina amin’ireo izay manam-patahorana ny hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Hamaly izy ireo ka hanao hoe : “ Ny tsara ”. Ho an’ireo izay manao soa dia ahazo ny tsara eto ambonin’ny tany, fa ny fiainana any an-koatra no mendrika kokoa. Ary feno fahasambarana ny fonenan’ireo manam-patahorana !"},{"id":31,"translation":"Ireo zaridain’i Edena izay misy renirano mikoriana ao ambaminy no hidiran’izy ireo. Ho azon’izy ireo ao izay zavatra rehetra tadiaviny. Tahaka izany no hamalian’i Allah soa ireo manam-patahorana."},{"id":32,"translation":"Ireo izay nalain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsara izy ireo dia hiteny izy ireo (Anjely) ka hanao hoe : “ Fiadanana anie ho Anareo ! ”. Midira ao amin’ny Paradisa Ianareo nohon'ny asa izay Nataonareo ”."},{"id":33,"translation":"Moa ve hiandry izy ireo (tsy mpino) ny ahatongavan’ireo Anjely eo Aminy, na koa ny ahatongavan’ny didin’ny Tomponao ? Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo.Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany."},{"id":34,"translation":"Ka nihatra tamin’izy ireo ny haratsian’ny asa nataon’izy ireo, ary nanarona azy ireo tanteraka izay nohesohesoiny."},{"id":35,"translation":"Ary niteny ireo izay nanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ka nanao hoe : “ Raha sitrakan’i Allah dia tsy nanompo zavatra hafa Izahay ankoatra Azy, na Izahay na ireo razambenay, ary tsy nampifady na inona na inona Izahay ankoatra izay nampifadiany ”. Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo. Moa ve manana adidy ireo Iraka afa-tsy ny fampielezana miharihary ihany."},{"id":36,"translation":"{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty[94]» ”. Koa nisy tamin’izy ireo izay notarihin’i Allah làlana, ary nisy tamin’izy ireo no mendrika ny fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka jereo, ahoana no niafaran’ireo nilaza (ireo Iraka) ho mpandainga.}"},{"id":37,"translation":"Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo."},{"id":38,"translation":"Ary mianiana amin’i Allah izy ireo amin’ny fianianana tena mafy manao hoe : “ Tsy hanangana izay efa maty i Allah ”. Tsia ! Fa izany dia fampanantenana marina avy Aminy, fa ny ankamaroan’ny Olona kosa dia tsy mahafantatra."},{"id":39,"translation":"Mba hanazavany amin’ireo izay miady hevitra momba izany, sy mba ahafantaran’ireo izay tsy nino, fa izy ireo dia mpandainga tokoa."},{"id":40,"translation":"Tena marina fa ny Teninay amin’ny zavatra iray, raha tianay ny hisehoany, dia ny milaza manao hoe : “ Misia ”, dia misy izany."},{"id":41,"translation":"Ary ireo izay nifindra-monina noho i Allah,rehefa avy niharan’ny tsy rariny, dia omenay ny toerana tsara izy ireo eto amin’ny fiainana an-tany. Ary ny valisoa any an-koatra no lehibe indrindra, raha fantatr’izy ireo izany."},{"id":42,"translation":"Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo."},{"id":43,"translation":"Ary tsy nandefa Iraka teo alohanao Izahay raha tsy Olombelona, izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio ireo manam-pahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra Ianareo."},{"id":44,"translation":"(Nalefanay izy ireo) niaraka tamin’ny porofo mazava sy ireo Boky masina. Ary Izahay dia nampidina Taminao ny fampahatsiahivana (Koroany), mba hanazavanao amin’ireo Olona izay nampidinana izany Taminy. Ary angamba handinika izy ireo."},{"id":45,"translation":"Moa ve voaharo ireo izay nanao ny teti-dratsy, ka ho afaka hiala amin’ny fandetehan’i Allah azy ireo any anaty tany,na koa tsy hianjady amin’izy ireo ve ny famaizana, izay tsy ampoizin’izy ireo akory ny fahatongavany ?"},{"id":46,"translation":"Na ho tratran’izany izy ireo eo am-perin’asa, ka tsy afaka handositra akory (amin’ny sazin’i Allah)."},{"id":47,"translation":"Na koa ho tratran’izany izy ireo ao anaty tahotra ? Saingy tena be Fangorahana sy be Indrafò tokoa ny Tomponareo."},{"id":48,"translation":"Tsy hitan’izy ireo ve izay zavatra noharian’i Allah, fa ny alok’izy ireny dia mirona miankavanana sy miankavia, amim-piankohofana eo anatrehan’i Allah, amim-panetre-tena ?"},{"id":49,"translation":"Ary eo anatrehan’i Allah no miankohoka izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany,amin’ireo zava-manan’aina, ary koa ireo Anjely, ka tsy manambony tena izy ireo."},{"id":50,"translation":"Matahotra ny Tompony izy ireo, izay ambonin’izy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo)."},{"id":51,"translation":"Ary niteny i Allah KA nanao hoe : “ Aza manao zanahary Roa Ianareo. Tena marina fa Izy dia Zanahary Tokana, ary Izaho no atahory ”."},{"id":52,"translation":"Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary ho Azy ny fankatoavana mandrakizay. Moa hatahotra ankoatr’i Allah ve Ianareo ?"},{"id":53,"translation":"Ary izay zava-tsoa rehetra Anananareo dia avy amin’i Allah, ary rehefa tra-pahoriana Ianareo dia Izy no hitalahoanareo amin’ny feo avo."},{"id":54,"translation":"Avy eo, rehefa nesoriny teo Aminareo ny fahoriana, dia indro misy andiany avy Aminareo, mampikambana ny Tompon’izy ireo amin’ny hafa."},{"id":55,"translation":"Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay Azy izy ireo. Mifalia àry Ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany."},{"id":56,"translation":"Ary dia nataon’izy ireo ho an’izay tsy fantany akory (ireo sampy) ny ampahany amin’ireo fananana natolotray ho azy ireo. Mba ho marina eo anatrehan’i Allah ! Hanontaniana tokoa mikasika izay noforoninareo Ianareo."},{"id":57,"translation":"Ary nataon’izy ireo ho manan-janaka vavy i Allah. Ho Azy anie ny Voninahitra ! Ka ho azy ireo ihany izay iriany."},{"id":58,"translation":"Raha ilazana vaovao fa nahazo Zanaka vavy ny iray amin’izy ireo, dia mihamaloka ny endriny ary tezitra mafy Izy."},{"id":59,"translation":"Miafina amin’ny vahoaka Izy nohon'ny vaovao ratsy nolazaina Taminy (araka ny fiheverany). Tokony ho tazonina ve izany na dia eo aza ny henatra, sa handevina Azy any ambanin’ny tany ? Toy inona ny faharatsian’ny fitsaran’izy ireo !"},{"id":60,"translation":"Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome ohatra ratsy. Nefa an’i Allah irery ihany ny ohatra ambony indrindra, fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay Hendry !"},{"id":61,"translation":"Raha raisin’i Allah ny Olombelona amin’ny tsy rariny izay nataon’izy ireo, dia tsy hisy tavela mihitsy ny zava-manan’aina eto an-tany, saingy manemotra izany ho azy ireo amin’ny fotoana voafetra Izy. Fa raha tonga ny fe-potoana, dia tsy ho azon’izy ireo hahemotra na haroso, na dia ora iray monja aza."},{"id":62,"translation":"Ary ataon’izy ireo ho an’i Allah izay tsy tian’izy ireo ho Azy. Milaza lainga ny lelany rehefa milaza Izy ireo fa ny valisoa tsara indrindra dia ho azy ireo. Tsy hisalasalana fa tena ho azy ireo ny Afobe, ary ho avela ao mandrakizay izy ireo."},{"id":63,"translation":"Mba marina ve izany eo anatrehan’i Allah ! Izahay dia nandefa (iraka) tokoa tamin’ireo vahoaka teo alohanao.Nefa nohatsarain’ny satana izay nataon’izy ireo, Izy no mpiahy azy ireo ankehitriny. Koa dia ahazo famaizana mamirifiry izy ireo (any an-koatra)."},{"id":64,"translation":"Ary tsy nampidina teo Aminao ny Boky Izahay, raha tsy ny hanazavanao amin’izy ireo izay nifandiran’izy ireo, sy tari-dàlana ary famindram-po ho an’ireo vahoaka mino."},{"id":65,"translation":"Ary i Allah no nampidina avy eny an-danitra ny rano, mba hamelomany indray ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa ao anatin’izany, dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay mihaino."},{"id":66,"translation":"Misy fampianarana ho Anareo tokoa amin’ireo biby. Hampisotro Anareo Izahay izay avy ao an-kibony, nalaina avy amin’ny fifangaroan’ny sakafo voalevona sy rà, ny ronono madio,mahafinaritra ho an’ny mpisotro Azy."},{"id":67,"translation":"Amin’ny voan’ny palma sy ireo voaloboka no hakanareo zava-pisotro mahamamo, sy sakafo tena tsara.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay misaina."},{"id":68,"translation":"Ary nampilaza tamin’ireo tantely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Manaova fonenana eny an-tendrombohitra Ianareo, amin’ny hazo ary koa amin’ny zavatra vitan’ny Olombelona ”."},{"id":69,"translation":"Avy eo mihinàna Ianareo amin’ny karazam-boankazo rehetra, ka manaraha ny làlan’ny Tomponareo, izay namorainy ho Anareo. Mivoaka avy ao an-kibon’izy ireo ny zava-pisotro miloko maro samihafa, izay misy fanasitranana ho an’ny Olona.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mandinika."},{"id":70,"translation":"Ary i Allah no nahary Anareo ! Ary Izy ihany koa no mandray ny fofon’ainareo, ka misy Aminareo no miaina tratran'ny fahanterana, hany ka tsy mahalala na inona na inona intsony, taorian’ny nananany fahalalana. Marina fa i Allah mahalalana sy manam-pahefana tokoa amin’ny zava-drehetra."},{"id":71,"translation":"Ary i Allah dia nanome tombontsoa mihoatra ny hafa, ny sasany Taminareo eo amin’ny (fizarana) fahasoavany. Fa ireo izay nahazo tombontsoa feno, dia tsy voatery hanome ny anjarany indray ho an’ireo andevony ka hitovy Aminy. Handà ny fahasoavan’i Allah ve izy ireo ?"},{"id":72,"translation":"Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?"},{"id":73,"translation":"Ary manompo ankoatr’i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanome azy ireo anjara fivelomana akory avy amin’ireo lanitra sy ny tany, no sady tsy afaka manao na inona na inona."},{"id":74,"translation":"Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala."},{"id":75,"translation":"* Nanome fanoharana i Allah amin’ny mpanompo iray, izay manan-tompo, tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona, ary (lehilahy) iray izay notoloranay fanomezana tsara, ka manao fandaniana amin’izany izy na miafina na miharihary. Moa ve mitovy izy(roa) ireo ? Dera anie ho an’i Allah ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala."},{"id":76,"translation":"Ary nanome fanoharana amin’ny lehilahy Roa i Allah : ny iray amin’izy ireo moana, tsy afa-manao na inona na inona, fa ny tompony no miantoka Azy; n'aiza n'aiza andefasany Azy, dia tsy mba misy zava-tsoa entiny, moa hitovy amin’izay mandidy amin’ny fahamarinana sy amin’ny làla-mahitsy ve izy ?"},{"id":77,"translation":"Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra."},{"id":78,"translation":"Ary i Allah dia namoaka Anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy misy zavatra fantatrareo akory, ary nataony teo Aminareo ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, angamba ahalala ankasitraka Ianareo."},{"id":79,"translation":"Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino."},{"id":80,"translation":"Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra."},{"id":81,"translation":"Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena."},{"id":82,"translation":"Raha nanome lamosina izy ireo, dia ny fampitana ny hafatra mazava tsara no adidinao."},{"id":83,"translation":"Mahafantatra ny fahasoavan’i Allah izy ireo. Avy eo, dia lavin’izy ireo izany. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mankasitraka."},{"id":84,"translation":"Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, dia tsy omena alàlana (hiala tsiny) intsony ireo tsy mpino, ary tsy angatahana hiverina (amin’izay nahatezitra an’i Allah) izy ireo."},{"id":85,"translation":"Ary rehefa hitan’ireo mpanao ny tsy rariny ny famaizana, dia tsy ahazo fanalefahana amin’izany izy ireo, ary tsy ahazo fialan-tsasatra ihany koa."},{"id":86,"translation":". Ary raha hitan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ireo mpiara-miombon’antoka (sampy) amin’izy ireo, dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tomponay ô ! Ireo no mpiara-miombon’antoka Aminay izay nitalahoanay ankoatra Anao ”.Dia hamaly izy ireo (ireo mpiara-miombon’antoka) ka hanao hoe : “ Tena mpandainga tokoa Ianareo ”."},{"id":87,"translation":"Ary hatolotr’izy ireo ho an’i Allah amin’io Andro io ny fankatoavana, ary hiala amin'izy ireo izay noforoniny."},{"id":88,"translation":"Ireo izay tsy nino sy nisakana ny làlan’i Allah, dia ampitomboinay ny famaizana azy ireo ambonin’ny famaizana (mendrika azy ireo), nohon'ny asa fanimbana izay nataony."},{"id":89,"translation":"Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay hanohitra azy ireo, dia hoentinay ho vavolombelona Ianao (Mohamamad) hanohitra azy Ireo. Ary nampidininay Taminao ny Boky ho fanazavana ny zava-drehetra sy tari-dàlana, famindram-po ary vaovao mahafaly ho an’ny mpino mpanetry tena."},{"id":90,"translation":"Tena marina fa Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba Ianareo ahatsiaro tena."},{"id":91,"translation":"Ary tanterahanareo ny fifanekena amin’i Allah rehefa manao fifanekena Aminy Ianareo. Ary aza mandika ny fianianana nataonareo, rehefa avy nanao izany ankarihary sy nandray Allah ho mpiantoka. Marina fa i Allah dia mahafantatra tokoa izay Ataonareo."},{"id":92,"translation":"Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo."},{"id":93,"translation":"Raha sitrak’i Allah, dia nataony ho vahoaka iray ihany Ianareo. Kanefa mamery izay sitrany hoverezina Izy, sy mitarika izay sitrany hotarihana. Ary marina fa hanontaniana Ianareo amin’izay nataonareo."},{"id":94,"translation":"Ary aza mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana Aminareo samy Anareo, raha tsy izany, dia hibolisatra ny tongotra rehefa avy namahatra tsara ary hanandrana ny fahoriana Ianareo, nohon'ny fisakananareo ny làlan’i Allah. Ary ahazo famaizana goavana Ianareo."},{"id":95,"translation":"Ary aza mivarotra mora ny fifanekena nifanaovana tamin’i Allah Ianareo. Marina fa tsara kokoa ho Anareo izay eo anatrehan’i Allah, raha fantatrareo izany."},{"id":96,"translation":"Izay rehetra Anananareo dia ho ritra, fa ny eo amin’i Allah kosa dia maharitra. Ary tena omenay valisoa mendrika nohon'ny asa tsara izay nataony ireo izay nanam-paharetana."},{"id":97,"translation":"N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara Izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo."},{"id":98,"translation":"Raha hamaky ny Koroany Ianao, dia mangataha amin’i Allah ny fiarovana amin’ilay satana voahozona."},{"id":99,"translation":"Tena marina fa Izy (satana) dia tsy manam-pahefana amin’ireo izay mino sy amin’izay nametraka ny fitokisany amin’ny Tompon’izy ireo."},{"id":100,"translation":"Ny marina anefa, ny fahefany dia amin’ireo izay eo ambany fiahiany sy izay manana zanahary maro (ireo mpanompo sampy)."},{"id":101,"translation":"Ary rehefa manolo ny andian-teny iray amin’ny toeran’ny andian-teny iray hafa Izahay, Allah dia tena mahalala izay nampidininy. Niteny izy ireo nanao hoe : “ Marina fa Ianao dia tena mpamoron-dainga ”. Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra."},{"id":102,"translation":"Lazao hoe : “ ilay Fanahy masina (Anjely Gabriely) avy amin’ny Tomponao no nampidina izany tamim-pahamarinana, mba hanamafy orina ireo izay nino, sy tari-dàlana ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpanetry tena."},{"id":103,"translation":"Ary efa mahafantatra Izahay, fa izy ireo dia hilaza hoe : “ Olombelona ihany no mampianatra azy ”. Ny fiteny izay ampiasain’izy ireo amin’izany dia fiteny vahiny (tsy teny arabo), ity anefa dia teny arabo mazava tsara."},{"id":104,"translation":"Marina fa ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah; dia tsy hitari-dàlana azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo koa ny famaizana mamirifiry."},{"id":105,"translation":"Tena marina fa ireo mamoron-dainga, dia ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah, ary izy ireny no mpandainga."},{"id":106,"translation":"N'iza n'iza nitsipaka an’i Allah aorian’ny finoany... afa-tsy izay noterena, nefa ny fony dia feno fahatoniana amin’ny finoana, ary ireo izay manokatra an-tsitrapò ny fony amin’ny tsy finoana, dia hianjady amin’izy ireo ny hatezerana avy amin’i Allah, ary ho azy ireo ny famaizana lehibe."},{"id":107,"translation":"Izany (no miseho), dia satria, nankafý ny fiainana an-tany izy ireo noho ny any an-koatra. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka tsy mpino."},{"id":108,"translation":"Izy ireny dia notampenan’i Allah ny fony, ny fandrenesany ary ny fahitany. Ary izy ireny no (olona) tsy mitandrina."},{"id":109,"translation":"Tsy hisalasana fa izy ireny no maty antoka any an-koatra."},{"id":110,"translation":"Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nifindra-monina taorian’ny fitsapana nianjady tamin’izy ireo, avy eo niady (tamin’ny làlan’i Allah) sy niaritra...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":111,"translation":"(Tsarovy) ny Andro izay ahatongavan’ny fanahy tsirairay, hiaro ny tenany, ary hovaliana amin’ny asa izay nataony ny tsirairay, ka tsy hiangarana izy ireo."},{"id":112,"translation":"Ary nanao fanoharana tanàna iray Allah, tao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka, ka tonga betsaka Taminy ny anjara fivelomany avy amin’ny toerana rehetra. Ka tsy nankasitraka ny fahasoavan’i Allah (ireo tao an-tanàna). Koa dia nampandramanin’i Allah azy ireo ny hanoanana sy ny tahotra, noho ny nataon’izy ireo."},{"id":113,"translation":"Ary efa tonga tamin’izy ireo ny Iraka avy amin’izy ireo ihany, ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ary dia nianjady tamin’izy ireo ny famaizana noho izy ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":114,"translation":"Koa mihinana àry ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’i Allah anareo, amin’izay tsy voarara sy tsara. Ary misaora amin’ny fahasoavan’i Allah ianareo, raha Izy tokoa no Tompoinareo."},{"id":115,"translation":"Tena marina fa ireo zava-boarara ho Anareo dia ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary (ny biby) izay niantsoana ny anarana hafa ankoatr’i Allah. Nefa n'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, ka tsy mitsipaka ary tsy mandika làlana... marina fa i Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":116,"translation":"Ary aza milaza, araka ny lainga izay tenenin’ny lelanareo Ianareo, manao hoe : « Ity dia azo atao “ Hala l”, ary ity dia voarara “ Haram ” », mba hamoronanareo lainga amin’i Allah. Tena marina, fa ireo izay mamorona lainga mahakasika an’i Allah dia tsy ahita fahombiazana."},{"id":117,"translation":"Fahafinaretana kely (ho azy ireo) izany, ka nefa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":118,"translation":"Tamin’ireo Jiosy, noraranay (azy ireo) izay efa notantaranay Taminao (teo aloha). Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny Tenany."},{"id":119,"translation":"Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nanao ny asa ratsy tamin’ny habadoana, avy eo dia nibebaka taorian’izany, sy nanarina ny fitondran-tenany...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":120,"translation":"Marina fa i Ibrahimo dia mpitarika tonga lafatra. Mpankato Allah Izy, tao anatin’ny fanompoana Allah tokana, ary tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa."},{"id":121,"translation":"Nahalala nankasitraka ireo fahasoavany Izy, ka nosafidiany sy notarihiny làlana Izy mankany amin’ny làla-mahitsy."},{"id":122,"translation":"Ary nomenay anjara tsara Izy teto an-tany. Marina fa Izy dia ho isan’ireo Olo-mendrika tokoa any an-koatra."},{"id":123,"translation":"Avy eo dia nandefa fanambarana Taminao Izahay : “ Araho ny fivavahan’i Ibrahimo amin’ny fanompoana Allah tokana, ary izy dia tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny hafa”."},{"id":124,"translation":"Marina fa natao ny Andro sabata, ho an’ireo izay nifanditra momba izany. Fa ny Tomponao, dia hitsara tokoa azy ireo amin’ny Andro Fitsanganana mahakasika izay nifandiran’izy ireo."},{"id":125,"translation":"Miantsoa amin’ny làlan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amim-pananarana tsara Ianao. Ary miadia hevitra amin’izy ireo amin’ny fomba mendrika indrindra ianao. Marina fa ny Tomponao no tena mahalala izay niala ny làlany, ary Izy ihany koa no mahalala ireo voatari-dàlana."},{"id":126,"translation":"Ary raha manasazy Ianareo, dia ampiharo aminy ny sazy mitovy amin’izay (heloka) nataony Taminareo. Fa raha miaritra Ianareo...izany no tena tsara kokoa ho an’izay manam-paharetana."},{"id":127,"translation":"Mahareta ! Ary tsy hanam-paharetana Ianao raha tsy avy amin’i Allah. Koa aza malahelo azy ireo ianao, ary aza mitebiteby nohon'ny teti-dratsin’izy ireo."},{"id":128,"translation":"Marina fa i Allah dia miaraka amin’ireo izay matahotra (Azy), sy ireo mpanao asa soa."}]},{"id":17,"verses":[{"id":1,"translation":"Voninahitra ho an’Ilay nampandeha, ny Mpanompony (Mohammad) tamin’ny alina, avy tao amin’ny Al-Masjid Al-Haràm (ao Makka), ka hatrany amin’ny Al-Masjid Al-Aksà, izay nosoavinay ny manodidina azy, mba hanehoanay aminy ny fahagagana avy Aminay. Marina fa Izy no tena mandre sy mahita ny zava-drehetra."},{"id":2,"translation":"Ary nomenay an’i Mosa (Mosesy) ny Boky, ary nataonay ho tari-dàlana ho an’ny zanak’Israely izany : “Aza maka Mpiahy ankoatra Ahy ianareo”."},{"id":3,"translation":"Taranaka izay nentinay niaraka tamin’i Noa (tao anaty sambofiara) ! Izy (Noa) dia tena mpanompo mpankasitraka tokoa."},{"id":4,"translation":"Ary nataonay didy tamin’ny zanak’Israely tao amin’ny Boky (Taoraty) manao hoe : “Tena hanao fanimbana eto ambonin’ny tany in-droa miantoana ianareo ary handika lalàna amin’ny fomba diso tafahoatra ianareo”."},{"id":5,"translation":"Nony tonga ny fanatanterahana ny voalohany tamin’ireo (faminaniana) anankiroa, dia nalefanay nanohitra anareo ny sasantsasany tamin’ireo mpanomponay, manana tanjaka mahery, izay niditra tamin’ireo trano fonenana. Dia tanteraka tokoa ny faminaniana (voalohany)."},{"id":6,"translation":"Avy eo, dia naverinay taminareo ny tanjaka hamaly faty azy ireo ary nampitomboinay tanjaka ianareo amin’ny fananana harena sy zanaka. Ka nataonay vahoaka maro an’isa tokoa ianareo."},{"id":7,"translation":"Raha manao ny tsara ianareo, dia nanao tsara tamin’ny tenanareo ihany ; ary raha manao ny ratsy ianareo dia ho anareo ihany. Ary rehefa tonga ny faminaniana farany, dia ny mba hampahorian'izy ireo ny endrikareo sy mba hidiran’izy ireo ao amin’ny toeram-pivavahana tahaka ny nidiran’izy ireo tamin’ny voalohany ary ny mba hanimban’izy ireo tanteraka izay voababon’izy ireo."},{"id":8,"translation":"Angamba hamindra fo aminareo ny Tomponareo (raha mibebaka ianareo). Nefa raha miverina (amin’ny fahotana) ianareo dia hiverina ihany koa Izahay (amin’ny fanasaziana). Ary nataonay toeram-pigadrana ny afobe, ho an’ireo tsy mpino."},{"id":9,"translation":"Marina fa ity Koroany ity dia mitari-dalana ho amin’ny fahitsiana kokoa, ary milaza vaovao mahafaly ho an’ireo mpino izay manao ny soa; fa tena ho azy ireo tokoa ny valisoa lehibe."},{"id":10,"translation":"Ary marina fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia homaninay ho azy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":11,"translation":"Ary miantso ny ratsy ny olombelona tahaka ny fiantsoany ny tsara. Satria ny olombelona dia maika mandrakariva."},{"id":12,"translation":"Ary nataonay ny alina sy ny andro ho famantarana roa, ka nofafanay ny famantaran’ny alina ary nataonay ho hita maso ny famantaran’ny andro mba hitadiavanareo ny fahasoavana avy amin’ny Tomponareo sy hahafantaranareo ny isan’ny taona ary ny fanisana ny fotoana. Ary ny zava-drehetra dia nohazavanay amin’ny antsipiriany."},{"id":13,"translation":"Ary nafatotray eo ambozon’ny olona tsirairay avy ny asany. Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia hamoahanay boky izy ho hitany mivelatra eo anoloany."},{"id":14,"translation":"“Vakio ny bokinao, Ampy ho mpitsara anao ny tenanao androany”."},{"id":15,"translation":"Na iza na iza nizotra tamin’ny lala-mahitsy, dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza nizotra tamin’ny lalan’ny fahaverezana, dia namery ny tenany ihany. Ary tsy hisy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa. Ary Izahay dia tsy manasazy mihitsy (ny vahoaka iray) raha tsy efa nandefasanay Iraka teo aminy."},{"id":16,"translation":"Ary raha mitady handringana tanàna iray Izahay, dia omenay baiko ireo olona manan-karena ao aminy (mba hanaraka ny didinay), nefa dia mirona amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo. Noho izany dia tanteraka amin’izy ireo ny teny (famaizana), ka noravanay tanteraka izy (ilay tanàna)."},{"id":17,"translation":"Ary firifiry moa ireo taranaka izay naringanay taorian’i Noe ! Ary ampy amin’ny fahafantarana sy fahitana ny fahotan’ny mpanompony ny Tomponao."},{"id":18,"translation":"N'iza n'iza maniry ny haingana (ny fiainany eto an-tany), dia hafainganinay ho azy izay sitrakay amin’izay tianay. Avy eo dia hataonay ho azy ny afobe, ka hiditra ao izy, voaheso sy voatositosika."},{"id":19,"translation":"Ary n'iza n'iza maniry ny any ankoatra sy miezaka mankany amin’izany no sady mpino,ny ezak’izy ireny dia hankasitrahana."},{"id":20,"translation":"Ny tsirairay dia hampianay na ny andaniny na ny ankilany, amin’ny fanomezan’ny Tomponao. Ary tsy ho lavina (na amin’iza na amin’iza)ny fanomezana avy amin’ny Tomponao."},{"id":21,"translation":"Jereo, fa ahoana àry ny fanomezanay tombony ny sasany amin’izy ireo mihoatra ny sasany hafa ! Ary ny any ankoatra dia ambony kokoa amin’ny laharana sy amin’ny fahamendrehana."},{"id":22,"translation":"Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa raha tsy izany dia hipetraka ho voaheso sy hilaozana ianao."},{"id":23,"translation":"Ary nandidy ny Tomponao nanao hoe : “Aza manompo afa-tsy Izy ihany ianareo ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny. Raha tratran’ny fahanterany eo anatrehanao ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy, dia aza miteny amin’izy ireo hoe : “Eisy !” ary aza mandrahona azy ireo ianao, fa mitenena amin’izy ireo teny feno fanajana."},{"id":24,"translation":"Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka mitenena hoe : “Tompo ô ! Mamindrà fo amin’izy roa ireo Ianao tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”."},{"id":25,"translation":"Ny Tomponareo dia mahalala indrindra izay ao amin’ny tenanareo. Raha tsara fanahy ianareo, dia tena Mpamela heloka tokoa Izy ho an’ireo izay miverina (mibebaka) Aminy."},{"id":26,"translation":"Ary omeo ireo havana akaiky ny zony, ary koa ny mahantra sy ny mpandeha lavitra. Ary aza manao ny fandanindaniam-poana."},{"id":27,"translation":"Marina fa ireo mpandanindany foana dia rahalahin’ireo satana ary ny satana dia tena mpandà ny Tompony."},{"id":28,"translation":"Ary raha misintaka azy ireo ianao amin’ny fitadiavana ny famindram-pon’ny Tomponao izay antenainao, dia manaova teny malefaka amin’izy ireo ianao."},{"id":29,"translation":"Ary aza atao eo amin’ny vozonao ny tànanao voafatotra (noho ny fahihirana), ary aza avelatra malalaka loatra ihany koa, raha tsy izany ianao dia ho voan-tsiny sy halahelo."},{"id":30,"translation":"Tena marina fa ny Tomponao dia mizara malalaka ny anjara fivelomana amin’izay sitrany ary mametra izany ihany koa. Tena mahalala sy mahita ireo mpanompony Izy."},{"id":31,"translation":"Ary aza vonoina ny zanakareo nohon'ny fatahorana ny fahantrana. Izahay no manome ny anjara fivelomana ho azy ireo, toy izany koa ny anareo.Tena marina fa ny famonoana azy ireo dia hadisoana lehibe."},{"id":32,"translation":"Ary aza manakaiky ny fijangajangana mihitsy ianareo. Marina fa izany dia fahavetavetana sy tena lalana ratsy tokoa !"},{"id":33,"translation":"Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka n'iza n'iza novonoina tsy ara-drariny, dia omenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana satria tena ho voavonjy (amin’ny alalan’ny lalàna) izy."},{"id":34,"translation":"Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo, afa-tsy amin’izay fomba mendrika indrindra, mandra-pahalehoany tena. Ary tanterahanareo ny fifanarahana, marina fa ny fifanarahana dia ho anontaniana."},{"id":35,"translation":"Ary ataovy feno tsara ny famarana, raha mamatra ianareo, ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo, fa izany no tsara (ho anareo), ary tena mendrika tokoa ny vokany."},{"id":36,"translation":"Ary aza manaraka izay tsy anananao fahalalana ianao. Marina fa ny fandrenesana, ny fahitana, ny fo, izy rehetra ireny dia ho anontaniana ny olombelona avokoa."},{"id":37,"translation":"Ary aza manitsaka eny amin’ny tany amim-pireharehana ianao, marina fa ianao dia tsy hahavaky ny tany mihitsy, ary tsy hahatratra na oviana na oviana ny haavon’ny tendrombohitra ianao."},{"id":38,"translation":"Izany rehetra izany, dia ankahalan’ny Tomponao izay ratsy Aminy."},{"id":39,"translation":"Izany dia anisan’izay nambaran’ny Tomponao taminao momba ny fahendrena. Ary aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa, raha tsy izany dia hatoraka ao anaty afobe ianao, voarahona sy voatosika."},{"id":40,"translation":"Moa ve ny Tomponareo nanokana ho anareo ny zazalahy, fa nandray ny zazavavy ho Azy kosa Izy amin‘ireo Anjely ? Marina fa ianareo dia miteny teny tsy mendrika tokoa."},{"id":41,"translation":"Tena efa namelabelatra (ny zava-drehetra) ao anatin’ity Kor’any ity Izahay mba hieritreretan’izy ireo. Nefa (izany) dia tsy nampitombo afa-tsy ny fanalaviran’izy ireo (ny marina)."},{"id":42,"translation":"Teneno hoe : “Raha nisy zanahary hafa miaraka Aminy (Allah), araka ny filazan’izy ireo, dia ho nitady lalana izy ireo mba ho Tompon’ilay Seza fiandrianana."},{"id":43,"translation":"Azy ny fahadiovana ! Ary Izy Ilay Avo indrindra, ambony lavitra noho izay lazain’izy ireo."},{"id":44,"translation":"Mankalaza ny Voninahiny ireo lanitra fito sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelany. Tsy misy na inona na inona, ka tsy mankalaza ny voninahiny sy ny fiderana Azy. Kanefa tsy fantatrareo ny fomba fideran’izy ireo Azy. Izy dia tena be Fangorahana sy be Famelan-keloka tokoa."},{"id":45,"translation":"Ary rehefa mamaky ny Kor’any ianao, dia apetrakay manelanelana anao sy ireo izay tsy mino ny any ankoatra ny voaly tsy hita maso."},{"id":46,"translation":"Ary nasianay sarona ny fon’izy ireo, mba tsy hahazoan’izy ireo azy (ny Kor’any), ary amin’ny sofin’izy ireo dia nasianay havesarana. Ary raha mahatsiaro ny Tomponao ilay Tokana ianao, amin’ny alalan’ny Kor’any, dia mitodi-damosina izy ireo amim-paharikorikoana."},{"id":47,"translation":"Izahay dia tena mahafantatra tokoa izay henoin’izy ireo rehefa mihaino anao izy ireo, ary rehefa mifampibitsibitsika izy ireo, ka miteny ireo mpanao ny tsy rariny manao hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy ny olona azon’ny famosaviana ihany”."},{"id":48,"translation":"Jereo, ahoana ny fanoharana ataon’izy ireo Anao ! Very lalana tokoa izy ireo, ka tsy afaka mahita lalana intsony (mankany amin’ny fahamarinana)."},{"id":49,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana sy vovoka izahay, dia mbola hatsangana marina ka haverina ho olombelona vaovao indray ve ?”"},{"id":50,"translation":"Teneno hoe : “Aoka ho vato na ho vy ianareo”."},{"id":51,"translation":"Na ho zava-boary hafa izay heverinareo fa lehibe ao amin’ny fonareo! Ary dia mbola hiteny izy ireo manao hoe : “Iza àry no hamerina anay indray avy eo ?” Teneno hoe : “Izay nahary anareo voalohany tany am-piandohana”.Hanifikifi-doha aminao izy ireo sy hiteny manao hoe : “Rahoviana izany ?”. Ka teneno hoe : “Angamba tsy ho ela intsony izany”."},{"id":52,"translation":"Ny andro izay hiantsoany anareo dia hamaly am-piderana Azy ianareo. Ary hihevitra ianareo fa fotoana kely ihany no nijanonanareo."},{"id":53,"translation":"Ary teneno amin’ireo mpanompoko mba hiteny ny (teny) izay tena tsara. Marina fa ny satana dia mamafy korontana eo amin’izy ireo. Hamafisina, fa ny satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona."},{"id":54,"translation":"Ny Tomponareo dia mahalala anareo tokoa. Raha sitrany dia hamindra fo aminareo Izy, ary raha sitrany dia ho faiziny ihany koa ianareo ary tsy nalefanay ho mpiantoka azy ireo ianao."},{"id":55,"translation":"Ary ny Tomponao dia mahalala tokoa izay eny amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary efa nomenay tombony tokoa ny sasany tamin’ireo Mpaminany noho ny sasany hafa, ary dia nomenay an’i Daoda (Davida) ny «Zabora»."},{"id":56,"translation":"Teneno hoe : “Antsoinareo ireo izay heverinareo (ho zanahary) ankoatra Azy, fa tsy afaka hanala ny fahorianareo izy ireo na hamily izany aza."},{"id":57,"translation":"Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mitady amin’ny Tompon’izy ireo ny fomba hanatonana Azy bebe kokoa. Ary manantena ny famindram-pony izy ireo sy matahotra ny famaizany. Marina fa ny famaizan’ny Tomponao dia atahorana tokoa."},{"id":58,"translation":"Tsy misy tanàna (tsy nino) raha tsy haringanay alohan’ny andro fitsanganana amin’ny maty, na ho faizinay amin’ny famaizana mamirifiry. Voarakitra tsara ao amin’ny Boky izany."},{"id":59,"translation":"Ary tsy misy nisakana Anay handefa fahagagana mihitsy raha tsy ny fiampangan’ireo vahoaka teo aloha izany ho lainga. Ary efa nomenay (ireo vahoaka) Thamody ny rameva vavy (izay fahagagana) hita maso saingy nanaovan’izy ireo ny tsy rariny izany. Ary tsy mandefa ireo fahagagana Izahay raha tsy ho fampatahorana."},{"id":60,"translation":"Ary rehefa noteneninay ianao, fa ny Tomponao tokoa dia mamehy ny olombelona rehetra. Ary tsy nasehonay taminao ny fahitana (ny fahagagana), raha tsy fitsapana ho an’ireo olona ihany, toy ny hazo voahozona ao amin’ny Kor’any. Ary ampatahorinay izy ireo, nefa izany dia vao maika mampitombo ho azy ireo ny fihoaram-pefy lehibe."},{"id":61,"translation":"Ary rehefa niteny Izahay tamin’ireo Anjely nanao hoe : “Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka avokoa izy ireo afa-tsy Iblisy (satana) izay niteny hoe : “Hiankohoka amin’izay namboarinao avy amin’ny tany manga ve aho ?”."},{"id":62,"translation":"Niteny indray izy nanao hoe : “Hitanao ve ilay nomenao haja ambony kokoa noho izaho ? Raha mba omenao fotoana aho hatramin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanjakako tanteraka ireo taranany afa-tsy ny vitsy an'isa (amin’izy ireo)”."},{"id":63,"translation":"Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Mandehana ianao ! Fa n'iza n'iza manaraka anao amin’izy ireo dia ny afobe no tena hamaliako anareo, valiny lehibe tokoa izany!"},{"id":64,"translation":"“Sintony amin’ny alalan’ny feonao, izay tratranao amin’izy ireo ary angony ireo miaramilanao mpitaingin-tsoavaly sy ireo mpandeha tongotra, hanohitra azy ireo, mikambàna amin’izy ireo ianao amin’ireo fananana sy amin’ireo zanaka ary omeo fampanantenana izy ireo”.Ary tsy manome fampanantenana azy ireo ny satana raha tsy ny lainga."},{"id":65,"translation":"Marina fa ireo mpanompoko kosa dia tsy anananao fahefana izy ireo. Ary ampy ho Mpiahy ny Tomponao."},{"id":66,"translation":"Ny Tomponareo izay mampisosa ho anareo ny sambo eny amin’ny ranomasina, mba hitadiavanareo ny fahasoavany.Tena marina fa Izy dia tena be Indrafo aminareo."},{"id":67,"translation":"Ary rehefa mahazo anareo ny loza, eny an-dranomasina, dia very (miala amin’ny sainareo) ireo izay nitalahoanareo, afa-tsy Izy (Allah). Ary rehefa navotany eny an-tanety ianareo dia mitsipaka Azy ianareo.Tena tsy mahay mankasitraka ny olombelona."},{"id":68,"translation":"Mino ve ianareo fa ho voaaro, tsy handentika anareo ao anaty rindrin-tany Izy na tsy handefa rivo-mahery aminareo ? Ka tsy hahita mpiahy ho anareo ianareo !"},{"id":69,"translation":"Sa ianareo ve ho voaaro tsy haveriny indray mandeha amin’izany (amin’ny ranomasina), ka handefasany rivo-mahery, mpamotika, izay handetika anareo (ao anaty ranomasina) nohon'ny tsy finoanareo ? Ary tsy hahita n'iza n'iza mihitsy ianareo hiaro anareo, hanohitra Anay."},{"id":70,"translation":"Ary tena efa nomenay haja ireo zanak’i Adama. Ary nentinay izy ireo manerana ny tany sy ny ranomasina, ary nomenay azy ireo ny anjara fivelomana tsara, ary nomenay tombony izy ireo mihoatra ireo zava-boary maro izay noharianay."},{"id":71,"translation":"Ny andro izay hiantsoanay ny olona rehetra avy amin’ny mpitarika azy ireo, ka izay omena ny bokiny amin’ny tanany havanana, izy ireny dia hamaky ny bokiny (amim-pifaliana), ary tsy hanaovana ny tsy rariny mihitsy na dia kely aza."},{"id":72,"translation":"Ary n'iza n'iza jamba eto an-tany, dia jamba ihany koa izy any ankoatra ary tena very lalana."},{"id":73,"translation":"Ary saika hamily anao hiala amin’izay nambaranay taminao izy ireo, mba hamoron-dainga Aminay (ankoatra izay voalaza), noho izany dia nandray anao ho namana akaiky izy ireo."},{"id":74,"translation":"Ary raha tsy nampahery anao Izahay, dia saika nirona kely tamin’izy ireo Ianao."},{"id":75,"translation":"Noho izany, dia hampandramaninay anao ny roa avo henin’ny sazy eto an-tany sy ny roa avo henin’ny sazy amin’ny fahafatesana; avy eo dia tsy hahita mpanavotra hanohitra Anay ianao."},{"id":76,"translation":"Ary saika hanelingelina anao hiala ny tanàna izy ireo, mba handroahan’izy ireo anao avy ao. Ary rehefa izany dia tsy hipetraka afa-tsy fotoana kely aorianao izy ireo."},{"id":77,"translation":"Toy izany no sori-dalana izay efa nampiharinay tamin’ireo Irakay teo alohanao. Ary tsy hahita fiovana velively amin’ny sori-dalanay ianao."},{"id":78,"translation":"Tanteraho ny Soalat (vavaka) amin’ny fitongilanan’ny masoandro mandra-pahatongan’ny haizin’ny alina, ary koa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy. Marina fa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy dia misy vavolombelona."},{"id":79,"translation":"Ary manokàna ny ampahan’ny alina, amin’ny fanatanterahana ny fanompoana fanampiny ho anao (Tahadjoud), mba hananganan’ny Tomponao anao amin’ny toerana mendri-piderana."},{"id":80,"translation":"Ary mitenena hoe : “Tompoko ô ! Ampidiro amin’ny fidirana mifanaraka amin’ny fahamarinana aho, ary avoahy amin’ny fivoahana mifanaraka amin’ny fahamarinana ary omeo fahefana tena mahavonjy avy Aminao aho”."},{"id":81,"translation":"Ary mitenena hoe : “Tonga ny fahamarinana (Finoana Islamo) ary nanjavona ny hadisoana. Marina fa ny hadisoana dia natao hanjavona”."},{"id":82,"translation":"Ary ampidininay miaraka amin’ny Kor’any, izay fanasitranana sy famindram-po ho an’ireo mpino.Ary tsy mampitombo afa-tsy fahaverezana amin’ireo mpanao ny tsy rariny izany."},{"id":83,"translation":"Ary raha fenoinay fahasoavana ny olombelona, dia mitodi-damosina sy mivily lalana izy, fa raha misy ratsy mianjady aminy kosa, dia ketraka tanteraka izy."},{"id":84,"translation":"Mitenena hoe : “Ny tsirairay dia samy manao araka ny fombany, fa ny Tomponareo dia tena mahalala izay mizotra amin’ny lala-mahitsy indrindra”."},{"id":85,"translation":"Ary manontany anao izy ireo momban'ny fanahy.Teneno hoe : “Ny fanahy dia eo ambany fiadidian’ny Tompoko”. Ary tsy nomena fahalalana ianareo afa-tsy kely ihany”."},{"id":86,"translation":"Ary raha sitrakay, dia nataonay nanjavona izay nambaranay taminao ary tsy hahita mpiaro intsony ianao hanohitra Anay."},{"id":87,"translation":"Raha tsy ny famindram-po avy amin’ny Tomponao, marina fa ny fahasoavany eo aminao dia lehibe tokoa."},{"id":88,"translation":"Teneno hoe : “Na dia hitambatra aza ny olombelona sy ny jiny, mba hamorona ny mitovy amin’ity Kor’any ity, dia tsy hahavita hanao izay mitovy amin’izany mihitsy izy ireo, na dia hifanampy aza izy ireo”."},{"id":89,"translation":"Ary marina tokoa fa nasehonay tamin’ny olombelona ao anatin’ity Kor’any ity ny karazana ohatra maro. Nefa nandà izany ny ankamaroan’ny olona, afa-tsy ny tsy finoana."},{"id":90,"translation":"Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Tsy hino anao velively izahay, raha tsy aboiboikanao ho anay avy amin’ny tany ny loharano\"."},{"id":91,"translation":"Na hanana zaridaina misy hazo palma sy voaloboka ianao, ka haboiboikanao manelanelan’azy ireo, ireo renirano."},{"id":92,"translation":"Na koa halatsakao aminay,araka izay fihamboanao, ny lanitra torotoro, na ho entinao hihaona aminay I Allah sy ireo Anjely."},{"id":93,"translation":"Na koa hanana trano feno haingo ianao, na koa hiakatra any an-danitra ianao. Ary tsy hino velively ny fiakaranao any an-danitra izahay mandraka ampidinanao ny boky aty aminay ho vakianay”. Teneno hoe : “Voninahitra anie ho an’ny Tompoko ! Moa ve tsy olombelona no sady Iraka ihany aho ?”"},{"id":94,"translation":"Ary tsy nisy, na inona na inona nanakana ny olona tsy hino, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana afa-tsy ny tenin’izy ireo manao hoe : “Moa ve I Allah no nandefa olombelona ho Iraka ?”"},{"id":95,"translation":"Teneno hoe : “Raha nisy Anjely nandeha am-pilaminana teny ambonin’ny tany, dia tena ho nampidininay tamin’izy ireo avy an-danitra ny Anjely ho Iraka.”"},{"id":96,"translation":"Teneno hoe : “Allah dia ampy ho vavolombelona eo amiko sy aminareo. Marina tokoa fa Izy dia mahalala sy mahita ireo mpanompony."},{"id":97,"translation":"Ary izay tarihin’I Allah lalana, dia izy no voatari-dalana tsara. Fa izay vereziny kosa, dia tsy hahita mpiahy ho azy ireo ianao ankoatr'Azy (Allah). Ary havorinay izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana no sady ho tarihina amin’ny tavany izy ireo, ho jamba, ho moana, ho marenina. Ary ny afobe no hialofan’izy ireo, ka isaky ny mihena ny afo dia haredaredanay mivaivay ho azy ireo ny lelan’afo."},{"id":98,"translation":"Toy izany no ho sazin’izy ireo, nohon'ny tsy finoan’izy ireo ny fanambarana avy aty Aminay, ary miteny koa izy ireo manao hoe : “Raha lasa taolana sy vovoka izahay, moa ve hatsangana amin’ny fahariana vaovao indray ?”"},{"id":99,"translation":"Tsy hitan’izy ireo ve, fa Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany dia afaka hamorona ny mitovy amin’izy ireo ?Ary nametraka fe-potoana ho azy ireo Izy, izay tsy hisalasalana ny amin’izany, nefa mandà ireo mpanao ny tsy rariny, afa-tsy ny tsy finoana."},{"id":100,"translation":"Teneno hoe : “Raha ianareo no nanana ny haren’ny famindram-pon’I Tompoko, dia ho nofihininareo mafy tokoa, nohon'ny tahotra amin’ny fandaniana. Ary ny olombelona dia tena mahihitra.”"},{"id":101,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny fahagagana sivy miharihary, koa anontanio àry ireo zanak’Israely nony tonga tamin’izy ireo izy ! Ka niteny taminy i Faraona nanao hoe : “Ry Mosesy ! Tena mihevitra aho, fa voan’ny famosaviana ianao”."},{"id":102,"translation":"Niteny izy (Mosa) : “Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny (fahagagana) ireny afa-tsy ny Tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona !”"},{"id":103,"translation":"Notadiavin’i Faraona ho roahina hiala tamin’ny tany izy ireo. Ka dia narendrikay (ho maty an-drano) izy sy izay rehetra niaraka taminy."},{"id":104,"translation":"Ary niteny Izahay, taorian’izany, tamin’ireo zanak’Israely nanao hoe : “Honenanareo ny tany !”. Ary raha tonga ny fampanantenana ny (fiainana) any ankoatra, dia hataonay tonga maro ianareo."},{"id":105,"translation":"Ary tamim-pahamarinana no nampidinanay azy (Kor’any), ary nidina niaraka tamin’ny fahamarinana izy, ary tsy nalefanay ianao raha tsy ho mpilaza (vaovao mahafaly) sy ho mpampitandrina."},{"id":106,"translation":"Ary ny Kor’any izay nozarazaranay, mba ho vakianao miadana amin’ny olona, ary nampidininay tsikelikely izany."},{"id":107,"translation":"Teneno hoe : “Minoa izany ianareo na aza mino!Tena marina fa ireo izay nomena ny fahalalana, talohan’izany, rehefa vakiana amin’izy ireo izany (Kor’any) dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka ny saoka mikasika amin’ny tany”."},{"id":108,"translation":"Ary miteny izy ireo manao hoe : “Voninahitra anie ho an’ny Tomponay ! Ary tanteraka marina ny fampanantenan’ny Tomponay”."},{"id":109,"translation":"Ary miantoraka amin’ny saokany izy ireo, mitomany, ka izany (Kor'any) dia mampitombo ny fanetre-tena ho azy ireo."},{"id":110,"translation":"Teneno hoe : “Antsoinareo I Allah, na antsoinareo Ilay be Fiantrana, na inona na inona ny anarana iantsoanareo Azy, dia manana ireo anarana tsara indrindra Izy. Ary aza mamaky amin’ny feo avo ianao amin’ny Soalat (vavaka) ataonao, nefa aza atao ambany loatra koa, fa ataovy izay eo anelanelan'izany.”"},{"id":111,"translation":"Ary teneno hoe : “Dera ho an’I Allah izay tsy nanan-janaka mihitsy, ary tsy mba nanana mpiombon’antoka Izy amin’ny fanjakany, ary mbola tsy manana mpiahy amin’ny fanambaniana mihitsy”. Koa derao avo dia avo ny halehibeany”."}]},{"id":18,"verses":[{"id":1,"translation":"Dera ho an’I Allah, izay nampidina ny Boky tamin’ny irany, ary nataony tsy miholakolaka izany."},{"id":2,"translation":"Ao anaty fahitsiana tanteraka, mba ho entiny hampitandrina amin’ny fahoriana mafy (fanasaziana) avy Aminy, sy mba ho entiny hanambarana vaovao mahafaly ireo mpino izay manao asa soa, fa “tena ho azy ireo ny valisoa tsara”."},{"id":3,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo."},{"id":4,"translation":"Ary hampitandrina ireo izay niteny hoe : “Allah dia nandray zanaka lahy ho Azy !"},{"id":5,"translation":"Tsy manam-pahalalana momba izany izy ireo, na ireo razambeny koa. Maharikoriko ny teny izay mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo ! Tsy miteny afa-tsy ny lainga izy ireo."},{"id":6,"translation":"Ary angamba ianao (ry Mohamady) hamono ny tenanao amin’ny alahelo nohon’ny fandavan’izy ireo raha tsy mino ity lahateny ity izy ireo !"},{"id":7,"translation":"Marina fa nataonay izay rehetra eto ambonin’ny tany ho haingony, mba hitsapanay azy ireo hoe iza amin’izy ireo no tena mpanao ny asa soa."},{"id":8,"translation":"Ary marina fa Izahay dia hanao izay rehetra eo aminy (tany) ho karakaina."},{"id":9,"translation":"Moa mihevitra ve ianao fa ireo olon’ny lava-bato sy «Ar-Raqim » dia tena anisan’ny fahagaganay mampitolagaga ?"},{"id":10,"translation":"(Tsarovy ry Mohamady) raha nitoetra tao anatin’ilay lava-bato ireo tanora, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Omeo famindram-po avy Aminao izahay, ary hamorao aminay ny fahitsiana amin’izay rehetra momba anay."},{"id":11,"translation":"Ka nataonay marenina ny sofin’izy ireo, tao anaty lava-bato, nandritran'ny taona maro."},{"id":12,"translation":"Avy eo, dia nofohazinay izy ireo, mba hahafantaranay, iza amin’ny andiany roa ireo no mahay manisa indrindra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao."},{"id":13,"translation":"Izahay dia mitantara aminao (ry Mohamady) ny tantaran’izy ireo, amim-pahamarinana. Marina fa izy ireo dia tanora nino ny Tompony, ka nohamafisinay tamin’izy ireo ny tari-dàlana."},{"id":14,"translation":"Ary nataonay mafy orina tao am-pon’izy ireo, rehefa nitsangana izy ireo, ny fiitenenana hoe : “Ny Tomponay no Tompon’ireo lanitra sy ny tany, tsy hitalaho na oviana na oviana amin’ny zanahary hafa ankoatra Azy izahay, raha tsy izany, dia namoaka fiteny miala ny fahamarinana izahay."},{"id":15,"translation":"Ireny vahoakanay ireny dia nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah). Maninona moa izy ireo no tsy nitondra porofo mazava mikasika izany ? Ka iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik'I Allah ?"},{"id":16,"translation":"Ary raha nihataka tamin’izy ireo ianareo sy momba izay notompoin’izy ireo ankoatr’I Allah, dia miafena ao anaty lava-bato ianareo : ny Tomponareo dia hampiely ny famindram-pony aminareo sy hanamora ny momba anareo, amin’ny raharaha ilainareo."},{"id":17,"translation":"Ary hahita ny masoandro mihilana miankavanana miala ny lava-baton’izy ireo ianao, rehefa miposaka izy, ary rehefa milentika kosa izy dia miala amin’izy ireo miankavia, nefa izy ireo dia eo amin’ny toerana malalaka ao anaty (lava-bato). Izany dia isan’ireo fahagagana avy amin’I Allah ! Izay tarihin’i Allah amin'ny lalana dia izy no tena voatari-dalana. Fa izay naviliny lalana kosa dia tsy hahita mpiahy sy mpitarika azy ianao."},{"id":18,"translation":"Ary heverinao toa mifoha izy ireo nefa matory. Ary navadibadikay amin’ny ilany havanana sy amin’ny ilany havia izy ireo, ary ny alikan’izy ireo kosa dia manampatra ny tongony roa aloha eo am-pidirana. Raha mahatazana azy ireo ianao dia tena hitsoaka ka handositra azy ireo ary tena ho feno tahotra eo anatrehan’izy ireo ianao."},{"id":19,"translation":"Ary toy izany no namohazanay azy ireo, mba hifampanontany, niteny ny iray tamin’izy ireo hoe : “Hatramin'oviana no nijanonanareo (teto)? ”Niteny izy ireo hoe : “Andro iray na ampahan’ny andro no nijanonantsika”. Niteny (ny sasany) hoe : “Ny Tomponareo no tena mahafantatra ny fotoana nijanonanareo. Koa alefaso ny iray aminareo mankany an-tanàna miaraka amin’ity volanareo ity mba hitady sakafo tena madio, ka hitondrany anjara sakafo ho anareo avy amin’izany. Ary aoka izy hitondra ny tenany amim-pahamalinana sy tsy hampahafantatra ny momba anareo na amin’iza na amin’iza."},{"id":20,"translation":"Tena marina fa raha mahatsikaritra anareo izy ireo dia ho torahan’izy ireo vato ianareo, na haverin’izy ireo amin’ny finoany, ka dia tsy hahita fahombiazana intsony ianareo."},{"id":21,"translation":"Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo.\""},{"id":22,"translation":"Hiteny izy ireo hanao hoe : “Telo izy ireo, ny alikany no faha efany”. Ary hiteny ny sasany hanao hoe : “Dimy izy ireo, ny alikany no faha eniny”, vinavina momba ny zava-miafina fotsiny. Ary mbola hiteny koa ny hafa hanao hoe : “Fito izy ireo ary ny alikany no faha valony”. Teneno hoe : “Ny Tompoko ihany no tena mahafantatra ny isan’izy ireo. Tsy misy mahafantatra azy ireo afa-tsy ny vitsy an'isa ihany”. Koa aza miady hevitra ny momba azy ireo ianao, raha tsy ady hevitra amin’ny endrika ivelany ihany ary aza manontany na iza na iza amin’izy ireo momba azy ireo (olon’ny lava-bato) ianao."},{"id":23,"translation":"Ary aza milaza amin'iza na iza amin'izay hataonao rahampitso."},{"id":24,"translation":"Afa-tsy (ampiana teny) hoe : “Raha sitrak'Allah - Insha Allah!” Ary tsarovy ny Tomponao raha nanadino ianao ary mitenena hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dàlana ahy ho amin’izay akaiky ny marina kokoa noho izao.”"},{"id":25,"translation":"Ary nijanona tao anaty lava-batony izy ireo nandritran'ny telonjato taona ary niampy sivy taona."},{"id":26,"translation":"Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany."},{"id":27,"translation":"Ary vakio (ry MohamadY) izay efa nambara taminao avy ao amin’ny Bokin’ny Tomponao. Tsy misy afaka hanova ireo Teniny. Ary tsy hahita fialofana mihitsy ankoatr'Azy ianao."},{"id":28,"translation":"Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa."},{"id":29,"translation":"Ary teneno : \"Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !"},{"id":30,"translation":"Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa, tena marina fa Izahay dia tsy hanary ny valin’asan’ireo izay manao ny tsara."},{"id":31,"translation":"Izy ireny no ahazo ireo zaridain’ny Edena izay mikoriana eo ambaniny ireo renirano maro. Hampiravahana firavaka volamena izy ireo ao sy hampitafiana lamba maitso vita amin’ny lasoa manify sy lamba lasoa matevina (feno soratsoratra), mitehina amin’ireo farafara voaravaka tsara. Tena valisoa tsara tokoa ary fonenana tena tsara izany !"},{"id":32,"translation":"Ary anaovy fanoharana izy ireo amin’ny lehilahy roa, ny iray dia nomenay tanim-boaloboka roa izay nohodidininay hazo palma ary nasinay saha misy voly teo anelanelan’izy roa (zaridaina)."},{"id":33,"translation":"Ireo zaridaina roa ireo dia nanome vokatra tsy mihato. Ary nasinay renirano eo anelanelan’izy roa ireo."},{"id":34,"translation":"Ary nanana voankazo izy, ka niteny tamin’ny namany izay nifampiresahany nanao hoe : “Izaho dia manana harena mihoatra anao ary manana foko matanjaka ihany koa mihoatra anao."},{"id":35,"translation":"Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe : “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”."},{"id":36,"translation":"Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony."},{"id":37,"translation":"Niteny azy ilay namany (mpino) teo am-piresahana aminy nanao hoe : “Moa tsy mino Ilay Nahary anao avy amin’ny tany sy (nohariany) amin’ny alalan’ny ranon'aina ary nanao anao ho olombelona ve ianao ?"},{"id":38,"translation":"Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho."},{"id":39,"translation":"Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : \"Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho."},{"id":40,"translation":"Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy."},{"id":41,"translation":"Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao."},{"id":42,"translation":"Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !\""},{"id":43,"translation":"Ary tsy nisy vondron’olona afaka nanavotra azy ankoatr'I Allah ary tsy afaka nanavotra ny tenany koa izy."},{"id":44,"translation":"Ho setrin’izany, dia an’Allah, Ilay Marina ny fiarovana ambony indrindra. Izy no manome ny valisoa, sy ny vokatra tsara indrindra."},{"id":45,"translation":"Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra."},{"id":46,"translation":"Ny harena sy ireo zanaka dia haingon’ny fiainana eto an-tany. Ary ireo asa soa maharitra dia mbola ahazoana valisoa tsara (noho izany) eo anatrehan’ny Tomponao sy fanantenana tsara."},{"id":47,"translation":"Ary (ampahatsiahivo azy ireo) amin’ny andro izay hampandehananay ny tendrombohitra, ka hahita ny tany misongadina ianao. Ary havorinay izy ireo ka tsy misy na dia iray aza avelanay amin’izy ireo."},{"id":48,"translation":"Haseho milahatra eo anatrehan’ny Tomponao izy ireo. Indro tokoa fa tonga aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tany am-piandohana. Nefa nihambo ianareo fa tsy hametraka fotoana hihaonana aminareo mihitsy Izahay."},{"id":49,"translation":"Ary napetraka ny Boky mba ho hitanao ireo mpanao heloka bevava matahotra izay ao anatiny. Ary hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Fa inona ity boky ity no tsy mamela (ireo fahotana) kely na lehibe raha tsy notanisany ?” Ary ho hitan’izy ireo miharihary eo anoloany izay nataony. Ary tsy manao ny tsy rariny na amin’iza na amin’iza ny Tomponao."},{"id":50,"translation":"Ary (tsarovy) rehefa niteny tamin’ireo Anjely Izahay nanao hoe : \"Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka daholo izy rehetra afa-tsy i Iblisy (Satana) izay avy amin’ny djiny nanohitra ny didin’ny Tompony. Dia mbola noraisinareo ho mpiahy ve izy sy ny taranany ankoatra Ahy (Allah), nefa izy ireo dia fahavalonareo ? Takalo ratsy tokoa no nataon’ireo mpanao ny tsy rariny !"},{"id":51,"translation":"Tsy nataoko vavolombelon’ny faharian’ireo lanitra sy ny tany izy ireo na amin’ny fahariana ny tenan’izy ireo. Ary tsy nandray ireo very lalana ho mpanampy Aho."},{"id":52,"translation":"Ary amin’ny Andro izay hitenenany hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo fa mpiara- miombon'antoka Amiko”. Dia nantsoin’izy ireo tokoa izany, fa saingy tsy namaly azy izy ireo, ho asinay toeram-pahaverezana eo anelanelan’izy ireo."},{"id":53,"translation":"Ho ahita ny Afo ireo mpanao heloka bevava. Ka mihevitra izy ireo fa ho alatsaka ao ary tsy hahita fialana avy ao."},{"id":54,"translation":"Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra."},{"id":55,"translation":"Ary tsy nisy na inona na inona anakana ny olona tsy hino rehefa tonga tamin’izy ireo ny toro-lalana ary hangataka famelan-keloka amin’ny Tompony izy ireo, afa-tsy ny fiantraikan’ny fitsipika fototra nianjady tamin’ireo teo aloha amin’izy ireo na hiatrika ny sazy izy ireo."},{"id":56,"translation":"Ary tsy mandefa iraka Izahay raha tsy hilaza vaovao mahafaly sy hampitandrina. Ary miady hevitra ireo izay tsy nino miaraka amin’ny lainga mba handravana ny marina amin’ny alalan’izany ary noraisin’izy ireo vazivazy ny andian-teniko sy izay nampitandremana azy ireo."},{"id":57,"translation":"Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo"},{"id":58,"translation":"Ary ny Tomponao Ilay Mpamela heloka, dia Tompon’ny famindram-po. Raha noraisiny araka izay nataony izy ireo, dia nohafainganiny ho azy ireo ny sazy. Nefa misy fotoana efa nomena azy ireo ka tsy hahita fialofana ankoatra Azy mihitsy izy ireo."},{"id":59,"translation":"Ary ireo tanàna izay naringanay raha nanao ny tsy rariny izy ireo, dia nanome fotoana handringanana azy ireo Izahay."},{"id":60,"translation":"Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”."},{"id":61,"translation":"Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro)."},{"id":62,"translation":"Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”."},{"id":63,"translation":"Niteny izy (ilay mpanampiny lahy) nanao hoe : “Hitanao fa tamin’ny fotoana nialofantsika teo amin’ilay vatolampy, dia hadinoko tokoa ilay trondro, ka tsy misy tokony hanadinoako hilaza izany (aminao) afa-tsy avy amin'i Satana ary ny mahagaga dia nandray ny lalany nankany an-dranomasina izy."},{"id":64,"translation":"Niteny izy nanao hoe : \"Izany no tiako hahatongavantsika”! Ary dia niverin-dalana nanaraka ny diany izy roa."},{"id":65,"translation":"Ka nihaona tamin’ny iray amin’ireo mpanomponay, izay notoloranay indrafo sy nampianarinay fahalalana avy aty Aminay."},{"id":66,"translation":"Niteny taminy i Mosesy nanao hoe : \"Afaka manaraka anao ve aho, mba hianatra aminao amin’izay nampianarina anao momba ny fahendrena?”"},{"id":67,"translation":"Niteny izy nanao hoe : “tsy hanam-paharetana hiaraka amiko mihitsy ianao”"},{"id":68,"translation":"Ary ahoana no haharetanao amin’izay mbola tsy anananao fahalalana akory ?"},{"id":69,"translation":"Niteny izy nanao hoe : \"Ho hitanao fa hanam-paharetana aho raha sitrak’I Allah ary tsy handà ny baiko avy aminao aho”."},{"id":70,"translation":"Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : “Raha manaraka ahy ianao dia aza anontaniana na inona na inona aho mandra-pilazako izany aminao”."},{"id":71,"translation":"Dia nandeha izy roa lahy. Ary rehefa niakatra tamin’ny sambo izy ireo dia nolavahany (ilay mpanompo) izany. Niteny izy(Mosa) nanao hoe : \"Nolavahanao ve ilay sambo mba aharendrika ny mpandeha ? Tena nanao zavatra mahatsiravina ianao”."},{"id":72,"translation":"Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : \"Moa ve tsy efa nolazaiko ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka amiko ?”"},{"id":73,"translation":"Niteny izy (Mosa) nanao hoe : “Aza omena tsiny aho nohon'ny fanadinoako, aza avela hiantsoroka zava-tsarotra amin’ny raharahako aho."},{"id":74,"translation":"Avy eo dia nanohy ny diany izy roa lahy mandra-pihaon’izy ireo tamin’ny zazalahy kely iray, dia novonoiny (ilay mpanompo) izy (ilay zazalahy). Niteny izy (Mosesy) nanao hoe: Namono olona tsy manan-tsiny, tsy mbola namono olona ve ianao ? Tena nanao zavatra maharikoriko tokoa ianao !”"},{"id":75,"translation":"Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe: “ Moa ve tsy efa nolazaiko Ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka Amiko Ianao ? “"},{"id":76,"translation":"Niteny i Mosesy ka nanao hoe: ” Raha mbola manontany Anao Aho na amin’inona na amin’inona aorian’izao, dia aza mandray Ahy ho namana intsony Ianao. Ary tena ho afa-tsiny Amiko Ianao."},{"id":77,"translation":"Dia nanohy ny diany àry izy Roa lahy, ka rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy ireo, dia nangataka sakafo tamin’ireo mponina tao, nefa nandà ny hampiantrano izy Roa izy ireo. Avy eo dia nahita rindrina mila hianjera izy roa, ka dia nareniny (ilay mpanompo) izany. Niteny izy (Mosa) nanao hoe : \" Raha sitrakao dia nakanao tambiny Izao ”."},{"id":78,"translation":"Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe : \" Eto Izaho sy Ianao no misaraka ary ho ambarako Anao amin’izay ny dikan’ireo izay tsy nanananao faharetana."},{"id":79,"translation":"Raha ny amin’ilay sambo, dia an’ireo Olona mahantra izay miasa eny an-dranomasina. Tiako ny hanimba azy, satria misy mpanjaka aorian’izy ireo izay maka an-keriny ny sambo rehetra (izay tsara)."},{"id":80,"translation":"Raha ny amin’ilay zazalahy kely kosa, dia mpino ny Ray aman-dreniny , ka atahoranay sao dia hanery azy Roa hihoam-pefy sy tsy hino Izy (ilay zazalahy kely)."},{"id":81,"translation":"Ka tianay ny hanoloan’ny Tompon’izy Roa lahy Zaza hafa tsara noho ilay teo aloha, madio fitondran-tena sy be fitiavana kokoa."},{"id":82,"translation":"Fa raha ny amin’ilay rindrina kosa, dia an’ny Zaza kamboty Roa lahy tao amin’ilay tanàna. Ary misy tao ambanin’izany ny harena sarobidin’izy Roa lahy. Ary ny Rain’izy ireo dia tsara fanahy, ka tian’ny Tomponao ho tonga amin’ny fahamatoran-tsaina no hitrandraka ilay haren'izy Roa ireo nohon'ny famindram-pon’ny Tomponao.Tsy nanao azy ireny tamin’ny sitrapoko manokana Aho ; Izany no fanazavana ireny (zavatra) izay tsy nanananao faharetana ireny."},{"id":83,"translation":"Ary manontany Anao izy ireo ny amin’i Żol-Karnainy. Teneno hoe : “ ho tantaraiko Aminareo ny fampahatsiahivana sasantsasany ny amin’izany ”."},{"id":84,"translation":"Marina fa nohamafisinay ny fahefany teto an-tany, ary nomenay falalahana amin’ny zava-drehetra Izy."},{"id":85,"translation":"Ary dia nanaraka làlana iray Izy."},{"id":86,"translation":"Ary nony tany amin’ny filentehan’ny masoandro (andrefana) Izy, dia tazany fa milentika amin’ny loharano feno fotaka izany, ary nahita vahoaka teo akaikiny (loharano) Izy. Niteny Izahay ka nanao hoe: “ O ! Żol-Karnainy, Na ianao hanasazy azy ireo na hanao soa azy ireo”."},{"id":87,"translation":"Niteny izy (Zol-Karnainy) hoe : ” Fa izay manao ny tsy rariny dia ho sazinay izy, avy eo dia haverina any amin’ny Tompony dia ho faizinay amin’ny famaizana mahatsiravina."},{"id":88,"translation":"Fa izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho Azy ny valisoa tsara indrindra. Ary ho teneninay Aminy ireo didy mora tanterahina."},{"id":89,"translation":"Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy."},{"id":90,"translation":"Ary nony tany amin’ny fiposahan’ny masoandro (antsinanana) Izy, dia tazany fa miposaka izany teo ambonin’ny vahoaka, izay tsy nasianay voaly (sarondoa) ho fiarovana azy ireo amin’ny masoandro."},{"id":91,"translation":"Tahaka izany no niseho ary nofehezinay tamin’ny fahalalana izay nananany."},{"id":92,"translation":"Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy."},{"id":93,"translation":"Ary nony tany amin’ny toerana iray, izay eo anelanelan’ny sakana roa (tendrombohitra roa) Izy, dia nahita vahoaka tao ambadik’izany, izay saika tsy mahazo fiteny hafa."},{"id":94,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe: “ O ! Ry Zol-karnainy, marina fa Yajojo (yagoga) sy Majojo (magoga) dia mpanao asa fanimbana eto an-tany, Moa ve azonay atao ny manome ampahan-karena mba hanangananao fefy mampisarakanay sy izy ireo ”."},{"id":95,"translation":"Niteny izy (Zol-karnainy) ka nanao hoe :” Izay nomen’ny Tompoko Ahy dia tsara lavitra (noho) izay omenareo. Ampionareo àry Aho amin’ny alalan’ny herinareo, hananganana fefy eo anelanelanareo sy izy ireo."},{"id":96,"translation":"Hitondranareo fonjam-by aho ”. Ary avy eo rehefa feno ny toerana manelanelana ny tendrombohitra roa dia niteny izy hoe : “Tsofinareo ! ” ka rehefa lasa hainafo izany, dia niteny izy hoe : “Itondranareo varahina voa empo aho, izay ararako eo amboniny."},{"id":97,"translation":"Noho izany dia tsy afaka hianika izany mihitsy izy ireo ary tsy afaka hanimba izany."},{"id":98,"translation":"Niteny izy ka nanao hoe :“ Indrafo avy amin’ny Tompoko izao ”. Nefa rehefa ho tonga ilay fampanantenan’ny Tompoko, dia ataony ho tany lemaka izany. Ary marina ny fampanantenan’ny Tompoko ”."},{"id":99,"translation":"Amin’izany Andro izany dia havelanay hifandona tahaka ireo onja izy ireo, dia hotsofinay ny Trompetra (Anjomara) ary havorinay izy rehetra (zavaboary)"},{"id":100,"translation":"Ary amin’izany Andro izany dia asehonay akaikin’ireo tsy mpino ny Afobe (Djahanam)."},{"id":101,"translation":"Dia ireo izay voasarona ny mason’izy ireo ka voasakana tsy hieritreritra Ahy, ary tsy afaka mandre na inona na inona izy ireo."},{"id":102,"translation":"Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino."},{"id":103,"translation":"Teneno hoe : “ Moa ve hampahafantarinay Anareo izay tena maty antoka indrindra amin’ireo asany ?"},{"id":104,"translation":"Ireo izay nandany ny fihezahany tamin’ny fiainana teto an-tany, dia very làlana, nefa mihevitra izy ireo fa manao asa tsara !"},{"id":105,"translation":"Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo."},{"id":106,"translation":"Noho izany dia ny Afobe no valin’ny asan’izy ireo, satria tsy nino sy nanao vazivazy ireo famantarako sy ireo Irako (mpaminany)."},{"id":107,"translation":"Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa dia ny Paradisa ny “Firdaosy” no fonenan’izy ireo."},{"id":108,"translation":"Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy haniry fanovana na dia kely aza."},{"id":109,"translation":"Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”."},{"id":110,"translation":"Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy."}]},{"id":19,"verses":[{"id":1,"translation":"Kàf, Hà,Yà,A'in, Swàd."},{"id":2,"translation":"Tantaran’ny famindram-pon’ny Tomponao, tamin’i Zakaria mpanompony."},{"id":3,"translation":"Rehefa niantso ny Tompony Izy tamin’ny fitalahoana mangina,"},{"id":4,"translation":"Sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Osa ireto taolako, ary nirongatra ny volo fotsy eo amin’ny lohako. ka nefa, tsy mbola diso fanantenana mihitsy Aho amin’ny fitalahoana Aminao, ô ry Tompoko !"},{"id":5,"translation":"Matahotra Aho ny amin’ny fitondran-tenan’ireo mpandova Ahy aoriako. Ary ny vadiko dia momba, ka mba omeo taranaka avy Aminao Aho."},{"id":6,"translation":"Izay handova Ahy, sy handova ny taranak’i Jakoba. Ka ataovy ho anisan’izay ankasitrahanao Izy, ô ry Tompoko ! ”."},{"id":7,"translation":"“ Ô ry Zakaria ! Manambara vaovao mahafaly ho Anao Izahay, fa hanana Zanaka lahy Ianao, ary ny anarany dia : Yahya (Jaona). Tsy mbola misy nomenay anarana mitovy amin’izany teo aloha."},{"id":8,"translation":"Ary niteny izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Ahoana no hananako Zanaka lahy, nefa momba ny vadiko, ary Izaho dia efa tra-pahanterana ? ”"},{"id":9,"translation":"Niteny taminy Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”. Niteny ny Tomponao ka nanao hoe : “ Mora Amiko izany ! Talohan’izany, nahary Anao Aho, nefa tsy mbola nisy Anao ”."},{"id":10,"translation":"Niteny Izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Omeo famantarana Aho ”. Dia niteny (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiteny aman’olona Ianao mandritra ny telo alina, nefa ho salama tsara Ianao."},{"id":11,"translation":"Dia nivoaka ny toerana masina Izy, ka nankany amin’ny vahoakany ; dia nanao famantarana tamin’izy ireo izy mba hitalaho (amin’i Allah) maraina sy hariva."},{"id":12,"translation":"“ Ô ry Yahya (Jaona) ! Raiso ny Boky (Taoraty), ka mifikira mafy aminy ! ”. Ary nomenay fahendrena Izy fony mbola zaza,"},{"id":13,"translation":"Ary koa fitiavana avy Aminay sy fahadiovana, ary Izy dia nanam-patahorana (an’i Allah)."},{"id":14,"translation":"Ary niantra ireo Ray aman-dreniny Izy; ary tsy mba nahery setra sy tsy mba nanota."},{"id":15,"translation":"Ary ho Aminy anie ny fiadanana, amin’ny Andro izay nahaterahany, sy amin’ny Andro izay ahafatesany, ary amin’ny Andro izay hananganana Azy amin’ny maty ho velona !"},{"id":16,"translation":"Tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mariamo (Maria), raha nisintaka tamin’ny fianakaviany Izy, nankany amin’ny toerana iray any antsinanana."},{"id":17,"translation":"Ka nasiany lamba sarona nanelanelana Azy,sy izy ireo. Ary nalefanay Taminy ny Anjelinay (Gabriel), izay niseho Taminy amin’ny endrika lehilahy tomady."},{"id":18,"translation":"Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Izaho dia mangataka fiarovana amin’Ilay be Fiantrana hanoherako Anao; raha tena manam-patahorana Ianao !"},{"id":19,"translation":"Namaly izy (Gabriel) hoe : “Izaho dia tena Iraka avy amin’ny Tomponao, mba hanome anao zaza lahy madio”."},{"id":20,"translation":"Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Ahoana moa no hananako Zanaka lahy, nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy akory aza, ary tsy mba mpijangajanga Aho ? ”"},{"id":21,"translation":"Niteny Izy (Gabriel) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”.Niteny ny Tomponao hoe : “ Mora Amiko izany ! Ary hataonay famantarana ho an’ny Olombelona Izy, sy famindram-po avy Aminay. Ary izany dia didy efa tapaka ”."},{"id":22,"translation":"Dia nitoe-jaza àry Izy,ka nisintaka niaraka Taminy (zazakely) tamin’ny toerana lavidavitra Izy."},{"id":23,"translation":"Dia nitondra azy teo am-pototry ny hazo palma (atrendry) rehefa nihetsi-jaza, dia hoy izy tamin’izany : “Loza ho Ahy! Aleoko maty talohan’izao fotoana izao ka nohadinoina tanteraka aho!”"},{"id":24,"translation":"Dia niantso azy ny avy ao ambaniny nanao hoe : “ Aza malahelo ianao; fa nasin’ny Tomponao loharano eo ambaninao ”."},{"id":25,"translation":"Hozongozono mankany Aminao ny vatan’ny palma (atrendry);fa handatsaka atrendry tsara sady masaka eo Aminao Izy."},{"id":26,"translation":"Koa mihinàna sy misotroa Ianao, ary aoka hifaly ny masonao ! Raha mahita Olona Ianao dia mitenena hoe : “ Marina fa Izaho dia nanao voady fifehezana tamin’ilay be Fiantrana, ka tsy hiteny amin’ny Olona na iza na iza Aho Androany ”."},{"id":27,"translation":"Avy eo dia tonga teo anatrehan’ny mpiara-monina Aminy Izy nitondra ilay Zazakely. ka Niteny izy ireo (mpiara-monina) nanao hoe : “ Ô Mariamo (Maria) ! Nanao zavatra mahatsiravina Ianao ! ”"},{"id":28,"translation":"Ô ry anabavin’i Harona ! Ny Rainao dia tsy mba Olon-dratsy, ary ny Reninao dia tsy mba mpijangajanga akory."},{"id":29,"translation":"Ka nanondro ilay Zazakely Izy (Mariamo). ka Niteny izy ireo nanao hoe : “ Ahoana no hitenenanay amin’ny Zazakely mbola eo am-pandriana ? ”"},{"id":30,"translation":"Niteny izy (ilay zazakely) nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mpanompon’i Allah. Nomeny Ahy ny Boky, ary nanendry Ahy ho Mpaminany Izy,"},{"id":31,"translation":"Ary na aiza na aiza misy ahy, dia nohamasininy aho, ary nandidy ahy hanatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat) sy ny harena fiantrana (zakat) Izy, raha mbola velona aho."},{"id":32,"translation":"Ary mba hiantra (hanao soa) ny reniko. Fa tsy nataony mahery setra, na ory Aho."},{"id":33,"translation":"Ary ho Amiko ny fiadanana tamin’ny Andro izay nahaterahako, sy amin’ny Andro izay ahafatesako, ary amin’ny Andro izay hananganana Ahy ho velona."},{"id":34,"translation":"Izany no Issa (A.s) i (Jesoa) Zanakin’i Mariamo (A.s) (Maria), tenin’ny fahamarinana izay mampisalasala azy ireo."},{"id":35,"translation":"Tsy mendrika an’i Allah ny hanan-janaka fa Azy ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Rehefa mandidy zavatra iray Izy, dia miteny hoe : “ Misia ! ” dia misy tokoa izany."},{"id":36,"translation":"Ary tena marina fa i Allah no Tompoko sy Tomponareo ka tompoinareo Izy, izany no làlana mahitsy."},{"id":37,"translation":"Tsy nitovy hevitra ireo antokon’Olona teo amin’ny samy izy ireo (taty aoriana), loza ho an’ireo izay tsy nino ny fiatrehana ilay Andro lehibe."},{"id":38,"translation":"Tahaka ny handrenesan’izy ireo sy ny ahitany tsara ilay Andro hiaviany any Aminay ! Nefa ankehitriny, ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana tanteraka."},{"id":39,"translation":"Ary ampitandremo azy ireo ny Andron’ny Fanenenana, rehefa tapaka ny didy; nefa izy ireo dia mbola variana ihany (eto an-tany) no sady tsy mino."},{"id":40,"translation":"Tena marina fa Izahay tokoa no handova ny tany sy izay rehetra ao aminy, ary any Aminay no hamerenana azy ireo."},{"id":41,"translation":"Ary tsiahivo Ibrahimo (A.s), ao anatin’ny Boky (Koroany), fa Olona tena marina sady Mpaminany Izy."},{"id":42,"translation":"Koa rehefa niteny tamin’ny Rainy izy ka nanao hoe : “ Ô ry dada ! Nahoana ianao no manompo izay sady tsy maheno no tsy mahita, ary tsy hitera-bokatsoa aminao na amin’inona na amin’inona io? ”"},{"id":43,"translation":"Ô ry dada ! Marina fa tonga Tamiko ny fahalalana izay tsy nanananao; koa araho Aho,fa hotarihiko amin’ny làla-mahitsy Ianao."},{"id":44,"translation":"Ô ry Dada ! Aza manompo ny Satana ianao. Marina fa ny Satana dia tsy nankatò ilay be Fiantrana."},{"id":45,"translation":"“ Ô ry Dada ! Tena matahotra Aho, sao ho azon’ny famaizana avy amin’Ilay be Fiantrana Ianao, ka ho lasa naman’ny Satana Ianao ”."},{"id":46,"translation":"Niteny Izy (dadan’i Ibrahimo) ka nanao hoe : Ô ry Ibrahimo (A.s) ! Tsy mankasitraka ireo Zanahariko ve Ianao ? Raha tsy mitsahatra amin’izany Ianao dia hotorahako vato, halaviro Aho mandritra ny fotoana maharitra."},{"id":47,"translation":"Niteny izy (Ibrahimo) ka nanao hoe : “ Ho Aminao anie ny fiadanana ! Hangataka famelan-keloka ho Anao Aho amin’ny Tompoko. Nanome Ahy fahasoavana mandrakariva Izy."},{"id":48,"translation":"Hisintaka anareo aho sy amin’izay italahoanareo ankoatr’i Allah, ary hitalaho amin’ny Tompoko aho, manantena aho fa tsy ho ory amin’ny antso ataoko amin’ny Tompoko."},{"id":49,"translation":"Rehefa nisaraka tamin’izy ireo, sy izay nitompoin’izy ireo ankoatran’i Allah Izy, dia nomenay an’i Isaka (A.s) sy i Jakoba (A.s),ary samy nataonay ho Mpaminany izy Roa ireo."},{"id":50,"translation":"Ary nomenay ny indrafonay izy ireo,sady nomenay ny fiteny ambony feno fahamarinana."},{"id":51,"translation":"Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mosa (A.s) (Mosesy), fa tena Olo-marina tokoa izy, sady Iraka no Mpaminany."},{"id":52,"translation":"Ary nantsoinay Izy teo akaikin’ny tendrombohitra Sinaï, tamin’ny ilany havanana, ary nampanatoninay akaiky dia akaiky Izy sady nitenenanay."},{"id":53,"translation":"Ary nohon'ny indrafonay dia nomenay Azy i Harona rahalahiny, ho Mpaminany."},{"id":54,"translation":"Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koo’any) i Ismael, mitana ny teny nomena izy, sady iraka no Mpaminany."},{"id":55,"translation":"Ary nandidy ny fianakaviany Izy mba hanatanteraka ny Soalat (vavaka) sy ny Zakat (harena fiantrana), ary nahazo fankasitrahana tamin’ny Tompony Izy."},{"id":56,"translation":"Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Idris, Olo-marina no sady Mpaminany."},{"id":57,"translation":"Ary nasondrotray amin’ny toerana ambony Izy."},{"id":58,"translation":"Izy ireny no nomen’i Allah fahasoavana, tamin’ireo Mpaminany, tamin’ireo taranakan’i Adama, sy tamin’ireo nen-tinay niaraka tamin’i Noa, sy tamin’ireo taranakan’i Ibrahimo sy Israely, ary koa tamin’ireo izay notarihanay sy nosafidinay. Rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy avy amin’Ilay be Fiantrana dia miantoraka sy miara-miankohoka sady mitomany izy ireo."},{"id":59,"translation":"Avy eo dia nandimby azy ireo (taranaka) izay nanao tsirambina ny Soalat (vavaka) sy nanaraka ny sitrapony. Tsy ho ela dia hihatra amin’izy ireo ny fahaverezana."},{"id":60,"translation":"Afa tsy izay mibebaka, sy mino ary manao asa soa, izy ireny no hiditra ao anatin’ny paradisa, ary tsy hiangarana mihitsy."},{"id":61,"translation":"Ao amin’ireo zaridain’i Paradisa (fonenana mandrakizay) izay nampanantenain’Ilay be Fiantrana ho an’ireo mpanompony, (izay nino) ny zava-miafina.Tena marina fa izany fampanantenana izany, dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy ho tonga."},{"id":62,"translation":"Izy ireo dia tsy haheno teny tsy mendrika ao; tsy misy afa tsy (ny fitenenana) hoe : ” salam”(fiadanana); ary hanana ny anjara sakafony maraina sy hariva izy ireo ao."},{"id":63,"translation":"Izany no Paradisa izay hampandovanay ireo mpanomponay izay manam- patahorana."},{"id":64,"translation":"Ary tsy midina Izahay raha tsy araka ny didy avy amin’ny Tomponao. Azy avokoa izay eo anoloanay sy izay aorianay ary izay rehetra eo anelanelan’izy Roa. Tsy mba manadino na inona na inona ny Tomponao."},{"id":65,"translation":"(Izy no) Tompon’ireo ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy Roa ! Tompoy àry Izy, ary manàna faharetana amin’ny fanompoana Azy. Mahafantatra ny mitovy Aminy ve Ianao ?"},{"id":66,"translation":"Ary miteny ny Olombelona ka manao hoe : “ Moa ve rehefa maty dia mbola haverina ho velona indray Aho ? ”"},{"id":67,"translation":"Moa ve tsy tadidin’ny Olombelona, fa Izahay tokoa no nahary Azy tany aloha, fony izy mbola tsy nisy ?"},{"id":68,"translation":"Marina amin’ny Tomponao ! Fa hangoninay izy ireo sy ireo satana. Avy eo dia apetrakay am-pandohalihana manodidina ny Afobe izy ireo."},{"id":69,"translation":"Ary avy eo, dia tena halainay avy amin’ny andiany tsirairay avy, ireo izay nikiry fatratra tamin’ny fanoherana ilay be Fiantrana."},{"id":70,"translation":"Ary Izahay no mahalala tokoa izay mendrika hodorana amin’izy ireo."},{"id":71,"translation":"Tsy misy tsy handalo amin’izany (tetezana ambonin’ny Afobe) Ianareo, izany dia didy tsy azo hidovirana (hialana) avy amin’ny Tomponao."},{"id":72,"translation":"Ary avy eo, dia havotanay ireo izay manam-patahorana. Fa havelanay am-pandohalihana ao kosa ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":73,"translation":"Ary rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy mazava amin’ny teninay, dia miteny ireo tsy mpino amin’ireo mpino manao hoe : “ Iza amin’ny andiany Roa ireo, no manana toerana mampiadana, sy namana mendrika indrindra ? ”."},{"id":74,"translation":"Ary firifiry moa no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo, izay nihoatra azy ireo tamin’ny fananana, sy tamin’ny endrika ivelany."},{"id":75,"translation":"Teneno hoe : “ Izay ao anatin’ny fahaverezana, dia aoka ilay be Fiantrana hanalava ny fiainany, mandra-pahitan’izy ireo,na ilay famaizana na ilay Ora ”. Ka ho fantatr’izy ireo, iza no manana toerana ratsy indrindra, sy manana ny andiana miaramila tena osa."},{"id":76,"translation":"Ary ampitomboin’i Allah fahitsiana ireo izay manaraka ny làla-mahitsy. Ary ireo asa soa maharitra, dia mendrika ny valisoa tsara indrindra, sy ny fiafarana tsara indrindra eo anatrehan’ny Tomponao."},{"id":77,"translation":"Hitanao ve ilay tsy nino ireo andinin’ireo teninay, ka niteny nanao hoe : “ Tena omena harena sy Zanaka tokoa Aho ? ”"},{"id":78,"translation":"Moa ve mahafantatra ny zava-miafina Izy,sa nanao fifanekena kosa tamin’ilay be Fiantrana ?"},{"id":79,"translation":"Tsia ! Tsy izany mihitsy ! Hosoratanay izay noteneniny, ary hampitomboinay ny halavan’ny famaizana ho Azy."},{"id":80,"translation":"Ary Izahay no handova izay teneniny, ary Izy kosa dia hiverina samy irery aty Aminay."},{"id":81,"translation":"Ary nandray Zanahary hafa izy ireo ankoatr’i Allah, mba ho tanjaka ho azy ireo."},{"id":82,"translation":"Tsia ! Tsy izany velively ! ireo (zanahariny) dia hitsipaka ny fanompoan’izy ireo, ary hitsangana ho fahavalon’izy ireo."},{"id":83,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa Izahay dia nandefa ireo satana ho amin’ireo tsy mpino, izay mandrisika azy ireo (tsy hankato) ?"},{"id":84,"translation":"Aza maika hanohitra azy ireo àry Ianao. Marina fa manisa izay rehetra ataon’izy ireo Izahay."},{"id":85,"translation":"(Tsarovinao) ilay Andro izay hamorianay ireo manam-patahorana, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana, amin’ny andiany maromaro (am-boninahitra)."},{"id":86,"translation":"Ary hatosikay ao amin’ny Afobe ireo mpanao heloka be vava,tahaka ny (andiam-biby) hamonjy fisotroan-drano."},{"id":87,"translation":"Tsy hanana fahefana hanelanelana, afa-tsy izay nanao fifanekena tamin’Ilay be Fiantrana."},{"id":88,"translation":"Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nandray Zaza lahy ho Zanaka lahy be Fiantrana !”"},{"id":89,"translation":"Ary tena zavatra maharikoriko izany entinareo izany !"},{"id":90,"translation":"Kely foana no tsy nahavaky ireo lanitra noho izany (teny izany), sy tsy nampitresaka ny tany, ary tsy nandrava ireo tendrombohitra."},{"id":91,"translation":"Noho izy ireo niantso fa ilay be Fiantrana dia manan-janaka."},{"id":92,"translation":"Kanefa tsy mendrika velively an’Ilay be Fiantrana ny hanan-janaka !"},{"id":93,"translation":"Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, afa-tsy mpanompo, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana."},{"id":94,"translation":"Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra."},{"id":95,"translation":"Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanatona Azy tsirairay amin'izy rehetra."},{"id":96,"translation":"Marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia hotoloran’ilay be Fiantrana ny fitiavany izy ireo."},{"id":97,"translation":"Nataonay ho mora azo (ny Koroany) amin’ny fiteninao, mba hilazanao vaovao mahafaly ho an’ireo izay manam-patahorana,sy hampitandremanao ireo vahoaka be fifandirana."},{"id":98,"translation":"Firifiry moa ireo taranaka talohan’izy ireo no naringanay ! Moa ve mahatsikaritra ny iray amin’izy ireo Ianao ? Na koa mandre ny feon’izy ireo ve Ianao ?"}]},{"id":20,"verses":[{"id":1,"translation":"Toã-Hã."},{"id":2,"translation":"Tsy nampidina velively Taminao ny Koroany Izahay mba hampahory Anao."},{"id":3,"translation":"Fa fampahatsiahivana ho an’izay matahotra (an’i Allah);"},{"id":4,"translation":"Nidina avy tamin’Ilay nahary ny tany sy ireo lanitra ambony."},{"id":5,"translation":"Ilay be Fiantrana nitoetra eo amin’ny Seza Fiandrianana."},{"id":6,"translation":"Ary Azy avokoa izay any amin’ireo lanitra, sy ety an-tany, ary izay eo anelanelan’izy ireo, sy izay any ambanin’ny tany."},{"id":7,"translation":"Ary raha mampiaka-peo Ianao, Izy dia mahafantatra tokoa ireo zava-miafina, na dia ireo izay tena miafina aza."},{"id":8,"translation":"Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ! Azy ireo anarana tsara indrindra."},{"id":9,"translation":"Moa ve tonga Taminao ny tantaran’i Mosa ?"},{"id":10,"translation":"Raha nahita afo Izy, dia niteny tamin’ny fianakaviany ka nanao hoe : “ Mijanona eto ianareo ! Fa Izaho dia nahatazana afo tokoa erý lavitra erý, angamba hitondra tapa-porohana ho Anareo Aho, na ahita toro-làlana eo anatrehan’io afo io Aho ”."},{"id":11,"translation":"Ary nony tonga teo izy, dia nisy feo niantso azy hoe : “ Ry Moussa ! \""},{"id":12,"translation":"Izaho no Tomponao ! Esory ny Kapanao, satria eo amin’ny lohasaha masina, “ Towa ” Ianao."},{"id":13,"translation":"Izaho no nisafidy Anao, ka henoy àry izay holazaiko."},{"id":14,"translation":"Marina fa Izaho no Allah, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany. Aoka hanompo Ahy Ianao, ka tanteraho ny Soalat (vavaka) ho fahatsiarovana Ahy."},{"id":15,"translation":"Tena ho avy tokoa ilay Ora. Nefa afeniko ihany izany, mba ho voavaly araka ny ezaka nataony ny fanahy tsirairay."},{"id":16,"translation":"Aoka tsy hanakana Anao amin’izany ireo izay tsy nino, sy nanaraka ny hetahetam-pony fa ho tra-doza Ianao."},{"id":17,"translation":"Ary inona ity amin’ny tànanao havanana ity, ry Mosa ?"},{"id":18,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : “ Ity no tehiko izay hianteherako, ampiasaiko amin’ny fiandrasana ireo ondriko, sy ilaiko amin’ny zavatra hafa ihany koa ”."},{"id":19,"translation":"Niteny i Allah ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Atsipazo izy io (tehana) ”,"},{"id":20,"translation":"Dia natsipiny izany (tehina), ka indro lasa bibilava nandady izany,"},{"id":21,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “ Raiso izy (tehana) ! Ary aza matahotra fa averinay amin’ny endriny taloha indray izany ”."},{"id":22,"translation":"Ary ataovy ao ambany helikao ny Tànanao, fa ho lasa fotsy (mamirapiratra) izany rehefa mivoaka avy ao, ka tsy harary akory, fa ho fahagagana hafa indray izany."},{"id":23,"translation":"Mba hampisehoanay anao ireo fahagagana lehibe avy Aminay."},{"id":24,"translation":"Mandehana any amin’i Faraona Ianao, fa efa tena mihoa-pefy Izy."},{"id":25,"translation":"Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Sokafy ny tratrako (foko),"},{"id":26,"translation":"Ary hamoray ny iraka Ataoko."},{"id":27,"translation":"Ary vahao ny fatotra amin’ny lelako,"},{"id":28,"translation":"Mba ahazoan’izy ireo ny Teniko."},{"id":29,"translation":"Ary omeo mpanampy avy amin’ny fianakaviako Aho."},{"id":30,"translation":"Harona, Rahalahiko."},{"id":31,"translation":"Ampitomboy avy amin’ny alalany ny Heriko !"},{"id":32,"translation":"Ataovy hifarimbona Amiko amin’ireo iraka ataoko Izy."},{"id":33,"translation":"Mba hideranay Anao im-betsaka."},{"id":34,"translation":"Mba ahatsiarovanay Anao matetika."},{"id":35,"translation":"Marina fa Ianao dia tena mahita Anay."},{"id":36,"translation":"Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : Ry Mosa ! Efa nankatoavinay ny fangatahanao ”"},{"id":37,"translation":"Ary efa nomenay tombony manokana Ianao tany am-boalohany tany."},{"id":38,"translation":"Rehefa nolazainay tamin’ny Reninao izay tokony nambara Azy:"},{"id":39,"translation":"“Ataovy anaty vatakely Izy, dia alefaso eny ambony rano mba ho entin’ny riaka eny an-tsisiny. Ka hisy fahavaloko sy fahavalony handray Azy. Ary nandrotsahako fitiavana avy Amiko Ianao mba hobeazina eo ambany masoko."},{"id":40,"translation":"Ary tonga (nandalo) teo ny Anabavinao, ka niteny nanao hoe : “ Moa ve azoko atao ny manondro Olona ho Anareo hikarakara Azy ? ”. Dia naverinay tamin’ny Reninao Ianao, mba hampifaly ny masony, ka tsy halahelo intsony izy. Namono Olona Ianao, nefa navotanay tamin’ny tahotra izay nanangeja Anao; ary nosedrainay fitsapana maro Ianao. Ka nonina taona maro niaraka tamin’ny mponin’i Madina Ianao. Avy eo dia tonga ianao, araka ny didy efa voafetra, ô ry Mosa !"},{"id":41,"translation":"Efa nofidiko ho Ahy Ianao."},{"id":42,"translation":"Koa mandehana Ianao sy ny Rahalahinao, miaraka amin’ny fahagagana avy Amiko; ary aza atao tsirambina ny fahatsiarovana Ahy."},{"id":43,"translation":"Mandehana any amin’i Faraona Ianareo, fa tena nihoa-pefy Izy."},{"id":44,"translation":"Dia miresaha Aminy am-pahendrena Ianareo roa. Angamba ahatsiaro tena izy na hatahotra (Ahy)"},{"id":45,"translation":"Niteny izy Roa ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tena matahotra ny hampijaliany Izahay, na ny hanaovany ratsy tafahoatra Aminay ”."},{"id":46,"translation":"Niteny (i Allah) hoe : “ Aza matahotra ianareo, fa Izaho dia miaraka aminareo hatrany, mandre sy mahita”."},{"id":47,"translation":"Mandehana any aminy ianareo, ary teneno (izy) hoe : “Izahay dia Iraky ny Tomponao. koa alefaso miaraka aminay ireo Zanak’Israely, fa aza ampijaliana intsony. Tonga eto aminao izahay miaraka amin’ny porofo avy amin’ny Tomponao. Ary ny fiadanana anie ho an’izay manaraka ny làla-mahitsy”."},{"id":48,"translation":"Efa nahazo fanambarana Izahay fa, ny famaizana dia natao ho an’ireo izay milaza lainga (ny finoana) sy mitodi-damosina."},{"id":49,"translation":"Niteny Izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Iza àry no Tomponareo ry Mosa ? ”"},{"id":50,"translation":"Niteny Izy (Mosa) : “ Ny Tomponay, dia ilay nanome endrika ny zavatra tsirairay, avy eo dia nitari-dàlana Azy Izy ”."},{"id":51,"translation":"Niteny Izy (Faraona) nanao hoe : “ Ka ahoana àry ireo taranaka teo aloha ? ”"},{"id":52,"translation":"Niteny izy (Mosa) hoe : “Ny fahalalana momba azy ireo dia eo anatrehan’ny Tompoko, ao amin’ny Boky. Tsy manao hadisoana, ary tsy manadino ny Tompoko”."},{"id":53,"translation":"Izy izay nanao ho Anareo ny tany ho toy ny fandriana, ary nanoritra ny làlana teo Aminy ho Anareo; nampidina ny rano avy eny an-danitra Izy. Ka avy amin’izany no namoahanay tsiroaroa ireo karazan-java-maniry maro samihafa."},{"id":54,"translation":"“ Mihinàna àry Ianareo, ary ampihinano koa ireo biby fiompinareo ”. Izany dia porofo famantarana ho an’ireo matsilo saina."},{"id":55,"translation":"Avy aminy (tany) no naharianay Anareo, ary avy Aminy no hamerenanay Anareo, ary avy aminy ihany koa no hamoahanay Anareo indray."},{"id":56,"translation":"Efa nasehonay Azy (Faraona) daholo ireo zava-mahagaga rehetra avy Aminay; saingy nolazainy fa lainga izany, ary nandà Izy."},{"id":57,"translation":"Niteny izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Moa ve tonga aty Aminay Ianao, mba hamoaka Anay hiala amin’ny taninay amin’ny alalan’ny majikanao ?"},{"id":58,"translation":"Tena hitondrànay majika mitovy amin’izany koa Ianao, ka aoka Ianao hanome fotoana ho Antsika, ka tsy hisy tsy ho tonga amin’izany, na Izahay na Ianao, eny amin’ny toerana malalaka."},{"id":59,"translation":"Dia niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Ny fotoana hihaonanareo dia amin’ny Andro fety. Ary aoka amin’ny maraina no hamoriana ny Olona ”."},{"id":60,"translation":"Nisintaka i Faraona, dia lasa nampivondrona ny hevi-petsiny (ireo mpanao majikany), avy eo dia niverina Izy (teny amin’ny toerana fihaonana)."},{"id":61,"translation":"Niteny tamin’izy ireo i Mosa ka nanao hoe : “ Loza ho Anareo ! Aza mamorona lainga mahakasika an’i Allah Ianareo, raha tsy izany, dia haringany avokoa amin’ny alalan’ny famaizana Ianareo. Ho very tokoa izay mamoron-dainga ! ”"},{"id":62,"translation":"Tamin’izany dia niady hevitra mafy izy ireo, nefa nitazona ny tsiambaratelony izy ireo."},{"id":63,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Marina fa ireto olona roalahy ireto dia mpanao majika, mitady hamoaka anareo hiala amin’ny taninareo amin’ny alàlan’ny majikan’izy ireo sy hanafoana ny foto-pinoana mendrika nahazatra anareo”."},{"id":64,"translation":"Avondrony àry ny hevi-petsinareo rehetra, avy eo dia avia ianareo miara-milahatra, fa tena mahazo fahasambarana izay mandresy androany."},{"id":65,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Na Ianao no hanipy (ny tehinao), na Izahay no hanipy voalohany ”."},{"id":66,"translation":"Namaly izy hoe : “Atsipazo ny anareo”. Ka indro ny tadin’izy ireo sy ny tehin’izy ireo, fa toa hitany mandady, vokatry ny majikan’izy ireo."},{"id":67,"translation":"Ka nahatsiaro nisy tahotra ihany i Mosa tao amin’ny tenany."},{"id":68,"translation":"Dia niteny Taminy Izahay ka nanao hoe : “ Aza matahotra ! Fa Ianao no ambony indrindra ”."},{"id":69,"translation":"Ary atsipazo izay eo amin’ny tànanao havanana, hitelina izay namboarin’izy ireo izany. Tena marina fa izay namboarin’izy ireo dia hevi-petsin’ny mpanao majika. Ary ny mpanao majika dia tsy ahita fahombiazana n'aiza n'aiza misy azy."},{"id":70,"translation":"Indro fa niantoraka ka niankohoka ireo mpanao majika, sady niteny nanao hoe : “ Mino ny Tompon’i Harona sy Mosa Izahay ”."},{"id":71,"translation":"Niteny i Faraona ka nanao hoe :“ Nino azy ve Ianareo alohan’ny hanomezako alàlana Anareo ? Tena marina fa Izy no tena lehibenareo izay nampianatra Anareo ny majika. Noho izany, dia tena ho tapatapahiko ny tànanareo sy ny tongotrareo mifanohitra amin’ny andaniny avy, avy eo dia hofantsihiko amin’ireo vatan-kazo palma Ianareo,ka ho fantatrareo, iza no tena mafy famaizana indrindra Amintsika sy aharitra kokoa ”."},{"id":72,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy ho tianay kokoa na oviana na oviana, noho ireo porofo mazava tonga Aminay Ianao, amin’ny Anaran’Ilay Nahary Anay. Tanteraho àry izay didy Tianao ampiharina. Fa ny didinao dia tsy mahakasika afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ”."},{"id":73,"translation":"“ Tena marina fa mino ny Tomponay Izahay, mba hamelany ny helokay amin’ireo hadisoana nataonay, sy amin’ny majika izay nanerenao Anay. Ary i Allah no mendrika indrindra sy mandrakizay ”."},{"id":74,"translation":"Tena marina fa, n'iza n'iza manatona ny Tompony ka nanao heloka be vava, dia ho azy ny afobe. Ary tsy maty izy ao, no sady tsy velona."},{"id":75,"translation":"Ary izay manatona Azy, ka nino no sady nanao ny asa soa, izy ireny no hanana ny laharana ambony."},{"id":76,"translation":"Ireo zaridainan’i Edena izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary izany dia valisoan’ireo izay nanadio (ny fanahiny)."},{"id":77,"translation":"Ary nolazainay tamin’i Mosa ny hoe : “ Mandehana amin’ny alina, miaraka amin’ireo mpanompoko Ianao, ka kapohy ny ranomasina ho làlan’izy ireo. Aza matahotra ny fanenjehana, ary aza manahy Ianao ! ”"},{"id":78,"translation":"Ka nanenjika azy ireo i Faraona niaraka tamin’ireo miaramilany, nefa voarakotry ny ranomasina tanteraka izy ireo."},{"id":79,"translation":"Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy."},{"id":80,"translation":"Ô ry Zanakan’Israely ! Efa navotanay teo amin’ny fahavalonareo Ianareo, ary efa nomenay fotoana teo amin’ny ilany havanan’ny tendrombohitra Tora ihany koa Ianareo, ary mbola nampidininay Taminareo ny mana sy ireo mpapelika."},{"id":81,"translation":"Mihinàna Ianareo amin’ireo sakafo tsara izay anjara nomenay Anareo. Ary aza mihoa-pefy amin’izany Ianareo, raha tsy izany, dia hianjera Aminareo ny hatezerako. Fa izay hianjeran’ny hatezerako, dia mankany amin’ny fahapotehana tanteraka."},{"id":82,"translation":"Ary Izaho dia tena Mpamela heloka, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làla-mahitsy."},{"id":83,"translation":"“Fa inona ry Mosa no nahamaika Anao hiala ny vahoakanao ? ”"},{"id":84,"translation":"Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Izy ireo dia nanara-dia Ahy. Ary nanafaingana ny diako aty Aminao Aho, mba hankasitrahanao."},{"id":85,"translation":"Hoy Allah : “Nosedrainay tokoa ny vahoakanao, taorian’ny nandehananao. Ka noverezin’i Samiri làlana izy ireo, (tamin’ny nitarihiny azy ireo, hanompo ilay zanak’omby volamena)"},{"id":86,"translation":"Ary dia niverina tany amin’ny vahoakany i Mosa, tezitra no sady nalahelo ka niteny izy nanao hoe : “ Ô ry vahoakako ! Moa ve tsy efa nanome fampanantenana tsara ho Anareo ny Tomponareo ? Moa ve ela loatra Taminareo ny fifanekena ? Sa irinareo ny hianjeran’ny fahatezeran’ny Tomponareo Aminareo, nohon'ny famadihanareo ny fotoana nifanekena Tamiko ?”."},{"id":87,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy nohon'ny sitraponay loatra no nivadihanay tamin’ny fotoana nifanekena Taminao, saingy noterena hivesatra ireo firavaky ny vahoakan’i Faraona Izahay, ka nodoranay avokoa (tamin’ny afo) izany araka ny hevitra natsipin’i Samiry."},{"id":88,"translation":"Dia namoaka sarin-janak’omby lahy (volamena) avy tamin’izany ho azy ireo Izy, vatana mitrena. Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Io no Zanaharinareo sy Zanaharin’i Mosa, fa izy no nanadino ”."},{"id":89,"translation":"Fa nahoana ! Tsy hitanareo ve, fa tsy miteny Izy io (zanak’omby lahy volamena), ary tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanao soa azy ireo akory Izy ?"},{"id":90,"translation":"Ary efa tena niteny mialoha tamin’izy ireo i Harona ka nanao hoe : “ Ô ry vahoakako, tena latsaka tao amin’ny fakam-panahy Ianareo (nohon'ny zanak’omby volamena), nefa ny marina dia ilay be Fiantrana no Tomponareo. koa manaraha Ahy Ianareo, ary ankatoavy ny didiko ”."},{"id":91,"translation":"Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy hitsahatra ny hifikitra amin’io Izahay, raha tsy miverina aty Aminay i Mosa”."},{"id":92,"translation":"Niteny i Mosa KA nanao hoe : “ Ô ry Harona ! Inona no nisakana Anao (tsy handrara azy ireo) rehefa hitanao fa diso làlana izy ireo ? ”"},{"id":93,"translation":"Moa ve tsy manaraka Ahy Ianao ? Sa tsy nankatoavinao ny didiko ?"},{"id":94,"translation":"Niteny izy (Harona) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Aza raisinao amin’ny volom-bavako aho, na amin’ny lohako. Matahotra aho ny hitenenanao hoe : “Nozarazarainao ireo zanak’Israely, ary tsy nanatanteraka ny teniko ianao”."},{"id":95,"translation":"Niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Fa inona no zavatra tetehinao ry Samiry ?"},{"id":96,"translation":"Niteny Izy (Samiry) ka nanao hoe : “ Nahita izay tsy hitan’izy ireo Aho, ka naka eran’ny tànana tamin’ny dian’ilay Iraka Aho ; avy eo, dia nafafiko izany.Tahaka izany no bitsiky ny fanahy Tamiko ”"},{"id":97,"translation":"Niteny izy (Mosa) hoe : “Mandehana ianao. Amin’ny fiainana, toy izao hatrany no teneninao (amin’ny olona rehetra) : “Aza mikasika Ahy (ianareo) ! ”. Ary hisy fe-potoana omena anao izay tsy azonao hidovirana. Jereo ny Zanaharinao izay nofikirinao fatratra, fa ho doranay tokoa izy, ary hafafinay (ny lavenony) any amin’ireo onjan-dranomasina."},{"id":98,"translation":"Tena marina, fa i Allah no Zanaharinareo, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Manenika ny zava-drehetra ny Fahalalany."},{"id":99,"translation":"Toy izany no fitantaranay Aminao izay niseho tany aloha. Tena fampahatsiahivana avy Aminay tokoa no nentinay Taminao."},{"id":100,"translation":"N'iza n'iza manohitra Azy (Kor’any) dia hitondra enta-mavesatra (fahotana) izy amin’ny Andro Fitsanganana."},{"id":101,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary tena enta-mavesatra ho azy ireo izany amin’ny Andro Fitsanganana (ny maty)."},{"id":102,"translation":"Amin’ny Andro izay hitsofana ny trompetra (anjomara), dia hangoninay amin’izany Andro izany ireo mpanao heloka bevava, ary ho mangana ny endriny (noho ny tahotra)."},{"id":103,"translation":"Hifampibitsika izy ireo ka hanao hoe : “ Tsy nijanona tao Ianareo raha tsy folo (andro ihany) ! ”"},{"id":104,"translation":"Tena mahalala tsara izay holazain’izy ireo Izahay, raha ny iray tamin’izy ireo, izay tsara fitondran-tena hiteny hanao hoe : “ Tsy nijanona afa-tsy iray Andro ihany Ianareo ”."},{"id":105,"translation":"Ary hanontany Anao izy ireo mahakasika ireo tendrombohitra. Lazao hoe : “ Ny Tompoko no hanaparitaka azy ireo ho tahaka ny vovoka ”."},{"id":106,"translation":"Ary hataony ho toy ny tany lemaka sy ngazana izany."},{"id":107,"translation":"Izay tsy ahitanao na fiolakolahana na dongon-tany."},{"id":108,"translation":"Amin’izany Andro izany dia hanaraka ny Mpiantso tsy misy fiolakolahana (fanarahana feno fankatoavana) izy ireo; dia hihamora ny feo eo anatrehan’Ilay be Fiantrana. Ary tsy handre Ianao afa-tsy feo malefaka ihany."},{"id":109,"translation":"Amin’izany Andro Izany, dia tsy hisy ahazo tombontsoa amin’ny fanelanelanana afa-tsy izay nomen’Ilay be Fiantrana alalana,sy nankasitrahany ny teniny."},{"id":110,"translation":"Fantany izay eo alohan’izy ireo sy izay ao aorian’izy ireo, nefa tsy mahafehy Azy amin’ny alalan’ny fahalalana izy ireo."},{"id":111,"translation":"Manetry tena eo anatrehan'ilay Velona mandrakizay, ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza ny tarehy rehetra. Ary ho maty antoka izay nanao ny tsy rariny."},{"id":112,"translation":"Ary n'iza n'iza nanao asa soa no sady mino, dia tsy hatahotra na ny tsy rariny na ny tsindry hazo lena Izy."},{"id":113,"translation":"Toy izany no nampidinanay ny Koroany (amin’ny fiteny) arabo, ary nampitomboinay ao anatiny ny fandrahonana,angamba izy ireo hanam-patahorana, na hitondra fampahatsiahivana vaovao ho azy ireo."},{"id":114,"translation":"Ho an’i Allah anie ny fahamboniana, ilay Mpanjaka tena Marina ! Aza maika (mamaky) ny Koroany Ianao,alohan’ny fahataperan’ny fanambarana azy Aminao. Ary teneno hoe : “Ô ry Tompoko ! Ampitomboy ny fahalalako ! ”"},{"id":115,"translation":"Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha, saingy nanadino Izy; ary tsy nahita fanapahan-kevitra hentitra tao Aminy Izahay."},{"id":116,"translation":"Ary raha niteny tamin’ireo Anjely Izahay ka nanao hoe : “ Miankohofa eo anatrehan’i Adama Ianareo ! ”. Dia niankohoka avokoa izy rehetra, afa-tsy Iblisy izay nandà."},{"id":117,"translation":"Dia niteny Izahay nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Tena marina fa fahavalo ho Anao, sy ho an’ny vadinao tokoa Izy. Koa aoka tsy havoakany avy ao amin’ny paradisa Ianareo, fa ho lasa ory Ianao."},{"id":118,"translation":"Fa tsy ahatsiaro hanoanana Ianao ao, na hitanjaka koa."},{"id":119,"translation":"Ary tsy ahatsiaro hetaheta ihany koa Ianao ao, ary tsy ho tratran’ny hafanan’ny masoandro."},{"id":120,"translation":"Avy eo dia naka fanahy Azy ny satana, sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Hatoroko Anao ve ilay hazon’ny mandrakizay, sy ny fanjakana tsy mety rava ? ”"},{"id":121,"translation":"Dia samy nihinana tamin’izany izy Roa (Adam sy Eva).Avy eo, dia nahatsapa fa nitanjaka (niboridana) izy Roa, ka niara-nitafy ny ravina tao am-paradisa. Tsy nankatò ny tenin’ny Tompony i Adama, ka dia very làlana."},{"id":122,"translation":"Avy eo,dia nofidin’ny Tompony Izy, ary nankasitrahiny ny fibebahany, ary dia notarihiny làlana Izy."},{"id":123,"translation":"Niteny Izy ka nanao hoe : “ Midìna miala eto Ianareo roa (Adama sy Eva) ! Ny andaniny Aminareo no fahavalon’ny ankilany. Ary raha misy tari-dàlana avy aty Amiko tonga eo Aminareo, ka n'iza n'iza manaraka ny tari-dàlako dia tsy ho very làlana, ary tsy ho ory Izy."},{"id":124,"translation":"Ary n'iza n'iza kosa mitodi-damosina amin’ny fampahatsiahivako,tena marina fa ho Azy ny fiainana feno fahasahiranana, ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia haverinay ao anaty fahajambana Izy."},{"id":125,"translation":"Dia hiteny Izy hanao hoe : “ Tompo ô ! Nahoana no naverinao anatin’ny fahajambana Aho, nefa dia nahiratra tany aloha ”."},{"id":126,"translation":"Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Toy izany no nahatongavan’ny Famantaranay teo Aminao, ka nanadino izany Ianao, dia toy izany koa no hanadinoana Anao Androany ”."},{"id":127,"translation":"Ary tahaka izany no hanasazianay izay mihoa-pefy sy tsy mino ireo Famantarana avy amin’ny Tompony. Ary tena marina fa ny famaizana any an-koatra no tena mafy sady maharitra."},{"id":128,"translation":"Tsy ampy ho toro-làlana ho azy ireo ve, firifiry moa no naringanay, talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka maro tao amin’ireo fonenana izay andehanan’izy ireo ankehitriny ? Tena marina fa izany dia Famantarana ho an’ireo matsilo saina !"},{"id":129,"translation":"Raha tsy ny fisian’ny Teny izay efa noraisin’ny Tomponao mialoha, sy ny fotoana izay efa voafaritra, dia tsy afa-bela (amin’ny famaizana) izy ireo."},{"id":130,"translation":"Zakao amim-paharetana izay lazain’izy ireo, ary ankalazao amim-piderana ny Tomponao, alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy mialohan’ny filentehany. Ary mandritra ny alina, dia ankalazao ny voninahiny, sy eo amin’ny fiandohan’ny andro ary ny fiafarany. Angamba ahazo fahafaham-po Ianao."},{"id":131,"translation":"Ary aza atopy mankany amin’izay fahafinaretana mandalo nomenay hifalian’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo ny masonao ; tahaka ny ravaky ny fiainana an-tany hisedrana azy ireo izany. Ny fanomezana izay avy amin’ny Tomponao no tena tsara indrindra, sady maharitra."},{"id":132,"translation":"Ary didio ny Fianakavianao amin’ny fanatanterahana ny Soalat (vavaka), ary mahareta amin’izany (Soalat) koa Ianao. Tsy mangataka anjara fivelomana Aminao Izahay, fa Izahay no manome anjara fivelomana ho Anao. fa ny fiafarana tsara dia ho an’ny manam-patahorana."},{"id":133,"translation":"Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nahoana Izahay no tsy hitondrany fahagagana avy amin’ny Tompony ? ”. Moa ve tsy efa tonga tamin’izy ireo ny porofo izay noraiketin’ireo Boky teo aloha ?"},{"id":134,"translation":"Ary raha naringanay tamin’ny famaizana talohan’ny nahatongavany (Mohammady) izy ireo, dia ho niteny tokoa izy ireo ka nanao hoe : “ Ry Tomponay ô ! Nahoana no tsy nandefasanao Iraka izahay ? Dia ho nanaraka ny famantaranao (porofo fanambarana) Izahay, mialohan’ny hiatrehanay (ambany dia ambany), sy fahafaham-baraka Aminay ”."},{"id":135,"translation":"Teneno hoe : “ Ny tsirairay dia samy miandry avokoa. Miandrasa ihany koa àry Ianareo ! Tsy ho ela dia ho fantatrareo, iza ireo Olon’ny làla-mahitsy, sy ireo izay voatari-dàlana ”."}]},{"id":21,"verses":[{"id":1,"translation":"Manakaiky ny olombelona ny fitsarana azy kanefa izy ireo dia mitodi-damosina ao anatin’ny fanadinoana."},{"id":2,"translation":"Tsy misy fampahatsiahivana vao haingana tonga tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony, afa-tsy nohenoin’izy ireo tamim-pivazivaziana izany."},{"id":3,"translation":"Varimbariana ny fon’izy ireo ; ary ireo izay manao ny tsy rariny dia manao konokonon-dresaka hoe : “Moa tsy olombelona tahaka anareo ihany ve izy ? Ka hanaraka ny majika ve ianareo kanefa ianareo mahita tsara izany ?”"},{"id":4,"translation":"Niteny izy (Mohammad) hoe : “Ny Tompoko dia mahafantatra ny teny rehetra izay lazaina any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra”."},{"id":5,"translation":"Ary mbola niteny izy ireo hoe: “Izany ka nofinofy, mety koa noforonony izany, na koa tena poeta izy! Ka aoka izy hitondra famantarana aminay toy ny nentin'ireo (iraka) teo aloha."},{"id":6,"translation":"Nisy tamin’ny tanàna talohan’izy ireo no tsy nino (tamin’ny fahitana ireo fahagagana) dia naringanay izy ireo ka moa ve mba nino izy ireo?"},{"id":7,"translation":"Tsy nandefa iraka talohanao Izahay (ry Mohammady) afa tsy olombelona izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio àry ireo olona lalim-pahalalana raha toa ka tsy mahafantatra ianareo."},{"id":8,"translation":"Tsy nataonay vatana tsy mihinan-kanina izy ireo, ary tsy natao hiaina mandrakizay ihany koa."},{"id":9,"translation":"Avy eo dia notanterahinay tamin’izy ireo ny fampanantenana, ka navotanay izy ireo sy izay sitrakay ary naringanay ireo mpihoam-pefy."},{"id":10,"translation":"Efa nampidininay aminareo tokoa ilay Boky mirakitra ny fampahatsiarovana, moa ve tsy mba misaina ianareo?"},{"id":11,"translation":"Firy tamin’ny tanàna izay nanao ny tsy rariny no nopotehinay ! Ary namorona vahoaka hafa Izahay taorian’izy ireo."},{"id":12,"translation":"Rehefa nahatsapa ny hamafin’ny sazinay izy ireo dia lasa nandositra haingana niala tao."},{"id":13,"translation":"Aza mandositra ianareo! Miverena amin’ny hatsaram-piainana izay nahafinaritra anareo ny aminy sy amin’ny toeram-ponenanareo. Angamba hanontaniana ianareo!"},{"id":14,"translation":"Niteny izy ireo hoe: “Loza ho anay! Tena mpanao ny tsy rariny tokoa izahay”."},{"id":15,"translation":"Tsy nitsahatra mihitsy ny antso-mpitarainan’izy ireo mandra-pijijanay azy ireo tsy afa-mihetsika."},{"id":16,"translation":"Tsy kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany ary koa izay rehetra eo anelanelan’izy ireo."},{"id":17,"translation":"Raha tianay ny hiala voly dia tena notanterahinay taty Aminay ihany izany raha toa hanao izany tokoa Izahay."},{"id":18,"translation":"Tsy izany anefa ! Atsipinay hanohitra ny hadisoana ny fahamarinana izay hitelina azy, ary indro izy fa rava. Ary ho aminareo ny loza nohon’ny zavatra izay notanisainareo (mahakasika an'I Allah)."},{"id":19,"translation":"Ho Azy irery avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Ireo izay eo akaikiny (ireo Anjely) dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy, ary tsy mba sasatra izy ireo."},{"id":20,"translation":"Midera ny voninahiny amin’ny alina sy atoandro tsy an-kijanona mihitsy izy ireo."},{"id":21,"translation":"Moa ve nandray zanahary hafa avy amin'ny tany afaka manangana ireo maty izy ireo ?"},{"id":22,"translation":"Raha ohatra ka nisy zanahary hafa any amin'izy roa ireo (lanitra sy ny tany) ankoatr'I Allah, dia tena marina fa nikorontana izy roa ireo. Voninahitra anie ho an'I Allah, Tompon'ilay Seza fiandrianana ; ary Izy dia lavitra amin'izay nofaritan'izy ireo."},{"id":23,"translation":"Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana (amin’ny asa nataon’izy ireo)."},{"id":24,"translation":"Moa ve nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ? Teneno hoe : “Ento ny porofonareo ! Ity dia fampahatsiahivana ho an’ireo izay miaraka amiko, sy fampahatsiahivana ihany koa ho an’ireo talohako”. Nefa maro amin’izy ireo no tsy mahafantatra ny fahamarinana, ary mpanohitra izy ireo."},{"id":25,"translation":"Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammady), ka tsy nambaranay azy hoe : “Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo !”"},{"id":26,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : “Ilay Be indrafo dia nandray zazalahy ho zanaka”. Voninahitra anie ho Azy ! Fa mpanompo mendri-kaja ihany izy ireo !"},{"id":27,"translation":"Tsy mialoha ny Teniny izy ireo fa manatanteraka kosa ny asa araka ny Didiny."},{"id":28,"translation":"Mahafantatra izay talohan’izy ireo sy izay aorian’izy ireo Izy. Ary tsy afaka manelanelana izy ireo raha tsy amin’izay ankasitrahany, izy ireo dia tena mangovitra nohon'ny fatahorana Azy."},{"id":29,"translation":"Ary na iza na iza amin’izy ireo miteny hoe :“Tena marina fa izaho no zanahary ankoatr'Azy”. Koa ny valiny omenay azy dia ny afobe ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":30,"translation":"Moa ve tsy hitan’ireo izay tsy nino fa nitambatra, hivainga iray ihany ireo lanitra sy ny tany ? Ka nosarahinay roa izany, ary nataonay ho velona avy amin’ny rano ny zava-manan’aina rehetra. Tsy mino izany va ianareo ?"},{"id":31,"translation":"Ary nasinay tendrombohitra eo amin’ny tany (ho andry) mba tsy hampihozongozona azy, ary nasinay zohin-dalana maro eo aminy (mba hampiasaina amin’ ny zotra aleha). Angamba ahazo tari-dalana izy ireo."},{"id":32,"translation":"Ary nataonay tafo voaaro ny lanitra nefa mbola manohitra ihany izy ireo amin’izany famantarana izany."},{"id":33,"translation":"Ary Izy no nahary ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, ny tsirairay dia samy misosa amin’ny sori-dalana ihodinany avy."},{"id":34,"translation":"Ary tsy misy olombelona na dia iray aza nataonay teo alohanao (ry Mohammady) ho mandrakizay. Moa ve raha maty ianao dia ho mandrakizay ve izy ireo ?"},{"id":35,"translation":"Ny zava-manan'aina rehetra dia samy hanandrana fahafatesana. Hosedrainay amin’ny ratsy sy amin’ny tsara ianareo mba ho fitsapana. Ary aty Aminay no hamerenana anareo."},{"id":36,"translation":"Raha mahita anao ireo izay tsy nino (ry Mohammad), dia tsy hanao afa-tsy ny fanesohesoana anao (sady hiteny) hoe : “Moa ve ity ilay maniratsira ireo zanaharinareo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivan’Ilay Be Indrafo."},{"id":37,"translation":"Toetra voajanahary ho an’ny olombelona ny fahamaikana. Hasehoko anareo ireo famantarana avy aty Amiko, koa aza terenareo ho faingana Aho."},{"id":38,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”"},{"id":39,"translation":"Raha mba fantatr’ireo tsy mpino ny fotoana izay tsy ahafahan’izy ireo misakana ny afo tsy ho eny amin’ny tarehin’izy ireo, na amin’ny lamosin’izy ireo, ary tsy hisy hanavotra izy ireo !"},{"id":40,"translation":"Tsy izany anefa ! Fa ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ary ho gaga izy ireo ; kanefa tsy afaka hanohana izany izy ireo ary tsy misy fe-potoana fanampiny omena azy ireo."},{"id":41,"translation":"Ary efa nohesohesoina tokoa ireo iraka teo alohanao (ry Mohammady) fa ireo izay nanesoheso azy ireo dia niharan’ny sazy nohon’ny hesoheso izay nataony."},{"id":42,"translation":"Teneno hoe : “Iza no miaro anareo andro aman’alina amin’Ilay be Indrafo ?” Nefa izy ireo dia mandà ny fampahatsiahivana nataon’ny Tompon’izy ireo."},{"id":43,"translation":"Moa ve manana zanahary hafa ankoatra Anay afaka manakana izy ireo ? Nefa izy ireo dia tsy afaka mamonjy ny tenany no tsy afaka manontrona azy ireo eo anatrehanay."},{"id":44,"translation":"Tsy izany anefa fa nomenay fahafinaretana izy ireo sy ireo razambeny nandritra ny andro lava niainan’izy ireo. Moa tsy hitan’izy ireo fa ho avy eny amin’ny tany Izahay ka ho kikisanay izany avy amin’ny sisiny rehetra ! Ho mpandresy va izy ireo ?"},{"id":45,"translation":"Teneno hoe : “Izaho dia tsy manao afa-tsy mampitandrina anareo amin’ny alalan’ny fanambarana”; ary ny marenina dia tsy maheno ny antso rehefa ampitandremana."},{"id":46,"translation":"Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”."},{"id":47,"translation":"Ary hapetrakay ho amin’ny Andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay."},{"id":48,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy sy Harona tokoa ny boky fanavahana (ny tsara sy ny ratsy) sy ho fahazavana ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo izay manam-patahorana."},{"id":49,"translation":"Ary ho an’izay matahotra ny Tompon’izy ireo na dia tsy hitan'ny maso aza, sy matahotra ny Ora (Andro farany)."},{"id":50,"translation":"Ary ity (koro’any) ity dia fampahatsiahivana feno fahasoavana nampidininay, ka moa ve handà izany ianareo ?"},{"id":51,"translation":"Ary efa nomenay toro-lalana mahitsy i Abrahama teo aloha ary tena mahalala tsara izany Izahay."},{"id":52,"translation":"Raha niteny izy tamin-drainy sy ny vahoakany hoe : “Inona ireto sary vongana izay tena ifikiranareo ireto ?”"},{"id":53,"translation":"Namaly izy ireo hoe : efa hitanay nanompo azy ireo ny razambenay."},{"id":54,"translation":"Niteny izy hoe : “Marina tokoa, fa ianareo sy ireo razambenareo dia efa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary”."},{"id":55,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Moa tonga eto aminay miaraka amin’ny fahamarinana va ianao ? Sa anisan’ ireo mpananihany ianao ?"},{"id":56,"translation":"Niteny izy : “tsia ! Fa ny Tomponareo, ilay tompon’ireo lanitra sy ny tany izay nahary azy ireo, ary izaho amin’izany dia anisan’ireo vavolombelona”."},{"id":57,"translation":"Mianiana amin’I Allah aho fa tsy maintsy hanaovako tetika ireo sampinareo ireo aorian’ny fotoana ivoahanareo eto."},{"id":58,"translation":"Ka nopotipotehiny tokoa izy ireo (ireo sary vongana) afa-tsy ilay lehibe. Angamba hiverina aminy izy ireo."},{"id":59,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “izay no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny izy”."},{"id":60,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Naheno tovolahy iray izahay antsoina hoe Abrahama manaratsy azy ireo."},{"id":61,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Ento mankatý” ho eo imason’ny olona rehetra izy ; angamba hijoro vavolombelona izy ireo."},{"id":62,"translation":"Niteny taminy izy ireo hoe : “Ianao tokoa va ry Abrahama no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay ireo ?”"},{"id":63,"translation":"Niteny izy hoe : “Tsia, ity lehibe indrindra amin’izy ireo ity, izy no nahavita izany koa anontanianareo àry raha afaka miteny izy ireo !”"},{"id":64,"translation":"Ka nandinin-tena izy ireo ary niteny an’eritreritra hoe : “Ianareo no tena mpanao ny tsy rariny !”"},{"id":65,"translation":"Avy eo dia niondri-doha izy ireo sy (niteny tamin’i Abrahama hoe) : “Fantatrao tsara fa izy ireo dia tsy miteny”."},{"id":66,"translation":"Niteny izy : “Manompo zavatra hafa ankoatr'I Allah va ianareo, izay tsy afaka hanao soa anareo mihitsy ary tsy afaka hanao ratsy aminareo koa izy ireo ?”"},{"id":67,"translation":"“Eisy e ! Ity ianareo sy izay tompoinareo ankoatr'I Allah ! Tsy mba mandinika va ianareo ?”"},{"id":68,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Doroinareo izy ! Ary ampandresenareo ny zanaharinareo, raha tena hihetsika ianareo”."},{"id":69,"translation":"Niteny Izahay hoe : “Ry afo, Meteza ianao ho mangatsiatsiaka sy fandriampahalemana amin’i Abrahama”!"},{"id":70,"translation":"Dia naniry ny hanao teti-dratsy taminy izy ireo, nefa izy ireo no tena nataonay maty antoka indrindra."},{"id":71,"translation":"Ary navotanay izy, sy i Lota ihany koa, nankany amin’ny tany izay nosoavinay ao anatiny ho an’izao tontolo izao."},{"id":72,"translation":"Ary nomenay azy i Isaaka, ary i Jakoba ho fanampiny, ka nataonay olona mendrika avokoa izy ireo."},{"id":73,"translation":"Ary nataonay ho mpitondra izay hitari-dalana araka ny Didinay izy ireo. Ary nanambara tamin’izy ireo Izahay mba hanao ny tsara, sy hanatanteraka ny Soalat, hanome ny Zakat. Ary izy ireo dia mpanomponay."},{"id":74,"translation":"Ary i Lota ! Dia nomenay azy ny fahendrena sy ny fahalalana, ary navotanay izy tamin’ilay tanàna izay nanaovana ny asa maloto. Tena marina fa izy ireo dia vahoaka ratsy sy maloto fitondran-tena."},{"id":75,"translation":"Ary nampidininay ao anatin’ny famindram-ponay izy satria tena anisan’ireo olo-mendrika tokoa."},{"id":76,"translation":"Ary i Noa, raha nitalaho izy teo aloha dia novalianay sy novonjenay izy sy ny fianakaviany tamin’ilay tebiteby lehibe."},{"id":77,"translation":"Ary navotanay izy tamin’ny vahoaka izay nilaza fa lainga ireo famantarana avy aty Aminay.Tena marina fa vahoaka ratsy izy ireo, ka narendrikay avokoa izy rehetra."},{"id":78,"translation":"Ary i Davida sy i Salomona, raha izy roa ireo nitsara mahakasika ny tany voavoly izay nandehanan’ny ondrin’ny vahoaka, niraoka voly tao amin’izany (tamin’ny alina). Ary vavolombelona tamin’ny fitsaran’izy ireo Izahay."},{"id":79,"translation":"Nampahafantarinay an’i Salomona izany. Ary samy nomenay fahendrena hitsara sy fahalalana avokoa izy roa. Ary nataonay hiaraka hidera (ny Voninahitray) amin’i Davida ireo tendrombohitra sy ny voro-manidina. Ary Izahay tokoa no nanao izany."},{"id":80,"translation":"Ary nampianarinay azy ny fanamboarana akanjo vy ho anareo mba hahafahanareo miaro tena amin’ny ady ataonareo. Moa ve ho mpankasitraka ianareo ?"},{"id":81,"translation":"(Ary nataonay) teo ambany fifehezan’i Salomona ny rivo-mahery izay mitsoka araka ny baikony mankany amin’ny tany izay misy fahasoavana avy Aminay. Izahay no mpahalala ny zava-drehetra."},{"id":82,"translation":"Ary misy amin’ireo Satana no misitrika (any an-dranomasina) miasa ho azy, ary manao asa hafa ankoatr'izany, Ary marina fa Izahay ihany no mpiaro azy ireny."},{"id":83,"translation":"Ary i Joba, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy nanao hoe : “Efa nianjady tamiko avokoa ny ratsy, nefa Ianao Ilay be Indrafo indrindra amin’ireo Mpamindra-fo !”"},{"id":84,"translation":"Dia nekenay ny fangatahany, ka noesorinay ny ratsy nihatra taminy ary naverinay taminy indray ny fianakaviany ary mbola nampinay mitovy amin’izany nohon'ny famindram-po avy aty Aminay ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo mpanompo."},{"id":85,"translation":"Ary i Ismael sy Idris ary Zolkifl, samy anisan’ireo manam-paharetana avokoa."},{"id":86,"translation":"Ary nampidirinay ao anatin’ny famindram-ponay izy ireo satria tena marina fa anisan’ireo olo-mendrika."},{"id":87,"translation":"Ary i Jonasy raha nandeha an-katezerana izy ; noheveriny fa tsy afaka hanao na inona na inona aminy Izahay. Ka nitalaho tao anatin’ny haizim-pito izy hoe :“Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Ianao. Voninahitra anie ho Anao ! Tena marina fa isan’ireo nanao ny tsy rariny tokoa aho”."},{"id":88,"translation":"Novalianay ny fangatahany, ary navotanay izy tamin'ny fahoriana izay nianjady taminy. Ary toy izany no hanavotanay ireo mpino."},{"id":89,"translation":"Ary i Zakaria, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy hoe : “Tompo o ! Aza avelanao ho irery aho, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpandova !”"},{"id":90,"translation":"Novalianay ny fangatahany ka nomenay an'i Jaona izy ary nataony hifanambina aminy ny vadiny (nomenay zanaka). Marina fa nihazakazaka tamin'ny fanaovana ny tsara izy ireo, ary nitalaho taminay amim-pitiavana sy amim-patahorana. Ary nanetri-tena teo anatrehanay izy ireo."},{"id":91,"translation":"Ary ilay vehivavy nanaja ny maha virijiny azy (Maria) ka notsofinay tao aminy ny fanahy avy tminay. Ary nataonay ho famantarana (fahagagana) ho an’izao tontolo izao izy sy ny zanany."},{"id":92,"translation":"Tena marina, fa ity vahoakanareo ity dia vahoaka iray ihany, ka Izaho no Tomponareo, koa Tompoinareo Aho."},{"id":93,"translation":"Nisaratsaraka samy manana ny heviny avy izy ireo. Tsy maintsy hiverina aty Aminay izy rehetra ireo."},{"id":94,"translation":"N'iza n'iza manao ampahany amin’ny asa soa ka mpino izy dia tsy atao tsinontsinona mihitsy ny ezaka vitany ary Izahay mihitsy no mpanoratra izany ho azy."},{"id":95,"translation":"Ary voarara ho an’ny (mponina) tanàna iray izay naringanay, tena marina fa tsy hiverina izy ireo."},{"id":96,"translation":"Mandra-pamotsorana an’i Goga sy Magoga,ary izy ireo dia manao rodobe mihazakazaka isaky ny havoana."},{"id":97,"translation":"Ary efa akaiky dia akaiky ny (fotoana) fampanantenana marina, ary indro fa mivandravandra ny fijerin’ireo izay tsy nino (sady miteny izy ireo hoe) : Loza ho anay ! Tena variana izahay tamin’ity zavatra ity .Eny, tena mpanao ny tsy rariny tokoa izahay."},{"id":98,"translation":"Tena marina fa ianareo sy izay rehetra tompoinareo ankoatr’I Allah no kitay fandrehitry ny Afobe. Ary hiroboka ao daholo ianareo."},{"id":99,"translation":"Raha tena zanahary tokoa izy ireny (sampy) dia tsy niroboka tao (amin’ny Afobe) izy ireo ; nefa hitoetra ao mandrakizay izy rehetra."},{"id":100,"translation":"Hitrona mafy izy ireo ao anatin’izany, nefa dia tsy aheno na inona na inona amin’izany."},{"id":101,"translation":"Fa ireo izay efa nahazo fahasoavana mialoha avy aty Aminay kosa dia ho lavitra izany (ny Afobe) izy ireo."},{"id":102,"translation":"Tsy aheno ny feony izy ireo ary hifaly mandrakizay amin’izay irin’ny tenan'izy ireo."},{"id":103,"translation":"Tsy hampalahelo azy ireo ny tahotra lehibe, satria hotsenan’ireo Anjely izy ireo (ary ilazany vaovao mahafaly hoe) :” ity ilay Andronareo izay nampanantenaina anareo”."},{"id":104,"translation":"Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra tahaka ny hamoretana ny taratasin’ny boky, toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa !"},{"id":105,"translation":"Efa nosoratanay tao amin’ny boky Zabora (Salamo) taorian’ny fampahatsiahivana fa handova ny tany ireo mpanompoko mendrika."},{"id":106,"translation":"Ao anatin’izany dia misy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka mpanompo."},{"id":107,"translation":"Ary tsy nandefa anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao."},{"id":108,"translation":"Teneno hoe : “Tena marina fa ny nambara tamiko dia ny hoe : ny zanaharinareo dia Zanahary Tokana ihany, ka moa ve mpanetri-tena tokoa ianareo ?”"},{"id":109,"translation":"Fa raha mitodi-damosina kosa izy ireo, dia teneno hoe :”Efa nolazaiko ianareo rehetra, ary (tsy fantatro) na efa akaiky na mbola lavitra izay nampanantenaina anareo."},{"id":110,"translation":"Izy (Allah) dia tena mahalala tokoa izay avoakanareo amin’ny teny sy mahalala koa izay afeninareo."},{"id":111,"translation":"Ary tsy fantatro, izany angamba no mety ho fitsapana ho anareo sy ho fahafinaretana miserana."},{"id":112,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompoko o ! Tsarao araka ny fahamarinana, ary ny Tomponay Ilay be Indrafo no Fitarainana amin’ny famaritana tsy marina izay lazainareo”."}]},{"id":22,"verses":[{"id":1,"translation":"Ry olombelona, matahora ny Tomponareo ianareo ! Ny fihozongozonan’ilay Ora (Andro Farany) dia tena zava-dehibe (mampihorohoro)."},{"id":2,"translation":"Amin’ny andro izay hahitanareo izany, ny vehivavy mampinono rehetra dia hanadino (ny zanany) izay hampinonoiny, ary ny vehivavy bevohoka dia ho afa-jaza (tsy fidiny). Ary hahita ny olona ho mamo ianao nefa izy ireo tsy mamo fa ny famaizan'I Allah dia mahery vaika tokoa."},{"id":3,"translation":"Misy amin’ny olombelona miady hevitra mahakasika an’i Allah tsy amim-pahalalana ary manaraka ny devoly rehetra, ilay mpikomy."},{"id":4,"translation":"Voasoratra ho azy (Satana), fa na iza na iza manaraka azy dia tena ho vereziny sy ho tarihiny mankany amin’ny famaizan’ny Afobe."},{"id":5,"translation":"Ry olombelona, raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny Fitsanganana,tena marina, fa Izahay no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo amin’ny alalan’ny ranon'aina, avy eo amin’ny vaingan-drà, avy eo amin’ny vainga-nofo izay manana endrika na tsy manana endrika, mba hanazavanay aminareo . Ary apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay, mandritran'ny fotoana voafetra. Ary avoakanay ho zazakely ianareo sy mba hahatratraranareo ny fahanterana. Ary misy aminareo ny maty (tanora), ary misy aminareo koa ny tratra antitra, ka lasa tsy mahatadidy izay fantany teo aloha. Ary hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mampitsiry avy (aminy) ireo karazan-java-maniry tsiroaroa (lahy sy vavy) mahafinaritra."},{"id":6,"translation":"Izany no misy satria, i Allah Ilay Marina, ary Izy Ilay mamelona ny maty sy manam-pahefana amin’ny zava-drehetra."},{"id":7,"translation":"Ary marina tokoa fa ny Ora dia ho avy, tsy hisalasalana ny amin’izany, ary marina fa I Allah dia hanangana izay ao am-pasana."},{"id":8,"translation":"Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’I Allah, tsy amim-pahalalana, tsy manam-pitari-dalana, tsy misy boky mpanazava."},{"id":9,"translation":"Maneho ny fireharehany izy mba hamiliany hiala ny lalan’I Allah. Ho azy ny fahafaham-baraka eto an-tany, ary hampanandraminay azy ny famaizana amin’ny Afobe amin’ny Andro Fitsanganana ."},{"id":10,"translation":"Izany dia vokatry ny nataon’ny tananao roa, ary marina fa I Allah dia tsy mpanao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo."},{"id":11,"translation":"Ary misy amin’ny olombelona izay manompo an'I Allah an-tendrony (am-pisalasalana). Raha misy zavatra tsara tonga aminy dia finaritra amin’izany izy ; fa raha misy fitsapana kosa tonga aminy dia manodina tarehy (tsy mino intsony) izy ; koa maty antoka izy ety an-tany sy any ankoatra. Izany no tena faty antoka miharihary."},{"id":12,"translation":"Mitalaho amin’ny hafa ankoatr’I Allah izy izay tsy afaka manao ratsy aminy na manao tsara aminy ; izany no tena fahaverezana lalina."},{"id":13,"translation":"Mitalaho amin’ny ratsy izay manakaiky azy tokoa izy noho ny tombotsoany, izany no mpiahy tena ratsy tokoa sy namana tena ratsy !"},{"id":14,"translation":"Marina fa I Allah no mampiditra ireo izay mino sy ireo izay manao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana ao ambaniny. Marina fa I Allah dia manao izay tiany."},{"id":15,"translation":"Izay mihevitra fa tsy hamonjy azy I Allah ety an-tany sy any ankoatra, aoka izy hanantona tady eny an-danitra (eo amin’ny tafotranony), avy eo hananton-tenda eny izy ; aoka ho tapahiny izany, ka jereo raha toa ka nahavita nanafoana ny zavatra nahatezitra azy ny tetika nataony."},{"id":16,"translation":"Toy izany no nampidinanay taminy ireo famantarana mazava. Marina fa I Allah dia mitari-dalana izay tiany."},{"id":17,"translation":"Ireo izay nino, ireo jiosy, ireo Sabeana, ireo kristiana, ireo mpanompo afo ary ireo mpanompo sampy. Allah dia hampisaraka azy ireo tokoa amin’ny Andro Fitsanganana. Tena marina fa Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra."},{"id":18,"translation":"Moa va tsy hitanao fa tena miankohoka amin’I Allah avokoa izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny tendrombohitra, ny hazo, ny biby, ary ireo olona maro ? Fa maro ihany koa ny sazy mendrika ho azy ireo. N'iza n'iza ahetrin’I Allah, dia tsy misy hanome haja azy intsony. Tena marina fa I Allah dia manao izay tiany."},{"id":19,"translation":"Indro mpifanandrina roa mifanditra ny mahakasika ny Tompon’izy ireo. Ho an’ireo izay tsy mino dia ho didìna ho azy ireo ny fitafy avy amin’ny afo, handrarahana rano mangotraka eo an-tampon-dohany."},{"id":20,"translation":"Izay hampitsonika ny ao anatin’ny kibon’izy ireo sy ny hodiny."},{"id":21,"translation":"Ary ho azy ireo ny fively vy."},{"id":22,"translation":"Isaky ny te-hivoaka avy ao izy ireo, noho ny fahoriana, dia haverina ao indray (ka ho tenenina amin’izy ireo hoe) :“Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mivaivay”."},{"id":23,"translation":"Marina fa I Allah dia hampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Hampihaigoina amin’ny firavaka volamena, sy vatosoa izy ireo ao anatin’izany, ary ny fitafin’izy ireo ao dia lamba landy."},{"id":24,"translation":"Ary ho tarihina ho any amin’ny teny mendrika izy ireo sy ho tarihina ho any amin’ny lalana mendrika ihany koa."},{"id":25,"translation":"Fa ireo izay tsy mino sy misakana ny lalan’I Allah kosa ary ny toeram-pivavahana masina izay nataonay ho an’olona, na ho an’ireo tompon-toerana ao, na ho an’ireo mpivahiny ka n'iza n'iza mitady hanao ratsy ao, amin’ny tsy rariny, dia hampanandramanay azy ny sazy mangirifiry."},{"id":26,"translation":"Ary raha natoronay an’i Abrahama ny toeran’ny Trano : ”Aza akambanao amin’ny hafa Aho ; ary diovy ny tranoko ho an’ireo mpihodidina, sy ho an’ireo mpitsangana, ary ho an’ireo mpiondrika mpiankohoka."},{"id":27,"translation":"Antsoy ny olona ho amin’ny fivahinianana masina. Fa ho tonga eo aminao izy ireo, am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina, izay avy amin’ny lalana lavitra rehetra."},{"id":28,"translation":"Mba handray anjara amin’ireo tombotsoa izay omena azy ireo sy hahatsiaro ny anaran’I Allah mandritra ny andro voafetra; amin’ny biby fiompy izay anjara nomena azy ireo, ary mihinàna amin’izany ianareo, ary ampihinano koa ireo mahantra."},{"id":29,"translation":"Avy eo, aoka izy ireo hanala ireo fady rehetra hatreo, hanatanteraka ny voadin’izy ireo, ary hanao fihodinana manodidina ilay Trano Tranaina."},{"id":30,"translation":"Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ny zava-pady avy amin’I Allah, dia tsara ho azy izany eo anatrehan’ny Tompony. Ary omena alalana ianareo hihinana ireo biby fiompy, afa-tsy izay notanisaina taminareo (fady). Alavironareo ny loto noho ireo sampy, ary alavironareo ihany koa ny teny feno lainga."},{"id":31,"translation":"(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra."},{"id":32,"translation":"Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ireo zava-manan-kasin’I Allah, tena marina fa izany dia anisan’ny fatahoran’ny fo."},{"id":33,"translation":"Manana tombotsoa (amin’ireo biby ireo) ianareo hatramin’ny fotoana voafetra ; ary ny toerana fanaovana sorona azy ireo dia eo amin’ilay trano fahiny (Ka’ba)."},{"id":34,"translation":"Ary ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba fanaovana sorona, mba hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah amin’ny anjara nomena azy ireo amin’ny biby fiompy. Ka ny zanaharinareo dia Zanahary tokana ihany, ka atolory Azy ny fanetrehan-tena, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanetri-tena."},{"id":35,"translation":"Ireo izay mihentam-po rehefa ampahatsiahivina mahakasika an'I Allah, sy ireo izay maharitra amin’ny voina mihatra amin’izy ireo, ary ireo mpanatanteraka ny Fivavahana sy manao fandaniana amin’izay anjara nomenay azy ireo."},{"id":36,"translation":"Ary ireo rameva, dia nataonay ho anisan’ny zava-manan-kasin’I Allah ho anareo. Misy fahasoavana ho anareo amin’izany. Ary tononinareo amin’izy ireo ny anaran’I Allah rehefa voafatotra tsara izy ireo. Ary rehefa maty izy ireo dia mihinàna amin’izany ianareo, ary ampisakafoano ny mahantra, mpionona tsy mitalaho sy ireo mahantra mitalaho. Tahaka izany no nanaovanay azy ireo ho anareo, angamba hankasitraka ianareo."},{"id":37,"translation":"Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa."},{"id":38,"translation":"Allah dia tena miaro tokoa ireo izay mino. Tena marina fa Allah dia tsy mitia ireo mpamadika, tsy mpankasitraka."},{"id":39,"translation":"Nomena alalana ireo izay voatafika (hiaro-tena), satria tena marina fa niharan’ny tsy rariny izy ireo, ary marina fa I Allah dia afaka mamonjy azy ireo."},{"id":40,"translation":"Ireo izay noroahina teo amin'ny fonenany, tamin'ny tsy rariny, satria niteny izy ireo hoe :\"Allah no Tomponay\". Raha tsy nampifandroahin'i Allah ny olona, dia nofoanana ny fitokana-monina amin'ireo trano fiankohofana izay iantsoana matetika ny anaran'i Allah. Hamafisina, fa manohana izay manohana Azy i Allah. Fa Matanjaka sy Tsitoha i Allah."},{"id":41,"translation":"Ireo izay efa nomenay fahefana teto ambonin’ny tany dia nanatanteraka ny fivavahana izy ireo, namoaka ny ampahan-karena, ary nandidy ny tsara sy nandrara tamin’ny ratsy. Tena marina fa any amin'I Allah ny fiafaran’ny zava-drehetra."},{"id":42,"translation":"Ary raha milaza anao fa mpandainga izy ireo, dia efa nilaza fa mpandainga koa ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, ireo Thamod talohan’izy ireo."},{"id":43,"translation":"Ary ny vahoakan’i Abrahama sy ny vahoakan’i Lota."},{"id":44,"translation":"Sy ireo vahoakan’ny Mad'yna, ary voapanga ho lainga ihany koa i Mosesy. Ka nomeko fe-potoana ireo tsy mpino; avy eo dia noraisiko izy ireo. Ka nanao ahoana ny fanakianako azy ireo !"},{"id":45,"translation":"Firifiry moa ireo tanàna izay noravainay, satria mpanao ny tsy rariny izy ireo, rava daholo ny tafony ! Ary ireo lava-drano (vovo) dia foana tanteraka ! Ary ireo lapa dia haolo !"},{"id":46,"translation":"Tsy mivezivezy maneran-tany ve izy ireo, mba hananany fo hisainany amin'ny alalan'izany, na sofina mba handre amin'ny alalan'izany ? Satria izany dia tsy manajamba ny maso akory, fa manajamba ny fo izay ao an-tratra."},{"id":47,"translation":"Ary hangataka aminao ny hanafainganana ny famaizana izy ireo; kanefa tsy mba mivadika na oviana na oviana amin’ny fampanantenany I Allah. Marina fa ny andro iray eo anatrehan’ny Tomponao dia toy ny arivo taona araka ny fomba fanisanareo."},{"id":48,"translation":"Firifiry moa ireo tanàna izay nomeko fe-potoana nefa manao ny tsy rariny izy ireo ! Avy eo dia noraisiko izy ireo. Ary aty Amiko no fiafarana."},{"id":49,"translation":"Teneno hoe : “Ry olombelona ! Tsy inona akory aho fa mpampitandrina miharihary tokoa ho anareo.”"},{"id":50,"translation":"Fa ireo izay mino sy manao asa soa, ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pivelomana mahafa-po."},{"id":51,"translation":"Fa ireo izay miezaka hanohitra ny fanambaranay, izy ireny no olon’ny Afobe."},{"id":52,"translation":"Izahay dia tsy nandefa iraka na mpaminany teo alohanao afa-tsy hoe maniry zavatra iray (famakiana ny Boky) izy nefa mampiditra fandrebirebena amin’ny zavatra vakin'ny Satana ! Avy eo dia foanan’i Allah izay alefan’ny Satana. Ary nohamafisin’i Allah ireo fanambarany. Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Hendry."},{"id":53,"translation":"Ny fandrebireben’ny Satana dia nataony (Allah) mba ho fitsapana ho an’ireo izay misy aretina ao am-pony sy ireo izay mafy fo (manana fisalasalana na fihatsarambelatsihy)... Marina fa ireo izay mpanao ny tsy rariny dia ao anaty fisaraham-bazana tanteraka."},{"id":54,"translation":"Fa ho an’ireo izay nomena fahalalana kosa, dia nataony (izany) mba hahalalany fa fahamarinana avy amin’ny Tomponao izany, koa aoka hino izany izy ireo, ary aoka ny fon’izy ireo hanetry tena Aminy tanteraka. Tena marina fa Allah dia mpitarika ireo izay mino amin’ny lala-mahitsy."},{"id":55,"translation":"Ary ireo izay tsy mino dia mijanona hatrany ao amin’ny fisalasalana, mandra-pahatongan’ilay ora tampoka amin’izy ireo, na koa ny famaizana amin’ny andro izay tsy hisy intsony ny famokarana."},{"id":56,"translation":"Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia an’I Allah. Izy no hitsara azy ireo. Fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia ho ao amin’ny zaridain’ny fahafinaretana."},{"id":57,"translation":"Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay, dia ho azy ireo ny sazy manala baraka."},{"id":58,"translation":"Ary ireo izay nifindra-monina amin’ny lalan’I Allah, ka novonoina, na koa maty, dia tsy maintsy omen’I Allah azy ireo ny anjara mendrika indrindra. Marina fa Allah no mendrika indrindra amin’ireo mpanome ny anjara."},{"id":59,"translation":"Tsy maintsy hampidiriny (ao am-paradisa) amin’ny fomba tena mahafa-po azy izy ireo. Ary marina fa Allah no Mahalala ny zava-drehetra sy Tsara fanahy."},{"id":60,"translation":"Izany tokoa ! N'iza n'iza manasazy tahaka izay nanasaziana azy, avy eo niharan’ny vali-faty indray ; Allah dia tsy maintsy hamonjy azy. Marina fa Allah dia Mpandefitra, Mpamela heloka."},{"id":61,"translation":"Araka izany, Allah dia mampiditra ny alina ao amin’ny atoandro ary mampiditra ny andro ao amin’ny alina, ary Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra."},{"id":62,"translation":"Araka izany Allah, Izy tokoa Ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah Ilay Avo indrindra, Ilay Lehibe indrindra."},{"id":63,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa Allah no nampidina ny rano avy any an-danitra, ka lasa maitso tsara ny tany ? Allah dia Ilay Mpangoraka sy Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":64,"translation":"Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany ; ary Allah irery ihany Ilay Manana ny ampy, Ilay Mendri-piderana."},{"id":65,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa Allah no nametraka ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eto an-tany ary koa ny sambo izay misosa eny ambonin’ny ranomasina araka ny didiny ? Ary Izy no mitazona ny lanitra mba tsy hianjera amin’ny tany, raha tsy hoe sitrany izany. Marina fa Allah dia tena Mpitsimbina sy be Fiantrana amin’ny olombelona."},{"id":66,"translation":"Ary Izy no manome anareo ny fiainana, ary manala ny ainareo, avy eo dia Izy no hamelona anareo indray. Tena marina fa ny olombelona dia mihizingizina ao anatin’ny tsy fankatoavana."},{"id":67,"translation":"Isaky ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba aman-dalàna ny fanompoana harahiny. Ka aoka tsy hifanditra aminao mihitsy amin’ity raharaha ity izy ireo ! Ary miantsoa ho an’ny Tomponao ianao. Tena marina fa amin’ny tari-dalana mahitsy tokoa ianao."},{"id":68,"translation":"Ary raha miady hevitra aminao izy ireo, dia lazao hoe: \"Allah no Mahalala indrindra izay ataonareo."},{"id":69,"translation":"Allah no hitsara anareo amin’ny Andro Fitsanganana amin’izay mampifanolana anareo."},{"id":70,"translation":"Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’I Allah izany."},{"id":71,"translation":"Ary manompo ankoatr'I Allah izy ireo, izay tsy nampidinany na porofo iray aza, sy tsy nanan'izy ireo fahalalana, ary tsy hanana mpiaro ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":72,"translation":"Ary raha tanisaina amin’izy ireo, ireo Fanambaranay miharihary, dia ho tsikaritrao eny amin’ny tarehin’ireo izay tsy nino ny fankahalana. Efa te-hamely ireo izay mitory ireo Fanambaranay aminy izy ireo.Teneno hoe : “Ho lazaiko anareo va ny zava-dratsy aterak'izany ? Ny Afo: izany no nampanantenain’I Allah ireo izay tsy nino. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !”"},{"id":73,"translation":"Ry olombelona, misy fanoharana, koa henoinareo izany :” Marina fa ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah, dia tsy afaka hihary na dia ny lalitra iray aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahan’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hanavotra izany avy aminy izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana !"},{"id":74,"translation":"Tsy nomen’izy ireo haja amin’ny tena fanajana azy I Allah. Tena marina fa Allah dia Ilay Matanjaka, Ilay Mahery."},{"id":75,"translation":"Allah dia nisafidy iraka tamin’ireo Anjely sy tamin’ireo olombelona. Tena marina fa Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra."},{"id":76,"translation":"Izy dia mahafantatra izay eo alohan’izy ireo sy izay any aorian’izy ireo. Ary any amin’I Allah no hiverina ny zava-drehetra."},{"id":77,"translation":"Ry ianareo izay nino, miondreha, miankohofa, ary manompoa ny Tomponareo ianareo ; ka manaova ny soa. Angamba ahazo fahombiazana ianareo !"},{"id":78,"translation":"Ary miadia ho an’I Allah amin’ny ezaka tena mendrika ho Azy ianareo. Izy no nifidy anareo, ary tsy nataony hisy fahasarotana ho anareo akory ao anatin’ny finoana, foto-pinoan’ny raibenareo Abrahama. Izy no nanome anareo anarana hoe : «mpanetry tena» tany aloha sy amin’izao, mba ho vavolombelona eo anatrehanareo ny iraka ary mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny olombelona ihany koa ianareo. Ka tanterahanareo àry ny Soalat ary mamoàha Zakat, ary koa mifikira mafy amin’I Allah ianareo. Endre izany Mpiahy tsara sy Mpamonjy mendrika !"}]},{"id":23,"verses":[{"id":1,"translation":"Tena sambatra tokoa ireo mpino."},{"id":2,"translation":"Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo."},{"id":3,"translation":"Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra."},{"id":4,"translation":"Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana)."},{"id":5,"translation":"َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany."},{"id":6,"translation":"Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo."},{"id":7,"translation":"Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna."},{"id":8,"translation":"Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena."},{"id":9,"translation":"Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat)."},{"id":10,"translation":"Dia izy ireny no mpandova."},{"id":11,"translation":"Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo."},{"id":12,"translation":"Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona."},{"id":13,"translation":"Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka)."},{"id":14,"translation":"Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary !"},{"id":15,"translation":"Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo."},{"id":16,"translation":"Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo."},{"id":17,"translation":"Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay."},{"id":18,"translation":"Ary nampidina rano avy any an-danitra araka ny fatrany Izahay. Ary notehirizinay tao anaty tany izany, nefa na izany aza dia azonay atao ny mampanjavona azy."},{"id":19,"translation":"Miaraka amin'ny (rano), nampanirinay ho anareo ny zaridain-kazo palma sy voaloboka izay ahazoanareo ireo voankazo maro, ary hohaninareo ny sasany."},{"id":20,"translation":"Ary koa ny hazo anankiray (oliva) izay mitsiry eny amin’ny tendrombohitr’i Sinay, izay manome menaka fanosotra sy ampiasaina amin’ny sakafo."},{"id":21,"translation":"Marina fa amin’ireo biby fiompy dia misy azonareo hodinihana, nomenay hosotroinareo izay anatin’ny kibon’izy ireo, ary ahazoanareo tombontsoa maro samihafa izany raha mihinana amin’izany ianareo."},{"id":22,"translation":"Izy ireo sy ny sambo no mitondra anareo."},{"id":23,"translation":"Nalefanay any amin’ny vahoakany I Noa, ka niteny izy hoe : “ Ô ry vahoakako ! Tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ?”"},{"id":24,"translation":"Ary dia niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ireo vahoakany hoe : “Tsy iza akory izy, fa olombelona tahaka anareo ihany, izay te-hisongadina ho amboninareo. Raha sitrak’i Allah dia ho nampidina ireo Anjely Izy. Tsy mbola naheno an’izany mihitsy izahay tamin’ireo razambenay fahiny."},{"id":25,"translation":"Tsy inona akory izany afa-tsy lehilahy azon’ny adalàna, ka andrasanareo fa hodinihana tsara mandritra ny fotoana vitsivitsy ny fihetsiny."},{"id":26,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin'ny lainga izay nataon'izy ireo tamiko ”"},{"id":27,"translation":"Nilaza taminy Izahay hoe : “Amboary eto imasonay ny sambofiara, araka ny fanambarànay, ka rehefa tonga ny didinay, sy hangotraka ny lafaoro dia ampidiro tsiroaroa, mpivady avy (lahy sy vavy) ireo zava-manan’aina isaka ny karazany ao anaty sambofiara, ary koa ny fianakavinao afa-tsy ireo izay efa nametrahana teny mialoha tsy ho amin’izany (tsy voaavotra amin’ny safo-drano), koa aza miresaka amiko intsony ianao mahakasika ireo mpanao ny tsy rariny, fa ho rendrika tanteraka izy ireny."},{"id":28,"translation":"Ka rehefa tafapetraka tsara ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo izay miaraka aminao dia mitenena hoe : “Dera ho an’i Allah izay nanavotra anay tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny”."},{"id":29,"translation":"Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Ampidino amin’ny fidinana voatsodrano aho, fa Ianao Ilay Mpampidina mendrika indrindra”."},{"id":30,"translation":"Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro tokoa. Marina fa Izahay no Mampisedra (azy ireo)."},{"id":31,"translation":"Ary, taorian’izy ireo dia nahary taranaka maro hafa Izahay."},{"id":32,"translation":"Ka nandefa iraka teo amin’izy ireo Izahay, izay avy tamin’izy ireo ihany (mba hiteny hoe) : “ Tompoinareo I Allah. Tsy manana tompo hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ? ”"},{"id":33,"translation":"Ary niteny ireo loholona, izay tsy nino tamin’ny vahoakany no sady nilaza fa lainga ny fihaonana any an-koatra, nefa izy ireo dia nomenay fahafinaretana tamin’izao fiainana izao, hoe : “Tsy iza akory izany fa olombelona tahaka anareo ihany, mihinana izay haninareo, ary misotro izay sotroinareo”."},{"id":34,"translation":"Raha mankatò olombelona tahaka anareo ianareo dia ho maty antoka tanteraka."},{"id":35,"translation":"Moa mampanantena anareo ve izy, fa raha maty ianareo ka ho lasa vovoka sy taolana dia havoaka tao indray (fasana) ?"},{"id":36,"translation":"Lavitra dia lavitra tokoa amin’izay ampanantenaina anareo ianareo."},{"id":37,"translation":"Izany dia tsy inona, afa-tsy izao fiainantsika eto an-tany izao ihany, ho faty ary ho velona isika, fa tsy hatsangana amin’ny maty na oviana na oviana."},{"id":38,"translation":"Tsy inona akory izy io afa-tsy lehilahy mamoron-dainga mahakasika an’I Allah ihany, ka tsy hino azy velively izahay."},{"id":39,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho satria milaza ahy ho mpandainga izy ireo”"},{"id":40,"translation":"Ka niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy ho ela dia ho latsa-panenenana tokoa izy ireo”."},{"id":41,"translation":"Noho izany dia niharan’ilay hiaka tamim-pahamarinana tokoa izy ireo. Ary rehefa avy eo dia nataonay tahaka ny fako noentin-driaka. Hanjavona tanteraka anie ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":42,"translation":"Ary taorian’izy ireo dia Nahary taranaka maro hafa Izahay."},{"id":43,"translation":"Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany."},{"id":44,"translation":"Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino."},{"id":45,"translation":"Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary,"},{"id":46,"translation":"Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo."},{"id":47,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ?"},{"id":48,"translation":"Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo."},{"id":49,"translation":"Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo."},{"id":50,"translation":"Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano."},{"id":51,"translation":"Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho."},{"id":52,"translation":"Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo."},{"id":53,"translation":"Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany."},{"id":54,"translation":"Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy."},{"id":55,"translation":"Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka,"},{"id":56,"translation":"Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena."},{"id":57,"translation":"Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina."},{"id":58,"translation":"Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo."},{"id":59,"translation":"Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona."},{"id":60,"translation":"Ary ireo manome izay nomena azy, ary feno fatahorana ny fon’izy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Tompony izy ireo."},{"id":61,"translation":"Izy ireny dia mizotra haingana amin’ny fanaovana ireo asa soa, ary voalohany amin’ny fanatanterahana izany."},{"id":62,"translation":"Izahay dia tsy mampitondra ny olona ny zavatra izay tsy zakany, ary eo anatrehanay dia misy Boky izay milaza ny marina, ka tsy hambakaina mihitsy izy ireo."},{"id":63,"translation":"Nefa ny fon’izy ireo dia mitoetra ao anatin’ny habadoana eo anatrehan’izany (Kor’any). Ankoatra izany, dia manana asa (ratsy) izay tanterahany izy ireo."},{"id":64,"translation":"Mandra-pandefasanay ny famaizana ho amin’ny manan-katao amin’izy ireo, dia indro hikiakiaka hiantso vonjy izy ireo."},{"id":65,"translation":"Aza mikiakiaka miantso vonjy ianareo androany, fa tsy misy afaka hiaro anareo hanohitra Anay."},{"id":66,"translation":"Efa novakiana taminareo ireo fanambaranay, nefa notsipahanareo izany."},{"id":67,"translation":"Feno fiavonavonana ianareo, ary namaivaninareo izany nandritra ny fiaretan-tory nataonareo."},{"id":68,"translation":"Moa ve tsy mandinika ny teny (Kor’any) izy ireo ? Sa efa tonga tamin’izy ireo izay tsy mbola tonga mihitsy tamin’ireo razambeny fahiny."},{"id":69,"translation":"Sa tsy nahafantatra ny Iraka tonga taminy ve izy ireo, ka notsipahan’ izy ireo izy ?"},{"id":70,"translation":"Sa hiteny izy ireo hoe : “Azon’ny adalana izy ?”. Tsy izany mihitsy, fa ny fahamarinana no nentiny tamin’izy ireo. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankahala ny fahamarinana."},{"id":71,"translation":"Raha ny fahamarinana nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo, dia ho simba tokoa ireo lanitra sy ny tany ary izay ao aminy. Tsy izany anefa, fa efa nomenay azy ireo ny fampatsiahivana. Nefa nitodi-damosina tamin’ny fampatsiahivana izy ireo."},{"id":72,"translation":"Sa mangataka tambiny amin’izy ireo ve ianao ? Fa ny tambiny avy amin’ny Tomponao no mendrika indrindra. Ary Izy no Ilay Mpanome anjara fivelomana tsara indrindra."},{"id":73,"translation":"Ary ianao no tena miantso azy ireo amin’ny làlana mahitsy."},{"id":74,"translation":"Nefa ny marina, dia ireo izay tsy mino ny any ankoatra no tena mihataka io lalana io."},{"id":75,"translation":"Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala."},{"id":76,"translation":"Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy."},{"id":77,"translation":"Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo."},{"id":78,"translation":"Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo."},{"id":79,"translation":"Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo."},{"id":80,"translation":"Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?"},{"id":81,"translation":"Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo."},{"id":82,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?”"},{"id":83,"translation":"Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”."},{"id":84,"translation":"Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?”"},{"id":85,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?”"},{"id":86,"translation":"Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?”"},{"id":87,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?”"},{"id":88,"translation":"Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ?"},{"id":89,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?”"},{"id":90,"translation":"Nefa noentinay tamin’izy ireo ny fahamarinana, ary tena marina fa mpandainga izy ireo."},{"id":91,"translation":"Tsy manan-janaka velively Allah, ary tsy misy zanahary hafa miaraka Aminy. Raha tsy izany dia samy handeha hiaraka amin’izay nohariany avy ny zanahary tsirairay. Ary ny sasany amin’izy ireo dia ho lasa ambonimbony noho ny hafa. Ho an’i Allah anie ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Izy no ambony indrindra amin’izay faritan’izy ireo."},{"id":92,"translation":"(Izy no) Mahalala ny zava-miafina sy ny hita maso ! Ary Izy dia ambony lavitra noho izay ankamban’izy ireo Aminy !"},{"id":93,"translation":"Teneno hoe : “Tompo ô ! Raha sanatria ka asehonao ahy izay ampanantenainao azy ireo.\""},{"id":94,"translation":"\"Tompo ô ! Aza atao ho anisan’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho !”"},{"id":95,"translation":"Ary ho afaka tokoa hampiseho aminao izay nampanantenanay azy ireo Izahay."},{"id":96,"translation":"Atoseho amin’ny alalan’izay tena tsara ny ratsy. Izahay no tena mahalala izay faritan’izy ireo."},{"id":97,"translation":"Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mangataka fiarovana Aminao aho, mba hanoherana ireo fanangolen’ireo satana.\""},{"id":98,"translation":"\" Ary mangata-piarovana Aminao ihany koa aho ry Tompo, mba tsy hanatonan’izy ireo ahy”."},{"id":99,"translation":"Koa rehefa tonga amin’ny anankiray amin’izy ireo ny fahafatesana, dia hiteny izy hoe : ”Ry Tompoko ! avereno indray (eny ambonin’ny tany) aho."},{"id":100,"translation":"\"Mba hanaovako ny tsara tamin’izay navelako”. Tsia ! Izany dia teny lazaina fotsiny ihany. Ary aorian’izy ireo anefa dia misy sakana (barzakh) hatramin’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty."},{"id":101,"translation":"Ary raha ho tsofina ny Trompeta (Anjomara) dia tsy hisy intsony ny fihavanana amin’izy ireo amin’izany andro izany, ary tsy hifanontany izy ireo."},{"id":102,"translation":"Ka izay mavesatra ny mizànany, dia izy ireny no olon-tsambatra."},{"id":103,"translation":"Fa ireo izay maivana kosa ny mizànany, dia maty antoka ny tenan'izy ireo, ka hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay izy ireo."},{"id":104,"translation":"Handoro ny tavan’izy ireo ny afo, ary hikainkona ny molotr’izy ireo amin’izany."},{"id":105,"translation":"“Moa ve tsy novakiana taminareo ireo fanambarako, nefa nolazainareo fa lainga izy ireny”."},{"id":106,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Resin’ny fahorianay izahay, ary olona very làlana izahay”."},{"id":107,"translation":"\"Tomponay ô ! Avoahy amin’izao (afobe) izahay ! Ka raha mamerina indray izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”."},{"id":108,"translation":"Niteny Izy ka namaly hoe : “Mijanona ao ianareo (afa-baraka), ary aza miteny Amiko intsony”."},{"id":109,"translation":"Misy andiany tamin’ireo mpanompoko izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Mino izahay, ka avelao ny helokay ary hamindrao fo izahay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra fo.”"},{"id":110,"translation":"Ka nanesoheso azy ireny ianareo, hany ka adinonareo tanteraka ny fahatsiarovana Ahy, ary nataonareo fihomezana izy ireo."},{"id":111,"translation":"Tena marina fa Izaho indrindra no hanome valisoa azy ireo anio, noho izy ireo naharitra, ary izy ireo tokoa no mpandresy."},{"id":112,"translation":"Niteny Izy nanao hoe : “Firy taona no nipetrahanareo teny ambonin’ny tany ?”"},{"id":113,"translation":"Niteny izy ireo, ka namaly hoe : “Nipetraka andro iray izahay teny, na tapak’andro (ampahan’ny andro), koa anontanio àry ireo mpanisa”."},{"id":114,"translation":"Niteny Izy hoe : “Tsy nipetraka raha tsy fotoana vitsy monja ianareo, raha mba fantatrareo tokoa izany”."},{"id":115,"translation":"Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo ?"},{"id":116,"translation":"Fiderana avo indrindra ho an’I Allah, Ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra."},{"id":117,"translation":"Ary na iza na iza miantso tompo hafa miaraka amin’I Allah, ka tsy manana porofo mazava ny amin’izany izy, dia eo anatrehan’ny Tompony. ny fitsarana azy. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana ireo tsy mpino."},{"id":118,"translation":"Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mamelà sy mamindrà fo, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra-fo.\""}]},{"id":24,"verses":[{"id":1,"translation":"Indro soratra (antoko-tsoratra) iray, izay nampidininay, sy izay nodidianay, ary nampidininay tao anatin’izany ireo famantarana maro miharihary, angamba hahatsiaro tena ianareo."},{"id":2,"translation":"Ny vehivavy mpijangajanga sy ny lehilahy mpijangajanga dia kapohinareo in-jato tsirairay avy izy roa amin’ny karavasy. Aoka tsy ho resin’ny fangorahana ianareo amin’ny fanatanterahana ny didin’I Allah amin’izy roa, raha mino an'I Allah sy ny Andro farany ianareo, ary aoka hisy hiatrika ny famaizana azy ireo ny andian’ireo mpino."},{"id":3,"translation":"Ny lehilahy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy vehivavy mpijangajanga, na vehivavy mpanompo sampy, ary ny vehivavy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy lehilahy mpijangajanga, na lehilahy mpanompo sampy, ary izany dia voarara ho an’ireo mpino."},{"id":4,"translation":"Ary ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy madio fitondran-tena ka tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapoinareo im-balo-polo izy ireo amin’ny karavasy, ary aza ekena mihitsy ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ary izy ireny no tena mpanao ratsy."},{"id":5,"translation":"Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany sy nanova ny fitodran-tena. Tena marina fa I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":6,"translation":"Ary ireo izay manendrikendrika ny vadiny nefa tsy manana vavolombelona afa-tsy ny tenany ihany, dia ny fijoroan’ny iray amin’izy ireo vavolombelona dia mitovy fijoroana vavolombelona in’efatra eo anatrehan’I Allah. Tena marina fa izy dia anisan’ireo mpilaza ny marina."},{"id":7,"translation":"Ary ny fahadimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (lehilahy) tokoa ny ozon’I Allah raha anisan’ireo mpandainga izy."},{"id":8,"translation":"Ary tsy hampiharina aminy (vehivavy) ny famaizana raha toa ka mijoro vavolombelona in-efatra eo anatrehan’I Allah izy, fa tena marina izy (vadiny) dia anisan’ireo mpandainga."},{"id":9,"translation":"Ary ny faha-dimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (vehivavy) ny fahatezeran’I Allah, raha anisan’ireo mpilaza ny marina izy (lehilahy vadiny)."},{"id":10,"translation":"Ary raha tsy ny fahasoavan’I Allah sy ny indrafony aminareo (dia nofaiziny avy hatrany ianareo), ary marina fa I Allah dia Mpandray fibebahana sy be Fahendrena."},{"id":11,"translation":"Marina fa ireo izay tonga niaraka tamin’ny fanendrikendrehana dia andian’olona avy taminareo ihany. Aza mihevitra fa ratsy ho anareo izany, nefa tsara ho anareo kosa. Ny tsirairay amin’izy ireo dia samy tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany. Ary izay nandray anjara lehibe indrindra tamin’izy ireo dia ahazo famaizana goavana indrindra."},{"id":12,"translation":"Nahoana àry rehefa hainonareo izany (fanendrikendrehana), mba nieritreritra ny mpino lahy sy mpino vavy eritreritra tsara ho an’ny tenan’izy ireo ihany, ary niteny izy ireo hoe : “Izany dia fanendrikendrehana miharihary”."},{"id":13,"translation":"Nahoana koa izy ireo no tsy nitondra vavolombelona efatra. Koa raha tsy nitondra ireo vavolombelona izy ireo, dia izy ireny no mpandainga eo anatrehan’I Allah."},{"id":14,"translation":"Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony eto an-tany sy any ankoatra, dia famaizana goavana no nihatra taminareo noho izany (fanendrikendrehana) naelinareo izany."},{"id":15,"translation":"Raha nampiely tsaho avy amin’ny lelanareo ianareo, sy niteny tamin’ny vavanareo izay tsy anananareo fahalalana momba Azy. Ary nihevitra ianareo fa maivana izany, nefa goavana tokoa eo anatrehan’I Allah."},{"id":16,"translation":"Ary nahoana àry rehefa henonareo izany no tsy niteny ianareo hoe : “Tsy mendrika anay ny hilaza izany. Voninahitra ho Anao (Allah), tena fanendrikendrehana goavana izany\"."},{"id":17,"translation":"Mananatra anareo I Allah mba tsy hiverenanareo amin’ny zavatra toy izany intsony, raha tena mpino tokoa ianareo."},{"id":18,"translation":"Ary manazava aminareo ireo fanambaran'I Allah. Ary I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":19,"translation":"Marina fa ireo izay tia manaparitaka ny fahavetavetana amin’ireo izay nino, ho an’izy ireo ny famaizana mangirifiry eto an-tany sy any ankoatra. I Allah dia mahafantatra fa ianareo kosa dia tsy mahafantatra."},{"id":20,"translation":"Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony. Ary marina fa I Allah dia be Fangoraham-po sy be Indrafo."},{"id":21,"translation":"Ô ianareo izay mino ! Aza manaraka ireo dian’ny satana ianareo. Ary n’iza n’iza manaraka ireo dian’ny satana, (fantaro fa) izy tokoa no mibaiko ho amin’ny fahavetavetana sy ny faharatsiana. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah teo aminareo sy ny famindram-pony, dia tsy nisy nadio na dia iray aza taminareo. Kanefa Allah no manadio izay sitrany. Ary Allah dia tena Maheno sy tena Mahalala."},{"id":22,"translation":"Ary aoka ireo manan-karena sy manan-katao eo aminareo mba tsy hianiana ny tsy hanao fanomezana intsony amin’ny havana akaiky, amin’ireo mahantra, sy amin’ireo mpifindra-monina amin’ny lalan’I Allah. Ary aoka izy ireo hamela heloka sy handefitra ! Moa ve tsy tianareo ny hamelan’I Allah ny helokareo ? Ary Allah no tena Mpamela heloka sy be Famindram-po."},{"id":23,"translation":"Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena, maotina (tsy manana eritreritra hanao fijangajangana) ary mpino, dia voaozona izy ireo eto an-tany sy any ankoatra. Ary ho azy ireo ny famaizana goavana."},{"id":24,"translation":"Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona hiampanga azy ireo amin’izay nataon’izy ireo."},{"id":25,"translation":"Amin’izany andro izany, Allah dia hanome azy ireo feno ny valin-kasasarany marina ary ho fantatr’izy ireo fa Allah no Ilay tena Marina miharihary."},{"id":26,"translation":"Ireo vehivavy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy ratsy fitondran-tena, ary ireo lehilahy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy ratsy fitondran-tena. Ary ireo vehivavy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy tsara fitondran-tena, ary ireo lehilahy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy tsara fitondran-tena. Izy ireny dia tsy manan-tsiny amin’izay tenenin’ny sasany. Ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pahasoavana mendrika."},{"id":27,"translation":"Ô ianareo izay mino ! Aza miditra amin’ny trano ankoatr'ireo tranonareo ianareo, raha tsy efa nangataka alàlana, ary miarahaba ireo monina ao. Izany dia tsara ho anareo. Angamba hahatsiaro tena ianareo."},{"id":28,"translation":"Fa raha tsy mahita olona ao ianareo, dia aza miditra ao mandra-pahazoanareo alàlana. Ary raha tenenina ianareo hoe : “Miverena\" Dia aoka hiverina ianareo, Izany no tena madio ho anareo. Ary Allah dia tena mahalala izay rehetra ataonareo."},{"id":29,"translation":"Tsy voakiana kosa ianareo raha miditra ao amin’ireo trano tsy misy mipetraka raha misy zava-tsoa ho anareo ao. Ary Allah dia mahalala izay abaribarinareo sy izay afeninareo."},{"id":30,"translation":"Ary teneno amin’ireo lehilahy mpino mba hampiondrika ny fijerin'izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, fa izany no madio kokoa ho azy ireo. Marina fa Allah dia mahalàla tanteraka izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":31,"translation":"Ary teneno amin’ireo vehivavy mpino mba hampiondrika ny fijerin’izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, ary tsy haneho ny haingony afa-tsy izay miseho amin’izany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalorany eo amin’ny tratrany. Ary tsy haneho ny haingon’izy ireo afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rain’izy ireo, na amin’ireo rafozan-dahin’izy ireo, na amin’ny zanak’izy ireo, na amin’ny zana-badin’izy ireo, na amin’ny anadahin’izy ireo, na amin’ny zanak’anadahin’izy ireo, na amin’ny zana-drahavavin’izy ireo, na amin’ireo vehivavy mpino silamo, na amin’ireo mpanompo eo am-pelatànan’izy ireo, na amin’ireo mpiasa lahy ao an-trano, tsy manana hery (hanao firaisana), na amin’ireo zazalahy (tsy ampy taona) mbola tsy mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hanakapoka ny tongony amim-pamindràna ka ahafantarana izay afeniny amin’ireo haingony, ary mibebaha ianareo rehetra eo anatrehan’I Allah ry mpino ! Angamba hahazo fahombiazana ianareo."},{"id":32,"translation":"Ary ampanambadio ireo tsy manambady aminareo, sy ireo mendrika amin’ireo andevonareo lahy sy vavy. Raha mahantra izy ireo, dia Allah no hampanan-karena azy ireo nohon'ny fahasoavany. Ary Allah dia manerana sy tena mahalala."},{"id":33,"translation":"Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny ho enti-manana hanambadiany, mandra-panomezan’I Allah azy ireo ny fahasoavany. Ary ireo izay mangataka fifanekem-panafahana, amin’ireo andevonareo, dia manaova fifanarahana amin’izy ireo ianareo, raha fantatrareo fa misy hatsarana amin’izy ireo. Ary hanomezanareo amin’ny haren’I Allah izay nomeny anareo izy ireo. Ary aoka ianareo tsy hanery ireo andevovavinareo amin’ny fijangajangana, raha toa ka mila fitondran-tena madio izy ireo, mba hitadiavanareo tombontsoa amin’ny fiainana eto an-tany. Ary na iza na iza manery azy ireo, tena marina fa Allah, taorian’ny fanerena azy ireo, dia be famelan-keloka sy be indrafo."},{"id":34,"translation":"Ary tena efa nampidininay taminareo ireo famantarana mazava, sy ny fanoharana momba ireo teo alohanareo, ary fananarana ho an’ireo manam-patahorana."},{"id":35,"translation":"Allah no fahazavan’ireo lanitra sy ny tany. Ny fahazavany dia mitovy amin’ny lavaka amin’ny vatan-drindrina izay misy jiro, ny jiro dia ao anatin’ny fitaratra, ary ny fitaratra dia tahaka ny kintana tena mamirapiratra mirehitra avy amin’ny hazo feno fahasoavana : hazon’oliva, sady tsy avy any antsinanana no tsy avy any andrefana, ka ny menaka avy aminy dia toa manazava, na dia tsy nokasihan’ny afo aza. Hazavana ambonin’ny hazavana. Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny hazavany. I Allah dia manome ireo fanoharana ho an’ny olombelona. Ary mahalala ny zava-drehetra I Allah."},{"id":36,"translation":"Ao anatin’ireo trano (Masjid) izay nanomezan’i Tompo Allah alalana mba hajoro avo dia avo sy ho tsarovina ao anatin'ny Anarany.Mankalaza ny voninahiny vao maraina sy hariva,"},{"id":37,"translation":"Ireo lehilahy izay tsy mahavariana azy ireo, na ny varotra na ny fifanakalozana, ny amin’ny fahatsiarovana an’I Allah sy ny fananganana ny soalat (vavaka), ary ny fanomezana ny zakat (harena fiantrana). Matahotra izy ireo ny amin’ny andro iray izay hivadibadihan’ny fo sy ny fijery."},{"id":38,"translation":"Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay (asa tsara) nataon’izy ireo, ary hampitomboany amin’izy ireo ny fahasoavany. Ary I Allah dia manome anjaram-pahasoavana (riziky) tsy tambo isaina ho an’izay sitrany."},{"id":39,"translation":"Ary ireo izay tsy mino kosa, ny asan’izy ireo dia tahaka ny rendrarendra (mamita-maso) amin’ny tany karakaina izay heverin’ny olona mangetaheta ho rano, kanefa raha tonga eo izy dia tsy mahita na inona na inona, fa Allah kosa no eo anatrehany, izay hanome azy tanteraka ny valin’asany, ary Allah dia haingam-panisa."},{"id":40,"translation":"Na koa tahaka ny haizim-be ao anatin’ny ranomasina lalina, mandrakotra azy ny onja maro, izay miavovona eo ambonin'ny onja (hafa), izay rakotry ny rahona eo amboniny. Haizina mifanaingina, ny sasany ambonin’ny sasany, raha havoakany ny tanany dia mila tsy ho tazany izany. Ary izay tsy nomen’I Allah hazavana dia tsy hanana hazavana mihitsy."},{"id":41,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa mankalaza an’I Allah izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary koa ireo vorona mikopak’elatra? Ny tsirairay dia efa mahafantatra ny fomba fivavahana Aminy sy ny fiderana Azy. Ary I Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo."},{"id":42,"translation":"Ary ho an’I Allah ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, ary any amin’I Allah ny fiverenana farany."},{"id":43,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa I Allah tokoa no manosika ireo rahona ? Avy eo avondrony izy ireo, ary ataony ho vondron-draho-mainty mitatao, ka hitanao ny orana mivoaka eo anelanelany. Ary Izy no mampidina avy amin’ny lanitra ny avandra, avy amin’ny vondron-drahona mitovy amin’ny tendrombohitra, ka arotsany amin’izay tiany izany ary halaviriny amin’izay tiany koa, mila hanala mihitsy ny fahitana ny fahazavan’ny tsela-barany."},{"id":44,"translation":"Mampifandimby ny alina sy ny andro I Allah. Tena marina fa amin’izany dia misy ny fisintonan-tsaina handinika ho an’ireo izay manam-paharetana."},{"id":45,"translation":"Ary I Allah dia nahary ny biby rehetra avy amin’ny rano, ka misy amin’izy ireny no mikisaka amin’ny kibony, ny hafa dia mandeha amin’ny tongotra roa, ary misy ihany koa mandeha amin’ny tongotra efatra. Ary I Allah dia nahary izay sitrany, ary marina fa I Allah dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":46,"translation":"Efa nampidininay tokoa ireo fanambarana mazava, ary I Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny lalana mahitsy."},{"id":47,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : “Mino an’I Allah sy ny Irany izahay, ary mankato Azy”. Ary taorian’izany, nisy andiany iray tamin’izy ireo nitodi-damosina (nivadika), izy ireny dia tsy mba mpino mihitsy."},{"id":48,"translation":"Ary raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany izy ireo mba hitsarany azy ireo, dia indro misy andiany tamin’izy ireo manohitra izany tanteraka."},{"id":49,"translation":"Nefa raha nanana ny fahamarinana izy ireo, dia tonga teo Aminy izy ireo amim-panetren-tena."},{"id":50,"translation":"Moa ve misy aretina ao am-pon’izy ireo ? Na miahiahy izy ireo, ka matahotra sao hitongilana amin’izy ireo (ny fitsaran)I Allah sy ny Irany ? Tsia ! Fa izy ireny no mpanao ny tsy rariny."},{"id":51,"translation":"Ny teny tokan’ireo mpino, raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany, mba hitsarany azy ireo dia ny hoe : “ Henonay sy ankatoavinay ”, izy ireny no hahazo fahombiazana."},{"id":52,"translation":"Ary na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, ary manetry tena amin’I Allah sy matahotra Azy, dia izy ireny no hahazo fahasambarana."},{"id":53,"translation":"Ary mianiana amin’I Allah izy ireo amin’ny fianianana manetriketrika, fa raha mandidy azy ireo ianao, dia hivoaka tokoa izy ireo (amin’ny ady), dia teneno hoe : “Koa aza mianiana àry ianareo, (efa fantatray tsara) ny fankatoavanareo (am-bava), fa tena mahalala tsara izay ataonareo I Allah”."},{"id":54,"translation":"Teneno hoe : “Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Irany, raha mitodi-damosina izy ireo, dia tsy tompon’andraikitra izy afa-tsy izay nankinina taminy, ary ianareo dia tsy tompon’andraikitra afa-tsy izay nankinina taminareo. Ary raha mankato azy ianareo, dia voatarika (tsara) ianareo”. Tsy inona akory ny (andraikitra) ny Iraka afa-tsy ny fampielezana tena mazava tsara (ny hafatra)."},{"id":55,"translation":"Ary I Allah dia nampanantena ireo izay nino aminareo sy nanao ireo asa soa, fa omeny azy ireo ny fifandimbiasana eto ambonin’ny tany, tahaka ny nanomezany izany ireo talohan’izy ireo, omeny hery sy fahamboniana ny finoan’izy ireo izay nankasitrahiny ho azy ireo. Ary tena ho soloiny ho azy ireo ny fatahorany teo taloha ho fitoniana, manompo Ahy izy ireo ary tsy manankambana Ahy amin’ny zavatra hafa, ary izay tsy mino aorian’izany, izy ireny no tena mpanao ratsy."},{"id":56,"translation":"Tanterahanareo ny soalat (vavaka), omenareo ny zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo ny Iraka. Angamba ianareo ahazo ny famindram-po."},{"id":57,"translation":"Aza mihevitra ianao fa ireo izay tsy mino dia afaka hanohitra ny fahefan’I Allah eto an-tany, ny toeram-pialofan’izy ireo dia ny afo be, fiafarana ratsy tokoa Izany."},{"id":58,"translation":"Ô ianareo izay nino ! Aoka hangata-dalana alohany hidirany aminareo, ireo andevonareo, ary koa ireo mbola tsy ampy taona aminareo amin’ny fotoana telo : alohan’ny vavaka maraina (soalat fadjr), amin’ny atoandro mitatao vovonana raha manala ny fitafinareo ianareo (soalat dhohr), ary aorian’ny vavaka amin’ny alina (soalat Incha); vanim-potoana telo mba hialanareo fitafiana, tsy misy tsiny na ho anareo na ho azy ireo aorian’ireo fotoana ireo, afaka mifanerasera ny andaniny sy ny ankilany aminareo. Toy izany no amelabelaran’I Allah aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":59,"translation":"Ary raha ampy taona ireo ankizy aminareo, dia aoka izy ireo hangataka alalana mialohan’ny hidirany, tahaka ny nangatahan’ireo izay teo alohany alalana. Toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany. Fa I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena."},{"id":60,"translation":"Ho an’ireo vehivavy izay tsy afaka miteraka intsony, ka tsy manantena fanambadiana dia tsy misy tsiny ho azy ireo ny mametraka ireo fitafiny (fitondra ivelany), nefa tsy mampiseho kosa ny haingony, raha mitady fahamaontinana izy ireo dia tsara kokoa ho azy ireo izany. Ary Allah dia maheno sy mahalala ny zava-drehetra."},{"id":61,"translation":"Tsy misy tsiny ho an’ny jamba, na ho an’ny kilemaina, ho an’ny marary, ary koa ho an’ny tenanareo ny mihinana ao an-tranonareo, na ao an-tranon’ireo rainareo na ao an-tranon’ireo reninareo, na ao an-tranon’ireo rahalahinareo, na ao an-tranon’ny anabavinareo, na ao an-tranon’ireo rahalahin-drainareo na ao an-tranon’ireo anabavin-drainareo, na ao an-tranon’ny anadahin-dreninareo, na ao an-tranon’ny rahavavin-dreninareo, na amin’izay anananareo fanalahidy, na amin’ireo sakaizanareo. Tsy misy tsiny ho anareo ihany koa ny miara-mihinana na misaratsaraka. Koa raha miditra an-trano ianareo, dia aoka hifampiarahaba amin’ny fiarahabana avy amin’I Allah feno hasoavana sy tsara, toy izany no amelabelaran’I Allah mazava tsara aminareo ireo fanambarany, angamba hisaina ianareo."},{"id":62,"translation":"Ireo tena mpino marina dia izay mino an’I Allah sy ny Irany, ary rehefa miaraka aminy amin’ny raharaha ahazoana tombontsoa iombonana izy ireo, dia tsy mba mandeha mihitsy izy ireo raha tsy mangata-dalana aminy, marina fa ireo izay mangataka alalana aminao, dia izy ireny no mino an’I Allah sy ny Irany, ka raha mangataka alalana aminao izy ireo ho an’ny raharahan’izy ireo manokana, dia omeo alalana ho an’izay sitrakao amin’izy ireo, ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ho an’izy ireo ianao. Marina fa I Allah dia be famelan-keloka sy be indrafo."},{"id":63,"translation":"Aza ataonareo ny fiantsoana ilay Iraka eo aminareo, ho tahaka ny fiantsoana izay ataonareo samy ianareo. Tena fantatr’I Allah ireo izay mitsoaka an-daharana miafina aminareo. Ary aoka hitandrina ireo izay manohitra ny Baikony, sao ho voan’ny fitsapana izy ireo, na hiharan’ny famaizana mangirifiry."},{"id":64,"translation":"Tena marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy eto an-tany. Mahalala tanteraka ny momba anareo Izy, ary amin’ny andro hamerenana azy ireo any Aminy, dia ampahafantariny azy ireo izay rehetra nataony, ary Allah dia tena mahalala ny zava-drehetra."}]},{"id":25,"verses":[{"id":1,"translation":"Ankalazaina anie ny halehiben’Ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Kor’any, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao izy."},{"id":2,"translation":"Ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay tsy manan-janaka velively, sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakana ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy."},{"id":3,"translation":"Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa noharian'izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo."},{"id":4,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Tsy inona akory ity afa-tsy lainga noforonon'i (Mohammad) ary nanampy azy tamin’izany ireo vahoaka hafa”. Nefa izy ireo no nahavita ny tsy rariny sy ny lainga."},{"id":5,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : \"Anganon’ireo Ntaolo fahiny izay nampanoratiny izany ! Ka tononina aminy maraina sy hariva”."},{"id":6,"translation":"Teneno hoe : “Nampidina izany Ilay Mahalala ireo zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy dia be Famelan-keloka sy be Indrafo”."},{"id":7,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : “Fa inona àry ity iraka ity izay mihinana sakafo, sy mandehandeha eny amin’ireo tsena ? Nahoana àry no tsy mba nisy Anjely iray nampidinina taminy mba ho mpampitandrina miaraka aminy ?”"},{"id":8,"translation":"Na koa nisy harena sarobidy natoraka teo aminy na manana zaridaina ho azy izy, ka amin’izany no hihinanany ? Ary niteny ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy lehilahy voan’ny mosavy !”"},{"id":9,"translation":"Jereo ! Tahaka ny ahoana ireo fanoharana ataon’izy ireo momba anao, very izy ireo.Tsy afa-mahita lalana mihintsy izy ireo."},{"id":10,"translation":"Ankalazaina anie ny halehibeny, Ilay Tompo Allah, raha sitrany, mbola hanome anao tsara kokoa noho izany dia: Ireo zaridaina, misy ireo renirano mikoriana eo ambaniny ary hanome lapa maro ho anao Izy."},{"id":11,"translation":"Nefa nolazain’izy ireo ho lainga ilay Ora, ary Izahay dia efa nanomana afo mandoro ho an’izay nilaza ilay Ora ho lainga."},{"id":12,"translation":"Rehefa mahatazana azy ireo avy amin’ny toerana lavitra izy (afo), dia maheno ny fahatezerany sy ny firefodrefony izy ireo."},{"id":13,"translation":"Ary raha atoraka ao aminy izy ireo, amin’ny toerana tery, ary ny tanany roa mifatotra aorian’ny vozony, dia mangataka ny fanapotehana tanteraka ny tenany izy ireo."},{"id":14,"translation":"Aoka tsy hangataka fanapotehana indray mandeha fotsiny ianareo androany, fa mangataha kosa fanapotehana im-betsaka."},{"id":15,"translation":"Teneno hoe : “Moa ve izao no tsara, sa ny Paradisa mandrakizay izay nampanantenaina ireo izay manam-patahorana ho valisoa sy toeram-piafarana ?”"},{"id":16,"translation":"Hahazo izay rehetra iriny ao izy ireo, sy hitoetra ao mandrakizay. Izany no fampanantenana izay andraikitry ny Tomponao ny manatanteraka azy."},{"id":17,"translation":"Ary ny Andro izay hanangonany azy ireo, sy izay tompoin’izy ireo ankoatr’I Allah dia hiteny Izy hoe : “Moa ve ianareo no nanary ireo mpanompoko ireo, sa izy ireo ihany no very lalana ?”"},{"id":18,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “Voninahitra anie ho Anao ! Tsy mendrika ho anay ny haka mpiahy hafa ankoatra Anao, nefa nomenao fahafinaretana kosa izy ireo sy ireo razambeny, ka nahatonga azy ireo nanadino ny Fampahatsiarovana. Ary izy ireo dia vahoaka very”."},{"id":19,"translation":"Ary efa nilaza anareo ho mpandainga izy ireo amin’izay noteneninareo. Ka tsy afaka hahita fandosirana na fanavotana ianareo. Ary na iza na iza aminareo manao ny tsy rariny, dia hapanandramanay azy ny famaizana lehibe."},{"id":20,"translation":"Ary tsy nandefa Iraka Izahay talohanao ka tsy nihinana sakafo sy tsy nandeha teny an-tsena. Ary ny sasany aminareo dia nataonay fitsapana ho an'ny sasany, Moa manam-paharetana va ianareo? Fa ny Tomponao dia mahita ny zava-drehetra."},{"id":21,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay hoe: “Raha mba nampidinina taminay ireo Anjely, na mba nahita ny Tomponay izahay!”. Tena efa nanambony ny tenany izy ireo, ary nihoa-pefy mihitsy tamin’ny fiavonana."},{"id":22,"translation":"Ny Andro izay hahitan’izy ireo, ireo Anjely, dia tsy hisy vaovao mahafaly amin’izany andro izany, ho an’ireo mpanao heloka be vava, ary hiteny izy ireo (Anjely) hoe : “ Voasakana, tena tsy azonareo hidirana tanteraka ! ”."},{"id":23,"translation":"Ary tonga nijery ny asa izay nataon’izy ireo Izahay, ka nataonay ho vovoka miparitaka izany."},{"id":24,"translation":"Ireo olon’ny paradisa, amin’izany andro izany, dia eo amin’ny toerana mendrika indrindra, sy amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsara indrindra."},{"id":25,"translation":"Ary ny Andro izay hampitresaka ny lanitra amin’ny alalan’ireo rahona, sy hampidinana tokoa ireo Anjely."},{"id":26,"translation":"Amin’izany andro izany, ny tena fanjakana marina dia an’Ilay be Fiantrana, ary tena ho andro sarotra ho an’ireo tsy mpino."},{"id":27,"translation":"Ny andro izay hanaikeran’ny mpanao ny tsy rariny ny tanany roa, ka hiteny izy hoe : “Indrisy ! Raha mba niara-dalana tamin’ilay Iraka mantsy aho !”."},{"id":28,"translation":"Loza ho ahy ! Indrisy ! Raha tsy mba naka olona ho sakaiza mantsy aho !"},{"id":29,"translation":"Tena marina fa nanary ahy lavitry ny fampatsiahivana izy, taorian’ny nahatongavan’izany (fampatsiahivana) tamiko. Ary satana dia mpamadika ny olombelona."},{"id":30,"translation":"Ary niteny ilay Iraka hoe : “Tompo ô ! Marina fa ny vahoakako dia nandray ity Kor’any ity ho zavatra tsinontsinona.”"},{"id":31,"translation":"Ary tahaka izany no nanaovanay ireo mpaminany tsirairay avy, fahavalo avy amin’ireo mpanao heloka bevava. Ary ampy ho Mpanitsy sy Mpanavotra ny Tomponao."},{"id":32,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy indray mandeha monja ny Kor’any ?” Tahaka izany (no nampidinanay tsikelikely ny Kor’any) mba hanamafisanay amin’ny alalan’ izany, ny fonao, ary novakinay amim-pikaliana izany."},{"id":33,"translation":"Ary tsy mitondra fanoharana aminao izy ireo, ka tsy tonga miaraka amin’ny fahamarinana aminao Izahay, sy fanazavana izay tsara indrindra."},{"id":34,"translation":"Ireo izay ho tarihina eo amin’ny tavany ho any amin’ny afobe, izy ireny no ratsy toerana indrindra, sy tena very lalana."},{"id":35,"translation":"Ary efa natolotray an’i Mosesy ny Boky, ary nataonay ny rahalahiny, Harona, ho mpanohana azy."},{"id":36,"translation":"Dia noteneninay hoe: “Mandehana ianareo roa any amin’ireo vahoaka izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay”, avy eo dia nopotehinay tanteraka izy ireo."},{"id":37,"translation":"Ary ny vahoakan’i Noa, rehefa nilaza ireo Iraka hoe mpandainga izy ireo, dia narendrikay sy nataonay ho famantarana (fampitandremana) ho an’ny olombelona. Ary nanomana famaizana mangirifiry Izahay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":38,"translation":"Ary ny vahoaka ‘Aady sy Thamody, ary ireo olon’i Rass, sy ireo taranaka nifandimby teo anelanelan’izany !"},{"id":39,"translation":"Ho an’izy rehetra, dia samy nanaovanay fanoharana avy, ary naringanay daholo tamin’ny fomba mahery vaika izy ireo."},{"id":40,"translation":"Ary tena efa nandalo teo amin’ny tanàna (tanàn’i Mpaminany Lota) izay nandrotsahana oram-pahoriana izy ireo. Ka moa ve tsy hitan’izy ireo izany ? Nefa izy ireo dia tsy mba nanantena ny fitsanganana amin’ny maty."},{"id":41,"translation":"Ary raha mahita anao izy ireo, dia tsy mandray anao afa-tsy amin’ny vazivazy : “Moa ve io ilay nalefan’I Allah ho Iraka?\""},{"id":42,"translation":"Saika hamily lalana anay hiala amin’ireo zanaharinay Izy, raha tsy naharitra izahay tamin’izany !”. Ary ho fantatr’izy ireo, rehefa mahita ny famaizana izy ireo, iza no tena very lalana !"},{"id":43,"translation":"Moa ve hitanao izay nanao ny sitrapony ho zanahariny ? Ka moa ve ho mpiantoka azy Ianao ?"},{"id":44,"translation":"Na koa mihevitra ve ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia maheno tokoa na misaina ? Tsy misy mitovy amin’izy ireo afa-tsy ireo biby, fa raha ny marina dia izy ireo no tena very lalana tokoa."},{"id":45,"translation":"Moa ve tsy hitanao, ahoana no namelaran’i Tomponao ny aloka ? Ary raha ny sitrany dia nataony tsy nihetsika izany. Avy eo dia nataonay ny masoandro, ho mpamaritra azy."},{"id":46,"translation":"Avy eo dia noraisinay an-kamorana mankaty Aminay izany."},{"id":47,"translation":"Ary Izy no nanao ny alina ho fitafy ho anareo, sy ny torimaso ho fialan-tsasatra, ary nanao ny andro ho fiverenana amin’ny asa aman-draharaha."},{"id":48,"translation":"Ary Izy no nandefa ireo rivotra, mba ho filazana mialoha ny Indrafony. Ary nampidinanay avy eny an-danitra ny rano madio sy manadio."},{"id":49,"translation":"Mba hamelomanay amin’ny alalan’izany ny tanana efa maty, sy hampisotronay ireo izay noharianay, dia ireo biby (fiompy) sy olombelona maro."},{"id":50,"translation":"Ary efa notsinjaranay teo amin’izy ireo izany (rano) mba hahatsiarovan’izy ireo (Anay), nefa ny ankamaroan’ny olona dia nandà, (ary tsy nanao)afa-tsy ny fikomiana ihany."},{"id":51,"translation":"Raha sitrakay dia nandefasanay mpampitandrina isaky ny tanàna tsirairay."},{"id":52,"translation":"Ka aoka ianao tsy hankatò ireo tsy mpino, ary miadia mafy ianao amin’izy ireo amin’ny alalan’ity (Kor’any ity)."},{"id":53,"translation":"Ary Izy no nampikoriana ireo ranomasina roa, ny anankiray dia mamy manala hetaheta, ny iray hafa kosa dia masina sy mangidy. Ary nasiny elanelana eo amin’izy roa, sy sakana tsy azo dinganina."},{"id":54,"translation":"Ary Izy no nahary avy amin’ny rano ny olombelona, ka nataony mifandray izy ireo amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana sy rohim-panambadiana. Ary ny Tomponao dia manam-pahefana (amin’ny zava-drehetra)."},{"id":55,"translation":"Ary izy ireo dia manompo ankoatr'I Allah, izay tsy manome tombontsoa azy ireo sy tsy manome fahoriana. Ary ny tsy mpino dia manampy lalandava ny fahavalo amin’ny fanoherana ny Tompony."},{"id":56,"translation":"Ary tsy nandefanao Izahay afa-tsy ho mpitondra vaovao mahafaly sy mpampitandrina (ho an’ny zanak’olombelona)."},{"id":57,"translation":"Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo aho amin’izany, afa-tsy izay mila hanaraka ny lalana mankany amin’ny Tompony (dia malalaka izy hanao izany)."},{"id":58,"translation":"Ary ankino ny fitokisanao amin’Ilay Velona Izay tsy mba maty mihitsy. Ary ankalazao ny fahadiovany sy ny voninahiny amin’ny alalan’ny fiderana Azy. Ary Ampy tanteraka Izy hahafantatra ny fahotan’ireo mpanompony."},{"id":59,"translation":"Izay nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelan’izy roa, nandritra ny enina andro. Avy eo nitoetra amin’ny Seza fiandrianana Izy, Ilay be Fiantrana, ka anontanio ny momba Azy amin’izay manam-pahalalana."},{"id":60,"translation":"Ary rehefa tenenina izy Ireo hoe : “Miankohofa amin’ilay be Fiantrana ianareo”, dia miteny izy ireo hoe : “Ary iza moa izany be Fiantrana izany ? Moa hiankohoka eo anatrehan’izay andidianao anay ve izahay ?” Ary vao maika nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany."},{"id":61,"translation":"Ankalazaina anie Ilay nametraka ireo antokon-kintana eny amin’ny lanitra, ary nametraka jiro eo aminy sy volana mpanazava."},{"id":62,"translation":"Ary Izy no nanao ny alina sy ny antoandro hifandimby, ho an’izay te-hahatsiaro (Azy) na koa te-haneho fankasitrahana."},{"id":63,"translation":"Ary ireo mpanompon’Ilay be Fiantrana, dia ireo izay mandeha am-panetren-tena eny ambonin’ny tany, ary rehefa miresaka amin’izy ireo ireo tsy manam-pahalalana dia miteny izy ireo hoe : “Fandriam-pahalemana.”"},{"id":64,"translation":"Ary ireo izay mandany ny alina am-piankohofana sy am-pitsanganana eo anatrehan’i Tompon’izy ireo ;"},{"id":65,"translation":"Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Alaviro anay ny famaizan’ny afobe ”,tena marina fa ny famaizany dia mitohy lalandava."},{"id":66,"translation":"Tena marina fa izany dia ratsy tokoa ho trano fonenana, sy toerana hipetrahana !"},{"id":67,"translation":"Ary ireo izay efa manao fandaniana, dia tsy mandanindany foana ary tsy mahihitra ; fa manao ny antonony eo anelanelan’izany."},{"id":68,"translation":"Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah, sy tsy mamono aina izay voararan’I Allah raha tsy amin’ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga ; koa na iza na iza manao izany dia ahazo sazy."},{"id":69,"translation":"Ampitomboina roa avo heny ny famaizana ho azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary hitoetra ao mandrakizay amim-pahambaniana izy ireo."},{"id":70,"translation":"Afa-tsy izay mibebaka sy mino ary manao asa soa ; izy ireny dia hovan’I Allah ho asa tsara ny asa ratsiny, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":71,"translation":"Ary na iza na iza mibebaka sy manao asa soa,dia miverina amin'I Allah amin'ny fibebahana."},{"id":72,"translation":"Ary ireo izay tsy manao vavolombelona amin’ny lainga, ary rehefa mandalo eo anilan’ny zava-poana izy ireo dia mandalo amim-pahamendrehana."},{"id":73,"translation":"Ary ireo izay efa ampahatsiahivina ireo fanambaran’i Tompony dia tsy mba mody marenina sy jamba amin’izany."},{"id":74,"translation":"Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Omeo anay avy amin’ireo vadinay sy ireo taranakay ny fahafinaretan’ny maso, ary ataovy mpitarika ho an’ireo manam-patahorana izahay."},{"id":75,"translation":"Izy ireny dia omena ny toerana avo ho valisoa, noho izy ireo naharitra, ary ho raisina ao amin’ny fiarahabana omba-piadanana izy ireo."},{"id":76,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa ho trano fonenana sy toerana hipetrahana izany !"},{"id":77,"translation":"Teneno hoe : “Tsy miraharaha anareo ny Tompoko raha tsy nohon'ny fitalahoanareo, satria efa nilaza azy ho mpandainga ianareo, dia tsy maintsy hihatra aminareo tsy an-kijanona (ny famaizana)”."}]},{"id":26,"verses":[{"id":1,"translation":"Twa, Sin, Mim."},{"id":2,"translation":"Indro ireo andinin’ilay Boky mazava."},{"id":3,"translation":"Mety ho reraky ny alahelo ianao,fa tsy mino izy ireo."},{"id":4,"translation":"Raha sitrakay dia ho nampidininay tamin’izy ireo avy eny an-danitra ny famantarana iray, ka ho tavela hiondrika amin’izany ny hatok’izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary tsy misy fampahatsiahivana vaovao avy amin’Ilay be Fiantrana tonga amin’izy ireo, ka tsy mitodi-damosina amin’izany izy ireo."},{"id":6,"translation":"Efa nilaza izy ireo fa lainga (izay rehetra avy amin’ny Tompony), ka ho tonga amin’izy ireo tsy ho ela ireo vaovao mahakasika izay nataon’izy ireo vazivazy."},{"id":7,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo ny tany, firifiry no nampitsirinay teo aminy, amin’ireo karazana zavatra tsiroaroa mahasoa rehetra."},{"id":8,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino."},{"id":9,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":10,"translation":"Ary rehefa niantso an’i Mosesy ny Tomponao hoe : “Aoka ianao ho tonga any amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":11,"translation":"(Any) amin’ny vahoakan’i Faraona ; moa tsy mba hanam-patahorana (Azy) ve izy ireo ?"},{"id":12,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompoko ô ! Tena matahotra aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga\"."},{"id":13,"translation":"Sy mihatery ny tratrako, ary hiraikitra ny lelako, ka mba alefaso i Harona."},{"id":14,"translation":"Ary misy heloka bevava hanenjehan’izy ireo ahy, ka matahotra aho sao dia ho vonoin’izy ireo."},{"id":15,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy izany ! Mandehana ianareo roa miaraka amin’ny fahagagana avy Aminay. Tena marina fa Izahay dia miaraka aminareo sy mihaino\"."},{"id":16,"translation":"Aoka ianareo roa ho tonga any amin’i Faraona, ka ilazao izy hoe : “Izahay dia irak'i Tompon’izao tontolo izao\"."},{"id":17,"translation":"\"Mba handefasanao ireo zanak’Israely hiaraka aminay”"},{"id":18,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Moa ve tsy nobeazinay teto aminay fony mbola kely ianao ? Ary tsy nipetraka teto aminay nandritra ny taona maromaro tamin’ny fiainanao ve ianao ?"},{"id":19,"translation":"Avy eo dia nanao ny asa ratsy izay nataonao ianao, ary isan’ireo tsy mpankasitraka ianao."},{"id":20,"translation":"Niteny izy hoe : “Nataoko tokoa izany, fony aho mbola anisan’ireo very lalana\"."},{"id":21,"translation":"- Ka nandositra aho satria natahotra anareo, avy eo dia nomen’ny Tompoko fahendrena aho, ary nataony ho anisan’ireo Iraka."},{"id":22,"translation":"Ary izany ve no fahasoavana izay ahindrahindranao amiko, nefa ianao nanandevo ireo zanak’Israely ?"},{"id":23,"translation":"Niteny i Faraona hoe : “Fa iza no Tompon’izao tontolo izao ?”"},{"id":24,"translation":"Niteny izy hoe : “Ilay Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, raha toa ka manana fitokisana marina ianareo”."},{"id":25,"translation":"Niteny izy tamin’ireo manodidina azy hoe : “Moa ve tsy henonareo (izany) ?”"},{"id":26,"translation":"Niteny izy hoe : “Ilay Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo teo aloha”."},{"id":27,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Marina fa ny iraka izay nalefa eo aminareo dia tena adala tokoa”."},{"id":28,"translation":"Niteny izy (Mosesy) hoe : “Ilay Tompon’ny atsinanana sy ny andrefana sy izay manelanelana azy ireo, raha mba misaina ianareo !”."},{"id":29,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Raha mandray zanahary hafa ankoatra ahy ianao, dia tena ataoko ho anisan’ireo voafonja”."},{"id":30,"translation":"Dia niteny izy (Mosesy) hoe : “Ary na dia hitondrako zavatra ho porofo miharihary ve ianao ?”."},{"id":31,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Ento àry izany raha toa ka anisan’ireo olona marina ianao”."},{"id":32,"translation":"Ka natorany ny tehiny, dia lasa bibilava lehibe miharihary izany."},{"id":33,"translation":"Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany."},{"id":34,"translation":"Niteny izy (Faraona) tamin’ireo loholona nanodidina azy hoe : “Izany tokoa no mpanao majika mahay”."},{"id":35,"translation":"Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo amin’ny alalan’ny majikany izy, ka inona no hevitra homenareo ahy ?”"},{"id":36,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Ampiandraso izy sy ny rahalahiny, ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona\""},{"id":37,"translation":"Ka ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ireo mpanao majika avo lenta tena mahay."},{"id":38,"translation":"Ka dia navory ireo mpanao majika, ho amin’ny fotoana, amin’ilay andro voatondro."},{"id":39,"translation":"Ary notenenina ireo olona hoe : “Moa ve hivory ianareo ?”"},{"id":40,"translation":"Angamba hanaraka ireo mpanao majika isika raha izy ireo no mivoaka mpandresy."},{"id":41,"translation":"Ka rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny izy ireo tamin’i Faraona hoe : “Moa ve tena hisy valisoa marina ho anay, raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”"},{"id":42,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”."},{"id":43,"translation":"Niteny tamin’izy ireo i Mosesy hoe : “Atsipazo izay hatsipinareo”."},{"id":44,"translation":"Ka natsipin’izy ireo ny tadiny sy ny tehiny ; ary niteny izy ireo hoe : “Amin’ny alalan’ny fahefan’i Faraona ! Izahay no tena hivoaka mpandresy !”."},{"id":45,"translation":"Avy eo dia natsipin’i Mosesy ny tehiny, dia indro izy fa mitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo."},{"id":46,"translation":"Tamin’izay dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika."},{"id":47,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay\"."},{"id":48,"translation":"Tompon’i Mosesy sy Harona."},{"id":49,"translation":"Niteny izy (Faraona) hoe : “Nino azy ve ianareo, alohan’ny hanomezako alalana anareo ? Tena marina fa izy no lehibenareo izay nampianatra anareo ny majika ; ka ho fantatrareo tsy ho ela ! Tena ho tapahiko ny tananareo sy ny tongotrareo izay mifanohitra amin’ny andaniny avy, ary ho fantsihiko amin’ny hazo ianareo rehetra”."},{"id":50,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Tsy misy maharatsy izany ! Marina fa any amin’ny Tomponay no hiverenanay\""},{"id":51,"translation":"Tena marina fa maniry mafy izahay mba ho avelan’ny Tomponay ny fahadisoanay, noho izahay voalohany tamin’ireo mpino."},{"id":52,"translation":"Ary nandefasanay fanambarana i Mosesy hoe : “Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao, fa hisy mpanenjika ianareo”."},{"id":53,"translation":"Ka nandefa mpamory any amin’ireo tanàna i Faraona (hilaza hoe) :"},{"id":54,"translation":"“Tena marina fa andian’olona vitsivitsy ihany izy ireny”."},{"id":55,"translation":"Nefa izy ireo dia mahatezitra anay."},{"id":56,"translation":"Ary isika rehetra kosa dia fatra mpitandrina."},{"id":57,"translation":"Ka navoakanay izy ireo avy tamin’ireo zaridaina sy ireo loharano."},{"id":58,"translation":"Ary ireo harena sarobidy sy ny toerana mendrika."},{"id":59,"translation":"Tahaka izany ! Ary dia nampandovanay ireo zanak’Israely izany (rehetra izany)."},{"id":60,"translation":"Nanenjika azy ireo izy ireo rehefa niposaka ny masoandro."},{"id":61,"translation":"Avy eo, rehefa nifampitazana ny andiany roa, dia niteny ireo olon’i Mosesy hoe : “Marina fa efa ho tratra tokoa isika”."},{"id":62,"translation":"Niteny izy (Mosa) hoe : “Tsia! Tena miaraka amiko ny Tompoko, ka hitari-dalana ahy Izy”."},{"id":63,"translation":"Ka nandefa fanambarana tamin’i Mosesy Izahay hoe : “Kapohy amin’ny tehinao ny ranomasina”. Dia nizara roa izany, ka toy ny tendrombohitra lehibe avo ny andaniny sy ny ankilany."},{"id":64,"translation":"Ary nampanatoninay ny sasany (Faraona sy ny vahoakany)"},{"id":65,"translation":"Fa navotanay i Mosesy sy ireo izay niaraka taminy rehetra."},{"id":66,"translation":"Avy eo dia narendrikay ireo sasany."},{"id":67,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino."},{"id":68,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":69,"translation":"Ary vakio amin’izy ireo ny vaovaon’i (tantaran’i) Abrahama."},{"id":70,"translation":"Rehefa niteny izy tamin’ny rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?”"},{"id":71,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Manompo sampy izahay, ary tsy hitsahatra hiraiki-po amin’izy ireo”."},{"id":72,"translation":"Niteny izy hoe : “Moa ve mandre anareo izy ireo rehefa miantso ianareo ?"},{"id":73,"translation":"Na koa manome tombontsoa anareo ? Na hanisy ratsy anareo ?"},{"id":74,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Tsia ! Fa izahay nahita ireo razambenay dia tahaka izany no nataony”."},{"id":75,"translation":"Niteny izy:moa ve hitanareo izay notompoinareo."},{"id":76,"translation":"Ianareo sy ireo razambenareo taloha ?"},{"id":77,"translation":"Tena marina fa izy ireo dia fahavaloko daholo, afa-tsy ny Tompon’izao tontolo izao."},{"id":78,"translation":"Izay nahary ahy ary Izy no mitari-dalana ahy."},{"id":79,"translation":"Ary Izy no nampihinana ahy sy nampisotro ahy."},{"id":80,"translation":"Ary raha marary aho, dia Izy no manasitrana ahy."},{"id":81,"translation":"Ary Izy no hamono ahy, avy eo hanome aina ahy indray."},{"id":82,"translation":"Ary Izy ilay irìko hamela ireo fahadisoako, amin’ny andro fanomezana ny valin’asa."},{"id":83,"translation":"Tompo ô ! Omeo fahendrena aho, ary ataovy miaraka amin’ireo olo-mendrika."},{"id":84,"translation":"Omeo laza tsara aho amin’ireo taranaka amam-para any aoriana."},{"id":85,"translation":"Ary ataovy an’isan’ireo mpandova ny Paradisan’ny «Na’ìm» (fahafinaretana) aho."},{"id":86,"translation":"Ary mamelà ny heloky ny raiko, satria izy dia tena anisan’ireo very lalana."},{"id":87,"translation":"Ary aza alaina baraka aho amin’ny andro hampitsanganana ireo maty."},{"id":88,"translation":"Amin’ny andro izay tsy hitera-boka-tsoa, na ny harena na ny zanaka."},{"id":89,"translation":"Afa-tsy izay tonga eo anatrehan’I Allah miaraka amin’ny fo madio."},{"id":90,"translation":"Ary hampanatonina ny Paradisa, ho an’ireo nanam-patahorana."},{"id":91,"translation":"Ary haseho ny afobe, ho an’ireo very lalana."},{"id":92,"translation":"Ary ho tenenina amin’izy ireo hoe : “Aiza ireo izay notompoinareo?\""},{"id":93,"translation":"Ankoatr’I Allah ? Moa ve manavotra anareo izy ireo ? Sa afaka manavotra ny tenany ve izy ireo ?"},{"id":94,"translation":"Ary hatsipy hifangaro ao izy ireo, sy ireo very lalana."},{"id":95,"translation":"Toy izany koa ireo miaramilan’i Iblisa rehetra."},{"id":96,"translation":"Hiteny izy ireo ao, sady mifanditra :"},{"id":97,"translation":"Mianiana amin’I Allah izahay fa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa."},{"id":98,"translation":"Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay !"},{"id":99,"translation":"Ary tsy nisy namery lalana anay afa-tsy ireo mpanao heloka bevava !"},{"id":100,"translation":"Ary tsy manana mpanelanelana izahay."},{"id":101,"translation":"Na sakaiza mafana fo !"},{"id":102,"translation":"Raha nanana fahafahana miverina izahay dia ho anisan’ireo mpino !"},{"id":103,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino."},{"id":104,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":105,"translation":"Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan’i Noa."},{"id":106,"translation":"Rehefa niteny tamin’izy ireo i Noa, rahalahin’izy ireo, hoe : “Tsy matahotra (an’I Allah) ve ianareo ?"},{"id":107,"translation":"Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !"},{"id":108,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary ankatoavy aho."},{"id":109,"translation":"Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy mila tambiny aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao."},{"id":110,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":111,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino anao izahay, nefa ireny olona ambany saranga indrindra ireny no manaraka anao ?”"},{"id":112,"translation":"Niteny izy hoe : “Tsy manana fahalalana amin’izay zavatra ataon’izy ireo aho\"."},{"id":113,"translation":"Tsy misy fitsarana azy ireo afa-tsy any amin’ny Tompoko, raha mba tsapanareo izany."},{"id":114,"translation":"Ary tsy izaho mihitsy no handroaka ireo mpino."},{"id":115,"translation":"Tsy iza akory aho afa-tsy mpananatra miharihary ihany."},{"id":116,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Noa dia tena ho anisan’ireo voatora-bato tokoa”."},{"id":117,"translation":"Niteny izy (Noa) hoe : “Tompo ô ! Tena nilaza ahy ho mpandainga ny vahoakako !"},{"id":118,"translation":"Ka tsarao amin’ny fitsarana mazava àry ny amiko sy ny amin’izy ireo ; ary avoty aho sy ireo mpino miaraka amiko”."},{"id":119,"translation":"Dia navotanay izy sy ireo izay niaraka taminy, tao anatin’ny sambo fiara feno tanteraka."},{"id":120,"translation":"Avy eo dia narendrikay taorian’izany ireo sisa tavela."},{"id":121,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino."},{"id":122,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":123,"translation":"Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo ‘Aad."},{"id":124,"translation":"Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Hod hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”"},{"id":125,"translation":"Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !"},{"id":126,"translation":"Ary matahora an’i Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":127,"translation":"Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho ny amin'izany, tsy misy karama afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao aho."},{"id":128,"translation":"Moa ve manorina tsangam-bato isaky ny havoana ianareo mba hanaovanareo rendrarendra ?"},{"id":129,"translation":"Ary moa ve manangana lapa ianareo tahaka ny hitoeranareo mandrakizay ?"},{"id":130,"translation":"Ary rehefa manasazy ianareo, dia manasazy tsy misy fiantràna ."},{"id":131,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":132,"translation":"Ary matahora izay nanome anareo zavatra (tsara rehetra) izay efa fantatrareo ianareo."},{"id":133,"translation":"Izay nanome anareo ireo biby fiompy sy ireo zanaka."},{"id":134,"translation":"Ary ireo zaridaina sy ireo loharano."},{"id":135,"translation":"Marina fa izaho dia matahotra ny famaizana ho anareo amin’ny Andro lehibe."},{"id":136,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Mitovy ihany izany aminay, na mananatra ianao na tsy anisan’ireo mpananatra !"},{"id":137,"translation":"Tsy inona izany fa fomba fiainan’ireo teo aloha ihany."},{"id":138,"translation":"Ary tsy ho faizina velively izahay."},{"id":139,"translation":"Ka nilaza azy ho mpandainga izy ireo. Ary naringanay izy ireo.Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana tokoa ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino."},{"id":140,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":141,"translation":"Nilaza ireo iraka ho mpandainga, ireo Thamody."},{"id":142,"translation":"Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Soalihy hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”"},{"id":143,"translation":"Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !"},{"id":144,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":145,"translation":"Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":146,"translation":"Moa ve avela am-pilaminana amin’izao toe-javatra misy anareo izao ianareo ?"},{"id":147,"translation":"Ao amin’ireo zaridaina sy loharano."},{"id":148,"translation":"Ary ireo voly sy ireo hazo palma izay mora levonina ny voankazony”."},{"id":149,"translation":"Ary lavahanareo amin-pahakingana ireo tendrombohitra ho trano."},{"id":150,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":151,"translation":"Ary aza mankato ny baikon’ireo mpanao ny tafahoatra ianareo."},{"id":152,"translation":"Ireo izay manao ny asa fanimbana eto an-tany, dia tsy manao mihitsy ny asa fanamboarana."},{"id":153,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy\"."},{"id":154,"translation":"Tsy iza akory ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany. ka ento aty aminay àry ny fahagagana, raha anisan’ireo mpilaza ny marina ianao."},{"id":155,"translation":"Niteny izy hoe : “Indro ny rameva vavy, ho azy ny anjara fisotroana amin’ny andro voatondro, ary ho anareo koa ny anjara fisotroana amin’ny andro hafa voatondro\"."},{"id":156,"translation":"Ary aza manao ratsy aminy na dia kely aza ianareo, raha tsy izany dia hiharan’ny famaizana ianareo amin’ny andro lehibe."},{"id":157,"translation":"Nefa mbola novonoin’izy ireo ihany izy (ny rameva vavy), noho izany dia nanenina izy ireo !"},{"id":158,"translation":"Koa niharan’ny famaizana izy ireo. Marina fa misy famantarana ny ao anatin’izany. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino."},{"id":159,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":160,"translation":"Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan' i Lota."},{"id":161,"translation":"Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Lota hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?\""},{"id":162,"translation":"Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !"},{"id":163,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":164,"translation":"Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’i Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":165,"translation":"Moa ve manao firaisana ara-nofo amin’ny lehilahin’izao tontolo izao ianareo ?"},{"id":166,"translation":"Ary avelanareo ireo vehivavy vadinareo izay noharian’i Tomponareo ho anareo ? Ary ianareo dia tena vahoaka mpandika lalàna."},{"id":167,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Lota, dia tena ho anisan’ireo atao sesi-tany\"."},{"id":168,"translation":"Niteny izy (Lota) hoe : “Marina fa izaho dia anisan’ireo mankahala ny asa izay ataonareo\"."},{"id":169,"translation":"Tompo o ! Avoty aho sy ny fianakaviako amin’izay ataon’izy ireo."},{"id":170,"translation":"Ka navotanay àry izy sy ny fianakaviany rehetra."},{"id":171,"translation":"Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana."},{"id":172,"translation":"Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany."},{"id":173,"translation":"Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oram-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana."},{"id":174,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino."},{"id":175,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":176,"translation":"Nilaza ireo iraka ho mpandainga ireo olon’ny Al-Aikaty."},{"id":177,"translation":"Rehefa niteny tamin’izy ireo i Choaymbo hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”"},{"id":178,"translation":"Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !"},{"id":179,"translation":"Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":180,"translation":"Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao."},{"id":181,"translation":"Manomeza fatra feno ianareo,fa azamanao ho isan'ieo mpanena fatra."},{"id":182,"translation":"Ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo."},{"id":183,"translation":"Ary aza manome ny olona izay latsaky ny tokony ho azy ianareo; ary aza manao fanakorontanana sy asa fanimbana eto an-tany ianareo."},{"id":184,"translation":"Ary matahora Ilay Nahary anareo sy ireo taranaka teo aloha ianareo."},{"id":185,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy\"."},{"id":186,"translation":"Tsy iza ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany ; ary izahay dia mihevitra tokoa fa tena anisan’ireo mpandainga ianao."},{"id":187,"translation":"Noho izany dia andatsaho ny tapaky ny lanitra izahay raha toa ka milaza ny marina ianao !”"},{"id":188,"translation":"Niteny izy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay ataonareo”."},{"id":189,"translation":"Nefa nolazain’izy ireo fa mpandainga izy. Ka niharan’ny famaizan’ny andron’ny aloka izy ireo. Ary izany dia tena famaizan’ny andro lehibe."},{"id":190,"translation":"Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino."},{"id":191,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":192,"translation":"Izy io (ny Kor’any) dia ny Tompon’izao tontolo izao no nampidina azy."},{"id":193,"translation":"Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana (Anjely Gabriely)."},{"id":194,"translation":"(Hametraka azy) Ao amin’ny fonao, mba ho anisan’ireo mpampitandrina ianao."},{"id":195,"translation":"Amin’ny fiteny arabo mazava tsara."},{"id":196,"translation":"Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara ao anatin’ny soratra masin’ireo teo aloha."},{"id":197,"translation":"Moa ve tsy famantarana ho azy ireo izany, fa ireo manam-pahaizan’ny zanak’Israely dia mahafantatra tsara izany ?"},{"id":198,"translation":"Ary raha nampidina an’izany tamin’ny olon-kafa tsy arabo Izahay."},{"id":199,"translation":"Ary novakiany tamin’izy ireo izany, dia tsy nino izany ihany izy ireo."},{"id":200,"translation":"Tahaka izany no nampidiranay azy (ny ahiahy) tao amin’ny fon’ireo mpanao heloka bevava."},{"id":201,"translation":"Ka tsy hino izany (Kor’any izany) izy ireo alohan’ny ahitan’izy ireo ny famaizana mamirifiry."},{"id":202,"translation":"Izay ho tonga tampoka amin’izy ireo, ary tsy ahatsapa izany mihitsy izy ireo."},{"id":203,"translation":"Dia hiteny izy ireo hoe : “Moa ve ahazo fe-potoana izahay ?”"},{"id":204,"translation":"Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina ?"},{"id":205,"translation":"Hitanao ve raha omenay fahafinaretana izy ireo mandritra ny taona maro."},{"id":206,"translation":"Avy eo dia ho tonga amin’izy ireo izay nampitahorana azy ireo."},{"id":207,"translation":"Tsy nahavita na inona na inona amin’izy ireo, ireo fahafinaretana izay nomena azy ireo."},{"id":208,"translation":"Ary tsy mandringana tanàna Izahay raha tsy efa nisy ireo mpampitandrina ao aminy."},{"id":209,"translation":"Ho fampahatsiahivana ity, ary Izahay dia tsy mba mpanao ny tsy rariny."},{"id":210,"translation":"Ary tsy mba ireo satana no nidina niaraka tamin’ity (Kor’any ity)."},{"id":211,"translation":"Ary tsy mendrika ho azy ireo izany, no sady tsy manam-pahefana (amin’izany) izy ireo."},{"id":212,"translation":"Satria izy ireo dia tena nohalavirina amin’ny fihainoana (ny hafatra masina)."},{"id":213,"translation":"Ka aoka ianao tsy hiantso Tompo hafa miaraka amin’I Allah, raha tsy izany dia ho anisan’ireo ho faizina ianao."},{"id":214,"translation":"Ary ampitandremo (ry Mohammady) ireo havanao akaiky."},{"id":215,"translation":"Ampidino ny elatrao (aoka ianao halemy fanahy) amin’ireo mpino izay manaraka anao."},{"id":216,"translation":"Ary raha tsy mankatò anao izy ireo, dia teneno hoe : “Izaho dia mitsipaka izay ataonareo”."},{"id":217,"translation":"Ary ankino amin’Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo ny fitokisanao."},{"id":218,"translation":"Izay mahita anao rehefa mitsangana ianao."},{"id":219,"translation":"Sy ny fihetsikao eo anivon’ireo mpiankohoka."},{"id":220,"translation":"Izy no Ilay tena Maheno sy Mahalala ."},{"id":221,"translation":"Ho lazaiko anareo ve amin’iza no midina ireo satana ?"},{"id":222,"translation":"Midina amin’izay rehetra be famoronan-dainga sy be fahotana izy ireo."},{"id":223,"translation":"Mampandry sofina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mpandainga avokoa."},{"id":224,"translation":"Fa ireo mpanao tononkalo kosa, dia manaraka azy ireo avy izay very lalana."},{"id":225,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa izy ireo dia mirenireny isaky ny lohasaha."},{"id":226,"translation":"Ary izy ireo dia miteny izay tsy ataony."},{"id":227,"translation":"Afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, ary mahatsiaro matetika an’I Allah sy miaro tena amin’ny tsy rariny izay natao azy ireo. Ary ho fantatr’ireo izay nanao ny tsy rariny fa fiverenana toy inona no hiverenan’izy ireo !"}]},{"id":27,"verses":[{"id":1,"translation":"Twa, Sin. Indro ireo andinin’ny Kor’any, sy ny Boky mazava."},{"id":2,"translation":"Tari-dalana sy vaovao tsara ho an’ireo mpino."},{"id":3,"translation":"Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any ankoatra."},{"id":4,"translation":"Hamafisina, fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia hatsarainay (eo imason’izy ireo) ny asany, ka ho sahiran-tsaina sy hisalasala izy ireo."},{"id":5,"translation":"Izy ireo dia ahazo ny sazy ratsy indrindra, ary ho maty antoka indrindra any ankoatra."},{"id":6,"translation":"Hamafisina fa ianao no mandray ny Koroany avy amin’Ilay be Fahendrena indrinra, Ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":7,"translation":"(Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”."},{"id":8,"translation":"Nony tonga teny izy, dia nantsoina : “Masina anie, ilay ao anatin’ny afo, sy izay manodidina azy, ary voninahitra ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao”."},{"id":9,"translation":"“Ry Mosesy ! Izaho no Tompo Zanahary, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":10,"translation":"Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako."},{"id":11,"translation":"Afa-tsy izay nanao ny tsy rariny, sy nanakalo ny tsara amin’ny ratsy. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Aho!"},{"id":12,"translation":"“Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”."},{"id":13,"translation":"Ary nony tonga tamin’izy ireo ny fahagagana avy taminay, izay mazava miharihary tokoa, dia hoy izy ireo hoe : “Majika miharihary tokoa io”."},{"id":14,"translation":"Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. Jereo ary ny fiafaran’ireo mpanimba."},{"id":15,"translation":"Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino."},{"id":16,"translation":"Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa."},{"id":17,"translation":"Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo."},{"id":18,"translation":"Ary rehefa tonga tao amin’ny lohasahan’ireo vitsika izy ireo dia nisy vitsika niteny hoe : Ry vitsika ! Midira ao amin’ny fonenanareo ianareo mba tsy hanitsahan’i Salomona sy ireo miaramilany anareo, nefa tsy hahatsapa izany akory izy ireo."},{"id":19,"translation":"Nitsiky izy (Salomona), (faly) tamin’ny teniny ; ary niteny hoe : mamela ahy ianao ry Tompo ! Mba hankasitraka ny fahasoavanao izay nomenao ahy sy ireo ray aman-dreniko ; ary mba hanao asa soa izay ankasitrahanao ; ka ampidiro amin’ny alalan’ny famindram-ponao aho ,ho isan’ireo mpanomponao mendrika."},{"id":20,"translation":"Avy eo dia nitady ilay vorona izy, ka niteny hoe : nahoana no tsy mba hitako i Railovy, anisan’ireo tsy tonga ve izy?"},{"id":21,"translation":"Tena ho faiziko mafy tokoa izy na koa tena ho tapahiko mihitsy ny vozony ! Na izy hitondra porofo mazava tsara amiko."},{"id":22,"translation":"Nefa tsy niandry ela akory izy afa-tsy fotoana vitsivitsy fotsiny (dia tonga),ary niteny hoe : mahafantatra izay mbola tsy fantatrao aho ! Ary nitondrako vaovao tena marina ianao avy any Saba (Hoy Railovy tamin’i Salomona)."},{"id":23,"translation":"Hamafisiko (hoy Railovy), fa izaho dia nahita vehivavy izay tompon’ny fanjakana amin’izy ireo, ary nomena azy daholo ny zava-drehetra ary manana seza fiandrianana lehibe izy."},{"id":24,"translation":"Hitako izy sy ny vahoakany izay samy niankohoka eo anoloan’ny masoandro fa tsy amin’I Allah. Ary nohatsarain’ny satana ny asan’izy ireo sady naviliny lalana tsy ho amin’ny lala-mahitsy ary tsy nahazo tari-dalana ihany koa izy ireo."},{"id":25,"translation":"Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?"},{"id":26,"translation":"Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Tompon’ny seza fiandrianana lehibe !"},{"id":27,"translation":"Niteny izy (Salomona) hoe : ho jerentsika raha (milaza) marina tokoa ianao, na koa anisan’ireo mpandainga."},{"id":28,"translation":"Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo."},{"id":29,"translation":"Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Misy taratasy iray mihaja izay natoraka teo amiko."},{"id":30,"translation":"Tena marina fa avy amin’i Salomona ilay izy. Ary tena misoratra hoe : Amin’ny anaran’I Allah, ilay be fiantrana,Ilay be indrafo."},{"id":31,"translation":"Aza manambony tena amiko ianareo, koa avia aty amiko amim-panetre-tena tanteraka ianareo."},{"id":32,"translation":"Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Omeo toro-hevitra aho amin’ity raharaha ity, satria tsy hanapa-kevitra mihitsy aho raha tsy eo anatrehanareo."},{"id":33,"translation":"Niteny izy ireo (loholona) hoe : manana hery sy tanjaka tsy refesi-mandidy izahay. Fa ny fanapahana kosa dia avy aminao (ry Mpanjaka), koa jereo ary izay baiko tianao hatao (ny fanapahan-kevitra tianao ho raisina)."},{"id":34,"translation":"Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo."},{"id":35,"translation":"Ary tena handefa fanomezana ho an’izy ireo aho, ka ho hitako eo izay ho entin’ireo iraka miverina."},{"id":36,"translation":"Avy eo, rehefa tonga teto anatrehan’i Salomona (ny iraka), dia niteny izy hoe : moa ve hanampy ahy amin’ny alalan’ny harena ianareo ? Nefa izay nomen’I Allah ahy dia tsara kokoa noho izay nomenareo. Kanefa ianareo dia mifaly amin’ny fanomezanareo."},{"id":37,"translation":"Miverena any amin’izy ireo ianao. Ary hamafisinay fa hitondranay miaramila izay tsy ho vitan’izy ireo ny hiatrika izany (hanafika azy ireo izahay), ary ataonay sesi-tany tokoa izy ireo, ho afa-baraka sady ho voaheso (hahatsiaro-tena ho ambany)."},{"id":38,"translation":"Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?"},{"id":39,"translation":"Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany."},{"id":40,"translation":"Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa."},{"id":41,"translation":"Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana."},{"id":42,"translation":"Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah."},{"id":43,"translation":"Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino."},{"id":44,"translation":"Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao."},{"id":45,"translation":"Ary marina tokoa, fa nalefanay tamin'i Thamoda ny rahalain' izy ireo Soaleh (nilaza tamin'izy ireo) : “Manompoa an’I Allah ary indro, fa nizara ho vondron'olona roa izay nifanditra izy ireo”."},{"id":46,"translation":"Dia niteny izy hoe : ry vahoakako ! Nahoana no mitady hanafaingana ny ratsy alohan’ny tsara ianareo ? Raha mba mangataka famelan-keloka amin’I Allah ianareo ? Angamba mba ahazo famindram-po ianareo."},{"id":47,"translation":"Niteny izy ireo hoe : izahay dia mahita anao sy ireo izay miaraka aminao, ho mpitondra loza. Niteny izy hoe : ny anjaranareo dia miankina amin’I Allah. Nefa ianareo dia vahoaka mandalo fitsapana tokoa."},{"id":48,"translation":"Ary nisy andian’olona sivy (9) tao an-tanàna, izay mpanao asa fanimbana teto an-tany ary tsy mba manao asa fanatsarana mihitsy."},{"id":49,"translation":"Niteny izy ireo hoe : mianiana amin’I Allah izahay fa tena hanafika azy sy ny fianakaviany amin’ny alina. Avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’izay omena andraikitra ny hamaly faty azy hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina."},{"id":50,"translation":"Nanao tetik’ady izy ireo, dia nanao tetik’ady ihany koa Izahay, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa izany."},{"id":51,"translation":"Koa jereo ary ahoana no fiafaran’ny tetik’adin’izy ireo : naringanay avokoa izy ireo sy ny vahoakany rehetra."},{"id":52,"translation":"Indro ary fa ny tranon’izy ireo dia foana nohon'ny fanaovan’izy ireo ny tsy rariny. Marina fa amin’izany dia tena misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mahafantatra."},{"id":53,"translation":"Ary navotanay ireo izay nino sy nanam-patahorana."},{"id":54,"translation":"Ary ampahatsiahivo azy ireo mahakasika an’i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : Nirona amin’ny asa vetaveta ve ianareo, nefa ianareo dia olona mahiratra tsara?"},{"id":55,"translation":"Ianareo dia tena mandeha amin’ireny lehilahy ireny mba hakanareo fahafinaretana ankoatr’ireo vehivavy, ianareo dia vahoaka tena anatin’ny habadoana tokoa."},{"id":56,"translation":"Tsy inona no valin-tenin’ny vahoakany afa-tsy hoe : “Roahy hiala amin’ny tanànanareo ny fianakavian’i Lota ! Satria izy ireo dia olona tia manadio tena”."},{"id":57,"translation":"Dia navotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay efa nalahatray ho anisan’ireo voaringana."},{"id":58,"translation":"Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oran-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana."},{"id":59,"translation":"Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?"},{"id":60,"translation":"Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa."},{"id":61,"translation":"Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !"},{"id":62,"translation":"Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !"},{"id":63,"translation":"Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy."},{"id":64,"translation":"Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”"},{"id":65,"translation":"Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo ."},{"id":66,"translation":"Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo."},{"id":67,"translation":"Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Moa ve rehefa lasa vovoka izahay sy ireo razambenay, dia mbola havoaka indray mandeha ?"},{"id":68,"translation":"Na dia izany aza, efa nampanantenaina izany izahay sy ireo razambenay teo aloha. Tsy inona ary izany fa anganon’ireo ntaolo."},{"id":69,"translation":"Teneno : Mandehana mitety ny tany ianareo ka jereo, ahoana ny fiafaran’ireo mpanao heloka bevava."},{"id":70,"translation":"Ary aoka ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo, ary aoka ihany koa ianao tsy hitebiteby nohon'ny tetika izay ataon’izy ireo."},{"id":71,"translation":"Ary hoy izy ireo : “Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?”."},{"id":72,"translation":"Teneno hoe : “Raha ny ampahany amin’izay tadiavinareo ho hafainganina,dia tonga ary tsy maintsy hanaraka ianareo“."},{"id":73,"translation":"Marina fa ny Tomponao no tompom-pahasoavana amin’olombelona kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mankasitraka."},{"id":74,"translation":"Ary marina fa ny Tomponao dia mahalala izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay ahariharin’izy ireo."},{"id":75,"translation":"Ary tsy misy zava-miafina any an-danitra sy eto an-tany ka tsy voarakitra ao anatin’ny Boky mazava."},{"id":76,"translation":"Marina fa ity Koroany ity dia mitantara mahakasika ireo zanak‘Israely amin’ny amaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo."},{"id":77,"translation":"Ary hamafisina fa izany dia tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo mpino."},{"id":78,"translation":"Marina fa ny Tomponao dia hitsara eo amin’izy ireo araka ny lalàny, ary Izy ilay Mahery sy ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":79,"translation":"Ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, satria ianao tokoa dia ao anatin’ny fahamarinana miharihary."},{"id":80,"translation":"Ary hamafisina,fa ianao dia tena tsy afaka hampandre ireo maty ary tsy afaka ihany koa hampandre ireo marenina raha mitodi-damosina izy ireo."},{"id":81,"translation":"Ary tsy afaka mihitsy hitari-dalana ireo jamba amin’ny fahaverezana ianao. Ary tsy afaka hampandre afa-tsy ireo izay mino an’ireo fanambaranay no sady manolo-tena tanteraka ho amin’izany ianao."},{"id":82,"translation":"Ary rehefa mihatra amin’izy ireo ny teny, dia havoakanay hiteny amin’izy ireo ny biby iray lehibe avy amin’ny tany, ka hanao hoe : “Marina fa ny olombelona dia tsy mahatoky tanteraka ireo fanambarananay”."},{"id":83,"translation":"Ary amin’ny andro izay hamorianay avy amin’ny vahoaka, ireo andian’olona izay nilaza fa ho lainga ny fanambaranay dia halahatra tokoa izy ireo."},{"id":84,"translation":"Avy eo, rehefa tonga izy ireo dia hiteny (I Allah) hoe : “Moa ve nilaza ireo fanambarako ho lainga ianareo, nefa tsy nanana fahalalana momba izany akory ianareo ? Na koa, inona àry no nataonareo ?“"},{"id":85,"translation":"Ary hihatra amin’izy ireo ny Teny nohon'ny tsy rariny izay nataon’izy ireo. Ka tsy afaka hiteny na inona na inona intsony izy ireo."},{"id":86,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo tokoa fa Izahay no nanao ny alina mba ahazoan’izy ireo fialan-tsasatra, ary ny andro mba ahafahana mijery ? Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino."},{"id":87,"translation":"Ary amin’ny andro izay hitsofana ny Trompetra dia hatahotra daholo izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany afa-tsy ireo izay sitrak’I Allah ! Ary ny rehetra dia ho tonga eo Aminy amim-panetren-tena."},{"id":88,"translation":"Ary hahita ireo tendrombohitra ianao, heverinao fa tsy mihetsika izy ireo nefa dia mandeha tahaka ny fandehan’ny rahona izy ireo. Asan’I Allah no nanao ny zava-drehetra tonga lafatra. Marina tokoa fa Izy Ilay Mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo !"},{"id":89,"translation":"Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa noho izany izy, ary amin’izany andro izany, dia ho voaaro amin’ny tahotra izy ireo."},{"id":90,"translation":"Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ?"},{"id":91,"translation":"“Tsy nodidiana aho afa-tsy hanompo Ilay Tompon’ity Tanàna ity izay nohamasininy; ary Azy ny zava-drehetra, ary nodidiana aho mba ho anisan’ireo mpanolo-tena (ho an’I Allah /ho mpino Silamo)."},{"id":92,"translation":"Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”."},{"id":93,"translation":"Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo."}]},{"id":28,"verses":[{"id":1,"translation":"Twa, Sin, Mim."},{"id":2,"translation":"Indro ireo andinin’ilay Boky mazava."},{"id":3,"translation":"Hovakinay aminao amim-pahamarinana, ny ampahan’ny tantaran’i Mosesy sy i Faraona, ho an’ireo vahoaka izay mino."},{"id":4,"translation":"Tena marina fa i Faraona dia nanambony tena teto an-tany ; ary nozarazarainy ny mponina tao Aminy, mba hahafahany manararaotra ny fahalemen’ny ampahany iray amin’izy ireo ; tapahany ny vozon’ny zanaka lahin’izy ireo, ary avelany ho velona kosa ireo vehivavin’izy ireo. Marina fa izy dia anisan’ireo mpanao asa fanimbana."},{"id":5,"translation":"Nefa Izahay dia mila hanome tombony ho an’ireo izay nalemena teto an-tany, ka ataonay ho mpitarika izy ireo, sy ataonay ho mpandova."},{"id":6,"translation":"Ary ho manam-pahefana izy ireo eto an-tany, ary hasehonay amin’i Faraona, amin’i Hamàna ary amin’ny miaramilan’izy roa, amin’ny alalan’izy ireo (zanak’Israely), izay natahoran’izy ireo."},{"id":7,"translation":"Ary nandefasanay hafatra ny renin’i Mosesy hoe : “Ampinonoy izy. Ary raha matahotra ny aminy ianao, dia alatsaho anaty renirano izy. Ary aza matahotra sy malahelo ianao ; tena marina fa Izahay dia hamerina azy eo aminao, ary hanao azy ho anisan’ireo Iraka”."},{"id":8,"translation":"Ary noraisin’ireo fianakavian’i Faraona izy, mba ho lasa fahavalo sy (ho loharanon’ny) alahelo ho azy ireo ! Marina fa i Faraona, Hamàna ary ireo miaramilany dia nanam-pahadisoana."},{"id":9,"translation":"Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo."},{"id":10,"translation":"Lasa foana ny fon’ny renin’i Mosesy, saika haharihariny avokoa ny momba azy, raha tsy nohamafisinay ny fony, mba ho anisan’ireo mpino izy."},{"id":11,"translation":"Ary niteny tamin’ny anabaviny izy hoe : “Araho izy”, ka tazany avy lavitra izy, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa akory."},{"id":12,"translation":"Ary noraranay taminy hatreto ireo mpampinono. Dia niteny izy hoe : “Moa ve sitrakareo ny hanoroako anareo ny fianakavian’ny trano iray, izay afaka hiandraikitra azy ho anareo sady hanoro hevitra tsara ho azy ?”"},{"id":13,"translation":"Ary dia naverinay tany amin’ny reniny izy, mba hamalifaly ny masony, sy tsy hampalahelo azy, ary mba ahafantarany fa ny fampanantenan’I Allah dia marina tokoa. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra."},{"id":14,"translation":"Ary rehefa tonga tamin’ny fahamatoran-tsainy sy nahatratra ny fahafenoana ara-batana izy, dia nomenay fahafahana mitsara sy fahalalana izy. Ary tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao tsara."},{"id":15,"translation":"Ary niditra tao amin’ny tanàna izy tamin’ny fotoana nahavariana ny mponina tao aminy, ka nahita lehilahy roa izay niady tao izy, ny iray avy amin’ny andaniny mpomba azy, ary ny iray faharoa avy amin’ireo fahavalony. Niantso vonjy taminy ilay lehilahy avy amin’ny andaniny mpomba azy mba hanohitra ilay avy amin’ny fahavalony. Ka nomen’i Mosesy totohondry izay nahafaty azy izy. Niteny izy hoe : “Izany dia asan’ny satana. Tena marina fa izy dia fahavalo, mpanary miharihary."},{"id":16,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo."},{"id":17,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”."},{"id":18,"translation":"Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”."},{"id":19,"translation":"Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”."},{"id":20,"translation":"Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”."},{"id":21,"translation":"Ka nivoaka niala tao izy, amim-patahorana, sady mjery ny manodidina azy. Niteny izy nanao hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin’ny vahoaka mpanao ny tsy rariny”."},{"id":22,"translation":"Ary rehefa nizotra nankany Madiàna izy, dia niteny hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dalana ahy amin’ny lala-mahitsy”."},{"id":23,"translation":"Ary rehefa tonga teo amin’ny toerana misy rano tao Madiàna izy, dia nahita andian’olona izay mampisotro rano (ny biby fiompin’izy ireo), ary nahita koa izy, vehivavy anankiroa mbola mihataka lavidavitra kely, izay mitazona (ireo biby fiompiny). Niteny izy (Mosesy) hoe : “Inona no tadiavinareo ?”. Namaly izy roa nanao hoe : “Tsy hampisotro rano mihitsy izahay raha tsy efa lasa daholo ireo mpiandry ondry\" ; ary ny rainay dia tena efa antitra."},{"id":24,"translation":"Nampisotroiny (ireo biby fiompin’) izy roa, avy eo dia niverina nankany amin’ny aloka izy sady niteny nanao hoe : “Tompo ô ! Tena ilaiko tokoa ny fahasoavana izay hampidininao amiko”."},{"id":25,"translation":"Avy eo dia tonga taminy ny iray tamin’ireo vehivavy anankiroa, mamindra amim-pahamaontinana, ka niteny taminy hoe : “Tena miantso anao ny raiko mba hanomezany anao valisoa tamin’ny fampisotroanao anay (ho an’ireo biby fiompinay)” Ary rehefa tonga teo anatrehany izy, ka notantarainy taminy ny tantara, dia niteny izy (ilay anti-dahy) nanao hoe : “Aza matahotra fa avotra tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ianao”."},{"id":26,"translation":"Niteny ny iray tamin’izy roa (vavy) hoe : “Ry dada ô ! Ampiasao handray karama izy, satria ny tena tsara amin’izay hampiasanao ho karamaina dia ilay matanjaka sy mendri-pitokisana”."},{"id":27,"translation":"Niteny izy (ilay anti-dahy) hoe : “Izaho dia te-hampanambady anao ny iray amin’ireo zanako vavy roa ireo, raha toa ka vonona ianao hiasa amiko mandritra ny valo taona. Raha fenoinao folo (taona) kosa izany dia miankina aminao ihany, na dia izany aza dia tsy mitady izay hampanahirana anao aho. Ka ho hitanao aho, raha sitrak’I Allah, fa anisan’ireo olona tsara”"},{"id":28,"translation":"Niteny izy (Mosa) hoe : “Izany dia (fifanarahana) eo amiko sy ianao. Ka na inona na inona tanterahiko amin’ireo fe-potoana ankiroa ireo, dia tsy misy fanerena azo atao amiko. Ary Allah no Mpiantoka amin’izay rehetra lazaintsika ”."},{"id":29,"translation":"Koa rehefa nanatanteraka ny fe-potoana nifanarahana i Mosesy, ary lasa nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany izy, dia nahatazana afo tamin’ny sisin’ilay tendrombohitra izy. Niteny tamin’ny fianakaviany izy nanao hoe : “Mipetraha eto ianareo. Nahita afo aho. Angamba hitondra vaovao ho anareo aho avy amin’izany, na tapa-porohan’afo mba ahafahanareo manafana tena”."},{"id":30,"translation":"Ka rehefa tonga teny aminy izy, dia voaantso avy eo amin’ny sisin’ny lohasaha havanana, amin’ilay toerana feno fahasoavana, tamin’ilay hazo nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Tena marina fa Izaho no Allah, Tompon’izao tontolo izao."},{"id":31,"translation":"Ary atsipazo ny tehinao”, ary rehefa hitany nihetsiketsika toy ny biby lava izany, dia nitodi-damosina (nandositra) izy sady tsy nitoditodika. “Ô ry Mosesy ! Manatòna ianao ary aza matahotra, fa ianao dia tena anisan’ny voaaro”."},{"id":32,"translation":"“Ampidiro amin’ny vakin’ny lambanao avy eo amin’ny tratra ny tananao, hivoaka ho fotsy tsy misy aretina izany. Ary fihino mafy amin’ny tenanao ny tananao mba tsy hatahotra ianao. Izy roa ireo dia porofo avy amin’ny Tomponao ho (entina) any amin’i Faraona sy ireo loholony. Marina fa izy ireo dia vahoaka mpanao asa ratsy”."},{"id":33,"translation":"Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Izaho dia namono olona iray tamin’izy ireo, koa matahotra sao dia ho vonoin’izy ireo aho."},{"id":34,"translation":"Fa i Harona rahalahiko dia mahafantatra mandaha-teny kokoa noho izaho. Koa alefaso izy miaraka amiko ho mpanampy, hanamarina ny teniko, tena matahotra tokoa aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga”."},{"id":35,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “Hamafisinay àry ny sandrinao amin’ny alàlan’ny rahalahinao, ary omenay fahefana ianareo roa, ka tsy ahakasika anareo izy ireo. Nohon'ny famantarana (fahagagana) avy Aminay, dia ianareo roa sy izay manaraka anareo no ho mpandresy”."},{"id":36,"translation":"Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava, dia niteny izy ireo hoe : “Tsy inona ity afa-tsy majika noforonina. Ary tsy mbola naheno izao izahay tamin’ireo razambenay teo aloha”."},{"id":37,"translation":"Ary niteny i Mosesy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana avy Aminy, ary ho an’iza ny fonenana farany. Marina fa tsy ahita fahombiazana ireo mpanao ny tsy rariny”."},{"id":38,"translation":"Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”."},{"id":39,"translation":"Ary nanambony tena izy sy ny miaramilany teto ambonin’ny tany, tsy amim-pahamarinana. Ary nihevitra tokoa izy ireo fa tsy haverina aty Aminay."},{"id":40,"translation":"Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty ranomasina. Jereo àry ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":41,"translation":"Ary nataonay ho mpitarika miantso mankany amin’ny Afobe izy ireo. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty) dia tsy avotana izy ireo."},{"id":42,"translation":"Ary nampanarahanay azy ireo, ny ozona eto an-tany. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty), izy ireo dia ho anisan’ny ratsy indrindra."},{"id":43,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo."},{"id":44,"translation":"Tsy teo amin’ny ilany andrefan’ (ny tendrombohitra Sinay) ianao (ry Mohammad), rehefa namoaka ny didy tamin’i Mosesy Izahay, ary tsy anisan’ireo vavolombelona ianao."},{"id":45,"translation":"Kanefa, tena marina fa nahary taranaka maro Izahay, izay nihalava tamin’izy ireo ny taona niainany (tsy misy Iraka). Ary ianao dia tsy anisan’ireo niara-monina tamin’ny vahoakan’i Madiàna ka namaky ny fanambaranay tamin’izy ireo; nefa Izahay no nandefa ireo Iraka."},{"id":46,"translation":"Ary ianao dia tsy teo amin’ny ilan’ny tendrombohitra raha niantso Izahay. Fa (tonga ianao) ho famindram-pò avy amin’ny Tomponao, mba hampitandrina ny vahoaka izay tsy nisy Mpampitandrina talohanao tonga tamin’izy ireo, angamba ahatsiaro izy ireo."},{"id":47,"translation":"Fa raha misy fahoriana manjò azy ireo nohon'ny vokatr’izay nataon’ny tànany dia hiteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no tsy mba nandefa Iraka taminay Ianao ? Mba nanarahanay ireo Fanambaranao, ka ho anisan’ireo mpino izahay”."},{"id":48,"translation":"Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy Aminay, dia niteny izy ireo hoe : “Raha mba nomena mitovy amin’izay nomena an’i Mosesy izy” Moa tsy nitsipaka izay nomena an’i Mosesy teo aloha ve izy ireo ? Niteny izy ireo hoe : “Majika ankiroa (Thorà sy Kor’àny) no nifanohana !”. Ary niteny izy ireo hoe : “Izahay dia tsy mino na dia iray aza amin’izy ireo”."},{"id":49,"translation":"Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah izay tari-dalana mendrika kokoa noho izy roa ireo, ka hanaraka izany aho raha marina ny anareo”."},{"id":50,"translation":"Fa raha tsy mamaly anao izy ireo, dia fantaro àry fa ny sitrapon’izy ireo ihany no arahin’izy ireo. Ary iza koa no very lalana mihoatra izay manaraka ny sitrapony nefa tsy misy tari-dalana avy amin’I Allah ? Marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny."},{"id":51,"translation":"Ary efa novelabelarinay tamin’izy ireo ny teny (Kor’àny), angamba izy ireo hahatsiaro."},{"id":52,"translation":"Ireo izay nomenay ny Boky, talohan’ny (Kor’àny), izy ireo dia mino azy."},{"id":53,"translation":"Ary raha vakiana amin’izy ireo ny (Kor’àny), dia miteny izy ireo manao hoe : “Mino izany tanteraka izahay, tena marina fa izy io dia avy amin’ny Tomponay, ary izahay talohan’ny nahatongavany dia efa nankato (an’I Allah)”."},{"id":54,"translation":"Izy ireny dia ho tolorana ny valisoany in-droa miantoana nohon'ny faharetan’izy ireo, sy mamaly ny ratsy amin’ny alalan’ny tsara izy ireo, ary manao ny asa fandaniana amin’izay nomenay azy izy ireo."},{"id":55,"translation":"Ary rehefa maheno ny zava-tsinontsinoavina izy ireo, dia mitodi-damosina, ka miteny manao hoe : “Ho anay ny asanay, ary ho anareo ny asanareo. Fiadanana anie ho anareo ! Ary tsy mitady ireo bado izahay”."},{"id":56,"translation":"Tena marina fa ianao (ry Mohammady) dia tsy afaka hitari-dalana izay tianao, fa I Allah kosa no mitari-dalana izay sitrany, ary Izy no tena mahafantatra ireo izay (ho) voatari-dalana."},{"id":57,"translation":"Ary nilaza izy ireo nanao hoe : “Raha manaraka ny tari-dalana tsara miaraka aminao izahay, dia ho esorina amin’ny taninay”. Moa tsy napetrakay tamin’ny tany masina, azo antoka ve izy ireo, izay hitondràna ny vokatra isan-karazany ho anjara fanomezana avy aty Aminay ? Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra."},{"id":58,"translation":"Ary firifiry moa ny tanàna narendrikay izay tsy nahalala nankasitraka tamin’ny fiainany (nefa ny mponina tao aminy dia niaina tamin’ny fahampiana), fa indro ny toeram-ponenan’izy ireo, tsy nisy nipetraka afa-tsy vitsy an'isa ihany taorian’izy ireo, ary Izahay tokoa no tena Mpandova."},{"id":59,"translation":"Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny."},{"id":60,"translation":"Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?"},{"id":61,"translation":"Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?"},{"id":62,"translation":"Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”"},{"id":63,"translation":"Niteny ireo izay niharan’ny fitenenana nanao hoe : “Tomponay ô ! Ireny (ny vahoaka) izay noverezinay, noverezinay izy ireo tahaka ny nahavery anay ihany koa. Mitsipaka (azy ireo) eo anatrehanao izahay. Tsy izahay no notompoin’izy ireo”."},{"id":64,"translation":"Ary hotenenina (izy ireo) hoe : “Antsoy ireo mpiara-miombon’antoka taminareo !” Ka hiantso azy ireo izy ireo, nefa tsy hamaly azy ireo izy ireo. Rehefa hahita ny sazy izy ireo, dia haniry ny nanaraka ny tari-dalana (tamin’ny fiainana an-tany) !"},{"id":65,"translation":"Ary amin’ny andro izay hiantsoany azy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hanao hoe : “Inona no navalinareo ireo Iraka ?”."},{"id":66,"translation":"Ka hifamahofaho amin’izy ireo ny vaovao (porofo) amin’izany andro izany, ka tsy hifampanontany intsony izy ireo."},{"id":67,"translation":"Nefa ireo izay nibebaka sy nino ary nanao ny tsara, dia angamba ho anisan’ireo hahazo fahombiazana."},{"id":68,"translation":"Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany, fa tsy andraikitr’izy ireo mihitsy no misafidy. Voninahitra anie ho an’I Allah ! Ary ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy !"},{"id":69,"translation":"Ary ny Tomponao dia mahafantatra izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay abaribariny."},{"id":70,"translation":"Ary Izy no Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Azy ny fiderana ety an-tany sy any ankoatra. Azy ny fitsarana ary any Aminy no hamerenana anareo."},{"id":71,"translation":"Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny alina hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra hazavana ho anareo ? Moa ve tsy maheno ianareo ?"},{"id":72,"translation":"Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny andro hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra ho anareo ny alina izay mba hialanareo sasatra ? Moa ve tsy mahita ianareo ?"},{"id":73,"translation":"Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy ny andro mba hialanareo sasatra sy hitadiavanareo ny fahasoavany, ary angamba hankasitraka ianareo!"},{"id":74,"translation":"Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”"},{"id":75,"translation":"Ary hamoaka vavolombelona isaky ny vahoaka izahay, ka hiteny izahay hoe : “Ento aty ny porofonareo !”. Ka ho fantatr’izy ireo fa ny fahamarinana dia an’I Allah; ary handao azy ireo izay noforonin’izy ireo."},{"id":76,"translation":"Tena marina fa i Karona dia isan’ny vahoakan’i Mosesy, nefa nihoam-pefy tamin’izy ireo izy. Ary nomenay harena sarobidy izy, ka ireo fanalahidin’izany dia tena mavesatra amin’ireo andian’olona matanjaka. Niteny taminy ny vahoakany nanao hoe : “Aza mifaly mihitsy ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mientanentan-kafaliana."},{"id":77,"translation":"Ary tadiavo amin’ny alalan’izay nomen’I Allah anao, ny fonenana any ankoatra. Ary aoka ianao tsy hanadino ny anjaranao eto an-tany. Ary manaova ny tsara tahaka ny nanaovan’I Allah ny tsara teo aminao ianao. Ary aza mitady hanao fanimbana ety ambonin’ny tany ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao asa fanimbàna”."},{"id":78,"translation":"Nilaza izy nanao hoe : “Tena marina fa nomena ahy izao, nohon'ny fahalalana izay ananako”. Moa ve tsy fantany fa Allah dia efa nandringana taranaka maro teo alohany, izay matanjaka mihoatra azy amin’ny herim-batana sy manana harena mihoatra ny azy ? Ary tsy hanontaniana ireo mpanao heloka be vava momba ny fahotan’izy ireo."},{"id":79,"translation":"Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”."},{"id":80,"translation":"Ary nilaza ireo izay nomena fahalalana nanao hoe : “Loza ho anareo ! Ny valisoan’I Allah no tena mendrika ho an’izay mino sy manao ny asa soa” Nefa tsy ahazo izany afa-tsy ireo manam-paharetana."},{"id":81,"translation":"Ka nataonay nitelina azy àry ny tany, izy sy ny tranony. Ary tsy nisy vondron’olona na dia iray aza, ankoatr’I Allah, no afaka nanavotra azy, ary tsy anisan’ireo afaka nanavotra ny tenany izy."},{"id":82,"translation":"Ka ireo izay naniry ny toerany (Karona) omaly dia nilaza hoe : “Ha ! Tena marina fa Allah dia nanome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra (izany). Raha tsy Allah no efa nanao soa anay, dia ho nalentiny tokoa izahay. Ha ! Marina tokoa fa tsy mba mahazo fahombiazana ireo tsy mpino."},{"id":83,"translation":"Ny fiainana any ankoatra, dia nataonay ho an’ireo izay tsy mitady fahamboniana eto an-tany, sy tsy manao asa fanimbana. Ary ny fiafarana sambatra dia ho an’ireo izay manam-patahorana."},{"id":84,"translation":"N'iza n'iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa mihoatra izany izy; ary n'iza n'iza kosa tonga miaraka amin’ny asa ratsy, dia tsy ahazo valiny afa-tsy araka izay nataon’izy ireo ihany."},{"id":85,"translation":"Tena marina fa Ilay nandidy taminao ny Koroany dia tena hamerina anao amin’ny toerana (izay irinao) hiverenana. Lazao hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana sy izay ao anatin’ny fahaverezana mibaribary”."},{"id":86,"translation":"Ary tsy nanantena mihitsy ianao fa ny Boky dia halefa aminao; raha tsy nohon'ny famindram-po avy amin’ny Tomponao. Ka aoka àry ianao tsy ho mpanohana mihitsy ireo tsy mpino."},{"id":87,"translation":"Ary aoka tsy hanakana anao izy ireo amin’ireo fanambaran’I Allah rehefa nampidinina taminao izany. Ary miantsoa (ny vahoaka) mankany amin’ny Tomponao ianao, ary aoka ianao tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy mihitsy."},{"id":88,"translation":"Ary aza miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah mihitsy ianao. Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ny zava-drehetra dia ho ringana afa-tsy ny Tavany (Tavan’I Allah) ihany. Azy ny fitsarana,ary any Aminy no hamerenana anareo."}]},{"id":29,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Moa ve mihevitra ny olombelona fa havela fotsiny izy ireo hiteny hoe : “Mino izahay !”, nefa tsy ho tsapaina izy ireo ?"},{"id":3,"translation":"Ary efa notsapanay tokoa ireo izay talohan’izy ireo ; ka tena fantatr’I Allah ireo izay milaza ny marina, ary tena fantany ihany koa ireo mpandainga."},{"id":4,"translation":"Na koa mihevitra ve ireo izay manao ny asa ratsy, fa afaka handositra Anay ? Ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo !"},{"id":5,"translation":"N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":6,"translation":"Ary n'iza n'iza manao fiezahana, dia tena marina efa manao fiezahana ho an’ny tenany ihany izy. Satria Allah dia ampy ho an’ny tenany, ka tsy misy ilàny azy izao tontolo izao."},{"id":7,"translation":"Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo."},{"id":8,"translation":"Ary nandidy ny olombelona mba hanao ny tsara amin’ireo ray aman-dreniny Izahay, fa raha manery anao izy ireo hampitambatra Ahy amin’ny hafa, izay tsy anananao fahalalana mihitsy ny momba izany, dia aza mankatò azy ireo ianao. Ary mankanesa aty Amiko, fa aty Amiko no hiverenanareo, ka ho lazaiko aminareo izay nataonareo."},{"id":9,"translation":"Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa,dia tena hampidirinay ho anisan’ireo olon-kendry izy ireo."},{"id":10,"translation":"Misy amin’ireo olona no milaza hoe : “Mino an’I Allah izahay”; avy eo, raha ampijaliana noho I Allah izy, dia mihevitra ny fitsapana ataon’ny olombelona ho toy ny famaizan’I Allah izy. Ary raha misy famonjena avy amin’ny Tomponao, dia tena hiteny izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia miaraka aminareo !” Moa ve tsy Allah no tena mahafantatra indrindra izay rehetra ao am-pon’izao tontolo izao ?"},{"id":11,"translation":"Ary Allah dia tena mahafantatra tokoa ireo izay mino, ary tena mahafantatra koa ireo mpiatsaravelatsihy."},{"id":12,"translation":"Ary miteny ireo izay tsy mino amin’ireo izay mino hoe : “Araho ny lalanay fa tena hitondra ny vesatry ny fahadisoanareo izahay”. Nefa tsy hitondra ny vesatry ny fahadisoan’izy ireo akory izy ireo na dia kely aza. Tena marina fa izy ireo dia tena mpandainga."},{"id":13,"translation":"Ary tena hitondra ireo vesatry ny asany sy ny vesatra hafa izy ireo miaraka amin’ny vesatry ny asany manokana, ary tena hanontaniana tokoa izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana, momba izay noforonon’izy ireo."},{"id":14,"translation":"Ary efa nalefanay tamin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka nipetraka teo amin’izy ireo izy mandritry ny arivo taona, latsaka dimam-polo taona. Avy eo dia niharan’ny safo-drano izy ireo, fa mpanao ny tsy rariny."},{"id":15,"translation":"Avy eo dia navotanay izy sy ireo olon’ny sambofiara, ka nataonay izany ho lesona fampitandremana ho an’izao tontolo izao."},{"id":16,"translation":"Ary i Abrahama, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : “Tompoinareo Allah ary atahorinareo Izy, izany no tena mendrika ho anareo raha fantatrareo”."},{"id":17,"translation":"Tsy manompo afa-tsy ireo sampy ankoatr’I Allah ianareo, ary mamoron-dainga ianareo. Marina fa ireo izay tompoinareo ankoatr’I Allah dia tsy manana fahefana hanome anareo anjara fivelomana; ka mitadiava ianareo ny anjara fivelomana eo anatrehan’I Allah, ary manompoa Azy sy mankasitraha Azy ianareo. Fa any Aminy no hamerenana anareo."},{"id":18,"translation":"Ary raha mampandainga (ny mpaminany) ianareo, dia efa nampandainga (ireo mpaminaniny) koa ny vahoaka maro talohanareo. Ary tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana mazava."},{"id":19,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana, avy eo dia mamerina izany indray Izy ? Tena marina fa mora amin’I Allah izany."},{"id":20,"translation":"Lazao hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo, ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana. Avy eo, ny fomba naharian’I Allah ny taranaka farany. Marina fa Allah dia Mahefa ny zava-drehetra”."},{"id":21,"translation":"Manafay izay sitrany izy, ary mamindra-fo amin’izay sitrany, ary any Aminy no hamerenana anareo."},{"id":22,"translation":"Ary tsy afaka hanohitra ny heriny ianareo, na eto an-tany na any an-danitra, ary ianareo dia tsy hanana ankoatr’I Allah, na mpiahy na mpanavotra."},{"id":23,"translation":"Ary ireo izay tsy mino ireo fanambaran’I Allah sy ny fihaonana Aminy, izy ireny no diso fanantenana amin’ny famindram-poko. Ary izy ireny dia ahazo ny famaizana mamirifiry."},{"id":24,"translation":"Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy nilaza hoe : “Vonoinareo izy, na doronareo”. Nefa navotan’I Allah avy tamin’ilay afo izy. Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mino."},{"id":25,"translation":"Ary niteny izy hoe : “Tena marina fa nandray ireo sampy ianareo, ankoatr’I Allah, ho fanamafisana ny fifankatiavana eo aminareo amin’ny fiainana eto an-tany. Avy eo, amin’ny Andro Fitsanganana, dia hifampitsipaka ny andaniny sy ny ankilany aminareo, ary hifanozona koa ny andaniny sy ny ankilany, ka ny Afobe no ho fonenanareo, ary tsy hanana mpanavotra ianareo."},{"id":26,"translation":"Koa dia nino azy i Lota, ka niteny izy nanao hoe : “Marina fa izaho dia hifindra monina any amin’ny Tompoko, fa izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena”."},{"id":27,"translation":"Nomenay azy Isaaka sy Jakoba, ary napetrakay tamin’ny taranany ny faminaniana sy ny Boky. Ary natolotray ho azy ny valisoany eto an-tany, fa ny any ankoatra kosa dia ho anisan’ireo olon-kendry izy."},{"id":28,"translation":"Ary i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy nanao hoe : “Tena marina fa ianareo dia tena manao ny asa vetaveta izay tsy nisy na dia iray aza nialoha anareo tamin’izany teto amin’izao tontolo izao."},{"id":29,"translation":"Manao fahafinaretana ara-nofo amin’ny lahy samy lahy ve ianareo, Ary manao asan-jiolahy ianareo, Manao asa ratsy amin’ny toeram-pivorianareo ihany koa ianareo? ”Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy hoe : “Ataovy tonga aty aminay ny famaizan’i Allah, raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao”."},{"id":30,"translation":"Niteny izy (Lota) hoe : “ Tompo ô ! Omeo fandresena aho amin’ny vahoaka mpanao asa fanimbana !”"},{"id":31,"translation":"Ary rehefa tonga tao amin’i Abrahama ireo irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Izahay dia handringana ireo mponin’io tanàna io (tànanan’i Lota), satria ny mponina ao aminy dia tena mpanao ny tsy rariny."},{"id":32,"translation":"Niteny izy : Nefa i Lota ange ao e !”. Namaly izy ireo nanao hoe : “ Fantatray tsara izay monina ao.Tena avotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo ho ripaka”."},{"id":33,"translation":"Ary rehefa tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely) dia nalahelo azy ireo izy, ary nahatsapa fa tsy afa-miaro azy ireo. Niteny taminy izy ireo hoe : “Aza matahotra ianao, ary aza malahelo...! Marina fa hanavotra anao sy ny fianakavianao izahay, afa-tsy ny vadinao izay anisan’ireo ho ripaka."},{"id":34,"translation":"Halatsakay avy any an-danitra amin’ny mponin’ity tanàna ity ny famaizana nohon'ny asa ratsy izay nataon’izy ireo”."},{"id":35,"translation":"Ary tena marina, fa namela famantarana mazava tao Izahay ho an’ireo vahoaka izay misaina ."},{"id":36,"translation":"Toy izany koa ny amin’ireo Madiana ; (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Shoaimbo izay niteny tamin’izy ireo hoe : “Ô ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah ary manantenà ny andro farany, fa aza miely eto ambony tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”."},{"id":37,"translation":"Nefa noraisin’izy ireo ho mpandainga izy. Dia tonga namely azy ireo ny horohoron-tany mahery vaika, nony maraina, dia nitsirara tsy aman’aina tao amin’ny fonenany izy ireo."},{"id":38,"translation":"Torak’izany koa ireo vahoakan’i Andy sy Thamody. Hitanareo miharihary izany toeram-ponenan’izy ireo izany. Ny satana anefa dia nanatsara ny asan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tamin’ny lala-mahitsy ; nefa izy ireo dia tao anatin’ny fahiratan-tsaina."},{"id":39,"translation":"Toy izany ihany koa i Karona sy Faraona, ary Hamana. Nefa i Mosesy dia nitondra porofo tamin’izy ireo, dia mbola nanambony tena ihany izy ireo teto an-tany ka tsy afa-bela taminay."},{"id":40,"translation":"Noraisinay ny tsirairay araka ny fahotany, nisy tamin’izy ireo izay nandefasanay rivo-doza mahery vaika, tao izay azon’ny hiaka, nisy koa izay nasainay natelin’ny tany; ary tao ihany koa izay narendrikay. Kanefa tsy Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo; fa ny tenany ihany no nanaovany ny tsy rariny."},{"id":41,"translation":"Ireo izay nandray mpiaro hafa ankoatr’I Allah dia mitovy amin’ny hala izay miantehitra amin’ny tranony. Marina fa ny trano tena marefo indrindra dia ny tranon-kala, raha toa ka mba fantatr’izy ireo !"},{"id":42,"translation":"Tena marina fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra hafa ivelany izay antsoin’izy ireo. Fa Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":43,"translation":"Toy izany ireo fanoharana izay nasehonay tamin’ny olona, kanefa tsy misy afaka nisaintsaina izany afa-tsy ireo manam-pahaizana."},{"id":44,"translation":"Nahary ireo lanitra sy tany tamim-pahamarinana I Allah. Marina fa ao anatin’izany dia misy porofo ho an’ireo mpino."},{"id":45,"translation":"Tanisao izay nambara taminao avy amin’ny Boky, ary tanteraho ny vavaka (soalat). Tena marina fa ny vavaka (soalat) dia manakana amin’ny asa vetaveta sy ny asa ratsy. Fa ny fahatsiarovana an’I Allah no tena lehibe indrindra. Ary Allah dia mahafantatra izay ataonareo."},{"id":46,"translation":"Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy izay manao ny tsy rariny amin’izy ireo, ary teneno hoe : “Izahay dia mino izay nampidinina taminay sy izay nampidinina taminareo, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany. Ary izahay dia manetry tena eo Aminy”."},{"id":47,"translation":"Ary toy izany no nampidinanay taminao ny Boky Kor’any. Fa ireo izay nomenay ny Boky dia mino izany. Ary misy amin’izy ireny (arabo) ihany koa no mino izany. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay tsy mpino."},{"id":48,"translation":"Ary ianao dia tsy mba namaky na boky iray aza talohan’izany, ary tsy mba nanoratra izany koa tamin’ny tànanao havanana. Raha tsy izany, dia nanana fisalasalana ireo izay mitsipaka ny fahamarinana."},{"id":49,"translation":"Mifototra amin’ny andian-teny mazava anefa izany (Kor’any), izay ao anatin’ny fon’ireo nomena fahalalana. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny."},{"id":50,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana maro izay avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Ireo fahagagana dia eo anatrehan’i Allah. Ary tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina miharihary”."},{"id":51,"translation":"Moa tsy ampy azy ireo ve, fa nampidina taminao ny Boky Izahay izay novakiana tamin’izy ireo ? Tena marina fa amin’izany dia misy famindram-pò sy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka izay mino."},{"id":52,"translation":"Teneno hoe : “Fa Allah dia ampy ho vavolombelona manelanelana ahy sy ianareo”. Mahafantatra izay ao amin’ireo lanitra sy ety an-tany Izy. Ary ireo izay mino ny diso nefa tsy mino an’i Allah, izy ireny dia ho maty antoka."},{"id":53,"translation":"Ary mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Raha tsy efa nisy fe-potoana voafetra, dia efa tonga tamin’izy ireo ny famaizana. Ary tena ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ka tsy ho tsapan’izy ireo akory."},{"id":54,"translation":"Mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Kanefa ny tena marina, dia ny Afobe no mihodidina amin’ireo tsy mpino."},{"id":55,"translation":"Amin’ny andro izay handrakofan’ny famaizana amin'izy ireo, avy eny ambonin’izy ireo sy eny ambanin’ny tongotr’izy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hoe : “Andramanareo izay nataonareo”."},{"id":56,"translation":"Ô ry Mpanompoko izay nino ! Tena marina fa ny taniko dia midadasika. Ka aoka Izaho irery ihany no ho tompoinareo !"},{"id":57,"translation":"Ny manan’aina rehetra dia samy hanandrana ny fahafatesana. Avy eo, atỳ Aminay no hamerenana anareo."},{"id":58,"translation":"Ka ireo izay mino sy manao ny asa soa, dia tena hapetrakay eo ambony rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tena valisoa tsara tokoa ny an’ireo mpanao ny asa tsara,"},{"id":59,"translation":"Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo."},{"id":60,"translation":"Firifiry moa ireo biby izay tsy miandraikitra akory ny anjara sakafony ! Fa Allah no manome anjara sakafo ho azy ireo, ary ho anareo koa. Ary Izy dia Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":61,"translation":"Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?"},{"id":62,"translation":"Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":63,"translation":"Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina."},{"id":64,"translation":"Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo !"},{"id":65,"translation":"Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa."},{"id":66,"translation":"Mba tsy hankasitraka amin’izay nomenay azy izy ireo, koa aoka hifaly izy ireo (amin’ny hasoavana eto an-tany) ! Ka ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany."},{"id":67,"translation":"Tsy hitan’izy ireo ve, fa nanao toerana masina sy azo azo antoka izahay (Makka), nefa esorina ireo olona manodidina azy ireo ? Moa ve ny hadisoana no hinoan’izy ireo ka ny hasoavan’i Allah no lavin’izy ireo ?"},{"id":68,"translation":"Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay famoronan-dainga mahakasila an’i Allah, na koa milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy ? Moa ve tsy any amin’ny Afobe no fonenan’ireo tsy mpino ?"},{"id":69,"translation":"Ary ho an’ireo izay nanao fiezahana momba anay dia hotarihanay amin’ny làlanay izy ireo, ary marina fa Allah dia tena miaraka amin’ireo mpanao asa fanasoavana."}]},{"id":30,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Resy ireo Rômanina."},{"id":3,"translation":"Tao amin’ireo tany nifanakaiky aminy, ary aorian’ny fahareseny, dia handresy izy ireo,"},{"id":4,"translation":"Ao anatin’ny taona vitsivitsy. An’i Allah ny didy, hatramin’ny voalohany sy hatramin’ny farany, ary amin’izany andro izany dia hifaly ireo mpino"},{"id":5,"translation":"Nohon'ny fanavotan’i Allah. Manavotra izay sitrany Izy, ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo."},{"id":6,"translation":"Izany no fampanantenan’i Allah. Tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy Allah, nefa ny ankamaroan’ireo olona dia tsy mahafantatra."},{"id":7,"translation":"Mahalala ny endrika ivelan’ny fiainana eto an-tany izy ireo, fa variana kosa mikasika ny fiainana any an-koatra."},{"id":8,"translation":"Moa tsy nandinika tamin’ny tenany ve izy ireo? I Allah dia tsy nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, raha tsy nohon'ny fahamarinana, ary ho amin’ny fe-potoana voafetra.Tena maro anefa ireo olona, no tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompon’izy ireo."},{"id":9,"translation":"Moa ve tsy nandeha nitety tany izy ireo, mba hijereny izay niafaran’ireo niaina teo alohany ? Izy ireny dia natanjaka lavitra tamin'ny herim-batana, niasa ny tany, ary nameno izany mihoatra lavitra noho izay nataon’izy ireo. Ary tonga tamin’izy ireo, ireo Irany niaraka tamin’ny porofo mazava.Tsy i Allah mihitsy no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany."},{"id":10,"translation":"Rehefa avy eo, dia ratsy tokoa ny fiafaran’ireo mpanao ratsy, izay nilaza fa lainga ireo fanambaran’i Allah sy nanesoeso izany."},{"id":11,"translation":"Allah no nanomboka ny fahariana; ary Izy ihany no mamerina azy indray; ary any Aminy no hamerenana anareo."},{"id":12,"translation":"Ary amin’ny andro izay hahatongavan’ilay Ora, dia hanenina ireo mpanao heloka be vava."},{"id":13,"translation":"Ary tsy hanana mpanelanelana izy ireny avy amin’ireo izay nataony ho mpiara-miombon’antoka Aminy (Allah), ary izy ireo dia hitsipaka ireny mpiara-miombon’antoka nataony ireny."},{"id":14,"translation":"Ary amin’ny andro izay hatongavan’ilay Ora, amin’izany andro izany dia hisaratsaraka izy ireo."},{"id":15,"translation":"Fa ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia ahita ny fahafinaretana ao anatin’ny zaridaina"},{"id":16,"translation":"Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay sy ny fihaonana any an-koatra, izy ireny no havory ao amin’ny famaizana."},{"id":17,"translation":"Voninahitra anie ho an’i Allah, rehefa tratry ny hariva ianareo, ary koa rehefa tratry ny maraina."},{"id":18,"translation":"Ary Azy ny dera rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany, ary amin’ny folak'andro sy amin’ny mitatao vovonana."},{"id":19,"translation":"Mamoaka ny velona avy amin’ny maty Izy, sy mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary mamelona ny tany aorian’ny fahafatesany. Ka tahaka izany no hamoahana anareo (amin’ny fitsanganana)."},{"id":20,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany anareo avy amin’ny vovoka, ary indro ianareo fa lasa olombelona maro izay miely (maneran-tany)."},{"id":21,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika."},{"id":22,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana."},{"id":23,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino."},{"id":24,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana (ny varatra) sy ny fanantenana (ny orana), ary mampidina ny rano Izy avy any an-danitra mba hamelomany indray amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka misaina."},{"id":25,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fijadonan’ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didiny, avy eo rehefa miantso anareo Izy, avy amin’ny tany, amin’ny antso iray, dia indro fa hipoitra ianareo."},{"id":26,"translation":"Ary Azy izay rehetra amin’ireo lanitra sy ny tany; samy mankatò Azy tanteraka izao rehetra izao."},{"id":27,"translation":"Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":28,"translation":"Nanome fanoharana ho anareo Izy, avy amin’ny tenanareo ihany : moa ataonareo mpiara-miombon’antoka aminareo ve ireo andevonareo, amin’ny fananana izay nomenay anareo, ka ianareo amin’izany dia mitovy (amin’ny fananana), ary hatahotra azy ireo tahaka ny fatahoranareo ny tenanareo ? Toy izany no hamelabelaranay ireo fanambarana ho an’ny vahoaka misaina."},{"id":29,"translation":"Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo."},{"id":30,"translation":"Koa atsangano ny tavanao amin’ny finoana madio (ho an’i Allah), fa izany no toetra voajanahary izay nomen’i Allah ny olombelona. Tsy misy fiovana amin’ny faharian’i Allah. Izany no finoana mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra."},{"id":31,"translation":"Miverena amim-pibebahana Aminy ianareo, ary matahora Azy, manantanteràha ny vavaka (soalat) ianareo, ary aoka ianareo tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy."},{"id":32,"translation":"Amin’ireo izay nizarazara ny finoany ka lasa antokom-pinoana maro, isaka ny antoko dia faly amin’izay ananany."},{"id":33,"translation":"Ary raha misy loza mihatra amin’ireo olona, dia mitalaho amin’ny Tompony izy ireo no sady miverina Aminy, amim-pibebahana. Avy eo, raha ampanandramany ny famindram-pò avy Aminy izy ireo, dia indro fa misy andiany amin’izy ireo manompo sampy."},{"id":34,"translation":"Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay azy izy ireo. Mifalia àry ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo."},{"id":35,"translation":"Moa ve nampidina tamin’izy ireo ny fahefana (boky na porofo) izahay, izay miteny amin’izy ireo ny amin’izay atambatr’izy ireo Aminy ?"},{"id":36,"translation":"Ary rehefa nampanandramanay ny famindram-po ireo olona, dia faly amin’izany izy ireo. Nefa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, dia indro fa feno hakiviana izy ireo."},{"id":37,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Allah dia mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany, sy mametra izany ? Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro ho an’ ny vahoaka izay mino."},{"id":38,"translation":"Koa omeo ny havana akaiky, sy ny mahantra, ary ny mpandeha sahirana ny zony. Izany no mendrika indrindra ho an’ireo izay mitady ny tavan’i Allah, ary izy ireny no mahazo fahombiazana."},{"id":39,"translation":"Izay rehetra nomenareo ka hakana zana-bola mba hampitombo ny fanananareo, amin’ny alalan’ny fananan’ny olona dia tsy mitombo izany eo anatrehan’i Allah, fa izay omenareo ho Zakat (harena fiantrana) kosa, ka hitadiavana ny tavan’i Allah (amin'ny foton'ny Allah), Izy ireny no hitombo avo heny (valisoa)."},{"id":40,"translation":"Fa Allah no nahary anareo, avy eo Izy no nanome anareo ny anjaram-pivelomana, manaraka izany dia hovonoiny ianareo, ary hovelominy indray. Moa ve misy amin’ireo izay nataonareo mpiara-miombon’antoka Aminy, nahavita zavatra tahaka izany ? Voninahitra anie ho Azy ! Mihoatra ambony lavitra amin’izay akambana Aminy Izy."},{"id":41,"translation":"Nibaribary ny asa fanimbana eto an-tany sy any an-dranomasina, noho izay nataon’ny tànan’ny olombelona ihany, mba hampanandramany (Allah) ny ampahany amin’izay nataon’izy ireo. Angamba hiverina (amin’i Allah) izy ireo."},{"id":42,"translation":"Teneno hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo izay niafaran’ireo niaina teo aloha. Ny ankamaroan’izy ireo dia mpanompo sampy”."},{"id":43,"translation":"Koa atsangano àry ny tavanao amin’ny finoana marina, mialoha ny hahatongavan’ny Andro avy amin’i Allah izay tsy azo hidovirana. Amin’izany andro izany dia hizarazara izy ireo."},{"id":44,"translation":"izay tsy nino dia hihatra aminy ny tsy finoany. Ary n'iza n'iza manao asa soa, dia ho an’ny tenan’izy ireo ihany no hanomanany izany."},{"id":45,"translation":"Mba hanomezany valisoa, avy amin’ny fahasoavany, ireo izay mino sy manao asa soa. Tena marina fa, Izy dia tsy tia ireo tsy mpino."},{"id":46,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fandefasany ireo rivotra ho mpilaza vaovao mahafaly, ary mba hampanandramany azy ireo ny ampahany amin’ny famindram-pony, sy mba hampisosa ny sambo, avy amin’ny baikony, ary mba hitadiavanareo ny fahasoavany. Ary angamba hankasitraka ianareo."},{"id":47,"translation":"Ary tena efa nandefa Iraka maro talohanao Izahay, tamin’ny vahoakan’izy ireo, ka nitondra ireo porofo mazava. Ary novalianay sazy ireo izay nanao heloka be vava; ary adidinay tokoa ny mamonjy ireo mpino."},{"id":48,"translation":"Allah, Izy no mandefa ireo rivotra izay mampiakatra ireo rahona, avy eo, manaparitaka izany eny amin’ny lanitra araka izay sitrany Izy; ary nataony mitsitokotoko izany. Ka hitanao ny ranon’orana fa mivoaka avy amin’ny hatevin’izy ireo. Ary rehefa narotsany tamin’izay tiany izany, dia indro fa feno haravoana izy ireo."},{"id":49,"translation":"Na dia efa very fanantenana aza izy ireo, talohan’ny nampidinana izany tamin’izy ireo."},{"id":50,"translation":"Jereo àry ireo vokatry ny famindram-pon’i Allah, ahoana no hamelomany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa Izy no hamelona ireo maty, ary Izy tokoa no Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":51,"translation":"Ary raha mandefa ny rivotra Izahay, ka hitan’izy ireo fa mihamavo (ireo zava-maniry), dia mbola mijanona tsy ho mino ihany izy ireo aorian’izany."},{"id":52,"translation":"Tena marina fa tsy afaka hampandre ireo maty ianao; ary tsy afaka ihany koa hampandre ny antso amin’ireo marenina, raha mandeha mitodi-damosina izy ireo."},{"id":53,"translation":"-Tsy ianao no hitari-dàlana ireo jamba amin’ny fahaverezan’izy ireo.Tsy afaka hampandre afa-tsy izay mino ireo fanambaranay ianao, fa izy ireo dia manaiky tanteraka."},{"id":54,"translation":"Allah, Izy no nahary anareo avy amin’ny (zavatra) malemy; avy eo, taorian’ny fahalemena, dia nomeny hery ianareo, ary taorian’ny hery, dia ny fahalemena sy ny fahanterana. Ary mahary izay sitrany Izy. Fa Izy no Ilay Mahalala, Ilay Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":55,"translation":"Ary amin’ny andro izay ahatongavan’ilay Ora, dia hianiana ireo mpanao heloka be vava, fa tsy nipetraka afa-tsy adiny iray monja izy ireo. Toy izany no nampivily làlana azy ireo."},{"id":56,"translation":"Ary hiteny ireo izay nomena ny fahalalana sy ny finoana hoe : “Ianareo dia tena nipetraka araka ny didin’i Allah, mandra-pahatongan’ny Andro Fitsanganana, ka indro àry ilay Andro Fitsanganana. Nefa ianareo dia tsy nahafantatra na inona na inona.”"},{"id":57,"translation":"Amin’izany andro izany, ny fialan-tsinin’ireo nanao ny tsy rariny dia tsy hahitan’izy ireo vokany, ary tsy angatahana amin’izy ireo izay ahafinaritra an’i Allah."},{"id":58,"translation":"Ary tena efa nomenay ireo olombelona ato amin’ity Kor’any ity, ny karazana ohatra maro. Ary raha mitondra fahagagana amin’izy ireo ianao, dia mbola hiteny tokoa ireo izay tsy mino hoe : “Tsy inona ianareo afa-tsy mpanao hadisoana.”"},{"id":59,"translation":"Tahaka izany no nanidian’i Allah ny fon’ireo izay tsy te-hahafantatra."},{"id":60,"translation":"Mahareta àry ianao, tena marina fa, ny fampanatenan’i Allah dia marina. Ary aoka tsy hanozongozona anao ireo izay tsy manana fitokisana."}]},{"id":31,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Indro ireo andinin’ilay Boky feno fahendrena."},{"id":3,"translation":"Tari-dàlana sy famindram-pò ho an’izay mpanao soa."},{"id":4,"translation":"Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any an-koatra."},{"id":5,"translation":"Izy ireny no amin'ny làla-mahitsy avy amin'ny Tompon'izy ireo, ary izy ireny no nahazo ny fahombiazana."},{"id":6,"translation":"Ary misy amin’ireo olona tsy manam-pahalalana, no mividy teny tsara lahatra, mampivily tsy ho any amin’ny làlan’Allah, ary maneso izany. Hiharan’ny famaizana mahafabaraka izy ireny."},{"id":7,"translation":"Ary rehefa tanisaina aminy ireo fanambaranay, dia mitodi-damosina amim-piavonavonana izy, toy ny tsy mbola naheno izany mihitsy, toy ny misy vesatra ao anatin’ireo sofiny. Koa ambarao aminy àry ny famaizana mamirifiry."},{"id":8,"translation":"Ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireny ireo Zaridainan’ny Fahasambarana."},{"id":9,"translation":"Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ny fampanantenan’i Allah dia marina ! Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":10,"translation":"Izy no nahary ireo lanitra izay tsy misy andry fototra hitan’ny masonareo, ary nanorina mafy amin’ny tany ireo tendrombohitra mba tsy hanozongozona anareo; ary naeliny teo aminy ireo karazam-biby samy hafa, ary nampidinanay avy any an-danitra ny rano, ka noentinay nampitsiry avy amin’izany ho tsiroaroa ireo karazan-java-maniry mahasoa isan-karazany."},{"id":11,"translation":"“Izany no fahariana nataon’i Allah. Koa asehonareo Ahy àry izay noharian’ireo ankoatr'Azy ?” Nefa ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana miharihary."},{"id":12,"translation":"Efa nomenay an’i Lokomany tokoa ny fahendrena : “Aoka ianao halala hankasitraka an’i Allah, fa n'iza n'iza mankasitraka dia marina fa mankasitraka ny tenany ihany, ary izay tsy mahavaly fitia kosa, Allah dia manana ny ampy, sy mendri-piderana”."},{"id":13,"translation":"Ary rehefa niteny tamin’ny zanany lahy i Lokomany ka nananatra azy nanao hoe : “Ry anaka, aza mampikambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ianao, fa ny fanompoan-tsampy dia tsy rariny tafahoatra tokoa”."},{"id":14,"translation":"Nandidy ny olombelona Izahay mahakasika ny ray aman-dreniny, fa ny reniny dia nitondra azy tao am-bohoka sy niharitra fahasahiranana ambonin’ny fahasahiranana, ny fampisarahana nono azy dia roa taona : “koa mankasitraha Ahy sy ireo ray aman-dreninao ianao. Fa aty Amiko ny fiafarana."},{"id":15,"translation":"Fa raha manery anao izy roa (Ray aman-dreny) hanakambana Ahy amin’izay tsy anananao fahalalana, dia aoka ianao tsy hankatò azy ireo; kanefa miaraha amin’izy roa am-pahamendrehana eto an-tany ianao. Ary manaraha ny làlan’izay miverina aty Amiko. Fa aty Amiko no fiverenanareo, ka ho ambarako anareo izay rehetra nataonareo”."},{"id":16,"translation":"Ô ry anaka ! Na dia mitovy lanja amin’ny voatsinampy iray aza (ny fahotana), izay ao anatin’ny karaobato, na any amin’ireo lanitra na eto an-tany dia ataon’i Allah ho tonga izany. Marina fa Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra."},{"id":17,"translation":"Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny tsara sy mandrarà ny ratsy ary mahareta amin’izay manjò anao. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra."},{"id":18,"translation":"Ary aza ahodina hiala olona ny tavanao[101], ary aza manitsaka ny tany amim-piavonavonana ianao. Marina fa Allah dia tsy tia izay rehetra miavonavona sy feno fireharehana."},{"id":19,"translation":"Ary aoka ho maotina ianao amin’ny fomba famindranao, ary alefaho ny feonao, fa ny feo tena ratsy indrindra dia ny feon’ny apondra."},{"id":20,"translation":"Moa ve tsy hitanareo fa Allah dia nanao ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany ? Ary natobany eo aminareo ireo fahasoavany, na ny hita maso izany, na ny tsy hita maso. Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’i Allah, tsy amim-pahalalàna na tari-dàlana, na koa boky mazava."},{"id":21,"translation":"Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Arahanareo izay nampidinin’i Allah”, miteny izy ireo hoe : “Manaraka izay hitanay tamin’ny razambenay izahay”. Fa na dia ny satana aza ve no miantso azy ireo ho amin’ny famaizana mandoro mamaivay ?"},{"id":22,"translation":"Ary n'iza n'iza manetry tena eo amin’i Allah sady mpanao asa soa, dia efa nifikitra tanteraka amin’ny tahon-javatra mafy tokoa, fa any amin’i Allah no fiafaran-java-drehetra."},{"id":23,"translation":"Fa ireo izay tsy mino kosa, aoka tsy hampalahelo anao ny tsy finoany, aty Aminay no hiverenan’izy ireo, ka holazainay azy ireo, izay nataony rehetra. Marina fa Allah dia tena mahafantatra izay raiketin’ny fo."},{"id":24,"translation":"Omenay fahafinaretana kely izy ireo, avy eo dia terenay mankany amin’ny famaizana mahery vaika izy ireo."},{"id":25,"translation":"Raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ?”. Hiteny izy ireo hoe : “Allah !”. Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah ! ”. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra."},{"id":26,"translation":"An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany. Marina fa i Allah Ilay manana ny ampy, Ilay mendri-piderana !"},{"id":27,"translation":"Ary raha ny hazo rehetra eto an-tany havadika ho penina, ary koa ho lasa rano mainty ny ranomasina, ka mbola miampy ranomasina fito hafa indray taorian’izany dia tsy ho tapitra ireo tenin’i Allah. Satria Allah no Ilay Tsitoha sy be Fahendrena."},{"id":28,"translation":"Tsy inona ny fahariana anareo sy ny fitsangananareo amin’ny maty afa-tsy toy ny fanahy iray ihany. Marina fa Allah no Ilay Maheno sy Ilay Mahita ny zava-drehetra."},{"id":29,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa Allah dia mamadika ny alina ho amin’ny andro, ary mamadika ny andro ho amin’ny alina, ary nandrindra ny masoandro sy ny volana Ary i Allah no mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo."},{"id":30,"translation":"Izany dia satria, Allah, Izy Ilay Marina, ary izay angatahan’izy ireo ankoatrany dia ilay diso. Ary Allah tokoa, Ilay Avo tena Avo, Ilay Lehibe indrindra."},{"id":31,"translation":"Moa ve tsy hitanao fa ny sambo dia misosa eny an-dranomasina nohon'ny fahasoavan’i Allah, mba hampisehoany aminareo ny sasany amin’ireo famantarany ? Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’izay rehetra be faharetana sy mankasitraka."},{"id":32,"translation":"Ary rehefa misy onja tahaka ny aloka mandrakotra azy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy izy ireo. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia mbola misy amin’izy ireo no tsy feno fankasitrahana. Ary tsy misy mitsipaka ireo famantaranay, afa-tsy izay rehetra be famadihana sy be fikomiana."},{"id":33,"translation":"Ô ry olombelona ! Aoka hatahotra ny Tomponareo ianareo, ary matahora ny andro iray izay tsy hamalian’ny ray na inona na inona ho an’ny zanany, na koa ny zanaka tsy hamaly na inona na inona ho an’ny rainy. Ny fampanantenan’i Allah dia marina tokoa. Aoka tsy hamitaka anareo àry ny fiainana eto an-tany, ka tsy hamitaka anareo eo anatrehan’i Allah ilay mpamitaka (satana) !"},{"id":34,"translation":"Marina fa Allah, Izy no manam-pahalalana momba ilay Ora, ary Izy no mampidina ny ranon’orana ary mahalala ihany koa izay ao am-bohoka Izy.Tsy misy mahafantatra izay hanjo azy rahampitso, ary tsy misy mahafantatra aiza ny tany ahafatesany. Marina fa Allah Ilay Mahalala, Ilay Mahafantatra tanteraka ny zava-drehetra."}]},{"id":32,"verses":[{"id":1,"translation":"Alif, Làm, Mìm"},{"id":2,"translation":"Ny fidinan’ny boky, dia tsy misy fisalasalana ny ao anatiny, avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao."},{"id":3,"translation":"Hilaza ve izy ireo fa noforonin'i (Mohammad) izany ? Nefa tsy izany akory, fa izy ity kosa dia Fahamarinana avy amin’ny Tomponao mba ho fampitandremana ny vahoaka izay tsy mbola nisy mpampitandrina teo alohanao tonga teo amin’izy ireo, angamba ho voatari-dàlana izy ireo."},{"id":4,"translation":"Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, tao anatin’ny enin'andro. Avy eo dia nitoetra teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Ary tsy manana mpiahy, na mpanelanelana ankoatra Azy ianareo.Tsy tsaronareo ve izany ?"},{"id":5,"translation":"Tantanany avokoa ny raharaha rehetra any an-danitra sy ety an-tany, avy eo dia miakatra any Aminy (ny raharaha rehetra) ao anatin’ny andro iray, ka ny faharetan’izany dia mitovy amin’ny arivo taona amin’ny fanisanareo."},{"id":6,"translation":"Izy Ilay Mahalala (izao tontolo izao) ny miafina sy ny hita maso, Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo,"},{"id":7,"translation":"Izay nandavorary ny rehetra nohariany. Ary nanomboka ny fahariana ny olombelona Izy avy amin’ny vovoky ny tany."},{"id":8,"translation":"Avy eo dia nataony avy tamin’ny tete-drano malemy (tsirin'aina) ny taranany."},{"id":9,"translation":"Avy eo dia nomeny vatana tsara endrika izy, ka notsofiny tao aminy ny fofon’aina avy Aminy. Ary nataony eo aminareo ny fandrenesana, ireo maso sy ny fo. Zara raha mankasitraka ianareo !"},{"id":10,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : “Rehefa very ao anatin’ny tany (ho lasa vovoka ) izahay, dia hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? Raha ny marina, dia tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo."},{"id":11,"translation":"Teneno hoe : “Haka ny fofon'ainareo ilay anjelin'ny fahafatesana, izay miahy anareo. Avy eo dia haverina any amin’ny Tomponareo ianareo”."},{"id":12,"translation":"Raha hitanao ireo mpanao heloka bevava, mitanondri-doha eo anoloan’ny Tompony izy ireo ! “Tomponay ô ! Nahita sy nandre izahay, koa avereno àry izahay mba hanao ny tsara; tena marina fa mino tanteraka izahay (ankehitriny)”."},{"id":13,"translation":"Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Kanefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko : “ Tena ho fenoiko ireo jiny sy ireo olombelona ny Afobe”."},{"id":14,"translation":"Andramonareo àry ! Nohon'ny nanadinoanareo ny fihaonana amin’ity andronareo ity. Tena marina fa nanadino anareo koa izahay. Andramonareo ny famaizana mandrakizay noho izay nataonareo”."},{"id":15,"translation":"Ny tena mino ireo fanambaranay dia ireo izay, rehefa ampahatsiahivana azy ireo izany, dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka mankalaza sy midera ny voninahitry ny Tompony, ary tsy feno fiavonavonana izy ireo."},{"id":16,"translation":"Miarina, miala ny fandriana izy ireo, mba hitalaho amin’ny Tompony, amim-patahorana sy amim-panantenàna ary manao asa fanomezana izy ireo, amin’izay nomenay azy."},{"id":17,"translation":"Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo."},{"id":18,"translation":"Moa ve mitovy ny mpino sy ny mpanao asa ratsy ? (Tsia !) Tsy mitovy velively izy ireo !"},{"id":19,"translation":"Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireo ny fonenana ao amin’ireo zaridainan’ny fialofana, ho valisoan’ny asa nataon’izy ireo."},{"id":20,"translation":"Fa ho an’ireo izay manao ny asa ratsy kosa, ny fialofan’izy ireo dia ny Afobe. Isaka ny maniry ny hiala ao izy ireo, dia averina ao, ary hotenenina izy ireo hoe : “Andramanareo ny famaizan’ny Afobe izay nolazainareo fa lainga”."},{"id":21,"translation":"Tena hampandramananay ny famaizana eto an-tany izy ireo, alohan’ny famaizana lehibe (any an-koatra), angamba hiverina izy ireo (amin’ny làla-mahitsy) !"},{"id":22,"translation":"Ary iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra amin’izay nampahatsiahivana ny fanambaran'i Tompony, avy eo, dia mitodi-damosina amin’izany ? Tena marina fa Izahay dia hamaly ireo mpanao heloka be vava."},{"id":23,"translation":"Ary tena efa nomenay an’i Mosa ny Boky, koa aoka ianao tsy hanana fisalasalana amin’ny fihaonana aminy (Mosa), ary nataonay ho mpitari-dàlana ireo zanak’Israely izy."},{"id":24,"translation":"Ary nanendry mpitarika maro avy tamin’izy ireo Izahay, izay nitari-dàlana (ny vahoaka) araka ny didinay, noho izy ireo nanana faharetana sy tena nino ireo fanambaranay."},{"id":25,"translation":"Tena marina fa ny Tomponao, Izy no hanapaka amin’izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana, izay tsy nampitovy hevitra azy ireo."},{"id":26,"translation":"Moa ve tsy manoro làlana azy ireo izy, fa firifiry no naringanay talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka, tao amin’ireo trano izay diavin’izy ireo ? Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ! Moa ve tsy mihaino izy ireo ?"},{"id":27,"translation":"Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Izahay dia manosika ny rano mankany amin’ny tany karakaina, manarak’izany dia avoakanay (nampanirianay) ny voly mba ho hanin’ny biby fiompiny, sy izy ireo ihany koa. Moa tsy mba hitan’izy ireo va izany ?"},{"id":28,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana izany fandresena izany, raha marina ny anareo ?”"},{"id":29,"translation":"Teneno hoe : “Amin’ny andro Fandresena, dia tsy misy fiantraikany amin’ireo tsy mpino intsony ny finoany ! Ary tsy misy fe-potoana omena azy ireo intsony.”"},{"id":30,"translation":"Alavironao izy ireo, ka miandrasa, ary izy ireo koa dia eo am-piandrasana."}]},{"id":33,"verses":[{"id":1,"translation":"Ô ry mpaminany ! Matahora an’i Allah ary aza mankatò ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy ianao. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena."},{"id":2,"translation":"Ary araho ny fanambarana izay nalefa taminao avy amin’ny Tomponao. Marina fa Allah dia mahafantatra tanteraka izay ataonareo."},{"id":3,"translation":"Ary mametraha fitokisana amin’i Allah ianao, ary Allah dia ampy ho mpiantoka."},{"id":4,"translation":"Tsy nametraka fo roa ao an-tratran’ny olona Allah. Tsy nampitoviany tamin’ny Reninareo mihitsy ny vadinareo (izay roahinareo amin’ny teny hoe :) “Toy ny lamosin-dReniko ihany ianao (fady ahy)”. Tsy nataony mitovy amin’ny zaza naterakareo ny zaza natsanganareo. Teny naloaky ny vavanareo izany. Fa miteny ny marina Allah, ary Izy no mitarika (ny olona) ho amin’ny làlana tsara."},{"id":5,"translation":"Antsoinareo izy ireo amin’ny anaran’ny rainy, izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Raha tsy fantatrareo ny rain’izy ireo, dia raisonareo ho rahalahinareo ara-pinoana na koa namanareo izy ireo. Ary tsy hanananareo tsiny ny fahadisoana izay nataonareo tamin’izany, fa izay ninian’ny fonareo natao kosa (no hahazoanareo tsiny). Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana."},{"id":6,"translation":"Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky."},{"id":7,"translation":"Ary rehefa nandray fifanekena avy tamin’ireo mpaminany izahay, ny avy taminao koa, avy tamin’i Noa, Ibrahimo, Mosa ary Issa (Jesoa) zanak’i Mariamo (Maria), dia nandray avy tamin’izy ireo ny fifanekena hentitra izahay,"},{"id":8,"translation":"Mba hanontany ireo mpilaza ny marina Izy amin’ny fahamarinan’izy ireo. Ary nanomana famaizana mamirifiry ho an’ireo tsy mpino Izy."},{"id":9,"translation":"Ô ianareo izay mino ! Tsarovinareo ny fahasoavan’i Allah taminareo, raha nisy miaramila maro tonga taminareo, dia nandefasanay rivotra sy ireo miaramila (Anjely) izay tsy hitanareo maso (hanohitra azy ireo). Ary i Allah dia Mahita mazava izay rehetra ataonareo."},{"id":10,"translation":"Rehefa tonga teo aminareo izy ireo, avy erỳ ambony sy avy any ambaninareo, nitsimbadimbadika ny fijery sy niakatra an-tenda ny fò (an-tenda ny aina), dia nisaina ny momba an’i Allah ianareo tamin’ny fiheverana maro samihafa."},{"id":11,"translation":"Tamin’izany dia voatsapa sy voahozongozona tamin’ny fihozongozonana mafy ireo mpino."},{"id":12,"translation":"Ary rehefa niteny ireo mpiatsaravelatsihy sy ireo izay manana aretina ao am-pòny hoe : “Tsy nampanantena anay afa-tsy ny fitaka i Allah sy ny Irany”."},{"id":13,"translation":"Tahaka izany koa, ny andiany iray tamin’izy ireo dia niteny hoe : “Ry olon’i Iasrib ! Aza mijanona eto ianareo. Miverena ianareo (any aminareo)”. Ary ny andiany iray hafa tamin’izy ireo, dia nangataka fahazoan-dàlana tamin’ny Mpaminany tamim-pitenenana hoe : “Tena marina fa ireo tranonay dia tsy misy fiarovana”, tsy hoe tsy misy fiarovana izany, fa tsy mitady afa-tsy ny handositra izy ireo."},{"id":14,"translation":"Ary raha nidirana tao amin’izy ireo avy tamin’ny ilan’ny tanàna; avy eo nanontaniana azy ireo ny fitsapana (fialana amin’ny finoana), dia notanterahan’izy ireo tokoa izany, ary tsy nisy afa-tsy fotoana kely ihany no nandrasan’izy ireo tamin’izany."},{"id":15,"translation":"Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo aloha, fa tsy hitodi-damosina. Ary ny fifanekena rehetra natao tamin’i Allah dia ho hanontaniana."},{"id":16,"translation":"Teneno (ry Mohammad) hoe : “Tsy hisy tombony ho anareo mihitsy ny fandosirana, raha ny fahafatesana (tsy hisy ady) na ny famonoana amin’ny ady no andosiranareo. Noho izany dia tsy hanana fahafinaretana afa-tsy kely ihany ianareo."},{"id":17,"translation":"Teneno (ry Mohammad) hoe : “Iza ary no afaka hiaro anareo amin’i Allah raha ny sitrany ho anareo ny ratsy, na ny sitrany ho anareo ny famindram-pò ?” Ary tsy ahita izy ireo ivelan’i Allah, ho mpiaro na mpanavotra."},{"id":18,"translation":"Tena fantatr’i Allah ireo mpametraka sakana sy ireo izay mpiteny amin’ny rahalahin’izy ireo hoe : “Avia aty aminay ianareo”, nefa zara raha tonga miatrika ady izy ireo."},{"id":19,"translation":"Kahihitra izy ireo eo anatrehanareo. Ary raha tonga amin’izy ireo ny tahotra, dia hitanao izy ireo mijery anao amin’ny maso mivadibadika tahaka ny olona torana nohon'ny tahotry ny fahafatesana. Ary rehefa miala ny tahotra, dia mampiaka-peo aminareo amin’ny fiteny henjana izy ireo, nefa kahihitra amin’ny tsara izy ireny no tsy nino. Fa nataon’i Allah ihany ny asan’izy ireo. Izany dia mora amin’i Allah."},{"id":20,"translation":"Mihevitra izy ireo fa tsy nandeha ireo antoko (mpiara-dia). Nefa raha tonga ireo antoko (mpiara-dia), dia maniry raha mba ho arabo tambanivohitra izy ireo sy manontany ireo vaovao momba anareo. Ary raha niaraka taminareo izy ireo, dia tsy mba niady afa-tsy ny vitsy an’isa ihany."},{"id":21,"translation":"Tena manana ohatra faka-tahaka tsara arahina indrindra ianareo amin’ny Irak’i Allah, ho an’izay manantena an’i Allah sy ny Andro farany, ary mahatsiaro an’i Allah hatrany."},{"id":22,"translation":"Ary raha nahita ireo antoko (mpiara-dia) ireo mpino, dia niteny izy ireo hoe : “Indro izay nampanantenain’i Allah sy ny Irany anay, ary nilaza ny marina Allah sy ny Irany”. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny finoana sy ny fanoloran-tena tamin’izy ireo izany."},{"id":23,"translation":"Misy amin’ireo mpino, lehilahy tokoa izay mijoro amin’ny marina tamin’ny fifanekena tamin’i Allah. Misy amin’izy ireo no nahatanteraka ny tanjony (maritiora), ary misy amin’izy ireo kosa no mbola miandry; ka tsy mba niovaova mihitsy izy ireo (tamin’ny fifanekena),"},{"id":24,"translation":"Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny fahamarinan’izy ireo sy hanafaizan'ireo mpiatsaravelatsihy, na havelany ny helok'izy ireo. Tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo."},{"id":25,"translation":"Ary naverin’i Allah ireo tsy mpino miaraka amin’ny haromotany, ka tsy mba nahazo ny tsara mihitsy izy ireo, ary nafahan’i Allah tamin’ny ady ireo mpino, fa Allah dia Matanjaka sy Tsitoha."},{"id":26,"translation":"Ary dia nampidininy avy eny amin’ny mandany ireo ampahan’ny olon’ny Boky izay nanampy azy ireo, ka natsipiny tao anaty fon’izy ireo ny tahotra; ny andiany tamin’izy ireo dia novonoinareo, ary ny andiany hafa kosa dia nataonareo babo."},{"id":27,"translation":"Ary nampandovainy anareo ny tanin’izy ireo, ny fonenan’izy ireo, ny fananan’izy ireo, ary koa ny tany izay mbola tsy nodiavinareo mihitsy. Ary Allah dia Mahefa ny zava-drehetra."},{"id":28,"translation":"Ô ry mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao hoe : “Raha toa ka ny fiainana eto an-tany, sy ny rendrarendrany no irìnareo, dia tongava ianareo ! Fa omeko izay hafalianareo, ary alefako (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka."},{"id":29,"translation":"Fa raha Allah sy ny Irany kosa ary ny Fonenana any an-koatra no tianareo, tena marina fa Allah dia nanomana ho an’ireo mpanao asa tsara ny valisoa lehibe indrindra."},{"id":30,"translation":"Ô ry vadin’i Mpaminany ! Izay manao asa vetaveta aminareo ka voaporofo izany, dia hampitomboina avo roa heny ny famaizana azy ! Ary mora amin’i Allah izany."},{"id":31,"translation":"Ary izay manaiky tanteraka an’I Allah sy ny Irany, aminareo, ka manao ny tsara, dia homenay valisoa avo roa heny izy, sy hanomananay anjara, omena an-kalalahana."},{"id":32,"translation":"Ry vadin’ny Mpaminany! Tsy mitovy amin’ny vehivavy hafa rehetra ianareo. Raha tena manam-patahorana ianareo, dia aoka tsy hiangoty loatra amin’ny fomba fiteny, mba tsy hampitsiriritra izay manana fo marary. Fa manaova fiteny maotina."},{"id":33,"translation":"Mijanòna ianareo ao an-tokantranonareo; fa aza misehoseho tena tahaka ireo vehivavy tamin’ ny andron’ny tsy fahalalana (talohan’ny finoana Islamo). Ary tanterahonareo ny Soalat (vavaka), omenareo ny Zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo Allah sy ny Irany. Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanala ny fahalotoana aminareo ry fianakavian’ny Mpaminany, sy ny hanadio anareo tanteraka."},{"id":34,"translation":"Ary tsarovinareo izay novakiana tamin’ireo fanambaran’i Allah sy ny fahendrena (avy amin’ny Mpaminany) tao an-tranonareo. Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra."},{"id":35,"translation":"Ireo mpankatò an’ Allah lahy sy vavy, ireo mpino lahy sy vavy, ireo mpanolo-tena lahy sy vavy, ireo olo-marina lahy sy vavy, ireo manam-paharetana lahy sy vavy, ireo mpanetri-tena lahy sy vavy, ireo tia miantra olona, lahy sy vavy, ireo mpifehy tena lahy sy vavy, ireo mpiaro ny fahadiovan-tenany lahy sy vavy, ireo mpahatsiaro an’i Allah mandrakariva lahy sy vavy; Allah dia nanomana famelan-keloka sy valisoa lehibe ho azy ireo."},{"id":36,"translation":"Tsy anjaran’ny mpino lahy na mpino vavy, rehefa misy zavatra voatapak’i Allah sy ny Irany, no hisafidy araka izay fomba tiany amin’ny raharahan’izy ireo. Ary na iza na iza no tsy mankatò an’i Allah sy ny Irany, dia tena very amin’ny fahaverezana miharihary."},{"id":37,"translation":"Raha niteny tamin’ilay nofenoin’i Allah fahasoavana ianao sy nofenoinao fahasoavana ihany koa, hoe: “Tazòny ho anao ny vadinao ary matahora an’i Allah ianao”. Ka nafeninao tao aminao izay hasehon’i Allah an-karihary. Ary natahotra ireo olona ianao, nefa Allah no mendrika atahoranao indrindra. Ary raha nitsahatra tsy nifandray taminy intsony (nisara-panambadiana) i Zayd, dia nasainay nalainao ho vady izy, mba tsy hisian’ny sakana ho an’ireo mpino amin’ny fanambadiany ireo vehivavy vadin’ireo zaza natsangany, rehefa nitsahatra tanteraka ny fifandraisana nisy tamin’izy ireo. Fa ny baikon’i Allah dia tsy maintsy tanteraka."},{"id":38,"translation":"Tsy misy fanakianana ny Mpaminany, ny amin’izay nandidian’i Allah azy, izany no sori-dàlan’i Allah tamin’ireo izay niaina teo aloha; fa ny didin’i Allah dia lalàna efa voalahatra."},{"id":39,"translation":"Ireo izay mampita ireo hafatr’i Allah, sy matahotra Azy ka tsy matahotra na iza na iza afa-tsy Allah. Ary Allah dia ampy hitsara (ny rehetra)."},{"id":40,"translation":"Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany izy. Ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":41,"translation":"Ô ianareo izay mino! Tsarovinareo Allah amin’ny fahatsiarovana mandrakariva."},{"id":42,"translation":"Deraonareo ny Voninahiny maraina sy hariva."},{"id":43,"translation":"Izy izay mitahy[103]anareo, ary ireo Anjeliny ihany koa[104], mba hamoahany anareo avy amin’ireo aizina ho amin’ny hazavana. Ary Izy dia be Indrafo amin’ireo mpino."},{"id":44,"translation":"Ny fiarahaban’izy ireo amin’ny andro izay hihaonan’izy ireo Aminy dia ny hoe : “ SALAM ” (fiadanana), ary nanomana valisoa an-kalalahana ho azy ireo Izy."},{"id":45,"translation":"Ry Mpaminany (Mohammad)! Izahay dia nandefa anao ho vavolombelona, sy mpilaza vaovao mahafaly, ary mpampitandrina."},{"id":46,"translation":"Ary ho mpiantso ho any amin’i Allah avy amin’ny alalany; ary toy ny jiro mpanazava."},{"id":47,"translation":"Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpino fa tena hahazo fahasoavana lehibe avy amin’i Allah izy ireo."},{"id":48,"translation":"Ary aoka ianao tsy hankatoa ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, avelao ny fanelingelenana ataon’izy ireo, ary ankino amin’i Allah ny fitokisanao fa Allah dia ampy ho mpiantoka."},{"id":49,"translation":"Ô Ianareo izay mino ! Raha manambady ireo vehivavy mpino ianareo, avy eo nisarahanareo alohan’ny niraisanareo tamin’izy ireny, dia tsy manana fe-potoana fiandrasana ianareo. Omenareo anjara fananana izy ireny, ary alefaso (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka izy ireo."},{"id":50,"translation":"Ry Mpaminany! Nataonay tsy voarara taminao ireo vadinao izay nomenao ny mahariny (vodiondry), sy ireo azonao ara-dalàna tamin’ireo babo an’ady ( Andevo vavy) nomen’i Allah anao, ireo zanaka vavin’ny rahalahin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anabavin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anadahin-dreninao, sy ireo zanaka vavin’ny rahavavin-dreninao, ary ireo izay nanao fifindra-monina niaraka taminao, ny vehivavy mpino raha nanolotra ny tenany ho an’ny Mpaminany; raha te-hanambady azy ny Mpaminany, izany dia natokana ho anao irery ihany ankoatra ireo mpino. Efa tena fantatray izay nodidinay tamin’izy ireo, momba ny vadin’izy ireo sy ireo andevo (vavy) izay ananany mba tsy hisian’ny fanakianana momba anao. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":51,"translation":"Azonao atao ny mampiandry izay tianao ampiandrasina amin’izy ireo, ary azonao atao ny mampiantrano izay tianao ampiantranoina. Avy eo dia tsy misy fanakianana ho anao raha manasa ho ao an-tranonao ny iray amin’ireo izay nisintahanao. Izany no fomba madio kokoa mahafaly azy ireo, ka tsy ananan’izy ireo alahelo sy ankasitrahan’izy ireo izay nomenao azy rehetra. Fa Allah dia Mahafantatra izay rehetra ao am-ponareo, ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Malemy fanahy."},{"id":52,"translation":"Tsy azonao atao intsony ny maka vehivavy hafa aorian’izany, na manolo vady na dia mahafinaritra anao aza ny fahatsaran’izy ireo, afa-tsy ireo andevo vavy izay anananao, ary Allah dia manara-maso ny zava-drehetra."},{"id":53,"translation":"Ô ianareo izay mino ! Aoka ianareo tsy hiditra amin’ireo tranon’ny Mpaminany, raha tsy hoe nahazo fanasana hisakafo ianareo, kanefa tsy hijanona ao, hiandry ny fanomanana azy. Nefa raha antsoina ianareo dia midira. Ary rehefa avy nisakafo ianareo, dia mandehana miparitaka, aza mitady hiseho ho olona mifankazatra ka hitari-dresaka. Fa izany dia manahirana ny Mpaminany satria menatra anareo izy, Allah dia tsy menatra (miteny) ny marina. Ary raha mangataka zavatra amin’izy ireo (vadin’ny Mpaminany) ianareo dia mangataha avy ao ambadiky ny lamba manelanelana, izany dia tena madio ho an’ny fonareo sy ny fon’izy ireo; tsy tokony ataonareo ny manelingelina ny Irak’i Allah na sanatria manambady ireo vadiny aoriany; satria izany dia tena fahotana lehibe eo anatrehan’i Allah."},{"id":54,"translation":"Raha maneho zavatra ianareo na koa manafina izany, Allah no tena Mahalala ny zava-drehetra."},{"id":55,"translation":"Tsy misy fanakianana ho azy ireo (ny miseho tsy mirakotra) eo anatrehan’ireo rain’izy ireo, na ireo zanakalahin’izy ireo, na ireo anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny rahavavin’izy ireo, na ireo vehivavin’izy ireo, na ireo andevo izay ananan’izy ireo. Aoka hatahotra an’i Allah ianareo. Tena marina fa Allah dia vavolombelon’ny zava-drehetra."},{"id":56,"translation":"Tena marina fa Allah sy ireo Anjeliny dia mitahy an’ny Mpaminany; ô ianareo izay mino! Mangataha fitahiana ho azy, ary mangataha fiadanana ho azy ianareo."},{"id":57,"translation":"Tena marina fa ireo izay manafintohina an’ i Allah sy ny Irany, dia manozona azy ireo Allah, ety an-tany sy any an-koatra, ary manomana ho azy ireo ny famaizana manalabaraka."},{"id":58,"translation":"Ary ireo izay manafintohina an’ireo mpino lahy sy ireo mpino vavy, tsy amin’ny hadisoana izay mendrika hanenjehana azy ireo, dia efa mizaka lainga be vava sy fahotana miharihary izy ireo."},{"id":59,"translation":"Ô ry Mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao sy ireo zanakao vavy, ary ireo vadin’ireo mpino, mba hampidina ny lamba fisaronan’izy ireo (voalin’izy ireo) amin’ny tenany; izany no haingana kokoa hamantarana azy ireo ka tsy ho voaelingelina, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."},{"id":60,"translation":"Raha tena tsy mitsahatra ireo mpihatsaravelatsihy, sy ireo izay misy aretina amin’ny fòny, ary koa ireo mpanakorontana ao Madinah, dia tena hamporisika anao Izahay hanohitra azy ireo, ka tsy hipetraka maharitra eo akaikinao izy ireo afa-tsy fotoana fohy ihany."},{"id":61,"translation":"Voahozona izy ireo. Ka na aiza na aiza ny toerana ahitana azy ireo, dia horaisina sy hovonoina tsy misy indrafò izy ireo."},{"id":62,"translation":"Toy izany no sori-dàlan’i Allah manoloana ireo izay niaina teo aloha, ary tsy hahita fiovana velively amin’ny sori-dàlan’i Allah ianao."},{"id":63,"translation":"Manontany anao ireo olona momba ny Ora. Teneno hoe: “Ny fahalalana momba izany dia an’i Allah irery ihany”. Ary inona no ahafantaranao izany? Fa angamba ny Ora dia mety efa akaiky."},{"id":64,"translation":"Tena marina fa Allah dia nanozona ireo tsy mpino, ary nanomana ho azy ireo ny Afobe mamaivay"},{"id":65,"translation":"Haharitra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy hahita mpiahy na mpamonjy."},{"id":66,"translation":"Amin’ny andro izay hamadibadihana ny tarehin’izy ireo ao anatin’ny afo, dia hiteny izy ireo hoe : “ Indrisy! Raha mba nankatò an’i Allah sy nankatò ny Iraka Izahay ! ”"},{"id":67,"translation":"Niteny izy ireo hoe : Tomponay o ! tena marina fa izahay dia nanaraka sy naneho fahendrena ireo olon-dehibe nay ka lasa izy ireo indray no nanary anay amin'ny lalany fahaverezana."},{"id":68,"translation":"Tomponay ô ! Omeo azy ireo ny sazy avo roa heny, ary ozòny amin’ny fanozonana lehibe izy ireo."},{"id":69,"translation":"Ô Ianareo izay mino ! Aza manao tahaka ireo izay nanafintohina an’i Mosa (Mosesy) ianareo. Nodiovin’i Allah tamin’izay niampangan’izy ireo azy izy, ary izy dia mendri-kaja teo anatrehan’i Allah."},{"id":70,"translation":"Ô ianareo izay mino! Matahora an’i Allah ianareo, ary mitenena teny marina ianareo"},{"id":71,"translation":"Mba hanatsarany ny asanareo sy hamelany ny helokareo. Fa na iza na iza mankatò an’i Allah sy ny Irany dia tena nahazo fahombiazana lehibe."},{"id":72,"translation":"Marina fa natolotray an’ireo lanitra sy ny tany, ary ireo tendrombohitra ny andraikitra. Nefa nandà ny hitondra izany izy ireo sady natahotra, fa ny olombelona kosa no nitondra izany; kanefa izy dia tena mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mahalala."},{"id":73,"translation":"Mba hamaizan’i Allah an’ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo lahy sy vavy mpanompo sampy, ary mba haneken’i Allah ny fibebahan’ireo mpino lahy sy mpino vavy. Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo."}]},{"id":34,"verses":[{"id":1,"translation":"Dera hoan’i Allah Tompon’izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. ary Azy ny fiderana any an-koatra ary Izy no ilay be faendrena , ilay mahalala tongalafatra."},{"id":2,"translation":"Fantany izay miditra amin’ny tany sy izay mivoka avy ao, ary koa, izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra eny. fa Izy no ilay be indrafo, ilay mpamela heloka."},{"id":3,"translation":"Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana."},{"id":4,"translation":"Mba hamaliana soa izay mino sy manao asa soa. hahazo famelan-keloka sy fanomezana sesehena izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary ireo izay miezaka manao tsinontsinona ny teninay, dia izy ireny no hahazo sazy amin’ny fampijaliana mamirifiry."},{"id":6,"translation":"Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana."},{"id":7,"translation":"Ary hoy ireo tsy mpino; “ tianareo va ny hanehoanay aminareo ilay olona milaza, fa rehefa potika tanteraka ianareo, dia tsy isalasalana fa hiseho ho voahary vaovao indray."},{"id":8,"translation":"Mamoron-dainga hanoherana an’i Allah va izy ? Sa adala ? ”, (Tsia) fa iharan’ny famaizana sy ny fahaverezana tanteraka, izay tsy mino ny any an-koatra."},{"id":9,"translation":"Tsy hitan’izy ireo va, ny lanitra sy ny tany izay eo aloha sy aorian’izy ireo? raha tianay dia nasainay natelin’ny tany izy ireo, na koa hisy sombiny amin’ny lanitra hilatsaka amin’izy ireo. misy porofo tokoa amin’izany ho an’izay mpanompo rehetra mibebaka."},{"id":10,"translation":"Nomenay fahasoavana avy aty Aminay tokoa i Davida, ry tendrombohitra sy voromanidina, mamerena miaraka aminy ianareo (Teny fiderana an’i Allah). ary dia nataonay nalefaka teo anatrehany ny vy."},{"id":11,"translation":"(amin’ny fitenenana aminy manao hoe ) : “ Mandraria akanjo vy ianao, ary refeso tsara ny masony ”. ary aoka ianareo hanao ny tsara. fa mahita izay ataonareo Aho."},{"id":12,"translation":"Ary nataonay teo ambanin’ny fahefan’i Soulaiman ny rivotra, izay nandeha nitovy amin’ny vita ao anatin’ny iray volana ny maraina, ary mitovy amin’ny iray volana ihany koa ny hariva. Ary nataonay nikoriana ho an’i Soulaiman ny loharam-barahina. Nisy jiny niasa teo ambany fahefany, alàlana avy amin’ny Tompony. Fa izay tsy nanaraka ny didinay tamin’izy ireo, dia nampanandramanay ny sazin’ny afo mamaivay."},{"id":13,"translation":"Nanatanteraka arak’izay tiany ho azy izy ireo : toerana masina, sarivongana, lovia fasika lehibe, ary vilany. « Ry fianakavian’i Davida, miasà ho fankasitrahana Azy, nefa vitsy amin’ireo mpanompoko no mahay mankasitraka »."},{"id":14,"translation":"Ary rehefa nanapa-kevitra ny amin’ny fahafatesany Izahay, dia tsy nisy afaka nampilaza azy ireo ny amin’izany, afa tsy ny bibin’ny tany izay nikiky ny tehiny. ary rehefa lavo izy, dia hitan’ireo djiny tamin’izay fa raha tena nahafantatra ny zava-miafina izy ireo, dia tsy nijanona tamin’ny famaizana mahafabaraka (tamin’ny fankatoavana ny baiko)."},{"id":15,"translation":"Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka »."},{"id":16,"translation":"Nefa dia nanome lamosina izy ireo ka navarinay tamin’izy ireo ny ranon’ny tohadrano, ary novainay ho zaridaina feno voninkazo mangidy, sy hazo madilo ary tsinefy vitsivitsy, ireo zaridaina ny anankiroa."},{"id":17,"translation":"Izany no fomba namalianay azy ireo, noho ny tsy finoany. moa hanasazy olon-kafa, afa-tsy ireo tsy mpino va Izahay ?"},{"id":18,"translation":"Ary dia nasianay tanàna lehibe hafa manelanelana azy ireo, sy ireo tanàna voatsodranonay, ka nokajianay ireo fiantoana an-dàlana manelanelana azy ireo. « Mandehana amim-pilaminana eo anelanelan’izany ianareo, mandritra ny andro sy ny alina »."},{"id":19,"translation":"Ary hoy izy ireo : « Tomponay o ! halavao ny elanelana misy amin’ireo fiantoana eny an-dàlana, ary dia nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany izy ireo. Nataonay ho tantara mipetraka ny mikasika azy ireo, ary dia nopotehinay tanteraka. Misy fampitandremana tokoa amin’izany ho an’ireo izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka."},{"id":20,"translation":"Ary hamafisina, fa nohamarin’i satana ny eritreriny mikasika azy ireo. ka nanaraka azy ireo, afa-tsy ampahany tamin’ireo mpino ihany."},{"id":21,"translation":"Ary tsy nanana fahefana tamin’izy ireo mihitsy izy, raha tsy Izahay no te-hanavaka izay mino ny an-koatra, sy izay misalasala. fa miahy ny zavatra rehetra ny Tomponao."},{"id":22,"translation":"Dia lazao hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo (ho tompo) ankoatra an’i Allah, tsy manana na dia zavatra iray kely indrindra (atoma) akory aza izy ireny, na any an-danitra na ety an-tany, tsy niaraka taminy izy ireo tamin’ny famoronana, ary tsy misy afaka hanampy azy amin’izy ireo."},{"id":23,"translation":"Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny fanelanelanana eo Aminy, afa-tsy izay nomeny alalana ihany. rehefa nanalavitra ny fony ny tahotra, dia hiteny izy ireo hoe : “ Inona no nambaran’ny Tomponareo ? ”. dia hamaly izy ireo hoe : “ ny fahamarinana, fa Izy no ilay avo indrindra, ilay lehibe indrindra ! ”."},{"id":24,"translation":"Dia lazao hoe : “ Iza no manome anjaram-pivelomana anareo avy any an-danitra sy ety an-tany ? ”. Valio hoe : “ Allah. Izahay va sa ianareo no amin’ny làlana tsara, na amin’ny làlan’ny fahaverezana miharihary ? ”."},{"id":25,"translation":"Lazao hoe : “ Tsy hanontaniana mikasika izay heloka nataonay ianareo, ary izahay koa tsy hanonataniana ny mikasika izay nataonareo ”."},{"id":26,"translation":"Lazao hoe : “ Hamory antsika ny Tompontsika, hitsara antsika amim-pahamarinana Izy, fa Izy no ilay mpitsara avo, ilay mahalala ny zava-drehetra ”."},{"id":27,"translation":"Lazao hoe : “ Asehoy ahy izay nataonareo ho mpitambatra Aminy. tsia ! fa Izy no ilay Tompo tsitoha, ilay be fahendrena ”."},{"id":28,"translation":"Tsy nalefanay ianao afa-tsy ho mpilaza sy ho mpampitandrina ny olombelona rehetra, nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona."},{"id":29,"translation":"Ary hoy izy ireo :“ Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ? ”."},{"id":30,"translation":"Lazao hoe : “ Ny fotoana voatondro ho anareo,dia amin’ny andro iray izay tsy azonareo ahemotra ora iray, na ampandrosoina ”."},{"id":31,"translation":"Ary hoy ireo tsy mpino : “ Tsy hino io kor’any io velively izahay, na izay tonga teo alohany. ary raha hitanao ireo mpanao ny tsy rariny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony, hifanome teny izy ireo ! ka hiteny amin’ireo mpirehareha ireo izay noheverina ho osa hoe : “ raha tsy teo ianareo, dia ho mpino izahay ”."},{"id":32,"translation":"Dia hiteny amin’ireo izay noheverina ho osa ireo mpirehareha hoe : “ Izahay va no nanakana anareo tamin’ny làlana tsara, rehefa tonga taminareo izany ? Ianareo mihitsy aza no tena mpanao ratsy ”."},{"id":33,"translation":"Ary dia hiteny amin’ireo mpirehareha , ireo noheverina ho osa hoe : “ Tetika nataonareo andro aman’alina ny nandidianareo anay tsy hino an’i Allah, sy hanana zavatra ampitoviana Aminy ”. ary dia hanafina ny fanenenany izy ireo, rehefa hahita ny famaizana. hasianay rojo-vy amin’ny tendan’izay tsy nino, moa tsy ho valiana arak’izay nataony va izy ireo ? ”."},{"id":34,"translation":"Ary tsy nandefa mpampitandrina tamin’ny tanàna iray Izahay, ka tsy niteny ireo olona tsara fari-piainana hoe : “ Tsy mino ny hafatra izay nandefasana anareo izahay ! ”."},{"id":35,"translation":"Ary hoy izy ireo : “ Manankarena sy maro anaka izahay, ka tsy hosaziana ”."},{"id":36,"translation":"Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany ny Tompoko, na mametra izany. nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona ”."},{"id":37,"translation":"Tsy hampanakaiky anareo Aminay mihitsy, ny harenanareo sy ny zanakareo, afa-tsy izay mino sy manao ny tsara. mahazo valisoa avo roa heny amin’izay nataony izy ireo, ary tsy hiaina amim-pilaminana any amin’ny rihana ambony (any amin'ny Paradisa)."},{"id":38,"translation":"Fa ireo izay miezaka ny tsy hampisy lanjany ny tenanay kosa, dia tsy maintsy hiatrika ny famaizana izy ireny."},{"id":39,"translation":"Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony ny Tompoko, na mametra izany. ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana ”."},{"id":40,"translation":"Ary hangoniny avokoa ianareo indray andro any. dia hiteny amin’ireo Anjely Izy hoe : “ Ianareo va no notompoin’izy ireo ? ”."},{"id":41,"translation":"Hilaza izy ireo hoe : “ Voninahitra ho Anao ! Ianao no mpiahy anay, fa tsy izy ireo akory. Djiny no notompoin’izy ireo, ka nino azy ireny ny ankamaroany ”."},{"id":42,"translation":"Amin’io andro io, dia tsy afaka hifanome tombotsoa , na hifanao ratsy intsony ianareo, fa izao kosa no hambaranay amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny: “ Andramo ny famaizan’ny afo, izay nataonareo ho lainga ”."},{"id":43,"translation":"Ary rehefa vakina amin’izy ireo ny andininy mazava avy Aminay, dia hoy izy ireo : “ olona te-hampiala anareo min’izay notompoin’ireo razam-benareo ihany io ” ary hoy izy ireo : ” Lainga noforonina ihany izany ”. ka hoy ireo tsy mpino, rehefa tonga eo amin’ireo ny marina : “ Fanova-maso (majika) miharihary mihitsy izao ! ”."},{"id":44,"translation":"Tsy nomenay ny boky hianarana izy ireo. ary tsy nandefasanay mpampitandrina mihitsy teo amin’izy ireo talohanao."},{"id":45,"translation":"Nandà (ireo iraka) ireo talohan’izy ireo; tsy nahatratra ny ampahafolon’izay nomenay azy ireo ny an’ny mponin’ny Lameka. nataon’izy ireo ho mpandainga ireo iraka avy avy Amiko. ary nanao ahoana ny fanakianako (famaizako) azy ireo."},{"id":46,"translation":"Lazao hoe : “ Zavatra iray ihany no ampirisihako anareo, dia ny hitsangananareo ho an’i Allah tsiroaroa, na tsirairay, ka handinihanareo avy eo. tsy azon-javatra mihitsy ny namanareo (Mohamady), fa mpampitandrina hanambara aminareo manoloana ilay famaizana mafy ihany izy ”."},{"id":47,"translation":"Lazao hoe : \" Ny tambiny izay hangatahiko aminareo, dia ho anareo ihany. satria Allah irery ihany no manome tambiny ahy\"."},{"id":48,"translation":"Teneno hoe : “ Marina fa ny Tompoko dia mandefa ny fahamarinana (amin’ireo Irany).Izy Ilay tena Mahalala ny zava-mafina ”."},{"id":49,"translation":"Teneno hoe: “ Tonga ny marina (Islamo). Fa ny diso (ny tsy finoana) dia tsy afaka manohy intsony na mamerina indray ”."},{"id":50,"translation":"Teneno hoe : “ Raha very làlana aho dia ny tenako ihany no ho very; fa raha voatari-dàlana kosa aho, dia noho ny fanambarana izay nalefan’ny Tompoko tamiko. Marina fa Izy dia Maheno ny zava-drehetra; sady Akaiky ”."},{"id":51,"translation":"Ary raha hitanao fa azon’ny tahotra izy ireo, ka tsy afa-mandositra, dia horaisina eo amin’ny toerana akaiky izy ireo."},{"id":52,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe: “ Mino Azy izahay ” Fa ahoana no hahazoan’izy ireo ny finoana avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra ?"},{"id":53,"translation":"Nefa izy ireo teo aloha, dia tsy nino an’izany, ary nitsipaka ny miafina rehetra avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra izy ireo."},{"id":54,"translation":"Ary nametrahana sakana teo anelanelan’izy ireo sy izay tsiriritin’izy ireo, tahaka izay natao tamin’ireo izay nitovy taminy teo aloha, satria izy ireo dia tena tao anatin’ny fisalasalana lalina."}]},{"id":35,"verses":[{"id":1,"translation":"Dera ho an’i Allah, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Izay nanao ireo Anjely ho Iraka manana elatra roa, na telo, na efatra. Ampiany araka izay tiany ny zava-boahary, fa Mahefa ny zavatra rehetra Izy."},{"id":2,"translation":"Izay omen’i Allah ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana izany kosa Izy, dia tsy misy afaka mamotsotra izany aoriany. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":3,"translation":"Ô ry olombelona ! Tsarovy ny soa nataon’i Allah taminareo, misy ve ankoatra an’i Allah, mpahary manome anjaram-pivelomana ho anareo, avy any an-danitra sy ety an-tany ? Tsy misy zanahary hafa, afa-tsy Izy ! Ka nahoana àry ianareo no mivily amin’izany (fahamarinana) ?"},{"id":4,"translation":"Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nolazaina ho mpandainga ihany koa ireo Iraka talohanao. Fa any amin’i Allah ihany anefa no hamerenana ny raharaha rehetra."},{"id":5,"translation":"Ry olombelona! Marina ny fampanantenan’i Allah. Ka aza avela hamitaka anareo ny fiainana an-tany, ary aoka tsy hahavoafitaka anareo ihany koa ilay mpamitaka mikasika an’i Allah."},{"id":6,"translation":"Fahavalonareo tokoa ny devoly, koa raiso ho fahavalo tanteraka izy. Tsy manao afa-tsy ny miantso ireo mpanaraka azy izy, mba ho lasa olon’ny afo mamaivay"},{"id":7,"translation":"Hahazo famaizana henjana ireo izay tsy nino, fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe."},{"id":8,"translation":"Dia ahoana ! Izay nohatsaraina teo imasony ny asa ratsy nataony, ka noheveriny ho tsara? Nefa mamery làlana izay tiany ho amin’izany i Allah, ary mitari-dàlana izay tiany ho tarihina ihany koa. Aoka tsy hanenina noho ny amin’izy ireo ny tenanao. Fa Mahafantatra tsara izay ataon’izy ireo i Allah."},{"id":9,"translation":"Ary i Allah no mandefa ny rivotra hanainga ny rahona, izay atosikay ho any amin’ny tany karankaina avy eo; ka omenay aina indray ny tany efa maty. Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty !"},{"id":10,"translation":"Izay mitady ny hery (amam-boninahitra), dia an’i Allah ny hery rehetra, any Aminy no miakatra ny teny tsara, ary hansandrany ambony ny asa soa. Fa izay miray tsikombakomba amin’ny asa ratsy kosa, dia hahazo famaizana henjana. Nefa tsy hahomby ny teti-dratsin’izy ireo."},{"id":11,"translation":"Allah no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo, avy amin’ny tsirinaina indray mitete, ary rehefa izany, dia nataony ho mpivady tsiroaroa. Tsy misy vehivavy mitondra vohoka, na miteraka ka tsy fantany. Ary tsy misy fahavelomana maharitra na fohy, ka tsy voasoratra ao amin’ny boky. Fa mora amin’i Allah tokoa izany."},{"id":12,"translation":"Tsy mitovy ireo ranomasina roa: ny ranon’ny andaniny azo sotroina, mamy sy mora atelina, ary ny ranon’ny ankilany kosa masira sy mangidy. Nefa dia samy akanareo nofo tsara fihinana izy ireo, ary akanareo haingo itafianareo. Hitanao ny sambo mirondrona mamakivaky ny rano, mba hitadiavanareo ny ampaham-pahasoavany, ka hankasitrahanareo."},{"id":13,"translation":"Ataony misosoka amin’ny andro ny alina, ary ny andro ataony misosoka amin’ny alina. Nofeheziny ny masoandro sy ny volana, samy mandeha amin’ny tanjony voafaritra avy izy ireo. Izany Allah Ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory."},{"id":14,"translation":"Raha antsoinareo izy ireo, dia tsy handre ny antsonareo akory; ary na mandre aza, dia tsy afaka hamaly anareo. Amin’ny andro fitsanganana, dia ho lavin’izy ireo ny fampitambaranareo azy (amin’i Allah). Tsy misy afaka manome vaovao anao mitovy amin’izay mahafantatra tsara."},{"id":15,"translation":"Ry olombelona! Mahantra mila an’i Allah ianareo, fa Allah kosa, Izy no Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana."},{"id":16,"translation":"Raha sitrany, dia ho naringany ianareo, ka namboatra zava-boahary vaovao indray Izy."},{"id":17,"translation":"Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany."},{"id":18,"translation":"Tsy hisy anefa hizaka ny enta-mavesatry ny hafa. Ary raha misy olona vesaram-pahotana mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany mihitsy, na dia ny havana akaiky aza. Ireo matahotra ny Tompony ihany no ampitandremanao, na dia tsy mahita Azy aza izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka soalat. Ary izay midio, dia midio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Allah no fiafarana."},{"id":19,"translation":"Tsy mitovy ny jamba sy ny mahiratra,"},{"id":20,"translation":"na ny aizina sy ny hazavana,"},{"id":21,"translation":"na ny aloka sy ny hafanana migaingaina."},{"id":22,"translation":"Tahaka izany koa, tsy mitovy ny velona sy ny maty. Azon’i Allah ampandrenesina izay tiany hampandrenesina, fa ianao kosa tsy afaka hampandre ny any am-pasana."},{"id":23,"translation":"Mpampitandrina ihany ianao."},{"id":24,"translation":"Nalefanay niaraka tamin’ny fahamarinana ianao, ho mpilaza sy mpampitandrina. Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina."},{"id":25,"translation":"Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nilaza ireo Iraka ho mpandainga ihany koa ireo talohan’izy ireo, nefa dia nitondra porofo taminy ireo Irany, ary rakitsoratra sy Boky mpanazava."},{"id":26,"translation":"Avy eo dia nofaiziko ireo tsy nino,ka nanao ahoana ny Fanakianako (famaizana)"},{"id":27,"translation":"Tsy hitanao ve, fa ampidinin’i Allah avy eny an-danitra ny rano? Ka avoakanay avy amin’izany ireo voankazo miloko isan-karazany. Ary eny an-tendrombohitra, misy faritra fotsy sy mena, ary loko samihafa, sy faritra tena mainty."},{"id":28,"translation":"Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah."},{"id":29,"translation":"Ireo izay mamaky ny Bokin’i Allah, sy manatanteraka ny vavaka soalat,ary manao fandaniana miafina na an-karihary amin’izay nomenay azy ireo, dia manantena hanao fifanakalozana tsy ho rava mandrakizay,"},{"id":30,"translation":"mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa feno, sy hanampiany azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Mpamela heloka Izy, ary Mpankasitraka."},{"id":31,"translation":"Ny Fahamarinana tokoa no nambaranay anao tamin’ny Boky, manamafy izay teo alohany. Fa Mahafantatra tsara ireo mpanompony Allah, ary Mahita azy ireo."},{"id":32,"translation":"Dia nataonay mpandova ny Boky ireo izay nofidinay tamin’ny mpanomponay. Misy amin’izy ireo no manao ny tsy rariny amin’ny tenany, ao koa ireo izay manao ny antonony, ary ny sasany kosa, noho ny alalana avy amin’i Allah, dia mihoatra ( ny hafa ) noho ny asa soa ataony, izany no fahasoavan-dehibe."},{"id":33,"translation":"Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena sy vatosoa; ary lamba lasoa no fitafin’izy ireo any."},{"id":34,"translation":"Ary hiteny izy ireo hoe : “ Dera ho an’i Allah, izay nampisinda ny alahelonay. fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa ny Tomponay."},{"id":35,"translation":"Izay nametraka anay ao amin’ny fonenana maharitra noho ny Fahasoavany, ka tsy hahitanay havizanana na harerahana”."},{"id":36,"translation":"Fa ireo tsy mpino, dia hahazo ny afon’ny helo izy ireo ary tsy vonoina ho faty, sady tsy hamaivanina mihitsy ny fijaliany. Toy izany no hamalianay ireo mpihizingizina amin’ny tsy finoana."},{"id":37,"translation":"Ary dia hiantsoantso izy ireo hoe: “Tomponay ô! Avoahy izahay, hanao ny tsara, fa tsy tahaka izay nataonay teo aloha”. Tsy efa nomenay fiainana lava moa ianareo mba hieritreretan’izay mieritreritra? Ary tonga teo aminareo ihany koa ny mpampitandrina. Dia andramo àry (ny sazinareo), fa tsy misy famonjena ho an’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":38,"translation":"Fantatr’i Allah ny zava-miafin’ny lanitra sy ny tany, ary fantany izay raiketin’ny fo."},{"id":39,"translation":"Izy no nanao anareo ho mpandimby eto an-tany. Izay tsy mino, dia izy no iharan’ny tsy finoany. Tsy manampy ny mpikomy ny tsy finoany, raha tsy fahafaham-baraka ihany. Ary tsy mampitombo afa-tsy fatiantoka ho an’ireo tsy mpino ny tsy finoany."},{"id":40,"translation":"Dia lazao hoe: “Hitanareo ve ireo nataonareo ho mpitambatra amin’i Allah izay antsoinareo ankoatra Azy? Asehoy ahy izay namboariny teto an-tany. Nandray anjara ve izy ireo tamin’ny fahariana ny lanitra? Sa nomenay Boky misy porofo?” Tsia! Fa fitaka ihany no fampanantenana ifanaovan’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":41,"translation":"Mihazona ny lanitra sy ny tany ho eo mandrakariva Allah. Ary raha miala teo izany, dia tsy misy afaka hihazona azy ireo ankoatra Azy. Fa Izy no be fangorahana, sy Mpamela heloka."},{"id":42,"translation":"Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany,"},{"id":43,"translation":"noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay."},{"id":44,"translation":"Tsy mbola nandeha nitety ny tany ve izy ireo, ka tsy nahita izay nahazo ireo niaina talohany, izay natanjaka tokoa noho izy ireo? Ary tsy misy afaka hampihena ny fahefan’i Allah, na any an-danitra na ety an-tany. Fa Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra Izy."},{"id":45,"translation":"Fa raha mamaly ny olona amin’izay ataon’izy ireo i Allah, dia tsy hisy zava-manan’aina havelany ho velona mihitsy eto an-tany. Nefa omeny fe-potoana voafaritra izy ireo. Ka rehefa tonga ny fetran’izy ireo (dia hihatra ny famaizana) satria Mahita ireo mpanompony i Allah."}]},{"id":36,"verses":[{"id":1,"translation":"Yasin,"},{"id":2,"translation":"Mianiana amin’ilay Kor’any feno fahendrena Aho,"},{"id":3,"translation":"Hamafisina, fa isan’ireo Iraka tokoa ianao (Mohammad),"},{"id":4,"translation":"Anatin’ny làlana mahitsy."},{"id":5,"translation":"Fanambarana avy amin’ilay Tsitoha sy be indrafo,"},{"id":6,"translation":"Mba hampitandremanao vahoaka iray, izay mbola tsy nahazo fampitandremana hatramin’ny razamben’izy ireo, ka dia tsy miraharaha izany izy ireo."},{"id":7,"translation":"Tanteraka tokoa ny teny [sazy famaizana] natao tamin’ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy hino izany mihitsy izy ireo."},{"id":8,"translation":"Hasianay gadra-vy eo amin’ny hatony, ka hatreo amin’ny saokany, ary indreny handeha hilanja loha izy ireo."},{"id":9,"translation":"Ary hasianay fefy eo anoloan’izy ireo, ary fefy ihany koa any aoriany, ary hosaromanay izy ireo ka tsy hahita mihitsy."},{"id":10,"translation":"Ary mitovy ihany amin’izy ireo, na hampitandrina azy ireo ianao, na tsy hampitandrina, dia tsy hino mihitsy izy ireo."},{"id":11,"translation":"Tsy mampitandrina ianao afa-tsy izay manaraka ny fampahatsiahivana sy matahotra Ilay be fiantrana na dia tsy hita maso aza. Lazao vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka sy valisoa sesehena ho azony izy ireo."},{"id":12,"translation":"Hamafisina, fa Izahay tokoa no manangana ireo maty, ary manoratra izay nataon’izy ireo amin’ny fiainany any an-koatra, sy ny vokatr’izany. Ary noraiketinay an-tsoratra ny zava-drehetra."},{"id":13,"translation":"Omeo fanoharana ho azy ireo ny mponin’ny tanàna iray, rehefa tonga teo aminy ireo Iraka."},{"id":14,"translation":"Rehefa nandefasanay Iraka roa tamin’izy ireo, dia nolazainy fa mpandainga izy roa, ary nohamafisinay tamin’ny Iraka fahatelony, dia nilaza izy ireo hoe : “ Marina fa izahay dia Iraka nalefa ho aminareo”."},{"id":15,"translation":"Nefa hoy izy ireo hoe : “ Olombelona tahaka anay ihany ianareo. Ary tsy nampidina na inona na inona Ilay be fiantrana, fa ianareo dia olona mandainga fotsiny ”."},{"id":16,"translation":"Nilaza ireo Iraka hoe: “Ny Tomponay dia mahalala, fa nalefa ho anareo tokoa izahay”."},{"id":17,"translation":"“ Ary ny hany anjaranay, dia ny fampitàna mazava tsara ny hafatra fotsiny ”."},{"id":18,"translation":"Nilaza izy ireo hoe : “ milaza loza ny fahitanay anareo. Raha tsy mitsahatra amin’izany ianareo, dia ho torahanay vato tokoa, ary hahazo famaizana mamirifiry avy Aminay tokoa ianareo ”."},{"id":19,"translation":"Namaly izy ireo hoe : “avy aminareo ihany ny lozanareo. Tahak’izany ve no ataonareo rehefa ampahatsiahivina ? Tena vahoaka mpihoa-pefy tokoa ianareo ”."},{"id":20,"translation":"Ary nisy lehilahy iray avy amin’ny faran’ny tanàna tonga, ka niteny hoe : “ Ry vahoakako! Aoka ianareo hanaraka ireo Iraka,"},{"id":21,"translation":"Manaraha izay tsy mangataka tambiny aminareo ianareo, sady ao anatin’ny làlana mahitsy."},{"id":22,"translation":"Ary inona moa no handrara ahy tsy hanompoako Ilay nahary ahy ? Nefa any Aminy no tsy maintsy hamerenana anareo."},{"id":23,"translation":"Moa haka zanahary hafa ankoatra Azy ve aho ? Raha te-hanao ratsy ahy Ilay be fiantrana, dia tsy hahasoa ahy ny fanelanelanan’izy ireo, sady tsy afaka hanavotra ahy izy ireo."},{"id":24,"translation":"Raha izany, dia tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa aho."},{"id":25,"translation":"Mino ny Tomponareo aho, koa mba henoinareo ary aho."},{"id":26,"translation":"Dia nolazaina taminy hoe : “ Midira ao amin’ny Paradisa ianao ”, ka nilaza izy hoe : “ Raha mba fantatry ny vahoakako mantsy !"},{"id":27,"translation":"Ka namela ahy noho izany ny Tompoko, ary nataony ho isan’ireo manamboninahitra."},{"id":28,"translation":"Ary tao aoriany, dia tsy nampidina miaramila avy tany an-danitra mihitsy Izahay, ary tsy nampidina na inona na inona tamin’ny vahoakany intsony."},{"id":29,"translation":"Hiaka tokana fotsiny, dia indro fa maty daholo izy ireo."},{"id":30,"translation":"Indrisy ho an’ireo mpanompo ! Tsy nisy Iraka tonga tamin’izy ireo ka tsy novazivaziany."},{"id":31,"translation":"Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry ny taranaka teo alohan’izy ireo no naringanay, izay tsy hiverina intsony eo amin’izy ireo mandrakizay ?"},{"id":32,"translation":"Ary ny rehetra, dia tsy maintsy hiseho avokoa eo anatrehanay, tsy misy ankanavaka."},{"id":33,"translation":"Ary porofo iray ho azy ireo dia ny tany izay efa maty omenay aina indray, ka hampitsirinay ny voa izay hohanin’izy ireo"},{"id":34,"translation":"Nasinay zaridaina avy amin’ny hazon'atrendry sy voaloboka ao, ary nasianay loharano miboiboika,"},{"id":35,"translation":"Mba hihinanan’izy ireo ny voankazony, sy izay vokatry ny asan-tánany. Moa tsy halala hankasitraka ve izy ireo ?"},{"id":36,"translation":"Voninahitra ho an’Ilay nahary ny zavaboary rehetra tsiroaroa avy, izay nampanirian’ny tany, sy avy amin’ny tenan’izy ireo koa, ary avy amin’izay tsy fantatr’izy ireo !"},{"id":37,"translation":"Ary porofo iray ho azy ireo ny alina, esorinay avy aminy ny andro, ka indro izy ireo ao anatin’ny haizina tanteraka,"},{"id":38,"translation":"Ary ny masoandro dia misosa mankany amin’ny toerana izay natokana ho azy, toy izany no fandaharana nataon’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala tanteraka ny zava-drehetra."},{"id":39,"translation":"Ary ny volana, dia noferanay ny fiovaovany, mandra-piverenany tahaka ny rantsan-kazon'atrendry antitra."},{"id":40,"translation":"Tsy afaka hahatratra ny volana ny masoandro, na handeha hialoha ny andro ny alina, fa samy misosa amin’ny zotra misy azy avy ny tsirairay."},{"id":41,"translation":"Ary ny famantarana iray ho azy ireo ihany koa, dia ny nitondranay ny taranak’izy ireo tamin’ny sambofiara feno,"},{"id":42,"translation":"Ary dia noharianay mitovy amin’izany izy ireo ka niakatra tao aminy [ tao anatin’ilay sambofiara ]."},{"id":43,"translation":"Ary raha sitrakay, dia narendrikay izy ireo, ka tsy hisy mpamonjy intsony, ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo."},{"id":44,"translation":"Raha tsy nohon'ny famindram-po avy Aminay, sy ho fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra."},{"id":45,"translation":"Ary raha ilazana izy ireo hoe : “Aoka ianareo hatahotra izay eo anoloanareo, sy izay ao aorianareo, mba hahazoanareo famindram-po. ”."},{"id":46,"translation":"Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe: tsy noraharahin’izy ireo izany."},{"id":47,"translation":"Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Manaova fandaniana ianareo amin’ny anjara izay nomen’I Allah anareo”. Dia hilaza amin’ny mpino ireo izay tsy mpino hoe: “Moa ve izahay no hampihinana olona izay azon’I Allah hampihinanina, raha sitrany izany? Tena anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa ianareo”."},{"id":48,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ? ”."},{"id":49,"translation":"Tsy miandry raha tsy hiaka tokana ihany izy ireo, izay ho tonga amin’izy ireo, kanefa izy ireo dia mbola ao anatin’ny fifandirana tanteraka."},{"id":50,"translation":"Tsy afaka hanao didim-pananana intsony izy ireo, na koa hiverina any amin'ny fianakaviany."},{"id":51,"translation":"Ary ho tsofina ny trompetra, ka indro fa hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, ka ho any amin’ny Tompony,"},{"id":52,"translation":"Sady hiteny izy ireo hoe : “ Loza ho anay ! Iza no nampitsangana anay avy tao amin’ny toerana fatorianay ? ”. Izany dia fampanantenan’Ilay be fiantrana, ary marina izay voalazan’ireo Iraka."},{"id":53,"translation":"Tsy hisy raha tsy ny hiaka tokana ihany, dia indro fa hiseho eo anatrehanay izy rehetra."},{"id":54,"translation":"Amin’izany andro izany, dia tsy hisy ho voambaka mihitsy. Ary tsy hisy valin-kasasarana ho anareo raha tsy araka ny asa izay nataonareo ihany."},{"id":55,"translation":"Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa."},{"id":56,"translation":"Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava."},{"id":57,"translation":"Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny."},{"id":58,"translation":"Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo."},{"id":59,"translation":"Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava!"},{"id":60,"translation":"Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy."},{"id":61,"translation":"Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy."},{"id":62,"translation":"Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ?"},{"id":63,"translation":"Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo."},{"id":64,"translation":"Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo."},{"id":65,"translation":"Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony."},{"id":66,"translation":"Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo?"},{"id":67,"translation":"Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo."},{"id":68,"translation":"Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ?"},{"id":69,"translation":"Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany)."},{"id":70,"translation":"Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana]."},{"id":71,"translation":"Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa Izahay no nahary ho azy ireo, avy tamin’izay nataon’ny Tananay, ny biby fiompy maro, ka lasa fananan’izy ireo izany."},{"id":72,"translation":"Ary dia nataonay eo ambany fiadidian’izy ireo izany, ka misy amin’izy ireo no fitaingainana, ary misy koa amin’izy ireo natao fihinana."},{"id":73,"translation":"Ary mbola manana tombontsoa hafa ihany koa izy ireo amin’izany, sy hataony zava-pisotro. Ka moa tsy mba mahalala mankasitraka ve izy ireo ?"},{"id":74,"translation":"Kanefa dia naka zanahary hafa ankoatran'I Allah izy ireo, mba hanantena famonjena"},{"id":75,"translation":"Izy ireny anefa dia tsy afaka hanavotra azy ireo ary hamorona miaramila hanohitra azy ireo."},{"id":76,"translation":"Koa aoka áry tsy hampalahelo anao ny tenin’izy ireo ! Satria hamafisina fa fantatray izay afeniny sy izay aharihariny."},{"id":77,"translation":"Moa tsy hitan’ny olombelona ve, fa Izahay tokoa no nahary azy, avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ? Kanefa indro izy ireo indray no mpanohitra miharihary."},{"id":78,"translation":"Ary nanome fanoharana iray taminay izy, kanefa hadinony ny nahariana azy, ka hoy izy hoe : “Iza no hanome aina indray ireo taolana rehefa lasa vovoka ?”"},{"id":79,"translation":"Lazao hoe : “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra”."},{"id":80,"translation":"Ilay nanao ny afo ho anareo avy amin’ny hazo maitso, ka indro fa mandrehitra afo avy amin’izany ianareo."},{"id":81,"translation":"Moa tsy afaka hahary mitovy amin’izy ireo ve Ilay nahary ny lanitra sy ny tany ? Mifanohitra amin’izany tokoa, fa Izy no Ilay Mpahary tonga lafatra, Ilay mahalala ny zava-drehetra."},{"id":82,"translation":"Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin’ny teny manao hoe: “Misia”,dia misy tokoa izany."},{"id":83,"translation":"Koa Voninahitra anie ho an’Ilay mitána ny fanjakan’ny zava-drehetra eo am-pelantanany ! Ary any Aminy no hamerenana anareo."}]},{"id":37,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,"},{"id":2,"translation":"Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),"},{"id":3,"translation":"Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :"},{"id":4,"translation":"Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,"},{"id":5,"translation":"Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”."},{"id":6,"translation":"Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,"},{"id":7,"translation":"Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,"},{"id":8,"translation":"Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,"},{"id":9,"translation":"Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo."},{"id":10,"translation":"Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka."},{"id":11,"translation":"Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo."},{"id":12,"translation":"Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo."},{"id":13,"translation":"Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany."},{"id":14,"translation":"Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany."},{"id":15,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”."},{"id":16,"translation":"Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?"},{"id":17,"translation":"Na koa ireo razambenay taloha ? ”"},{"id":18,"translation":"Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”."},{"id":19,"translation":"Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery."},{"id":20,"translation":"Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”."},{"id":21,"translation":"“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”."},{"id":22,"translation":"“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,"},{"id":23,"translation":"Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo."},{"id":24,"translation":"Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana."},{"id":25,"translation":"“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”"},{"id":26,"translation":"Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo"},{"id":27,"translation":"Ary hifampitodika izy ireo hifanontany"},{"id":28,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”."},{"id":29,"translation":"Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”."},{"id":30,"translation":"Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy."},{"id":31,"translation":"Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay"},{"id":32,"translation":"Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana."},{"id":33,"translation":"Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra."},{"id":34,"translation":"Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava."},{"id":35,"translation":"Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo."},{"id":36,"translation":"Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”"},{"id":37,"translation":"Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha)."},{"id":38,"translation":"Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry."},{"id":39,"translation":"Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany"},{"id":40,"translation":"Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy"},{"id":41,"translation":"Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra"},{"id":42,"translation":"Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo"},{"id":43,"translation":".Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana"},{"id":44,"translation":"Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika."},{"id":45,"translation":"Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano."},{"id":46,"translation":"Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy."},{"id":47,"translation":"Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany."},{"id":48,"translation":"Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso."},{"id":49,"translation":"Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara."},{"id":50,"translation":"Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany."},{"id":51,"translation":"Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana\""},{"id":52,"translation":"Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”"},{"id":53,"translation":"“Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”"},{"id":54,"translation":"Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”"},{"id":55,"translation":"Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe"},{"id":56,"translation":"Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”"},{"id":57,"translation":"Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho."},{"id":58,"translation":"Moa ve marina fa tsy ho faty isika,"},{"id":59,"translation":"Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”"},{"id":60,"translation":"Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe."},{"id":61,"translation":"Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa."},{"id":62,"translation":"Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]"},{"id":63,"translation":"Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":64,"translation":"Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe."},{"id":65,"translation":"Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana."},{"id":66,"translation":"Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony"},{"id":67,"translation":"Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo."},{"id":68,"translation":"Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)"},{"id":69,"translation":"Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana"},{"id":70,"translation":"Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo."},{"id":71,"translation":"Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo."},{"id":72,"translation":"Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro."},{"id":73,"translation":"Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !"},{"id":74,"translation":"Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy."},{"id":75,"translation":"Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra."},{"id":76,"translation":"Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe."},{"id":77,"translation":"Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela."},{"id":78,"translation":"Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy."},{"id":79,"translation":"Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao"},{"id":80,"translation":"Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa."},{"id":81,"translation":"Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino."},{"id":82,"translation":"Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany."},{"id":83,"translation":"Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)"},{"id":84,"translation":"Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio."},{"id":85,"translation":"Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?\""},{"id":86,"translation":"Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?"},{"id":87,"translation":"Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?"},{"id":88,"translation":"Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana"},{"id":89,"translation":"Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”"},{"id":90,"translation":"Nimboho azy izy ireo dia nandeha."},{"id":91,"translation":"Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?\""},{"id":92,"translation":"Fa inona no tsy mampiteny anareo?"},{"id":93,"translation":"Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana."},{"id":94,"translation":"Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona."},{"id":95,"translation":"Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany\"."},{"id":96,"translation":"Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo"},{"id":97,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy."},{"id":98,"translation":"Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo."},{"id":99,"translation":"Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy."},{"id":100,"translation":"Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho."},{"id":101,"translation":"Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po."},{"id":102,"translation":"Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana."},{"id":103,"translation":"Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,"},{"id":104,"translation":"Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !"},{"id":105,"translation":"Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa."},{"id":106,"translation":"Izany tokoa no fitsapana tena miharihary."},{"id":107,"translation":"Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe."},{"id":108,"translation":"Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy."},{"id":109,"translation":"“Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”."},{"id":110,"translation":"Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa"},{"id":111,"translation":"Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino."},{"id":112,"translation":"Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika."},{"id":113,"translation":"Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany."},{"id":114,"translation":"Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,"},{"id":115,"translation":"Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe."},{"id":116,"translation":"Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy."},{"id":117,"translation":"Ary nomenay azy roa ny Boky mazava."},{"id":118,"translation":"Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa"},{"id":119,"translation":"Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa."},{"id":120,"translation":"“ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”."},{"id":121,"translation":"Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa."},{"id":122,"translation":"Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino."},{"id":123,"translation":"Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka."},{"id":124,"translation":"Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : \" Moa ve tsy matahotra ianareo ?\""},{"id":125,"translation":"Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary"},{"id":126,"translation":"I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha."},{"id":127,"translation":"Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe)."},{"id":128,"translation":"Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy."},{"id":129,"translation":"Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy."},{"id":130,"translation":"“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”."},{"id":131,"translation":"Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa."},{"id":132,"translation":"Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino."},{"id":133,"translation":"Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka."},{"id":134,"translation":"Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo"},{"id":135,"translation":"Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana."},{"id":136,"translation":"Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany."},{"id":137,"translation":"Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina"},{"id":138,"translation":"Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?"},{"id":139,"translation":"Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka."},{"id":140,"translation":"Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy"},{"id":141,"translation":"Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy."},{"id":142,"translation":"Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny."},{"id":143,"translation":"Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy"},{"id":144,"translation":"Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty."},{"id":145,"translation":"Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama."},{"id":146,"translation":"Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny."},{"id":147,"translation":"Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra."},{"id":148,"translation":"Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra."},{"id":149,"translation":"Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?"},{"id":150,"translation":"Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?"},{"id":151,"translation":"Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe"},{"id":152,"translation":"“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga"},{"id":153,"translation":"Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?"},{"id":154,"translation":"Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?"},{"id":155,"translation":"Moa tsy mieritreritra ve ianareo?"},{"id":156,"translation":"Sa manana porofo mazava ianareo?"},{"id":157,"translation":"Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo."},{"id":158,"translation":"Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe)."},{"id":159,"translation":"Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy"},{"id":160,"translation":"Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy."},{"id":161,"translation":"Marina fa ianareo sy izay tompoinareo"},{"id":162,"translation":"Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany"},{"id":163,"translation":"Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim)."},{"id":164,"translation":"Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra"},{"id":165,"translation":"Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana"},{"id":166,"translation":"Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah"},{"id":167,"translation":"Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :"},{"id":168,"translation":"Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay"},{"id":169,"translation":"Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!"},{"id":170,"translation":"Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany."},{"id":171,"translation":"Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,"},{"id":172,"translation":"Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana"},{"id":173,"translation":"Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy."},{"id":174,"translation":"Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy"},{"id":175,"translation":"Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !"},{"id":176,"translation":"Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?"},{"id":177,"translation":"Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!"},{"id":178,"translation":"Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;"},{"id":179,"translation":"Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !"},{"id":180,"translation":"Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy."},{"id":181,"translation":"Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka"},{"id":182,"translation":"Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !"}]},{"id":38,"verses":[{"id":1,"translation":"Swád, Mianiana amin’ny Koroany, izay manana laza amam-boninahitra Aho !"},{"id":2,"translation":"Raha ny tena marina dia ireo izay tsy nino no ao anatin’ny fiavonavonana sy fizarazarana tanteraka."},{"id":3,"translation":"Firifiry tamin’ny taranaka talohan’izy ireo no naringanay ka nihiaka mafy izy ireo tamin’ny fotoana efa tsy azo nandosirana intsony?"},{"id":4,"translation":"Ary gaga izy ireo (ireo mponin’i Makka) fa misy mpampitandrina avy tao amin’izy ireo ihany no tonga tamin’izy ireo, ary niteny ireo tsy mpino hoe: “Io dia mpanao majika, tena mpandainga\"."},{"id":5,"translation":"Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra mahagaga tokoa."},{"id":6,"translation":"Ary lasa ireo loholona tamin’izy ireo sady niteny hoe :“ Mandehana ianareo ary mahareta amin’ireo zanaharinareo satria izany tokoa no zavatra tena irina\"."},{"id":7,"translation":"Tsy mbola naheno izany izahay tamin’ny finoana teo aloha (Kristianisma), tsy inona izany fa zavatra noforonina fotsiny."},{"id":8,"translation":"Izy ve no nampidinana ny fampahatsiahivana teo amintsika ? ” Raha ny tena marina, dia ao anatin’ny ahiahy izy ireo momba ny fampahatsiahivako. Raha ny tena marina, dia mbola tsy nanandrana ny famaizana avy Amiko izy ireo !"},{"id":9,"translation":"Sa izy ireo ve no mitazona ireo tahiry sarobidin’ny Famindram-pon’ny Tomponao, Ilay Mahery, Ilay Mpanome Mendrika indrindra ?"},{"id":10,"translation":"Sa azy ireo ve ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelan’izy ireo ? Aoka àry hiakatra any izy ireo amin’ny fomba izay azony atao rehetra !"},{"id":11,"translation":"(Izy ireo dia) tafika avy amin’ny antoko maro mitambatra izay mbola eto an-toerana ihany dia efa resy !"},{"id":12,"translation":"Efa nampandainga talohan’izy ireo ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, sy i Faraona izay nanana fanjakana matanjaka."},{"id":13,"translation":"Ary ireo Thamody sy ny vahoakan’i Lota ary ireo olon’ny Aïkat. Izy ireny no antoko maro mitambatra."},{"id":14,"translation":"Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo afa-tsy nampandainga ireo Iraka, ka tanteraka tamin’izy ireo ny sazy avy Amiko."},{"id":15,"translation":"Ary tsy miandry izy ireo afa-tsy hiaka tokana ihany, tsy misy fiverimberenana."},{"id":16,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Hafaingano aminay ny anjaranay alohan’ny andro Fitsarana ”."},{"id":17,"translation":"Mahareta ianao amin’izay tenenin’izy ireo; ary tsarovy ny mpanomponay, Daoda (Davida) izay nanana fahatanjahana (tamin’ny fanompoana), tena marina fa izy dia tena mpibebaka (amin’I Allah)."},{"id":18,"translation":"Izahay dia nanery ireo tendrombohitra hidera ny voninahitr’I Allah, amin’ny hariva sy ny maraina, miaraka aminy, toy izany koa ireo voro-manidina mitangorona, ny rehetra dia maneho ny fankatoavana Azy (Allah)."},{"id":19,"translation":"Toy izany ihany koa ireo voro-manidina mitangorona,izay samy manaiky Azy (Allah/Zanahary) avokoa."},{"id":20,"translation":"Ary nohamafisinay ny fanjakany, nomenay azy ny fahendrena sy ny fahaizana mitsara."},{"id":21,"translation":"Moa ve tonga aminao ny vaovaon’ireo mpifamaly rehefa niakatra ny rindrin’ny toeram-pivavahana?"},{"id":22,"translation":"Rehefa niditra tao amin’i Daoda izy ireo dia natahotra azy ireo izy. Niteny izy ireo hoe: “Aza matahotra ianao! Izahay roa dia mpifamaly; ny iray aminay dia nanao fahadisoana tamin’ny anankiray. Ka mba tsarao àry izahay amin’ny fahamarinana, ary aoka ianao tsy hitongilana, ary tariho amin’ny làlana mahitsy izahay."},{"id":23,"translation":"Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”."},{"id":24,"translation":"Niteny izy (Daoda) : “ Tena nanao ny tsy rariny taminao izy tamin’ny fangatahan'ilay ondry vavinao ho fanampin’ireo ondriny ”. Maro amin’ireo olona no mandika ny zon’ny mpiara-miombon’antoka aminy, afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, kanefa vitsy an’isa ihany izy ireo. Ary i Daoda dia nihevitra fa nitsapa azy Izahay, ka nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompony sy niantoraka niankohoka ary nibebaka izy."},{"id":25,"translation":"Namela heloka azy Izahay. Ary tena marina fa hahazo toerana akaiky Anay sy toeram-pialofana mahafinaritra tokoa izy."},{"id":26,"translation":"“ Oh ry Daoda, tena marina fa Izahay dia nanao anao ho mpanjaka (Khalifa) eto an-tany. Mitsarà ireo olona àry ianao, araka ny rariny sy ny hitsiny, ary aza manaraka ny hetahetam-pò, fa hampanalavitra anao amin’ny làlan’I Allah izany ”. Marina fa ireo izay miala amin’ny làlan’I Allah dia hahazo famaizana mahery vaika noho izy ireo nanadino ny Andron’ny Fitsarana."},{"id":27,"translation":"Ary tsy nahary ny lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo ho tsy misy antony Izahay. Izany no eritreritr’ireo izay tsy nino. Loza ho an’ireo izay tsy nino momba ny afo (izay miandry azy ireo)."},{"id":28,"translation":"Moa ve hataonay ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ho toy ireo mpanao ny asa fanimbana eto an-tany ? Na koa hataonay ireo manam-patahorana ho tahaka ireo mpanao asa ratsy ?"},{"id":29,"translation":"[Indro ny] Boky iray feno tso-drano izay nampidininay taminao, mba handinika izy ireo amin’ireo andian-teniny, ary mba hieritreritra ireo manana saina matsilo."},{"id":30,"translation":"Ary nomenay an’i Daoda i Solaimana (Salômôna), mpanompo tsara tokoa izy! Marina fa izy dia tena mpibebaka!"},{"id":31,"translation":"Rehefa naseho taminy indray tolakandro ireo soavaly mpihazakazaka tsara tarehy,"},{"id":32,"translation":"Niteny izy hoe : “ Tena marina fa nitia ny zava-tsara (eto ambonin’ny tany) aho ka saika nanadino ny fahatsiarovana ny Tompoko hatramin’ny filentehan’ny masoandro."},{"id":33,"translation":"Averenonareo aty amiko izy ireo”. Dia notapahiny ireo tongony sy ireo vozony."},{"id":34,"translation":"Ary efa notsapainay tokoa i Solaimana, ka natsipinay tamin’ny sezany ny vatana[106] iray, avy eo dia nibebaka izy."},{"id":35,"translation":"Niteny izy hoe : “ Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika hahazo izany any aoriako. Marina fa Ianao Ilay be fanomezana ”."},{"id":36,"translation":"Nataonay teo ambany fahefany ny rivotra izay mitsioka malefaka araka ny baikony, mankany amin’ny toerana rehetra izay tiany."},{"id":37,"translation":"Ary koa ireo satana izay mpanorina trano sy mpilentika an-drano isan-karazany."},{"id":38,"translation":"Ary ny sasany hafa, izay voafatotra tsiroaroa amin’ny rojo."},{"id":39,"translation":"“ Izany no fanomezana avy Aminay; zarao, na koa tazòny, tsy hisy tatitra hataonao ny amin’izany ”."},{"id":40,"translation":"Ary marina fa hahazo toerana akaiky izy eo Aminay, sy toeram-pialofana mahafinaritra ihany koa."},{"id":41,"translation":"Ary tsarovy ny mpanomponay Ayoba (Joba), rehefa niantso ny Tompony izy, dia nanao hoe: “Nofaizin’ny satana aho tamin’ny fahorianana sy fijaliana”."},{"id":42,"translation":"Kapohy amin’ny tongotrao (ny tany) dia indro rano mangatsiaka hisasanao, sy ho sotroinao."},{"id":43,"translation":"Ary natolotray azy indray ny fianakaviany, ka tahaka izany koa no niaraka tamin’izy ireo, noho ny famindram-po avy Aminay sy fampatsiahivana ho an’ireo izay manan-tsaina."},{"id":44,"translation":"“Mandraisa ratsan-kazo palma iray fehezana amin’ny tànanao ianao, avy eo kapohy amin’ny alàlan’izany izy (ny vadinao), ary aza mivadika amin’ny fianiananao”. Marina fa Izahay dia nahita azy naharitra. Endrey fa mpanompo mendrika tokoa izy! Mibebaka lalandava izy."},{"id":45,"translation":"Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahimo, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra."},{"id":46,"translation":"Tena marina fa nataonay nanana fiavahana manokana izy ireo, ny fampahatsiahivana ny any ankoatra."},{"id":47,"translation":"Ary tena marina fa, izy ireo eo akaikinay, dia anisan’ireo olom-boafidy mendrika indrindra."},{"id":48,"translation":"Ary tsarovy Ismaela, i Elize (Al-Yassa) sy i Zol-Kifl, ny tsirairay amin’izy ireo dia samy anisan’ireo mendrika indrindra."},{"id":49,"translation":"Izany dia fampahatsiahivana. Ary marina fa ho an’ireo manam-patahorana ny toeram-pialan-tsasatra mendrika indrindra:"},{"id":50,"translation":"Ireo zaridainan’i Edena, misokatra ho azy ireo ny varavarana maro,"},{"id":51,"translation":"Ka mitehin-kiho izy ireo ao, no sady mangataka voankazo maro sy zava-pisotro isan-karazany."},{"id":52,"translation":"Ary eo akaikin’izy ireo dia hisy ireo vehivavy tsara tarehy manana fijery maotina, mitovy taona avokoa izy rehetra."},{"id":53,"translation":"Izany no hampanantenaina anareo ho amin’ny Andron’ny Fitsarana."},{"id":54,"translation":"Izany tokoa no anjara fanomezana avy Aminay, tsy manam-pahataperana."},{"id":55,"translation":"Indro àry ! Ary tena marina fa ho an’ireo mpihoa-pefy ny toeram-pialan-tsasatra ratsy indrindra:"},{"id":56,"translation":"Ny Afobe izay handoro azy ireo. Endrey izany haratsian’ny fandriana !"},{"id":57,"translation":"Indro àry ! Fa aoka hanandrana ny rano mangotraka sy maimbo ao izy ireo,"},{"id":58,"translation":"Sy karazana sazy hafa mitovy amin’izany."},{"id":59,"translation":"Indro fa misy andiany iray izay miditra amim-pirotorotoana miaraka aminareo, tsy misy fiarahabana tongasoa ho azy ireo. Fa hodorana ao anatin’ny Afobe izy ireo."},{"id":60,"translation":"Niteny izy ireo hoe : “Raha ny tena marina dia tsy misy fiarahabana tongasoa ho anareo. Ianareo no nanomana izany ho anay”, endrey izany haratsian’ ny toeram-pijanonana !"},{"id":61,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “Ry Tomponay ô ! Izay nanomana izany ho anay dia ampitomboy aminy ho avo roa heny ny famaizana ao anatin’ny Afobe”."},{"id":62,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “ Nahoana izahay no tsy mahita ireo olona izay noheverinay ho anisan’ireo olon-dratsy ? ”"},{"id":63,"translation":"Moa ve Izahay no namazivazy azy ireo (amim-pahadisoana), sa tsy tazanay maso izy ireo?”"},{"id":64,"translation":"Izany tokoa no tena marina amin’ny fifandiran’ireo olon’ny Afobe."},{"id":65,"translation":"Teneno hoe : “ Tsy inona aho fa Mpampitandrina ihany. Ary tsy misy zanahary hafa ivelan’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Tompom-pahefana,"},{"id":66,"translation":"Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, Ilay Mahery, Ilay be Fandeferana ”."},{"id":67,"translation":"Teneno hoe : “ Ity (Koroany ity) dia vaovao lehibe\","},{"id":68,"translation":"Nefa ianareo dia mitodi-damosina aminy."},{"id":69,"translation":"Izaho dia tsy manana fahalalana momba ireo manam-boninahitra ambony indrindra raha niady hevitra izy ireo."},{"id":70,"translation":"Ny hany nambara tamiko dia ny hoe mpampitandrina miharihary aho."},{"id":71,"translation":"Rehefa niteny ny Tomponao tamin’ireo Anjely hoe : “ Izaho dia hamorona olombelona avy amin’ny tany manga\""},{"id":72,"translation":"Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara ka notsofiko taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miankohofa eo aminy ianareo."},{"id":73,"translation":"Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra."},{"id":74,"translation":"Afa-tsy Iblisa (satana) izay nanambony tena ka lasa anisan’ireo mpikomy."},{"id":75,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : Ô ry Iblisa ! Inona no nisakana anao tsy niankohoka teo anatrehan’izay noforoniko tamin’ny tanako roa ? Miavonavona ve ianao, sa ianao dia anisan’ireo ambony toerana ? ”"},{"id":76,"translation":"Niteny (Iblisa) hoe : “ Izaho no mendrika kokoa noho izy, noforoninao avy tamin’ny afo aho, fa izy kosa dia noforoninao avy tamin’ny tany manga ”."},{"id":77,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe :“ Mialà ao (amin’ny Paradisa) ianao ! Fa ianao dia tena voahozona."},{"id":78,"translation":"Ary hihatra aminao tokoa ny ozona avy Amiko mandra-pahatongan’ny Andro hitsinjarana ny valin’asa ”."},{"id":79,"translation":"Niteny izy hoe : “ O ! Ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”."},{"id":80,"translation":"Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany."},{"id":81,"translation":"Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”."},{"id":82,"translation":"Niteny izy (Iblisa) hoe : “ Mianiana amin’ny fahefanao aho! Fa tena hamery azy rehetra aho\""},{"id":83,"translation":"Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo ."},{"id":84,"translation":"Niteny izy (Allah) hoe : “ Tena marina ary ny marina no teneniko,"},{"id":85,"translation":"Tena ho fenoiko anao ny Afobe (Djahannama) sy izay rehetra hanaraka anao amin’izy ireo."},{"id":86,"translation":"Teneno :“ Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho; ary tsy anisan’ireo mpisandoka."},{"id":87,"translation":"Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao"},{"id":88,"translation":"Ary tena ho fantatrareo tsy ho ela ny vaovao momba izany !."}]},{"id":39,"verses":[{"id":1,"translation":"Ny fanambaràna ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":2,"translation":"Hamafisina, fa Izahay no nampidina tamim-pahamarinana ny Boky taminao. Koa tompoy áry I Allah, ary atokano irery ho Azy ny finoana."},{"id":3,"translation":"An’I Allah ny finoana madio, fa ireo izay maka piahy hafa ankoatr’Azy kosa dia milaza hoe: “ny hampanakaiky anay kokoa amin’I Allah no anompoanay azy ireo”. Hamafisina, fa hitsara azy ireo amin’izay mampifanditra azy ireo I Allah. Tsy mitari-dàlana izay mpandainga sy tsy mahay mankasitraka tokoa I Allah."},{"id":4,"translation":"Raha maniry te-hanan-janaka I Allah, dia afaka nisafidy tamin’izay namboariny Izy. Voninahitra anie ho Azy! Fa Izy no Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony."},{"id":5,"translation":"Fa tamim-pahamarinana no nahariany ny lanitra sy ny tany. Mampifandimby ny alina amin’ny andro Izy, ary mampifandimby ny andro amin’ny alina, ary nofeheziny ny masoandro sy ny volana ho samy manohy ny diany tsirairay avy amin’ny tanjona voafetra. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka."},{"id":6,"translation":"Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana Izy, avy eo notsoahiny avy tamin’izany ny vadiny. Ary nampidina biby fiompy valo ho anareo Izy. Nahary anareo tao an-kibon’ny reninareo Izy, fahariana taorian’ny fahariana, tao anatiny haizin’ny fonom-pananahana telo, izany no Allah Tomponareo ! Azy ny fanjakana rehetra. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ka ahoana àry no iatahanareo Aminy?"},{"id":7,"translation":"Raha tsy mino ianareo, dia tsy mila anareo mihitsy I Allah. Tsy mankasitraka ny fikomiana amin’ny mpanompony Izy. Ary raha mahay mankasitraka kosa ianareo, dia mankasitraka anareo koa Izy. Tsy hisy hibaby ny fahotan’ny hafa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka dia hambarany aminareo izay nataonareo, satria Izy no mahafantatra izay raiketin’ny fo."},{"id":8,"translation":"Ary raha misy loza mahazo ny olombelona, dia miantso ny Tompony amim-pibebahana izy. Avy eo, rehefa omeny fahasoavana avy Aminy izy, dia hadinony ny antony niantsoany Azy teo aloha, ka ampitoviany amin’ny hafa I Allah, mba tsy hizoran’ny olona amin’ny lalany. Lazao hoe: “Mifalia amin’ny tsy finoanao mandritra ny fotoana fohy ianao, fa ianao dia anisan’ny olon’ny Afobe”."},{"id":9,"translation":"Izay mifantoka amin’ny fivavahana, mandritra ny alina, miankohaka sy mitsangana, mitandrina ny any ankoatra, ary manantena ny famindram-pon’I Tompony. Lazao hoe: “Moa mitovy ve ireo izay mahalala sy tsy mahalala?”. Hamafisina, fa ireo manan-tsaina mahiratra ihany no mahatsiaro izany."},{"id":10,"translation":"Lazao hoe : “ Ô ry mpanompoko izay mino! Aoka ianareo hatahotra ny Tomponareo ” Izay manao fahatsarana eto an-tany dia hahazo valisoa tsara. Midadasika ny tanin’I Allah, ary hamafisina, fa homena valisoa tsy voatanisa ireo manam-paharetana."},{"id":11,"translation":"Ka lazao hoe : “ Voadidy hanompo an’I Allah tokoa aho, ka hivavaka Aminy irery ihany,"},{"id":12,"translation":"Ary nodidiana mba ho voalohany amin’ireo mpankato aho ."},{"id":13,"translation":"Teneno hoe : “ Tena matahotra aho, raha tsy mankatò ny Tompoko aho, ny sazy amin’ny andro lehibe\"."},{"id":14,"translation":"Lazao hoe : “ Allah no Tompoko, ary Izy irery ihay no hivavahako\""},{"id":15,"translation":"Tompoy àry izay sitrakareo ho tompoina ankoatra Azy .Lazao hoe : “ ny tena matiantoka, dia ireo izay nanao izay hahavery ny tenany sy ny fianakaviany,ny amin’ny andron'ny fitsanganana”. Moa tsy izany ve no tena fatiantoka miharihary ?"},{"id":16,"translation":"Hisy afo matevina eo ambonin’izy ireo sy eo ambaniny. Izany no hampitahoran’I Allah ireo mpanompony. Ry mpanompoko ! Matahora Ahy ianareo !"},{"id":17,"translation":"Ary izay mihataka ny fanompoan-tsampy, tsy hanompoany azy, ka niverina amin’I Allah, dia ho azy ireo ny vaovao mahafaly ! Koa lazao amin’ireo mpanompoko izany,"},{"id":18,"translation":"Ireo izay mihaino ny teny, ka manaraka izay tsara indrindra amin’izany, dia izy ireny no hitsian’I Allah lalana, ary izy ireny no matsilo saina tokoa."},{"id":19,"translation":"Moa izay iharan’ny didy famaizana! Ary mbola afaka hanavotra izay ao anaty afo ve ianao ?"},{"id":20,"translation":"Fa ireo izay matahotra ny Tompony kosa, dia ho any amin’ny rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy rihana hafa ao amboniny, ary renirano mikoriana ao ambaniny. Izany dia fampanantenana avy amin’I Allah. Satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany I Allah."},{"id":21,"translation":"Moa tsy hitanao ve, fa mampidina rano avy any an-danitra tokoa I Allah, ka alefany amin’ny loharano ao anatin’ny tany izany, avy eo, amin’ny alalan’izany no hampaniriany ny zava-maniry maro, samy hafa loko, izay mihamalazo avy eo, ka ho hitanao mihamavo, ary hataony ho potipotika izany. Hamafisina, fa izany dia misy fampahatsiahivana ho an’izay manan-tsaina."},{"id":22,"translation":"Izay nosokafan’i Allah ny fony ho amin’ny fanoloran-tena ho Azy (miditra Islamo), dia ao anatin’ny hazavana avy amin’ny Tompony izy. Loza ho an’izay mafy fo amin’ny fahatsiarovana an’i Allah. Izy ireny no ho ao anatin’ny fahaverezana tanteraka."},{"id":23,"translation":"Nampidinin’I Allah ny tantara tsara indrindra, dia ilay Boky misy andininy mitovitovy sy miverimberina. Mihoron-koditra amin’izany ireo izay matahotra ny Tompony, avy eo, dia tony ny hodiny sy ny fony amin’ny fahatsiarovana an’I Allah. Izany no tari-dalana avy amin’I Allah, hitarihany izay tiany hotarihana lalana. Fa izay verezin’I Allah kosa, dia tsy hanana mpitarika intsony."},{"id":24,"translation":"Moa ve izay miaro ny tarehiny amin’ny haratsian’ny famaizana amin’ny andro fitsanganana dia hitovy amin’ireo any amin’ny Paradisa ? Ary ho lazaina amin’ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “ andramo ny vokatr’izay nataonareo ”."},{"id":25,"translation":"Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo talohan’izy ireo, ka tonga taminy tamin’ny tsy nampoiziny ny famaizana."},{"id":26,"translation":"Nampanandraman’i Allah azy ireo ny fahafaham-baraka, tamin’ny fiainana eto an-tany. Mbola lehibe noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr’izy ireo anefa !"},{"id":27,"translation":"Nitanisa fanoharana isan-karazany ho an’ny olombelona Izahay ao amin’ity Koroany ity, mba hahatsiarovan’izy ireo."},{"id":28,"translation":"Koroany amin’ny fiteny arabo, tsy misy olakolaka, mba hahatonga azy ireo hanam-pahatahorana an’I Allah !"},{"id":29,"translation":"Nanome fanoharana I Tompo Allah amin’ny lehilahy iray izay an’ny mpiara-miombon’antoka maro tsy mifanaraka, ka mifamaly momba azy izy ireo, sy lehilahy iray an’olona tokana ihany, moa mitovy ve ireo fanoharana roa ireo ? Dera ho an’I Allah ! Kanefa dia tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":30,"translation":"Hamafisina, fa ho faty tokoa ianao (Mohammad), ary ho faty ihany koa izy ireo."},{"id":31,"translation":"Avy eo, dia hifanatrika eo anatrehan’ny Tomponareo ianareo, amin’ny andro fitsanganana."},{"id":32,"translation":"Iza no mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga momba an’I Tompo Allah, ary milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy! Moa tsy any amin’ny Afobe ve no misy toeram-pialofana ho an’ireo tsy mpino?"},{"id":33,"translation":"Fa izay tonga miaraka amin’ny fahamarinana kosa, ary nanaiky izany, dia izy ireny no manam-pahatahorana."},{"id":34,"translation":"Hahazo izay rehetra tadiaviny eo anatrehan’ny Tompony izy ireo, izany no valisoan’ireo mpanao asa soa;"},{"id":35,"translation":"Mba hamafan’I Allah ny ratsy indrindra nataony, sy hamalian'ny soa azy ireo, araka izay tsara indrindra nataony."},{"id":36,"translation":"Tsy ampy ho an’ny mpanompony ve I Allah ? Ka hampitahorin’izy ireo amin’izay ankoatra Azy ianao, fa izay verezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitarika."},{"id":37,"translation":"Izay tarihin’I Allah lalana, dia tsy misy na iza na iza afaka hamily lalana azy. Moa tsy I Allah no Tsitoha, sy Tompon’ny famalian-keloka?"},{"id":38,"translation":"Raha anontanianao izy ireo hoe : “Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ?”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “Allah”. Lazao hoe: “Moa hitanareo ve izay italahoanareo ivelan’I Allah, raha te-hanisy ratsy ahy I Allah, moa afaka hampitsahatra izany ve izy ireo? Na te-hamindra fo amiko Izy, moa afaka hitazona izany famindram-po izany ve izy ireo?”. Lazao hoe: “Ampy ahy I Allah, Aminy no hanakinan’ ireo mpiantehatra ny fianteherany”."},{"id":39,"translation":"Dia lazao hoe: “ Ry vahoakako ! Manaova ianareo araka ny fomba fiasanareo, fa izaho koa dia hiasa araka ny fomba fiasako. Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany;"},{"id":40,"translation":"Amin’iza no hiharan’ny famaizana mahafa-baraka, ary iza no mendrika ny famaizana maharitra?"},{"id":41,"translation":"Hamafisina, fa Izahay no nampidina taminao ny Boky, ho an’ny olombelona tamim-pahamarinana. Izay mizotra amin’ny lalana mahitsy, dia ho an’ny tenany ihany, ary izay mivily lalana kosa, dia manao izay hahavery ny tenany ihany koa. Ary tsy tompon’andraikitra velively amin’izy ireo ianao."},{"id":42,"translation":"Allah no mandray ny fanahy amin’ny fotoana hahafatesany (olona), toy izany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimasony. Ary tazoniny izay voadidy ho faty amin’izy ireo, fa haveriny kosa ny hafa hatramin’ny fotoana efa voafetra. Hamafisina, fa misy porofo ho an’ireo olona mieritreritra tokoa amin’izany."},{"id":43,"translation":"Moa nandray mpanelanelana ankoatra an’I Allah ve izy ireo? Dia valio hoe : “ Na izy ireo aza tsy manana na inona na inona, no sady tsy misaina akory ! ”"},{"id":44,"translation":"Dia lazao hoe : “An’I Allah ny fanelanelanana rehetra. Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Ary any Aminy no hamerenana anareo”"},{"id":45,"translation":"Ary rehefa ampahatsiahivina ny maha tokana an’i Allah, dia sorena mafy ny fon’ireo izay tsy mino ny fiainana any ankoatra, fa rehefa ampahatsiahivina kosa ireo izay ankoatra Azy, dia indro fa feno hafaliana izy ireo."},{"id":46,"translation":"Lazao hoe : “ Ô Allah, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, Mpahalala ny miafina sy ny hita-maso, Ianao no hitsara ireo mpanomponao, amin’izay tsy nampitovy hevitra azy ireo ”."},{"id":47,"translation":"Raha an’ireo mpanao ny tsy rariny izay rehetra misy eto ambonin’ny tany, ary mbola hampiana mitovy amin’izany, dia mba natolony ho takalo hialana amin’ny famaizana ratsy indrindra amin’ny andro fitsanganana izany, ary hiseho amin’izy ireo avy amin’I Allah, izay tsy mbola noeritreretin’izy ireo mihitsy."},{"id":48,"translation":"Ary haseho amin’izy ireo ny ratsy nataony, ka hanarona azy ireo izay noesoiny."},{"id":49,"translation":"Rehefa tra-doza ny zanak’olombelona, dia mitalaho Aminay izy. Avy eo, raha omenay tombontsoa manokana avy Aminay izy, dia hiteny izy hoe: “Avy amin’ny fahaizako ihany izany”. Kanefa fitsapana ihany izany, saingy ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany."},{"id":50,"translation":"Toy izany no nolazain’izay talohan’izy ireo. Nefa tsy nitera-bokatsoa ho azy ireo izay zavatra nangoniny."},{"id":51,"translation":"Koa nianjady tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny. Izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, dia hihatra amin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny, fa tsy afaka hanohitra velively ny herin’I Allah izy ireo."},{"id":52,"translation":"Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino."},{"id":53,"translation":"Lazao hoe: “Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra (fahotana lehibe) tamin’ny tenany, aza very fanantenana amin’ny famindram-pon’I Allah ianareo. Satria hamafisina, fa I Allah no mamela ny fahotana rehetra. Eny, Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be indrafo."},{"id":54,"translation":"Koa miverena amim-panenenana amin’ny Tomponareo ianareo, ary mankatoava Azy, mialohan’ny hiavian’ny famaizana, ka tsy hahazoanareo famonjena intsony."},{"id":55,"translation":"Ary araho ilay fanambarana mendrika indrindra avy amin’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ny famaizana tampoka aminareo, amin’ny fotoana izay tsy hampoizinareo akory,"},{"id":56,"translation":"Alohan'ny hitenenan’ny olona iray hoe : “ Loza ho ahy, noho ny tsirambina nataoko tamin’I Allah. Fa tena anisan’ireo mpaneso aho”"},{"id":57,"translation":"Na hitenenany hoe: “Raha mba notarihan’I Allah tamin’ny lalana mahitsy aho, dia ho anisan’ireo nanam-pahatahorana tokoa”"},{"id":58,"translation":"Na hiteny izy rehefa mahita famaizana hoe : “Indrisy! Raha mba afaka miverina mantsy aho! Dia ho anisan’ireo mpanao asa soa ”."},{"id":59,"translation":"Tena izany tokoa! Tonga teo aminao ireo andininy avy Amiko, saingy nataonao ho lainga izy ireny, ary niavonavonanao, fa anisan’ireo olona tsy mpino ianao."},{"id":60,"translation":"Ary amin’ny andro fitsanganana, dia ho hitanao maloka ny tarehin’ireo izay namoron-dainga momba an’i Allah. Moa tsy any amin’ny Afobe tokoa ve no hisy ny fitoeran’ireo mpanambony tena ?"},{"id":61,"translation":"Fa havotan’I Allah ireo izay manam-pahatahorana, ka hataony mpandresy. Tsy misy ratsy mihitsy hahazo azy ireo, ary tsy hanana alahelo ihany koa."},{"id":62,"translation":"Mpahary ny zava-drehetra I Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo."},{"id":63,"translation":"Izy no mitazona ny fanalahidin’ny lanitra sy ny tany, fa izay tsy mino ireo famantarana avy amin’I Allah kosa, dia izy ireny no ho matiantoka."},{"id":64,"translation":"Lazao hoe : “ Ho didinareo hanompo ny hafa ivelan’I Allah ve aho ry tsy manam-pahalalana ? ”"},{"id":65,"translation":"Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe : “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan’ireo matiantoka ianao”."},{"id":66,"translation":"Fa ny mifanohitra amin’izany, Allah irery ihany no tompoy, ary aoka ho anisan’ireo mpankasitraka ianao."},{"id":67,"translation":"Tsy nanome haja an’I Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, kanefa dia ho raisiny am-pelatanany ny tany manontolo amin’ny andro fitsanganana. Ary hiforitra eo amin’ny tanany havanana ny lanitra. Voninahitra anie ho Azy ! Izy no tena Ambonin’izay atambatr’izy ireo Aminy."},{"id":68,"translation":"Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava izay any an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Avy eo dia ho tsofina fanindroany, ka indreo hitsangana hijery izy ireo ."},{"id":69,"translation":"Ary hamirapiratrin'ny hazavan’ny Tompony ny tany, napetraka ny Boky dia hantsoina ireo Mpaminany, sy ireo vavolombelona, ary amim-pahamarinana no hanapahana ny amin’izy ireo, ka tsy hisy hiangarana mihitsy izy ireo."},{"id":70,"translation":"Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo."},{"id":71,"translation":"Ary hotarihina isaka ny andiany ireo tsy mpino ho any amin’ny Afobe. Ka rehefa tonga eo anoloan'izy ireo dia ho sokafina ny varavarany, ary ireo mpiambina kosa dia hilaza amin’izy ireo hoe: “Moa tsy tonga taminareo ve ireo Iraka, izay namaky ho anareo ireo andininy avy tamin’ny Tomponareo, sady nampitandrina anareo amin’ny fihaonanareo amin’izao andro izao?”. Ka hamaly izy ireo hoe: “Eny! Nefa natao mendrika ho an’ireo tsy mpino ny didin’ny famaizana”."},{"id":72,"translation":"Ho lazaina izy ireo hoe : “ Midira ao amin’ny varavaran’ny Afobe ianareo, ary mitoera ao mandrakizay ” Tena ratsy tokoa izany toeram-ponenan’ireo mpanambony tena izany!"},{"id":73,"translation":"Ary ho tarihina amin’ny andiany ihany koa ireo nanam-pahatahorana ny Tompony, ka ho any amin’ny Paradisa. Rehefa tonga eo anoloany izy ireo, dia hisokatra ny varavarany, ka hiteny amin’izy ireo ny mpiambina izany hoe: “Fandriampahalemana ho anareo! Olo-mendrika tokoa ianareo, ka midira, ary mitoera ao mandrakizay ianareo”."},{"id":74,"translation":"Ary hilaza izy ireo hoe : “ Dera sy voninahitra ho an’I Allah, izay nanatanteraka taminay ny fampanantenany, ary nampandova anay ny tany! Hitoetra ao amin’ny Paradisa amin’ny toerana izay tianay izahay. Hamafisina, fa tsara tokoa ny valisoan’ireo mpanao asa soa! ”"},{"id":75,"translation":"Ary ho hitanao ireo Anjely, izay manao fari-bolana manodidina ny Seza fiandrianana, ka midera ny voninahitry ny Tompony. Ary ho tsaraina amim-pahamarinana izy ireo, ary ho lazaina hoe: “Dera ho an’i Allah, Tompon’izao tontolo izao! ”"}]},{"id":40,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"Ny Fidinan’ny boky, dia avy amin’I Allah, Ilay Tsitoha, Ilay mahafantatra ny zava-drehetra."},{"id":3,"translation":"Ilay Mpamela ny fahotana, Ilay Mpandray ny fibebahana, Ilay Mafy amin’ny fanasaziana, Ilay fatra Mpangoraka. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy ihany, ary any Aminy no fiafarana."},{"id":4,"translation":"Izay tsy mino ihany no miady hevitra amin’ireo andininy avy amin’I Allah, aoka tsy hamitaka anao izay ataon’izy ireo amin’ny firenena."},{"id":5,"translation":"Niampanga ho mpandainga an’ireo Iraka ny vahoakan’i Noa, toy izany ihany koa ireo antoko nitambatra taorian’izy ireo, ary samy nanana fikasana ny hisambotra ny Iraka tao aminy ny vahoaka tsirairay, ka niady hevitra tamin’ny hevi-diso izy ireo, mba hitsipahana ny marina. Ka nosaziako izy ireo, ary nanao ahoana ny fandehan’ny saziko !"},{"id":6,"translation":"Ary izany dia manamarina ny tenin’ny Tomponao, izay hihatra amin’ireo tsy mpino, fa izy ireo dia ho olon’ny afo."},{"id":7,"translation":"Ireo Anjely izay mitondra ny Seza fiandrianana, sy ireo izay manodidina izany, dia mankalaza ny voninahitrin'ny Tompony, mino Azy izy ireo, ary mangataka famelan-keloka ho an’izay mino hoe : “ Tomponay ô! Manenika ny zava-drehetra Ianao amin’ny indrafo sy Fahalalana. Koa mamela heloka izay mibebaka sy manaraka ny lalanao, ary arovy amin’ny sazin’ny Afobe izy ireo ”."},{"id":8,"translation":"“ Tomponay ô ! Ampidiro amin’ny Zaridainan’i Edena izy ireo, izay nampanantenainao azy, toy izany ihany koa ireo izay tsara fitondran-tena tamin’ireo razambeny, ny vadiny sy ny taranak’izy ireo. Marina fa Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be fahendrena ”."},{"id":9,"translation":"“ Ary arovy amin’ny asa ratsy izy ireo. Satria izay arovanao amin’ny asa ratsy, dia homenao famindram-po amin’io andro io. Izany no fahombiazana lehibe tokoa ”."},{"id":10,"translation":"Hamafisina, fa toy izao no hambara an’ireo tsy mino : “Lehibe kokoa ny fankahalan’I Allah anareo, noho ny fankahalanareo ny tenanareo, rehefa nantsoina ho any amin’ny finoana ianareo, kanefa nifikitra tamin’ny tsy finoana ihany”."},{"id":11,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Nataonao indroa maty izahay, ary novelominao indroa ihany koa, ka miaiky ny fahotanay izahay. Moa misy lalana mety hivoahana amin’izany ve ? ”"},{"id":12,"translation":"Izany no izy, satria rehefa nantsoina irery I Allah, dia tsy mino ianareo, fa rehefa akambana amin’ny zavatra hafa Izy, dia nino ianareo. An’I Allah ny Fitsarana ! Ilay avo indrindra, ilay lehibe tokoa."},{"id":13,"translation":"Izy no mampiseho aminareo ireo porofo avy Aminy, sy mampidina ny anjaram-pivelomana ho anareo avy any an-danitra. Ary tsy misy mahatsiaro, afa-tsy izay miverina amin’I Allah ihany."},{"id":14,"translation":"Koa mitalahoa amin’I Allah ianareo, ary atokano ho Azy irery ny fivavahanareo, na dia halan’ireo tsy mpino aza izany."},{"id":15,"translation":"Izy no Ilay manandratra amin’ny ambaratonga avo indrindra, Tompon’ny Seza fiandrianana. Izy no mibaiko ny Fanahy ho amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, mba hampitandremany ny amin’ilay andro fihaonana,"},{"id":16,"translation":"Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, ka tsy hisy hiafenan’izay nataon’izy ireo amin’I Allah amin’izany. An’iza ny fanjakana androany? An’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony."},{"id":17,"translation":"Amin’izany andro izany, dia homena valin-kasasarana araka ny asa izay nataony ny olona tsirairay avy. Ka tsy hisy fiangarana amin’izany andro izany, satria haingam-pitsarana tokoa I Allah."},{"id":18,"translation":"Ary ampitandremo azy ireo ilay andro efa manakaiky, rehefa mihoatra any an-tenda ny fo (ny fanahy), mitebiteby. Dia tsy hanana namana mafana fo, na mpanelanelana hankatoavina ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":19,"translation":"Mahafantatra ny fitaky ny maso Izy (Allah), sy izay afenin’ny tratra (fo)."},{"id":20,"translation":"Ary mitsara amim-pahamarinana I Allah, nefa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy kosa, dia tsy mitsara na inona na inona. Hamafisina, fa mandre sy mahita ny zava-drehetra I Allah."},{"id":21,"translation":"Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahita izay nahazo ireo talohan’izy ireo ? Natanjaka noho izy ireo anefa izy ireny, sady namela zavatra maromaro kokoa. Nosazian’I Allah noho ny fahotany izy ireny, ka tsy nanana mpiaro teo anatrehany mihitsy."},{"id":22,"translation":"Toy izany, satria nitondran’ireo Iraka porofo izy ireo, nefa nikomy. Ka nosazian’I Allah izy ireny, satria matanjaka sady mafy amin’ny fanasaziana Izy."},{"id":23,"translation":"Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy taminay,"},{"id":24,"translation":"Tamin’i Faraona, Hamana ary Karona. Nefa niteny izy ireo hoe : “ mpanao majika, fatra mpandainga ! ”"},{"id":25,"translation":"Ary rehefa nitondra ny fahamarinana avy Aminay teo amin’izy ireo izy, dia hoy izy ireo hoe: “Vonoy ireo zanaka lahin’ireo mpino miaraka aminy, fa avelao ho velom-poana kosa ireo vehivaviny”. Fa very maina ihany ny tetik’adin’ireo tsy mpino."},{"id":26,"translation":"Hoy i Faraona hoe : “Avelaonareo aho hamono an’i Mosesy. Ary aoka izy hiantso ny Tompony! Matahotra aho, sao hamadika ny finoanareo, na hanaparitaka asa fanimbana eto an-tany izy\"."},{"id":27,"translation":"Fa hoy i Mosesy hoe : “ Mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba hanoherana ireo mpirehareha rehetra izay tsy mino ny andro fitsarana”."},{"id":28,"translation":"Fa hoy ny lehilahy mpino iray avy amin’ny fianakavian’i Faraona, izay nanafina ny finoany nilaza hoe: “ hamono olona ve ianareo, satria izy nilaza hoe: Allah no Tompoko ? Kanefa dia tonga teo aminareo niaraka amin’ny porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo. Raha mpandainga izy, dia ho azy ny laingany, fa raha nilaza ny marina kosa izy, dia hihatra aminareo ny ampahany amin’izay nampitandremany anareo ”. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana izay mihoam-pefy sy fatra mpandainga I Allah."},{"id":29,"translation":"Ô ry vahoakako! Ho anareo ny fanjakana androany, fa ho mpandresy eto an-tany ianareo. Nefa, iza no hanavotra antsika amin’ny hatezeran’I Allah raha tonga amintsika izany? Dia hoy i Faraona hoe: “Tsy manoro anareo afa-tsy izay heveriko ho tsara aho, ary tsy mitari-dalana anareo aho raha tsy amin’ny lalana mahitsy”."},{"id":30,"translation":"Ary hoy ilay mpino hoe : “ Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ilay andro iray mitovy amin’ny an’ireo antokon’olona nitambatra\","},{"id":31,"translation":"Anjara mitovy amin’ny an’ireo vahoakan’i Noa (Nouh), ireo Ády, ireo Thamody, ary ireo niaina taorian’izy ireo. Fa tsy te-hampihatra ny tsy rariny amin’ireo mpanompony velively i Allah."},{"id":32,"translation":"Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ny andro hifampiantsoanareo vonjy,"},{"id":33,"translation":"Amin’ny andro izay handosiranareo, ka tsy hanananareo mpiaro eo anatrehan’I Allah. Ary izay noverezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitari-dalana velively."},{"id":34,"translation":"Ary hamafisina, fa teo aloha, dia tonga teo aminareo niaraka tamin’ny porofo mazava tokoa i Josefa (Yousouf), saingy tsy nitsahatra nisalasala hatrany tamin’izay noentiny taminareo ianareo. Fa rehefa maty izy, dia hoy ianareo hoe: “tsy handefa Iraka aoriany intsony I Allah”. Toy izany no hamerezan’I Allah lalana ireo mpihoam-pefy sy mpisalasala."},{"id":35,"translation":"Izay miady hevitra momba ireo fahagagana avy amin’I Allah, kanefa tsy misy porofo tonga teo aminy, dia tsy hankasitrahana tokoa eo anatrehan’I Allah sy ireo mpino izy. Toy izany no hanidian’I Allah ny fon’izay rehetra mpirehareha sy mpanjakazaka."},{"id":36,"translation":"Ary hoy i Faraona hoe : “ Ô ry Hamana ! Anoreno tilikambo aho, mba hahatakatra ireo llana."},{"id":37,"translation":"Ireo lalan’ny lanitra, ka hitazanako ny Tompon’i Mosesy, satria heveriko, fa mpandainga izy”. Ary tahaka izany no nampihaingoana tamin’i Faraona ny asa ratsy izay nataony ho tsara, ary dia nihataka ny lalana mahitsy izy, ka natao ho rava ihany ny tetik’adin’i Faraona."},{"id":38,"translation":"Ary hoy ilay mpino hoe : “ ry vahoakako ! Manaraha ahy ianareo, fa ho tarihiko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianareo ”."},{"id":39,"translation":"“ Ry vahoakako! Hamafisina, fa fahafinaretana mandalo ihany ity fiainana eto an-tany ity, fa ny any ankoatra kosa no fonenana maharitra ”."},{"id":40,"translation":"Izay manao asa ratsy, dia tsy ho valiana afa-tsy mitovy amin’izany ihany, fa izay lehilahy na vehivavy manao asa soa kosa, sady mpino, dia izy ireny no hiditra amin’ny Paradisa, ka hahazo ny anjaram-pivelomany tsy hisy fetrany izy ireo."},{"id":41,"translation":"Ô ry vahoakako! Inona no mahatonga ahy hiantso anareo ho any amin’ny famonjena, nefa ianareo miantso ahy ho any amin’ny afo ?"},{"id":42,"translation":"Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka."},{"id":43,"translation":"Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo."},{"id":44,"translation":"Tsy ho ela dia ho tsaroanareo izay ambarako anareo, ary dia ankiniko amin’I Allah ny momba ahy. Fa mahita ireo mpanompony tokoa I Allah."},{"id":45,"translation":"Dia niarovan’I Allah izy tamin’ny teti-dratsin’izy ireo, efa nanodidina ireo olon’i Faraona kosa ny famaizana ratsy indrindra."},{"id":46,"translation":"Ny afo no handoro azy ireo marain-tsy hariva. Ary amin’ny andro hahatongavan’ilay ora (hilazan’ireo Anjely) hoe: “ampidiro ireo olon’i Faraona amin’ny famaizana mafy indrindra”."},{"id":47,"translation":"Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”"},{"id":48,"translation":"Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah."},{"id":49,"translation":"Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”."},{"id":50,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : “ Moa tsy efa nitondra porofo mazava taminareo ve ireo Iraka nalefa taminareo ? ”. Dia hamaly izy ireo hoe : “ Eny ! ”. Hiteny ireo mpiambina hoe : “ raha izany áry, dia mangataha ianareo. Fa ny fangatahan’ireo tsy mpino dia ho zava-poana ”."},{"id":51,"translation":"Hamafisina, fa manavotra ireo Irakay sy ireo izay mino Izahay amin’ny fiainana eto an-tany sy amin’ny andro izay hitsanganan’ireo vavolombelona,"},{"id":52,"translation":"Amin’ny andro izay tsy hahasoa an’ireo mpanao ny tsy rariny ny fialan-tsininy, ka ho azy ireo ny ozona sy ny fonenana ratsy indrindra."},{"id":53,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny tari-dalana, ary nampandovainay an’ny zanak’Israely ny boky,"},{"id":54,"translation":"Izay ho tari-dalana sy fampahatsiarovana ho an’ireo olona manan-tsaina."},{"id":55,"translation":"Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina."},{"id":56,"translation":"Ireo izay miady hevitra momba an’ireo andininy avy amin’I Allah, nefa tsisy porofo tonga tamin’izy ireo akory, dia tsy misy afa-tsy fireharehana ny ao am-pony. Tsy hahatratra ny tanjony izy ireo. Ka mangataha áry fiarovana avy amin’I Allah, satria Izy Ilay mandre sy mahita ny zava-drehetra."},{"id":57,"translation":"Lehibe kokoa noho ny fahariana ny olombelona ny fahariana ny lanitra sy ny tany. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olombelona."},{"id":58,"translation":"Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!"},{"id":59,"translation":"Hamafisina, fa ho avy tokoa ilay ora, tsy misy hisalasalana ny amin’izany, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany."},{"id":60,"translation":"Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka."},{"id":61,"translation":"Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka."},{"id":62,"translation":"Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?"},{"id":63,"translation":"Toy izany no nampivily lalana an’ireo nandà ny famantarana avy amin’I Allah."},{"id":64,"translation":"Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao."},{"id":65,"translation":"Izy no Ilay velona. Tsy misy zanahary afa-tsy Izy ihany. Mangataha Aminy àry ianareo, ary atokany ho Azy irery ihany ny finoana. Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !"},{"id":66,"translation":"Lazao hoe : “ Efa nandrarana ahy, hatramin’ny nahatongavan’ireo porofo avy tamin’ny Tompoko, ny hanompo izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, ary nodidiana hankato ny Tompon’izao tontolo izao aho ”."},{"id":67,"translation":"Izy no nahary anareo avy tamin’ny tany, avy eo, dia avy tamin’ny tsirin’aina, ary avy eo, dia avy tamin’ny vongan-drà, ary manaraka izany dia avoakany ho zazakely ianareo, mba hahatratraranareo ny fahamatorana, avy eo ny fahanterana. Ary ny sasany aminareo dia maty mialoha, mba hahatratraranareo ny fe-potoana voafetra, ka mba hisainanareo."},{"id":68,"translation":"Izy no manome ny fahavelomana sy ny fahafatesana. Ary rehefa mandidy amin’ny zavatra iray Izy, dia izao ihany ny teniny : “ Misia ”, dia misy tokoa izany."},{"id":69,"translation":"Tsy hitanao ve ny nampivily lalana ireo izay miady hevitra momba ireo andininy avy amin’I Allah ?"},{"id":70,"translation":"Ireo izay miampanga ny Boky (Koroany) ho lainga, sy izay nampiarahinay tamin’ireo Irakay, dia hahafantatra tsy ho ela izy ireo,"},{"id":71,"translation":"Rehefa ho taritarihina, miaraka amin’ny gadra-vy eny am-bozonana sy rojo izy ireo,"},{"id":72,"translation":"Ao anatin’ny rano mangotraka, ary avy eo dia ho dorana ao anaty afo izy ireo."},{"id":73,"translation":"Ary avy eo, dia hilazana izy ireo hoe : “ Aiza ireo natambatrareo?\""},{"id":74,"translation":"Tamin’I Allah ? ”. Dia hoy izy ireo hoe : “ Niala taminay izy ireo. Nefa tsy nangataka na tamin’iza na iza izahay taloha ”. Toy izany no amerezan’I Allah ireo tsy mpino."},{"id":75,"translation":"Izany no valin’ny fifalianareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, ary koa ny haravoanareo tafahoatra."},{"id":76,"translation":"Midira amin’ireo varavaran’ny afobe ianareo, mba hitoetra ao mandrakizay. Ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena!"},{"id":77,"translation":"Koa mahareta, fa marina ny fampanantenan'I Allah. Na asehonay anao ny ampahany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na esorinay ny ainao [na ho vonoinay alohan’ny fotoana ianao], dia any Aminay ihany no hamerenana azy ireo."},{"id":78,"translation":"Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga."},{"id":79,"translation":"Fa I Allah no nanao ireo biby, mba ho fitainginareo sy ho fihinanareo,"},{"id":80,"translation":"Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo."},{"id":81,"translation":"Dia hasehony anareo ny famantarana avy any Aminy. Koa inona ary no famatarana avy amin’I Allah ho lavinareo ?"},{"id":82,"translation":"Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahitany ny niafaran’ireo izay niaina talohany ? Fa maro sady matanjaka kokoa izy ireo, ary nametraka zavatra maro teto an-tany. Nefa tsy nisy nilan’izy ireo izay azony akory."},{"id":83,"translation":"Rehefa nitondra porofo mazava taminy ireo Iraka, dia nifaly tamin’ny fahalalana nananany izy ireo, ka dia voasaron’izay noesony izy ireo."},{"id":84,"translation":"Ary rehefa nahita ny loza avy taty aminay izy ireo, dia niteny hoe : “ Mino an’I Allah tokana izahay, ary mandà izay natambatray taminy ”."},{"id":85,"translation":"Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino."}]},{"id":41,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"Fanambarana nidina avy tamin’Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo."},{"id":3,"translation":"Boky misy andininy izay voalaza amin’ny antsipirihany, Koroany amin’ny fiteny arabo, ho an’ireo vahoaka mahafantatra izany,"},{"id":4,"translation":"Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina. Nefa ny ankamaroan’izy ireo, dia nihataka izany, ka tsy mandre izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary hoy izy ireo hoe : “ takona amin’izay hiantsoanao anay ny fonay, ary marenina ny sofinay. Misy sakana manelanelana anay sy ianao. Ka ataovy àry izay ataonao, fa izahay kosa dia hanao izay ataonay."},{"id":6,"translation":"Lazao hoe: “tsy inona izaho, fa olombelona tahaka anareo ihany. Nambara tamiko, fa tokana ny Zanaharinareo. Koa tadiavo ny lalana mahitsy mankany Aminy, ary mangataha famelan-keloka Aminy ianareo”. Fa loza ho an’izay mampikambana Azy amin’ny hafa,"},{"id":7,"translation":"Izay tsy manome ny harena fiantrana, ary tsy mino ny fiainana any ankoatra."},{"id":8,"translation":"Hamafisina, fa ireo izay mino sy manatanteraka ny asa soa kosa, dia ho azy ireo ny valisoa tsy hanana fahataperana."},{"id":9,"translation":"Lazao hoe : “ Ho lavinareo ve Ilay nahary ny tany tao anatin’ny roa andro, ka hampitovianareo amin’ny hafa ve Izy ? Izany no Ilay Tompon’izao Tontolo izao,"},{"id":10,"translation":"Ary Izy no nampitoetra ireo tendrombohitra eo amboniny (tany), sy nitsodrano azy, ka nametraka vokatra ara-tsakafo nandritra ny efatra andro katroka, mamaly ny filan’ireo rehetra izay mangataka."},{"id":11,"translation":"Avy eo dia niroso tamin’ny fihariana ny lanitra Izy izay mbola setroka fotsiny tamin’izany, ka niteny taminy sy tamin’ny tany hoe : “ Avia avokoa ianareo roa, na tianareo, na tsy tianareo!”. Dia samy niteny izy roa hoe: “Tonga amim-panekena izahay ”."},{"id":12,"translation":"Ka nanapa-kevitra Izy, fa hanamboatra lanitra fito ao anatin’ny roa andro, sady nanambara ny anjara asan’ny lanitra tsirairay avy. Ary noravahinay jiro maro ny lanitra izay akaiky indrindra, ary narovanay. Izany no rafitra napetrak’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala ny zava-drehetra."},{"id":13,"translation":"Fa raha tsy miraharaha izany izy ireo, dia teneno hoe : “ Mampitandrina anareo aho amin’ny varatra mitovy amin’izay nahavoa ireo Ády sy ireo Tamody ”."},{"id":14,"translation":"Rehefa tonga tamin’izy ireo ny Iraka, teo alohany sy taoriany, izay niteny hoe : “Aza manompo afa-tsy I Allah ihany ianareo”. Dia hoy izy ireo hoe: “Raha sitrakin'ny Tomponay, dia hamafisina, fa ireo Anjely mihitsy no nampidininy. Noho izany dia tsy mino izay nanirahana anareo Izahay”."},{"id":15,"translation":"Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay."},{"id":16,"translation":"Ary nalefanay tamin’izy ireo ny rivo-mahery sy mamirifiry, izay nisafotofoto tamin’izy ireo nandritra ny andro ratsy, mba hampanandramanay azy ireo ny famaizana, fahafahambaraka amin’ny fiainana eto an-tany. Mbola mahamenatra noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, ary tsy ho vonjena izy ireo."},{"id":17,"translation":"Fa ireo Thamody kosa, dia nitari-dàlana azy ireo Izahay, nefa naleony ny nisafidy ny fahajambana toy izay ny tari-dàlana. Ka dia niharan’ny varatry ny fampijaliana izy ireo, noho izay nataony."},{"id":18,"translation":"Ary navotanay ireo izay nino, sy nanam-patahorana."},{"id":19,"translation":"Ary amin’ny andro izay hanangonana ireo fahavalon’I Allah ho any amin’ny afo dia hatosika izy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary rehefa tonga ao izy ireo, dia samy ho vavolombelona amin’izay nataony avokoa, ny fandrenesany, sy ny masony, ary ny hodiny."},{"id":21,"translation":"Ary hiteny amin’ny hodiny izy ireo hoe : “ Nahoana ianareo no mijoro vavolombelona manohitra anay ? ”. Dia hamaly ny hoditra hoe : “ I Allah no nampiteny anay, izay nampiteny ny zava-drehetra. Ary Izy no nahary anareo voalohany, ary any Aminy no hamerenana anareo ”."},{"id":22,"translation":"Tsy afaka niafina ianareo, mba tsy hanaovan’ny fandrenesanareo, na ny masonareo, na ny hoditrareo, vavolombelona hanohitra anareo. Saingy noheverinareo kosa, fa tsy mahafantatra firy amin’izay nataonareo I Allah."},{"id":23,"translation":"Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba anareo ka nahatonga anareo ho isan’ireo matiantoka."},{"id":24,"translation":"Raha maharitra amin’izany izy ireo, dia ny afo no toeram-ponenany, ary raha mialatsiny izy ireo, dia tsy ho isan’ireo hahazo fialan-tsiny velively."},{"id":25,"translation":"Ary nanokananay namana (devoly) tsy misaraka aminy izy ireo, izay nampihaingo ny teo aloha sy ny taorian’izy ireo. Ary nihatra ara-drariny tamin’izy ireo ny lalàna, tahaka ny niharan’izany tamin’ny vahoaka maro izay efa nandao talohan’izy ireo, amin’ireo Jiny sy olombelona izay niaina talohan’izy ireo. Fa matiantoka tokoa izy ireo."},{"id":26,"translation":"Ary hoy ireo tsy mpino hoe: “Aza mihaino io Koroany io ianareo, fa miresaha mafy mba tsy handresenareo izany”."},{"id":27,"translation":"Hamafisina, fa hampanandramanay famaizana mafy tokoa ireo izay tsy nino, ary ny valin-kasasarana homenay azy ireo dia ho ratsy kokoa noho izay nataony."},{"id":28,"translation":"Izany no valin’asan’ireo fahavalon’I Allah, dia ny afo no toeram-ponenan’izy ireo mandrakizay, vokatry ny fandavany ireo andininy avy Aminay."},{"id":29,"translation":"Ary hilaza ireo tsy mpino hoe : “ Tomponay ô ! Asehoy anay ireo Jiny sy olombelona izay namery lalana anay, mba hataonay ao ambany tongotray avokoa izy rehetra, ka ho isan’ireo ambany indrindra\"."},{"id":30,"translation":"Hamafisina, fa ireo izay niteny hoe: “Allah no Tomponay, ary mifikitra amin’ny lalana mahitsy, dia hidina eo amin’izy ireo ny Anjely. “ Aza matahotra ianareo, ary aza malahelo, fa aoka ianareo hifaly amin’ny Paradisa izay nampanantenaina anareo ”."},{"id":31,"translation":"Izahay no Mpiahy anareo amin’ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra, ary ho azonareo any izay irinareo sy izay tadiavinareo."},{"id":32,"translation":"Toeram-pandraisana avy amin’Ilay be famelan-keloka, Ilay be indrafo."},{"id":33,"translation":"Ary iza no manana teny tsara indrindra noho izay miantso mankany amin’I Allah, manao asa soa ary miteny hoe : “ Isan’ireo mpankato tokoa aho ”."},{"id":34,"translation":"Tsy mitovy ny asa soa sy ny asa ratsy. Koa tohero amin’ny tsara kokoa ny ratsy, ka indro fa ho lasa namanareo mahafatra-po ilay nifankahala taminao fahiny."},{"id":35,"translation":"Saingy tsy homena afa-tsy ho an’izay manam-paharetana izany, sy ho an’izay manam-pahasoavana sesehena."},{"id":36,"translation":"Ary raha mandrisika anao ny devoly, dia mangataha fiarovana amin’I Allah, satria mandre sy mahalala ny zava-drehetra Izy,"},{"id":37,"translation":"Fa anisan’ireo fahagagana avy any Aminy ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, koa aoka ianareo tsy hiankohoka na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, fa miankohofa kosa ianareo amin’I Allah izay nahary azy ireo, raha Izy tokoa no tompoinareo."},{"id":38,"translation":"Fa raha manambony tena izy ireo, dia midera Azy ireo izay eo akaikin’ny Tomponao amin’ny alina sy atoandro, ary tsy misy fitsaharana mihitsy."},{"id":39,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra."},{"id":40,"translation":"Ireo izay mamadika ireo andininy avy Aminay (Koroany), dia tsy miafina Aminay akory izy ireo. Moa izay hatsipy any amin’ny afobe ve no tsara kokoa, sa izay tonga am-pahatoniana tanteraka amin’ny andro farany? Ataovy izay ataonareo, fa mahita tsara izay ataonareo Izy."},{"id":41,"translation":"Hamafisina, fa rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiahivana, dia tsy nino izany izy ireo (Koroany), nefa dia Boky manan-kery tokoa izany."},{"id":42,"translation":"Tsy hahitana hadisoana izany, na tany alohany na taty aoriany, satria fanambarana avy amin’Ilay be fahendrena, sy mendri-piderana izany."},{"id":43,"translation":"Tsy misy teny izay lazaina aminao afa-tsy izay efa voalaza tamin’ireo Iraka talohanao ihany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka sy famaizana mamirifiry."},{"id":44,"translation":"Ary raha nataonay tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny arabo ny Koroany, dia mbola hiteny toy izao izy ireo: “Nahoana no tsy natao mazava tsara ireo andininy? Koroany tsy amin’ny fiteny arabo, nefa ny Iraka kosa dia arabo? Lazao hoe: “Izy io dia tari-dalana sy fanasitranana ho an’ireo izay mino”. Fa ho an’ireo izay tsy mino kosa, dia marenina izy ireo ary jamba ny masony manoloana izany, antsoina avy amin’ny toerana lavitra izy ireo."},{"id":45,"translation":"Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’ny Tomponao, dia efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo."},{"id":46,"translation":"Fa izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony."},{"id":47,"translation":"Any amin’I Allah ny fahafantarana ilay Ora. Tsy misy voa mivoaka amin’ny akorany, na vavy mitoe-java, na miteraka, ka tsy fantany. Ary amin’ny andro hiantsoany azy ireo hoe: “Aiza ireo natambatra Amiko? ”. Dia hiteny izy ireo hoe : “Ambaranay aminao, fa tsy misy vavolombelona amin’izany mihitsy aminay ”."},{"id":48,"translation":"Ary handao azy ireo izay nantsoiny taloha, ka hahatsapa izy ireo fa tsy manana fomba hialana intsony"},{"id":49,"translation":"Tsy sasatra ny mitalaho soa ho azy ny olona. Nefa raha iharan’ny ratsy izy, dia indro fa kivy tanteraka, very fanantenana."},{"id":50,"translation":"Ka rehefa omeNay famindram-po avy Aminay izy, taorian’ny fahoriana izay nihatra taminy, dia hiteny tokoa hoe : “Anjarako izany ! Ary heveriko fa tsy ho avy ilay Ora. Ary raha haverina any amin’ny Tompoko aho, dia hahazo anjara tsara any Aminy”. HolazaiNay amin’ireo tsy mpino izay nataony, ary tsy maintsy hampanandramaNay famaizana mafy izy ireo."},{"id":51,"translation":"Ary rehefa fenoiNay fahasoavana ny olombelona, dia mandositra izy ireo ka manalavitra. Fa rehefa misy zavatra ratsy mahazo azy kosa, dia mitalaho maharitra izy."},{"id":52,"translation":"Lazao hoe : “Moa hitanareo va, raha avy tamin’I Allah izy ity (Koroany), nefa dia maniratsira izany ianareo avy eo iza no very lalana indrindra, raha tsy izay nanalavitra tanteraka (finoana) ? ”"},{"id":53,"translation":"HasehoNay azy ireo ny famantarana avy Aminay eo amin’izao rehetra izao, sy amin’ny tenan’izy ireo, mandra-pahitan’izy ireo mazava fa izany no fahamarinana.Tsy ampy va ny fahitan’ny Tomponao ny zavatra rehetra?"},{"id":54,"translation":"Tsy misalasala tokoa va izy ireo mikasika ny fihaonana amin’ny Tompony? Moa tsy Izy va no mahafehy ny zavatra rehetra?"}]},{"id":42,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"‘Aîn, Sin .Qaf"},{"id":3,"translation":"Toy izany no anaovan’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena, fanambarana, tahaka izay nataoNy tamin’ireo talohanao."},{"id":4,"translation":"Azy, izay any an-danitra sy ety an-tany. Fa Izy no ilay Ambony indrindra, ilay Lehibe indrindra."},{"id":5,"translation":"Zara tsy mitriatra avy eny amin’ny tampony aza ny lanitra, rehefa mankalaza ny Fiderana ny Tompony ireo Anjely, ary mangataka famelan-keloka ho an’ireo ety an-tany. Hamafisina, fa Allah no ilay Mpamela heloka, ilay be indrafo."},{"id":6,"translation":"Fa ireo izay maka mpiahy ankoatra Azy, dia manara-maso izay ataon’izy ireo Allah. Ary tsy mpiantoka azy ireo ianao."},{"id":7,"translation":"Toy izany no nanambaraNay taminao ny Koroany amin’ny teny arabo, mba hampitandremanao ilay renivohitra (Lameka) sy ny manodidina azy, ary hampitandremanao ny amin’ilay andro famoriana; izay tsy isalasalana. Misy andiany ho any amin'ny Paradisa, ary andiany hafa ho any amin’ny afo mamaivay."},{"id":8,"translation":"Fa raha sitrak'Allah, dia nataoNy vahoaka iray ihany ny olona. Saingy ampidiriny amin’ny famindram-pony izay tiaNy. Ka tsy hanana mpiahy na mpamonjy ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":9,"translation":"Nangala tompo ankoatra Azy va izy ireo ? Allah irery ihany no Tompo, ary Izy no manome aina indray ny maty; eny ! Mahefa ny zavatra rehetra Izy."},{"id":10,"translation":"Amin’ny tsy fitovian-kevitra rehetra eo aminareo, dia Azy ny fitsarana. Izany no Allah Tompoko, Izy no ianteherako, fa any Aminy no hiverenako amim-pibebahana."},{"id":11,"translation":"Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. NomeNy vady ianareo avy amin’ny tenanareo, ka avy amin’izany no ampitomboaNy anareo, ary nataoNy mpivady ihany koa ireo biby. Tsy misy mitovy Aminy, ary izy no ilay Mandre, Ilay Mahita ny zavatra rehetra."},{"id":12,"translation":"Manana ireo fanalahidin’ny lanitra sy ny tany Izy. Mizara an-kalalahana ny FanomezaNy amin’izay sitrany Izy, na mametra izany. Mahafantatra ny zavatra rehetra tokoa Izy."},{"id":13,"translation":"Nametraka lalàna ho anareo Izy mikasika ny finoana, izay nandidiaNy an’i Noa, ary nambaraNay taminao, ka nandidiaNay an’i Abrahama, Mossa ary Jesoa : “Ajoroy ny finoana, ary aza atao mampisaraka anareo”. Toa hitan’ireo mpampitambatra an’i Allah amin’ny hafa ho sarotra izay iantsoanao azy ireo. Mifidy izay tiany ho any Aminy Allah, ary mitari-dalana izay mibebaka ho any Aminy ihany koa Izy."},{"id":14,"translation":"Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo."},{"id":15,"translation":"Koa antsoy ho amin’izany àry izy ireo, ary mijoroa ho mahitsy araka izay nanafarana anao ; dia aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao, fa lazao hoe : “Mino izay Boky rehetra nampidinin'I Allah aho, ary nandidiana ahy ny hanao ny rariny eo aminareo. Tomponay sy Tomponareo Allah. Anay ny asanay, ary anareo ny asanareo, tsy misy hevitra azo tapahina eo aminay sy aminareo, fa havorin’Allah avokoa isika rehetra, ary any Aminy no hiafarana.”"},{"id":16,"translation":"Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo."},{"id":17,"translation":"Allah no nampidina ny Boky tamim-pahamarinana, toy izany koa ny fandanjana.Koa inona no fantatrao ny amin’izany ?Angamba efa akaiky ilay Ora ?"},{"id":18,"translation":"Mitady hanafaingana izany izay tsy mino, fa matahotra kosa izay mino, ary mahafantatra fa izany mihitsy no marina. Fa izay miady hevitra mikasika ilay Ora kosa, dia very lalana tanteraka."},{"id":19,"translation":"Feno hamoram-po amin’ireo mpanompon'I Allah. OmeNy izay tiany homena. fa Izy no ilay Matanjaka, Ilay tsitoha."},{"id":20,"translation":"Izay te-hiasa ho amin’ny fiainana any ankoatra, dia ampitomboiNay ny asa vitany. Ary izay te-hiasa ho amin’ny fiainana ankehitriny, dia omeNay azy izany; fa saingy tsy hanana anjara amin’ny any ankoatra izy."},{"id":21,"translation":"Sa manana mpitambatra amin’Allah va izy ireo, izay nametraka lalàna ara-pinoana tsy nahazoana alalana tamin’Allah ? Raha tsy efa noraisina ny fetra farany, dia ho notapahina tokoa ny amin’izy ireo. Hamafisina, fa hahazo fanasaziana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":22,"translation":"Ho hitanao fa hatahotra noho izay nataony ireo mpanao ny tsy rariny, ary dia hihatra amin’izy ireo ny fanasaziana. Fa ireo izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho any amin’ireo zaridainan’ny Paradisa, ka hahazo izay tiany any amin’ny Tompony izy ireo. Izany no fahasoavana lehibe."},{"id":23,"translation":"Izany no vaovao mahafaly ambaran'I Allah amin’ireo izay mino, sy manao asa soa amin’ireo mpanompony. Lazao hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany Aho, afa-tsy ny fitiavana ireo havana akaiky.” Ary izay manao asa soa, dia valiaNay tsara kokoa noho izany. Fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa Allah."},{"id":24,"translation":"Na hiteny izy ireo hoe : “ mamoron-dainga amin’I Allah izy. Kanefa raha tiany, dia nohidiany ny fonao. Fafan’Allah amin’ny alalan’ny teniny anefa ny diso, ary hamafisiNy kosa ny marina. Fantany tanteraka izay raiketin’ny fo."},{"id":25,"translation":"Izy no mandray ny fibebahana avy amin’ireo mpanompony, mamela ny ratsy, ary mahafantatra izay ataonareo."},{"id":26,"translation":"Ary mamaly ny fangatahan’ireo izay mino sy manao asa soa Izy, ka mampitombo ny fahasoavaNy amin’izy ireo; fa ireo tsy mpino kosa, dia mahazo fanasaziana mafy."},{"id":27,"translation":"Fa raha manome an-kalalahana ny fanomezaNy amin’ireo mpanompony I Allah, dia hanao ny tafahoatra izy ireo ety an-tany; nefa ampidiniNy amin’ny antonony araka izay tiaNy izany. Fantany tsara ireo mpanompony, ary mahita azy ireo Izy."},{"id":28,"translation":"Ary Izy no mampidina ny ranon’orana taorian’ny fahakivian’olona, ary mampiely ny famindram-pony fa Izy no ilay mpiahy, ilay mendri-piderana."},{"id":29,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahariana ny lanitra sy ny tany, ary ireo zava-manan’aina izay naparitany tao, manana fahefana hanongana azy ireo araka izay tiany Izy."},{"id":30,"translation":"Avy amin’izay nataon’ny tananareo ihany ny loza mihatra aminareo. Fa mamela heloka maro Izy."},{"id":31,"translation":"Tsy afaka handositra amin’ny herin’Allah eto an-tany ianareo ; ary tsy manana mpiahy, na mpiaro ankoatra an’I Allah."},{"id":32,"translation":"Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ireo sambo mamakivaky ny ranomasina mitovy amin’ireo tendrombohitra."},{"id":33,"translation":"Raha tiany, dia ampitoniany ny rivotra, ka indro fa tsy mihetsika izy ireo eo amboniny. Misy famantarana tokoa amin’izany, ho an’izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka."},{"id":34,"translation":"Na koa, ho potehiny izany ho sazin’izay nataon’izy ireo. Nefa dia mamela heloka maro Izy."},{"id":35,"translation":"Izay miady hevitra mikasika ireo famantarana avy Aminay, dia mahafantatra tsara fa tsy manana handosirana."},{"id":36,"translation":"Fahafinaretan’ny fiainana an-tany ihany izay rehetra nomena anareo, saingy tsara sy maharitra kokoa izay any amin’I Allah, ho an’ireo izay nino sy niantehatra tanteraka tamin’ny Tompon'izy ireo."},{"id":37,"translation":"Ary ireo izay mihataka amin’ireo fahotana lehibe sy fahavetavetana, ary ireo mamela heloka taorian’ny fahatezerany."},{"id":38,"translation":"Ireo izay mamaly ny antson’ny Tompony, manatanteraka ny vavaka fanompoana, mifampidinika izy ireo ny zavatra hataon’izy ireo, ary manao fandaniana amin’izay natolotray ho azy ireo,"},{"id":39,"translation":"Ary ireo izay niharan’ny tsy rariny, ka nanohitra."},{"id":40,"translation":"Ratsy mitovy amin’izany ihany no valin’ny asa ratsy. Fa izay mamela heloka ka manova toetra, dia any amin’I Allah ny valisoany. Fa tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny Izy."},{"id":41,"translation":"Fa ireo nanohitra kosa rehefa nambakaina. Tsy misy lalana azo anenjehana azy ireo."},{"id":42,"translation":"Fa ny any azo enjehina dia ireo mpanao ny tsy rariny amin’ny olona, sy mihoam-pefy, manohitra ny fahamarinana eto an-tany; hahazo fanasaziana mamirifiry tokoa izy ireo."},{"id":43,"translation":"Fa izay manam-paharetana sy mamela heloka, dia izany no tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra."},{"id":44,"translation":"Ary na iza na iza ataon’I Allah amin’ny fahaverezana dia tsy manana mpiahy intsony aoriany. Nefa dia hahita ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao, hiteny eo am-pahitana ny fanasaziana hoe : “Misy fomba hiverenana va ?”"},{"id":45,"translation":"Ary dia ho hitanao eo anoloan’ny afobe izy ireo, mitaintaina ao anatin’ny henatra, sady mijery amim-pahatahorana, fa ireo nino kosa hiteny hoe : “ ny tena maty antoka dia ireo izay nanomana ny fahaverezany sy ny fianakaviany, amin’ny andro fitsanganana.” Hiharan’ny fanasaziana maharitra tokoa ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":46,"translation":"Tsy hanana mpiahy ankoatra an’I Allah izy ireo hamonjy azy, ary izay verezin’I Allah dia tsy hahita lalana intsony."},{"id":47,"translation":"Valio ny antson’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ilay andro (farany) izay tsy hanemoran'Allah intsony. Amin’io andro io, dia tsy hisy fialokalofana ho anareo, ka tsy ho azonareo lavina mihitsy."},{"id":48,"translation":"Koa raha mitsipaka izy ireo dia tsy hiantoka ny famonjena azy ireo no nandefasanay anao, fa ny mampita ihany no andraikitrao. Ary rehefa omenay famindram-po avy aminay ny olombelona, dia mifaly ; fa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona."},{"id":49,"translation":"An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany,"},{"id":50,"translation":"Na koa sady manome zazalahy Izy no manome zazavavy ary ataony momba izay tiany ho amin’izany. Hamafisina, fa mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra Izy."},{"id":51,"translation":"Tsy natao hitenenan’I Allah (mivantana) ny olombelona, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, na ambadiky ny rakotra, na mandefa Iraka (Anjely) izay nahazo alalana avy Aminy izy, hitondra ny fanambarana, araka izay sitrany. Ambony indrindra Izy sady be fahendrena."},{"id":52,"translation":"Ary toy izany no nanambaranay taminao ny fanahy (Koroany) avy amin’ny alalan’ny baiko avy Aminay. Tsy nanana fahalalana ny amin’ny Boky sy ny finoana ianao saingy nataonay fahazavana hitarihanay izay tianay amin’ireo mpanomponay izany. Ary hamafisina, fa mitari-dalana ho amin’ny lalana mahitsy ianao,"},{"id":53,"translation":"Ny lalan’I Allah, ilay Tompon’izay any an-danitra sy ety an-tany. Eny ! ho any amin’I Allah avokoa no hiafaran’ny zavatra rehetra."}]},{"id":43,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"Mianiana amin’ilay Boky mazava Aho."},{"id":3,"translation":"Nataonay ny Koroany amin’ny fiteny arabo izany, mba hisainanareo"},{"id":4,"translation":"Izay aty Aminay ao anatin’ny takelaka fototra, ambony indrindra, ary feno fahendrena."},{"id":5,"translation":"Moa tsy nomenay ny fampahatsiarovana va ianareo, nefa tsy niraharaha ianareo izany, satria olona mpanao ny tafahoatra ianareo ?"},{"id":6,"translation":"Firifiry moa ny Mpaminany nalefanay tamin’ireo olona taloha !"},{"id":7,"translation":"Nefa tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy noesoiny."},{"id":8,"translation":"Efa nandringana olona matanjaka kokoa noho izy ireo Izahay ! Ary efa notanisaina ny ohatra mikasika ireo teo aloha."},{"id":9,"translation":"Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ? ”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “ ilay Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.”"},{"id":10,"translation":"Ilay nanome anareo ny tany ho fandriana (toeram-pipetrahana), sy namaritra izay ilana tao anatiny, mba hahatonga anareo ho voatari-dàlana."},{"id":11,"translation":"Ilay mampidina rano avy eny amin’ny lanitra amin’ny antonony, ka amelomanay indray ny tanàna efa maty. Toy izany no hananganana anareo amin’ny maty."},{"id":12,"translation":"Ilay Nahary ireo mpivady rehetra, ary nanao sambo sy ireo biby ho fitaingainanareo,"},{"id":13,"translation":"Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay\"."},{"id":14,"translation":"Ary any amin’ny Tomponay no hiverenanay."},{"id":15,"translation":"Ary dia nataon’izy ireo ho toy ny singa avy amin'I Allah ny sasany amin’ireo mpanompony. Hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona."},{"id":16,"translation":"Sa nangala zazavavy tamin’izay nohariany va Izy, ary nanome anareo zazalahy araka ny Safidiny ?"},{"id":17,"translation":"Nefa raha ilazana ny iray amin’izy ireo,mitovy amin’izay lazainy ho an’ilay be Fiantrana, dia maloky ny alahelo lalina ny endriny."},{"id":18,"translation":"Fa ahoana ?Ilay nobeazina teo anivon’ny haingo, izay tsy afaka miarotena amin’ny alalan’ny hevitra mazava eo anoloan’ny fifandirana (no heverinareo ho singa avy amin’Allah) ?"},{"id":19,"translation":"Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany."},{"id":21,"translation":"Sa nomenay Boky iray kosa talohan’ny Koroany izy ireo, izay fikirin’izy ireo tsara ?"},{"id":22,"translation":"Fa izao kosa no lazain’izy ireo : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka manaraka ny dian’izy ireo.”"},{"id":23,"translation":"Ary toy izany koa, tsy nandefa mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray izahay, ka tsy notenenin’ireo tsara fari-piainana tao amin’izany hoe : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka nanaraka ny dian’izy ireo.”"},{"id":24,"translation":"Hoy izy : “ Na dia lalana tsara kokoa noho izay nahitanareo ny razam-benareo aza va no entiko aminareo ? ”. Hoy izy ireo : “ Tsy mino ny hafatra nanirahana anareo izahay.”"},{"id":25,"translation":"Hamaly (hanasazy) azy ireo Izahay. Ary jereo ny niafaran’ireo izay nilaza (izany) ho lainga."},{"id":26,"translation":"Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany sy tamin’ny Rainy i Abrahama hoe : “ Laviko tanteraka izay tompoinareo\""},{"id":27,"translation":"Afa-tsy ilay Nahary ahy, satria marina fa Izy no hitari-dalana ahy.”"},{"id":28,"translation":"Ka dia napetrany ho teny maharitra eo amin’ny taranany izany, mba hiverenan’izy ireo ?"},{"id":29,"translation":"Fa nomeko fahasambarana ireo olona ireo sy ireo razam-beny, mandra-pahatongan’ny Marina sy ny iraka mazava teo amin’izy ieo."},{"id":30,"translation":"Ary rehefa tonga teo amin’izy ireo ny fahamarinana, dia hoy izy ireo : “ Majika izao, fa tsy mino izany izahay.”"},{"id":31,"translation":"Ary hoy izy ireo : “Ahoana no tsy nampidinana io Koroany io, tamin’ny olona ambony, tamin’ny iray amin’ireo tanàna roa ?"},{"id":32,"translation":"Fa izy ireo va no mizara ny famindram-pon’ny Tomponao ? Izahay no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary manondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa, mba hifehezan’ny sasany ny hafa. Tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo anefan'ny famindram-pon’ny Tomponao."},{"id":33,"translation":"Raha tsy natao ho mpiara-monina iray ny olombelona, dia azo antoka fa nomenay trano misy tafo vola fotsy sy tohatra miakatra amin’izany, ireo tsy mino ilay be Fiantrana,"},{"id":34,"translation":"Misy varavarana maro sy seza lava hiankinan’ny tranon’izy ireo."},{"id":35,"translation":"Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana."},{"id":36,"translation":"Ary izay minia tsy mahita ny fampahatsiarovan’Ilay be Fiantrana, dia hanendrenay devoly ho namana tsy misaraka aminy."},{"id":37,"translation":"Mamily ny olombelona tsy ho amin’ny lalana mahitsy tokoa ny devoly, nefa dia mihevi-tena ho voatari-dalana tsara izy ireo."},{"id":38,"translation":"Rehefa ho avy eo Aminay izany olona izany, dia hiteny amin’ny devoliny izy hoe : “Indrisy ! Ahoana àry no tsy nisy elanelana tahaka ny elanelan’ny atsinanana sy andrefana teo amintsika !” Tena namana ratsy tokoa izany !"},{"id":39,"translation":"Tsy hahazoanareo tombotsoa mihitsy izy amin’izany andro izany ; raha nanao ny tsy rariny tokoa ianareo, dia hiara-voasazy."},{"id":40,"translation":"Moa va, ianao no mampandre ny marenina na mitarika ny jamba, sy izay efa very lalana miharihary ?"},{"id":41,"translation":"Na alainay ianao, dia hanasazy azy ireo Izahay."},{"id":42,"translation":"Na hasehonay aminao izay nampanantenainay azy ireo; satria manana fahefana amin’izy ireo Izahay."},{"id":43,"translation":"Fikiro mafy izay nambara taminao, fa amin’ny lalana mahitsy ianao."},{"id":44,"translation":"Tena fampahatsiarovana ho anao sy ny vahoakanao izany. Ary hanontaniana mikasika izany ianareo."},{"id":45,"translation":"Dia anontanio ireo Iraka nalefanay talohanao, raha nametraka Andriamanitra maro ho tompoina ankoatra an'Ilay be Fiantrana Izahay ?"},{"id":46,"translation":"Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”"},{"id":47,"translation":"Fa rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay izy, dia nihomehezan’izy ireo."},{"id":48,"translation":"Nampiaiky kokoa hatrany noho izay teo alohany ny fahagagana nasehonay. Ka nosazianay izy ireo, mba hiverenany."},{"id":49,"translation":"Dia hoy izy ireo : “Ry mpanao majika ! Mangataha ho anay amin’ny Tomponao, amin’ny alalan’ny fifanekena nifanaovany taminao. Fa hanaraka ny lalana mahitsy tokoa izahay.”"},{"id":50,"translation":"Ary rehefa nahatakay tamin’izy ireo ny fanasaziana, dia indro fa nandika ny fifanekena izy ireo."},{"id":51,"translation":"Ary dia niantso ny vahoakany i Faraona, ka niteny hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ahy va ny fanjakan’i Ejipta, sy ireo lakan-drano mikoriana eo an-tongotro ? Moa tsy mijery va ianareo ?"},{"id":52,"translation":"Tsy mendrika kokoa noho io mahantra zara raha afaka miteny io va aho ?"},{"id":53,"translation":"Nahoana no tsy nanipazana haba fehin-tanana volamena izy ? Nahoana no tsy niaraka taminy ireo Anjely ?"},{"id":54,"translation":"Toy izany no nataony hahafanina ny vahoakany, ary dia nankatoavin’izy ireo izy, satria olon’ny faharatsiana (izy ireo)."},{"id":55,"translation":"Ary rehefa nahatezitra Anay izy ireo, dia namaly azy ireo Izahay, ka narendrikay avokoa izy rehetra."},{"id":56,"translation":"Nataonay ho tantara sy fanoharana ho an’ny taranaka izy ireo."},{"id":57,"translation":"Ary rehefa atao fanoharana ny mikasika ny zanak’I Maria, dia tsy miraharaha izany ny vahoakanao,"},{"id":58,"translation":"Ka miteny hoe : “Ny Andriamanitray va no tsara kokoa sa izy ?” Hifandirana ihany no nanomezan’izy ireo izany ohatra izany taminao. Fa tena olona fatra mpifanditra izy ireo."},{"id":59,"translation":"Mpanompo nofenoinay fahasoavana avy Aminay ihany izy (Jesoa), ary nataonay ohatra tamin’ireo zanak’Israely."},{"id":60,"translation":"Raha sitrakay, dia nataonay Anjely ny sasany taminareo, ho mpandimby eny ambonin’ny tany."},{"id":61,"translation":"Ary izy, dia ho famantarana mikasika ilay Ora, ka aza misalasala ny amin’izany velively ianareo. Koa manaraha ahy, izany no lalana mahitsy."},{"id":62,"translation":"Aoka tsy hampivily anareo mihitsy ny devoly! Fa tena fahavalo miharihary ho anareo izy."},{"id":63,"translation":"Ary rehefa nitondra ny porofo I Jesoa, dia hoy izy : “Tonga eto aminareo miaraka amin’ny fahendrena aho, sady hanazava aminareo ireo zavatra sasany tsy nampitovy hevitra anareo. Matahora an'I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy."},{"id":64,"translation":"Tompoko sy Tomponareo tokoa Izy Allah, koa aoka ianareo hanompo Azy, fa izany no lalana mahitsy.”"},{"id":65,"translation":"Saingy tsy nitovy hevitra ireo vondron’olona teo amin’izy ireo. Koa loza ho an’ireo mpanao ny tsy rariny, amin’ny famaizana amin’ilay andro feno fanaintainana."},{"id":66,"translation":"Tsy miandry afa-tsy ny hahatongavan’ilay Ora tampoka va izy reo, amin’ny fotoana tsy ampoiziny akory ?"},{"id":67,"translation":"Ho mpifahavalo ireo mpinamana amin’io andro io, afa-tsy ireo vontom-pinoana."},{"id":68,"translation":"“Ry mpanompoko ! Tsy hanam-pahatahorana ianareo androany, ary tsy halahelo ihany koa\"."},{"id":69,"translation":"Ireo izay nino ny famantarana avy Aminay, sady nankato,"},{"id":70,"translation":"Aoka ianareo sy ireo vadinareo hiditra ao amin’ny Paradisa, fa hanaovana lanonana ianareo any.”"},{"id":71,"translation":"Hampandalovina eny amin’izy ireo ny lovia volamena sy ireo kapoaka; fa hisy izay rehetra irin’ny vatana sy mahafaly ny maso ao; ka dia hipetraka ao mandrakizay ianareo."},{"id":72,"translation":"Izany no Paradisa ho lovainareo noho ny nataonareo."},{"id":73,"translation":"Fa hisy voankazo maro ho anareo ao, ka hihinana amin’izany ianareo."},{"id":74,"translation":"Fa ireo meloka kosa, dia hipetraka mandrakizay ao amin’ny famaizan’ny afobe,"},{"id":75,"translation":"Izay tsy hitsahatra mandrakizay ho azy ireo, ka hahavery fanantenana azy."},{"id":76,"translation":"Tsy nanao ratsy tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no mpanao ny tsy rariny."},{"id":77,"translation":"Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”"},{"id":78,"translation":"Hamafisina, fa noentinay taminareo tokoa ny Fahamarinana; nefa nankahala izany ny ankamaroanareo."},{"id":79,"translation":"Moa nangala fanapahan-kevitra va izy samy izy ireo ? Fa Izahay no manapa-kevitra"},{"id":80,"translation":"Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo."},{"id":81,"translation":"Fa lazao hoe: “Raha nanan-janaka Ilay be Fiantrana, dia izaho no nanompo azy voalohany.”"},{"id":82,"translation":"Voninahitra ho an’Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary Tompon’ny Seza Fiandrianana; Ambonin’izay foronin’izy ireo Izy."},{"id":83,"translation":"Avelao izy ireo hilona amin’ny fahadisoany, sy handany andro mandra-pahatongavana amin’ilay andro nampanantenaina azy ireo."},{"id":84,"translation":"Izy no Ilay Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay be Fahendrena, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra."},{"id":85,"translation":"Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo."},{"id":86,"translation":"Fa tsy manana fahefana hanelanelana izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy, afa-tsy izay mijoro vavolombelona amim-pahamarinana amin’ny fahafantarana tanteraka."},{"id":87,"translation":"Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?"},{"id":88,"translation":"Ka hoy ny teniny (tenin’ny Mpaminany amin’Allah): “Tompo ô ! Olona tsy mino izy ireny.”"},{"id":89,"translation":"Raha izany, mihataha amin’izy ireo ianao, ka lazao hoe: “Fandriampahalemana (salam)!”. Fa ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany."}]},{"id":44,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho."},{"id":3,"translation":"Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,"},{"id":4,"translation":"Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena."},{"id":5,"translation":"Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,"},{"id":6,"translation":"Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,"},{"id":7,"translation":"Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo."},{"id":8,"translation":"Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha."},{"id":9,"translation":"Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana."},{"id":10,"translation":"Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,"},{"id":11,"translation":"Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany."},{"id":12,"translation":"Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay."},{"id":13,"translation":"Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava."},{"id":14,"translation":"Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”"},{"id":15,"translation":"Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo."},{"id":16,"translation":"Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka."},{"id":17,"translation":"Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo."},{"id":18,"translation":"Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho."},{"id":19,"translation":"Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho."},{"id":20,"translation":"Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo."},{"id":21,"translation":"Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.”"},{"id":22,"translation":"Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”."},{"id":23,"translation":"Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo."},{"id":24,"translation":"Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo."},{"id":25,"translation":"Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo."},{"id":26,"translation":"Ireo saha sy fonenana mahafinaritra"},{"id":27,"translation":"Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo."},{"id":28,"translation":"Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany."},{"id":29,"translation":"Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo."},{"id":30,"translation":"Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely,"},{"id":31,"translation":"Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra."},{"id":32,"translation":"Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka."},{"id":33,"translation":"Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy."},{"id":34,"translation":"Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe:"},{"id":35,"translation":"Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay."},{"id":36,"translation":"Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”"},{"id":37,"translation":"Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy."},{"id":38,"translation":"Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany."},{"id":39,"translation":"Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":40,"translation":"Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra."},{"id":41,"translation":"Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo."},{"id":42,"translation":"Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo."},{"id":43,"translation":"Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),"},{"id":44,"translation":"Dia ho sakafon’ny be fahotana."},{"id":45,"translation":"Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo."},{"id":46,"translation":"Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay."},{"id":47,"translation":"Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay."},{"id":48,"translation":"Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy."},{"id":49,"translation":"Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja."},{"id":50,"translation":"Izany mantsy ilay nampisalasala anareo."},{"id":51,"translation":"Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,"},{"id":52,"translation":"Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,"},{"id":53,"translation":"Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika."},{"id":54,"translation":"Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo."},{"id":55,"translation":"Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao."},{"id":56,"translation":"Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,"},{"id":57,"translation":"Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe."},{"id":58,"translation":"Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo."},{"id":59,"translation":"Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo."}]},{"id":45,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà, Mîm."},{"id":2,"translation":"Ny fanambarana ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":3,"translation":"Misy porofo ho an’ireo mpino tokoa eny amin’ny lanitra sy ety an-tany."},{"id":4,"translation":"Ary amin’ny nahariana anareo sy amin’ireo biby naparitany, dia misy famantarana maro ho an’ireo olona tena mino."},{"id":5,"translation":"Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany."},{"id":6,"translation":"Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?"},{"id":7,"translation":"Loza ho an’izay rehetra mpamitaka, mpanota !"},{"id":8,"translation":"Maheno ireo andininy avy amin’I Allah izay vakiana aminy izy, avy eo, dia mikiry amin’ny fiavonavonana tahaka ny mbola tsy naheno izany velively. Koa ambarao azy ny famaizana mamirifiry."},{"id":9,"translation":"Raha mahafantatra ny ampahany amin’ireo andininy avy Aminay izy, dia ataony izay hanaratsiana azy ireny. Hahazo famaizana mahafabaraka izy ireny."},{"id":10,"translation":"Aorian’izy ireo ny afobe. Tsy hisy ilan’izy ireo izay nangoniny mihitsy, na izay nalainy ho mpiahy ankoatra an’I Allah. Fa hahazo famaizana lehibe izy ireo."},{"id":11,"translation":"Fitarihan-dalana izy ity (Kor’any).Fa izay tsy mino ireo andininy avy amin’ny Tompony, dia hahazo fijaliana amin’ny famaizana mamirifiry."},{"id":12,"translation":"Allah, Izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, ka hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo mankasitraka."},{"id":13,"translation":"Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra."},{"id":14,"translation":"Lazao ireo mpino, mba hamela ny hadisoan’ireo izay tsy manantena ireo andron’I Allah, ka hamaliany amin’ireo vahoaka araka izay nataony."},{"id":15,"translation":"Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo."},{"id":16,"translation":"Nomenay ireo zanak’israely ny Boky, ny fahendrena, ny faminaniana, ary nomenay tamin’ireo anjaram-pahasoavana tsara ihany koa izy ireo, sady nofidinay tamin’ny olombelona rehetra."},{"id":17,"translation":"Ary nomenay porofo mazava izy ireo mikasika ny Didy. Efa tonga tamin’izy ireo ny fahalalana, vao tsy nitovy hevitra izy ireo, noho ny fifandirana teo amin’izy ireo. Hamafisina, fa hitsara azy ireo ny Tomponao, amin’ny andro fitsanganana, tamin’izay tsy nampitovy hevitra azy."},{"id":18,"translation":"Avy eo, dia napetrakay amin’ny lalana mahitsin’ny didy (finoana) ianao. Koa araho àry izany, fa aza manaraka ny sitrapon’ireo tsy mahafantatra."},{"id":19,"translation":"Tsy misy ilanao azy ireo eo anatrehan'I Allah. Ary mpinamana ireo olona samy mpanao ny tsy rariny, fa Allah kosa no Mpiahy ireo vontom-pinoana."},{"id":20,"translation":"Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka."},{"id":21,"translation":"Mihevitra va ireo mpanao asa ratsy, fa hataonay mitovy amin’izay mino sy manao asa soa izy ireo, amin’ny fahavelomany sy ny fahafatesany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!"},{"id":22,"translation":"Fa tamim-pahamarinana no naharian’I Allah ny lanitra sy ny tany, ka ho valiana araka izay nataony ny olona tsirairay, ary tsy ho voambaka izy ireo."},{"id":23,"translation":"Hitanao va ilay naka ny sitra-pony ho tompony? Ary dia nian’Allah ny nahavery azy, ka nahidiny ny fandrenesany sy ny fony, ary nasiany takona ny masony. Iza àry no hitari-dàlana azy aorian’i Allah? Tsy tsaronareo va izany?"},{"id":24,"translation":"Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany."},{"id":25,"translation":"Fa rehefa ambara amin’izy ireo ny andinin'ny mazava tsara avy Aminay, dia izao ihany no fanohan-kevitra hoteniny: “Avereno ireo razam-benay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”"},{"id":26,"translation":"Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona\"."},{"id":27,"translation":"An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, ary amin’ny andro hiavian’ilay Ora, dia ho maty antoka ireo pisandoka."},{"id":28,"translation":"Ary ho hitanao handohalika ny vahoaka tsirairay, ka antsoina ho any amin’ny bokiny avokoa izy ireo. Androany, dia ho valiana araka izay nataonareo ianareo."},{"id":29,"translation":"Indro ny Bokinay. Miresaka anareo amim-pahamarinana izy, satria nosoratanay izay rehetra nataonareo.”"},{"id":30,"translation":"Izay nino sy nanao asa soa dia hampidirin’ny Tompony amin’ny famindram-pony. Izany dia fahombiazana miharihary."},{"id":31,"translation":"Fa ny amin’ireo izay tsy mino kosa: “Tsy novakiana taminareo va ireo andininy avy aty Amiko? Saingy nampiseho fireharehana ianareo, sady olona mpanao ratsy.”"},{"id":32,"translation":"Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”"},{"id":33,"translation":"Ary hiseho amin’izy ireo ny haratsian’ny asany. Ka hamatotra azy ireo izay noesoiny."},{"id":34,"translation":"Ary hilazana izy ireo hoe: “Hadinonay ianareo androany, tahaka ny nanadinoanareo ity andronareo anio ity. Ny afo no fialofanareo, ary tsy hanana mpamonjy velively ianareo\"."},{"id":35,"translation":"Nohon'ny fanesoanareo ireo andininy avy amin’I Allah no anton’izany, sy nohon'ny fitaka nataon’ny fiainana an-tany taminareo. Amin’io andro io, dia tsy havoaka ao izy ireo, ary tsy ho afa-tsiny ihany koa."},{"id":36,"translation":"Dera ho an’I Allah, Tompon’ny lanitra sy Tompon’ny tany; ary Tompon’izao tontolo izao."},{"id":37,"translation":"Fa Azy ny fahamboniana any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay Tsitoha, ilay be fahendrena."}]},{"id":46,"verses":[{"id":1,"translation":"Hà Mîm"},{"id":2,"translation":"Ny fanambarana ny Boky dia avy amin'Andriamanitra Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":3,"translation":"Tsy noharianay ny lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelany raha tsy tamim-pahamarinana, ary ho amin'ny fotoana voafetra.Tsy miraharaha amin'izay nampitandremana azy ireo ny tsy mpino."},{"id":4,"translation":"Dia lazao hoe : \"Ahoana no fahitanareo ireo izay antsoinareo ankoatra an'I Allah\" ? Asehoy ahy ary izay namboarin'izy ireo avy amin'ny tany ! Sa misy fiarahan'izy ireo amin'Allah va any an-danitra ? Itondrao boky talohan'ity aho, na izay sisa tavela amin'ny fahalalana, raha mpilaza ny marina ianareo. \""},{"id":5,"translation":"Fa iza no very lalana kokoa, noho izay miantso ankoatra an'Allah izay tsy afaka hamaly azy akory hatramin'ny andro fitsanganana ? Ary tsy miraika amin'ny fangatahan'izy ireo."},{"id":6,"translation":"Ary rehefa tafavory ny olona, dia hitsangana ho fahavalony izy ireo, ary handà ny fanompoan'ny olona Azy."},{"id":7,"translation":"Ary raha lazaina aminy ireo andininy mazava tsara avy Aminay dia hoy ireo tsy mpino rehefa tonga aminy ny fahamarinana : \"Tena majika miharihary tokoa izao.\""},{"id":8,"translation":"Na miteny izy ireo hoe : \"Noforoniny izany !\". Valio hoe : \"Raha namorona izany aho, dia tsy afaka hanampy ahy eo anatrehan'ny fanasazin'Allah ianareo. Fantany tanteraka izay ahelinareo, fa ampy ahy sy ianareo I Allah ary Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be Indrafo.\""},{"id":9,"translation":"Lazao hoe : \"Tsy fanavaozana ireo iraka aho, ary tsy fantatro izay hanaovana ahy, sy ianareo. Tsy manao afa-tsy manaraka izay nambara tamiko aho ary mpampitandrina mazava ihany. \""},{"id":10,"translation":"Lazao hoe : \"Inona no ambaranareo ? Raha avy any amin'Allah izany, kanefa tsy inoanareo fa nisy vavolombelona iray nijoro avy amin'ny zanak'Israely nanamarina sy nino izany, fa ianareo kosa nanohitra izany amim-pireharehana. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana ireo olona mpanao ny tsy rariny Allah.\""},{"id":11,"translation":"Ary hoy ireo tsy mpino tamin'ireo mpino : \"Raha tsara io, dia tsy ho lasa alohantsika izy ireo.\" Ary satria tsy voatari-dalana tamin'izany izy ireo, dia hiteny hoe : \"Lainga tany aloha ihany izany.\""},{"id":12,"translation":"Ary nisy Bokin'i Mosesy teo alohany, ho tari-dalana sy ho famindram-po. Ary ity Boky ity dia manamarina izany, amin'ny fiteny arabo,mba hampitandremana izay manao ny tsy rariny, sy hilazana vaovao mahafaly ho an'ireo mpanao soa."},{"id":13,"translation":"Hamafisina, fa ireo izay miteny hoe : \"Allah no Tomponay \" avy eo manaraka ny lalana mahitsy, dia tsy misy hatahoran'izy ireo na hampalahelo azy ireo."},{"id":14,"translation":"Olon'ny Paradisa izy ireo, izay hitoetra ao mandrakizay, ho valin'izay nataony."},{"id":15,"translation":"Ary nodidianay ny olombelona hanao ny tsara amin'ireo ray aman-dreniny, mafy ny nitondran-dreniny sy ny niterahany azy, ary maharitra telopolo volana ny fitondrany azy am-bohoka ka hatramin'ny fisaraha-nonony ; ary rehefa tonga eo amin'ny fahamatorany tanteraka izy, ka mahatratra efapolo taona dia hoy izy : \"Tompo o ! Tariho hisaotra nohon'ny soa nomenao ahy aho, sy nomenao ireo ray aman-dreniko, mba hanaovako asa soa ankasitrahanao. Ataovy mendrika ireo taranako. Mibebaka aminao aho, ary isan'ireo mpankato anao.\""},{"id":16,"translation":"Ireo no ekenay ho tsara indrindra amin'izay ataonay, ary avelanay kosa ireo ratsy, ho isan'ny olon'ny Paradisa izy ireo araka ny fampanantenana marina natao tamin'izy ireo."},{"id":17,"translation":"Fa izay miteny amin'ny ray aman-dreniny kosa hoe : \"Esy ! mandehana any ianareo ! mampanantena ahy va ianareo, fa havoaka avy ao amin'ny tany aho, nefa maro ny taranaka efa lasa any ?\". Ary nangata-bonjy tamin'I Allah izy roa : \"Loza ho anao ! Aoka ianao hino, fa marina ny fampanantenan'I Allah.\" Ka hamaly izy hoe : \"anganon'ny taloha izany.\""},{"id":18,"translation":"Izy ireo no mendrika ho helohina, miaraka amin’ireo vahoaka efa lasa teo alohany, avy amin’ny Djiny sy ny olombelona. Tena maty antoka tokoa izy ireo."},{"id":19,"translation":"Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba hizaran’I Allah amin’izy ireo ny valin’asa feno, ka tsy hiangarana mihitsy izy ireo amin’izany."},{"id":20,"translation":"Ary amin’ny andro hahatongavan’ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, (dia hiteny amin’izy ireo Izy) : “Notaperinareo ireo zava-tsoa vitanareo ka nifalianareo tanteraka nandritry ny fiainanareo teny an-tany, ho valiana famaizana mahafa-baraka àry ianareo anio, nohon'ny fireharehanareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, sy noho ny faharatsianareo.\""},{"id":21,"translation":"Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, \"aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina.\""},{"id":22,"translation":"Hoy izy ireo : ‘’Tonga eto aminay mba hampihataka anay amin’ireo andriamanitray va ianao ? Raha izany, ento eto aminay izay nampitandremanao anay raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao.‘’"},{"id":23,"translation":"Hoy izy : “Any amin’I Allah ihany ny fahalalana. Mampita ny hafatra izay nandefasana ahy aminareo aho. kanefa hitako fa olona tsy mahafantatra ianareo”."},{"id":24,"translation":"Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe : “Indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay.” Ny mifanohitra amin’izany anefa, no ilay tadiavinareo hafainganina, dia ny rivotra mitondra famaizana mamirifiry,"},{"id":25,"translation":"Handrava ny zava-drehetra, nohon'ny didin’ny Tompony. Ary ny ampitson’iny, dia ny fonenan’izy ireo ihany no sisa tazana.Toy izany no hamalianay ireo olona mpanao ratsy."},{"id":26,"translation":"Nomenay fahefana izay tsy nomenay anareo izy ireo. Ary nomenay fandrenesana, fahitana sy fo, saingy ny fandrenesany, ny fahitany, ny fony, dia tsy nahazoan’izy ireo tombotsoa, na amin’inona satria nandà ireo famantarana avy amin’I Allah izy ireo, ka dia voafatotr’izay nohesoiny."},{"id":27,"translation":"Nopotehinay tokoa ireo tanàna manodidina anareo, ary nataonay isan-karazany ireo famantarana mba hiverenan’izy ireo (amin’I Allah)."},{"id":28,"translation":"Nahoana no tsy mamonjy azy ireo izay nalainy ankoatran'I Allah, ho Tompo hanakaikezana Azy ? Nandao azy izy ireo, izany no fisandohana ataony, sy lainga foroniny."},{"id":29,"translation":"Tsarovy, tamin’ny nandefasanay andian'ny Djiny teo aminao mba hihaino ny Koroany. Rehefa tonga teo izy ireo, dia niteny hoe : “Henoinareo tsara.” Ary rehefa tapitra izany, dia niverina teo amin’ny vahoakany ho mpampitandrina izy ireo."},{"id":30,"translation":"Dia hoy izy ireo : “Ry vahoakanay ! Avy nahare Boky iray nampidinina taorian’i Mosesy izahay, manamarina izay teo alohany. Mitarika ho amin’ny fahamarinana izany, sy ho amin’ny lalana mahitsy.\""},{"id":31,"translation":"Ry vahoakanay ! Valio ny antson’ilay mpitory tenin’Allah, ary aoka ianareo hino Azy. Hamela ny fahotanareo I Allah, ary hiaro anareo amin’ny famaizana mamirifiry."},{"id":32,"translation":"Ary n'aiza n'aiza tsy hamaliana ny antson’ilay mpitory tenin’I Allah, dia misy tsy afaka handositra ny fahefany eto an-tany. Ary tsy hanana mpiahy ankoatra Azy izy. Ao anatin’ny fahaverezana tokoa izy ireny."},{"id":33,"translation":"Tsy hitan’izy ireo va, fa Allah no nahary ny lanitra sy ny tany, izay tsy mbola sasatra tamin’ny fahariany izany, ary afaka mamerina indray ny aina amin’ireo maty ? Izany mihitsy. Mahefa ny zava-drehetra tokoa Izy."},{"id":34,"translation":"Ary amin’ny andro hitondrana ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, dia holazaina izy ireo hoe : “Tsy io va ny fahamarinana ?”. Hamaly izy ireo hoe : “Izany tokoa ! Marina amin’ny Tomponay.” Hiteny izy hoe : “Raha izany, dia andramo àry ny famaizana nohon'ny tsy finoanareo.”"},{"id":35,"translation":"Mihareta àry ianao, tahaka ny niaretan’ireo Iraka nanam-piniavana, ary aoka ianao tsy ho maika hahita azy ireo hiharan’ny famaizana. Ny andro hahitan’izy ireo izay nampitandremana azy, dia ho tsaroan’izy ireo ho toy ny ora iray monja amin’ny andro iray, no nijanonan’izy ireo (teny ambon’ny tany). Fampandrenesana izany. Ka iza ary no ho potika raha tsy ireo olona mpanao ny ratsy ihany."}]},{"id":47,"verses":[{"id":1,"translation":"Ireo izay tsy nino ka nisakana ny lalan’I Allah, dia nataony very maina ny asan’izy ireo."},{"id":2,"translation":"Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa, ary nino izay nampidinina tamin’i Mohammady, fa izany no fahamarinana avy amin’nyTompon’izy ireo, dia ho fafana ny asa ratsin’izy ireo, ary hatsaraina ny fiainan’izy ireo."},{"id":3,"translation":"Ny anton’izany satria nanaraka ny diso ireo izay tsy nino, fa nanaraka ny marina avy amin’ny Tompony kosa izay nino. Toy izany no anehoan’I Allah ireo fanoharana amin’ny olombelona."},{"id":4,"translation":"Rehefa mifanandrina amin’ireo tsy mpino ianareo, dia kapohy ao amin'ny hatony. Ka rehefa lavonareo, dia fatory mafy. Ary aza afahana tsotra izao, na angatahana takalony, hatramin’ny fitsaharan’ny vesatry ny ady. Toy izany, satria raha ny tian’I Allah, dia Izy mihitsy no namaly azy ireo, fa natao izany mba hifampisedranareo. Fa izay maty amin’ny lalan’I Allah, dia tsy ataony very maina mihitsy ny asan’izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ho tarihiny lalana izy ireo, ary ho hatsarainy ny momba azy ireo,"},{"id":6,"translation":"Ka hampidiriny amin’ny Paradisa izay hampafantariny azy ireo."},{"id":7,"translation":"Ianareo mpino ! Raha ampandresenareo izay mikasika an’I Allah, dia hataony mpandresy ianareo, ka ho hamafisiny ny dianareo."},{"id":8,"translation":"Fa ireo izay tsy mpino kosa, dia hisy loza ho azy ireo, ka hataony very maina ny asan’izy ireo."},{"id":9,"translation":"Izany satria nankahalan’izy ireo izay nampidinin’I Allah. Ka nataony very maina ny asan’izy ireo."},{"id":10,"translation":"Tsy nitety ny tany va izy ireo, mba hahita izay niafaran’ireo talohany ? Nopotehin’I Allah izy ireny. Natokana ho an’ireo tsy mpino ny fiafarana tahaka izany."},{"id":11,"translation":"Fa tena mpiahy ireo mpino tokoa Allah, fa ireo tsy mpino kosa dia tsy mba manam-piahy."},{"id":12,"translation":"Ireo izay mino ka manao asa soa, dia hampidirin’I Allah amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa ireo tsy mino kosa, dia mitady fahafinaretana sy mihinana tahaka ny biby, ary ny afo no ho toeram-ponenan’izy ireo."},{"id":13,"translation":"Ary firifiry ireo tanàna nopotehinay, matanjaka kokoa nohon'ny tanàna nandroahana anao, fa tsy nisy mpamonjy mihitsy izy ireo."},{"id":14,"translation":"Izay mifikitra amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompony va dia hitovy amin’izay nohatsaraina teo imason'ny asa ratsiny, ka nanaraka ny sitra-pony ?"},{"id":15,"translation":"Toy izao ny Paradisa nampanantenaina ireo vontom-pinoana : misy renirano, tsy ho ratsy fofona mandrakizay ny rano ao aminy, ary renirano amin’ny ronono tsy miova ny tsirony, sy renirano amin’ny divay, matsiro ho an’ny mpisotro, ary renirano amin’ny rano tantely madio .Misy voankazo isan-karazany ho azy ireo ao, ary koa famelan-keloka avy amin’ny Tompony. Hitovy amin’ireo hipetraka mandrakizay ao amin’ny afo va izy ireo, izay hampisotroina rano mangotraka handrovitra ny tsinainy ?"},{"id":16,"translation":"Ary misy amin’izy ireo ny mihaino anao. Ka raha vao nivoaka tao aminao izy ireo, dia niteny tamin’ireo nahazo fahalalana hoe : “Inona no nolazainy teo ?\" Hidin’I Allah ny fon'izy ireny fa nanaraka ny sitra-pony."},{"id":17,"translation":"Fa izay nanaraka ny lalana mahitsy kosa, dia nampitomboiny ny fahitsin’izy ireo, ary nataony vontom-pinoana (izy ireo)."},{"id":18,"translation":"Ny fahatongavan’ilay Ora tampoka va no andrasan’izy ireo ? kanefa dia efa tonga tokoa ireo famantarana mialoha. Ary ahoana no ahafahan’izy ireo hahatsiaro rehefa tonga tampoka izany ?"},{"id":19,"translation":"Fantaro àry, fa tsy misy Tompo afa-tsy I Allah ary mangataha ny hamelany ny fahotanao sy an’ireo mpino, lahy na vavy. Fantatr’I Allah izay ataonareo, sy izay toerana hialanareo sasatra."},{"id":20,"translation":"Hoy ireo mpino : ‘’Indrisy ! Raha mba nisy antokon-tsoratra nidina mantsy !‘’ Kanefa raha vao midina amin’ny antokon-tsoratra mazava anankiray, ka voalaza ao anatin’izany ny resaka ady, dia hitanareo ireo manana areti-po fa hijery anao toy ny fijerin’olona ho torana eo anoloan’ny fahafatesana. Ho tsara kokoa ho azy ireo izany."},{"id":21,"translation":"Ny fankatoavana sy ny teny mendrika. Ary rehefa raikitra ny raharaha, dia tsara ho azy ireo tokoa ny mampiseho fahatsoram-po eo anatrehan’I Allah."},{"id":22,"translation":"Moa va raha mitsipaka ianareo, dia tsy ahiana hampiely fanimbana ety an-tany, sy hanapaka ny fihavanana amin’ireo mpiray tampo aminareo ?"},{"id":23,"translation":"Izy ireny no voahozon’I Allah, sy nataony marenina, ary jamba ihany koa ny fahitàny."},{"id":24,"translation":"Tsy mandinika ny Koroany va izy ireo ? Sa misy hidiny ny fon'izy ireo ?"},{"id":25,"translation":"Ireo izay niverin-dalana, rehefa avy naseho taminy ny lalana mahitsy, dia nobaboin’ny devoly ny fony, ary nofitahiny."},{"id":26,"translation":"Satria notenenin’izy ireo tamin’ireo nankahala ny fanambaran’I Allah hoe : “Hankato anareo amin’ny zavatra sasantsasany izahay.” Fantatr’I Allah anefa izay afenin’izy ireo."},{"id":27,"translation":"Inona no ahazo azy ireo rehefa hamono azy ireo ny Anjely, ka hikapoka azy avy eo anoloany sy avy ao an-damosiny ?"},{"id":28,"translation":"Satria nanaraka izay nahatezitra an’I Allah izy ireo, sady nankahala ny fankasitrahany, dia nataony very maina ny asan’izy ireo."},{"id":29,"translation":"Sa mihevitra ireo olona manana areti-po, fa tsy halala hampibaribary ny fankahalan’izy ireo mihitsy Allah ?"},{"id":30,"translation":"Kanefa raha ny tianay, dia ho nampisehoinay taminao izany. Fantatrao tamin’ny endriny tokoa izy ireo, ary tsy maintsy fantatrao tamin’ny fomba fiteniny ihany koa. Eny; fantatr’I Allah izay ataonareo."},{"id":31,"translation":"Hampisedrainay tokoa ianareo mba hanavahanay ireo izay miady sy miaritra (nohon'ny anton’i Allah), ary hampihariharianay ny vaovao avy aminareo."},{"id":32,"translation":"Ireo tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah, ary nanohitra ny Mpaminany, taorian’ny nilazana mazava taminy ny lalana mahitsy, dia tsy afaka hanao ratsy amin’I Allah velively izy ireo. Ary hataon’I Allah very maina ny asan'izy ireo."},{"id":33,"translation":"Oh ianareo mpino ! Aoka ianareo hankatoa an’I Allah, ary aoka ihany koa hankatoa ny iraka, fa aza avela ho very maina ny asanareo."},{"id":34,"translation":"Ireo izay tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah ary maty tao anatin’ny tsy finoana, dia tsy hamela heloka azy ireo na oviana na oviana Allah."},{"id":35,"translation":"Aza ketraka ianareo, ary aza miantso amin’ny fifampiraharahana ho ambony, satria miaraka aminareo hatrany Allah, ary tsy hanary ny valisoan'ny asanareo na oviana na oviana Izy."},{"id":36,"translation":"Lalao sy fialam-boly ihany ny fiainana eto an-tany, kanefa raha mino sy matahotra an’I Allah ianareo, dia omeny valisoa ianareo, ary tsy hangataka ny fanananareo Izy."},{"id":37,"translation":"Raha nangatahany izany ianareo, ka notereny, dia hahihitra ianareo, ary hasehony ny fankahalanareo."},{"id":38,"translation":"Indro fa voaantso hanao fandaniana amin’ny lalan’i Allah ianareo. Hiseho mahihitra ny sasany aminareo. Izay mahihitra anefa dia mahihitra ho an’ny tenany ihany. Manana ny ampy tanteraka I Allah, fa ianareo kosa no mahantra. Ary raha mivily lalana ianareo, dia ho soloiny vahoaka hafa, izay tsy hitovy aminareo velively."}]},{"id":48,"verses":[{"id":1,"translation":"Marina tokoa fa nomenay fandresena miezinezina ianao."},{"id":2,"translation":"Mba hamelan’I Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy; sy hamenoany ny fahasoavany aminao, dia tarihany any amin’ny lalana mahitsy hatrany ianao ;"},{"id":3,"translation":"Ary homen’I Allah anao ny famonjena matanjaka."},{"id":4,"translation":"Izy no nampidina ny fahatoniana tao am-pon’ireo mpino mba hampitombo ny finoana efa ao amin’izy ireo. An’I Allah ny tafikin'ny lanitra sy ny tany; ary mahafantatra ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah."},{"id":5,"translation":"Mba ho ampidirana ireo mpino lahy sy vavy ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, izay hipetrahan’izy ireo mandrakizay, ary hamafany ny asa ratsin’izy ireo. Fahombiazana lehibe tokoa izany eo anatrehan’ny tompo Allah."},{"id":6,"translation":"Ary hanasaziany ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny hafa, lahy sy vavy, izay mieritreri-dratsy an'I Allah. Hiverina amin’izy ireo ihany anie ny ratsy, tezitra amin’izy ireo Allah, sy nanozona azy ireo ary nanomana ny afobe ho azy ireo. Fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":7,"translation":"An’I Allah ireo tafiky ny lanitra sy ny tany, ary Allah no tsitoha sy be fahendrena."},{"id":8,"translation":"Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao."},{"id":9,"translation":"Mba hinoanareo an’I Allah sy ny irany, sy hanajanareo Azy, hanekenareo ny fahamendrehany, ary hanomezanareo voninahitr'Azy marain-tsy hariva."},{"id":10,"translation":"Izay manao tokim-panoavana aminao dia manao tokim-panoavana amin’i Allah ihany koa, eo ambonin’ny tanan’izy ireo ny tanan’I Allah. Izay mandika ny fianianana, dia mandika izany ho an’ny tenany ihany; fa izay manatanteraka ny fifanekena tamin’I Allah kosa dia homeny valisoa lehibe tsy ho ela."},{"id":11,"translation":"Ireo arabo mpifindra fonenana sasany tavela taty aoriana, dia hiteny aminao hoe : “Nanahirana anay ireo fanananay sy ireo fianakavianay, koa mangataha famelana ho anay”. Lazain’izy ireo amin’ny lelany izany, fa tsy mitovy ao am-pony. Lazao hoe : “Iza àry no manana fahefana aminareo eo anatrehan’I Allah, raha te-hanasazy anareo Izy, na te-hanao soa anareo ?\" Saingy mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah."},{"id":12,"translation":"Noheverinareo fa tsy hiverina any amin’ny fianakaviany intsony ireo mpino sy ny Iraka. Koa dia nibahana tao am-ponareo izany, ary nanana hevi-dratsy ianareo. Ka lasa olom-bery."},{"id":13,"translation":"Ary na iza na iza tsy mino an’I Allah sy ny Irany dia hamafisina fa nanomana afo mamaivay Izahay ho an’ireo tsy mpino."},{"id":14,"translation":"An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany .Mamela ny helok’izay tiany havela Izy, ary manafay izay tiany ho faizina. Fa mpamela heloka sy be indrafo hatrany Allah."},{"id":15,"translation":"Hiteny ireo tavela tany aoriana, rehefa nandeha ho any amin’ny fananana nobaboina ianareo mba haka izany hoe : “Avelao izahay hanaraka anareo”. Tian’izy ireo hovana ny tenin’I Allah. Lazao hoe : “Aza manaraka anay mihitsy ianareo, fa izany no efa nambaran’I Allah “. Saingy hiteny izy ireo hoe : “ Mialona anay ianareo”. Kanefa kely ihany ny fahafantaran’izy ireo."},{"id":16,"translation":"Lazao ireo arabo mpifindrafindra fonenana tavela tany aoriana hoe : “Antsoina hifanandrina amin’ireo olona manana hery mampihorohoro ianareo. Ka hiady amin’izy ireo ianareo, na izy ireo manaraka ny finoana an’I Allah tokana. Raha Mankato ianareo, dia omen’I Allah valisoa mendrika, fa raha mitsipaka kosa ianareo, tahaka izay efa nataonareo teo aloha, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry ”."},{"id":17,"translation":"Tsy misy tsiny azo omena ireo jamba, sy kilemaina, ary ny marary. Na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, dia hampidiriny amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa na iza na iza kosa mivily lalana, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry."},{"id":18,"translation":"Nankasitrahan’i Allah tokoa ireo mpino, tamin’izy ireo nanao tokim-panoavana taminao teo ambodihazo. Fantany ny ao am-pon’izy ireo, ka nampidininy teo amin’izy ireo ny fahatoniana, ary dia novaliany soa tamin’ny fandresena tsy ho ela izy ireo."},{"id":19,"translation":"Sy fananana maro voababo ho alain’izy ireo. Tsitoha sy be fahendrena I Allah."},{"id":20,"translation":"Nampanantena fananana maro voababo ho alainareo Allah, ary nohafainganiny ho anareo izany, ka nampanalaviriny taminareo ny tanan’olona hafa, mba ho famantarana ho an’ireo mpino, ary hitarihany anareo amin’ny lalana mahitsy;"},{"id":21,"translation":"Nampanantena fananana hafa voababo ho anareo, izay tsy ho azonareo mihitsy Izy, kanefa dia nofehezin’I Allah tamin’ny heriny izany, satria mahefa ny zavatra rehetra Allah."},{"id":22,"translation":"Ary raha miady aminareo ireo tsy mpino, dia tsy maintsy hitodi-doha izy ireo, ka tsy hahita namana na mpamonjy mihitsy."},{"id":23,"translation":"Izany no fitsipika napetrak’I Allah nampiharina tamin’ireo taranaka taloha. Ary tsy hahita fiovana amin’ny fitsipika napetrak’I Allah mihitsy ianao."},{"id":24,"translation":"Izy no nampihataka ny tanan’izy ireo taminareo, tao amin’ny lohasahan’i Makkat (Lameka), sady nampihataka ny tananareo tamin’izy ireo koa taorian’ny nampandreseny anareo. Ary hitan’I Allah tsara izay ataonareo."},{"id":25,"translation":"Izy ireo no tsy nino sy nisakana anareo tsy ho any amin’ny trano masina fiankohofana sy nisakana ihany koa ny tsy hahatongavan’ny sorona voafatotra eo amin’ny toerana fanaovana izany. Raha tsy nisy ireo lehilahy mpino sy ireo vehivavy mpino, tsy fantatrareo (tao Lameka) izay saika voahitsakareo, ka nahatonga anareo ho sosotra tamin’izany nohon'ny tsy fahalalana izany dia mba hampidiran’I Allah izay tiany ao amin’ny famindram-pony. Ary raha navahana ireo mpino, dia tsy maintsy nofaizinay tamin’ny famaizana mamirifiry tokoa izay tsy nino tamin’izy ireo (ireo mponin’i Lameka)."},{"id":26,"translation":"Rehefa nataon'ireo tsy mpino tao am-pony ny hatezerana mafy nohon'ny tsy fahalalana, dia nampidinin’I Allah tamin’ny Irany sy tamin’ireo mpino kosa ny fahatoniana avy Aminy, ary nodidiny hanao teny fitiavam-bavaka izy ireo, izay izy ireo no mendrika sy akaiky izany. Fa mahafantatra ny zava-drehetra Allah."},{"id":27,"translation":"Nohamarinin’I Allah ny fahitan’ny irany, tamin’izy nanambara tamim-pahamarinana hoe : “Hiditra ao amin’ny trano masina fiankohofana amim-piadanana tokoa ianareo raha sitrak’I Allah izany, rehefa avy nanala volo tanteraka ianareo na nitapa-bolo, tsy amim-pahatahorana”. Fantany izay tsy mbola fantatrareo. Ary ankoatra izany dia napetrany ny fandresena efa akaiky."},{"id":28,"translation":"Izy no nandefa ny irany miaraka amin’ny tari-dalana sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra. Ampy hahita (ny zava-drehetra)I Allah."},{"id":29,"translation":"Irak’Allah i Mohammady. Masiaka amin’ny tsy mpino ireo mpiara-dia aminy, fa mifamindra-fo kosa amin’ny samy izy ireo. Hitanao miondrika izy ireo, miankohoka, mitady fahasoavana sy fankasitrahana avy amin’I Allah. Misy faritra avelan’ny fiankohofana ny tavan’izy ireo. Izany no endrika hanoharana azy ireo amin’ny Taoraty. Ary ny endrika hanoharana azy ireo ao amin’ny Evanjely dia toy ny voa vao mitsimoka, mihamafy, mihamatevina sy mitsangana amin’ny tahony, ka mahafaly ny mpamafy izay Ataony hahatezitra ireo tsy mpino amin’izy ireo. Mampanantena famelan-keloka sy valisoa lehibe ho an’izay mino ,manao asa soa amin’izy ireo Allah."}]},{"id":49,"verses":[{"id":1,"translation":"Ianareo mpino ! Aza mialoha lalana an’I Allah sy ny Irany ianareo. Ary aoka ianareo hatahotra an’I Allah. Fa mandre sy mahalala ny zava-drehetra Allah."},{"id":2,"translation":"Ianareo mpino ! Aza atao avo nohon'ny feon’ny mpaminany ny feonareo, ary aza mampiaka-peo ianareo rehefa miteny aminy, tahaka ny fifampiresahanareo samy ianareo, raha tsy izany dia ho very maina ny asanareo izay tsy ho tsapanareo akory."},{"id":3,"translation":"Fa izay manalefaka ny feony rehefa eo akaikin'ny Irak’i Allah, dia izy ireny no efa nosedran’I Allah ny fony mba hanam-patahorana. Hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe izy ireo."},{"id":4,"translation":"Hamafisina fa ireo miantso mafy anao avy ao ambadiky ny efitrano dia tsy mandinika ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary raha maharitra izy ireo mandra-pivoahanao eo aminy, dia izany no tsara kokoa ho azy ireo, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah."},{"id":6,"translation":"Ianareo mpino ! Raha misy olona ratsy tonga mitondra vaovao ho anareo, hamarino tsara izany mba tsy hanaovanareo ratsy amin’ny olona nohon'ny tsy fahafantaranareo, sao dia hanenina amin’izay ataonareo ianareo avy eo."},{"id":7,"translation":"Ary fantaro fa miaraka aminareo ny Irak'I Allah. Raha nankatoa anareo tamin’ny zavatra maro izy, dia ho tao anatin’ny fahasahiranana tokoa ianareo. Saingy nataon’I Allah nitia ny finoana ianareo, sady nohatsarainy tao am-ponareo izany, ary nataony nankahala ny tsy finoana ianareo, ny faharatsiana sy ny tsy fankatoavana. Izy ireo no voatari-dalana tsara."},{"id":8,"translation":"Fitahiana sy fahasoavana avy amin’I Allah tokoa izany. Fa mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena I Allah."},{"id":9,"translation":"Fa raha miady ny andiany roa amin’ireo mpino, dia aoka ianareo ampihavana azy ireo. Raha mikomy ny anankiray amin’izy ireo hanohitra ny anankiray hafa, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mpikomy mba hanarahany ny didin’I Allah. Fa raha manaraka izany izy, dia ampihavano amim-pahamarinana, ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa tia ireo mpanao ny rariny Allah."},{"id":10,"translation":"Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po."},{"id":11,"translation":"Ianareo mpino ! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Aza mifanambany ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka dia izy ireny no olona mpanao ny tsy rariny."},{"id":12,"translation":"Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo."},{"id":13,"translation":"Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’I Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. Fa mahalala sy mahafantatra tsara ny zava-drehetra Allah."},{"id":14,"translation":"Hoy ireo mpifindrafindra fonenana arabo : “Mino izahay”. Lazao hoe : “Tsy mbola manam-pinoana ianareo. Fa lazao kosa hoe : Mankato izahay, satria tsy mbola tafiditra am-ponareo ny finoana. Fa raha mankato an'I Allah sy ny Irany ianareo, dia hataony tsy misy very ny asanareo”. Mpamela heloka sy be indrafo Allah."},{"id":15,"translation":"Ny tena mpino, dia ireo mino an'I Allah sy ny Irany, sy tsy misalasala mihitsy aty aoriana, ary miezaka amin’ny lalan’I Allah amin’alalan’ireo fananany sy ny tenany. Izy ireny no tena olona marina."},{"id":16,"translation":"Lazao hoe : “Ianareo va no hampianatra an'I Allah ny finoanareo, kanefa Allah no mahalala izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany ? Ary Allah no mahalala ny zava-drehetra."},{"id":17,"translation":"Mampahatsiaro anao ny fidiran’izy ireo amin’ny finoanan'I Allah tokoa izy, tahaka ny tombontsoa manokana (ho anao) avy amin’izy ireo izany. Lazao hoe : “Aoka ianareo tsy hampahatsiaro ahy ny fidiranareo amin’ny finoana Allah tokana ho toy ny tombotsoa manokana. Na ny mifanohitra amin’izany tombotsoa manokana ho anareo izany aza dia avy amin’I Allah no nitarihany anareo amin’ny finoana raha tena olo- marina ianareo”."},{"id":18,"translation":"Fantatr’I Allah ny zava-miafiana any an-danitra sy ety an-tany, ary mahita izay ataonareo Allah."}]},{"id":50,"verses":[{"id":1,"translation":"Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho."},{"id":2,"translation":"Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’."},{"id":3,"translation":"Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’."},{"id":4,"translation":"Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay."},{"id":5,"translation":"Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala."},{"id":6,"translation":"Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?"},{"id":7,"translation":"Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,"},{"id":8,"translation":"Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka."},{"id":9,"translation":"Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,"},{"id":10,"translation":"Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa."},{"id":11,"translation":"Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty."},{"id":12,"translation":"Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,"},{"id":13,"translation":"Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,"},{"id":14,"translation":"Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako."},{"id":15,"translation":"Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao."},{"id":16,"translation":"Nahary ny olombelona tokoa Izahay, ka fantatray izay bitsikin'ny fanahiny aminy, ary akaiky azy noho ny lalan-drà lehibe eo an-tendany izahay,"},{"id":17,"translation":"Rehefa mandray izany ireo mpandray an-tsoratra mipetraka eo an-kavia sy an-kavanana."},{"id":18,"translation":"Tsy mamoaka teny na iray izy, ka tsy hisy mpanara-maso azy eo akaikiny, vonona hanoratra izany."},{"id":19,"translation":"Mampiseho ny marina ny fangirifirian’ny fialan’aina : “ Izao àry ilay tadiavinao handosirana ”."},{"id":20,"translation":"Ka ho tsofina ny anjomara, indro ilay andron’ny (fanatanterahana) fampitandremana."},{"id":21,"translation":"Dia ho avy ny olona tsirairay, miaraka amin’ny mpitarika sy vavolombelona iray."},{"id":22,"translation":"Tsy niaraka tamin’ity ianao. Araka izany, dia esorinay ny sarona eo aminao; ka maranitra tsara ny fahitanao ankehitriny."},{"id":23,"translation":"Ary hiteny ilay mpiaraka aminy hoe : “ Ity no miaraka amiko, akaiky indrindra ”."},{"id":24,"translation":"“ Ianareo roa, atsipazo any amin’ny afobe ny tsy mpino rehetra mafy loha sy mpikomy."},{"id":25,"translation":"Niezaka mafy hisakana ny tsara, mpandika lalàna, mpisalasala."},{"id":26,"translation":"Ilay namorona andriamanitra hafa miaraka amin’i Allah. Koa atsipazo any amin’ny famaizana mafy izy ”."},{"id":27,"translation":"Hiteny ny namany (devoly) hoe : “ Tomponay o ! Tsy izaho no nampandika lalàna azy, fa efa tao anatin’ny fahaverezana lalina izy ”."},{"id":28,"translation":"Ary hiteny Izy hoe: “Aza mifamaly eto anatrehako ianareo ! Satria efa nanome fampitandremana anareo Aho.\""},{"id":29,"translation":"Tsy miova ny teny avy Amiko, ary tsy manao tsindry hazo lena amin’ireo mpanompo mihitsy Aho."},{"id":30,"translation":"Amin’ny andro hilazanay amin’ny afobe hoe : “Feno va ianao ?”.Dia hamaly izy hoe : “ Mbola misy ihany va ?\"."},{"id":31,"translation":"Hampanatonina akaikin’ireo vonto-pinoana ny Paradisa."},{"id":32,"translation":"“Indro ilay nampanantenana anareo, ho an’izay rehetra feno fanenenana sy mitandrina,\""},{"id":33,"translation":"Izay matahotra ilay be fiantrana, na dia tsy hitany aza, ary tonga amin’ny fo feno fanekena."},{"id":34,"translation":"\"Midira ao am-piadanana ianareo ”. Izany no andro tsy manam-petra !"},{"id":35,"translation":"Hisy izay rehetra ilan’izy ireo ao. Ary mbola misy mihoatra noho izany aza eo Aminay."},{"id":36,"translation":"Firifiry no efa naringanay talohan’izy ireo, izay taranaka matanjaka kokoa noho izy. Nitety tany maro izy ireo, kanefa misy vato hialofana ?"},{"id":37,"translation":"Misy fampahatsiarovana tokoa izany ho an’izay manana fo sy manongilan-tsofina, ary mijoro vavolombelona."},{"id":38,"translation":"Nahary ny lanitra sy ny tany tokoa Izahay, sy izay eo anelanelan’izy ireo, tao anatin’ny enina andro, ary tsy nahatsiaro harerahana."},{"id":39,"translation":"Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany."},{"id":40,"translation":"Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana."},{"id":41,"translation":"Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky."},{"id":42,"translation":"Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io."},{"id":43,"translation":"Izahay no manome ny aina sy ny fahafatesana, ary any Aminay no fiafarana,"},{"id":44,"translation":"Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany."},{"id":45,"translation":"Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako."}]},{"id":51,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho,"},{"id":2,"translation":"Amin’ny rahona mpitondra havesarana,"},{"id":3,"translation":"Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana,"},{"id":4,"translation":"Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko,"},{"id":5,"translation":"Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo."},{"id":6,"translation":"Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana."},{"id":7,"translation":"Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho,"},{"id":8,"translation":"Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo."},{"id":9,"translation":"Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana."},{"id":10,"translation":"Novonoina ireo mpandainga,"},{"id":11,"translation":"Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana."},{"id":12,"translation":"Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ”"},{"id":13,"translation":"Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo :"},{"id":14,"translation":"“Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”."},{"id":15,"translation":"Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,"},{"id":16,"translation":"Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha,"},{"id":17,"translation":"Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina,"},{"id":18,"translation":"Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo."},{"id":19,"translation":"Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo."},{"id":20,"translation":"Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany."},{"id":21,"translation":"Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ?"},{"id":22,"translation":"Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo."},{"id":23,"translation":"Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo."},{"id":24,"translation":"Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ?"},{"id":25,"translation":"Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”."},{"id":26,"translation":"Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy."},{"id":27,"translation":"Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”."},{"id":28,"translation":"Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana."},{"id":29,"translation":"Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”."},{"id":30,"translation":"Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”."},{"id":31,"translation":"Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”."},{"id":32,"translation":"Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay\""},{"id":33,"translation":"Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo."},{"id":34,"translation":"Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra."},{"id":35,"translation":"Dia navoakanay izay mpino tao."},{"id":36,"translation":"Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay."},{"id":37,"translation":"Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry."},{"id":38,"translation":"Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava."},{"id":39,"translation":"Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”."},{"id":40,"translation":"Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany."},{"id":41,"translation":"Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava."},{"id":42,"translation":"Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka."},{"id":43,"translation":"Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”."},{"id":44,"translation":"Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana."},{"id":45,"translation":"Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena."},{"id":46,"translation":"Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo."},{"id":47,"translation":"Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana."},{"id":48,"translation":"Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy !"},{"id":49,"translation":"Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo."},{"id":50,"translation":"Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava."},{"id":51,"translation":"Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava."},{"id":52,"translation":"Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’."},{"id":53,"translation":"Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo."},{"id":54,"translation":"Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny."},{"id":55,"translation":"Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana."},{"id":56,"translation":"Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy."},{"id":57,"translation":"Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy."},{"id":58,"translation":"Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina."},{"id":59,"translation":"Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra."},{"id":60,"translation":"Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo !"}]},{"id":52,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin’ny tendrombohitra ‘’ Toor ’’ Aho."},{"id":2,"translation":"Amin’ny boky voasoratra,"},{"id":3,"translation":"Ao amin’ny taratasy mivelatra,"},{"id":4,"translation":"Amin’ilay trano feno,"},{"id":5,"translation":"Amin’ny lanitra ambony."},{"id":6,"translation":"Amin’ny ranomasina ampangotrahana (amin’ny andro farany)"},{"id":7,"translation":"Fa tsy maintsy hitranga ny famaizan’ny Tomponao."},{"id":8,"translation":"Tsy misy afaka hisakana izany."},{"id":9,"translation":"Amin’ny andro hampikorontana tanteraka ny lanitra."},{"id":10,"translation":"Ary andehanan’ireo tendrombohitra."},{"id":11,"translation":"Amin’izany andro izany, dia loza ho an’ireo nilaza lainga (ny famantarana avy amin’Allah)"},{"id":12,"translation":"Ireo izay nandany andro amin’ny resaka tsy misy antony,"},{"id":13,"translation":"Amin’ny andro izay hanosehana azy ireo an-keriny, ho any amin’ny afon’ny helo."},{"id":14,"translation":"Indro ny afo, izay noheverinareo ho lainga."},{"id":15,"translation":"Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ?"},{"id":16,"translation":"Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo."},{"id":17,"translation":"Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana,"},{"id":18,"translation":"Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo."},{"id":19,"translation":"Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo."},{"id":20,"translation":"Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo."},{"id":21,"translation":"Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay."},{"id":22,"translation":"Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo."},{"id":23,"translation":"Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny."},{"id":24,"translation":"Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry."},{"id":25,"translation":"Ary hifampitodika izy ireo hifanontany."},{"id":26,"translation":"ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika.\""},{"id":27,"translation":"Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo."},{"id":28,"translation":"Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo."},{"id":29,"translation":"Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala."},{"id":30,"translation":"Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”."},{"id":31,"translation":"Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”."},{"id":32,"translation":"Ny sain’izy ireo va no mibaiko izany ? Sa olona mpanao ratsy tafahoatra izy ireo ?"},{"id":33,"translation":"Na koa nilaza izy ireo hoe : “ Iza ihany no namorona izany ? ” .Tsia,saingy tsy mino izy ireo."},{"id":34,"translation":"Raha izany, aoka izy ireo hamorona lahateny mitovy aminy (koroany), raha mpilaza ny marina tokoa izy ireo."},{"id":35,"translation":"Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ?"},{"id":36,"translation":"Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo ? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo."},{"id":37,"translation":"Manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao va izy ireo ? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy ?"},{"id":38,"translation":"Manana tohatra enti-mihaino va izy ireo ? Koa aoka izay nihaino tamin’izy ireo hitondra porofo mazava !"},{"id":39,"translation":"Manan-janaka vavy va Allah, fa ny anareo kosa zanaka lahy ?"},{"id":40,"translation":"Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao, hany ka vesan-trosa maro izy ireo ?"},{"id":41,"translation":"Sa mahafantatra ny zava-miafina va izy ireo, ka manao izany an-tsoratra ?"},{"id":42,"translation":"Sa mitady hanao tetika va izy ireo ? Saingy izay tsy mino ihany no ho voan’ny tetika ataony."},{"id":43,"translation":"Sa manana andriamanitra hafa ankoatra an’I Allah va izy ireo ? Voninahitra anie ho an’I Allah, ary feno fahadiovana amin’izay natambatr’izy ireo Aminy izy !"},{"id":44,"translation":"Raha mahita sombiny amin’ny lanitra milatsaka izy ireo, dia miteny hoe : “ Rahona mifanongoa izany ”."},{"id":45,"translation":"Avelao any àry izy ireo, mandra-pifanojoany amin’ny andro hilatsahan’ny varatra amin’izy ireo,"},{"id":46,"translation":"Andro tsy hilan’izy ireo ny hafetsena intsony sady tsy ho vonjena izy ireo."},{"id":47,"translation":"Hahazo famaizana mialoha ireo mpanao ny tsy rariny. Saingy tsy mahafantatra ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":48,"translation":"Koa zakao amim-paharetana ny didin’ny Tomponao, fa eo ambany masonay ianao. Ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao rehefa eo am-pitsanganana ianao."},{"id":49,"translation":"Omeo voninahitra Izy amin’ny ampahany amin’ny alina, sy rehefa hilentika ny kintana."}]},{"id":53,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !"},{"id":2,"translation":"Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana."},{"id":3,"translation":"Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy."},{"id":4,"translation":"Fa izany dia faminaniana tonga taminy."},{"id":5,"translation":"Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy."},{"id":6,"translation":"Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy."},{"id":7,"translation":"Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy."},{"id":8,"translation":"Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy."},{"id":9,"translation":"Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany."},{"id":10,"translation":"Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany."},{"id":11,"translation":"Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo."},{"id":12,"translation":"Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?"},{"id":13,"translation":"Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy."},{"id":14,"translation":"Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha."},{"id":15,"translation":"Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay)."},{"id":16,"translation":"Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy."},{"id":17,"translation":"Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy."},{"id":18,"translation":"Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony."},{"id":19,"translation":"Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?"},{"id":20,"translation":"Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?"},{"id":21,"translation":"Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?"},{"id":22,"translation":"Tena fizarana vilana kosa izany !"},{"id":23,"translation":"Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony ."},{"id":24,"translation":"Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona."},{"id":25,"translation":"An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany."},{"id":26,"translation":"Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany."},{"id":27,"translation":"Ireo izay tsy mino ny any ankoatra, dia manome anaram-behivavy ireo Anjely."},{"id":28,"translation":"Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana."},{"id":29,"translation":"Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny."},{"id":30,"translation":"Izany ihany no takatry ny fahalalany. Fantatry ny Tomponao tokoa izay mihataka amin’ny lalany, ary fantany tanteraka ihany koa izay voatari-dalana."},{"id":31,"translation":"An'I Allah izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hamaliany izay rehetra nanao ny ratsy, araka izay nataony, fahamaliany ny soa kosa izay nanao ny tsara, amin’izay tsara indrindra."},{"id":32,"translation":"Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana."},{"id":33,"translation":"Hitanao va ilay nanome lamosina ?"},{"id":34,"translation":"Nanome kely, avy eo, nitsahatra tsy nanome ?"},{"id":35,"translation":"Manana fahalalana ny zava-miafina va izy ka hitany ?"},{"id":36,"translation":"Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy."},{"id":37,"translation":"Sy ny an’i Abrahama izay nitazona tanteraka ?"},{"id":38,"translation":"Fa tsy hisy hizaka ny enta-mavesatry ny hafa,"},{"id":39,"translation":"Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony."},{"id":40,"translation":"Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy."},{"id":41,"translation":"Avy eo, dia homena valisoa feno tanteraka izy."},{"id":42,"translation":"Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra."},{"id":43,"translation":"Fa Izy no hampihomehy sy hampitomany."},{"id":44,"translation":"Ary Izy no mamono sy mamelona."},{"id":45,"translation":"Izy no nahary ireo mpivady tsirairay , lahy sy vavy."},{"id":46,"translation":"Avy amin’ny tsirairay rehefa mivoaka."},{"id":47,"translation":"Fa andraikiny ny fahariana faharoa."},{"id":48,"translation":"Ary Izy no mampanan-karena sy mampahazo."},{"id":49,"translation":"Izy no Tompon’ny kintana Sirius."},{"id":50,"translation":"Izy no nandringana ireo Aad taloha."},{"id":51,"translation":"Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela."},{"id":52,"translation":"Sy ny vahoakan’i Noa taloha, tena olon’ny tsy fahamarinana sy mpihoa-pefy tokoa izy ireo."},{"id":53,"translation":"Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika."},{"id":54,"translation":"ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy."},{"id":55,"translation":"Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?"},{"id":56,"translation":"Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha."},{"id":57,"translation":"Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana)."},{"id":58,"translation":"Tsy misy ankoatra an’I Allah no afaka hampiseho izany."},{"id":59,"translation":"Moa mahagaga anareo va io lahateny io (koroany) ?"},{"id":60,"translation":"Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?"},{"id":61,"translation":"Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo."},{"id":62,"translation":"Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy."}]},{"id":54,"verses":[{"id":1,"translation":"Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana."},{"id":2,"translation":"Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”"},{"id":3,"translation":"Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay."},{"id":4,"translation":"Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo."},{"id":5,"translation":"Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana."},{"id":6,"translation":"Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra."},{"id":7,"translation":"Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka."},{"id":8,"translation":"Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”."},{"id":9,"translation":"Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy."},{"id":10,"translation":"Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”"},{"id":11,"translation":"Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra"},{"id":12,"translation":"Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra."},{"id":13,"translation":"Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy."},{"id":14,"translation":"Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina."},{"id":15,"translation":"Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ?"},{"id":16,"translation":"Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?"},{"id":17,"translation":"Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?"},{"id":18,"translation":"Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?"},{"id":19,"translation":"Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana."},{"id":20,"translation":"Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona."},{"id":21,"translation":"Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?"},{"id":22,"translation":"Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?"},{"id":23,"translation":"Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana."},{"id":24,"translation":"Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany \"."},{"id":25,"translation":"Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”"},{"id":26,"translation":"Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona."},{"id":27,"translation":"Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao."},{"id":28,"translation":"Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo."},{"id":29,"translation":"Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy."},{"id":30,"translation":"Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?"},{"id":31,"translation":"Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo."},{"id":32,"translation":"Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va?"},{"id":33,"translation":"Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana."},{"id":34,"translation":"Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,"},{"id":35,"translation":"Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka."},{"id":36,"translation":"Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana."},{"id":37,"translation":"Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”"},{"id":38,"translation":"Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo."},{"id":39,"translation":"Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako."},{"id":40,"translation":"Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ?"},{"id":41,"translation":"Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana."},{"id":42,"translation":"Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra."},{"id":43,"translation":"Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?"},{"id":44,"translation":"Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”"},{"id":45,"translation":"Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra."},{"id":46,"translation":"Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy."},{"id":47,"translation":"Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy."},{"id":48,"translation":"Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”"},{"id":49,"translation":"Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay."},{"id":50,"translation":"Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso."},{"id":51,"translation":"Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ?"},{"id":52,"translation":"Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo."},{"id":53,"translation":"Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe."},{"id":54,"translation":"Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana."},{"id":55,"translation":"Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra."}]},{"id":55,"verses":[{"id":1,"translation":"Ilay be fiantrana."},{"id":2,"translation":"Nampianatra ny Koroany Izy."},{"id":3,"translation":"Nahary ny olombelona Izy."},{"id":4,"translation":"Nampianatra azy niteny mazava Izy."},{"id":5,"translation":"Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana."},{"id":6,"translation":"Ary miankohoka ireo ahitra sy hazo maniry."},{"id":7,"translation":"Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana."},{"id":8,"translation":"Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana."},{"id":9,"translation":"Ary aoka hametraka mandrakariva ny lanja marina ianareo, fa aza disoina ny fadanjana."},{"id":10,"translation":"Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,"},{"id":11,"translation":"Misy voankazo ao ary koa palma misy voany voafono,"},{"id":12,"translation":"Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra."},{"id":13,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":14,"translation":"Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona."},{"id":15,"translation":"Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny."},{"id":16,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":17,"translation":"Tompon’ireo fiposahana roa, ary Tompon’ny filentehana roa !"},{"id":18,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":19,"translation":"Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena."},{"id":20,"translation":"Misy fefy tsy dikain’izy ireo eo anelanelany."},{"id":21,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":22,"translation":"Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina."},{"id":23,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":24,"translation":"Azy ireo sambo avo toy ny tendrombohitra eny ambon'ny ranomasina."},{"id":25,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":26,"translation":"Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany."},{"id":27,"translation":"Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana."},{"id":28,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":29,"translation":"Mitalaho Aminy, ireo izay any an-danitra sy ety an-tany. Isan’andro dia manao zavatra vaovao Izy."},{"id":30,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":31,"translation":"Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny."},{"id":32,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":33,"translation":"Ry djiny sy ny olombelona ! Raha afaka mivoaka ivelan’ny sehatry ny lanitra sy ny tany ianareo, dia ataovy. Fa tsy afaka ny hivoaka ao ianareo, raha tsy amin’ny alalan’ny fahefana tsy manam-petra."},{"id":34,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":35,"translation":"Ho alefa aminareo ny lelan’afo sy ny setroka, ka tsy hisy mpamonjy ianareo."},{"id":36,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":37,"translation":"Ary rehefa hitriatra ny lanitra dia hivaivay tahaka ny hoditra mena."},{"id":38,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":39,"translation":"Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny."},{"id":40,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":41,"translation":"Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo ."},{"id":42,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":43,"translation":"Indro ny afobe izay nataon’ireo mpanao ratsy ho lainga ."},{"id":44,"translation":"Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo."},{"id":45,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":46,"translation":"Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy."},{"id":47,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":48,"translation":"Izay misy ratsan-kazo maro."},{"id":49,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":50,"translation":"Hisy loharano anankiroa mikoriana ao."},{"id":51,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":52,"translation":"Misy karazany roa isaky ny voankazo ao."},{"id":53,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":54,"translation":"Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa."},{"id":55,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":56,"translation":"Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo."},{"id":57,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":58,"translation":"Ho tahaka ny vato soa sy haran-drano masina izy ireo."},{"id":59,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":60,"translation":"Moa misy valisoa hafa ho an’ny tsara va ankoatrany ny tsara ?"},{"id":61,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":62,"translation":"Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa."},{"id":63,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":64,"translation":"Maitso antitra izy ireo."},{"id":65,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":66,"translation":"Ka hisy loharano miboiboika ao anatiny."},{"id":67,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":68,"translation":"Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao."},{"id":69,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":70,"translation":"Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao."},{"id":71,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":72,"translation":"Tovovavin’ny paradisa mihidy ao amin’ny tranolay,"},{"id":73,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":74,"translation":"Izay tsy mbola niray ara-nofo tamin'olona na djiny talohan’izy ireo."},{"id":75,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":76,"translation":"Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo."},{"id":77,"translation":"Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?"},{"id":78,"translation":"Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !"}]},{"id":56,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra."},{"id":2,"translation":"Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga."},{"id":3,"translation":"Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa."},{"id":4,"translation":"Rehefa hihorohoro mafy ny tany."},{"id":5,"translation":"Ary hiforotra ireo tendrombohitra."},{"id":6,"translation":"Ka ho lasa vovoka miparitaka."},{"id":7,"translation":"Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo :"},{"id":8,"translation":"Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?"},{"id":9,"translation":"Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?"},{"id":10,"translation":"Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany."},{"id":11,"translation":"Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah"},{"id":12,"translation":"Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana."},{"id":13,"translation":"Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany."},{"id":14,"translation":"Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany."},{"id":15,"translation":"Eo ambon'ny farafara voaravaka."},{"id":16,"translation":"Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika."},{"id":17,"translation":"Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay."},{"id":18,"translation":"Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano."},{"id":19,"translation":"Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo ."},{"id":20,"translation":"Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo."},{"id":21,"translation":"Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo."},{"id":22,"translation":"Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo."},{"id":23,"translation":"Toy ireny vatosoa tsara tahiry."},{"id":24,"translation":"Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo."},{"id":25,"translation":"Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao ."},{"id":26,"translation":"Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !)."},{"id":27,"translation":"Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?"},{"id":28,"translation":"Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo."},{"id":29,"translation":"Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy."},{"id":30,"translation":"Ao anaty aloka midadasika."},{"id":31,"translation":"Eo amin’ny rano mikoriana lalandava."},{"id":32,"translation":"Sy voankazo sesehena."},{"id":33,"translation":"Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana."},{"id":34,"translation":"Eo ambon'ny farafara avo."},{"id":35,"translation":"Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra."},{"id":36,"translation":"Ka nataonay ho virijiny izy ireo."},{"id":37,"translation":"Mahatehotia, mitovy taona avokoa."},{"id":38,"translation":"Ho an’ireo olon’ny an-kavanana."},{"id":39,"translation":"Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany."},{"id":40,"translation":"Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany."},{"id":41,"translation":"Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?"},{"id":42,"translation":"Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo."},{"id":43,"translation":"Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty."},{"id":44,"translation":"Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka."},{"id":45,"translation":"Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha."},{"id":46,"translation":"Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo)."},{"id":47,"translation":"Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?\""},{"id":48,"translation":"Na koa ireo razambenay taloha ?"},{"id":49,"translation":"Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany\""},{"id":50,"translation":"Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra."},{"id":51,"translation":"Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga."},{"id":52,"translation":"Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo."},{"id":53,"translation":"Ka hameno kibo amin’izany."},{"id":54,"translation":"Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany."},{"id":55,"translation":"Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo."},{"id":56,"translation":"Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana."},{"id":57,"translation":"Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?"},{"id":58,"translation":"Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo."},{"id":59,"translation":"Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?"},{"id":60,"translation":"Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay."},{"id":61,"translation":"Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo."},{"id":62,"translation":"Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?"},{"id":63,"translation":"Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?"},{"id":64,"translation":"Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?"},{"id":65,"translation":"Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:"},{"id":66,"translation":"Indro izahay fa vesaran-trosa !"},{"id":67,"translation":"Fa izahay dia nisakanana sy noraraina."},{"id":68,"translation":"Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?"},{"id":69,"translation":"Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?"},{"id":70,"translation":"Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?"},{"id":71,"translation":"Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?"},{"id":72,"translation":"Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?"},{"id":73,"translation":"Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy."},{"id":74,"translation":"Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !"},{"id":75,"translation":"Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho."},{"id":76,"translation":"Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy."},{"id":77,"translation":"Ary tena Koroany mendrika."},{"id":78,"translation":"Ao anaty Boky voaaro tsara."},{"id":79,"translation":"Ka izay voadio ihany no mikasika azy ."},{"id":80,"translation":"Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao."},{"id":81,"translation":"Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ?"},{"id":82,"translation":"Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ?"},{"id":83,"translation":"Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina."},{"id":84,"translation":"Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany."},{"id":85,"translation":"Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy."},{"id":86,"translation":"Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina."},{"id":87,"translation":"No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?"},{"id":88,"translation":"Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy."},{"id":89,"translation":"Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana."},{"id":90,"translation":"Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy."},{"id":91,"translation":"(Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana."},{"id":92,"translation":"Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana."},{"id":93,"translation":"Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka."},{"id":94,"translation":"Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay."},{"id":95,"translation":"Izany no marina tena azo antoka tanteraka."},{"id":96,"translation":"Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !"}]},{"id":57,"verses":[{"id":1,"translation":"Manome voninahitra an’IAllah, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay tsitoha, ilay be Fahendrena."},{"id":2,"translation":"Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Izy no mamelona, ary no mamono, fa mahefa ny zava-drehetra Izy."},{"id":3,"translation":"Izy no ilay voalohany sy ilay farany, ilay miseho sy ilay miafina. Mahafantatra ny zava-drehetra tokoa Izy."},{"id":4,"translation":"Izy no nahary ny lanitra sy tany tao anatin’ny enin'andro, avy eo, dia nandray ny seza fiandrianana Izy; fantany izay miditra any anaty tany sy izay mivoaka avy ao, ary izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra ho eny, ary miaraka aminareo Izy, na aiza na aiza misy anareo.Fa mahita tsara izay ataonareo Allah."},{"id":5,"translation":"Azy ny fanjakana any an-danitra sy ety an-tany ary any amin’I Allah no hiverenan’ny zava-drehetra."},{"id":6,"translation":"Asosony amin’ny andro ny alina, ary asosony amin’ny alina ny andro.Ary fantany tanteraka izay raiketin’ny fo."},{"id":7,"translation":"Aoka ianareo hino an’I Allah sy ny irany, ary manaova fandaniana amin’izay nomeny ho tantaninareo. Fa izay mino aminareo, ka manao fandaniana, dia hahazo valisoa lehibe."},{"id":8,"translation":"Ary raha hino na tsy hino ianareo an’I Allah, nefa miantso anareo hino ny Tomponareo ilay iraka ? Eny, efa noraisin’I Allah ny fanekenareo, raha mino tokoa ianareo."},{"id":9,"translation":"Izy no mampidina ireo andininy mazava amin’ilay mpanompony, mba hamoahany anareo avy ao amin’ny haizina ho ao amin’ny hazavana; ary hamafisina fa be fangorahana aminareo Allah sady be indra fo."},{"id":10,"translation":"Fa inona no tsy anaovanareo fandaniana amin’ny lalan’I Allah, nefa an’I Allah ny fandovana ny lanitra sy ny tany ? Tsy azo ampitahaina anefa izay nanome ny fananany, sy izay niady talohan’ny fandresena, ambony toerana kokoa izy ireo, noho ireo nanao fandaniana sy niatrika ny ady taoriana. Na izany aza, nampanantena valisoa ho an’ny tsirairay Allah, fa mahafantatra izay ataonareo Izy."},{"id":11,"translation":"Izay nanao fampindramana tsara tamin’I Allah an-tsitsa-po, dia hampitomboin’I Allah izany, ka hahazo valisoa sesehena izy."},{"id":12,"translation":"Amin’ ny andro hahitanao ireo mpino, lahy sy vavy, izay mihazakazaka, eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanan'ny hazavana (dia ho lazaina aminy hoe ): “Indro anio, vaovao tsara ho anareo, zaridaina misy renirano mikoriana ambaniny, honenanareo mandrakizay ”. izany no fahombiazana lehibe."},{"id":13,"translation":"Fa amin’ny andro hitenenan’ireo mpihatsaraveletsihy, lahy na vavy, amin’ireo mpino hoe: “Andraso, mba hindraminay ny apahany amin’ny hazavanareo”. Dia ho lazaina hoe: “ Miverena any aoriana, ka mitadiava hazavana”. Amin’izay dia hasiana rindrim-be manelanelana azy ireo, izay misy varavarana, ka ao anatin' ny famindram-po, fa ho an’izay miseho manatrika ety ivelany kosa ny famaizana."},{"id":14,"translation":"“ Tsy niaraka taminareo va izahay ? ”, hoy ny antson’izy ireo . “ Eny ! ”, hoy ny navaliny, saingy nety nalaim-panahy ianareo, sy nanao tsikombakomba, ary nisalasala, ka namitaka anareo ny fanantenana tsy misy, hatramin’ny fahatongavan’ny didin’I Allah, ka namitaka anareo mikasika an’I Allah ilay mpaka fanahy."},{"id":15,"translation":"Ankehitriny àry, tsy ekena intsony ny takalon’aina, na avy aminareo na avy amin’izay tsy mpino. Ny afo no ho fitoeranareo, izy no namana tsy hahasaraka anareo. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":16,"translation":"Tsy tonga kosa va ny fotoana ho an’ireo mpino, izay nampilefitra ny fony ho fahatsiarovana an’I Allah, sy teo anatrehan’ny marina izay nampidinina ? Ary tsy hitovy mihitsy amin’izay nandray ny Boky talohan'izy ireo. Toa hitan’izy ireo ho lava loatra ny fotoana, ka nihamafy ny fony, ary ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’izy ireo."},{"id":17,"translation":"Fantaronareo, fa manome aina ny tany efa maty I Allah. Novelabelarinay mazava aminareo ireo famantarana mba ho dinihinareo."},{"id":18,"translation":"Hamafisina, fa izay lehilahy na vehivavy manao fanomezana, ka nanao fampindramana an-tsitsam-po tamin’I Allah, dia hampitomboina avo heny ho azy ireo izany, ka hahazo valisoa sesehena izy ireo."},{"id":19,"translation":"Ireo izay nino an’I Allah sy ireo Irany, dia izy ireny no tena olo-marina, sy vavolombelona eo anatrehan’I Allah. Hahazo ny valisoany, sy ny hazavany izy ireo, fa izay tsy nino kosa, ka nilaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga, dia izy ireny no olon’ny afo mamaivay."},{"id":20,"translation":"Aoka ho fantatrareo, fa lalao fotsiny ihany ny fiainana an-tany, fialamboly sy rendrarendra, hazakazaka ho amin’ny fireharehana eo amin’ny samy ianareo, ary fifaninanana amin’ny fitadiavana harena sy zanaka.Toy ny orana izay mahafinaritra ny mpamboly sy ny zavamaniry avy aminy, avy eo, mihamalazo ka hitanao mihamavo, dia lasa potipotika. Ary any ankoatra, dia misy famaizana mafy tokoa, sy famelan-keloka amam-pankasitrahana avy amin’IAllah. Tsy inona akory ny fiainana eto an-tany fa fahafinaretana mamitaka ihany."},{"id":21,"translation":"Faingàna àry ianareo mankany amin’ny famelan-kelokin'ny Tomponareo, sy ho any amin’ny Paradisa, izay malalaka tahaka ny lanitra sy ny tany, nomanina ho an’ireo izay mino an’I Allah sy ireo Irany. Izany no fahasoavan’Allah omeny izay tiany homena azy. Fa tompon’ny fahasoavana lehibe tokoa I Allah."},{"id":22,"translation":"Tsy misy loza mahazo ny tany, na ny tenanareo, ka tsy voasoratra tao amin’ny boky talohan’ny nanaovanay azy; fa mora ho an’I Allah tokoa izany."},{"id":23,"translation":"Mba tsy haketraka anareo tamin’izay tsy azonareo, na hifalianareo amin’izay nomena anareo. Fa tsy tian’I Allah izay mpihambo feno fireharehana ."},{"id":24,"translation":"Ho an'izay mahihitra, sy manery ny olona ho amin’ny fahihirana. Ary na iza na iza mitsipaka dia hamafisina, fa tompon’ny harena Allah ary mendri-piderana Izy."},{"id":25,"translation":"Nandefa ireo Irakay, niaraka tamin’ireo porofo mazava tokoa Izahay, ary nampidina ny boky sy ny fandanjana niaraka tamin’izy ireo, mba hampijoroan’ny olona ny fahamarinana. Nampidininay ny vy izay misy hery mafy, sy ilain’ny olona koa, ary hanavahan’I Allah izay hiaro ny foto-keviny sy ny an’ireo Irany na dia tsy mahita Azy aza. Fa matanjaka sy tsitoha Izy Allah."},{"id":26,"translation":"Nirahinay tokoa i Noa sy Abrahama, ary nomenay ny taranak’izy ireo ny faminaniana sy ny boky. Voatari-dalana ny sasany amin’izy ireo, fa ny ankamaroany kosa dia ratsy fitondra-tena."},{"id":27,"translation":"Avy eo, nampanarahinay ny dian’izy ireo ny Irakay sasany, ary nampanarahinay an’i Jesoa zanak’i Maria, izay nitondra ny Evanjely, ka nametrahanay hamoram-po sy halemem-panahy tao an-pon’ireo izay nanaraka azy. Ny fanokanan-tena izay noforonin’izy ireo dia tsy nandidianay azy ireo mihitsy, afa-tsy ny fitadiavana ny fankasitrahan’I Allah ihany. Fa tsy narahin’izy ireo araka ny tokony ho izy izany. Nomenay ny valisoan’izay nino tamin’izy ireo. Saingy maro kosa ireo ratsy fitondran-tena."},{"id":28,"translation":"Ianareo mpino ! Aoka ianareo hatahotra an’I Allah, sy hino ny Irany, mba hanomezany anareo anjara roa amin’ny famindram-pony, ary hanomezany hazavana anareo mandeha, sy hamelany ny helokareo, fa mpamela heloka sy be indrafo I Allah."},{"id":29,"translation":"Mba hafantaran’ireo olon’ny boky, fa tsy afaka manana ny fahasoavan’I Allah mihitsy izy ireo, ary eo am-pelatanan’I Allah ny fahasoavana. Omeny izay sitrany homena izany, fa Tompon’ny fahasoavana lehibe Allah."}]},{"id":58,"verses":[{"id":1,"translation":"Henon'I Allah tokoa, ny tenin'ilay vehivavy miady hevitra aminao mikasika ny vadiny, ka mitaraina amin'I Allah. Ary henon'I Allah ny resakareo. Marina tokoa fa I Allah Ilay Mandre sy Mahita ny zava-drehetra."},{"id":2,"translation":"Izay misao-bady aminareo, ka milaza fa tahaka ny lamosin’ny reniny izy ireo…, nefa tsy renin’izy ireo mihitsy, fa izay niteraka azy ireo ihany no Reniny. Milaza teny tsy mety, sady feno lainga tokoa izy ireo. Mpiantra sy Mpamela heloka anefa Allah."},{"id":3,"translation":"Izay mampitaha ny vadin’izy ireo amin’ny lamosindreniny, ka miverina amin’ny teniny avy eo, dia tsy maintsy mamotsotra mpanompo iray, alohan’ny hikasihany ny vadiny. Izany no fananarana anareo. Fa Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Aممضا."},{"id":4,"translation":"Fa izay tsy afaka manao izany kosa, dia tsy maintsy mifehy roa volana mifanesy, alohan'ny hikasihany ny vadiny. Fa raha tsy afaka manao izany ihany koa izy, dia aoka izy hanome sakafo olona mahantra enim-polo. Izany dia mba hinoanareo an'i Allah sy ny Irany, izay fepetra napetrak'I Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia hahazo famaizana mamirifiry."},{"id":5,"translation":"Izay manohitra an'I Allah sy ny Irany, dia hazera tahaka ny nanjerana ireo teo alohany. Efa nampidina porofo mazava Izahay, ka hahazo famaizana mamirifiry."},{"id":6,"translation":"Amin'ny andro hananganan'I Allah azy rehetra amin'ny maty, ka hampahafantariny izay nataon'izy ireo. Nisain'I Allah izany, saingy hadinon'izy ireo. Fa mahita ny zavatra rehetra I Allah."},{"id":7,"translation":"Tsy hitanao va fa fantatr'i Allah izay any an-danitra sy ety an-tany? Tsy misy resaka miafina ataon'olona telo, raha tsy fahaefatra amin'izy ireo Izy, na amin'ny fahadimy, ka tsy fahaenina amin'izy ireo Izy, na latsaka noho izany, na mihoatra, dia ho eo amin'izy ireo Izy, amin'izay misy azy ireo. Avy eo, hampahafantariny azy ireo izay nataony, amin'ny andron'ny fitsanganana, fa mahafantatra ny zavatra rehetra Allah."},{"id":8,"translation":"Tsy hitanao va ireo voarara tsy hanao resaka miafina ? Fa miverina amin'izay nandraràna azy izy ireo, izay mifandinika hanao fahotana, handika lalàna, sady hankato ny Irany. Fa rehefa manantona anao izy ireo, dia miarahaba anao, tsy tahaka izay niarahaban'I Allah anao, ka miteny anakam-po hoe : \"Nahoana àry no tsy sazin'I Allah izahay, nohon'ny teny nataonay ?\" Ampy ho azy ireo ny afobe, izay handoro azy. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":9,"translation":"O ianareo mpino ! Rehefa manao resaka miafina ianareo, dia aza mifandinika hanota, sy handika lalàna, ary tsy hankato ny Iraka, fa mifandinia kosa, amin'ny hatsarana sy ny fitandremana . Ary matahora an'I Allah, izay hamory anareo any Aminy."},{"id":10,"translation":"Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino."},{"id":11,"translation":"Fa ianareo mpino ! Raha ilazana ianareo hoe : \"Manomeza toerana ho an'ny hafa amin'ny fivoriana\", dia aoka hanome toerana. Fa hanamboaran'I Allah toerana ianareo (any amin'ny paradisa). Ary raha asaina mitsangana ianareo dia aoka hitsangana. Fa hasondrotr'I Allah izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana. Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah."},{"id":12,"translation":"O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah."},{"id":13,"translation":"Matahotra va ianareo ny hanolotra fanomezana alohan'ny dinika ? Saingy raha tsy manao izany ianareo, ka mamindra fo aminareo I Allah, dia ho ampy anareo ny fanompoam-pivavahana sy ny famoahana zakat, ary ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany. Fa fantatr'I Allah izay ataonareo."},{"id":14,"translation":"Tsy hitanao va ireo naka olona ho namana, izay efa nahatezitra an’I Allah ?Sady tsy avy aminareo izy ireny, no tsy avy amin’izy ireo ihany koa ; fa mianiana amin’ny lainga izy ireo kanefa mahafantatra."},{"id":15,"translation":"Nanomanan’I Allah famaizana mafy izy ireo fa tena ratsy tokoa izay nataon’izy ireo."},{"id":16,"translation":"Raisiny ho toy ny ampinga ny fianiany, ary misakana ny lalan’I Allah izy ireo. Noho izany, hahazo famaizana mahafabaraka izy ireo."},{"id":17,"translation":"Tsy hisy ilain’izy ireo ny fananany, na ny zanany manoloana an'I Allah. Olon’ny afo izy ireny, izay honenany mandrakizay."},{"id":18,"translation":"Amin’ny andro izay hananganan’I Allah azy rehetra amin’ny maty, dia hianiana Aminy izy ireo, tahaka ny hianianan’izy ireo aminareo, mihevitra fa miankina amin’ny zavatra matanjaka izy ireo. Kanefa, izy ireo no mpandainga."},{"id":19,"translation":"Nofehezin’ny devoly izy ireo, ka nasainy nanadino ny fahatsiarovana an’I Allah. Izy ireny no antokon’ny devoly, ary tsy maintsy maty antoka ny antokon’ny devoly."},{"id":20,"translation":"Ho isan’ireo afa-baraka indrindra, izay manohitra an’I Allah sy ny Irany."},{"id":21,"translation":"Nametraka didy Allah hoe : handresy tokoa Aho sy ireo Irako;tena marina fa matanjaka sy tsitoha I Allah."},{"id":22,"translation":"Tsy ahita olona amin’ireo mino an'I Allah sy ny andro farany ianao, ka haka namana ireo izay manohitra an’I Allah sy ny Irany, na dia ny rainy, na ny zanany, na ny rahalahiny aza izany, na ny olona ao amin’ny fokony. Napetrany ao am-pon’izy ireo ny finoana, ary nampiany tamin’ny famonjeny izy ireo, hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambany izy ireo, ka hipetraka ao mandrakizay. Mankasitraka azy ireo Allah, ary mankasitraka an’I Allah koa izy ireo. Izy ireo no antokon'I Allah. Moa tsy ny antokon'I Allah va no tafita?"}]},{"id":59,"verses":[{"id":1,"translation":"Manome voninahitra an’I Allah izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no ilay tsitoha, ilay be fahendrena."},{"id":2,"translation":"Izy no namoaka izay tsy nino tao amin’ny tranon’izy ireo, tamin’ireo olon’ny Boky, tamin’ny famoriana voalohany. Tsy noheverinareo handeha izy ireo, ary nihevitra izy ireo, fa niaro azy amin’I Allah ny toeram-pialofany, saingy tonga teo amin’izy ireo tamin’ny tsy nampoiziny ny didin'I Allah, ka nampiditra horohoro tao am-pony. Ny tanan’izy ireo ihany, sy ny tanan’ireo mpino no nandrodana ny tranony. Makà anatra amin’izany ianareo ry nomena fahiratana."},{"id":3,"translation":"Fa raha tsy efa nodidin’I Allah mialoha ny fialan’izy ireo tamin’ny taniny, dia nosaziany teto an-tany tokoa izy ireo, ary hahazo famaizan’ny afo any ankoatra."},{"id":4,"translation":"Izany no izy, satria manohitra an’I Allah sy ny irany izy ireo ary na iza na iza manohitra an’I Allah dia hamafisina, fa mafy sazy tokoa Allah."},{"id":5,"translation":"Izay hazo na palma notapahanareo na izay navelanareo hitsangana amin’ny vahatrany, dia alalana avy amin’I Allah izany, ary mba hanalany baraka ireo ratsy fitondran-tena."},{"id":6,"translation":"Ireo harena no baboina avy amin’ny fananan’izy ireo, ka natolotr’I Allah ny irany tsy nisy ady, ary tsy nampiasanareo soavaly na rameva, fa omen’I Allah ireo irany kosa ny fifehezana amin’izay tiany ary mahefa ny zavatra rehetra Izy."},{"id":7,"translation":"Ireo harena nobaboina avy amin’ny mponin’ireo tanàna, izay natolotr’Allah ny irany, tsy nisy ady, dia ho an’Allah, sy ny irany, ary ho an’ireo havany, ireo kamboty, ireo mahantra sy ireo mpandeha lavitra tra-pahasahiranana, mba tsy handeha ny amin’izay manan-karena ihany aminareo. Raiso izay omen’ilay iraka ho anareo, fa avelao kosa izay andraràny anareo ; ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, fa mafy sazy tokoa Allah."},{"id":8,"translation":"Ho an’ireo mpifindra-monina sahirana izay voaroaka tamin’ny fonenany sy ny fananany (mahazo anjara amin’izany koa), adidin’izy ireo anefa ny mitady ny fahasoavana sy ny fankasitrahan’I Allah, ary mitondra famonjena izay momba an'I Allah sy ny irany. Izy ireny no olo-marina."},{"id":9,"translation":"Ho an’ireo nitoetra teo amin’ny tanàna talohan’izy ireo, sady tao anatin’ny finoana, ary mitia ireo mpifindra-monina teo aminy, ka tsy misy fitsiriritana am-po amin’izay azon’izy ireo, fa tia azy ireo noho ny tenany, na dia tsy misy aza eo aminy. Na iza na iza miaro tena amin’ny fahihirana, dia izy ireo no mahita fahombiazana."},{"id":10,"translation":"Ary izay tonga taorian’izy ireo, ka miteny hoe : Tomponay ô ! Mamelà ny helokay, sy an’ireo rahalahinay, izay nialoha lalana anay tamin’ny finoana ; ary aza hatao misy lolom-po amin’ireo mpino ao am-ponay. Tomponay ô ! be fangorahana sy be indrafo tokoa Ianao."},{"id":11,"translation":"Tsy hitanao va, ireo mpihatsaravelatsihy izay miteny amin’ireo rahalahiny tsy mino amin’ireo olon’ny Boky hoe : Raha voaroaka ianareo, dia hiaraka aminareo tokoa izahay, ary tsy hankato olona manohitra anareo mihitsy ; fa raha misy manafika ianareo, dia hamonjy anareo tokoa izahay, Allah anefa dia manamafy, fa mpandainga tokoa izy ireo."},{"id":12,"translation":"Raha voaroaka izy ireo, dia tsy hiaraka aminy velively izy ireny ; ary raha misy manafika izy ireo, dia tsy hamonjy akory izy ireny, fa na hamonjy aza, dia azo antoka fa hanome lamosina, ka tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo."},{"id":13,"translation":"Mampiditra tahotra ao am-pon’izy ireo ianareo, nihoatra an’I Allah satria olona tsy mandinika izy ireo."},{"id":14,"translation":"Tsy hifarimbona hiady aminareo izy ireo, afa-tsy ao anaty tanàna nohamafisina, na avy any ambadiky ny tamboho. mafy ny tsy fifanarahan’izy ireo, heverinao fa miray hina izy ireo, kanefa mizarazara ny fony ! Satria olona tsy misaina izy ireo."},{"id":15,"translation":"Mitovy amin’ireo talohan'izy ireo, izay nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany, ka hahazo famaizana mamirifiry."},{"id":16,"translation":"Mitovy amin’ny devoly miteny amin’ny olombelona hoe : aza mino ianao ! Ka rehefa tsy nino izy, dia hoy ny devoly : miala aminao madiodio aho, fa matahotra an’I Allah Tompon’izao tontolo izao."},{"id":17,"translation":"Any amin’ny afo no fiafaran’izy roa tonta, ka hitoetra ao mandrakizay, izany no hamaliana ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":18,"translation":"Ianareo mpino ! Matahora an’I Allah ianareo. Aoka samy handinika tsara izay nataony ho an’ny rahampitso ny tsirairay ary matahora an’I Allah ianareo, fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah."},{"id":19,"translation":"Ary aza manao tahaka ireo izay nanadino an’I Allah, ka nataon’i Allah nanadino ny tenany izy ireo, izy ireny no ratsy fitondran-tena."},{"id":20,"translation":"Tsy hitovy ireo olon’ny afo, sy ireo olon’ny Paradisa, ireo olon'ny Paradisa no mpandresy."},{"id":21,"translation":"Raha nampidininay tamina tendrombohitra ity Koroany ity, dia hitanao fa nanetri-tena izy, ka nitresaka nohon'ny tahotra an’I Allah, fa ireny fanoharana ireny, dia ambaranay amin’ny olona mba hieritreretany."},{"id":22,"translation":"Izy no Allah. Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy, Ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny hita maso. Izy no ilay be fiantrana, Ilay be indrafo."},{"id":23,"translation":"Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ; Ilay Tompo, Ilay masina, Ilay mampitony, Ilay mampatoky, Ilay mahery indrindra, Ilay tsitoha, Ilay mpifehy, Ilay mpirehareha. Voninahitra ho an’I Allah ! Ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy."},{"id":24,"translation":"Izy no Allah, Ilay mpahary, Ilay manome ny fiandoahan'ny zava-drehetra, Ilay mpanome endrika azy ireo ny anarana tsara indrindra, manome voninahitra Azy avokoa, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena."}]},{"id":60,"verses":[{"id":1,"translation":"Ianareo mpino ! Aza alaina namana ny fahavaloko sy ny fahavalonareo, ka omenareo fitiavana, satria nolavin’izy ireo izay fahamarinana tonga teo aminareo, noroahany ny iraka, ary koa ianareo, satria mino an’I Allah Ilay Tomponareo ianareo. Raha hivoaka hiatrika ady amin’ny lalako ianareo, ka hitady ny fankasitrahako, dia haneho fitiavana azy mangina va ianareo?Kanefa dia fantatro tanteraka izay afeninareo sy izay ahariharinareo fa izay manao izany aminareo dia mihataka ny lalana mahitsy."},{"id":2,"translation":"Raha tena mahafehy anareo izy ireo, dia ho fahavalonareo, ka hanisy ratsy anareo amin’ny tanany sy ny lelany, ary tiany ho lasa tsy mpino ianareo."},{"id":3,"translation":"Tsy misy ilanareo ny mpiray tampo aminareo, na ny zanakareo amin’ny andro fitsanganana. Izy no manapa-kevitra ny aminareo, ary Allah dia mahita izay rehetra ataonareo."},{"id":4,"translation":"Nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Abrahama, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatran'I Allah. Mandà anareo izahay. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’Allah tokana ianareo. Afa-tsy ny tenin’i Abrahama tamin’ny Rainy hoe : Mangataka famelan-keloka ho anao aho, na dia tsy afaka hanao na inona na inona ho anao aza eo anatrehan’I Allah. Tomponay ô ! Ianao no ianteheranay, ary any Aminao no hiverenanay, fa any Aminao ny fiafarana."},{"id":5,"translation":"Tomponay ô ! Aoka tsy ho fakam-panahy ho an’izay tsy mpino izahay, ary mamelà ny helokay.Tomponay ô ! Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":6,"translation":"Nahazo ohatra tsara tokoa ianareo tamin’izy ireo, ho an’izay manantena an’Allah sy ny andro farany ; fa izay mivily kosa dia hamafisina, fa Allah, Izy no Ilay Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana."},{"id":7,"translation":"Mety hampisy fifankatiavana eo aminareo, sy izay fahavalonareo teo aloha Allah, fa mahefa ny zava-drehetra Allah, ary mpamela heloka sy be indrafo I Allah."},{"id":8,"translation":"Tsy misakana anareo hanao ny tsara Allah sy hanao ny marina amin’izay tsy niady taminareo nohon'ny finoana, sady tsy nandroaka anareo tamin’ny fonenanareo. Tena marina fa tia izay manao ny rariny Allah."},{"id":9,"translation":"Fa andraran'I Allah anareo kosa ny maka ho namana izay niady taminareo nohon'ny finoana, sy nandroaka anareo tamin'ny fonenanareo, ary nanampy tamin'ny fandroahana anareo, fa izay maka azy ireo ho namana dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny."},{"id":10,"translation":"Ianareo mpino, rehefa tonga eo aminareo ireo vehivavy mpino mpifindra-monina dia sedrao izy ireo, mahafantatra kokoa ny finoan'izy ireo Allah. Raha hitanareo fa mpino izy ireo, dia aza averina any amin'ireo tsy mpino intsony, tsy azon'ireo vehivavy mpino atao ny manambady azy ireo, ary izy ireo ihany koa dia tsy afaka hanambady ireo vehivavy mpino. Ary aoka ianareo hamerina amin'izy ireo izay nomeny ho mahary, tsy misy tsiny ho anareo ny manambady azy, rehefa omenareo ny mahary, ary aoka ianareo tsy hitana ireo vehivavy tsy mpino ho vady. Takio izay nomenareo, ary aoka hitaky izay laniny koa izy ireo, izany no fitsaran'Allah izay hitsarany anareo.Fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena."},{"id":11,"translation":"Ary raha misy mandositra any amin’ireo tsy mpino ny vadinareo, ka manao famaizana (ireo tsy mpino) ianareo, dia avereno amin’izay very vady ny laniny. Matahora an’I Allah izay inoanareo ianareo."},{"id":12,"translation":"Ry mpaminany ! Rehefa avy nanao fanekem-pankatoavana taminao ireo vehivavy mpino, sady nianiana, fa tsy hampitambatra an'I Allah amin'ny hafa velively, ary tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy hamono ny zanany, tsy hanao ratsy mihitsy, na amin'ny tanany, na amin'ny tongony, ary tsy handà ny fankatoavana anao amin'ny tsara, dia raiso ny fanekem-pankatoavana ataon'izy ireo, ary mangataha famelan-keloka amin'Allah ho azy ireo ianao. Fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa Allah."},{"id":13,"translation":"Ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy haka namana ireo olona nahatezitra an’i Allah, sady tsy manantena ny any ankoatra, tahaka ny tsy hanantenan’ireo tsy mpino ny olon’ny fasana."}]},{"id":61,"verses":[{"id":1,"translation":"Manome voninahitra an’I Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena."},{"id":2,"translation":"Ianareo mpino ! Nahoana ianareo no milaza izay tsy ataonareo ?"},{"id":3,"translation":"Zavatra mamoa-pady eo anatrehan’I Allah tokoa ny fitenenanareo izay tsy ataonareo."},{"id":4,"translation":"Tian’I Allah izay miady amin’ny lalany, milahatra, mifanery tahaka ny mandà nohamafisina."},{"id":5,"translation":"Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany i Mosesy hoe : Ry vahoakako ! Nahoana no manao ratsy ahy ianareo, nefa fantatrareo, fa irak’I Allah ho eo aminareo aho ? ka rehefa nivily lalana izy ireo dia navilin’Allah ny fony, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah."},{"id":6,"translation":"Fa rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe : Ry zanak’israely ! Irak’I Allah ho anareo tokoa aho, manamarina izany ny teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady mpilaza mialoha ilay Iraka ho avy aoriako, antsoina hoe “Ahmad” ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava izy, dia hoy ireo : Izany no majika miharihary."},{"id":7,"translation":"Ary iza no mpanao ny tsy rariny indrindra, mihoatra izay mamoron-dainga hanoherana an’I Allah, kanefa dia nantsoina ho amin’ny fankatoavana (Islam) ? Ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao tsy rariny Allah."},{"id":8,"translation":"Te-hamono ny hazavan’I Allah amin’ny vavany izy ireo, kanefa vao maika mampiseho ny fahazavan'I Allah, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino."},{"id":9,"translation":"Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dalana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho eo ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra an’I Allah amin’ny hafa."},{"id":10,"translation":"O ianareo mpino !Hatoroko anareo va, ny varotra izay hanavotra anareo amin’ny famaizana mamirifiry ?"},{"id":11,"translation":"Mino an’Allah sy ny Irany ianareo, ary manao fiezahana amin’ny alalan’ny fanananareo, sy ny tenanareo amin’ny làlan’Allah, izany no tsara ho anareo, raha mba fantatrareo !"},{"id":12,"translation":"Hamela ny fahotanareo Izy ary hampiditra anareo amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Izany no fahombiazana lehibe."},{"id":13,"translation":"Ary zavatra hafa tianareo ihany koa dia ny famonjena avy amin’Allah sy fandresena tsy ho ela. Ka lazao amin’ireo mpino ny vaovao tsara."},{"id":14,"translation":"Ianareo mpino ! Aoka ianareo ho mpiandany amin’Allah, tahaka ny tenin’i Jesoa zanak’i Maria tamin’ireo apôsitôly hoe : Iza no mpiandany amin'Allah miaraka amiko? Hoy ireo apôsitôly namaly : Mpiandany amin’Allah izahay. Nino izany ny andiany tamin’ireo zanak’Israely, fa tsy nino izany kosa ny andiany hafa. Notohananay ireo mpino mba hanohitra ny fahavalony, ka nahazo fandresena izy ireo."}]},{"id":62,"verses":[{"id":1,"translation":"Manome voninahitra an’Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, Ilay Mpanjaka, Ilay Masina, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":2,"translation":"Izy no nandefa Iraka ho amin’ireo olona tsy nahafantatra namaky teny sy nanoratra, izay avy ao amin’izy ireo ihany, ka namaky tamin’izy ireo ny andininy avy Aminy, nanadio azy ireo sy nampianatra ny Boky, ary ny fahendrena, na dia tao anatin’ny fahaverezana tokoa aza izy ireo tany aloha."},{"id":3,"translation":"Ary toy izany koa, tamin’ny hafa, izay tsy mbola nanaraka azy ireo. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."},{"id":4,"translation":"Izany no fahasoavan’Allah, omeny izay tiany omena azy. Fa Tompon’ny fahasoavana lehibe Allah."},{"id":5,"translation":"Mitovy amin’ny apondra mitondra boky ireo izay nitondra ny Taoraty, ka tsy nampihatra izany. Tena fanoharana ratsy tokoa no omena izay miampanga ireo andininy avy amin’Allah ho lainga, ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao ny tsy rariny Allah."},{"id":6,"translation":"Dia lazao hoe : Ianareo izay nanaraka ny Jodaisma ! Raha mihambo ho tian’Allah ankoatran'ny hafa ianareo dia aoka àry ianareo haniry ny fahafatesana, raha mpilaza ny marina tokoa."},{"id":7,"translation":"Ary nefa dia tsy haniry izany mihitsy izy ireo, noho izay efa nataon’ny tanan’izy ireo ihany. Fantatr’Allah tsara anefa ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":8,"translation":"Lazao hoe : Hifanena aminareo tokoa ny fahafatesana, izay andosiranareo. Ary averina any amin’Ilay mahalala ny zava-miafina sy ny niharihary ianareo, ka hampahafantariny izay nataonareo."},{"id":9,"translation":"Ianareo mpino ! Rehefa tonga ny antso ho amin’ny vavaka fanompoana, amin’ny andro zoma, dia mihazakazaha ho any amin’ny antson’Allah ianareo, ka avelao avokoa ny fandraharahana rehetra fa tsara ho anareo izany raha fantatrareo !"},{"id":10,"translation":"Ary rehefa tontosa ny vavaka fanompoana, dia miparitaha ianareo manerana ny tany, ka tadiavo ny fahasoavan’Allah,ary tsarovy matetika Allah mba hahitanareo fahombiazana."},{"id":11,"translation":"Ary rehefa mahatazana varotra na fialam-boly izy ireo dia miparitaka mankany, ka mamela anao hitsangana irery. Lazao hoe : tsara nohon'ny fialam-boly sy ny varotra izay any amin’Allah, fa mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana Allah."}]},{"id":63,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa tonga eo aminao ireo mpihatsaravelatsihy dia hoy izy ireo : Ekenay, fa Irak’I Allah tokoa ianao ; fantatr’I Allah fa tena irany ianao ; ary manamafy Allah, fa mpandainga ireo mpihatsaravelatsihy."},{"id":2,"translation":"Ataon’izy ireo ampinga ny fianianany, ka misakana ny lalan’Allah izy ireo. Tena ratsy tokoa izay nataony!"},{"id":3,"translation":"Izany dia satria nino izy ireo, ary nandà indray ny finoana, ka voahidy ny fony, ary tsy mahafantatra na inona na inona izy ireo."},{"id":4,"translation":"Fa rehefa mahita azy ireo ianao, dia ho sodokan’ny vatany ; ary raha miteny izy ireo, dia henoinao ny teniny. Tahaka ny kitay miankina izy ireo, ka heveriny ho famelezana azy avokoa ny hiaka rehetra. Izy ireo no fahavalo, koa mitandrema àry ianao amin’izy ireo. Handringana azy ireo anie Allah ! Fa indro mivily lalana izy ireo."},{"id":5,"translation":"Ary rehefa ilazana izy ireo hoe : Tongava ianareo mba hangatahan’ny irak’Allah famelana ho anareo, ahodin’izy ireo anefa ny lohany, ary hitanao mihataka izy ireo sady mirehareha."},{"id":6,"translation":"Mitovy ihany, na mangataka famelana ho azy ireo ianao, na tsy manao izany ; fa tsy hamela heloka azy ireo mihitsy Allah satria hamafisina, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah."},{"id":7,"translation":"Izy ireo ihany no miteny hoe : Aza manao fandaniana ho an’izay eo akaikin’ny Irak’Allah mihitsy ianareo mba hiparitahan’izy ireo. Kanefa an’Allah ireo tahiry sarobidin’ny lanitra sy ny tany, saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany."},{"id":8,"translation":"Hoy izy ireo : raha miverina any Madina izahay dia tsy maintsy havoakan’izay matanjaka avy ao izay osa. Kanefa an’Allah sy ny Irany, ary ireo mpino ny hery fa saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany."},{"id":9,"translation":"Fa ianareo mpino ! Aoka tsy hanelingelina anareo amin’ny fahatsiarovana an’Allah ny fanananareo sy ny zanakareo.Ary na iza na iza manao izany dia izy ireo no maty antoka."},{"id":10,"translation":"Fa manaova fandaniana amin’izay natolotray ho anareo, mialohan’ny hahatongavan’ny fahafatesana amin'iray aminareo, ka hiteny hoe : Tompo ô ! raha mba nomenao fe-potoana kely mantsy aho dia ho nanao fanomezana ary ho isan’ireo olo-mendrika."},{"id":11,"translation":"Tsy manome fe-potoana ho an’izay olona efa tonga eo amin’ny fetr’androny mihitsy anefa Allah. Fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Izy."}]},{"id":64,"verses":[{"id":1,"translation":"Manome voninahitra an’Allah izay any an-danitra sy ety an-tany. Azy ny fanjakana, ary Azy ny fiderana, fa mahefa ny zava-drehetra Izy."},{"id":2,"translation":"Izy no nahary anareo, misy aminareo ny tsy mpino ary misy aminareo ny mpino, fa hitan’Allah izay ataonareo."},{"id":3,"translation":"Nahary ny lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana tokoa Izy ka nanome endrika anareo, ary endrika tsara tokoa no nomeny anareo ! Ary any Aminy no fiafarana."},{"id":4,"translation":"Fantany izay any an-danitra sy ety an-tany, ary fantany ihany koa izay afeninareo sy izay abaribarinareo, ary fantatr’ Allah tsara izay raketin’ny fo."},{"id":5,"translation":"Tsy tonga taminareo va, ny vaovao mikasika ireo tsy nino taloha, ka nanandrana ny voka-dratsin’izay nataony ; ary mbola hahazo famaizana mamirifiry izy ireo."},{"id":6,"translation":"Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy."},{"id":7,"translation":"Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany."},{"id":8,"translation":"Minoa an’I Allah sy ny Irany àry ianareo, ary ny fahazavana izay nampidininay fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah."},{"id":9,"translation":"Ny andro hamoriany anareo amin’ilay andro fivoriana dia izany no andron’ny fatiantoka lehibe fa izay mino an’Allah sy manao asa soa, dia ho foana ireo asa ratsiny, ka hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny izy ireo, izay honenany mandrakizay doria. Izany no fahombiazana lehibe indrindra !"},{"id":10,"translation":"Fa izay tsy mino kosa, ka niampanga ireo andininy avy Aminay ho lainga, dia izy ireo no olon’ny afo, izay onenany mandrakizay;ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":11,"translation":"Tsy misy loza mahazo ny olona, raha tsy alalana avy amin’Allah fa izay mino an’Andriamanitra dia hitari-dalana ny fony Izy. Mahalala ny zava-drehetra Allah."},{"id":12,"translation":"Aoka ianareo hankato an’Allah sy ny Irany, fa raha mivily lalana ianareo dia ny fampitana mazava ihany no andraikitry ny Irakay."},{"id":13,"translation":"Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ! Ary amin’I Allah no aoka ianteheran’ireo mpino."},{"id":14,"translation":"O anareo mpino ! Misy amin’ireo vadinareo sy ny zanakareo no fahavalonareo. Koa mitandrema ianareo amin’izy ireo, fa raha leferinareo ny tsinin’izy ireo, adinonareo ny hadisoany, ary avelanareo ny helony, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be Indrafo Allah."},{"id":15,"translation":"Fitsapana fotsiny ihany ny fanananareo sy ny zanakareo, fa any amin’Allah no misy ny valisoa lehibe."},{"id":16,"translation":"Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy, ary manaova fanomezana an-kahalalana, fa soa ho anareo izany, ary na iza na iza voaaro amin'ny fahihirana tafahoatra dia izy ireo no mahita fahombiazana."},{"id":17,"translation":"Raha manao fampindramana an-tsitram-po amin'Allah ianareo dia hampitomboiny ho anareo izany, ary avelany ny helokareo, fa mpankasitraka sy be fangorahana tokoa Allah."},{"id":18,"translation":"Izy no ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny miharihary, ary Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena."}]},{"id":65,"verses":[{"id":1,"translation":"Ry mpaminany ! Rehefa sarahanareo ireo vehivavy dia saraho mifanaraka amin’ny fotoana fiandrasana efa voafetra izy; ary aoka ianareo hanisa ny fe-potoana, matahora an’I Allah Tomponareo ianareo. Aza roahina amin’ny tranony izy ireny, ary aoka tsy hivoaka ao, raha tsy nanao fitondran-tena maloto voaporofo.Izany no didin’I Allah fa izay mandika ny didin’Allah dia manao ny tsy rariny amin’ny tenany ihany. Tsy fantatrao, raha hampiseho zavatra hafa aorian’izany Allah."},{"id":2,"translation":"Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara."},{"id":3,"translation":"Ary hotolorany anjaram-pahasoavana amin’ny fomba tsy ampoiziny, izay miantehitra amin’I Allah dia ampy ho azy Izy. Tanterao ny baikon'Allah, fa efa nasian’Allah fetra ny zava-drehetra."},{"id":4,"translation":"Raha nisalasala ianareo mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadim-bolana intsony dia telo volana ny fe-potoana. Toy izany koa ho an’ireo mbola tsy mandeha fadim-bolana. Fa ho an’ireo mitoe-jaza kosa, dia amin’ny fiterahany ny fe-potoana fiandrasana. Ho an’izay matahotra an’i Allah anefa dia ankamorany izany."},{"id":5,"translation":"Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah kosa dia foanany ny hadisoany ary omeny valisoa lehibe izy ireo."},{"id":6,"translation":"Ary ataovy izay hitoeran’ireny vehivavy ireny amin’izay itoeranareo, araka izay fahefanareo, fa aza mitady hanisy ratsy azy amin’ny fanerena azy ireny hipetraka amin’ny fahaterena, ary raha mitoe-jaza izy, dia omeo izay ilainy hatramin’ny fiterahany. Fa raha mampinono ny zanakareo izy, dia omeo azy ny karamany. Mifampidiniha amim-pahamendrehana mikasika izany ianareo. Fa raha misy olana eo aminareo dia vehivavy hafa no mampinono ny zaza."},{"id":7,"translation":"Aoka hanao fandaniana amin’ny hareny, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomena azy Allah, ary ampanarahan’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana."},{"id":8,"translation":"Ary irifiry ireo tanàna no nandà ny didin’Allah sy ireo Irany. Nangatahanay tatitra hentitra izy ireo, ary nofaizinay tamin'ny famaizana tsy hay lazaina."},{"id":9,"translation":"Dia nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany izy ireo. Fa fahaverezana no vokatra farany tamin’izay nataony."},{"id":10,"translation":"Nanomana fanasaziana mafy ho azy ireo Allah;matahora an’Allah àry ianareo ry manan-tsaina, izay manam-pinoana. Nampidina fampahatsiarovana taminareo tokoa Allah."},{"id":11,"translation":"Ireo iraka izay nilaza ireo andininy avy amin'I Allah, ho porofo mazava, mba hamoahana ireo mino sy manao asa soa avy ao amin’ny haizina, ho amin’ny hazavana, fa izay mino an’I Allah sy manao ny soa, dia hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay doria, anjaram-pahasoavana tsara no hatolotr'I Allah ho azy."},{"id":12,"translation":"Allah no nahary ny lanitra fito sy ny tany mitovy amin'izany. Midina eo anelanelan’izy ireo ny didiny, mba hahafantaranareo, fa mahefa ny zava-drehetra tokoa Allah, ary manenika ny zava-drehetra ny fahalalany."}]},{"id":66,"verses":[{"id":1,"translation":"Ry mpaminany ! Nahoana no mifady izay efa nataon’Allah ara-dalàna ho anao ianao, ho fitadiavanao ny fankasitrahan’ireo vadinao ? Fa mpamela heloka sy be indrafo Allah."},{"id":2,"translation":"Hamafisina, fa nandidy anareo Allah mba hiala amin’ny fianianana ianareo. Allah no Tomponareo ; ary Izy no mahalala ny zava-drehetra, be fahendrena."},{"id":3,"translation":"Ary rehefa nilaza ny tsiambaratelo tamin’ny iray amin’ny vadiny ny mpaminany, dia naparitany, ary nasehon’Allah ny mpaminany izany, ka nampahafantariny azy ny ampahany, fa navelany kosa ny ampahany hafa. Ary rehefa nilazany izany ilay vadiny, dia namaly hoe : iza no nilaza izany taminao ? Hoy ny mpaminany : Ilay mahalala ny zava-drehetra, Ilay mahafantatra tanteraka no nilaza izany tamiko."},{"id":4,"translation":"Raha mibebaka amin’Allah ianareo roa dia efa malefaka ny fonareo, fa raha mifanampy hanohitra ny Mpaminany kosa ianareo dia Allah no mpiahy azy,sy i Gabriely ary ireo mendrika amin’ireo mpino ary manampy izany koa ireo Anjely rehetra."},{"id":5,"translation":"Raha misaraka aminareo izy, dia (mety) omen'ny Tompo vady tsara kokoa noho izy ianareo, vehivavy mpandala ny finoana islamo, mpino, mpankato, mpibebaka, mpanompo, mpifehy, avy nanambady, na koa mbola virjiny."},{"id":6,"translation":"O ianareo mpino !Arovy amin’ny afo ny tenanareo sy ny fianakavianareo, fa ny olona sy ny vato no ho fandrehitra ao, ambenin’ireo Anjely hentitra sy masiaka, tsy manohitra an’Allah mihitsy amin’izay andidiany azy, fa manao izay ampanaoviny azy."},{"id":7,"translation":"O ianareo tsy mpino ! Aza miala tsiny ianareo androany. Tsy ho valiana afa-tsy araka izay nataonareo ihany ianareo."},{"id":8,"translation":"Fa ianareo mpino kosa ! Aoka ianareo hibebaka amin’I Allah amin’ny fibebahana marina tokoa. Ho fafan’ny Tomponareo anie ireo hadisoanareo, ka hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny ianareo, amin’ny andro izay tsy hanomezan’I Allah fahafahambaraka ny Mpaminany, sy ireo mpino miaraka aminy, hihazakazaka eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanany ihany koa ny hazavany ; hiteny izy ireo hoe : Tomponay ô ! fenoy ny hazavanay, ary avelao ny helokay, fa mahefa ny zava-drehetra tokoa Ianao."},{"id":9,"translation":"O ry Mpaminany ! Tohero ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ary aoka ianareo ho henjana amin’izy ireo. Ny afobe no ho fialofan’izy ireo ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":10,"translation":"Nataon’Allah fanoharana ho an’ireo tsy mpino ny vadin’i Noa sy ny vadin’i Lota. Teo ambany fahefan’ireo mpanomponay roa tena tsara fitondran-tena izy ireo, namitaka avokoa izy roa, ka tsy nahavitana na inona na inona teo anatrehan’I Allah izy ireo, ary dia voalaza fa miditra ao amin’ny afo izy roa vavy, miaraka amin’ireo izay miditra ao."},{"id":11,"translation":"Ary nataon’I Allah fanoharana ho an’ireo mpino ny vadin’i Faraona, tamin’izy niteny hoe : Tompo ô ! Anamboary trano eo akaikinao any amin’ny Paradisa aho, ka avoty amin’i Faraona sy ny asany aho ary avoty amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny."},{"id":12,"translation":"Toy izany koa i Maria, zanaka vavin’i Imran, izay nitandrina ny maha virijiny azy, ka notsofinay taminy ny fanahy avy Aminay. Natoky tanteraka ny tenin’ny Tompony sy ireo Boky izy, ary isan’ireo nanokan-tena feno fankatoavana."}]},{"id":67,"verses":[{"id":1,"translation":"Hamasinina anie Ilay manana ny fanjakana eo am-pelatanany fa Izy dia mahefa ny zava-drehetra."},{"id":2,"translation":"Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka."},{"id":3,"translation":"Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao?"},{"id":4,"translation":"Avy eo dia atodio in-droa ny masonao, ka hiverina aminao ny Fijeriny, feno fahamenarana sady trotraka."},{"id":5,"translation":"Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay."},{"id":6,"translation":"Fa izay tsy nino ny Tompony dia hahazo ny famaizan'ny afobe. Fiafarana ratsy tokoa izany !"},{"id":7,"translation":"Rehefa hatsipy ao izy ireo dia handre taraina ary dia hangotrangotraka ny ao."},{"id":8,"translation":"Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: \"Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?\""},{"id":9,"translation":"Dia hoy izy ireo namaly : \"Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : \"Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo\"."},{"id":10,"translation":"Ka hoy izy ireo : \"Raha mba nihaino na nisaina mantsy izahay dia tsy ho isan'ireo olon'ny afo mamaivay.\""},{"id":11,"translation":"Nihaiky ny fahotany izy ireo. Ho levona mandrakizay anie ireo olon'ny afo mamaivay."},{"id":12,"translation":"Ireo izay matahotra ny Tompony na tsy mahita Azy aza dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe."},{"id":13,"translation":"Na afeninareo aza ny teninareo na avoakanareo dia fantany tsara izay raiketin'ny fo."},{"id":14,"translation":"Tsy ho fantany va izay namboariny kanefa dia Izy no Ilay feno fahamoram-po, Ilay tena mahafantatra."},{"id":15,"translation":"Izy no nametraka ny tany ho anareo koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinàna amin'izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin'ny maty."},{"id":16,"translation":"Voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandentika anareo amin'ny tany va ianareo? Ary indro fa efa mihovitrovitra Izy!"},{"id":17,"translation":"Sa voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandefa tafio-bato aminareo ? Ary ho fantatrao amin'izany, ahoana ny fampitandremana avy aty Amiko."},{"id":18,"translation":"Nilaza izany ho lainga ireo talohan'izy ireo. Nanao ahoana ary ny fanakianako (famaizana)!"},{"id":19,"translation":"Tsy hitan'izy ireo va ireo voro-manidina eo amboniny, izay mamelatra sy manakombona ny elany? Ilay be fiantrana ihany no mihazona azy ireny, fa mahita ny zavatra rehetra tokoa Izy."},{"id":20,"translation":"Iza no hanangana tafika ho anareo, hamonjy anareo, ankoatran'ilay be fiantrana? Hamafisina, fa ao anatin'ny hadisoam-pahitana tanteraka ireo tsy mpino."},{"id":21,"translation":"Na koa iza no hanome anjaram-pivelomana anareo, raha mitsahatra tsy manome izany Izy ? Saingy mikiry amin'ny famingavingana sy ny fankahalana izy ireo."},{"id":22,"translation":"Iza àry no tena voatari-dalana? Izay mandeha miondrika amin'ny tany va sa izay mandeha mitraka amin'ny lalana mahitsy?"},{"id":23,"translation":"Dia lazao hoe: \"Izy no nahary anareo, ka nanome anareo ny fandrenesana, ny fahitana sy ny fo\". Nefa zara raha mankasitraka ianareo!"},{"id":24,"translation":"Ary lazao hoe : \"Izy no nanaparitaka anareo teto an-tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.\""},{"id":25,"translation":"Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”"},{"id":26,"translation":"Valio hoe : \"An'I Allah irery ny fahalalana ny amin'izany. Fa izaho dia mpampitandrina mazava ihany no anjarako.\""},{"id":27,"translation":"Fa rehefa hahita akaiky izy ireo dia ho malok'endrika ireo tsy mpino. Ary dia ambara amin'izy ireo hoe : \" Indro Izahay notadiavinareo !\""},{"id":28,"translation":"Dia lazao hoe : \" Ahoana ny hevitrareo ? Raha ho vonoin'I Allah aho sy ireo miaraka amiko, na hamindra fo aminay Izy. Fa iza kosa àry no mba hiaro ireo tsy mpino amin'ny famaizana mamirifiry ?\""},{"id":29,"translation":"Lazao hoe: \" Izy no Ilay be fiantrana. Mino Azy izahay, ary Izy no ianteheranay. Ho fantatrareo tsy ho ela izay ho any amin'ny fahaverezana tanteraka\"."},{"id":30,"translation":"Lazao hoe : “Fa ahoana ny hevitrareo? Raha milentika any amin’ny farany lalina indrindra any anaty tany ny rano, dia iza àry no hitondra loharano ho anareo?”"}]},{"id":68,"verses":[{"id":1,"translation":"Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !"},{"id":2,"translation":"Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao."},{"id":3,"translation":"Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao."},{"id":4,"translation":"Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa."},{"id":5,"translation":"Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa."},{"id":6,"translation":"Fa iza aminareo no very saina ?"},{"id":7,"translation":"Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy."},{"id":8,"translation":"Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga."},{"id":9,"translation":"Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao."},{"id":10,"translation":"Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina."},{"id":11,"translation":"Mpanala baraka, mpanendrikendrika."},{"id":12,"translation":"Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota."},{"id":13,"translation":"Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray."},{"id":14,"translation":"Na dia manana harena sy zaza maro aza izy."},{"id":15,"translation":"Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany."},{"id":16,"translation":"Asinay famantarana eo amin'ny vavany."},{"id":17,"translation":"Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina."},{"id":18,"translation":"Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany."},{"id":19,"translation":"Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra."},{"id":21,"translation":"Nifampiantso izy ireo ny maraina."},{"id":22,"translation":"Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra."},{"id":23,"translation":"Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :"},{"id":24,"translation":"Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany."},{"id":25,"translation":"Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany."},{"id":26,"translation":"Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika."},{"id":27,"translation":"Na tena niala maina isika."},{"id":28,"translation":"Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : \"Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo\""},{"id":29,"translation":"Dia hoy izy ireo : \"Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay.\""},{"id":30,"translation":"Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny."},{"id":31,"translation":"Ka hoy izy ireo : \"loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !\""},{"id":32,"translation":"Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay."},{"id":33,"translation":"Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !"},{"id":34,"translation":"Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana."},{"id":35,"translation":"Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?"},{"id":36,"translation":"Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?"},{"id":37,"translation":"Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?"},{"id":38,"translation":"Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?"},{"id":39,"translation":"Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?"},{"id":40,"translation":"Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy."},{"id":41,"translation":"Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !"},{"id":42,"translation":"Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo."},{"id":43,"translation":"Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo."},{"id":44,"translation":"Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !"},{"id":45,"translation":"Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !"},{"id":46,"translation":"Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ?"},{"id":47,"translation":"Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany)."},{"id":48,"translation":"Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy."},{"id":49,"translation":"Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy."},{"id":50,"translation":"Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika."},{"id":51,"translation":"Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: \"Tena adala tokoa izy!\""},{"id":52,"translation":"Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao."}]},{"id":69,"verses":[{"id":1,"translation":"Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina)."},{"id":2,"translation":"Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?"},{"id":3,"translation":"Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?"},{"id":4,"translation":"Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza."},{"id":5,"translation":"Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo."},{"id":6,"translation":"Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo."},{"id":7,"translation":"Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo \"palma\" poakaty."},{"id":8,"translation":"Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ?"},{"id":9,"translation":"Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa."},{"id":10,"translation":"Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra."},{"id":11,"translation":"Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara."},{"id":12,"translation":"Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara."},{"id":13,"translation":"Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara."},{"id":14,"translation":"Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra."},{"id":15,"translation":"Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra."},{"id":16,"translation":"Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io."},{"id":17,"translation":"Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io."},{"id":18,"translation":"Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo."},{"id":19,"translation":"Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : \"Jereo ! Vakinareo ny bokiko.\""},{"id":20,"translation":"Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy."},{"id":21,"translation":"Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !"},{"id":22,"translation":"Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa."},{"id":23,"translation":"Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana."},{"id":24,"translation":"Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha."},{"id":25,"translation":"Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : \"Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko\"."},{"id":26,"translation":"Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !"},{"id":27,"translation":"Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany."},{"id":28,"translation":"Fa tsy nisy nilaivako ny harenako."},{"id":29,"translation":"\"Rava ny fahefako ka nandao ahy !\""},{"id":30,"translation":"Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy."},{"id":31,"translation":"Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay."},{"id":32,"translation":"Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho."},{"id":33,"translation":"Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo."},{"id":34,"translation":"Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra."},{"id":35,"translation":"Tsy misy namana mihitsy izy eto anio."},{"id":36,"translation":"Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna."},{"id":37,"translation":"Ireo meloka ihany no hihinana izany."},{"id":38,"translation":"Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho."},{"id":39,"translation":"Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa."},{"id":40,"translation":"Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any)."},{"id":41,"translation":"Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo."},{"id":42,"translation":"Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo."},{"id":43,"translation":"Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany."},{"id":44,"translation":"Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay."},{"id":45,"translation":"Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy."},{"id":46,"translation":"Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo)."},{"id":47,"translation":"Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo."},{"id":48,"translation":"Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany."},{"id":49,"translation":"Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo."},{"id":50,"translation":"Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany."},{"id":51,"translation":"Ary izany no tena marina azo antoka."},{"id":52,"translation":"Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !"}]},{"id":70,"verses":[{"id":1,"translation":"Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra."},{"id":2,"translation":"Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina."},{"id":3,"translation":"Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana."},{"id":4,"translation":"Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona."},{"id":5,"translation":"Koa manàna faharetana tsara."},{"id":6,"translation":"Lavitra no fahitan’izy ireo izany."},{"id":7,"translation":"Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy."},{"id":8,"translation":"Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo."},{"id":9,"translation":"Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety."},{"id":10,"translation":"Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony."},{"id":11,"translation":"Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy."},{"id":12,"translation":"Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny."},{"id":13,"translation":"Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza."},{"id":14,"translation":"Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy."},{"id":15,"translation":"Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay."},{"id":16,"translation":"No hanala an-keriny ny hodi-doha."},{"id":17,"translation":"Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka."},{"id":18,"translation":"Ary nanangona sy nitahiry."},{"id":19,"translation":"Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona."},{"id":20,"translation":"Kivy izy rehefa niharan’ny loza."},{"id":21,"translation":"Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà."},{"id":22,"translation":"Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana."},{"id":23,"translation":"Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana)."},{"id":24,"translation":"Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany."},{"id":25,"translation":"Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana."},{"id":26,"translation":"Ary mino tanteraka ny andro famaliana."},{"id":27,"translation":"Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo."},{"id":28,"translation":"Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony."},{"id":29,"translation":"Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany."},{"id":30,"translation":"ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo."},{"id":31,"translation":"Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna."},{"id":32,"translation":"Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena ."},{"id":33,"translation":"Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana."},{"id":34,"translation":"Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony."},{"id":35,"translation":"Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina."},{"id":36,"translation":"Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?"},{"id":37,"translation":"Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia ."},{"id":38,"translation":"Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?"},{"id":39,"translation":"Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo."},{"id":40,"translation":"Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana."},{"id":41,"translation":"Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany."},{"id":42,"translation":"Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo."},{"id":43,"translation":"Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy."},{"id":44,"translation":"Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo !"}]},{"id":71,"verses":[{"id":1,"translation":"Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : \"Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo.\""},{"id":2,"translation":"Hoy izy : \"Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho.\""},{"id":3,"translation":"Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy."},{"id":4,"translation":"Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !"},{"id":5,"translation":"Dia hoy izy : \"Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho.\""},{"id":6,"translation":"Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko."},{"id":7,"translation":"Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena."},{"id":8,"translation":"Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo."},{"id":9,"translation":"Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina."},{"id":10,"translation":"Ka hoy aho : \"Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy.\""},{"id":11,"translation":"Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra."},{"id":12,"translation":"Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano."},{"id":13,"translation":"Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?"},{"id":14,"translation":"Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo."},{"id":15,"translation":"Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?"},{"id":16,"translation":"Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?"},{"id":17,"translation":"Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry."},{"id":18,"translation":"Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray."},{"id":19,"translation":"Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo."},{"id":20,"translation":"Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka."},{"id":21,"translation":"Hoy i Noa : \"Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany."},{"id":22,"translation":"Ary nanomana tetika goavana izy ireo."},{"id":23,"translation":"Ary niteny izy ireo hoe : \"Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy \"wadd\", \"sowa'a\", \"yaghouth\", \"ya'ouq\" ary \"nasr\" na oviana na oviana."},{"id":24,"translation":"Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny."},{"id":25,"translation":"Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo."},{"id":26,"translation":"Ka hoy i Noa : \"Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany.\""},{"id":27,"translation":"Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino."},{"id":28,"translation":"Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny\"."}]},{"id":72,"verses":[{"id":1,"translation":"Lazao hoe : \"Nambara tamiko, fa nisy andian'ny djiny nanongilan-tsofina, ka niteny hoe: nandre vakiteny (kor'any) mahafinaritra tokoa izahay.\""},{"id":2,"translation":"Izay mitarika ho amin'ny lalana mahitsy. Nino izany izahay, ka tsy hampitambatra ny Tomponay amin'ny hafa mihitsy."},{"id":3,"translation":"Hamafisina, fa ny Tomponay, hankalazaina anie ny fahamboniany, dia tsy nanana vady na zanaka !"},{"id":4,"translation":"Ary nilaza zavatra tafahoatra mikasika an'I Allah ilay tsy misaina taminay."},{"id":5,"translation":"Ary heverinay, fa na ireo olombelona na ireo djiny, dia tsy hilaza lainga mikasika an'I Allah mihitsy."},{"id":6,"translation":"Ary saingy nisy ireo lehilahy tamin'ireo olombelona nitady fiarovana tamin'ireo djiny lahy, nefa dia vao maika nampitombo ny fahorian'izy ireo izany."},{"id":7,"translation":"Ary nihevitra tahaky ny fiheveranareo izy ireo, fa tsy hanangana olona amin'ny maty na oviana na oviana I Allah."},{"id":8,"translation":"Ary nahakasika ny lanitra izahay, ka nahita mpiambina mafy maro sy tain-kintana."},{"id":9,"translation":"Ary nipetraka nihaino teo izahay. Fa na iza na iza manongilan-tsofina mihaino ankehitriny, dia hifanehitra amin'ny tain-kintana izay hamely tampoka azy izy."},{"id":10,"translation":"Ary tsy fantatray, na tiana hasian-dratsy ny mponin'ny tany, na tian'ny Tompony ho amin'ny lalana mahitsy izy ireo."},{"id":11,"translation":"Ary misy aminay no tsara fitondran-tena, fa misy kosa ny tsy toy izany, nizara ho antoko samihafa izahay."},{"id":12,"translation":"Ary fantatray tokoa fa tsy afaka ny tsy hampanan-kery an'I Allah eny ambonin'ny tany izahay, ary tsy afaka ny tsy hampanan-kery Azy ihany koa amin'ny fandosirana."},{"id":13,"translation":"Fa rehefa nandre ny tari-dalana izahay dia nino izany, ka izay mino ny Tompony dia tsy matahotra ny fihenan'ny valisoa na ny fanaporetana."},{"id":14,"translation":"Ary nankato an'I Allah tokoa ny sasany taminay ary tsy nankato kosa ny sasany taminay. Ary ireo izay nankato an'I Allah, izy ireo no mikatsaka ny lalana marina."},{"id":15,"translation":"Ary ho an'ireo izay niala ny lala-marina dia izy ireo no ho akora fandrehitra any amin'ny afobe."},{"id":16,"translation":"Ary raha mijanona amin'ny lalana mahitsy izy ireo dia hanome rano fisotro betsaka ho azy ireo tokoa izahay."},{"id":17,"translation":"Ho fisedrana azy ireo ao. Ary izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy amin’ny Tompony, dia hotarihiny any amin’ny famaizana mihamafy hatrany."},{"id":18,"translation":"Fa an’Allah ireo toerana fiankohofana (mosquée), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah."},{"id":19,"translation":"Ary rehefa mijoro hiantso Azy ny mpanompon'I Allah dia saika hanao tambabe taminy izy ireo."},{"id":20,"translation":"Lazao hoe : \"Ny Tompoko irery ihany no antsoiko ary tsy hampifangaro na iza na iza Aminy aho.\""},{"id":21,"translation":"Lazao hoe : \"Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa anareo mihitsy aho.\""},{"id":22,"translation":"Lazao hoe : \"Tsy misy afaka hiaro ahy amin'I Allah mihitsy ary tsy afaka ny hahita fialofana hafa ankoatra Azy ihany koa aho.\""},{"id":23,"translation":"Ny fampitana ny fanambarana avy amin'i Tompo Allah ho anareo ihany no andraikitro, toy izany koa ireo hafatra avy Aminy. Ary ho an'ireo izay tsy mankatoa an'I Allah sy ny Iraka avy Aminy dia ao ny afon'ny helo izay honenan'izy ireo mandrakizay."},{"id":24,"translation":"Hanohy tsy hino izy ireo mandra-pahitany izay nampanantenana azy ireo, ary tsy ho ela dia fantatr'izy ireo hoe iza no tena osa eo amin'ny fanampiana, ary iza ireo vitsy an'isa."},{"id":25,"translation":"Lazao hoe : \"Tsy fantatro na efa atomotra izany nampanantenana anareo izany, na namaritra fetr'andro lavitra ho an'izany ny Tompoko.\""},{"id":26,"translation":"Izy no mpahalala ny tsy hita maso, ary tsy manambara ireo tsiambaratelony amin'iza na iza Izy."},{"id":27,"translation":"Afa-tsy amin'izay finidiny amin'ireo Iraka avy Aminy ary dia nasiany mpiaro mandeha tokoa eo anoloany sy ao aoriany."},{"id":28,"translation":"Mba ahafantarany fa mampita ireo hafatra avy amin'ny Tompony ireo Iraka avy Aminy. Ary miaro ireo rehetra miaraka Aminy Izy no sady mandrakitra ny zava-drehetra koa."}]},{"id":73,"verses":[{"id":1,"translation":"Fa ianao, ilay misaron-damba !"},{"id":2,"translation":"Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany ."},{"id":3,"translation":"Ny antsasany na alatsaho kely noho izany ."},{"id":4,"translation":"Na ampitomboy kely ary vakio miadana sady mazava ny koroany."},{"id":5,"translation":"Fa hanambara teny manan-danja aminao izahay."},{"id":6,"translation":"Mety kokoa ny vavaka amin'ny alina sady mifanaraka amin'ny vakiteny."},{"id":7,"translation":"Fa manana andraikitra maharitra ianao, mandritra ny andro."},{"id":8,"translation":"Koa tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ary manokàna tena tanteraka Aminy."},{"id":9,"translation":"Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy."},{"id":10,"translation":"Ary hiareto izay tenenin'izy ireo ary miataha aminy amim-pahamendrehana."},{"id":11,"translation":"Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo."},{"id":12,"translation":"Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay."},{"id":13,"translation":"Ary sakafo mahasempotra sy famaizana mamirifiry."},{"id":14,"translation":"Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika."},{"id":15,"translation":"Nandefa Iraka taminareo tokoa Izahay mba ho vavolombelona hanohitra anareo, tahaky ny nandefasanay Iraka tamin'i Faraona."},{"id":16,"translation":"Nefa tsy nankato ny Iraka i Faraona ka nosazinay mafy."},{"id":17,"translation":"Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo."},{"id":18,"translation":"Hampitresaka ny lanitra.Tsy hisalasalana fa ho tanteraka ny fampanantenany."},{"id":19,"translation":"Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany."},{"id":20,"translation":"Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah."}]},{"id":74,"verses":[{"id":1,"translation":"Fa ianao ilay manao ankajo lava !"},{"id":2,"translation":"Mitsangana ianao ary mampitandrema."},{"id":3,"translation":"Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao."},{"id":4,"translation":"Ary diovy ireo fitafinao."},{"id":5,"translation":"Ary halaviro ny fahotana rehetra."},{"id":6,"translation":"Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa."},{"id":7,"translation":"Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao."},{"id":8,"translation":"Ka rehefa ho tsofina ny anjomara."},{"id":9,"translation":"Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany."},{"id":10,"translation":"Tsy ho mora ho an'ireo tsy mpino izany."},{"id":11,"translation":"Avelao irery Aho hiaraka amin'izay Nohariako."},{"id":12,"translation":"Ary nomeko fananana maro."},{"id":13,"translation":"Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany."},{"id":14,"translation":"Ary izay nomaniko tamin'ny fanomanana feno."},{"id":15,"translation":"Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy."},{"id":16,"translation":"Tsia ! Satria mandà mafy ireo andininy avy Aminay izy."},{"id":17,"translation":"Ho tereko hiaka-piakarana izy."},{"id":18,"translation":"Nieritreritra izy ary nanapa-kevitra."},{"id":19,"translation":"Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !"},{"id":20,"translation":"Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !"},{"id":21,"translation":"Avy eo dia nijery izy !"},{"id":22,"translation":"Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny."},{"id":23,"translation":"Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena."},{"id":24,"translation":"ka hoy izy : \"Majika nolovaina ity\""},{"id":25,"translation":"Tena marina fa ity dia tenin'olombelona ihany ."},{"id":26,"translation":"Hodorako ao anaty afo mahamay izy."},{"id":27,"translation":"Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?"},{"id":28,"translation":"Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy ."},{"id":29,"translation":"Fa hanamainty ny hoditra."},{"id":30,"translation":"Sivy ambin'ny folo izy ireo."},{"id":31,"translation":"Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : \"Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?\" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany."},{"id":32,"translation":"Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !"},{"id":33,"translation":"Sy amin'ny alina rehefa ho lasa !"},{"id":34,"translation":"Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka."},{"id":35,"translation":"Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany."},{"id":36,"translation":"Ho fampitandremana ny olombelona."},{"id":37,"translation":"Ho an'izay te-handroso na te-hihemotra aminareo."},{"id":38,"translation":"Takalon'aina ho an'izay nataony ny fanahy tsirairay."},{"id":39,"translation":"Afa-tsy ireo olon'ny ankavanana."},{"id":40,"translation":"Izay ao amin'ny zaridaina ka hifampanontany."},{"id":41,"translation":"Mikasika ireo mpanao ratsy ."},{"id":42,"translation":"Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?"},{"id":43,"translation":"Hiteny izy ireo hoe : \"Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay\""},{"id":44,"translation":"Sady tsy nanome sakafo ireo mahantra."},{"id":45,"translation":"Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay."},{"id":46,"translation":"Ary nolazanay ho lainga ny andro famaliana."},{"id":47,"translation":"Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay ."},{"id":48,"translation":"Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana."},{"id":49,"translation":"Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?"},{"id":50,"translation":"Toy ny apondra-dia matahotra izy ireo."},{"id":51,"translation":"Mandositra eo anatrehan'ny liona."},{"id":52,"translation":"Satrin'ny olona tsirairay amin'izy ireo ny hitondrana ireo taratasy efa mivelatra."},{"id":53,"translation":"Tsia ! Satria tsy matahotra ny any ankoatra izy ireo."},{"id":54,"translation":"Tsia ! Tena fampatsiarovana tokoa ity."},{"id":55,"translation":"ka izay maniry izany dia hahatsiaro."},{"id":56,"translation":"Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka."}]},{"id":75,"verses":[{"id":1,"translation":"Tsia ! Mianiana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty Aho."},{"id":2,"translation":"Ary tsy mianiana amin'ny fanahy izay fatra-panome tsiny aho."},{"id":3,"translation":"Mihevitra va ny olombelona fa tsy hatambatray ny taolany ?"},{"id":4,"translation":"Eny! Afaka mamerina ny lohan-drantsa-tanany amin'ny toerany Izahay."},{"id":5,"translation":"Mila hanohy ny fiainany malalaka ny olombelona."},{"id":6,"translation":"Manontany izy hoe : \"Rahoviana ny andro farany?\""},{"id":7,"translation":"Rehefa ho jamban'ny hazavana ny fijery."},{"id":8,"translation":"Ary ho takona ny volana."},{"id":9,"translation":"Ary hitambatra ny masoandro sy ny volana."},{"id":10,"translation":"Hiteny ny olombelona amin'io andro io hoe : \"Aiza no handosirana ?\""},{"id":11,"translation":"Tsia ! Tsy hisy fialofana."},{"id":12,"translation":"Any amin'ny Tomponao no hiverenana amin'io andro io."},{"id":13,"translation":"Ho lazaina amin'ny olombelona amin'io andro io, izay asa nataony taloha sy taty aoriana."},{"id":14,"translation":"Saingy ho vavolombelon'ny tenany ihany ny olombelona."},{"id":15,"translation":"Ary hitondra fialan-tsiny."},{"id":16,"translation":"Aza ahetsikao ny lelanao mba hanafaingananao ny famakiana azy."},{"id":17,"translation":"Anjaranay ny fanangonana azy sy ny famakiana azy."},{"id":18,"translation":"koa rehefa mamaky azy àry Izahay, dia araho tsara ny vakiteny."},{"id":19,"translation":"Fa andraikitray avy eo, ny manazava azy."},{"id":20,"translation":"saingy tianareo kokoa ny fiainana mandalo,"},{"id":21,"translation":"ka tsy raharahinareo ny any an-koatra."},{"id":22,"translation":"Amin'izany andro izany, dia hisy endrika miramirana,"},{"id":23,"translation":"Izay hibanjina ny Tompony."},{"id":24,"translation":"Ary hisy endrika maloka,"},{"id":25,"translation":"Eo am-piandrasana ny loza hihatra."},{"id":26,"translation":"Tsia ! rehefa tonga eo amin'ny taolam-panavy ny aina,"},{"id":27,"translation":"Ka hiteny hoe : \"Iza no mpamoaka devoly ?\""},{"id":28,"translation":"Ary hiaiky izy fa tonga ny fisarahana."},{"id":29,"translation":"ka hifamatotra ny ranjo,"},{"id":30,"translation":"Any amin'ny Tomponao no hitondrana anao amin'io andro io."},{"id":31,"translation":"Saingy tsy nino izy ireo, no sady tsy nanao ny vavaka fanompoana ;"},{"id":32,"translation":"Fa niampanga izany ho lainga izy, sady nitodi-damosina,"},{"id":33,"translation":"Avy eo, dia lasa any amin'ny fianakiviany izy, nandeha amim-piavonavonana."},{"id":34,"translation":"Loza ho anao, loza tokoa !"},{"id":35,"translation":"Eny ! Loza ho anao, loza tokoa !"},{"id":36,"translation":"Mihevitra va ny olombelona fa ho avela amin'izao, tsy manana adidy iandraiketana ?"},{"id":37,"translation":"Tsy avy amin'ny tsiron'aina indray mitete va izy ireo ?"},{"id":38,"translation":"Avy eo, dia vaingan-drà, ary nohariany sy namboariny tsara ;"},{"id":39,"translation":"Ka nataony avy amin'izany ny mpivady, lahy sy vavy."},{"id":40,"translation":"Moa va tsy afaka hamelona indray ny efa maty Izy ?"}]},{"id":76,"verses":[{"id":1,"translation":"Moa va tsy nisy ampaham-potoana, nandalo tamin'ny olombelona izay mbola tsy nisian'izy ireo akory ?"},{"id":2,"translation":"Eny, namboarinay avy tamin'ny tsirin'aina mifangaro ny olombelona, mba hisedranay azy. Ary dia nataonay nandre sy nahita."},{"id":3,"translation":"Notarinay lalana izy, hahalala hankasitraka na haniratsira."},{"id":4,"translation":"\"Nanomana rojo vy ho an'ireo tsy mpino tokoa Izahay, sy gadra vy, ary afo mamaivay.\""},{"id":5,"translation":"Hisotro amin'ny kaopy feno hanitra kamifaoro ireo olona tsara."},{"id":6,"translation":"Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo."},{"id":7,"translation":"tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy."},{"id":8,"translation":"Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany."},{"id":9,"translation":"ka miteny hoe : \"Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay."},{"id":10,"translation":"Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay."},{"id":11,"translation":"Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana,"},{"id":12,"translation":"ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà,"},{"id":13,"translation":"Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry."},{"id":14,"translation":"Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony."},{"id":15,"translation":"Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana."},{"id":16,"translation":"Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny."},{"id":17,"translation":"Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao."},{"id":18,"translation":"Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil."},{"id":19,"translation":"Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo."},{"id":20,"translation":"Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika."},{"id":21,"translation":"Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo."},{"id":22,"translation":"Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo."},{"id":23,"translation":"Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao."},{"id":24,"translation":"Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao."},{"id":25,"translation":"Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro."},{"id":26,"translation":"Koa miankohofa eo anatrehany ianao ny ampahany amin'ny alina, ary omeo voninahitra Izy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny alina."},{"id":27,"translation":"Tia ny fiainana mandalo izy ireny ka mamela any aoriany ny andro mavesatra."},{"id":28,"translation":"Izahay no nahary sy nampatanjaka ny toe-batan'izy ireny. Raha tianay anefa dia nosoloanay mitovy aminy izy ireo."},{"id":29,"translation":"Fampahatsiarovana ity. Koa aoka àry ho any amin'ny làlan'ny Tompony izay tia izany."},{"id":30,"translation":"Tsy ho tia izany anefa ianareo, raha tsy sitrak'i Allah. Fa mahalala ny zavatra rehetra, sady be fahendrena i Allah."},{"id":31,"translation":"Ampidiriny ao amin'ny famindram-pony izay tiany. Ary dia nanomanany famaizana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny."}]},{"id":77,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho."},{"id":2,"translation":"Izay mifofofofo mafy !"},{"id":3,"translation":"Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra)."},{"id":4,"translation":"Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,"},{"id":5,"translation":"Izay mandefa fampahatsiarovana."},{"id":6,"translation":"ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !"},{"id":7,"translation":"fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo."},{"id":8,"translation":"Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,"},{"id":9,"translation":"ary hitriatra ny lanitra ?"},{"id":10,"translation":"ka ho levona ireo tendrombohitra."},{"id":11,"translation":"ary voafaritra ny fotoanan'ireo Iraka."},{"id":12,"translation":"Andro inona àry no nanemorana izany ?"},{"id":13,"translation":"Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !"},{"id":14,"translation":"Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !"},{"id":15,"translation":"Loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":16,"translation":"Moa tsy naringanay va ireo voalohany ?"},{"id":17,"translation":"Moa tsy nampanarahanay azy ireo va ireo farany,"},{"id":18,"translation":"toy izany no ataonay amin'ireo mpanao ratsy."},{"id":19,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":20,"translation":"Tsy noharianay tamin'ny tsiranoka ratsy va ianareo,"},{"id":21,"translation":"izay napetrakay tamin'ny toerana voaaro,"},{"id":22,"translation":"nandritra ny fotoana efa fantatra ?"},{"id":23,"translation":"Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay."},{"id":24,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":25,"translation":"Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?"},{"id":26,"translation":"ireo velona, sy ireo maty ?"},{"id":27,"translation":"Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?"},{"id":28,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":29,"translation":"Mandehana àry any amin'izay nolazainareo ho lainga."},{"id":30,"translation":"mandehana any amin'ny aloka misy rantsana telo,"},{"id":31,"translation":"izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo."},{"id":32,"translation":"satria hatsipy ny pitik'afo lehibe, tahaka ny lapa."},{"id":33,"translation":"ka ho toy ny rameva mavo."},{"id":34,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany."},{"id":35,"translation":"ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,"},{"id":36,"translation":"ary tsy hahazoan'izy ireo alalana hiala tsiny."},{"id":37,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany."},{"id":38,"translation":"Io no andron'ny fanapahan-kevitra, izay hamorianay anareo sy ireo taloha."},{"id":39,"translation":"Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko."},{"id":40,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":41,"translation":"ho amin'ny aloka sy loharano tokoa ireo vonto-pinoana,"},{"id":42,"translation":"ao koa ireo voankazo arak'izay irin'izy ireo."},{"id":43,"translation":"Mihinàna sy misotroa finaritra àry ianareo, noho izay nataonareo."},{"id":44,"translation":"Toy izany no Hamalinay soa ireo mpanao soa."},{"id":45,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany."},{"id":46,"translation":"Mihinàna, ary mifalia kely ; fa mpanao ratsy tokoa ianareo."},{"id":47,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany."},{"id":48,"translation":"ka rehefa tenenina izy ireo hoe : \"Miondreha ianareo\", dia tsy miondrika izy ireo."},{"id":49,"translation":"loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany."},{"id":50,"translation":"Fa inona àry no teny hinoan'izy ireo ankoatr'izany ?"}]},{"id":78,"verses":[{"id":1,"translation":"Ny amin'inona moa no ifanontanian'izy ireo ?"},{"id":2,"translation":"Ny amin'ilay vaovao lehibe."},{"id":3,"translation":"Izay tsy mampifanaraka azy ireo."},{"id":4,"translation":"Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo."},{"id":5,"translation":"Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo marimarina tokoa."},{"id":6,"translation":"Moa ve tsy nataoko ho toeram-pialan-tsasatra ny tany?"},{"id":7,"translation":"Ary ireo tendrombohitra ho toy ny andry iankinany?"},{"id":8,"translation":"Ary nohariako ho lahy sy vavy ianareo."},{"id":9,"translation":"Ary nataoko ho fialan-tsasatra ho anareo ny torimasonareo."},{"id":10,"translation":"Ary nataoko ho toy ny firakotra ho anareo ny aizin'ny alina."},{"id":11,"translation":"Ary nataoko ho fitadiavam-pivelomana ho anareo ny atoandro."},{"id":12,"translation":"Ary naoriko eo amboninareo ireo lanitra fito sosona mafy orina."},{"id":13,"translation":"Ary nasiako jiro manazava izay mafana sy mahery vaika."},{"id":14,"translation":"Ary narotsako avy amin'ny rahona matevina ny rano sesehana."},{"id":15,"translation":"Mba hampitsiriako amin'ny alalan'izany ireo voa mahavelona sy zava-maniry isan-karazany."},{"id":16,"translation":"Sy ireo saha mahate ho tia."},{"id":17,"translation":"Eny! Efa voafaritra ny andron'ny fitsarana."},{"id":18,"translation":"Ilay andro hitsofana ny anjomara ka hahatongavanareo amin'ny andiany maro."},{"id":19,"translation":"Ary ho sokafana ny lanitra ka hisian'ireo varavarana maro."},{"id":20,"translation":"Ary hihetsika ireo tendrombohitra ka lasa hanana endrika mamitaka ny maso."},{"id":21,"translation":"ny helo dia miambina fatratra,"},{"id":22,"translation":"mba honenan'ireo mpikomy,"},{"id":23,"translation":"ka hitoetra ao izy ireo an-jato taonany maro mifanesy,"},{"id":24,"translation":"dia tsy hahatsapa hatsiaka na hanendry zava-pisotro mihitsy,"},{"id":25,"translation":"afa tsy ny rano mangotraka sy ireo tsiranoka maimbo,"},{"id":26,"translation":"izany no valin'asa tsy ara-drariny"},{"id":27,"translation":"Tsy mba nieritreritra ny fitsarana farany izy ireo,"},{"id":28,"translation":"nataon'izy ireo ho lainga mandrakariva ny faminaniana nalefako,"},{"id":29,"translation":"Ny zava-drehetra anefa dia efa noraiketiko an-tsoratra avokoa,"},{"id":30,"translation":"koa dia andramo ary! Tsy hanampy anareo na oviana na oviana Aho afa-tsy ny sazy,"},{"id":31,"translation":"Ireo matahotra an'iAllah kosa dia hahazo ny fahombiazana,"},{"id":32,"translation":"ao ireo saha maintso mavana sy karazam-boaloboka,"},{"id":33,"translation":"ireo tovovavy ao anatin'ny hatanorana lalandava ,"},{"id":34,"translation":"ireo zava-pisotroana mitosaka nohon'ny hafenoany,"},{"id":35,"translation":"Tsy handre teny ratsy sy lainga ao izy ireo,"},{"id":36,"translation":"Izany dia valisoa avy amin'ny tomponao, fanomezana tena ara-drariny,"},{"id":37,"translation":"Ilay Tompon'ny lanitra sy ny tany; ary izay rehetra eo anelanelan'izy roa ireo, ary tsy hanam-pahefana hilao-bava ho Azy izy ireo,"},{"id":38,"translation":"Amin'ny andro izay hijoroan'ny fanahy sy ireo anjely amin'ny laharana iray, ka tsy hisy hilao-bava afa-tsy izay nomen'ilay be fiantrana alalana ny amin'izany, dia ilay niteny ny mahatokana an'I Allah,"},{"id":39,"translation":"Izany andro izany no hisehoan'ny fahamarinana, koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo,"},{"id":40,"translation":"Eny! Efa nampitandrina anareo Aho ny amin'ny famaizana tsy ho ela, dia ilay andro izay ahitan'ny olombelona ireo asa nataony, ka hitenenan'ny tsy mpino hoe: \" Tahak'izay anie aho mba nody ho vovoka ihany! \""}]},{"id":79,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,"},{"id":2,"translation":"sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;"},{"id":3,"translation":"amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,"},{"id":4,"translation":"amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,"},{"id":5,"translation":"ary mandrindra ny zava-drehetra,"},{"id":6,"translation":"amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,"},{"id":7,"translation":"hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,"},{"id":8,"translation":"amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,"},{"id":9,"translation":"ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,"},{"id":10,"translation":"Hiteny izy ireo hoe: \"Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?\";"},{"id":11,"translation":"\" Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? \""},{"id":12,"translation":"hilaza izy ireo hoe: \" Dia ho fiverenana hamono antoka izany \""},{"id":13,"translation":"Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany."},{"id":14,"translation":"Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana"},{"id":15,"translation":"Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?"},{"id":16,"translation":"Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?"},{"id":17,"translation":"Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy."},{"id":18,"translation":"Ary lazao azy hoe: \" Manana faniriana hanadio tena ve ianao?"},{"id":19,"translation":"Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?"},{"id":20,"translation":"Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe."},{"id":21,"translation":"Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,"},{"id":22,"translation":"Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana"},{"id":23,"translation":"Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana."},{"id":24,"translation":"ka nilaza hoe: \" Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra.\""},{"id":25,"translation":"Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,"},{"id":26,"translation":"Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah."},{"id":27,"translation":"Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny."},{"id":28,"translation":"Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,"},{"id":29,"translation":"Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,"},{"id":30,"translation":"Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,"},{"id":31,"translation":"ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby."},{"id":32,"translation":"Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;"},{"id":33,"translation":"Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,"},{"id":34,"translation":"rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,"},{"id":35,"translation":"amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,"},{"id":36,"translation":"dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,"},{"id":37,"translation":"Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa"},{"id":38,"translation":"sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,"},{"id":39,"translation":"dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,"},{"id":40,"translation":"Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;"},{"id":41,"translation":"dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,"},{"id":42,"translation":"Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: \"Rahoviana anga no ahatongavan'izany? \""},{"id":43,"translation":"Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?"},{"id":44,"translation":"any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany."},{"id":45,"translation":"Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,"},{"id":46,"translation":"Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,"}]},{"id":80,"verses":[{"id":1,"translation":"Niketrona izy dia nihodina,"},{"id":2,"translation":"satria tonga teo aminy ilay jamba,"},{"id":3,"translation":"tsy fantatrao angamba izy tonga mba hanadio ny fanahiny! Sao dia mba misy fahatsampan-tena ao aminy,"},{"id":4,"translation":"Na koa mahatsapa tena izy amin'ny fahampatsiahivana,"},{"id":5,"translation":"Ho an'izay manana ny ampy kosa,"},{"id":6,"translation":"dia nanatona azy am-pahazotoana ianao,"},{"id":7,"translation":"nefa tsy tsininao ny tsy fahadiovany,"},{"id":8,"translation":"fa izay tonga nanantona anao am-pahavitrihana kosa,"},{"id":9,"translation":"sady feno fahatahorana an'I Allah,"},{"id":10,"translation":"dia tsy noheverinao ny momba azy,"},{"id":11,"translation":"Tsia! Aza manao toy izany intsony ianao! Raha ny tena marina ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany,"},{"id":12,"translation":"ka izay maniry izany dia hahatsiaro,"},{"id":13,"translation":"izay voarakitra ao amin'ny takelaka manan-kaja,"},{"id":14,"translation":"sy manan-danja ary feno fahadiovana,"},{"id":15,"translation":"eo am-pelan-tanan'ireo anjely,"},{"id":16,"translation":"mendrika sy mpakato,"},{"id":17,"translation":"Loza anie ho an'izay olombelona mikomy ny amin'izany,"},{"id":18,"translation":"Fa avy tamin'inona moa no nahariana azy?"},{"id":19,"translation":"avy tamin'ny piti-dranon'aina no nahariana azy, ary avy eo dia nofaritany ny anjaran'io olona io,"},{"id":20,"translation":"ary avy eo dia nakamorainy ny lalan-kombany,"},{"id":21,"translation":"Dia nampandaloviny fahafatesana izy ary nalevina,"},{"id":22,"translation":"koa raha sitrak'I Allah dia mbola hatsangany amin'ny maty izy,"},{"id":23,"translation":"Nefa indrisy! Fa tsy nanatanteraka ireo izay nandidiana azy izy!"},{"id":24,"translation":"Aoka anefa ny olombelona handinika ireo sakafo fivelomany,"},{"id":25,"translation":"nampidiniko ihany koa ny rano sesehena,"},{"id":26,"translation":"Avy eo, nataoko mba hahavokatra ny tany,"},{"id":27,"translation":"ka nampitsimoako avy ao ireo voa mahavelona,"},{"id":28,"translation":"dia ny voaloboka sy ny anana amam-bilona,"},{"id":29,"translation":"ny hazo ny oliva sy ny hazo ny antrendry"},{"id":30,"translation":"ireo saha midoroboka,"},{"id":31,"translation":"voankazo sy karazan'ahitra,"},{"id":32,"translation":"mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,"},{"id":33,"translation":"koa rehefa ho tonga ilay antso tsy hifandrenesana,"},{"id":34,"translation":"amin'ny andro izay handosiran'olombelona ny rahalahiny,"},{"id":35,"translation":"ny reniny sy ny rainy;"},{"id":36,"translation":"ary ny vady aman-janany."},{"id":37,"translation":"ny olona tsirairay amin'izy ireo, amin'izay andro izay dia ny hahasoa ny tenany no himasoany."},{"id":38,"translation":"hisy amin'izany andro izany ireo endrika feno hazavana,"},{"id":39,"translation":"faly sy mirana,"},{"id":40,"translation":"ao koa anefa, amin'izay andro izay, ireo endrika mihosom-bovoka,"},{"id":41,"translation":"sy mivalo mainty,"},{"id":42,"translation":"Izy ireo no tsy mpino sy tsy mataho-tody,"}]},{"id":81,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,"},{"id":2,"translation":"rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,"},{"id":3,"translation":"rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,"},{"id":4,"translation":"rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,"},{"id":5,"translation":"rehefa tafavory ireo bibidia,"},{"id":6,"translation":"rehefa manjary nirehitra ny ranomasina,"},{"id":7,"translation":"rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,"},{"id":8,"translation":"rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:"},{"id":9,"translation":"mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?"},{"id":10,"translation":"rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,"},{"id":11,"translation":"rehefa voaesotra ny lanitra,"},{"id":12,"translation":"rehefa haredareda ny afo,"},{"id":13,"translation":"rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa,"},{"id":14,"translation":"dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!"},{"id":15,"translation":"Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana."},{"id":16,"translation":"Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona."},{"id":17,"translation":"Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra,"},{"id":18,"translation":"ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,"},{"id":19,"translation":"tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika,"},{"id":20,"translation":"izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,"},{"id":21,"translation":"Mpakato izy sady itokisana,"},{"id":22,"translation":"tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,"},{"id":23,"translation":"izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava."},{"id":24,"translation":"Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,"},{"id":25,"translation":"izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona!"},{"id":26,"translation":"koa aiza ary no hombanareo,"},{"id":27,"translation":"Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,"},{"id":28,"translation":"Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,"},{"id":29,"translation":"Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao."}]},{"id":82,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa hitresaka ny lanitra,"},{"id":2,"translation":"Rehefa hianjera hiparitaka ireo kintana."},{"id":3,"translation":"Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina,"},{"id":4,"translation":"rehefa ho fongarina ny fasana."},{"id":5,"translation":"dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy!"},{"id":6,"translation":"O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana?"},{"id":7,"translation":"Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao,"},{"id":8,"translation":"Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao,"},{"id":9,"translation":"Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany."},{"id":10,"translation":"Nefa misy marina ireo mpanara-maso anareo,"},{"id":11,"translation":"dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra."},{"id":12,"translation":"mahafantatra izay ataonareo."},{"id":13,"translation":"tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka,"},{"id":14,"translation":"ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be,"},{"id":15,"translation":"hatsipy ao izy ireo amin'ny Andro farany,"},{"id":16,"translation":"ary tsy hiala ao mihitsy izy ireo mandrakizay,"},{"id":17,"translation":"Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?"},{"id":18,"translation":"Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?"},{"id":19,"translation":"Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah ."}]},{"id":83,"verses":[{"id":1,"translation":"Loza ho an'ireo mpisoloky,"},{"id":2,"translation":"dia ireo, izay mitaky fahamarinam-pamàrana rehefa mampamàtra hoan'ny tenan'izy ireo."},{"id":3,"translation":"Ary rehefa mamàtra, na mandanja hoan'ny hafa kosa dia mangalatra!"},{"id":4,"translation":"Moa ve tsy mihevitra izy ireo fa hatsangana amin'ny maty?"},{"id":5,"translation":"Amin'ny ilay andro iray lehibe."},{"id":6,"translation":"Ilay andro izay hitsanganan'ny olombelona amin'ny maty manoloana ilay Tompon'izao tontolo izao."},{"id":7,"translation":"Tsia! ny tena marina anefa ireo olona tsy vanon-toetra ireo dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Afo be."},{"id":8,"translation":"Moa fantatrao ve izany takelaka izany?"},{"id":9,"translation":"Boky efa voasoratra."},{"id":10,"translation":"loza hoan'ireo izay mpanda an'izany andro farany izany."},{"id":11,"translation":"Dia ireo izay tsy nino ny Andro fitsarana."},{"id":12,"translation":"tsy misy nanda izany anefa afa-tsy izay mpihoa-pefy sy ny mpanota matevi-koditra ihany."},{"id":13,"translation":"Koa rehefa torìna aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany."},{"id":14,"translation":"Tsia! Indrisy anefa fa voarakotr'ireo zava-bitany ny fon'izy ireo."},{"id":15,"translation":"Tsia! Tena marina izy ireo, amin'izany andro izany, dia tsy hahita ny Tompon'izy ireo."},{"id":16,"translation":"Ary dia ho ao anatin'ny Afobe mandrakizay."},{"id":17,"translation":"Rehefa izany dia hambara amin'izy ireo hoe: \"io ary ilay zavatra nolavinareo\"."},{"id":18,"translation":"Tsia! Fa ireo feno fankatoavana an'I Allah kosa dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Paradisa."},{"id":19,"translation":"Moa ve fantatrao izany takelaka misy ny olon'ny paradisa izany."},{"id":20,"translation":"Boky efa voasoratra."},{"id":21,"translation":"Ho vavolombelona ny amin'izay ireo anjely."},{"id":22,"translation":"Eny! Tena marina, ireo feno fankatoavana an'I Allah, dia ho ao anatin'ny fiadanana."},{"id":23,"translation":"Ka eo ambon'ny toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'I Allah."},{"id":24,"translation":"Hitanao taratra eny amin'ny endrik'izy ireo ny hazavam-pahasoavana."},{"id":25,"translation":"Hampisotroina azy ireo ny fisotro tsara indrindra voatokana ho azy ireo."},{"id":26,"translation":"Ny tsirony eo am-piafarana dia manitra, mamerovero, ka tokony hifaninana ny amin'izany ireo te-hifaninana."},{"id":27,"translation":"zava-pisotro izay nifangaro tamin'ny loharanon'ny Tasnima."},{"id":28,"translation":"loharano izay fisotroan'ireo izay akaikin'I Allah"},{"id":29,"translation":"Tena marina, ireo tsy mpino dia nandrebireby sy nanao fihomezana ireo mpino fahiny."},{"id":30,"translation":"ary raha sendra mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo dia mangarika."},{"id":31,"translation":"rehefa miverina any amin'ny fianakaviany izy ireo, dia miverina am-pandrebirebiana sy am-panesoana ireo mpino."},{"id":32,"translation":"ary rehefa mahita ny mpino izy ireo dia milaza fa tena olom-bery ireo."},{"id":33,"translation":"ary tsy nandefasana ireo anjely mpiambina akory izy ireo."},{"id":34,"translation":"fa amin'ny Andro farany kosa dia hihomehy ireo mpikomy ny mpino."},{"id":35,"translation":"Ka eo ambony toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'i Allah."},{"id":36,"translation":"Moa ve efa nampiharina tamin'ireo mpikomy ny valin'asa nataon'izy ireo taloha?"}]},{"id":84,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa hitriatra ny lanitra."},{"id":2,"translation":"Dia ankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony."},{"id":3,"translation":"ary rehefa hihetsika ny tany ka hitovy tantana."},{"id":4,"translation":"ka hamoaka ireo rehetra tao anatiny ho foana tsy hisy hijanona na dia kely aza."},{"id":5,"translation":"Dia hankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony."},{"id":6,"translation":"O! Ry olombelona! Tena marina ianao izay mitolona hizotra hoany amin'ny Tomponao io, dia tsy maintsy hihaona Aminy."},{"id":7,"translation":"Ka ho an'izay tolorana ny bokiny amin'ny ankavanany."},{"id":8,"translation":"dia handalo fitsarana maivana dia maivana izy,"},{"id":9,"translation":"Ary hiverina any amin'ny ankohonany am-pifaliana tokoa,"},{"id":10,"translation":"fa ho an'izay tolorana ny bokiny avy ao an-damosiny kosa"},{"id":11,"translation":"dia hiantso an-drafahafatesana izy."},{"id":12,"translation":"ary hatsipy ao anaty afo."},{"id":13,"translation":"Fony izy tany amin'ny ankohonany dia niaina tamim-pifaliana tokoa."},{"id":14,"translation":"Ka dia tsy nihevitra ny hiverina any amin'ny Tompony izy ka hitsangana amin'ny maty."},{"id":15,"translation":"Indrisy anefa tsy izany ! Ny Tompony dia manara-maso azy fatratra tokoa."},{"id":16,"translation":"Tsia! Mianiana amin'ny fara-vodi-lanitra mena aho!"},{"id":17,"translation":"Sy amin'ny alina ary amin'izay rehetra koboniny ao!"},{"id":18,"translation":"Ary amin'ny volana rehefa ho fenomanana iny!"},{"id":19,"translation":"Tena marina fa ianareo dia handalo dingana maro mifandimby."},{"id":20,"translation":"Koa inona anefa no antony tsy mampino azy ireo?"},{"id":21,"translation":"Ary rehefa torina amin'izy ireo ny Kor'oany masina dia tsy manaiky ny hiankohoka izy ireo."},{"id":22,"translation":"Indrisy anefa fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,"},{"id":23,"translation":"Nefa I Allah dia mahafantatra tokoa izay kobonin'izy ireo."},{"id":24,"translation":"Koa ampahafantaro azy ireo ny fahamaizana mangirifiry,"},{"id":25,"translation":"َAfa-tsy izay nino sy nanao asa soa, izy ireo dia hahazo valisoa tsy manam-petra."}]},{"id":85,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,"},{"id":2,"translation":"sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;"},{"id":3,"translation":"sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona."},{"id":4,"translation":"Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )"},{"id":5,"translation":"Amin'ny afo feno kitay,"},{"id":6,"translation":"ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany."},{"id":7,"translation":"Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino."},{"id":8,"translation":"Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,"},{"id":9,"translation":"Azy ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany; Allah ilay vavolombelona amin'ny zava-drehetra,"},{"id":10,"translation":"Tena marina, fa ireo izay nampijaly ny mpino, ka tsy mibebaka tamin'izany dia hahazo ny famaizana ao amin'ny Afo be ary ho dorana,"},{"id":11,"translation":"Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa kosa dia hahazo ny paradisa izay ahitana renirano mikoriana eo ambany; izany no tena fahombiazana lehibe."},{"id":12,"translation":"Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika."},{"id":13,"translation":"Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty."},{"id":14,"translation":"Izy ilay mpamela heloka sy be fitiavana,"},{"id":15,"translation":"Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra."},{"id":16,"translation":"Mahanteraka izay sitrany."},{"id":17,"translation":"Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?"},{"id":18,"translation":"Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany"},{"id":19,"translation":"nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,"},{"id":20,"translation":"Allah dia mamatotra azy ireo noho izany,"},{"id":21,"translation":"Izy io anefa dia Kor'oany be voninahitra,"},{"id":22,"translation":"Voatahiry anaty takelaka masina."}]},{"id":86,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho."},{"id":2,"translation":"Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany?"},{"id":3,"translation":"Ilay kintana feno famirapiratana."},{"id":4,"translation":"Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina,"},{"id":5,"translation":"Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy?"},{"id":6,"translation":"Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy."},{"id":7,"translation":"izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana."},{"id":8,"translation":"tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty,"},{"id":9,"translation":"amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po,"},{"id":10,"translation":"ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy,"},{"id":11,"translation":"Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana,"},{"id":12,"translation":"sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry,"},{"id":13,"translation":"fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga,"},{"id":14,"translation":"ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory,"},{"id":15,"translation":"Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino),"},{"id":16,"translation":"Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany,"},{"id":17,"translation":"Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany."}]},{"id":87,"verses":[{"id":1,"translation":"Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!"},{"id":2,"translation":"izay nahary sy nandavorary,"},{"id":3,"translation":"Ilay nandahatra sy nitantana,"},{"id":4,"translation":"Izay nampitsiry ny vilona,"},{"id":5,"translation":"ka nanao izany ho maina sy malazo avy eo,"},{"id":6,"translation":"hampamakianay ianao mba tsy hanadino,"},{"id":7,"translation":"afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,"},{"id":8,"translation":"Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,"},{"id":9,"translation":"Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana."},{"id":10,"translation":"fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana"},{"id":11,"translation":"Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,"},{"id":12,"translation":"izay ho dorana amin'ny afo be,"},{"id":13,"translation":"avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!"},{"id":14,"translation":"Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,"},{"id":15,"translation":"sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony ka nivavaka,"},{"id":16,"translation":"nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,"},{"id":17,"translation":"kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay."},{"id":18,"translation":"Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,"},{"id":19,"translation":"dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy"}]},{"id":88,"verses":[{"id":1,"translation":"Moa ve tonga taminao ny tantaran'ilay mpandrakotra?"},{"id":2,"translation":"hisy endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fahatahorana,"},{"id":3,"translation":"sahirana sy torovana,"},{"id":4,"translation":"ka ho dorana ao anaty afo miredareda,"},{"id":5,"translation":"hampisotroina avy amin'ny loharano mangotraka,"},{"id":6,"translation":"ary tsy hanan-tsakafo afa tsy karazan-tsilo izy ireo."},{"id":7,"translation":"ka tsy hampatavy azy ireo izany no koa tsy hanala ny hanoanana,"},{"id":8,"translation":"hisy koa ireo endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fiadanana,"},{"id":9,"translation":"faly tamin'ny ezaka vitany,"},{"id":10,"translation":"hiditra ny Paradisa mendrika tokoa,"},{"id":11,"translation":"ka tsy haheno ao anatin'izany ireo teny maloto,"},{"id":12,"translation":"hita ao anatin'izany koa ny loharano mikoriana,"},{"id":13,"translation":"fandriana avo toerana,"},{"id":14,"translation":"ary kaopy efa voahomana,"},{"id":15,"translation":"ireo ondana tsara lahatra,"},{"id":16,"translation":"ireo lamaka mivelatra,"},{"id":17,"translation":"moa tsy nodinihin'izy ireo ny rameva, ahoana ny fomba nahariana azy?"},{"id":18,"translation":"ary ny lanitra, nanao ahoana ny fomba nampiakarana azy?"},{"id":19,"translation":"Ireo ny tendrombohitra, nanao ahoana ny fomba nametrahana azy?"},{"id":20,"translation":"ary ny tany, ahoana ny fomba nampitoviana azy?"},{"id":21,"translation":"Koa mampahatsiahiva ! Fa raha ny tena marina dia mpampahatsiahy ihany ianao."},{"id":22,"translation":"Fa tsy mpifehy azy ireo ianao."},{"id":23,"translation":"afa-tsy izay manome lamosina sy mpikomy."},{"id":24,"translation":"Satria Allah dia hanasazy azy amin'ny famaizana mafy tokoa."},{"id":25,"translation":"Tena marina! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray."},{"id":26,"translation":"Ary eo am-pelatanako ny fitsaràna azy ireo."}]},{"id":89,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy."},{"id":2,"translation":"Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah)."},{"id":3,"translation":"Ny amin'ny ankasa sy tsy ankasa."},{"id":4,"translation":"ny amin'ny alina rehefa mandalo."},{"id":5,"translation":"moa va izany tsy fianianana ho an'ireo manan-tsaina ?"},{"id":6,"translation":"Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?"},{"id":7,"translation":"Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?"},{"id":8,"translation":"Izay tsy nisy namboarina toa azy amin'ireo firenen-drehetra !"},{"id":9,"translation":"Niaraka tamin'ny Samodo izay nanao lava-bato teny an-dohasaha."},{"id":10,"translation":"Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona."},{"id":11,"translation":"Izay nihoa-pefy tao amin'ny firenen'izy ireo."},{"id":12,"translation":"Ary nampiely faharatsiana maro tao."},{"id":13,"translation":"Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo."},{"id":14,"translation":"Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra."},{"id":15,"translation":"Ny olombelona rehefa notsapàn'ny Tompony ka notahiny sy nomeny fahasoavana, dia hiteny izy ireo hoe : \"Nitahy ahy ny Tompoko\"."},{"id":16,"translation":"Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : \"tsy norarahin'ny Tompoko aho\"."},{"id":17,"translation":"Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo."},{"id":18,"translation":"Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo."},{"id":19,"translation":"Fa manao ampihi-mamba ny lovan'ireo kamboty."},{"id":20,"translation":"Tena tia harena diso tafahoatra ianareo !"},{"id":21,"translation":"Tsia ! Rehefa montsana ka hihorohoro araka izay tsy izy ny tany."},{"id":22,"translation":"ary ho tonga ny Tomponao sy ireo anjely hitandahatra,"},{"id":23,"translation":"koa amin'izany andro izany dia haseho ny Afobe, dia ilay andro izay hahatsiarovan'ny olombelona, nefa inona intsony moa no ilany ny fahatsiarovana amin'izany fotoana izany ?"},{"id":24,"translation":"ka hiloa-bava hoe : \"tahaka izay aho mba nanao hatsarana ho amin'ny fiainako ho avy !\""},{"id":25,"translation":"Amin'izany andro izany dia tsy hisy famindram-po ny famaizan'I Tompo Allah,"},{"id":26,"translation":"ary tsy hisy famindram-po tahaka izany ihany koa ny famatoran-drojon'I Allah,"},{"id":27,"translation":"O ry fanahy feno fahatoniana !"},{"id":28,"translation":"Miverena ianao any amin'ny Tomponao am-pahatoniana sy feno fakansitrahana."},{"id":29,"translation":"Mandrosoa ho anisan'ny mpanompoko."},{"id":30,"translation":"Ary midira ho ao amin'ny Paradisako."}]},{"id":90,"verses":[{"id":1,"translation":"Tsia!Mianiana amin'ity tanana ity Aho."},{"id":2,"translation":"sy ianao io izay monina amin'ity tanàna ity !"},{"id":3,"translation":"Ary amin'ny ray sy ny naterany !"},{"id":4,"translation":"Efa nohariako ho amin'ny tolona ny olombelona."},{"id":5,"translation":"Koa moa va izy ireo mihevitra fa tsy hisy hanohitra azy ireo na oviana na oviana ?"},{"id":6,"translation":"Ary hiteny hoe : \"nandanindany harena maro aho ! Nandany tsy amin'ny antony.\""},{"id":7,"translation":"Moa ve mihevitra koa izy fa tsy misy manara-maso ?"},{"id":8,"translation":"Moa va tsy nohariako ho azy ireo ny masony roa ?"},{"id":9,"translation":"Ny lelany sy ny molony roa ?"},{"id":10,"translation":"Ary efa nampahafantariko azy ireo ny lalana roa."},{"id":11,"translation":"kanefa tsy niady tamin'ny lalan'ny fahasarotana izy."},{"id":12,"translation":"Moa va fantatrao izany lalan'ny fahasarotana izany ?"},{"id":13,"translation":"Dia ny famotsorana mpifatotra nandevozina,"},{"id":14,"translation":"Na fampihinanana amin'ny andron'ny mosary."},{"id":15,"translation":"ny havana kamboty"},{"id":16,"translation":"na ny mahantra mitrongy vao homana,"},{"id":17,"translation":"Ary dia mba ho anisan'ireo mpino sy mpampirisika amin'ny faharetana sy ny fifampiantrana,"},{"id":18,"translation":"Izy ireo no olon'ny ankavanana."},{"id":19,"translation":"Ary ireo izay tsy nino ny faminaniako kosa dia izy ireo no olon'ny afo be ankavia,"},{"id":20,"translation":"Ka hanepotra azy ireo ny afo."}]},{"id":91,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny masoandro sy ny fisandratany."},{"id":2,"translation":"Sy amin'ny volana rehefa nandimby ny masoandro Izy."},{"id":3,"translation":"Sy amin'ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro,"},{"id":4,"translation":"Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra ny andro izy,"},{"id":5,"translation":"Sy amin'ny lanitra sy izay nahariana azy,"},{"id":6,"translation":"Sy amin'ny tany sy izay nampitoviana aminy tamin'ny namelarana azy."},{"id":7,"translation":"Sy amin'ny fanahy sy izay nandavorariany azy."},{"id":8,"translation":"Izay nampahafantatra azy ny fitondran-tena ratsy sy ny fahaizana mitandrina."},{"id":9,"translation":"Sambatra tokoa izay nanadio ny fanahiny,"},{"id":10,"translation":"Ary tena maty antoka izay nandoto ny azy."},{"id":11,"translation":"Nandà tamin'ny alalan'ny fihoaram-pefy ireo vahoaka Thamodo."},{"id":12,"translation":"Rehefa nitsangana ilay mahantra indrindra tamin'izy ireo mba hamono ilay rameva."},{"id":13,"translation":"Ka niteny tamin'izy ireo ny irak'I Allah hoe : \" tandremo fa ramevan'i Tompo Allah io ! Avelao izy hisotro rano.\""},{"id":14,"translation":"Kanefa tsy nino izy ireo ary dia novonoiny ilay rameva. Ary nanafay azy rehetra noho izany ny Tompony, vokatry ny tsy fatahoran'izy ireo."},{"id":15,"translation":"Tsy nanan-tahotra na dia kely ny amin'ny mety ho vokatr'izany velively i Tompo Allah,"}]},{"id":92,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny alina mikitroka,"},{"id":2,"translation":"Amin'ny andro rehefa miposaka mamiratra izy,"},{"id":3,"translation":"Amin'ny nahariana ny lahy sy ny vavy."},{"id":4,"translation":"Fa raha ny tena marina, ny asanareo dia samihafa,"},{"id":5,"translation":"Ary ho an'ilay malala-tanana sy manam-patahorana an'I Allah."},{"id":6,"translation":"Ary manamarina ny fisian'ny valisoa tsara indrindra."},{"id":7,"translation":"Ary ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahamorana."},{"id":8,"translation":"Fa ho an'ireo izay kahihitra sy miseho ho mahavita tena kosa."},{"id":9,"translation":"Ary mandà ny fisian'ny valisoa tsara indrindra,"},{"id":10,"translation":"Dia ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahasarotana."},{"id":11,"translation":"Ary tsy hahavita na inona aminy ny hareny rehefa hatsipy ao anaty Afobe izy."},{"id":12,"translation":"Tena adidinay tokoa ny fitarihana."},{"id":13,"translation":"Anay tanteraka ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra."},{"id":14,"translation":"Noho izany dia efa nampitandremako ilay afo milelalela ianareo."},{"id":15,"translation":"Ka tsy handoro afa-tsy ireo voahozona,"},{"id":16,"translation":"Dia izay tsy nino sy nandà izany."},{"id":17,"translation":"Ary hanalavitra izany kosa ny be fahatahorana an'i Tompo Allah."},{"id":18,"translation":"Dia izay manome ny hareny mba hanadiovana ny fanahiny,"},{"id":19,"translation":"Ary tsy misy na iza na iza eo anatrehany ka ahazo valim-pahasoavana."},{"id":20,"translation":"Afa-tsy nohon'ny fikatsahana ny tavan'ny Tompony Avo indrindra irery ihany."},{"id":21,"translation":"Eny ! Ho afa-po tsy ho ela izy."}]},{"id":93,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny misandratr'andro."},{"id":2,"translation":"Sy ny amin'ny alina mikitroka."},{"id":3,"translation":"Fa tsy nandao sy tsy nankahala anao ny Tomponao,"},{"id":4,"translation":"Ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra ho anao nohon'ny fiainana eto an-tany."},{"id":5,"translation":"Hanome fahasoavana ho anao ny Tomponao ka dia ho afa-po tokoa ianao noho izany."},{"id":6,"translation":"Moa va tsy hitany tao anatin'ny fahakambotiana ianao ka tsy noraisiny ?"},{"id":7,"translation":"Hitany tao anaty fahaverezana ianao ka dia notarihiny."},{"id":8,"translation":"ary hitany tao anatin'ny fahantrana lalina ianao ka dia nomeny ny ampy."},{"id":9,"translation":"Koa aza manao tsindry hazo lena ny kamboty."},{"id":10,"translation":"Ary aza atosi-boho-tanana ny mpangataka,"},{"id":11,"translation":"Fa lazao kosa ireo fahasoavan'ny Tomponao."}]},{"id":94,"verses":[{"id":1,"translation":"Moa tsy efa nosokafanay ve ny tratranao,"},{"id":2,"translation":"Ary efa nesorinay taminao ny enta-mavesatra,"},{"id":3,"translation":"Izay nitambesatra tao an-damosinao."},{"id":4,"translation":"Ary nasandray ho ambony ny anaranao"},{"id":5,"translation":"Tena marina fa aorian'ny fahasarotana dia ny fahamorana."},{"id":6,"translation":"Eny ! Aorian'ny fahasarotana dia ny fahamorana."},{"id":7,"translation":"Ka rehefa malalaka ianao dia mitsangana."},{"id":8,"translation":"Ary manàna faniriana ho any amin'ny Tomponao."}]},{"id":95,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny aviavy sy ny hazon'oliva."},{"id":2,"translation":"Sy amin'ny tendrombohitra Sinay."},{"id":3,"translation":"Amin'ity tanàna mandry fahalemana ity."},{"id":4,"translation":"Fa noharianay ho tonga lafatra tokoa ny olombelona."},{"id":5,"translation":"Ary naverinay any amin'ny farany ambany indrindra."},{"id":6,"translation":"afa-tsy izay nino sy nanao asa soa no tsy hitsahatra ka hahazo valisoa tsy manam-petra."},{"id":7,"translation":"Koa raha izany ary, inona no andainganao ny Andro farany ?"},{"id":8,"translation":"Moa tsy Allah va no mpitsara mendrika indrindra?"}]},{"id":96,"verses":[{"id":1,"translation":"Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay Nahary."},{"id":2,"translation":"Nahary ny olombelona tamin'ny vongan-drà."},{"id":3,"translation":"Vakio fa ny Tomponao dia be fitsimbinana."},{"id":4,"translation":"Izay nampianatra tamin'ny alalan'ny penina."},{"id":5,"translation":"Nampianatra ny olombelona ireo zavatra tsy fantany."},{"id":6,"translation":"Tsia ! indrisy anefa fa mihoa-pefy tokoa ny olombelona."},{"id":7,"translation":"Rehefa nahita ny tenany ho mahavita tena."},{"id":8,"translation":"kanefa any amin'ny Tomponao tokoa no hiverenana."},{"id":9,"translation":"Moa va hitanao ilay mandrara."},{"id":10,"translation":"Ny mpanompo rehefa hivavaka ?"},{"id":11,"translation":"Moa fantatrao va raha toa ka ao anatin'ny fahitsiana izy."},{"id":12,"translation":"Na naniraka ho amin'ny fahatahorana an'I Allah."},{"id":13,"translation":"Moa va hitanao raha tsy nino sy nandà izy?"},{"id":14,"translation":"Ary moa va tsy fantany fa mahita azy tokoa Allah ?"},{"id":15,"translation":"Tsia ! Raha tsy mijanona amin'zany izy dia hosintoniko eo amin'ny sangany !"},{"id":16,"translation":"Dia ilay sangan'ny mpandainga sy mpanota !"},{"id":17,"translation":"Ka tokony hiantso ireo mpiandany aminy izy."},{"id":18,"translation":"Fa ho antsoiko ihany koa ireo Anjely mpiambina ny Afobe."},{"id":19,"translation":"Tsia ! Aza mankàto azy ireo ianao fa miankohofa ary manatona Tompo Allah."}]},{"id":97,"verses":[{"id":1,"translation":"Tena marina fa nampidiniko tamin'ny alin'ny lahatra tokoa ny Kor'any."},{"id":2,"translation":"Moa fantatrao va inona izany alin'ny lahatra izany ?"},{"id":3,"translation":"Ny alin'ny lahatra dia tsara lavitra mihoatra ny arivo volana."},{"id":4,"translation":"Alina izay hidinan'ireo anjely sy ny fanahy nohon'ny alàlana avy amin'ny Tompon'izy ireo ho fanatanterahana ny baiko rehetra."},{"id":5,"translation":"Ary alina feno fiadanana izany mandra-pahatongavan'ny maraina vao mangiran-dratsy."}]},{"id":98,"verses":[{"id":1,"translation":"Ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ireo mpampikambana Tompo amin'ny hafa dia tsy nijanona tamin'ny tsy finoana mihitsy raha tsy tonga tamin'izy ireo ny porofo mazava."},{"id":2,"translation":"Dia ilay iraka avy amin'I Allah izany, izay mamaky ireo takelaka feno fahadiovana."},{"id":3,"translation":"Izay mifono faminaniana tsy miovaova."},{"id":4,"translation":"Ary tsy nitovy hevitra ireo izay rehetra nanolorana boky masina raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny porofo mazava tsara tamin'izy ireo."},{"id":5,"translation":"Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalaty) sy hanome ny ampaham-pananana (zakaty) ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika."},{"id":6,"translation":"Tena marina fa ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ny mpanompo sampy dia hiditra ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, izy ireo no tena zava-boary ratsy indindra."},{"id":7,"translation":"Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany."},{"id":8,"translation":"a ny valisoa azon'izy ireo avy amin'ny Tompon'izy ireo dia ny Paradisa honenana izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo ! Tompo Allah dia mankasitraka azy ireo, ary izy ireo koa dia mankasitraka Azy, toy izany no anjaran'izay matahotra ny Tompony."}]},{"id":99,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa hihorohoro mafy arak'izay tsy izy ny tany."},{"id":2,"translation":"ary hamoaka ny zava-draiketiny tao aminy izy."},{"id":3,"translation":"ka hiteny ny olombelona hoe : \"inona no nahazo ny tany ?\""},{"id":4,"translation":"Amin'izany andro izany ihany, dia hanambara ny vaovaony izy."},{"id":5,"translation":"Araka izay nambaran'ny Tomponao taminy."},{"id":6,"translation":"Amin'izany andro izany ihany, dia hivoaka ny fasany ny olombelona ka hisarantsaraka mba hampisehoany azy ireo ny asa vitan'izy ireo tsirairay avy."},{"id":7,"translation":"Koa izay nanao hatsarana na dia bitika tokoa aza dia hahita izany."},{"id":8,"translation":"Ary toy izany koa izay nanao faharatsiana na dia bitika aza dia mbola hitany izany."}]},{"id":100,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo."},{"id":2,"translation":"Ary mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony."},{"id":3,"translation":"Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina."},{"id":4,"translation":"Sy mampitora-jofo ny vovoka."},{"id":5,"translation":"ary miditra eo afovoan'ny fahavalon'izy ireo."},{"id":6,"translation":"Tena marina, ny olombelona dia mpaniratsira ny Tompony."},{"id":7,"translation":"Kanefa izy dia tena vavolombelona tokoa ny amin'izany."},{"id":8,"translation":"Ary fatra-pitia mafy ihany koa ny harena."},{"id":9,"translation":"Moa va tsy ho fantany rehefa hifokatra ireo izay ao am-pasana."},{"id":10,"translation":"Ary haseho miharihary izay rehetra nokobonin'ny fo."},{"id":11,"translation":"Tena marina; ny Tompon'izy ireo amin'izany andro izany dia Mahalala tsara ny momba azy ireo."}]},{"id":101,"verses":[{"id":1,"translation":"Ilay mikotrokotroka !"},{"id":2,"translation":"Inona moa ilay mikotrokotroka ?"},{"id":3,"translation":"Moa fantatrao va ilay mikotrokotroka ?"},{"id":4,"translation":"Dia ilay andro hahatonga ny olona ho toin'ny lolo mielim-patrana."},{"id":5,"translation":"Sy ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety."},{"id":6,"translation":"Ka ho an'izay mavesa-danja ny asa soa vitany."},{"id":7,"translation":"Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ireo !"},{"id":8,"translation":"Fa ho an'izay maivan-danja kosa ny asa soa vitany."},{"id":9,"translation":"Ny lavaka mangitsongitsoka no fonenan'izy ireo."},{"id":10,"translation":"Moa va fantatrao izany lavaka mangitsokitsoka izany ?"},{"id":11,"translation":"Afo mivaivay izay tsy izy."}]},{"id":102,"verses":[{"id":1,"translation":"Variana amin'ny fanangonan-karena tokoa ianareo."},{"id":2,"translation":"Eny , mandra-pahatongavanareo ao am-pasana."},{"id":3,"translation":"Tsia , mbola ho fantatrareo !"},{"id":4,"translation":"Eny , mbola ho fantatrareo marimarina tokoa !"},{"id":5,"translation":"Raha toa ka fantatrareo am-pahalalana marina."},{"id":6,"translation":"dia ho hitanareo tokoa ny afobe"},{"id":7,"translation":"ka ho hatrehin’ny masonareo marina izany."},{"id":8,"translation":"Ka amin'izany fotoana izany dia tsy maintsy hanontaniana ny amin'ireo harena maro be ianareo."}]},{"id":103,"verses":[{"id":1,"translation":"Mianiana Aho amin'ny fotoana."},{"id":2,"translation":"Fa tena marina, ny olombelona dia ao anatin'ny fahaverezana."},{"id":3,"translation":"Afa-tsy ireo izay nino sy nanao ny asa soa ary nifanananatra ny amin'ny fahamariana, sy nifananatra ihany koa tamim-paharetana."}]},{"id":104,"verses":[{"id":1,"translation":"Loza ho an'izay mpanendrikendrika sy mpifosa !"},{"id":2,"translation":"Izay nanangona harena sy nanisa izany."},{"id":3,"translation":"Mihevitra izy fa ny harena dia hampaharitra azy mandrakizay."},{"id":4,"translation":"Tsia ! Tsy maintsy hatsipiko ao anaty Afo izy."},{"id":5,"translation":"Moa fantatrao va izany Afo izany ?"},{"id":6,"translation":"Izany dia Afon'I Allah miredareda !"},{"id":7,"translation":"izay miantefa hatrany am-po."},{"id":8,"translation":"Ka hanepotra azy ireo."},{"id":9,"translation":"Ao anaty fefy mijoalajoala no sady mivelatra."}]},{"id":105,"verses":[{"id":1,"translation":"Moa tsy fantatrao va nanao ahoana no nanaovan'ny Tomponareo ireo olon'ny elefanta ?"},{"id":2,"translation":"Moa va tsy nataony nanjavona ny teti-dratsin'izy ireo ?"},{"id":3,"translation":"Ka nandefasany andiam-borona maro mifanesy izy ireo,"},{"id":4,"translation":"Izay nitoraka tanimanga avy amin'ny Afobe azy ireo."},{"id":5,"translation":"Ka nanao azy ireo ho toy ny ravi-mololo voatsakotsako."}]},{"id":106,"verses":[{"id":1,"translation":"Nohon'ny amin'ny fifanarahan'ireo koraisy."},{"id":2,"translation":"Ilay fifanarahan'izy ireo amin'ny fandehanana mandritra ny ririnina sy amin'ny fahavaratra."},{"id":3,"translation":"Dia aoka hanompo ny Tompon'ity trano masina ity izy ireo."},{"id":4,"translation":"Dia Ilay nampisakafo azy ireo tamin'ny hanoanana ary nanome fandriam-pahalemana azy ireo tao anatin'ny tahotra."}]},{"id":107,"verses":[{"id":1,"translation":"Moa hitanao va ny olona mampandainga ny Andro farany ?"},{"id":2,"translation":"Izany dia ireo izay manosi-bohon-tanana ny kamboty."},{"id":3,"translation":"Ary tsy mampirisika mihitsy amin'ny fampihinanana ny mahantra."},{"id":4,"translation":"Koa loza ho an'ireo mpivavaka."},{"id":5,"translation":"Izay manao an-tsirambina ny fivavahan'izy ireo."},{"id":6,"translation":"Sy ireo feno fisehosehoana."},{"id":7,"translation":"ary manakana ny fanampiana (ho an’izay mila izany)"}]},{"id":108,"verses":[{"id":1,"translation":"Tena marina tokoa fa nomeko anao ny fahasoavana sesehena."},{"id":2,"translation":"Koa mivavaha amin'ny Tomponao ary manolora sorona ho Azy."},{"id":3,"translation":"Fa izay mankahala anao, dia izy no ho lany tamingana tsy hanan-taranaka ."}]},{"id":109,"verses":[{"id":1,"translation":"Lazao hoe : \"O ! Ianareo tsy mpino,\""},{"id":2,"translation":"Izaho dia tsy manompo izay tompoinareo."},{"id":3,"translation":"Ary ianareo koa dia tsy manompo izay tompoiko."},{"id":4,"translation":"Eny ! tsy hanompo izay tompoinareo aho na oviana na oviana !"},{"id":5,"translation":"Ary ianareo koa dia tsy hanompo izay tompoiko."},{"id":6,"translation":"Ho anareo ny fivavahanareo, ary ho ahy kosa ny fivavahako !"}]},{"id":110,"verses":[{"id":1,"translation":"Rehefa tonga ny famonjen'I Allah sy ny fandresena."},{"id":2,"translation":"Ary hahita andian'olona maro hanaraka ny finoan'I Allah ianao."},{"id":3,"translation":"Dia hankalazao ny voninahitry ny Tomponao ary mibebaha Aminy, fa Izy no ilay feno famelan-keloka."}]},{"id":111,"verses":[{"id":1,"translation":"Aoka ho levona ireo tànana roan’i Abo Lahab, ary ho levona koa ny tenany."},{"id":2,"translation":"Tsy nahavita na inona na inona taminy ny hareny sy izay nangoniny."},{"id":3,"translation":"Ka hodorana ao anaty afo miredareda izy."},{"id":4,"translation":"Toy izany koa ny vadiny izay mitondra hazon-kitay feno tsilo,"},{"id":5,"translation":"ho eny am-bozony ny tady mafy vita amin'ny kofehy madinika."}]},{"id":112,"verses":[{"id":1,"translation":"Lazao hoe : \"Allah dia Tokana.\""},{"id":2,"translation":"Allah ilay hany ianteheran'ny rehetra."},{"id":3,"translation":"Tsy niteraka Izy no tsy nateraka ihany koa."},{"id":4,"translation":"Ary tsy misy na dia iray aza mitovy Aminy."}]},{"id":113,"verses":[{"id":1,"translation":"Lazao hoe : \"Izaho dia mitady fiarovana avy amin'ny Tompon'ny maraina vao mangiran-dratsy,"},{"id":2,"translation":"manoloana ny haratsiana ataon’ny zavatra nohariany"},{"id":3,"translation":"sy ny kitroky ny aizina rehefa alina tanteraka ny andro"},{"id":4,"translation":"Hanohitra ny haratsian'ireo mpamosavy, mpitsoka amin'ny vona Izy,"},{"id":5,"translation":"sy ny haratsian’ireo mpialona rehefa velom-pialonana"}]},{"id":114,"verses":[{"id":1,"translation":"Lazao hoe : \"mitady fiarovana avy amin'ny Tompon'ny olombelona aho."},{"id":2,"translation":"Ilay mpanjakan'ny olombelona."},{"id":3,"translation":"Andriamanitry ny olombelona."},{"id":4,"translation":"manoloana ny ratsy ataon’ny mpibitsibitsika miafina"},{"id":5,"translation":"izay maka fanahy ny fon’olombelona,"},{"id":6,"translation":"Na avy amin'ny jiny (Angatra / Matoatoa) izany na avy amin'ny olombelona izy ireny.\""}]}]
